Muslim Media Malagasy

Muslim Media Malagasy Equipe mediathèque musulman à Madagascar

Vaovao tsara Alhamdolillah.Isaorana ny PRM Andry Rajoelina sy PM Christian Ntsay izay nanome fitokisana an'i Minisitry n...
14/11/2024

Vaovao tsara Alhamdolillah.
Isaorana ny PRM Andry Rajoelina sy PM Christian Ntsay izay nanome fitokisana an'i Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Moustapha Abdulah Marson. Isaorana koa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena zay nanome toky an'i prof Alain Abou Bakary ho DEEG ny MJS.

13/11/2024

Youthconnekt Africa 2K25, MJS, vaovao TVM.
Partagez.

fans
Muslim Media Malagasy

👳‍♂️   𝗔𝗟𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗨𝗦𝗟𝗜𝗠 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗚𝗔𝗦𝗬 🇲🇬𝗬𝗢𝗨𝗦𝗢𝗨𝗙 𝗕𝗘𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔  ,Izy no hisolotena ny an'i Madagasikara 🇲🇬 amin'ny fifaninana  iraisam-...
12/11/2024

👳‍♂️ 𝗔𝗟𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗨𝗦𝗟𝗜𝗠 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗚𝗔𝗦𝗬 🇲🇬

𝗬𝗢𝗨𝗦𝗢𝗨𝗙 𝗕𝗘𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗔 ,
Izy no hisolotena ny an'i Madagasikara 🇲🇬 amin'ny fifaninana iraisam-pirenena ny amin'ny tsianjery ny boky manan-kaja .
Izay nitantarehina nanomboka omaly Alatsinainy 11 Novambra 2024 hatramin'ny 21 Novambra 2024 hoavy izao.

12/11/2024

FSM no resaka eto an. Haventy le raha hatao @ le 24 novembre io incha Allah. De fa amboaro programme jiaby e.
Partagez 🙏🏽.
fans Muslim Media Malagasy

YOUTH CONNEKT AFRICA SUMMIT 2024 NISOKATRA AMIN'NY FOMBA OFISIALY ATY KIGALI, RWANDA 🇷🇼 Nisokatra tamin'ny fomba ofisial...
08/11/2024

YOUTH CONNEKT AFRICA SUMMIT 2024 NISOKATRA AMIN'NY FOMBA OFISIALY ATY KIGALI, RWANDA 🇷🇼

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany faha 8n'ny volana Novembra 2024 eto Kigali, renivohitr'i Rwanda ny hetsika Youth Connekt Africa Summit 2024.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny filoham-pirenena Rwandais Paul KAGAME izay mpanorina ny hetsika Youth Connekt Africa. Tazana aty an-toerana ihany koa ny sasan-tsasany amin'ireo Praiminisitra lehiben'ny governementa avy amin'ny firenena hafa sy ireo Minisitra misahana ny Tanora manerana an'ireo firenena 33 mandrafitra ny Youth Connekt Africa, ka anisan'izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Abdulah MARSON MOUSTAPHA izay misolotena ny fitondram-panjakana Malagasy 🇲🇬.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nambaran'ny filoha Rwandais fa ny fanatanterahana ny fifanarahana ho an'ny ho avy na ny "Pacte pour l'avenir" no antoka hampahomby ny Tanora eto amin'ny sehatra iompanany. Ireo tanora aty Afrika Dia anisany manana anjara biriky amin'izany hoy ny solotenan'ny PNUD raha nandray fitenenana tao aorian'ny filoha Paul KAGAME.
Lohahevitra tamin'ity Youth Connekt Africa Summit 2024 ity ny hoe fanomezana asa ho an'ny tanora amin'ny fanomezana fiofanana mahomby ho azy ireo Na "Emploi pour les jeunes grâce à des formations en compétences".
Hatreto, ankoatran'i Madagasikara, Zambia no firenena mifanandrina amintsika amin'ny filatsahan-kofidiana handray ny fihaonana an-tampon'ny Youth Connekt Africa Summit ho an'ny taona 2025.

Nitohy tamina famelabelaran-kevitra tamin'ny alalan'ny "pannel" ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Connekt Africa Summit. Fotoana ihany koa nahafahan'ireo tanora nametraka fanontaniana mivantana tamin'ireo antsoina amin'ny fiteny baiko hoe "panelistes".Handray anjara amin'izany ihany koa i Madagasikara ny atoandro amin'ny alalan'ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Malagasy.

Youthconnekt Africa. Participation des Malagasy avec les diaspora 👌💪.Partagez 🙏🏽
07/11/2024

Youthconnekt Africa. Participation des Malagasy avec les diaspora 👌💪.
Partagez 🙏🏽

Havaraka ra ty. Fahatongavanao to erany. Any koa mifanojy ei
06/11/2024

Havaraka ra ty. Fahatongavanao to erany. Any koa mifanojy ei

MJS. Combat International Guerroros omaly
03/11/2024

MJS. Combat International Guerroros omaly

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma 01 novembre 2024 ny fampiofanana momban'ny fahalalana andiany faha -3 izay ...
02/11/2024

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma 01 novembre 2024 ny fampiofanana momban'ny fahalalana andiany faha -3 izay tanterahina ao amin'ny 𝗠𝗼𝘀𝗾𝘂𝗲́𝗲 𝗦𝗮𝗹𝗮𝗺 𝗭𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗦𝗼𝗮𝗳𝗲𝗻𝗼 .

✅ Mandritra ny telo andro ny fotoana eto ary natao izao fampiofanana izao ho fampitomboana hatrany ny fahalalàna .

📍 Mahavelombolo ny fahavitrian'ny tanora manatsika izany , ary miavaka ity fiofanana ity , koa satria saika tazana ao an-toerana avokoa ireo mpianatra zandriny nahavita fianarana tao amin'ny Oniversite Islamika de Medine aty amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara
___________________________

01/11/2024

Fifehezana.
Sheikh Zackaria Mouhammad
Partagez 🙏🏽
Media Malagasy

Vaovao tsara Masha Allah. Hoantsika mitady toerana kilasy mandry. Ity misy tolotra hoanao.Contact Antananarivo : 034 74 ...
31/10/2024

Vaovao tsara Masha Allah. Hoantsika mitady toerana kilasy mandry. Ity misy tolotra hoanao.
Contact Antananarivo :
034 74 103 222/ 038 78 223 17.
Contact Mahajanga :
034 20 834 34/ 038 78 223 17.
Marihina fa manaparitaka vaovao ihany no asanay fa ts tompon'andraikitra.

Mbola ao anaty ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny FSM. Fifaninana tsianjery kor'an masina @ le 24 novembre incha Allah.
30/10/2024

Mbola ao anaty ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny FSM. Fifaninana tsianjery kor'an masina @ le 24 novembre incha Allah.

Madagascar sy Emirates. 𝟮𝟱 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰 - Mihamafy hatrany ny fifandraisana eo amin'i Madagasikara sy ny Émirats Arabes ...
30/10/2024

Madagascar sy Emirates. 𝟮𝟱 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰 - Mihamafy hatrany ny fifandraisana eo amin'i Madagasikara sy ny Émirats Arabes Unis. Tsiahivina fa tamin’ny volana may lasa teo dia ny fampiasam-bola eto Madagasikara no ivon'ny kongresy AIM tany Abu Dhabi, ny volana septambra dia nisokatra ny sidina Emirates mampifandray an'i Dubaï sy Antananarivo ary vao andro vitsy lasa izay no nandray ny mpandraharaha emirati, Mohamed Alabbar, ny Filohan’ny Repoblika ho fampiroboroboana ny fizahantany eto Madagasikara. Androany kosa dia notontosaina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fifampizarana traikefa momba ny fitantanan-draharaham-panjakana eo amin'ny Governemanta Malagasy sy ireo delegasiona mafonja avy amin’ny Governemantan'ny Emirats Arabes Unis.

Tanjon'izao fihaonana izao ny fanamafisana ny traikefan'ireo minisitra sy ireo tompon'andraiki-panjakana ambony amin'ny alalan'ny fampitana ireo fomba fanao tsara mba hahomby ireo asam-panjakana sy hitondrana fanavaozana eo amin’ny tolotra omen'ireo sampan-draharaham-panjakana amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Ambetin-tenin'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina rahateo ny tsy maintsy hanovana sy hanavaozana ny fomba fiasa mba hahafahana mitondra ny fampandrosoana eto amin'ny firenena.

Eny @ CCI Ivato ny fotoana @ le 24 novembre 2024 hoavy izao.Manentana atsika mba ho tonga.
29/10/2024

Eny @ CCI Ivato ny fotoana @ le 24 novembre 2024 hoavy izao.
Manentana atsika mba ho tonga.

28/10/2024

Ny tsiveny Na mihevina. Ao anaty vidéo ny hafatra.Muslim Media Malagasy

28/10/2024

MJS sy MCC. @ maha Minisitra coach ny Mahajanga an'i atoa Moustapha Marson dia niara nisalahy t@ ireo delegasiona notarihin'ny SG ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina @ fankalazana ny andro manerantany @ filatsahana an-tsitrapo tany Mahajanga.

Cabinet médical Al Chifa à Alabatoir Marovato Mahajanga.Manao ireo fizaham-pahasalamana, Échographie, ireo fandindiana m...
25/10/2024

Cabinet médical Al Chifa à Alabatoir Marovato Mahajanga.
Manao ireo fizaham-pahasalamana, Échographie, ireo fandindiana madinika... Eo plaque io ireo fitsaboana atao ao.
Mampiavaka azy, lehilahy mandray lehilahy, vehivavy mandray vehivavy.
Aza misalasala ny vahoakan'ny Mahajanga e.
Manao ventouse ihany koa ao.
Hoanareo malala tanana, mila tohana ny tobimpahasalamanatsika satria vao mihodina izy io ka mbola somary sahirana @ fanafody. Manentana anareo mpanao asa soa handray anjara 🙏.
Contact : 032 25 957 25/ 034 52 626 10.

25/10/2024

Point de presse MJS. JT TVM

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261342810152

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Muslim Media Malagasy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Nearby media companies


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All