Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy

Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy Actualité à Madagascar et dans le monde

📍 Mirefy 18 707,400 Kilometatra ireo routes Régionales eto Madagasikara izay ahitana "axe" miisa 662🛣🇲🇬Loharanom-baovao ...
12/04/2024

📍 Mirefy 18 707,400 Kilometatra ireo routes Régionales eto Madagasikara izay ahitana "axe" miisa 662🛣🇲🇬

Loharanom-baovao : Fonds Routier Madagascar

12/04/2024

Andapa: mpivady nifamaly, tonga t@ fifampikasihan-tanana ary niafara t@ fahafatesan'ilay ramatoa. Saika hamonotena ilay rangahy rehefa matiny ny vadiny.

🙄Ataon'ny olona fanahazam-bary ny lalana Ambohibary Sambaina rehefa miakatra ny variny🙄Tsy fanaovana izao ny lalana 😔 sa...
12/04/2024

🙄Ataon'ny olona fanahazam-bary ny lalana Ambohibary Sambaina rehefa miakatra ny variny🙄
Tsy fanaovana izao ny lalana 😔 satria mety hitera-doza.

Sary nindramina

🛑♟Laharana faha-2 no misy an'i  Fy Rakotomaharo, mpilalao échecs malagasy tamin'ny "Championnat universitaire français 2...
12/04/2024

🛑♟Laharana faha-2 no misy an'i Fy Rakotomaharo, mpilalao échecs malagasy tamin'ny "Championnat universitaire français 2024" tamin'ny taranja échecs.
🛑Notanterahina ny 6 sy 7 aprily teo izany tao Corse.

🐟Ahitam-pihenana isan-taona ny hazandrano vokatra ao Alao­tra.🛑Teo aloha, namokatra trondro 6 000 taonina isan-taona ny ...
12/04/2024

🐟Ahitam-pihenana isan-taona ny hazandrano vokatra ao Alao­tra.
🛑Teo aloha, namokatra trondro 6 000 taonina isan-taona ny farihy ao an-toerana, ankehitriny anefa 1 000 taonina isan-taona eo sisa ny vokatra azo🫤
🛑Manom­boka tototry ny atsanga ny farihy noho ny fahapotehan’ny ala manodidina, eo ihany koa ny tsy fanarahana ny lalàn’ny jono.
🛑Manodidina ny 20 000 ireo mpanjono mivelona amin’ny farihin’Alao­tra🛶

Loharanom-baovao: Gazety Taratra - sary : Carnets Madagascar

🌍 EUROPA LEAGUE▶️Milan 0-1 Roma▶️Bayer Leverkusen 2-0 West Ham▶️Benfica 2-1 Olympique de Marseille▶️Liverpool 0-3 Atalan...
12/04/2024

🌍 EUROPA LEAGUE

▶️Milan 0-1 Roma
▶️Bayer Leverkusen 2-0 West Ham
▶️Benfica 2-1 Olympique de Marseille
▶️Liverpool 0-3 Atalanta

🌍 CONFERENCE LEAGUE

▶️Olympiacos 3-2 Fenerbahce
▶️Viktoria Plzen 0-0 Fiorentina
▶️Aston Villa 2-1 Lille
▶️Club Brugge 1-0 PAOK

Aiza daholo ireo mpaka OM ato ?Ireto no 22 lahy hijoro voalohany amin'ny lalao hihaonan'i BENFICA sy MARSEILLE rehefa av...
11/04/2024

Aiza daholo ireo mpaka OM ato ?
Ireto no 22 lahy hijoro voalohany amin'ny lalao hihaonan'i BENFICA sy MARSEILLE rehefa avy eo amin'ny League Europa❗

🛑𝗧𝗢𝗘-𝗞𝗔𝗥𝗘𝗡𝗔 : Mety hiakatra ny vidin’ny lavanila eto Madagasikara toy ny fiakaran’ny vidin’ny cacao. Nanimba ny 50% ny v...
11/04/2024

🛑𝗧𝗢𝗘-𝗞𝗔𝗥𝗘𝗡𝗔 :
Mety hiakatra ny vidin’ny lavanila eto Madagasikara toy ny fiakaran’ny vidin’ny cacao. Nanimba ny 50% ny vokatra tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, toy ny ao amin’ny faritra SAVA.
🛑𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗠𝗢𝗡𝗜𝗡𝗔 :
Mikarakara fifaninanana ho an’ireo tovovavy rehetra tsy ankanavaka manerana ny Nosy ho ambasadaoro mandritra ny iray andro ny masoivoho amerikanina. Afaka mandray anjara ny tovovavy 14 ka hatramin’ny 18 taona.
🛑𝗧𝗥𝗔𝗡𝗚𝗔 :
Zaza 7 taona maty tsy tra-drano voadonan’ny taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Nosy Be tao amin’ny fokontany Besisika Borizany, faritra Sofia, afakomaly. Nirava avy nianatra teny amin’ny EPP io zazavavy io no izao tra-doza izao.
🛑𝗙𝗔𝗡𝗔𝗧𝗔𝗡𝗝𝗔𝗛𝗔𝗡𝗧𝗘𝗡𝗔 :
otanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny kianjan’Alarobia, ny fifantenana izay hisolotena an’i Ma­da­gasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ta­ranja atletisma sokajy «sé­ni­or», lahy sy vavy.

🛑🇷🇼Tamin’ny taona 2019 no nametrahan’i Rwanda vina ny hampidi-bola 1,5 miliara dolara avy amin’ny fitrandrahana harena a...
11/04/2024

🛑🇷🇼Tamin’ny taona 2019 no nametrahan’i Rwanda vina ny hampidi-bola 1,5 miliara dolara avy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany mialohan’ny faran’ny taona 2024. Mba hanatratrana izany dia niantso mpampiasa vola vahiny (IDE) maro izy ireo🏭
🛑Nivaly avy hatrany ny ezaka satria tamin’ny taona 2022, vola mitentina 772 tapitrisa dolara no niditra ary niakatra 1,1 miliara dolara ny vola niditra avy amin’io sehatra io tamin’ny taona 2023💰
🛑Nanambara ny tompon’andraikitra tany an-toerana fa kely sisa dia ho tratra ny tanjona ary tsy hijanona eo fa mbola hiantso IDE vaovao izy ireo satria araka ny fanadihadiana nataon’ireo manampahaizana dia mitentina 150 miliara dolara ny sandan’ny harena an-kibon’ny tanin’i Rwanda😊

🛑🪦Nandositra mpitandro filaminana, namoy ny ainy ireo roa lahy anisan’ny nanolana ankizivavy 12 taona tao amin’ny fokont...
11/04/2024

🛑🪦Nandositra mpitandro filaminana, namoy ny ainy ireo roa lahy anisan’ny nanolana ankizivavy 12 taona tao amin’ny fokontany Vohipasy, distrikan’i Vohipeno, omaly maraina.
🛑Karohina ilay naman’izy roa lahy lavo amin'izao fotoana izao.

Sary fanehoana

🛑🏟Tontosa ny zoma 5 aprily lasa teo, ny fitsirihana ny kianjaben’i Mahamasina nataon’i Josua Andries Hoebeb, «Inspecteur...
11/04/2024

🛑🏟Tontosa ny zoma 5 aprily lasa teo, ny fitsirihana ny kianjaben’i Mahamasina nataon’i Josua Andries Hoebeb, «Inspecteur» sady iraka manokan’ny CAF.
🛑Taorian’ny fitsirihany, nihaona tamin’ny filohan’ny FMF ny tenany saingy tsy nisy nipika ny resaka nifanaovan’izy ireo.
🛑Eo am-piandrasana ny valin’ny fitsirihana nataon’ny iraky CAF ny FMF amin'izao fotoana izao.

😇🛑Ho fampitana ny fahadiovana amin’ny mpianatra,  nanapa-kevitra ny hanao fifaninanana momba ny fahadiovana eny anivon’n...
11/04/2024

😇🛑Ho fampitana ny fahadiovana amin’ny mpianatra, nanapa-kevitra ny hanao fifaninanana momba ny fahadiovana eny anivon’ny sekolim-panjakana rehetra eto Antananarivo ny PDS an'Antananarivo, Richard Ramanambitana🧹🗑
🏫Izay sekoly madio indrindra kosa dia ahazo loka🏆😍

Sary nindramina

🪦⚰️Zazavavikely miisa 3 izay tsy hita popoka nandritry ny faharendrahana sambo mpifindra monina no hita faty manamorona ...
11/04/2024

🪦⚰️Zazavavikely miisa 3 izay tsy hita popoka nandritry ny faharendrahana sambo mpifindra monina no hita faty manamorona ny morontsiraka avaratra andrefan'ny Nosy Chios Grèce.
😮Mbola tsy fantatra mazava kosa anefa ny isan'ny olona hafa nandeha tamin'ity sambo rendrika ity.

🛑😮Roalahy nangalatra alikan'olona teny Ambohijanahary no hitan'ny  "caméra de surveillance", nanaovana fikarohana ary tr...
11/04/2024

🛑😮Roalahy nangalatra alikan'olona teny Ambohijanahary no hitan'ny "caméra de surveillance", nanaovana fikarohana ary tra-tehaky ny zandary. Nokasaina hamidy teny Talatamaty ity alika kely ity🐶

Sary: Compagnie de Gendarmerie Ambohidratrimo

🛑⚽ Resin'ny FC Barcelone tamin'ny isa 3-2 ny PSG alina🔥
11/04/2024

🛑⚽ Resin'ny FC Barcelone tamin'ny isa 3-2 ny PSG alina🔥

✝️Teo amin'ny faha 63 taonany no nodimandry i ANDRIAMAHEFA Emmanuel, mpilalao sarimihetsika malagasy. 🪦Ny sabotsy izao n...
11/04/2024

✝️Teo amin'ny faha 63 taonany no nodimandry i ANDRIAMAHEFA Emmanuel, mpilalao sarimihetsika malagasy.
🪦Ny sabotsy izao no tanterahina ny fandevenana azy eny amin'ny fasan-drazany Ambohimpanja Ilafy.
🖤Mankahery hatrany ireo akaiky azy.

🥹🛑Maherin'ny 160 000 ireo olona nafindra toerana tao atsinanan'i République de Congo ny volana martsa teo noho ny ady ra...
11/04/2024

🥹🛑Maherin'ny 160 000 ireo olona nafindra toerana tao atsinanan'i République de Congo ny volana martsa teo noho ny ady raha ny tatitry ny ONU.

🛑🌡Nahitam-piakarana ny maripana nandritry ny andro maromaro tamin'ity herinandro ity raha ny nambaran'ny Météo Madagasca...
11/04/2024

🛑🌡Nahitam-piakarana ny maripana nandritry ny andro maromaro tamin'ity herinandro ity raha ny nambaran'ny Météo Madagascar.
🛑Mitoetra hatrany any atsimon'ny Nosy kosa ilay rindrin-drahona ato anatin'ny roa andro ho avy fa ny sabotsy dia hahazo vahana ny varatraza izay tombanana hampidina ny maripana ho an'ny afovoan-tany sy ny morontsiraka atsinanan'ny nosy.

Sary: Météo Madagascar

🏉🇲🇬 Madagasikara, Afrika Atsimo, Cameroun ary Kenya no hiatrika ny Rugby Africa Women's Cup 2024 izao ho atao eny amin'n...
11/04/2024

🏉🇲🇬 Madagasikara, Afrika Atsimo, Cameroun ary Kenya no hiatrika ny Rugby Africa Women's Cup 2024 izao ho atao eny amin'ny kianja Maki Andohatapenaka ny 4 mey -12 mey 2024 izao.

Sary nindramina

🇲🇬🛰Eo an-dalam-pahatanterahina ny fampidirina ny "Starlink" eto Madagasikara ny ministeran'ny fampandrosoana nomerika sy...
10/04/2024

🇲🇬🛰Eo an-dalam-pahatanterahina ny fampidirina ny "Starlink" eto Madagasikara ny ministeran'ny fampandrosoana nomerika sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra.
🛑Amin'ny telovolana fahatelo amin'ity taona ity no vinavinaina hisitraka ny tolotra internet amin'ny alalan'ny satelita ity i Madagasikara.

🛑🌉Nisokatra androany ny fifamoivoizana eo amin'ny tetezan'i Manankolana amin'iny RN5 A izay eo anelanelan'Ambilobe sy Vo...
10/04/2024

🛑🌉Nisokatra androany ny fifamoivoizana eo amin'ny tetezan'i Manankolana amin'iny RN5 A izay eo anelanelan'Ambilobe sy Vohémar. Tapaka noho ny fandalovan'ny rivodoza Gamane moa izy ity.

🇷🇼 Miantoka ny 23% an'ny PIB any Rwanda ny fambolena sy fiompiana ary 55% an'ny mponina any an-toerana dia miasa amin'it...
10/04/2024

🇷🇼 Miantoka ny 23% an'ny PIB any Rwanda ny fambolena sy fiompiana ary 55% an'ny mponina any an-toerana dia miasa amin'ity sehatra ity avokoa🌱🐮 Ny fambolena sy fanondranana kafe, thé ary pyrèthre no tena mampalaza azy.🤝Tsy nandeha irery izy ireo nahafahana nanodina ireo vokatra fa niantso mpampiasa vola vahiny izay vao maika nampiroborobo ity sehatra ity 🏭
🛑 Ho an'ity taona ity hatramin'ny taona 2028, nanokana vola 62,83 tapitrisa dolara ny "Conseil national des exportations agricoles" any Rwanda miaraka amin'ireo mpampiasa vola ho fanatsarana ny vokatra.

10/04/2024

😮😪Zaza iray no maty voahitsaky ny camion androany tolakandro tany Antsirabe.

🛑🇲🇬Ho avy eto Madagasikara rahampitso i Gelson Fernandes. 🛑Mpilalao baolina kitra matianina fahiny ary Vice-President ny...
10/04/2024

🛑🇲🇬Ho avy eto Madagasikara rahampitso i Gelson Fernandes.
🛑Mpilalao baolina kitra matianina fahiny ary Vice-President ny klioba FC Sion ny tenany.
🛑Ankehitriny, mitana ny andraikitra "Directeur Regional de la division Associations Membres de la FIFA" aty amin'ny faritra Afrika izy ary isan'ireo mpitantana tanora indrindra (35 taona).

Loharanom-baovao: FMF

🛑📱Mikasa ny hametraka fitsipika vaovao mahakasika ny « pause numérique » eny anivon'ny kolejy any Frantsa i Nicole Bello...
10/04/2024

🛑📱Mikasa ny hametraka fitsipika vaovao mahakasika ny « pause numérique » eny anivon'ny kolejy any Frantsa i Nicole Belloubet, Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena 🇫🇷
🛑Tokony hamela ny findainy eo amin'ny fidiran'ny sekoly ny mpianatra rehetra ary ny hariva vao afaka mandray izany.
🛑Mba hamerana ny fiankinan-dohan'ny ankizy be loatra amin'ny finday sy mba hifantohan'izy ireo bebe kokoa amin'ny fianarana no anton'izao.

🛑Andrandraina handray anjara amin’ny lalao olympika hatao any Paris, ny Ankoay 3×3, ta­ranja basikety. Mbola hiatrika fi...
10/04/2024

🛑Andrandraina handray anjara amin’ny lalao olympika hatao any Paris, ny Ankoay 3×3, ta­ranja basikety. Mbola hiatrika fifaninanana hahazoana ny tapakila amin’izany anefa izy ireo.
🛑Ny 16 mey- 19 mey izao no hiatrika fifaninanana fifanintsanana amin’ny lalao olympika atao any Debrecen Hongrie, ny Ankoay.

🛑🔢Vitsy an'isa ny mpianatra liana amin'ny taranja siantifika eny amin'ny lisea raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra ir...
10/04/2024

🛑🔢Vitsy an'isa ny mpianatra liana amin'ny taranja siantifika eny amin'ny lisea raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra iray eo anivon'ny lisea Jean Joseph Rabearivelo (LJJR). 🛑Raha eo anivon'ity lisea ity, mpianatra 150 amina mpianatra 2215 ihany no nirona tamin'ny taranja siantifika😇

Loharanom-baovao: L'Express de Madagascar

👩‍🚒Azon'ny vehivavy atao tsara ny asan'ny mpamonjy voina. 🛑Izy no Ravelotody Herisoa ary sapeur pompier de 2 ème classe ...
10/04/2024

👩‍🚒Azon'ny vehivavy atao tsara ny asan'ny mpamonjy voina.
🛑Izy no Ravelotody Herisoa ary sapeur pompier de 2 ème classe izy.
🛑Anisany nahasarika azy hanao ity asa ity ny manodidina azy izay betsaka no mpamonjy voina ihany koa😇
🛑Nanomboka ny taona 2021 izy no niditra tao anatin'ny tontolon'ny mpamonjy voina.
👩‍🚒Maro hoy izy ny vehiavy miasa amin'io sampana mpamonjy voina io ary vitan'ny vehivavy tsara ihany koa izany asa izany💪

✍️Gazetiko

🪦Nodimandry io maraina i Emmanuel, mpilalao sarimihetsika malagasy. Ny sarimihetsika "Malok'ila" no nahafantarana azy. M...
10/04/2024

🪦Nodimandry io maraina i Emmanuel, mpilalao sarimihetsika malagasy. Ny sarimihetsika "Malok'ila" no nahafantarana azy.
Mankahery ny fianakaviany sy ireo mpilalao niaraka taminy🕊

🇲🇬🎞Isan'ireo tafiditra anaty vaomiera vaovao ao amin’ny "Fonds image de la Francophonie" ilay mpanatontosa sarimihetsika...
10/04/2024

🇲🇬🎞Isan'ireo tafiditra anaty vaomiera vaovao ao amin’ny "Fonds image de la Francophonie" ilay mpanatontosa sarimihetsika malagasy,Firoza Houssen. Ilay sarimihetsika fohy “Tetirano” izay nahazoany loka maro tamin'ny "Rencontres du film court ny taona 2015 no nahafantarana azy🥰

Sary nindramina

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy:

Videos

Share

TAUX DE CHANGE

27 JUILLET 2020