14/12/2022
[๐๐๐๐๐ข๐ก๐๐ก๐ ๐ง๐๐ ๐๐ก'๐ก๐ฌ ๐๐๐๐ฆ๐ฃ๐ข๐ฅ๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐ฆ๐ฌ ๐๐ก๐ฌ ๐ช๐๐ฆ๐๐๐ก๐๐ง๐ข๐ก ๐๐]
13 desambra 2022, Washington DC
Nihaona tamin'ireo malagasy monina any Washington DC ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina ny 13 desambra 2022 mandritra ny dian'izy ireo any an-toerana.
Nifampizara tamin'ireto mpiray tanindrazana ireto, ireo tetikasa lehibe sy ireo ezaka ataonโny Fitondram-panjakana amin'ny sehatra maro ho fampandrosoana ny firenena ny Filoha nandritra izao fihaonana izao. Anisanโizany ny fanamboarana fotodrafitrasa maro toy ny lalambe migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina vao natomboka tsy ela, ny fanatsarana ny famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny fampiasana ny angovo azo havaozina, ny fametrahana ireo fotodrafitrasa manara-penitra samihafa manerana an'i Madagasikara toy ny oniversite, ny hopitaly, ny sekoly, sns... Eo ihany koa ny famahana ny olana any Atsimon'ny Nosy amin'ny alalan'ny ilay pipeline goavana miainga avy ao Efaho.
Naneho ny faniriany hitondra ny anjara birikiny moa ireto malagasy am-pielezana ireto ary nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa anisan'ny nomena anjara toerana anaty fanatanterahana ny PEM tokoa ireo malagasy monina any ivelany izay maniry ny andray anjara aminโny fampandrosoana ny firenena. "Ataovy izay azonareo hatao, aminโizay eo am-pela-tananareo, na aiza na aiza misy anareoโ hoy ny Filoha taminโireo Malagasy nihaona taminy.