24/01/2025
ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FAMPIANARANA
✨"𝑫𝒊𝒂 𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒐 𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚, 𝒂𝒓𝒚 𝒓𝒆𝒔𝒂𝒉𝒐, 𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒑𝒆𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒓𝒂𝒏𝒐𝒏𝒂𝒐 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐, 𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒆𝒉𝒂 𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒏-𝒅𝒂̀𝒍𝒂𝒏𝒂, 𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒚, 𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒇𝒐𝒉𝒂" Deoteronomia 6:7 🌱
Amin'ny maha-ray aman-dreny antsika dia adidy lehibe napetraky ny Tompo tamintsika ny fampianarana sy fitariahana ny zanantsika 👼mba handraisany an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjiny. 🙏
Ny 85% ny fotoana eny anivon'ny fiaraha-monina ny zanantsika. Tsy azontsika ferana izay hitany sy horenesiny eny rehetra eny, ary tsy ilaozan'izay mety hisy hitarika azy amin'ny lalan-dratsy. ⚠️👀
Koa andeha hararaotintsika izay fotoana rehetra iarahantsika amin'ny zanantsika hampianarana azy ny antom-pisiany eto an-tany, iza ilay Andriamanintsika 🌟, tahaka ny ahoana ny halalin'ny fitiavany ny zanantsika ❤️, ny hiainany araka ny sitra-pon'ny Tompo 🙏 ary hametrahany Azy ho lohalaharana mandrakariva eo amin'ny fiainany.
Ankoatra ny famakiana Baiboly sy ny fivavahana atao isan'andro, dia azontsika atao koa ny mampifandray ny trangam-piainany andavanandro amin'izay ao anaty Soratra Masina, na amin'ny fitantarana tranga nianantsika ray aman-dreniny ka nahafahantsika naka lesona tamin'ny tsy mety natao fahiny, amin'ny hira, amin'ny kilalao maro samihafa...
Ny tena zava-dehibe dia ny hifankazarany amin'ny Tsitoha 🕊️, ary mba halalany sahady ny sitra-pon'ny Tompo sy izay tokony hataony manoloana izay tranga mbola tsy niainany mihitsy hatrizay 🌱, mba ho any amin'ny Tompo mandrakariva izy no hila hevitra amin'ny fiainany manontolo.
Zarina amin'ny lalana tokony halehany ny zanantsika, mba tsy hialany amin'izany na rehefa antitra aza. Dieny mbola zaza, hoy ny Tompo, andeha ary tsy hiandry azy ho lehibehibe fa na mbola zazakely mihitsy aza dia efa hozarintsika amin'ny fiainana miaraka amin'ny Tompo sahady. 😊
Mba samy ho vonona horaisin'ny Tompo ny tsirairay ao amin'ny ankohonantsika rehefa hiverina Izy 🥰😊
Azonao zaraina amin'ny zanakao : https://bibleappforkids.com/
Tahian'i Jesoa 🥰
'nyFitiavana 'nyTompo 'nyFitiavana