Dis-nous $kispass

Dis-nous $kispass Réseau de journalistes

Androany, tamin'ny 2 ora maraina, lehilahy iray voalaza fa nangalatra akoho tao an-tanànan'olona, ao Soboko/Ambodivoara ...
19/04/2024

Androany, tamin'ny 2 ora maraina, lehilahy iray voalaza fa nangalatra akoho tao an-tanànan'olona, ao Soboko/Ambodivoara (Sambava) no saika maty.

Nivoaka ny tompon-trano ary raikitra ny ady.

Naratra mafy teo amin'ny takolany havia ity voalaza fa tontakely ity. Tataka be mihitsy.

Misokatra ny fanadihadiana.

Skispass Atm

Olona 2 no maty nihinana vovoka sahala amin'ny sira.Ny alarobia teo, nahita zavatra fotsy tanaty jerikana, toa sira, Ato...
19/04/2024

Olona 2 no maty nihinana vovoka sahala amin'ny sira.

Ny alarobia teo, nahita zavatra fotsy tanaty jerikana, toa sira, Atoa Gilbert, monina ao Andranomadio/Foulpointe.

Nizara izany tamin'ny manodidina izy. Samy nandrotsaka tamin'ny sakafo ireo nahazo.

Omaly ihany dia, nisy narary ireo olona nihinana.

Anisan'izany ny mpivady efa samy 70 taona mahery.

Namoy ny ainy ilay rangahy.

Notanisain'i Gilbert daholo ireo nizaràny ilay vovoka heverina ho sira.

Notediavina ireo olona ireo.

Nisy lehilahy iray mipetra-drery, voatery novakiana ny varavarany ary hita efa tsisy aina intsony.

Olona 6 ankehitriny no tsaboina any amin'ny hopitaly.

Nanokatra fanadihadiana ny zandary.

Skispass Atm

19/04/2024

Rangahy iray nahatraran'ny zandary rongony 15 kilao, androany, tao Ankaramena Ambalavao

19/04/2024

Miaramila 1 lavon'ny dahalo😥. Lasa any ny basiny AKM. Fanafihana t@ androany 00:30 tao Ampandrana/Bemahatazana (Tsiroanomandidy)

Omaly, tamin'ny 9 ora sy sasany alina, teny Bel'air Talatamaty, lehilahy iray nitondra moto, nijanona amin'ny sisin-dala...
19/04/2024

Omaly, tamin'ny 9 ora sy sasany alina, teny Bel'air Talatamaty, lehilahy iray nitondra moto, nijanona amin'ny sisin-dalana, no voahitsaky ny kodiarana aorian'ny camion semi-remorque.

Mizotra mankany Ambohidratrimo ilay camion.

Naterina any amin'ny tranom-patin'ny HJRA ny razana taorian'ny fizahan'ny zandary.

Notazonina atao andrimaso kosa ny mpamily, nanokafana famotorana.

Skispass Atm

Mandehandeha mahita raha...tsy ilay sinagôga eny Itaosy io a
19/04/2024

Mandehandeha mahita raha...tsy ilay sinagôga eny Itaosy io a

Mpirahalahy iray tampò miara-mamaky trano, tratran'ny polisin'ny UIR, tany Antsirabe, tamin'ny 5 aprily.Skispass Atm
19/04/2024

Mpirahalahy iray tampò miara-mamaky trano, tratran'ny polisin'ny UIR, tany Antsirabe, tamin'ny 5 aprily.

Skispass Atm

Camion 2 no nifanoroka teny Andakana (RN4), distrikan'Ambohidratrimo, minitra maromaro lasa izay.
19/04/2024

Camion 2 no nifanoroka teny Andakana (RN4), distrikan'Ambohidratrimo, minitra maromaro lasa izay.

Ny zandrim-badiny ihany no naolany.Sady ilay zaza sembana ara-tsaina.VOASAMBOTRY NY POLISIM-PIRENENA ETO MAROANTSETRA NY...
19/04/2024

Ny zandrim-badiny ihany no naolany.
Sady ilay zaza sembana ara-tsaina.

VOASAMBOTRY NY POLISIM-PIRENENA ETO MAROANTSETRA NY NAHAVANON-DOZA KA NAIDITRA AM-PONJA VONJIMAIKA

Lehilahy 35 taona avy ao amin'ny Fokontany Benavony, Firaisana Ankofa no nanolana zaza vavy 15 taona manana fahasembanana ara-tsaina ny volana Febroary lasa teo.

Taorian’ny fampandrenesana nataon’ny fianakaviana akaiky an’ilay zazavavy niharan’ny fanolanana dia nidina tany an-toerana ny Polisim-pirenena avy eto Maroantsetra ka nisambotra ilay lehilahy voalaza ho nanao izao fanolanana izao. Ity farany izay tsy iza fa ny zaodahin’ilay zaza niharan'ny fanolanana ihany.

Nidoboka am-ponja vonjimaika ity lehilahy nanolana zandrim-bady misy fahasembanana ara-tsaina ity taorian'ny nanolorana azy ny Fampanoavana.

CSP Maroantsetra

19/04/2024

Oviana ireo dahalo ambony latabatra no mba hiova fo ?

Commissaire Divisionnaire de Police sandoka naiditra am-ponja Lehilahy iray 44 taona no tra-tehaky ny Polisin'ny BC4 tan...
19/04/2024

Commissaire Divisionnaire de Police sandoka naiditra am-ponja

Lehilahy iray 44 taona no tra-tehaky ny Polisin'ny BC4 tany Toamasina ny 09 aprily 2024 noho ny resaka fisandohana andraikitra.

Misandoka ho "Commissaire Divisionnaire de Police" ity lehilahy ity ary milaza fa mahatafiditra ho mpiasam-panjakana sy mahavita mandamina olana eny anivon’ny Polisimpirenena.

Maro ny fitarainana voarain'ny Polisy ka nametrahana velam-pandrika ity farany ary voasambotra tany Toamasina.

Nahitana basy iray ihany koa teny aminy.

Natolotra ny fitsarana ny 15 aprily 2024 ny raharaha ka naiditra am -ponja vonjimaika any Tsiafahy ity mpisandoka andraikitra ity.

SCAC/ BC4

Trano iray no mirehitra izao maraina izao eny Ampahimanga Ambohimanambola. Ao amin'ilay misy friperie.Efa lasa any ny mp...
19/04/2024

Trano iray no mirehitra izao maraina izao eny Ampahimanga Ambohimanambola. Ao amin'ilay misy friperie.

Efa lasa any ny mpamonjy voina avy amin'ny CUA.

Skispass Atm - (sary indrana)

Ary in ity ?
18/04/2024

Ary in ity ?

18/04/2024

Olona 1 nilatsahan'ny taribin-jiro teo Anosibe ora 1 lasa izay. May ary nentina hopitaly haingana. Tapaka ny jiro eny an-toerana

Naha be tsikera anareo i TSIMAGNIRY sy MANA, ilay mpirahalahy nampihavanin'ny zandary, ny alahady teo, rehefa niady nand...
18/04/2024

Naha be tsikera anareo i TSIMAGNIRY sy MANA, ilay mpirahalahy nampihavanin'ny zandary, ny alahady teo, rehefa niady nandritra ny 5 taona, tany Ipingo/Bemavo, distrikan'i Beroroha.

Fa raha ity taratasy filazana fikarohana ity tokoa anie ry zareo dia, gadra nandositra izany i MANA e ! Ary karohina ny tenany.

Voaheloka hisazy an-tranomaizina izy ny 4 jona 2020, noho ny fanafenana dahalo mpangalatr'omby.

Nitsoaka ny camp pénal Antelovola izy ny 6 febroary 2021.

Ary ny mahagaga ihany koa aza dia, taty amin'ny 13 marsa 2024 izy vao namoahana filazana fikarohana.

I MANA na ZATOVO André io miravaka bala sy milanja basy io.

Fa ahoana e ?

Skispass Atm

Zaza kambana vao teraka ary miraikitra (siamois) avy any Arivonimamo miatrika fitsaboana ao amin'ny Hopitaly Joseph Ravo...
18/04/2024

Zaza kambana vao teraka ary miraikitra (siamois) avy any Arivonimamo miatrika fitsaboana ao amin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), etsy Anosy, nanomboka, omaly.

Zazalahy daholo izy ireo. Fitahinjanahary sy Fanambinantsoa.

Ho fanamaivanana ny fahasahiranan'ny ray aman-dreniny dia, noraisin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka an-tànana ny fikarakarana rehetra sy izay tohin'ny fitsaboana azy mirahalahy kely.

Skispass Atm

Mpirahalahy niady nandritra ny 5 taona. Efa hoe tsy hifandevi-maty intsony. Efa nisara-pasana. Samy monina ao Ipingo/Bem...
17/04/2024

Mpirahalahy niady nandritra ny 5 taona. Efa hoe tsy hifandevi-maty intsony. Efa nisara-pasana.

Samy monina ao Ipingo/Bemavo, distrikan'i Beroroha.

Betsaka ny fananana potika vokatry ny fifanafihana tao anatin'izay fotoana izay. Nisy aina nafoy, nisy naratra. Nifangalatr'omby sy ny sisa.

Nampihavanin'ny zandary izy roalahy ny alahady teo ka dia, natao ny fomban-drazana. Nifamela zareo ary atao toy ny tsy nisy ny ady hatrizay.

Skispass Atm - GN Ankazoabo Sud

GROUPEMENT BOENYCompagnie territoriale Ambato BoenyPoste avancé Anjiajia15 Aprily 2024 Lavon'ny zandary i FERETA, tompon...
17/04/2024

GROUPEMENT BOENY
Compagnie territoriale Ambato Boeny
Poste avancé Anjiajia

15 Aprily 2024

Lavon'ny zandary i FERETA, tompon'antoka tamin'ny famonoana feno habibiana ilay zazalahikely 8 taona tao Anjiajia, voasambotra ihany koa ny namany iray niray tsikombakomba taminy.

Niery tany amin'ny tanana kely 3 kilometatra miala ny kaominina ambanivohitr' Anjiajia ; lalana mampifandray ny kaominina Ankijabe sy ny kaominina Anjiajia.

Nanao ny asany ny zandary, ka sarona tamin'ny toerana voatondro araka ny fanadihadiana lalina sy ny fikariham-baovao natao ireo olon-dratsy, nandritra izany no nahalavo an'i FERETA raha toa ka voasambotra kosa ny lehilahy iray namany.

Raha tsiahivina ny zava-nisy, very tsy hita nanomboka ny tolakandron'ny 11 Aprily 2024 teo ilay tovolahikely 8 taona rehefa niandry ondry tao Ambalakazaha. Nisy olona nitondra izy tamin'io fotoana io ary fantatra satria nisy ankizy nahita ny nitondrany azy.
Taorian'io, nandeha ny fitadiavana ka ny maraina vao hita ilay zaza saingy efa maty ary ny lohany sisa no hita tanatina rano fa tsy hita ny vatany.

Nanao ny asany ny mpitandro ny filaminana ka izao nahafaty ny tompon'antoka izao.

Mitohy ny fikarohana ireo olona mbola voasaringotra anatin'ity raharaha ity.

16/04/2024

Olona 2 novonoin'ny mpaka an-keriny. 3 hafa nataony takalon'aina. Omaly t@ 7 ora hariva, tao Fieferana Marovazaha (Anjozorobe) io

Miaramila lezionera frantsay iray, 39 taona, hita faty tao an-trano, tao Ambondrona (Dzamandzar), kaominin'i Nosy Be, ny...
16/04/2024

Miaramila lezionera frantsay iray, 39 taona, hita faty tao an-trano, tao Ambondrona (Dzamandzar), kaominin'i Nosy Be, ny alahady hariva teo.

Gaga ny olona fa, tsy nivoaka mihitsy izy nandritra ny tontolo andro.

Novakiana ny varavaran-kely nijerena azy, rehefa tsy namaly ny dondòna sy antsoantson'ireo olona tao ivelany.

Io tokoa izy, miampatra, mihohoka eo afovoan-trano. Nivoaka rà ny orony. Ankoatra izay, tsisy diana vono na ratra ny vatany izay efa nivoaramena sy nihinjitra mafy.

Ny seza nianjera. Somary nikorontana kely tao an'efiny. Nahitàna tavoahangin-dabiera nianjera teo akaikiny.

Tombanana ho efa maty nandritra ny 12 ora izy. Ahiana ho fianjerana no nahafaty azy.

Tao daholo ny entany sy ny taratasy maha lezionera azy.

Mitondra ny galona serza-sefo BM2 ny tenany. Vao andro vitsy no tonga sy nanofa trano tao Nosy Be.

Nankinina amin'ny consul honoraire de France ao Nosy Be ny fikarakarana ny vata mangatsiaka.

Skispass Atm

Haody ry Andoharanofotsy.Sao dia zareo ireto no nahatonga ilay isa 27 tapitrisa lasa 30 tapitrisa ?
16/04/2024

Haody ry Andoharanofotsy.

Sao dia zareo ireto no nahatonga ilay isa 27 tapitrisa lasa 30 tapitrisa ?

Vehivavy malagasy iray, antsoina hoe  , no maty nodarohan'ny vadiny mafy, tany Repoblika demokratikan'i Kongo, omaly.Mbo...
15/04/2024

Vehivavy malagasy iray, antsoina hoe , no maty nodarohan'ny vadiny mafy, tany Repoblika demokratikan'i Kongo, omaly.

Mbola nialàna nenina tany amin'ny hopitaly izy, saingy tsy avotra.

Tsy iza moa io vadiny nanapitra ny ainy io fa, i Moussa Mondo, minisitra lefitry ny Akoranafo teo aloha any an-toerana.

Nosamborina ity nahavanon-doza.

Mbola tsy fantatra mazava ny anton'izao herisetra naningotr'aina izao. Ao anaty famotorana tanteraka ny polisy kongoley.

Skispass Atm

Marina izany zoky e.Tsy mila permisTsy mila lasantsyTsy mila visite techniqueTsy mila carte griseTsy sakanan'ny polisy s...
15/04/2024

Marina izany zoky e.

Tsy mila permis
Tsy mila lasantsy
Tsy mila visite technique
Tsy mila carte grise
Tsy sakanan'ny polisy sy zandary

Vilona dia ampy🤗na mankaiza na mankaiza, na maninona na maninona😆

Mirary herinandro feno tsikitsiky e

Ny vahoakan'i Menabe mahita fa, ity rangahy ity no mampilamina ny tany.Fianakaviana iray ao amin'ny distrika efa hainare...
15/04/2024

Ny vahoakan'i Menabe mahita fa, ity rangahy ity no mampilamina ny tany.

Fianakaviana iray ao amin'ny distrika efa hainareo maré mahita fa, mijaly tratran'ny fandriampahalemana entiny, sady vao nisy nihidy am-ponjakely ny iray tamin-dry zareo, nanao "trafic d'influence".

"Tsy ny fahaiza-miady no enti-mandamina fa ny fahaiza-mandamina no enti-miady". Io teny io isan'ny ahatsiarovana hatrany an'i kolonely Faneva.

Skispass Atm

Tovovavy 28 taona nahatraran'ny Polisim-pirenena rongony, teny Ambaniala Itaosy, ny alahady 7 aprily.Voalazan'ny fiaraha...
15/04/2024

Tovovavy 28 taona nahatraran'ny Polisim-pirenena rongony, teny Ambaniala Itaosy, ny alahady 7 aprily.

Voalazan'ny fiarahamonina fa, mpamatsy ireo mpidoroka amin'iny faritra iny izy.

Skispass Atm

13/04/2024
Zandary Itaosy. Tsapa ho nilavo lefona daholo ny tontakely eny an-toerana tato ho ato
13/04/2024

Zandary Itaosy. Tsapa ho nilavo lefona daholo ny tontakely eny an-toerana tato ho ato

Miaramila kilasy faharoa Randriamampiandra Nantenaina Daniel, miasa ao amin'ny toby Ambaravaranala/Fierenana, distrikan'...
13/04/2024

Miaramila kilasy faharoa Randriamampiandra Nantenaina Daniel, miasa ao amin'ny toby Ambaravaranala/Fierenana, distrikan'i Tsiroanomandidy.

Namoy ny ainy tany am-panarahandia omby very, ny talata teo.

Ny omalin'io, izany hoe ny alatsinainy dia, nisy lehilahy 2 notafihan'ny dahalo, tao Bongonilaimanja.

Ny iray maty, notapahan'ireo ny lohany. Ny iray tafatsoaka. Lasan'ireo malaso ny omby 4.

Nanara-dia ny miaramila sy ny vatan-dahy.

Ny talata maraina, tafaverina ny omby 3.

Efa an-dalana mody zareo no nifanena tamin'ny vatan-dahy hafa indray. Niangavy ireto farany mba hiaraka hitady ilay omby 1 sisa tavela.

Tsy nety ireo miaramila satria efa manomboka hariva. Saingy nitalaho ireo fokonolona vao tonga ireo.

Rehefa izay, lasa indray zareo rehetra nikaroka ilay omby 1.

Nony teo Analamisakana/Ambararata Atsimo anefa dia, nisy dahalo namandrika azy ireo.

Raikitra ny fifandonana ka samy niparitaka nanavotra ny ainy avy, tao anaty haizina.

Ny alarobia maraina vao tsikaritra fa, tsy teo intsony ity miaramila kilasy faharoa.

Niverina indray nikaroka azy.

Indrisy, hita nisarangotra tamin'ny hazo amoron-tevana ny basiny sy ny "chasuble". Tsy voakitika ny bala.

Tazana tery ambany, anaty rano, ilay miaramila, efa vatana tsy nisy aina intsony.

Nentina any Tsiroanomandidy ny razana.

Skispass Atm

Nanapoahana basy ity tontakely (25 taona) ity vao nivoaka tao amin'ny tranon'olona novakiany, teny Tsarahonenana Itaosy,...
13/04/2024

Nanapoahana basy ity tontakely (25 taona) ity vao nivoaka tao amin'ny tranon'olona novakiany, teny Tsarahonenana Itaosy, ny talata hariva teo.

Nony nody ny tompon-trano dia, nahita fa, nivoha ny trano ary mikorontana.

Niantso polisy avy hatrany izy.

Nigadona ny polisy ary tsikaritra fa, mbola ao an-trano ao mihitsy ilaikary.

Nisitrika tao ambony rihana (plafond).

Nasaina nidina tsy nety. Sady miaraka amin'ny barre à pince amin'io.

Nanapoaka basy ny polisy vao iny fa, nipitrapitra nitolo-tena.

Gagazo.

Skispass Atm

Renim-pianakaviana iray mila fitsaboana maika ary mitalaho amin'ny fanjakana sy izay afaka manampy.Ireto ny mombamomba a...
12/04/2024

Renim-pianakaviana iray mila fitsaboana maika ary mitalaho amin'ny fanjakana sy izay afaka manampy.

Ireto ny mombamomba azy :
RASOLONDRIAKA Germaine,
37 taona.

Asa fivelomana : mivarotra légumes eo ivelan'ny vavahadin'ny CAPSAT

Niteraka 2 mianadahy (11 taona sy 7 taona)

Efa sivy volana izay no namparary azy.

Nitsabo tena ka nitsoahan'ny vadiny ny volana octobre niaraka tamin'ny versement.

Ny zandriny no nivarotra ka nitsoaka niaraka amin'ny versement koa.

Manoloana izany dia voatery miatrika irery izy nefa tsy mahasehaka ny hoenti-manana.

Ity ny contact ahazoana azy :
0343332776 (M'Vola : Germaine)

Toeram-ponenany : Soanierana Capsat

Afaka miantso azy avy hatrany ireo te hihaona aminy, na eny am-pivarotany na any an-trano.

Misaotra tompoko fa vonjy aina izy ity.

(Fangatahana fanampiana voarainay aty amin'ny Skispass Atm ary avoakanay araka ny fangatahana)

Address

Faravohitra
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dis-nous $kispass posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Dis-nous $kispass:

Videos

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All