Vovonan'ny Tanora Ekar Faralaza

Vovonan'ny Tanora Ekar Faralaza Communauté des jeunes Catholiques

⛪️AKON’NY FITSIDIHANA PASTORALY DISTRIKA FARALAZA 2024⛪️✅Tontosa soamantsara ny Visite Pastorale 2024 izay notarihan’ny ...
21/04/2024

⛪️AKON’NY FITSIDIHANA PASTORALY DISTRIKA FARALAZA 2024⛪️

✅Tontosa soamantsara ny Visite Pastorale 2024 izay notarihan’ny Ray aman-dreny teo anivon’ny Diosezy, i Vicaire Générale.
Izay nanomboka omaly Sabotsy 20 Aprily ka nifarana androany Alahady 21.

Am-betindresany moa ny hoe, « fiangonantsika ity, antsika ity, ka SAHIA mandray andraikitra mba ho fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra, ary SAMIA mahery».

👉Isaorana hatrany isika tanora rehetra amin’ny fahazotoana amin’ny hetsika rehetra atao eto anivon’ny fiangonana. Samia ho tahian’Andriamanitra😊.

💒✝️ALAHADIN’NY PAKA ✝️💒3️⃣1️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣Arahabaina daholo nahatratra ny PAKA 2024. Ilay Jesoa Kristy maty sy ni...
31/03/2024

💒✝️ALAHADIN’NY PAKA ✝️💒

3️⃣1️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣

Arahabaina daholo nahatratra ny PAKA 2024. Ilay Jesoa Kristy maty sy nitsanga-ko velona nandresy ny fahafatesana anie hitondra hery vao sy aina vao ao amin’ny fiainantsika tsirairay avy.
Manaova fety Sambatra.😊

✝️✝️ SABOTSY MASINA✝️✝️3️⃣0️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣FIARETAN-TORY ANKALAZANA NY FITSANGANAN'NY TOMPOEvanjely Masin'i Jesoa ...
30/03/2024

✝️✝️ SABOTSY MASINA✝️✝️

3️⃣0️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣

FIARETAN-TORY ANKALAZANA NY FITSANGANAN'NY TOMPO

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Masindahy Marka 16,1-8
Voninahitra anie ho Anao,ry Tompo!

" Efa nitsangan-ko velona i Jesoa Nazareanina , Ilay nofantsihana tamin'ny hazofijaliana"

Ary rahefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Magdalena, sy i Maria renin'i Jakôba, ary i Salôme, fa nikasa handeha hanosotra ny vatan'i Jesoa. Nony marainakoan'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nandeha izy telo vavy, ka tonga teo amin'ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. Ary izy ireo nifampilaza hoe:

✝️✝️✝️𝐙𝐎𝐌𝐀 𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀✝️✝️✝️2️⃣9️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣🛐𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐈𝐍𝐀 IREO TENY FITO NATAON’I JESOA KRISTY TEO AMBO...
29/03/2024

✝️✝️✝️𝐙𝐎𝐌𝐀 𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀✝️✝️✝️

2️⃣9️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣

🛐𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎𝐍'𝐍𝐘 𝐀𝐈𝐍𝐀

IREO TENY FITO NATAON’I JESOA KRISTY TEO AMBONY HAZOFIJALIANA .

1- “Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony”. (Lk 23,34).

2- "Lazaiko Marina aminao fa anio ihany dia hihaona amiko any am-paradisa ianao." (Lk 23,43)

3- "Ravehivavy, indro ny zanakao." (Jn 19,26)

4- "Ely, Ely, lamma sabaktany!, Ry Andriamanitra ô !, Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nilaozanao aho?." (Mt 27,46)

5 -"Mangetaheta Aho." (Jn 19,28)

6- "Tanteraka ny zavatra rehetra." (Jn 19, 30)

7- "Raiko o! Apetrako ao an-tananao ny fanahiko." (Lk 23, 46)

Mirary fiombonana feno amin'i Jesoa Kristy nijaly sy maty ho antsika 🙏

Tontolo Katolika

🗓️FANDAHARAM-POTOANA ERINANDRO MASINA
28/03/2024

🗓️FANDAHARAM-POTOANA ERINANDRO MASINA

❤️‍🔥❤️‍🔥❤️‍🔥ALAKAMISY MASINA❤️‍🔥❤️‍🔥❤️‍🔥2️⃣8️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣🥖🍷Fahatsiarovana ny namoronan’i Jesoa Kristy ny Eokari...
28/03/2024

❤️‍🔥❤️‍🔥❤️‍🔥ALAKAMISY MASINA❤️‍🔥❤️‍🔥❤️‍🔥

2️⃣8️⃣ MARTSA 2️⃣0️⃣2️⃣4️⃣

🥖🍷Fahatsiarovana ny namoronan’i Jesoa Kristy ny Eokaristia Masina.

🛐 Fetin’ireo Pretra rehetra.

🎉 Miarahaba ireo mpikambana rehetra ao amin’ny AFAFI-FET ihany koa.

🌿𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐃𝐈𝐍' 𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎 🌿𝑭𝑨𝑯𝑨𝑻𝑺𝑰𝑨𝑹𝑶𝑽𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑵𝑰𝑫𝑰𝑹𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑻𝑶𝑴𝑷𝑶 𝑻𝑨𝑶 𝑱𝑬𝑹𝑶𝑺𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨𝑳𝒐𝒌𝒐𝒏’𝒂𝒌𝒂𝒏𝒋𝒐: mena (chape na chasuble)➡️ Izao...
24/03/2024

🌿𝐀𝐋𝐀𝐇𝐀𝐃𝐈𝐍' 𝐍𝐘 𝐒𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐊𝐀𝐙𝐎 🌿

𝑭𝑨𝑯𝑨𝑻𝑺𝑰𝑨𝑹𝑶𝑽𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑵𝑰𝑫𝑰𝑹𝑨𝑵’𝑵𝒀 𝑻𝑶𝑴𝑷𝑶 𝑻𝑨𝑶 𝑱𝑬𝑹𝑶𝑺𝑨𝑳𝑬𝑴𝑨

𝑳𝒐𝒌𝒐𝒏’𝒂𝒌𝒂𝒏𝒋𝒐: mena (chape na chasuble)

➡️ Izao andro izao no ankalazan’ny Eglizy ny nidiran’i Kristy Tompo tao Jerosalema, fony izy nanatanteraka ny misterin’ny Pakany; koa tsarovana amin’ny Sorona rehetra anio izany.

Harem-pinoana Katolika

✝️RÉCOLLECTION MPIANDRAIKITRA Faritra, Paroasy, Distrika, Vikaria, Diosezy androany izay natao teny amin’ny Chapelle Bou...
17/03/2024

✝️RÉCOLLECTION MPIANDRAIKITRA Faritra, Paroasy, Distrika, Vikaria, Diosezy androany izay natao teny amin’ny Chapelle Bourbon Analamahitsy.

👉Mba ho vatsy tsara hoentina hiatrehana ny Paka anie ny fiatahana masina natrehantsika androany. Mankasitraka antsika😊.

14/02/2024

"Mifalia amin'ny fanantenana" Rom 12, 12

𝐅𝐀𝐌𝐁𝐎𝐋𝐄𝐍-𝐊𝐀𝐙𝐎 𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐉𝐎𝐌𝐀𝐊𝐄𝐋𝐘

Araka ny efa nampitaina tamintsika dia amin'ny Sabotsy 17 Febroary izao ny voly hazo iraisantsika anaty vovonana eto anivon'ny CEPAL.
Misy ny fanampiny sy fiovana kely eo amin'ny fikarakaràna sy fandaharam-potoana, izay efa hitantsika amin'ny sary etsy ambany.

Fanampim-panazavana: Misy ny asa sosialy izay hatao, fizaràna sakafo (indrindra vary) , fitaovam-pianarana, fitafiana (vehivavy 06 hatramin'ny 18 taona no omena azy) , izay fointsika io ka isika anaty fikambanana no entanina amin' izay ,afaka mitondra tsirairay ihany koa .

Samy manao izay hahatongavany eny, saingy misy fiara iraisana ihany miainga eo amin'ny CNPC Antanimena amin'ny saran-dalana 4.000 Ar (mandroso sy miverina) , aloa avy hatrany amin'ny fisoratana anarana , ao amin'ny birao CEPAL na miantso ny laharana : +261 34 08 943 01

𝙏𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖:
-Raha mandeha bus dia miala eo amin'ny Arrêt EKAR Anjomakely, ary mandeha tongotra mihazo ny Masera Fransiskana Ambohipiadanana
-Raha mandeha fiara manokana kosa dia afaka mivantana avy hatrany eny amin-dry Masera fa eny no hanaovana ny Lamesa.

Manantena antsika.

✝️KAREMY: FIBEBEHANA - FIFONANA - FIALANA AMIN’NY RATSY FANAO.✝️Anio Alarobia 14 Febroary, Alarobian’ny lavenona no sady...
14/02/2024

✝️KAREMY: FIBEBEHANA - FIFONANA - FIALANA AMIN’NY RATSY FANAO.

✝️Anio Alarobia 14 Febroary, Alarobian’ny lavenona no sady fiatombohan’ ny vanim-potoanan’ny Karemy.
👉Ry tanora: MIBEBAHA, MIOVA, IALAO NY RATSY FANAO.

🙏HIBEBAKA AHO ARY HINO NY EVANJELY

🙏Isaorana hatrany isika tanora rehetra amin’ny fiombonana
04/02/2024

🙏Isaorana hatrany isika tanora rehetra amin’ny fiombonana

Teo amin’ny tantaran’ny Eglizy Katolika dia vitsy ny Olomasina nisy fiantraikany lalina teo amin’ny tanora sy ny fanabea...
31/01/2024

Teo amin’ny tantaran’ny Eglizy Katolika dia vitsy ny Olomasina nisy fiantraikany lalina teo amin’ny tanora sy ny fanabeazana toa an’i Md Joany Bosco, izay antsoina matetika hoe Don Bosco. Nankalazaina tamin'ny 31 Janoary, mijanona ho modely manentana ny fanahy amin'ny fomba fiasany revolisionera amin'ny fanabeazana sy ny fanoloran-tenany tsy azo ihodivirana ho an'ny tanora, indrindra fa ireo sahirana.

Ny fiainan'i Md Joany Bosco

Teraka tamin'ny 1815 tao amin'ny tanàna kely iray akaikin'i Turin, Italia, i Jean Bosco dia lehibe tao anatin'ny fahantrana sy fahasahiranana. Kamboty tamin-drainy fony izy mbola kely, dia niaina fahantrana, izay nahatonga ny fangoraham-pony sy ny fanoloran-tenany ho an'ny ankizy sahirana. Notokanana ho pretra izy tamin’ny 1841, ary ny fanompoany dia nifantoka haingana tamin’ny fanabeazana sy ny fiadanan’ny tanora.

Fototry ny Salezianina

Don Bosco dia nanangana ny Fikambanan'i Saint Francis de Sales (Salesians) tamin'ny taona 1859, miaraka amin'ny iraka fanabeazana sy fitoriana ny filazantsara ho an'ny tanora. Ity kongregasiona ara-pivavahana ity, mifototra amin'ny foto-kevitry ny saina, ny fivavahana ary ny fitiavana, dia manova ny fomba fanabeazana amin'ny fanamafisana ny fitiavana fa tsy ny sazy.

Fomba fanabeazana nataon'i Don Bosco

Ny fomba fanabeazana nataon'i Don Bosco dia zava-baovao ary miorina mafy amin'ny soatoavina kristiana. Miaro ny pedagojia momba ny hatsaram-panahy izy, manasongadina ny fitiavana, ny fahatakarana ary ny fisian'ny ray. Mifanohitra tanteraka amin’ny fomba fampianarana henjana tamin’ny androny io fomba io, ary taratry ny fampianarana kristiana momba ny fahamendrehana sy ny fanajana ny tsirairay.

Ny fiantraikany sy ny lova

Ny fiantraikan'ny Md Joany Bosco amin'ny tanora sy ny fanabeazana dia goavana. Ny sekoly, ny trano fitaizana zaza kamboty ary ny atrikasa ao anatiny dia tsy manome fanabeazana sy asa ho an'ny tanora sahirana ihany, fa koa fiofanana ara-panahy sy ara-moraly. Amin’izao andro izao, dia manohy ny asany maneran-tany ny Salesiana, ka mijoro ho vavolombelon’ny lova navelany.

Famaranana

I Md Joany Bosco dia mijanona ho ohatra mamirapiratra amin'ny fomba ahafahan'ny finoana manova ny fiarahamonina. Ny fahitany sy ny fitiavany ny tanora dia mampahatsiahy ny Fiangonana sy izao tontolo izao ny maha zava-dehibe ny fanabeazana sy ny fikarakarana ny ankizy tsirairay. Eo am-pankalazana ny fiainany, dia mahazo aingam-panahy hanohy ny asa nanirahana azy isika, ary mahafantatra fa ny tanora tsirairay dia harena sarobidy, mendrika ny hotiavina, ny fanajana ary ny fitarihana ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa.

👉Miarahaba ireo olona mitondra ny anarana sy ny fiakambanana rehetra izay eo ambany fiarovan’i Md Don Bosco😊.

🔥Arahabaina manokana isika tanoran’ny Distrika Faralaza nahatratra izao fetin’i Don Bosco Olomasina Mpiaro antsika izao😊.

👉MD JOANY BOSCO: Mivavaha ho anay.



👉Akon’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona sehatra Diosezy Antananarivo izay natao teny amin’ny Sekoly Ste Chantale S...
21/01/2024

👉Akon’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona sehatra Diosezy Antananarivo izay natao teny amin’ny Sekoly Ste Chantale Soanierana!

Aterina ny fisaorana antsika tanora rehetra tonga niara-niombona teny androany😊.

Aza adino fa 4 Febroary indray ny fifampiarahabana nahatratra ny taona sehatra Distrika Faralaza-Ambohinanjakana koa dia manantena hatrany ny fiombonantsika tanora rehetra amin’ny hetsika toy ireny.😊

16/01/2024
👉👉Fiarahabàna nahatratra ny taona TANORA REHETRA ETO @ DIOSEZIN’ANTANANARIVO. 🔥Daty: 21 JANOARY 2024. 🔥Toerana: Ste Chan...
07/01/2024

👉👉Fiarahabàna nahatratra ny taona TANORA REHETRA ETO @ DIOSEZIN’ANTANANARIVO.

🔥Daty: 21 JANOARY 2024.
🔥Toerana: Ste Chantale Soanierana.
🔥Frais (spécial) & hofan-toerana: 5000Ar
🔥Fiaingàna maraina ao @ Ekar Faralaza.
🔥Samy mitondra ny sakafo sahaza azy avy ny tsirairay😊
🔥Fodiana: @3:30mn

‼️‼️Fara-fisoratana anarana: Zomà 19 Janoary isaky ny mpiandraikitra faritra

ARAHABAINA DAHOLO NAHATRATRA NY TAONA 2024. Ho taom-pahombiazana eo ambany fitantanan’Andriamanitra ho antsika tanora ha...
07/01/2024

ARAHABAINA DAHOLO NAHATRATRA NY TAONA 2024. Ho taom-pahombiazana eo ambany fitantanan’Andriamanitra ho antsika tanora hatrany anie ity taona vaovao ity. Misy ny vaovao tsara ho fantatra 😊

👉👉Fiarahabàna nahatratra ny taona 2024 TANORA REHETRA DISTRIKA FARALAZA-AMBOHINANJAKANA

🔥Daty: ALAHADY 04 FEBROARY
🔥Toerana: Ekar Masina Misely Faralaza
🔥Fahatongavana: maraina
🔥Lamesa:@10 ora
🔥11:30: Animation + lalao
🔥12:30: Sakafo atoandro(samy mitondra ny sahaza azy avy ny tsirairay)
🔥Aorian’izay dia koràna koa misy ny fandraisana anjara 2000Ar/tanora😊.
🔥Fodiana: 😊

Tongava maro ry tanora ah😊

02/01/2024

👉Fanambarana avy amin’ny fivondronam-ben’ny Eveka😊
👉Teboka faha-7 hafatra ho antsika tanora😊

Koa mazotoa ary mamaky hatramin’ny farany😊


01/01/2024

𝙈𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖𝙗𝙖 𝙖𝙣𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙧𝙖𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 𝙚𝙚 🎉

Mirary antsika tsirairay mba hombam-pahombiazana amin'izay mahasoa antsika, ho eo ambany fanilovan'ny Fanahy Masina hatrany amin'izay atao.
Mba ho taona zina ho antsika anie ity taona ity.

« ZAZA TERAKA ANATY ALIM-BE NO FAHAZAVANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO »🎄Eokaristia masina sy tantara an-tsehatra momba ny na...
24/12/2023

« ZAZA TERAKA ANATY ALIM-BE NO FAHAZAVANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO »

🎄Eokaristia masina sy tantara an-tsehatra momba ny nahaterahan’ny mpamonjy izay niarahana tamin’ny tanora teto amin’ny Ekar Faralaza😊.

👉Misaotra antsika tanora rehetra😊
🎄MIRARY NOELY SAMBATRA HO ANTSIKA TSIRAIRAY AVY.



Harem-pinoana Katolika🎊 ARAHABAINA I PAPA FRANSOA 🎊➡ Feno 87 taona anio, alahady 17 desambra 2023, i Papa François.Raha ...
17/12/2023

Harem-pinoana Katolika

🎊 ARAHABAINA I PAPA FRANSOA 🎊

➡ Feno 87 taona anio, alahady 17 desambra 2023, i Papa François.
Raha tsiahivina dia teraka tamin'ny 17 desambra 1936, tany Buenos Aires (Argentine) izy.

➡ Araka ny efa nampianarina antsika foana moa fa i Papa François no Papa faha-266 nitantana ny Eglizy Masina Katolika taorian'i Masindahy Piera Apostoly.

Koa Mirary Soa sy mivavaka ho azy isika, mba hanana fahasalama, hery sy tanjaka ahafahany manatanteraka hatrany ny adidy masina nankinin'i Jesoa Kristy aminy.

HOMBA AZY MANDRAKARIVA ANIE ANDRIAMANITRA TRINITÉ MASINA ❗

Aterina hatrany ny fisaorana anao Révérend père vicaire Olivier Benja Razafimanarivo, sady aumônier ny vovonan’ny tanora...
28/11/2023

Aterina hatrany ny fisaorana anao Révérend père vicaire Olivier Benja Razafimanarivo, sady aumônier ny vovonan’ny tanora.

Misaotra tamin’ny asa vita teto anivon’ny Distrika Misionera Faralaza nandritra izay 2 taona izay! Izy Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie homba anao mandrakariva ary hanampy amin’ny adidy masina izay mbola hiantsorohanao.

« MIFALIA AMIN’NY FANANTENANA » Rom 12, 12👉Isaorana Izy Andriamanitra trinité Masina👉Pretra miralahy eto anivon’ny Distr...
26/11/2023

« MIFALIA AMIN’NY FANANTENANA » Rom 12, 12
👉Isaorana Izy Andriamanitra trinité Masina
👉Pretra miralahy eto anivon’ny Distrika Misionera Faralaza
👉Ny birao filan-kevitra distrika sy Paroasy Faralaza/Ambohinanjakana
🔥ISIKA tanora rehetra izay tonga niatrika izao JMJ andiany faha-38 izao

Mba hanana hafaliana sy Fanantenana hatrany isika tanora rehetra eo am-piatrehana ny adidy lehibe ankinin’Andriamanitra amintsika ary mba ho hafaliana sy fanantenana isika ho an’ny manodidina antsika.

𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐏𝐀𝐏𝐀 𝐅𝐑𝐀𝐍𝐂̧𝐎𝐈𝐒 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟑𝟖 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀𝟐𝟔 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟑𝙁𝘼𝙇𝙔 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙉𝘼𝙉...
21/11/2023

𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐏𝐀𝐏𝐀 𝐅𝐑𝐀𝐍𝐂̧𝐎𝐈𝐒 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐍𝐄𝐑𝐀𝐍-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟑𝟖 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀

𝟐𝟔 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟑

𝙁𝘼𝙇𝙔 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝙁𝘼𝙉𝘼𝙉𝙏𝙀𝙉𝘼𝙉𝘼 (𝐣𝐫. 𝐑𝐨𝐦. 𝟏𝟐,𝟏𝟐)

𝘙𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘭𝘢𝘭𝘢,

Tamin’ny volana Aogositra lasa teo, nandritra ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora tany Lisbonne dia nihaona tamin’ny tanora namanareo aman-tapitrisany avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao aho. Tamin’ny fotoanan’ny valan’aretina, tao anatin’ny fisalasalana marobe, no namelomantsika ny fanantenana fa ho avy ny andro hahafahantsika hankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny fihaonana amin’i Kristy sy amin’ireo tanora hafa. Tanteraka izany fanantenana izany ary ho an’ny maro tamintsika izay tonga tany, isan’izany koa ny tenako, dia mihoatra noho ny nantenaina izany! Kanto fipoahan’ny hazavana sy ny hafaliana!
Tamin’ny faran’ny Sorona Masina teo amin’ny « Kianjan’ny fahasoavana » no nanambarako hoe any Séoul - Corée, amin’ny taona 2027 ny dingana manaraka amin’ny fivahinianana masina iraisam-pirenena. Nefa mialohan’izany dia manome fotoana anareo any Rôma aho amin’ny taona 2025, amin’ny Jôbilin’ny tanora, ka ho mpivahiny masin’ny fanantenana ihany koa ianareo amin’io fotoana io.

Ianareo, ry tanora, noho izany no fanantenana mitondra hafaliana ho an’ny Eglizy sy ny fianakaviam-ben’ny olombelona an-dalam-pivahinianana mandrakariva. Te hitantana anareo sy hamakivakivaky miaraka aminareo ny lalan’ny fanantenana aho. Te hiresaka aminareo momba ny hafaliantsika sy ny fanantenantsika aho, fa eo koa ny alahelo sy ny tebitebin’ny fontsika sy ny olombelona mijaly (jer. Ny Eglizy manoloana ny andro ankehitriny, Gaudium et spes, n.1). Mandritra izao taona roa fanomanana amin’ny jôbily izao, hodinihintsika aloha ilay tenin’i Md Paoly hoe: «Mifalia amin’ny fanantenana» (Rm 12,12), avy eo dia hohalalinintsika ny ambaran’Izaia Mpaminany hoe: «Izay miankina amin’ny Tompo, […] mandroso ka tsy hahatsiaro vizana» ( Iz 40,31).

𝘼𝙫𝙮 𝙖𝙞𝙯𝙖 𝙞𝙤 𝙝𝙖𝙛𝙖𝙡𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙤 ?

« Mifalia amin’ny fanantenana » (Rm 12,12), fanentanan’i Md Paoly an’ireo Eglizy tao Rôma izay niaina ny fotoan-sarotry ny fanenjehana lehibe izany. Miboiboika avy amin’ny misterin’ny Pakan’i Kristy, avy amin’ny herin’ny fitsanganany ho velona izany « ny hafalian’ny fanantenana » notorian’ny Apôstôly. Hafaliana tsy vokatry ny ezaky ny olombelona, na ny faharanitan-tsaina, na ny fahaiza-manao. Hafaliana mipoitra avy amin’ny fihaonana tamin’i Kristy izy. Avy amin’Andriamanitra mihitsy ny hafaliana kristianina satria fantatsika fa tiany isika.

I Papa Benoît faha-XVI teo am-pandinihana ny traikefa niainany nandritra ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora tany Madrid tamin’ny taona 2011 dia nanontany hoe: ny hafaliana, «avy aiza izy io? Ahoana ny hanazavana azy? Tsy isalasalana fa antony maro no miara-mihetsika amin’izany. Fa ny tena manan-danja dia […] ny antoka avy amin’ny finoana : nirina aho. Manana iraka ao amin’ny tantara aho. Ekena aho, tiana aho». Ary antitranteriny ny hoe: « amin’ny farany, mila fandraisana tsy misy fepetra isika. Fa raha raisin’Andriamanitra aho ary tena mahazo antoka tanteraka fa hoe: tsara aho raha misy […] tsara ny misy toy ny olombelona, eny fa na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza. Mahatonga hafaliana avy any anaty ny finoana» (Lahateny tao amin’ny Curie Romaine, ny 22 Desambra 2011)

𝘼𝙞𝙯𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙠𝙤 ?

Ny fahatanorana dia vanim-potoana feno fanantenana sy nofinofy, velomin’ny zava-misy mahafinaritra mampivoatra ny fiainantsika: ny hakanton’ny zavaboaary, ny fifandraisana amin’ny havantsika sy ny namantsika, traikefa ara-java-kanto sy ara-kolotsaina, ny fahalalana siantifika sy teknika, ireo ezaka manandratra ny fiadanana, ny rariny sy ny firahalahiana, ary ireo zavatra hafa ihany koa. Miaina amina vanim-potoana, izay ho an’ny maro, isan’izany ny tanora, toa tsy misy fanantenana intsony anefa isika. Maro amin’ireo namanareo izay miaina ao anatin’ny ady, ny herisetra, ny fanararaotana sy endri-pahoriana samihafa no latsaka ao anatin’ny famoizam-po, ny tahotra sy ny fahaketrahana ara-tsaina. Mahatsiaro tena ho toy ny migadra ao anatin’ny fonja maizin-kitrotra, tsy afaka mahita ny tara-masoandro. Porofo mampihoron-koditra amin’izany ny fiakaran’ny tahan’ny tanora mamono tena any amin’ny firenena maro. Amin’ny tranga toy izany, ahoana no ahatsapana ny hafaliana sy ny fanantenana resahan’i Md Paoly? Hatahorana kokoa aza ny fitombon’ny famoizam-po, ny fiheverena fa tsy misy dikany ny fanaovana asa soa, noho izy ireo tsy hankasitrahan’ny olona, araka ny hitantsika ao amin’ny bokin’i Jôba hoe: «Nankaiza ny fanantenako? Iza no afaka hahita ny hasambarako? » (Jb 17,15)

Manoloana ny loza manjo ny olombelona, indrindra ny fahorian’ireo tsy mana-tsiny, dia mangataka amin’ny Tompo ihany koa isika, araka ny fitaloahantsika aminy ao amin’ny Salamo sasantsasany: «Nahoana? » Mety ho anisan’ny valintenin’Andriamanitra anefa isika. Nohariany hitovy endrika aminy isika ka mety koa ho fanehoana ny fitiavany izay miteraka ny hafaliana sy ny fanantenana na dia any amin’izay heverina tsy ho afaka hahitana izany na oviana na oviana aza. Tonga ato an-tsaiko ilay mpilalao fototra amin’ilay sarimihetsika hoe «Mahafinaritra ny fiainana»; raim-pianakaviana tanora nahavita nanova ny hasarotry ny fiainana, tamim-pitandremana sy tamim-pisainana, ho zary karazana anjoria sy lalao, ka nanome «fijery feno fanantenana» ny zanany lahy teo ampiarovana azy tamin’ny habibiana tao amin’ny toby famonoana, niaro ny tsy maha manan-tsiny azy sy nisoroka ny hasiahan’ny olombelona mikasa handrombaka ny hoaviny. Tsy tantara noforonina fotsiny anefa ireo! Hitantsika ao amin’ny fiainan’ny olo-masina maro izay vavolombelon’ny fanantenana izany, eny fa na eo anivon’ny haratsiam-panahin’ny olombelona feno habibiana aza. Tsaroantsika amin’izany i Md Maximilien Marie Kolbe, i Mb Joséphine Bakhita na ilay mpivady Josef sy Wiktoria Ulma Olontsambatra miaraka amin’ny zanany fito mianadahy.
Ny fahafahana mamelona ny fanantenana ao am-pon’ny olombelona, avy amin’ny fijoroana vavolombelona ataon’ny kristianina no nohazavain’i Md Paul VI tamin’ny fampianarany, tamin’izy nampahatsiahy hoe: «Ny kristianina iray na vondrona kristianina ao amin’ny ankohonam-piainan’ny olombelona izay iainany dia mampamiratra, amin’ny fomba tsotra sy tsy miolikolika, ny finoany ny soatoavina izay mihotra ny soatoavina mahazatra, ary ny fanantenany amin’ny zavatra izay tsy hita, ary tsy sahintsika nofisina » (Fanentanana apôstôlika Evangelii nuntiandi, n. 21).

𝙉𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖 "𝙆𝙚𝙡𝙮"

I Charles Péguy, poeta frantsay, tamin’ny fiandohan’ny tononkalony momba ny fanantenana, dia niresaka momba ireo herim-panahy telo avy amin’Andriamanitra - ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana - ho toy ny mpirahavavy telo miara-mamindra:

«Miroso eo anoloan’ ireo zokiny mirahavavy i Fanantenana kely ary tsy narovana fotsiny izy.
[…]
Izy, ilay kely no manazatra ny rehetra.
Satria ny Finoana tsy mahita afa-tsy izay eo.
Ary izy, izy mahita izay ho avy.
Ny Fitiavana tsy mitia afa-tsy izay eo.
Ary izy, izy mitia izay ho avy
[…]
Ny tena marina, izy no mampandeha ireo roa hafa
ary izy no manazatra azy ireo
sy mampandeha ny rehetra ».
(Le porche du mystère de la deuxième vertu, Gallimard, 1986)
Resy lahatra amin’io toetra manetry tena, « madinika», io ihany koa aho, ary io nefa no fototry ny fanantenana. Hevero hoe: ahoana ny hahafahantsika miaina tsy misy fanantenana ? Hanao ahoana ny androntsika? Ny fanantenana no fanasin’ny fiainana andavanandro.

𝙉𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖, 𝙝𝙖𝙯𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙢𝙞𝙧𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙖𝙡𝙞𝙣𝙖

Ao amin’ny lovam-panahy kristianina amin’ny hateloana masin’ny Paka, ny Sabotsy masina no andron’ny fanantenana. Anelanelan’ny Zoma masina sy ny Alahadin’ny Paka, izy no toy ny mpanelanelana ny fahakivian’ny mpianatra sy ny hafalian’ny paka, hafalian’izy ireo amin’ny andro Paka. Io no toerana nahaterahan’ny fanantenana. Tsaroan’ny Eglizy, amin’io andro io, amim-pahanginana ny fidinan’i Kristy tany amin’ny toeran’ny maty. Azontsika jerena amin’ny endriky ny sary amin’ireo (kisary) icônes marobe izany. Asehon’ireo sary ireo amintsika i Kristy mitara-pahazavana izay midina any amin’ny haizina lalina indrindra sy namakivakivaky izany. Noho izany: tsy mihanona amin’ny fijerena amim-pitserana ny toeran’ny maty Andriamanitra na niantso antsika avy lavitra, fa miditra toy ny hazavana mamirapiratra ao amin’ny haizina amin’ny andram-piainantsika ao amin’ny afobe Izy ary mandresy an’izany (jer. Jo 1,5). Mahalaza tsara an’izany ny tononkalo iray amin’ny fiteny xhosa (Afrika atsimo) manao hoe: « Na dia very avokoa aza ny fanantenana, amin’ity tononkalo ity, dia fohaziko ny fanantenana. Nifoha ny fanantenako satria manantena ao amin’ny Tompo aho. Manantena aho fa hiombona isika! Mitomoera mafy amin’ny fanantenana, satria efa akaiky ny fiafarana tsara».

Raha mandinika tsara isika, dia ny fanantenan’i Maria Virjiny izany, nijanona naharitra teo am-pototry ny Hazofijalian’i Jesoa izy, nahazo antoka fa efa akaiky ny «fiafarana tsara». I Maria dia Vehivavin’ny fanantenana, Renin’ny fanantenana . Teo amin’ny Kalvery, «nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza» (Rm 4,18), tsy navelany ho faty tao am-pony ny fahatokiana ny fitsanganana ho velona nambaran’ny Zanany. Izy (I Maria) no mameno ny fahanginan’ny Sabotsy masina amin’ny fiandrasana amim-pitiavana sy feno fanantenana, amin’ny fampidirana ao an-tsain’ny mpianatra ny fahatokiana fa handresy ny fahafatesana i Jesoa ary tsy hanana teny farany ny ratsy.

Ny fanantenana kristianina dia tsy hoe fahatokiana mora foana na firaikena ho an’ireo olona mora mino ; fa fahatokiana mifototra amin’ny fitiavana sy ny finoana izy, tsy mamela antsika ho irery velively Andriamanitra, ary tazoniny ny fampanantenany : « Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao eo anilako» (Sal 22,4). Ny fanantenana kristianina dia tsy fandàvana ny fahoriana sy ny fahafatesana, ny fanantenana kristianina dia fankalazana ny fitiavan’i Kristy nitsangan-ko velona izay eo amintsika mandrakariva, na dia toy ny lavitra àry izy. I Kristy mihitsy ho antsika no hazavana lehiben’ny fanantenana sy tari-dalana ho an’ny alintsika, satria izy no « kintana mamirapiratra amin’ny maraina » ( Fanentanana apôstôlika Christus vivit, n. 33)

𝙈𝙖𝙢𝙚𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖

Indraindray, na dia efa nirehitra tao amintsika ny pitik’afon’ny fanantenana, dia mety ho sepotry ny ahiahy, ny tahotra sy ny vesatry ny fiainana andavanandro. Mila rivotra anefa io pitik’afo io mba hitohy hamiratra sy hamelona indray ny lelan’afon’ny fanantenana. Ny tsioka malefaky ny Fanahy Masina no mamelona ny fanantenana. Afaka mandray anjara amin’ny famelomana izany amin’ny fomba samihafa isika.

Velomina amin’ny vavaka ny fanantenana. Tehirizina sy havaozina ao amin’ny vavaka ny fanantenana. Kolokoloina amin’ny alalan’ny vavaka ny pitik’afon’ny fanantenana miredareda. «Ny vavaka no hery voalohan’ny fanantenana. Mivavaka ianao dia mitombo ny fanantenana, miroso hatrany ianao» (katesizy, 20 mai 202). Ny mivavaka dia toy misondrotra avo: matetika dia tsy mahita ny masoandro isika rehefa eto amin’ny tany satria rakotra rahona ny lanitra. Fa rehefa miakatra eo ambonin’ny rahona isika dia fonosin’ny hazavana sy ny hafanan’ny masoandro, ary amin’io andram-piainana io no ahazoantsika antoka fa eo mandrakariva ny masoandro, na dia majombona aza izao rehetra izao.

Ry tanora malala, rehefa mandrakotra anareo ny zavona matevin’ny tahotra, ny fisalasalana ary ny fampahoriana ka tsy mahita masoandro intsony ianareo, dia mizora amin’ny lalan’ny fivavahana. Satria « Raha tsy misy mihaino ahy intsony ny olona, Andriamanitra mihaino ahy foana » (Benoît XVI, taratasy ansiklika, Spe Salvi, n. 32). Manoloana ny tebiteby mahazo antsika, manokàna fotoana isan’andro hialàna sasatra ao amin’Andriamanitra: «Ao amin’Andriamanitra irery ihany no fitsaharako, eny, avy aminy no iavian’ny fanantenako» (Sal 61, 6)

Velomin’ny safidintsika isan’andro ny fanantenana. Ny fanasana mba hifaly amin’ny fanantenana, izay nataon’i Md Paoly ho an’ny kristianina tany Rôma (jer. Rm 12,12) dia mitaky safidy azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainana isan’andro isan’andro. Manasa anareo aho noho izany mba hifidy ny fomba fiaina mifototra amin’ny fanantenana. Manome ohatra anareo aho: ao amin’ny tamba-jotra sôsialy, toa mora kokoa ny mizara ireo vaovao ratsy noho ny vaovaon’ny fanantenana. Ka izao àry ny soso-kevitro: manandramà mizara ny tenin’ny fanantenana isan’andro. Meteza ho mpamafy fanantenana eo amin’ny fiainan’ny namanao sy ny olona rehetra manodidina anao. Noho izany, «ny fanantenana dia manetry tena, ary hatsaram-panahy miasa – ndeha ataontsika hoe - isan’andro[…].Tsy maintsy tsaroantsika, mandrakariva, fa manana tahiry isika, dia ny Fanahy izay miasa ao amintsika amin’ny zavatra madinika. » (Fandinihina masina ny maraina, 29 oktôbra 2019)

𝙈𝙖𝙣𝙙𝙧𝙚𝙝𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙞𝙡𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖

Mivoaka takariva miaraka amin’ny namanareo ianareo matetika, ary rehefa alina, dia raisinareo ny finday ary arehitrareo ny jiro mba hanome hazavana. Mandritra ny seho an-tsehatra goavana, aman’aliny ianareo no mampihetsika ny jiro moderna manaraka ny gadon’ny mozika, miteraka tontolo miavaka. Ny hazavana amin’ny alina dia mahatonga antsika hahita zavatra amin’ny fomba vaovao, ary na ao anatin’ny haizina aza, dia misy lafiny kanto miseho. Toy izany koa ny hazavan’ny fanantenana dia i Kristy. Amin’ny alalany, amin’ny alalan’ny fitsanganany ho velona no nanazavana ny fiainantsika. Miaraka aminy, hitantsika hoe vaovao ny zavatra rehetra..

Ny fanontaniana voalohany apetraky ny olona, araka ny voalaza, rehefa miresaka amin’ i Md Joany Paoly faha II momba ny olana iray dia hoe: «Ahoana no isehoan’izany eo ambany fanilovan’ny finoana ? ». Ny fijery hazavain’ny fanantenana ihany koa dia maneho ny zavatra amin’ny andro samy hafa. Koa manasa anareo aho mba hampihatra io fijery io eo amin’ny fiainanareo andavanandro. Entanin’ny fanantenana avy amin’Andriamanitra, ny kristianina dia ampoky ny hafaliana isan-karazany avy any anaty. Misy ary hisy mandrakariva ny fanamby sy ny olana, nefa raha itoeran’ny fanantenana « feno finoana » isika, dia hiatrika azy ireny eo am-pahafantarana fa tsy manana ny teny farany izy ireo ary ho tonga fanilo kelin’ny fanantenana ho an’ny hafa isika.
Mety ho tahaka izany ny tsirairay aminareo arakaraka ny maha azo tsapain-tanana ny finoany, mifandray amin’ny zava-misy sy ny tantaran’ny mpiray tampo aminy. Hevero ny mpianatr’i Jesoa izay, indray andro, tany an-tendrombohitra, nahita azy namirapiratry ny hazavana be voninahitra. Raha nijanona tany ambony tany izy ireo, dia mety ho fotoana mahafinaritra ho azy ireo izany, saingy voailika ny hafa. Tsy maintsy nidina izy ireo. Tsy tokony handositra izao tontolo izao isika, fa hitia ny vanim-potoana izay nametrahan’Andriamanitra antsika satria misy dikany izany. Tsy afaka ny ho sambatra isika raha tsy mizara amin’ireo rahalahy sy anabavy nomen’Andriamanitra antsika isan’andro ny fahasoavana noraisintsika.

Ry tanora malala, aza matahotra ny hizara amin’ny hafa ny fanantenana sy ny hafalian’i Kristy nitsangan-ko velona! Ny pitik’afo mirehitra ao aminareo, kolokoloy izy, nefa zarao ihany koa: ho tsapanareo fa hitombo izany! Tsy afaka hitazona ny fanantenana kristianina ho antsika samirery isika, ho toy ny fihetseham-po tsara, satria natao ho an’ny rehetra izany. Meteza indrindra ho eo akaikin’ny namanao izay mety mitsiky ety ivelany fa mitomany ao anaty, mahantra fanantenana. Aza manaiky hifindran’ny aretin’ny tsy firaharahana sy ny fiolonolonana : misokàfa hatrany, toy ny lalan-drano ikorianan’ny fanantenan’i Jesoa sy hanapariaka izany amin’ny toerana misy anareo.

«Velona i Kristy, fanantenatsika ary Izy no tanora kanto indrindra eto amin’izao tontolo izao » (Fanentanana apostolika Christus vivit, n.1). Izany no nosoratako tamin’ireo dimy taona lasa izay, taorian’ny Sinaody momba ny tanora. Manasa anareo rehetra aho, indrindra ho an’ireo izay mikatroka amin’ny pastôralin’ny tanora, mba handalina ny tahirin-kevitra farany tamin’ny 2018 sy ny Fanentanana apôstôlika « Christus vivit ». Tonga ny fotoana hiarahana mijery sy miasa amim-panantenana amin’ny fampiharana ny asan’iny Sinaody tsy hay hohadinoina iny.

Ankinintsika amin’ i Maria, Renin’ny Fanantenana ny fiainantsika rehetra. Mampianatra antsika hitondra an’i Jesoa, hafaliantsika sy fanatenantsika ao amintsika izy, ary hanome azy amin’ny hafa. Soavadia ry tanora malala! Mitso-drano anareo aho ary mitondra am-bavaka anareo. Ary ianareo ihany koa, mivavaha ho ahy!

𝘙𝘰𝘮𝘢, 𝘔𝘥 𝘑𝘦𝘢𝘯 𝘥𝘦 𝘓𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯, 09 N𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2023, 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘻𝘪𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘓𝘢𝘵𝘳𝘢𝘯

François
----------------------------------------------
𝐃𝐢𝐤𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐂𝐄𝐌 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐕𝐏𝐊𝐓

Imprimatur :

𝘚𝘌 𝘔𝘨𝘳 𝘑𝘦𝘢𝘯 𝘥𝘦 𝘋𝘪𝘦𝘶 𝘙𝘈𝘖𝘌𝘓𝘐𝘚𝘖𝘕
𝘈𝘳𝘴𝘦𝘷𝘦𝘬𝘢𝘯’𝘈𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘳𝘪𝘷𝘰

✝️ Fetin’i Kristy Mpanjaka 2023 ssdy andron’´y Tanora. 👉JMJ DISTRIKA: Sabotsy 25 - Alahady 26 Novambra 2023TOERANA: EKAR...
10/11/2023

✝️ Fetin’i Kristy Mpanjaka 2023 ssdy andron’´y Tanora.
👉JMJ DISTRIKA: Sabotsy 25 - Alahady 26 Novambra 2023

TOERANA: EKAR MASINA MISELY FARALAZA
FANDRAISANA: Sabotsy 25 Novambra@9ora maraina

VATSY: Vola: 5000Ar
Vary: 3kp

📣Fisoratana anarana: Any amin’ny mpiandraikitra isaky ny faritra😊
📣Fara fisoratana anarana: Alahady 19 Novembre

👉👉👉TONGAVA MARO EH😄🎙️🎙️📣📣

👉Tontosa Soamantsara ny fankalazàna ny fetin’i Md Joany Pôly faharoa!👉👉Isaorana lehibe Andriamanitra!🙏👉👉Isaorana lehibe ...
29/10/2023

👉Tontosa Soamantsara ny fankalazàna ny fetin’i Md Joany Pôly faharoa!

👉👉Isaorana lehibe Andriamanitra!🙏
👉👉Isaorana lehibe isika tanora rehetra 😁

👉👉JMJ DISTRIKA @25 - 26 NOVAMBRA indray ary ny fotoana eh😁

🇻🇦🇻🇦Ny 22 OKTOBRA dia mankalaza ny FETIN’I MD JEAN PAUL II isika. OLOMASINA MPIARO NY VOVONAN’NY TANORA eto amin’ny EKAR...
22/10/2023

🇻🇦🇻🇦Ny 22 OKTOBRA dia mankalaza ny FETIN’I MD JEAN PAUL II isika. OLOMASINA MPIARO NY VOVONAN’NY TANORA eto amin’ny EKAR MASINA MISELY FARALAZA.

Nofidina io daty io satria mifanitsy amin'ny andro nametrahana azy ho Papa. 1978 izany, 45 taona lasa izay.

Taorian’ny 27 taona naha-pôntika azy, tamin’ny andro nahafatesany, dia nitaky ny hanaovana azy ho olomasina eo no ho eo ny mpino. Porofon’ny maha-zava-dehibe an’io lehilahy io ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao. Voasokitra ao amin’ny tantara ny lovany, ary ao am-po ny fahatsiarovana azy.

Nanomboka tamin'ny antso avo tamin'ny 22 oktobra 1978 ny maha-pôntifa azy nandritra ny lamesa nametrahana azy. " Aza matahotra ! » namoaka ny pontiff vaovao ho an'ny vahoaka nivory tao amin'ny kianjan'i Saint-Pierre. " Aza matahotra ! Sokafy, sokafy malalaka ny varavarana ho an’i Kristy. Ho an'ny heriny manavotra, sokafy ny sisintanin'ny fanjakana, ny rafitra ara-politika sy ara-toekarena, ny sehatra midadasika amin'ny kolontsaina, ny sivilizasiona ary ny fampandrosoana. Aza matahotra ! Fantatr'i Kristy ny ao anatin'ny olona! Ary izy ihany no mahalala izany! "Ny tonony dia napetraka. Ny toriteny voalohany nataony dia fanalahidin'ny fahatakarana ny maha-pôntika azy: antso ho amin'ny fanantenana, ao anatin'ny tontolo voamariky ny Ady Mangatsiaka tamin'izany.

👉Nankinin’i Joany Paoly II tamin’ny fomba hentitra io fanantenana io TAMIN’NY TANORA: “Ianareo no ho avin’izao tontolo izao, fanantenan’ny Eglizy, ianareo no fanantenako.” Ary noho ny antony marim-pototra, tamin'ny 1984 izy no namorona ny Andro eran-tany ho an'ny tanora (JMJ). Nanantitrantitra toy izao izy nandritra ny iray tamin’ireo fivoriana ireo: “Ianareo no lehilahy sy vehivavy rahampitso; ao am-ponareo sy eo an-tananareo no misy ny ho avy. Ankinin’Andriamanitra aminao ny asa sarotra nefa mahafaly dia ny fiaraha-miasa Aminy amin’ny fananganana ny sivilizasionan’ny fitiavana. »

✝️MD JOANY POLY FAHAROA: MIVAVAHA HO ANAY😊.

Address

Ekar Faralaza
Antananarivo
ANTANANARIVO101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vovonan'ny Tanora Ekar Faralaza posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Vovonan'ny Tanora Ekar Faralaza:

Share

Nearby media companies