Federasiaonin'ny mpikanto ny teny sy ny soratra FMTS

Federasiaonin'ny mpikanto ny teny sy ny soratra FMTS TENY FANEVA
Teny ifampitàna,soratra ifandovàna
TENY FILA MATRA
Fitaovana,fifandraisana,Firaiketana

Atrik'asa momban'ny fanoratana. ny teny malagasy dia anisan'ny nandray anjara isika tato amin'ny FMTS, androany 15fevrie...
15/02/2024

Atrik'asa momban'ny fanoratana. ny teny malagasy dia anisan'ny nandray anjara isika tato amin'ny FMTS, androany 15fevrier 2024 izay natao tao amin'ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Anosy 👍👍👍

Ny androany
15/02/2024

Ny androany

Amin'alahelo lehibe no ilazana amintsika rehetra fikambanana mivondrona eto anivon'ny FMTS fa ny namantsika Cadet na And...
12/02/2024

Amin'alahelo lehibe no ilazana amintsika rehetra fikambanana mivondrona eto anivon'ny FMTS fa ny namantsika Cadet na Andriantsarazoky Jean Cadet dia nantsoan'ny Ray hody any aminy ny 11 Febroary
izy moa dia mpikambana feno eto anivon'ny FMTS ary birao am-perin'asa izao lasa izao
noho izany dia antsoana isika fikambanana mivondrona eto anivon'ny FMTS rehetra mba hifampizara ny mavesatra
Ka ny talata izao 13 Febroary 2024 izao amin'ny 4ora no hiara - hidodododo isika hankahery ny fianakaviany koa eo amin'ny GAMO Ampasampito no fotoana
Tongava maro isika fa eo no hampisehoantsika ny firaisan - kina amin'io namantsika io sy hanatanterahantsika ny adidy farany aminy
Miltondra famangiana ny isam-pikambanana

Sary fahatsiarovana an'ilay andro maneran-tany ho an'ny Kabary ny 15 janoary 2023 teny@IKM Antsahavola niarahana tamin'i...
26/01/2024

Sary fahatsiarovana an'ilay andro maneran-tany ho an'ny Kabary ny 15 janoary 2023 teny@IKM Antsahavola niarahana tamin'ireo fikambanana mpikabary 🙏🙏

NY Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina dia miantso maika antsika filoham-pikambanana mpikabary mba ho tonga hanatri...
04/01/2024

NY Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina dia miantso maika antsika filoham-pikambanana mpikabary mba ho tonga hanatrika ny fivoriana izay hatao ao ny Zoma ho avy izao 5 janoary koa manentana antsika rehetra ary ooo
Hoy ny DPLM

ARAHABAINA DAHOLO ISIKA MPIKAMBANA TRATRAN'NY ASARAMANITRA E!Miarahaba anao sy ny ankohonanao nahazo fanambinana ka naha...
01/01/2024

ARAHABAINA DAHOLO ISIKA MPIKAMBANA TRATRAN'NY ASARAMANITRA E!

Miarahaba anao sy ny ankohonanao nahazo fanambinana ka nahatratra ny taona 2024
Enga anie ho taom-pahombiazana sy fahasalamana ho antsika rehetra ity taona ity ! 🙏🙏🙏

SALAMA DAHOLO E ! 🙋Fivoriana iantsoana ny filoham-pikambanana rehetra mivondrona ato amin'ny FMTS Ny zoma 13 octobre ho ...
09/10/2023

SALAMA DAHOLO E ! 🙋
Fivoriana iantsoana ny filoham-pikambanana rehetra mivondrona ato amin'ny FMTS
Ny zoma 13 octobre ho avy izao dia antsoana isika filoham- pikambanana rehetra hivory aty amin'ny birao manomboka amin'ny 10 ora maraina
Dinika :
Fihatrehana ny 15 janoary 2024 andro iraisam-pirenen' ny kabary
-Ny 20-21 Martsa 2024 andro maneran- tany ho an'ny angano sy tononkalo .
-Resaka fizaràna mari-boninahitra.
-Ento ny adidy fanao isan-taona
Dia mirary ny fahatongavantsika rehetra ary tompoko o 🙋🙋🙋🙋🙋

Ramatoa minisitry ny kolotsaina sy ny serasera dia manasa antsika fikambanana mandrafitra ny FMTS mba hanotrona ny lanon...
06/10/2023

Ramatoa minisitry ny kolotsaina sy ny serasera dia manasa antsika fikambanana mandrafitra ny FMTS mba hanotrona ny lanonana izay hatao ao amin'ny Havoria (ORTM) Anosy rahampitso sabotsy 07 octobre 2023 amin'ny 02 ora tolakandro . Olona folo isam-pikambanana no hasaina
Marihana fa fitafiana malagasy no entina amin'io koa samia mikarakara ny ho solontenan'ny isam-pikambanana avy ary !

Salama daholo e ! 🙋Samia isika mba manao j'aime ny pejy mba hampiroboroboana azy ity e !Toy izany koa mba hanisy "réacti...
20/09/2023

Salama daholo e ! 🙋
Samia isika mba manao j'aime ny pejy mba hampiroboroboana azy ity e !Toy izany koa mba hanisy "réaction" an'izay zavatra havoaka ato fa natao ho antsika fikambanana mivondrona ato anatin'ny FMTS na Fédérasioan' ny teny sy ny soratra ange izy ity e!
Tiavo ny an'ny tena fa ny an'ny olona ange tsy homeny e !
(Sary fanehoana,ny filoha teny Ambavahadimitafo teny)

IREO MPIKAMBANA BIRAO MANDRAFITRA NY FMTS AMIN'IZAO FOTOANA IZAO 🙋🙋
14/09/2023

IREO MPIKAMBANA BIRAO MANDRAFITRA NY FMTS AMIN'IZAO FOTOANA IZAO 🙋🙋

13/07/2023

TAFA HATAON'NY FILOHA AO AMIN'NY TVM

Hitafa amintsika Malagasy ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry RAJOELINA ny alahady 16 jolay 2023 amin'ny 8ora alina.

Harahantsika mivantana ao amin'ny Televisiona Nasionaly sy ny Radiom-pirenena Malagasy.

Famaranana ny taom-pianaran'ny mpianatra teny@EPP Ambavahadimitafo,nandray anjara tamin'ny fanentanana sy fitantaràna an...
21/06/2023

Famaranana ny taom-pianaran'ny mpianatra teny@EPP Ambavahadimitafo,nandray anjara tamin'ny fanentanana sy fitantaràna angano ny solontenan'ny birao FMTS notarihan'ny filoha ny 19 jona lasa teo.Nahafaly ny ankizy teny ilay hetsika satria tsy mbola nisy toy izany
Ankasitrahana ny chef ZAP ao amin'ny firaisana faha-2 sy ny talen-tsekoly ary ny mpiara-miasa aminy, ireo mpampianatra rehetra sy ireo solontenan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra fa tsara fandraisana tokoa teny
Irariana soa koa ireo ankizy hanala ny fanadinana CEPE izay vory maro tao,mba hoafa-panadinana soamantsara
Mankasitraka anareo rehetra e ! Ho voanjo mitohy anie ny fiarahana toy ireny ,misaotra 🙏🙏🙏🙏

Salama e ! Ampahatsiahivina isika fa anio amin'ny 10 ora ilay fanasan'ny ministère eny@canal Olympia  solontena telo isa...
15/06/2023

Salama e !
Ampahatsiahivina isika fa anio amin'ny 10 ora ilay fanasan'ny ministère eny@canal Olympia solontena telo isam-pikambanan

Salama daholo ary e !Misy fanasàna nalefan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina tonga ato momba ny fankalazàna ny...
14/06/2023

Salama daholo ary e !
Misy fanasàna nalefan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina tonga ato momba ny fankalazàna ny iray volan'ny teny malagasy.
Izany dia hatao eny amin'ny Canal Olympia Andohatapenaka rahampitso alakamisy 15 jona 2023 amin'ny 9 ora sy sasany
Olona telo isam-pikambanana no hasaina
Mila tonga alohaloha izay solontena ho eny noho izany mba hizaràna ny fannasàna
Dia mirary ny hofahatongavan'ny solontena isam-pikambanana ary tompoko .

Nandray anjara tamin'ny  "mini-atelier de formation" ihany koa ny sasantsasany tamin'ny mpikambana tato amin'ny birao FM...
04/05/2023

Nandray anjara tamin'ny "mini-atelier de formation" ihany koa ny sasantsasany tamin'ny mpikambana tato amin'ny birao FMTS ka notolorana ny certificat fin de formation ,io moa ilay notontosaina tao amin'ny "efitrano Dox Tranombokim- pirenena Anosy
Mankasitra an'ireo nandray anjara dia mitomboa hasina daholo tompoko 🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏

Salama daholo tompokoMisy atelier d'écriture ity ka afaka misoratra anarana amin'ireo laharana eo amin'ny afisy ireo iza...
25/04/2023

Salama daholo tompoko
Misy atelier d'écriture ity ka afaka misoratra anarana amin'ireo laharana eo amin'ny afisy ireo izay liana 👇👇👇👇

17/04/2023

Salama daholo tompoko
Aza manana ahiahy isika izay mandefa soso-kevitra ireo na dia tsy mivoaka eto amin'ny pejy mivantana aza ny soso- kevitra nalefanareo fa hitanay daholo izy Ireny ary entinay eo amin'ny fivorian'ny birao dia anjaran'ny ao no manapa- kevitra na azo tanterahana na tsia
Rehefa azo tanterahana moa dia hivoaka hohita sy hohenontsika eo ihany
Mirary soa daholo indray ary tompoko 🙋🙋🙋🙋🙋🙋

Salama daholo tompoko o! 🙋Ilazàna isika fikambanana rehetra mivondrona ato anatin'ny FMTS fa hisy fivoriana hiarahantsik...
04/04/2023

Salama daholo tompoko o! 🙋
Ilazàna isika fikambanana rehetra mivondrona ato anatin'ny FMTS fa hisy fivoriana hiarahantsika ny zoma 7 aprily ho avy izao ato amin'ny birao ihany manomboka amin'ny 11ora ka hatramin'ny 12 ora
Antony: misy fiaraha- miasan'ny fédération amin'ny télé sy radio ,ka azontsika fikambanana mivondrona ato anatin'ny FMTS iseharana mandavan- taona .
Antsoana noho izany izay fikambanana liana ny amin'izany mba handefa solontena hanatrika an'io fivoriana io hanaovana ny fandaminana rehetra
Misaotra antsika mialoha izay mazoto ary tompoko🙏🙏🙏

Nifantoka tsara daholo ny mpianatra tany amin'ny sekoly nolalovan'ny FMTS nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam- pi...
23/03/2023

Nifantoka tsara daholo ny mpianatra tany amin'ny sekoly nolalovan'ny FMTS nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam- pirenena ho angano sy ny tonononkalo ny 20-21 Mars lasa teo (teny amin'ny sekoly privée ampinga d'or eny Ambohimanarina ny sary eto )
Ankasitrahana daholo isika filoham-pikambana mivondrona ato amin'ny FMTS nanatenteraka an'izany 🙏🙏🙏🙏🙏🙏

22/03/2023

Salama daholo tompoko !
Vita soamantsara ny fankalazàna ny andro manetantany ho an'ny angano sy ny poezia izay nokarakaraintsika FMTS ny 20 sy 21 mars
Koa fisaorana antsika niara nisalahy rehetra tamin'izany no atolotra samia mitombo hasina daholo tompoko
Isaorana manokana ihany koa ny CISCO nanome alalana sy nanolotra sekoly maromaro teto Antananarivo nahafahantsika nanatanteraka an'izany
Koa ety am-pamaranana ary dia mirary antsika rehetra mba samy hahatratra ny fankalazàna izany amin'ny taona ho avy indray dia mankasitraka 🙏🙏🙏🙏 🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏

Salama daholo tompoko o!🙋🙋🙋Ampahatsiahivina ary isika rehetra fa ny alahady 12 Martsa izao ny fifampiarahabana nahatratr...
08/03/2023

Salama daholo tompoko o!🙋🙋🙋
Ampahatsiahivina ary isika rehetra fa ny alahady 12 Martsa izao ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao eto anivon'ny FMTS ka ny toerana dia eny Ambohimiandra sampanana Mandroseza " Espace Gasy Tsar'art "
Mitondra zava-pisotro tsy vakisarona sy fitsàko
Afaka manao karaoké amin'io ho an'izay manantalenta@izany
Dia manantena ny fahatongavanao sy ny fikambananao ,misaotra tompoko 🙏🙏🙏

Arahabaina daholo tompoko o! 🙋🙋🙋🙋Andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny Ankalazaintsika amin'ny fomba manetriketrik...
21/02/2023

Arahabaina daholo tompoko o! 🙋🙋🙋🙋
Andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny
Ankalazaintsika amin'ny fomba manetriketrika anio 21 febroary ny andro iraisam- pirenena ho an'ny tenin- dreny koa arahabaina daholo isika mpisehatra rehetra ao anatin'izany, izay mampiasa ilay teny malagasy izay teny nibeazana sy nanabeazana
Anisan'ny mandray anjara mavitrika amin'izany isika eto anivon'ny FMTS ka hofankalazàna an'izany dia nampiantso mpanao gazety teto amin'ny birao FMTS isika mba hamelabelarana mahakasika ny lohahevitry ny fankalazàna amin'ity taona ity, izay nosoloan'ny mpikamban'ny birao tena ,azontsika arahana amin'ny haino aman-jery RNM,MBS,TNTV moa izany famelabelarana izany
Dia mirary fety sambatra ho antsika mpikolo ny teny malagasy daholo ary tompoko ooo!
🙏🙏🙏🙏🙏

21/02/2023

Mirary ny soa sy ny tsara ho antsika rehetra amin'izao andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny izao 🙋🙋🙋

Salama daholo vé tompoko ooo! Indro ary atolotra antsika izay mitady azy ity arrêté ity: Arrêté laharana faha 498-2023 d...
05/02/2023

Salama daholo vé tompoko ooo!
Indro ary atolotra antsika izay mitady azy ity arrêté ity:
Arrêté laharana faha 498-2023 du 11 janvier 2023
Io ny laharan'ilay arrêté ny mari-boninahitra nivoaka ny 15 janoary 2023 ary ka lazao amin'izay mety tsy habita izao nefa mila azy io
Dia mirary soa indray ary tompoko samia mitombo hasina 🙋🙋🙋

Address

Ex Somacodis Analakely
Antananarivo

Opening Hours

09:00 - 17:00

Telephone

+261342570866

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Federasiaonin'ny mpikanto ny teny sy ny soratra FMTS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All

You may also like