Direct News

Direct News Journal

10/04/2024
  20 NOVAMBRA 2023-9H❗TOAMASINA : NILATSAKA KELY HO 15000 TAONINA NY LETSIA HO AONDRAN’I MADAGASIKARA❗✅Azo heverina fa v...
20/11/2023

20 NOVAMBRA 2023-9H
❗TOAMASINA : NILATSAKA KELY HO 15000 TAONINA NY LETSIA HO AONDRAN’I MADAGASIKARA❗

✅Azo heverina fa vaovao tsy Dia tsara. Ahitana fihenana 1000 taonina ny letsia ho ahondran’i Madagasikara aminity taona ity raha ny vaovao nomen'ny mpandraharaha mpanondrana iray. Hahatratra 15000 taonina izany raha 16000 taonina tamin’ny 2022 raha ny tarehimarika azo nandritra ny fivoriana natao tao amin'ny biraon'ny governoran'ny faritra atsinanana ny herinandro téo raha ny nambarany ihany. Ny Groupement des exportateurs de litchi (GEL) de Madagascar kosa dia nilaza androany fa mikendry hanondrana 17500 ka hatramin'ny 18000 taonina i Madagasikara amin'ity taona ity.

✅«Raha ny Fantatrao aloha Dia io 15000 taonina Io izany no zarazarain’ireo orinasa mpanondrana miisa 33 nahazo fahazoan-dàlana hoan'ny eto Toamasina. 1300 ariary no vidin’ny iray kilao napetraka fa handraisana ny vokatra», hoy ny fanazavan’ity mpandraharaha ity.

✅Rahampitso 21 novambra amin’ny telo ora folakandro no voalàza fa hisokatra ny fotoam-piotazana raha ny fantatra. Somary tsy mahazatra ity ora ity satria isan-taona dia amin’ny 6 ora hariva no manomboka mandray vokatra ireo toerana fikàrakarana letsia na « station de souffrage » rehetra.

✅«Fandaminana noraisina io mba ahazoan’ny station miodina tsara manomboka amin’ny 6ora hariva », hoy ny fanazavana.

✅Mahakasika ny kalitaon’ny letsia indray dia somary kely ny habeny hoy ny vaovao satria dia manodidina ny 28 milimetatra eo izany raha 30 milimetatra no fenitra takian’ireo mpanafatra amin’ny ankapobeny. Mahatoky anefa ireo mpandraharaha fa hisy fiatsarany Io rehefa mandroso ny fiotàzana.

✅«Inoako fa hiatsara io haben’ny letsia Io rehefa handrosoa ny fotoana Ary hiakatra ireo vokatra avy any amin’ireo ambanivohitra saro-dàlana », hoy ny fànazavana.

✅Efa miantsona tsy lavitra ny seranantsambon’i Toamasina ny Sambo voalohany antsoina Baltic Skipper izay misy lakavy mangatsiaka hitondra ny vokatra letsia voalohany hiazo an’i Europa. Sokajiana ho isan’ireo voankazo jifaina mandritra ny fetin’ny faran’ny taona moa na « produit festif » ny letsia any an-toerana.

  8 Novembre 2023-15h54FISAMBORANA NY DEPIOTE FETRA NANEHO NY HEVINY I CHRISTINE RAZANAMAHASOA. ⭕ Nilaza ny heviny ny fi...
08/11/2023

8 Novembre 2023-15h54
FISAMBORANA NY DEPIOTE FETRA
NANEHO NY HEVINY I CHRISTINE RAZANAMAHASOA.

⭕ Nilaza ny heviny ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine. Nanambara izy fa mbola ao anatin'ny fivoriana ara-potoana ny eny Tsimbazaza izao, tsy tokony hisy izany fisamborana solombavam-bahoaka izany. Misy ihany koa ny ambaratonga arahina raha toa ka hanala izany "immunité parlementaire" izany. "Ao anatin'ny session parlementaire toy izao dia tsy azo atao ny misambotra solombavam-bahoaka raha tsy mampahafantatra ny Antenimieram-pirenena, izany hoe ny filohany sy ny birao maharitra" hoy izy. Mbola tsy nisy anefa hatreto ny fampahafantarana tonga teny anivon'ny Antenimieram-pirenena raha ny nambarany.

‼️ Teny alohan'ny kianjan'ny barea Mahamasina moa ity depiote ity no voasambotra io atoandro io ary avy hatrany dia noentina teny amin'ny tobin'ny zandarimaria teny Fiadanana.

📷Direct News

  8 NOVEMBRE 2023-14H13Misy ireo tratry ny baomba mandatsa-dranomaso teny Mahamasina izay naratra teo amin'ny tongony sy...
08/11/2023

8 NOVEMBRE 2023-14H13

Misy ireo tratry ny baomba mandatsa-dranomaso teny Mahamasina izay naratra teo amin'ny tongony sy ny tarehiny

  7 Novembre 2023-16h58VONDRON'NY KANDIDAMANOHY NY HETSIKA FITAKIANA REHEFA NIATO KELY. ‼️ "Naka bahana ve ?" Etsy Maham...
07/11/2023

7 Novembre 2023-16h58
VONDRON'NY KANDIDA
MANOHY NY HETSIKA FITAKIANA REHEFA NIATO KELY.

‼️ "Naka bahana ve ?" Etsy Mahamasina indray ny fotoana nomen'ireo vondron'ny kandida ireo mpanara-dia azy rahampitso rehefa avy nangigngina ny tontolo andro hatramin'ny alahady ho an'Antananarivo renivohitra. Natokan'ireo kandida nikaonan-doha moa ny andro androany, nanararaotan'izy ireo nihaonana samy izy sy niaraka tamin'ny vondron-kery samihafa.

⭕ Maro tokoa ny olona izay manontany tena ankehitriny ny amin'ny mety ho fizotry ny fitakiana raha mbola hitodi-doha etsy Analakely na hiova toerana hafa. Ny fantatra hatreto dia efa valo andro sisa dia ho avy ny datin'ny 16 Novambra hanatanterahana ny fiodinana voalohany amin'ny fifidianana. Oharina amin'ny fitakian'ny vondron'ny kandida dia ny fankanesana eny amin'ny kianjan'ny 13 Mai no hany fomba hamoahany ny heviny.

✅ Ho hita eo araka izany ny fandehan'ny hetsika ho an'ny rahampitso. Nivory teny amin'ny foiben'ny Antoko Hery Vaovao ho an'i Madagasikara (HVM) izy ireo ny maraina teo saingy rehefa nanontaniana momba ny paik'ady hoentina hanohizana ny "Tolona" ireto farany dia tsy nisy nanome valinteny mazava ho an'ny mpanao gazety. Ny hany fantatra dia hiezaka hihazo ny kianjan'ny 13 May hatrany izy ireo hanehoana hevitra. Ny Kandida Ratsietison Jean Jacques no nilaza fa "Avelao izahay hiteny eny amin'ny 13 mai fa na tianareo na tsia, tsy maintsy ho tafiditra eny amin'ny 13 mai izahay indray andro any" hoy izy.

  7 NOVAMBRA 2023-14H❗❗CAF AWARD 2023 : TSY MISY MALAGASY NA IRAY AZA IREO "NOMINÉS"❗❗✅Mbola tsy hita popoka eo amin'ny ...
07/11/2023

7 NOVAMBRA 2023-14H
❗❗CAF AWARD 2023 : TSY MISY MALAGASY NA IRAY AZA IREO "NOMINÉS"❗❗

✅Mbola tsy hita popoka eo amin'ny sehatry ny baolina kitra aloha isika raha Ary Afrika. N'y faha 11 desambra hoavy izao no ho atao any Maroc ny fanolorana ireo mpilala, klioba sy mpanazatra mendry ataon'ny Confédération africaine de football (CAF). Tsy misy Malagasy iray aza amin'ny olona efa an-jatony voasokajy handray anjara amin'izany na ireo antsoina hoe "nomminés".

✅Na ny coach Rôrô ihany noheverina fa nisongadina nandritra ny CHAN aza dia tsy voatonona ao. Misy sokajy vitsivitsy moa ity fifaninanana ity ka isan'izany ny klioba mendrika, ny.mpanazatra mendrika, ny mpiandry tsatokazo mendrika, ny baolina maty tsara indrindra sy ny mpilalao mendrika indrindra.

  7 Novembre 2023-11h36ARTS"BALADE MENTALE" OU COMMENT ALLER À LA RENCONTRE DE SON ESPRIT. 🎭 Effet miroir ? Une nouvelle...
07/11/2023

7 Novembre 2023-11h36
ARTS
"BALADE MENTALE" OU COMMENT ALLER À LA RENCONTRE DE SON ESPRIT.

🎭 Effet miroir ? Une nouvelle exposition sera présentée à la fondation H Analakely qui accueillera, du 4 au 25 Novembre la jeune artiste Arilala Ophélia Ralamboson pour ce mois de novembre. Cette vice lauréate de la 7 ème édition du prix "Paritana", un concours d'art contemporain visant à rendre plus accessible au public l'Art dans toutes ses acceptions. Le public pourra ainsi visiter cette exposition, gratuitement jusqu'au 25 Novembre prochain et se perdre dans les dédales et les "tréfonds" de l'esprit, du cerveau humain. "Balade Mentale est la première exposition de l'artiste, elle est une invitation à pénétrer dans le cerveau humain et à en explorer ses tréfonds" indique la fondation H, qui héberge cette Expo.

🎨 Les œuvres de la jeune artiste seront disposés dans l'espace à cet effet. "Présentés sous formes de labyrinthes évoquant un cheminement de l'esprit, l'installation proposée par Arilala Ophélia se compose d'un ensemble de pièces textiles de soixante mètres de longueur, d'un masque modelé à partir de pièces métalliques et d'un mirroir" explique-t-on. Une symbiose faisant se rencontre le physique et l'intellectuel, virtuose valse et osée b, pour celle qui a suivi des études académiques en psychologie. L'auteure de ces œuvres laisse livre cours à l'imagination et l'interprétation du visiteur.

📷 Fondation. H.

  7 Novembre 2023-10h36EFA MILA VONJY SAHADY KOA NY MADAGASCAR AIRLINES🛬 Lalina ny hady ho an'ny kaompaniam-pitaterana M...
07/11/2023

7 Novembre 2023-10h36
EFA MILA VONJY SAHADY KOA NY MADAGASCAR AIRLINES

🛬 Lalina ny hady ho an'ny kaompaniam-pitaterana Madagascar Airlines izay mitady hiditra Fatiantoka vaovao indray. Hany ka voatery mihitsy ity orinasa ity nanajanona ireo sidina iraisam-pirenena ao anatin'ny fotoana voafetra mba hanenana ny mety Ho vokadratsin'ny fidorana fatiantoka sy trosa Vokatry ny fomba fiasa teo aloha .

💸 Raha tombanana tokoa ny fahaverezam-bola (pertes financières) ho an'ity kaompaniam-pitaterana ity mantsy dia mitentina 1,329 miliara ariary isam-bolana izany na 2,8 tapitrisa dolara. Mandalo fotoan-tsarotra tokoa mantsy I Madagascar Airlines amin'izao fotoana izao ary tsy nafenin'ny tale Jeneraly, Thierry de Bailleul izany nandritra ny tafa izay nataony tamin'ny mpanao gazety omaly "hatramin'ny nanatsanganana ity kaompania ity ny volana aprily 2022 dia tafiakatra an-tapitrisa dolara ny fatiantoka ho an'ny orinasa. Nadritry ny sivy volana tamin'ny erintaona dia tonga hatramin'ny 25 tapitrisa dolara izany" hoy ny nambarany omaly. Noho ny halafon'ny saram-pifamoivoizana iraisam-pirenena ho an'ireo fiaramanidina moa no antony iray mahatonga ny kaompania miditra fatiantoka noho ny tsy maintsy mbola hanofana ireo fiaramanidina miaraka amin'ireo mpanampy sy teknisiana isan-karazany. Etsy andaniny ihany koa ny fahalafosan'ny solika "kérosène" izay miabo kokoa raha oharina amin'ireo Nosy rahavavy manamorona ny ranomasimbe Indiana.

🪁 Misy ny vina "Phoenix 2030" izay natokana hanarenana indray ity kaompania ity ahafahana miverina hahazoana tombony indray. "Vinavinaina ho 24 volana aorian'ny fanekena ity vinan'asa ity dia heverina fa ho afaka hampidi-bola indray ny kaompania Madagascar Airlines. Natao izany vinan'asa izany mba ahafahana mampitsahatra ny fahaverezam-bola eto amin'ny orin'asa sy hanarenana azy" Hoy ny tale Jeneraly omaly. Mandra-piandry izany aloha dia ny sidina anatiny no ezahina hampiroboroboana, mandrapahatongan'ny fanarenana tanteraka ny sidina amin'ny zotra rehetra.

01/11/2023

1 NOVAMBRA 2023-22H45
MIVANTANA AVY ETY ANTSAHADINTA

RANJAKAVOLOLONA CELINE, TARANAK'I RABODOZAFIMANJAKA, MITANTARA NY ZAVA-NITRANGA

  27 OCTOBRE 2023-19H❗❗AMPITATAFIKA : HERINANDRO TSY MISY RANO, EFA TAFIAKATRA 600 ARIARY NY RANO IRAY « BIDON JAUNE »❗❗...
27/10/2023

27 OCTOBRE 2023-19H
❗❗AMPITATAFIKA : HERINANDRO TSY MISY RANO, EFA TAFIAKATRA 600 ARIARY NY RANO IRAY « BIDON JAUNE »❗❗

✅Efa an-taonany maro no mijaly rano ireo faritra maro eny Ampitatafika. Nihena tsikelikely ny fotoana fandehanan’ny pompen’ny Jirama Ary faramparany Téo aza dia Zara raha misy adin’ny roa, 12 sasany Alina ka hatramin’ny 2 maraina, izany Ary mandritra Io fotoana Io no miari-tory, manararaotra mameno izay azo fenoina ny mponina. Niha-ratsy anefa ny toe-draharaha satria tsy nandeha intsony mihintsy ny rano mandraparainan’ny andro.

✅« Rehefa antsoina ny Jirama ao amin’ny 547 Dia tsy misy afatsy ny fampitana amin’ny tompon’andraikitra no hany valin-teny azo » hoy ny fintarainan’ny mponina.

✅Ireo faritra amin'ny toerana somary avontoan'Atsimombohitra, Soamanana, Andrefambohitra sy Ankadintany no voakasik'ity tsy fisian-drano ity. Mifanaretsaka eran’ny tanàna ankehitriny ireo sarety mpitaona sy mpivaro-drano. Raha efajato ariary ny « bidon jaune » iray tany aloha dia efa niakatra diamanjato izay Téo aloha ary mahatratra 600 ariary ankehitriny.

✅ « Any amin’ireo « bornes fontaines » any amin’ny faritra via no alaina ny rano ka mandreraka ny mitatitraazy », hoy ny fitantaran’ireo mpivarotra rano.

  27 OKTOBRA 2023-11H25RESAKA ZOM-PIRENEN’I ANDRY RAJOELINA«TOKONY HANAMBARA NY HEVINY NY FRANTSAY MBA TSY HIHITARAN’NY ...
27/10/2023

27 OKTOBRA 2023-11H25
RESAKA ZOM-PIRENEN’I ANDRY RAJOELINA
«TOKONY HANAMBARA NY HEVINY NY FRANTSAY MBA TSY HIHITARAN’NY OLANA », HOY DANNY RASOLOFOMANANA

Nisarika ny sain’ny maro ny fanehoan-kevitra nataon’ilay mpandraharaha Danny Rasolofomanana teo amin’ny tavambokiny omaly. Raha mitodika any amin’ny HCC sy CENI ary ny mpanao politika ny antso ataon’ny hafa matetika ny amin’ny tokony hamahana ny krizy amin’ny fifampiresahana dia nitodika tany amindry zareo Frantsay kosa ity filoha mpanorina ny orinasa Danny Gemstone ity ary niantso ny fanjakana frantsay haneho ny heviny, indrindra mahakasika ny zom-pirenena frantsay izay zakain’ny filoha Andry Rajoelina.

« Tokony hiteny i la Frantsa fa maninona no tsy miteny mihitsy ? Ho lasa olana eo amin’i Frantsa sy Madagasikara ity resaka ity », hoy ny nambarany.

Misedra olana moa ny Frantsay amin’ny fifandraisany amin’ny firenena afrikana sasany tato anatin’ny volana vitsy izay, indrindra ireo firenena izay nisy fanonganam-panjakana toan’i Gabon, Niger Ary Mali izay nanapaka mihintsy ny fiaraha-miasa amin’ny Lafrantsa Ary naneho ny tsy fankatoavany ny fombafomba fanaon’ny Frantsay eo amin’ny fifandraisany amin’ireo tany nozanahany fahiny na ilay hoe « France-Afrique ».

« Mety tsy io olona resahana io intsony no olana eto, fa hiparitaka amin’ny teratany frantsay hafa koa, raha tsy mitandrina io firenena lehibe iray io « , hoy Danny Rasolofomanana, raha naneho ny heviny.

Mahakasika ny hetsiky ny collectif des candidats indray Dia efa nanambara ity mpandraharaha ity fa diso paik’ady ihany izy ireo raha nanao fangatahana marine. « Ny resaka zom-pirenen’ny filoha sy ny fandikan-dalàna amin’ny nemelana azy ho kandidà ihany no tokony nimasoana », hoy izy.

Milaza matetika moa ity mpandraharaha ity fa tsy mbola nisy fanaovana fitakiana tamin’ny alalan’ny fitokonana milamina la nahazoam-bokany nandritra ireo hetsi-bahoaka rehetra teto Madagasikara. «Mila manova paik'ady", hoy ny nambarany.

  20 SEPTEMBRE 2023-10H❗MANAKARA : NIVADIKA NY FIARAN-DALAMBY MPITATITRA OLONA ❗✅Nieren-doza ireo mpandeha amin’ny fiara...
20/09/2023

20 SEPTEMBRE 2023-10H
❗MANAKARA : NIVADIKA NY FIARAN-DALAMBY MPITATITRA OLONA ❗

✅Nieren-doza ireo mpandeha amin’ny fiaran-dalamby mampitohy an’i Manakara sy Fianarantsoa. Nivoaka ny lalamby ary nivadika ny zotra FCE izay niala tao amin’ny renivohitr’i fitovinany hiazo ny renivohitr’i Betsileo. Raha ny vaovao azo dia tsy nisy aloha hatreto ny maty. Téo Antanakidy, kaominina Ambalatrazo no nitrangan’ny loza.

  14 septambra 2023-14h30❗❗FIFIDIANANA HO FILOHAM-PIRENENA : NAHAZO FANOHANANA MAVENTY I TAHIANA RAZAFINJOELINA ❗❗✅Tsy d...
14/09/2023

14 septambra 2023-14h30
❗❗FIFIDIANANA HO FILOHAM-PIRENENA : NAHAZO FANOHANANA MAVENTY I TAHIANA RAZAFINJOELINA ❗❗

✅Tsy dia fantatra loatra teo amin’ny sehatra politika i Danny Rasolofomanana saingy isan’ny nandrasan’ireo izay mahafantatra azy ny ho fanapahan-keviny mahakasika ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny 9 novambra. Efa nanambara ny tenany fa isan’ireo mety hirotsaka saingy niova hevitra tamin’ny fotoana farany ary izao nanapa-kevitra fa hanohana an’i Tahiana Razafinjoelina, kandidà laharana voalohany, izay atolotry ny antoko Tia Tanindrazana.

✅«Marina fa betsaka ny namana amin’ireo kandidà saingy i Tahiana Razafinjoelina no ho tohanako satria izy no hitako fa manana ny fomba fijery sy ny paik’ady tokony hitondrana ny firenena », hoy Danny Rasolofomanana tamin’ny antso an-telefaonina rehefa hita niparitaka teny amin’ny tambazotra sosialy ny sariny miaraka amin’ity kandidà sady mpandraharaha no mpampianatra ity.

✅Azo lazaina ho maventy ity fanohanana azon’i Tahiana Razafinjoelina ity raha ny tombana. Mpandraharaha isan’ireo matanjaka eto Madagasikara I Danny Rasolofomanana izay filoha tale jeneralin’ny orinasa Danny Gemstone, malaza maneran-tany eo amin’ny sehatry ny vato sarobidy. Isan’ny ahafantarana azy ny fanaovany asa soa mangina sy mivantana eny amin’ireo olona sahirana manorana an’i Madagasikara. Vao tsy ela, ohatra, no nizara fitaovam-pianarana hoan’ireo ankizy sahirana izy saingy tsy mba nisy famoahana izany an-gazety toin’ny fanaon’ny hafa.

✅ indrindra, ankoatra izay dia filoha mpanorina ny fikambanan’ireo mpitrandraka vato madinika izay misy mpikambana an-tapitrisany izy. Andrandrain’ireo mpikambana ao aminy mafy ny fandraisana andraikitra ataon’ity filohan’izy ireo ity ho fanatsay ny seha-piharian’izy ireo. Heverina noho izany fa hanana lanja lehibe ny safidy sy ny toromarika omeny amin’ny fifidianana.

  26 AOÛT 2023-15H❗FIFIDIANANA HO FILOHAM-PIRENENA : NIROTSAKA HO KANDIDÀ I HERY RAJAONARIMAMPIANINA ❗✅Mazàva ny raharah...
26/08/2023

26 AOÛT 2023-15H
❗FIFIDIANANA HO FILOHAM-PIRENENA : NIROTSAKA HO KANDIDÀ I HERY RAJAONARIMAMPIANINA ❗

✅Mazàva ny raharaha. Mbola mikasa ny hiverina ho filoham-pirenen’i Madagasikara I Hery Rajaonarimampianina. Nanambara izy androany nandritra ny andro faharoan’ny kongresin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) izay atao etsy Andraharo fa hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana Izay atao ny 9 novambra 2023.

✅« Henoko ny antsoantsonao ry Malagasy. Henoko ny fangatahanareo Malagasy. Latsaka an-katerena, ary mila fanavotana ny Firenena. Izany no hijoroako androany ary hanambarako amin’ny fomba ofisialy ny maha kandida ahy amin’ny fifidianana filoham-pirenena », hoy i Hery Rajaonarimampianina nandritra ny laha-teny izay nataony.

✅Somary nanafina ny tena tanjony ihany ity filoham-pirenena teo aloha ity tamin’ny fotoana nahatongavany teto Madagasikara tamin’ny volana febroary lasa teo. Isan’ny voalaza fa nokinendriny ny hitantana ny tetezamita izay nisy ary mbola misy mivoy ny hametrahana azy hatramin’izao. Marihina moa fa nisokatra ny 23 aogositra téo ary hifarana ny 6 septambra ho avy izao ny fametrahana ny antontan-taratasy etsy amin’ny Fitsarana avon’ny lalam-panorenana (HCC).

MANKAHERY SY MIARA-ORY AMIN'IREO REHETRA NARATRA SY NIDONAM-PAHORIANA NANDRITRA NY FIFANOSEHANA TETSY MAHAMASINA NY DIRE...
26/08/2023

MANKAHERY SY MIARA-ORY AMIN'IREO REHETRA NARATRA SY NIDONAM-PAHORIANA NANDRITRA NY FIFANOSEHANA TETSY MAHAMASINA NY DIRECT NEWS MADAGASCAR

  25 AOÛT 2023❗❗LISITRA MISY NY ANARAN'IREO MARARY SASANY NANDRITRA NY FIFANOSEHANA TETSY MAHAMASINA IO HARIVA IO❗❗
25/08/2023

25 AOÛT 2023

❗❗LISITRA MISY NY ANARAN'IREO MARARY SASANY NANDRITRA NY FIFANOSEHANA TETSY MAHAMASINA IO HARIVA IO❗❗

25/08/2023

25 AOÛT 2023

❗❗AFOMANGA ET SPECTACLE DE DRÔNE A MAHAMASINA EN DIRECT❗❗

  25 AOÛT 2023-19HFANOKAFANA NY LALAON'NY NOSY : AM-POLONY IREO OLONA MATY, 80 NARATRA ✅✅Nahafaty olona ny fifanosehana ...
25/08/2023

25 AOÛT 2023-19H
FANOKAFANA NY LALAON'NY NOSY : AM-POLONY IREO OLONA MATY, 80 NARATRA

✅✅Nahafaty olona ny fifanosehana téo Mahamasina androany nandritra ny lanonana fanokafana ny lalaon'ny nosy 2023. Am-polony ireo voalaza fa maty raha ny tarehimarika tsy ofisialy azo ka maro amin'izay ireo no ankizy sy Zaza. 80 kosa ireo naratra ka ny 11 Mila fandidiana maika✅✅

Address

BM223 Ter Ampitatafika
Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direct News posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Direct News:

Videos

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All