Heninkaja VH Rakotomanantsoa

Heninkaja VH Rakotomanantsoa Citoyenneté, Information, Civisme

Manaramaso ny lisistra ry lerony dia mizara vola fa vita aloha ny androany, amin'ny manaraka indray manao misimisy.Vola ...
14/10/2023

Manaramaso ny lisistra ry lerony dia mizara vola fa vita aloha ny androany, amin'ny manaraka indray manao misimisy.

Vola no miady koa...
Ilay firenena moa dia eeeeeeeeh

Misaotra ny olom pirenena mandefa sary maro samihafa.

13/10/2023
13/10/2023
13/10/2023
26/04/2023

ARB Vous aimes Tous 😊😊

ARB : "Une Nouvelle Ère pour Madagascar"

à tous les passionnés du digital et du numérique appliqué et plus particulièrement aux épicières et épiciers, une formation professionnelle gratuite sur le thème

« Epicerie 2.0 : COMMENT DIGITALISER VOTRE ÉPICERIE ? ».

Ce 17 Avril 2023 à partir de 9h au PLAZA Ampefiloha.

La séance sera précédée d’un bref exposé sur la Vision du Parti ARB «Anjomara sy Rivo-Baovao».

Pour l’occasion, veuillez-vous munir de votre smartphone ou ordinateur connecté à internet à votre charge.

21/02/2023
19/01/2023

"Andao hifampitaha, tsy misy fahagagàna ny toekarena !"

Hery Rajaonarimampianina.

Novembre 2021 _

Siteny Randrianasoloniaiko et Tinoka Faux-diplômé Roberto sont inséparables. On les voit presque tout le temps lors des ...
09/11/2022

Siteny Randrianasoloniaiko et Tinoka Faux-diplômé Roberto sont inséparables.

On les voit presque tout le temps lors des évènements sportifs ou autres, notamment se déroulant dans le Sud de l’île. D’un côté, c’est normal vu qu’ils sont tous les deux natifs de la région. D’un autre côté, cette relation semble être perverse vis-à-vis du régime vu que Siteny Randrianasoloniaiko est le potentiel candidat adversaire de l’actuel Président lors des prochaines élections Présidentielles de 2023.

Amasseur de foule dans le Sud de l’île, Siteny Randrianasoloniaiko est connu pour ses sorties spectaculaires en public. Mais seulement dans le Sud. Tinoka Faux-diplômé Roberto, quant à lui, suit Siteny partout. Il faut noter que Siteny est le président de l’Union africaine de judo et Tinoka Faux-diplômé Roberto est le ministre Malgache des Sports. Là encore, ils ont un point en commun. Mais rappelons que jusqu’à preuve du contraire, Tinoka Faux-diplômé est toujours membre du parti politique du Champion et Siteny Randrianasoloniaiko son potentiel adversaire lors des prochaines élections.

Siteny est également Président du Comité olympique malagasy. Il semblerait que ce serait la raison pour laquelle le budget de l’organisation des prochains jeux des îles prévus se tenir à Madagascar en 2023 n’apparaissent nulle part dans les documents de l’Etat. Les députés ont confirmé que ce n’est pas inscrit dans le Projet de Loi des Finances Initiale, actuellement en études à l’Assemblée nationale. Au début, le Champion s’est porté volontaire pour accueillir ces jeux des îles, mais actuellement il s’en fout.

Pourtant, on voit plus souvent Tinoka Faux-diplômé Roberto avec Siteny plutôt qu’avec le Champion. Lors de l’accueil de Siteny Randrianasoloniaiko à Tuléar du retour de la cérémonie de sa nomination à la Présidence de l’Union africaine de judo (UAJ), Tinoka était sur les lieux à Tuléar en juillet 2021...

La Gazette.

- Tsy ekena ary melohina amin'ny herin'ny rehetra, ny fikasàna sy finiavana, hanohintohina na amin'ny fomba mivantana na...
27/10/2022

- Tsy ekena ary melohina amin'ny herin'ny rehetra, ny fikasàna sy finiavana, hanohintohina na amin'ny fomba mivantana na ankolaka, ny asa fikarohana, fikirakiràna, ary famoaham-baovao.

- Tsy ekena ary melohina amin'ny herinay rehetra ny herisetra, ny ramatahora, ary ny fandrahonana izay efa lasa fanaon'izay manampahefana sy manana andraikitra samihafa ankehitriny.

- Mamporisika sy mankahery ny namana Mpanao Gazety rehetra amin'ny asa aman'andraikitra, izay atao ao anatin'ny maha-matianina tanteraka. Ary manainga ny rafitra rehetra, na ara-pitsarana, na ara-panjakana hanao ho vaindohan-draharaha, ny fampanajàna ny zon'ny olom-pirenena hianoka vaovao marolafy avy amin'ny loharanom-baovao samihafa.

25/10/2022

"Akondro iray fototra ny ambanilanitra : ny mamololona ho raviny, akondro hiany ; ny manondro lanitra ho voany, akondro hiany ; ny miendaka ho raty, akondro hiany ; ny mitsontsorika ho lafiny, akondro hiany."

Ohabolan'ny Ntaolo _ 1885.

Kivy ny mpanazatra, mankasitraka ny Bianco
21/10/2022

Kivy ny mpanazatra, mankasitraka ny Bianco

Chapeau e ! Mahay Ramatoa Lalaina Honorencia. Mofomamy io fa tsy labiera ...   mahay  mahavita  mikaroka
21/10/2022

Chapeau e ! Mahay Ramatoa Lalaina Honorencia. Mofomamy io fa tsy labiera ...

mahay
mahavita
mikaroka

18/10/2022

Nommé, puis viré, après reconduit, afin d’être viré de nouveau ! Apparemment il aime le va-et-vient.
Politique à Madagascar 🥲🥲

21/09/2022

Tratra ny mpanapoka solika, misy minisitra voatonontonona, misy ny volamena manjavona fotsiny, Dia misy minisitra voatonontonona, iza ihany izany no nitondra zandary nanaisotra olona tamin'ny tany miady teny Faravohitra, fa dia nisy Governora voatonontonona, dia mbola governora ihany koa no voatonontonona tamin'ny resa-b..., Nipoitra ny resaka crédit sy ny famoahana an-keriny ny mpamiliny tany amin'ny violon, nataon'ny Dircab-ny .... Hatramin'ny resaka omby sy bokin'omby, misy Governora sy préfet ary minisitra voatonontonona ... Efa 4 taona izay, tsy mitsahatra ny scandales ! Mampalahelo anakay ilay firenena...

01/09/2022

Noesorina ny Governora, fa ny fahamendrehan'ny fitondram-panjakana efa voataritarika amin'ny tany... Inona no tokony atao ?

Noesorina ny Governoran'Alaotra Mangoro.
31/08/2022

Noesorina ny Governoran'Alaotra Mangoro.

Hiombonako manana ity fanehoan-kevitry ny Depiote Rossy ity !
31/08/2022

Hiombonako manana ity fanehoan-kevitry ny Depiote Rossy ity !

Routes nationales, horizon 2023 !
29/08/2022

Routes nationales, horizon 2023 !

🤬🤬🤬Volamena 17 kg tratra teny Ivato tamin'ny alin'ny alakamisy teo...👉Hosoka daholo no nampiasaina saika namoahana azy i...
26/08/2022

🤬🤬🤬

Volamena 17 kg tratra teny Ivato tamin'ny alin'ny alakamisy teo...

👉Hosoka daholo no nampiasaina saika namoahana azy io...toy ity taratasy am sary ity

👉Faux papiers daholo ny saika hamoahana an' io volamena io. Ny cachets koa torak'izany...

- Io chef d'escadron de gendarmerie lazaina ao anaty taratasy io, dia efa tsy miasa ao amin'ny Ministère des mines efa ela fa efa any amin'ny Commandement de gendarmerie;

- Ny dénomination du Ministère dia efa tsy io intsony. Ministère des mines et du pétrole ahoana ary???

- Ilay Lahisambany Mihaja Miaritra koa mbola placé sous mandat de dépôt eny Antanimora izao... Tam'lay resaka volamena nanjavona tao amin'ny minisitera farany teo...

👉Tao anaty camion mpitaona sakafo anaty avion, vao teo amin'ny porte d'entrée côté piste ilay volamena io fa mbola tsy tany anaty avion izany.

👉Misy avion tsy mahazo savaina mantsy hono eny... Toa hoe mahazo consigne hi-croisé les bras daholo ny mpiasa vao ilay avion tsy azo atao n'inon'inona no hiainga?

👉Ny mampalahelo amin'ilay revy eto amin'ny tanàna dia ny mangalatra mangahazo iharan'ny fitsaram-bahoaka, ny mangalatra akoho migadra aman- taonany, ny mangalatra omby voatifitra degany be fa ny mpangalatra harem-pirenena tazanim- potsiny ohatran'ny k...n'anabavy!!!

POUSSY Poussy BPoussy BestPoussy Best

Tokony mora amin'izay ny mandrava sy mamoaka ampahibemaso ny mpikambana rehetra, amin'ny Mafia Mpanao trafikam-bolamena ...
26/08/2022

Tokony mora amin'izay ny mandrava sy mamoaka ampahibemaso ny mpikambana rehetra, amin'ny Mafia Mpanao trafikam-bolamena eto an-tanàna ! Miandry isika.

Atoa DG ENMG ...asio famaritana ihany ny anao rehefa miresaka vaovao nivoaka angazety ianao fa tsy atao lasaka iray tomp...
26/08/2022

Atoa DG ENMG ...asio famaritana ihany ny anao rehefa miresaka vaovao nivoaka angazety ianao fa tsy atao lasaka iray tompoko ny mpanao gazety ary tadidio fa tafiditra anaty ny asanay ny fanananao zo hamaly amnlay gazety namoaka vaovao tsy mety aminao koa aza mihazakazaka manome lesona ny tontolo ny asa fanaovan-gazety Ramose azafady indrindra ...

Depiote Fidèle Razara Pierre

24/08/2022

Matoandahatsoratra :
🟣 POTEHIN'I FRANTSA NY TAFIKA MALAGASY.
Iray amin’ireo singa fototra maha-firenena ny firenena ny tafika. Ny tafika no manda aron’ny tanàna sy tandroka aron’ny vozona, ary ny fahatomombanan’izany tafika izany dia kitro ifaharan’ny maha-firenena manana ny fiandrianany ny firenena iray. Tsy tokony hahagaga raha toa ka niara-teraka tamin’ny fanambarana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena tamin’ny faha-26 Jona 1960 (na fahaleovantena sarintsariny ihany aza) ny nahaterahan’ny tafika malagasy.
Mahavariana sy mampalahelo anefa fa dia sokajian’ny fitondrana frantsay ho eo ambany vahohony hatrany i Madagasikara. Tsy mahagaga anefa izany satria ny mpitondra fanjakana nifandimby teto mihitsy no tsy nisy nahavita niaro an’ilay fiandrianampirenena. Na sarintsarim-pahaleovantena tokoa mantsy aza no nambara tamin’ny faha-26 Jona 1960 dia tsy misy antony tsy tokony ho nahafahan’ny mpitondra taty aorian’ny Repoblika voalohany nampivaingana ny tena maha-firenena manana ny fiandrianany an’i Madagasikara. Mampalahelo fa dia nanara-davahana ny zava-nisy tany amin’ny Repoblika voalohany avokoa ny taty afara rehetra.
Amin’izao fotoana dia miezaka hatrany mamotika ny tafika malagasy ry zareo frantsay, ka anairana ny hambom-pon’ny filohampirenena, izay filoha farantampon’ny tafika, mba tsy hamela ny tafika malagasy ho potika. Ny minisitry ny fiarovam-pirenena mantsy dia efa manaiky ho fitaovana mahombin’i Frantsa amin’izany famotehana ny tafika malagasy izany ka ny filohampirenena sisa no ndeha hametrahana ny fanantenana.
Inona avy moa no endrika isehoan’izany famotehana ny tafika malagasy izany ?
Tamin’ny taona 2018 dia nisy fanazaran-tena ara-miaramila avy amin’ireo nosy dimy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana natao tany Antsiranana , izay teo ambany fibaikoan’i Frantsa. Navory ny Etamazaoro ka manamboninahitra jeneraly eo anivon’ny tafika frantsay no nitarika ny hetsika. Ny baiko tamin’izany dia ny hamafana ny dian-tanan’i Rosia eto Madagasikara. Dia nopotehina tsikelikely ireo fitaovam-piadian’ny tafika malagasy ary nanatrika ny famotehana ny mpanolotsainan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena malagasy, Petit Jean, sy ny mpiraki-draharaha ara-tafika (attaché de la défense) eo anivon’ny masoivohom-panjakana frantsay eto Madagasikara. Ireo fitaovana goavana rehetra tao amin’ny Rejimanta miaramila tao Arivonimamo (RAL), na fiara mifono vy na fitaovana fitifirana fiaramanidina, izay samy mbola tsara sy azo ampiasaina, saingy avy amin’i Rosia, no nopotehina. Isaky ny tonga eto ny iraky ny governemanta frantsay dia iniana avoaka ny fitaovana farany ao amin’ny « RAL »
Raha nisy solontena avy amin’ny tafika Rosiana nandalo teto tamin’ny 2018 dia nisy fitaovam-piadiana vaovao tokony nanaovana fanazaran-tena tany Langaina ny taona 2020-2021 saingy nolavin’i FRantsa.
Tsy nahafaly ny manamboninahitra jeneraly sy manamboninahitra ambony ao amin’ny tafika malagasy izany fihetsika manaiky hobaikoin’i Frantsa amin’ny famotehana ny fitaovam-piadiana malagasy avy amin’i Rosia izany, nefa tsy hita izay tolo-tanana na setrin’izany famotehana izany avy amin’i Frantsa. Tamin’ny volana martsa 2021 aza dia mbola nopotehina koa ny BRDM (fiara mifono vy) miisa dimy ary ny vy avy amin’izany dia naondrana any ampita,
Noesorina koa izao ny antsoina hoe « detachement » amin’ireo seranam-piaramanidina manerana an’i Madagasikara sy ny fitaovam-piadiana rehetra tamin’ireny toerana ireny ka ara-bakinteny ny hoe « nataon’i Frantsa izay hahamaivana (affaibli) ny tanjak’i Madagasikara ka ny tafika no voalohany potehiny. »

Telonohorefy Gazety

Toraka voninkazo ho an'ny polisim-pirenena Malagasy, Misaotra e ! Izao no tsy ampy eto amin'nyfirenen-tsika, amin'ny seh...
19/08/2022

Toraka voninkazo ho an'ny polisim-pirenena Malagasy, Misaotra e ! Izao no tsy ampy eto amin'nyfirenen-tsika, amin'ny sehatra rehetra. Ny fisorohana mialoha, na ny anticipation. Zava-dehibe izany ka dia mankasitraka indrindra.

15/08/2022

Eken'ny Fiangonana ve ny hivoizana loko politika mandritra ny JMJ ?

10/08/2022

Trafikam-bolamena,
Tratra ny vadin’ny senatera Seramila

Tamin’ny alakamisy faha 21 jolay 2022 dia voasambotra ny vadin’ny senatera Nino Seramila izay voafidy tao Ambanja. Niaraka tratra taminy koa ny vehivavy telo hafa ka isan’izany ny vadin’ny depiote Léon ao Mahajanga-II.
Araka ny voalaza dia voatana ao Nosy-be Hell-Ville izy efatra vavy ireo. Nieritreritra ny handeha ho any Addis Abeba ao Ethiopie izy ireto no tratra izao. Somary nafenina ihany ny raharaha nefa tsy navelan’ny marina tsy hivoaka ka izao lazaina izao.
Tsy mijanona fa mbola mitohy hatrany ny fanondranana an-tsokosoko ny volamena eto Madagasikara. Tsy mbola voalaza aloha ny lanjan’izany volamena izany na firy kg indray. Ny azo antoka dia tsy kely izy io matoa olona efatra be izao no niaraka voarohirohy amin’ity raharaha ity. Raha ny loharanom-baovao azo avy any amin’iny faritra iny dia tsy mbola izao ihany no nanao ity fanondranana volamena antsokosoko ity ireo fianakaviana ireto.
Na inona na inona koa fomba filazana dia tsy izy efa-bavy ireo no tena mpanondrana sy mpanao izao trafika izao fa misy ny olona miaraka aminy. Tsy azo inoana koa fa tsy fantatry ny Senatera Nino Seramila sy ny depiote Léon ao Mahajanga-II izao raharaha izao. Mety noho izy ireo manana fahefana koa no antony mahatonga izao raharaha izao.
Raha tany amin’ny firenena tena manaja ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna isika eto Madagasikara dia tokony hanaovana fanadihadiana ary tokony hiala amin’ny toerany ireo olom-boafidy ireo. Tsy azo inoana koa fa mandeha irery ireo olona ireo fa manana namana hafa koa.
Miroborobo tanteraka ny fanondranana volamena antsokosoko avy eto Madagasikara amin’izao fitondrana izao. Azo lazaina fa olona manana fahefana sy ao anatin’ny fitondrana no ho sahy hanao izany. Mbola tsy miravona akory ny raharaha mikasika ny volamena tany Afrika Atsimo sy Comores ary ny volamena nogiazina tao amin’ny “Coffre-fort” tao amin’ny ministera ny harena ankibon’ny tany, dia izao tratra izao indray ny vadin’ny senatera Nino Seramila sy ny vadin’ny depiote Léon ao Mahajanga-II. Iza indray ny mpitondra manaraka ho tratra ao na ny fianakaviany?

La Gazette

10/08/2022

La date du 10 août 1991 demeure une grande journée ineffaçable de l’histoire politique de Madagascar. Le « Dia-be » des Hery Velona pour la destitution d’un président et qui a fait des centaines de morts et des blessés semble s’effacer dans l’oubli.

Or, c’était un mouvement populaire d’une grande envergure pour les changements politique et surtout socio-économique concoctés par les vrais politiciens du pays. Oui ! Les vrais ! En coïncidence avec l’attentat raté envers le Grand dirigeant, le 10 Août 1991 est enfoncée dans les oubliettes du pouvoir.

Les jeunes actuels devraient connaître l’histoire de son pays pour voir l’avenir et c’est vraiment un grand dommage qu’on laisse passer une telle date qui a une grande importance à l’image du 29 Mars 1947.

C’est le Grand dirigeant qui veut gommer l’histoire du pays pour que le 7 Février y prenne place. Mais on ne déforme pas les faits et les évènements historiques. C’est insensé de voir notre pays qui laisse passer son histoire.

Au moins, la Culture y est pour quelque chose. Et les conséquences sont néfastes au sein de notre jeunesse, qui manque les bases de leur éducation et de leur civisme. C’est pourquoi notre société est telle que nous la vivons maintenant.

L’erreur émane du pouvoir. On peut revivre les évènements du 10 Août 1991 si le Grand dirigeant sache l’importance de l’Histoire. Mais il est occupé ailleurs pour aménager les routes et à remanier son gouvernement. Puisse que l’Histoire du pays vive !

Francis Rasoamaharo 10 Aout 2021

Politika : Ajanony ny politikan'atakaIty sary ity izany mampatsiahy ilay kilalao fahiny hoe :- Avy mangataka izahay a, i...
10/08/2022

Politika : Ajanony ny politikan'ataka

Ity sary ity izany mampatsiahy ilay kilalao fahiny hoe :

- Avy mangataka izahay a, izahay
- Iza ré no alainareo, alainareo

Tena tsy azoko ilay hoe ny Filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny Governemanta manontolo, no hanao tatitra sy ho bedesina ary omena moraly avy amin'ny solotena vahiny.

Ny Lalampanorenana mazava tsara fa ny filan-kevitry ny Minisitra no manapa-kevitra, ary ny Parlemanta no anaovana tatitra.
Raha misy findramam-bola na tetik'asa iarahana amin'ireo vahiny, dia ny Minisitra sy ireo departemanta voakasik'izany no miatrika azy ireo.

Ny Filoham-pirenena izany mihaona amin'ny Filoha mitovy laharana aminy hatrany, na eto an-toerana na any ivelany.

Mety misy fihaonana manokana, fa tsy ny andrim-pajakana iray manontolo no hiondrika angataka lava izao, ka na ny vola anaovana fifidianana ho Filoham-pirenena aza mbola ry zareo no iantoka azy, sy hilaza ny tsy maintsy atao.

Manana ny ampy isika fa ajanony ity politikan'ataka ity e. Aza tia tena ka giazana daholo sy amidy ambongadiny ny harem-pirenena.

Avelao alalaka, ary mandoa hetra ambany ireo mpitrandraka volamena sy vatosoa, amidio ny bois de rose efa tapaka, fa iray volana dia miditra ny 4 milliards de dollars.

Aleo alalaka ny famarotana ireo voly fanondrana, lavanila, kafe, jirofo, poivre, lojy, litchi...

Aza asiana teritery fampodiana vola vahiny izany, tsy misy mpandraharaha ametraka ny volany lavitra izany raha azony antoka fa tsy misy mikasika ny volany.

Vola inona koa moa no avelany any ivelany any, ny eo an-tanana aza tsy ampy iasany.

Foano ny MID, fametrahana ny vola Malagasy hitsingevana hifamatotra amin'ny vola vahiny.

Sahia mahaleo tena amin'ny fifehezana ny vola Malagasy.
Tsy misorona.

Patrick
(Sary présidence)
[email protected]
www.gasypatriote.com
Copyright © GasyPatriote

Portail internet Numéro UN à Madagascar. Les informations à la portée de vos mains, au cœur des événements, en temps réel.

Ny atao hoe politika eto an-tanàna ! mahakivy !
05/08/2022

Ny atao hoe politika eto an-tanàna ! mahakivy !

TATITRY NY BANKY IRAISAM-PIRENENA  -  RESY TANTERAKA NY MALAGASY Tahan'ny harikarena 2018 : 5,2%2022 : 2,6%Tahan'ny faha...
05/08/2022

TATITRY NY BANKY IRAISAM-PIRENENA - RESY TANTERAKA NY MALAGASY

Tahan'ny harikarena
2018 : 5,2%
2022 : 2,6%

Tahan'ny fahantrana
2017 : 73,7%
2022 : 81%

Source : Mada 100.8 FM

🗣️ 2023 le resaka.Rehefa hanao copier-coller ihany dia mba jereo ny an'ny olona rehefa manomana fifidiana:🛑 Tsy misy fiz...
05/08/2022

🗣️ 2023 le resaka.
Rehefa hanao copier-coller ihany dia mba jereo ny an'ny olona rehefa manomana fifidiana:
🛑 Tsy misy fizarana vola
🛑 Tsy misy fizarana T-Shirt
🛑 Tsy misy an ireny cortège mamoafady misy vatapaty ireny
🛑 Tsy misy klaxon eraky ny tanàna
🛑 Tsy mila lokolokoina daholo ny tranom-pianarana sns
🛑 Tsy mila maka artistes sy manao concerts maimaimpoana
🛑 Tsy misy resaka ambany foatra
Saingy
🟢 Misy fifanakalozana mangarahara momba ny asa vita sy ny zavatra nampanantenaina ho an'ny sortant
🟢 Misy programa mazava tsara SMART (midika hoe tsy fampanantenana poa-katy fa fantatra hoe ahoana ny fomba hanatanterahina ny vina)
🟢 Misy débats politiques malalaka sy misy fifanajana ny andaniny sy ny ankilany
🟢 Avela mba tena ny vahoaka no hifidy ny mpitondrany fa tsy mangalatra..
Indrisy, fantatro fa utopique daholo ireo ...
Mafy loatra ny fitiavana vola, vody ary voninahitra.
Le vahoaka rahateo bado. Sa plutôt nobadoina. Tsy hay intsony.
Onena anao loatra aho ry fireneko. Ny adidiko aminao efa vitako ampahany hahazoako matory milamina...

Randriamasy Natanaela

04/08/2022

En finances publiques il y a le principe de l' UNICITÉ DE CAISSE et son corollaire le principe DE NON AFFECTATION DES RECETTES ou la fongibilité. Izany hoe ny vola tafiditra ao amin'ny Trésor dia ambavam-boay izany hoe mifangaro amin'ny vola hafa miditra ka azo hampiasaina amin'ny fandaniana rehetra tsy misy ankanavaka. Mipetraka ny fanontaniana soa dia izany no mahatonga ny lalana eto Madagasikara tsy misy fikojakojana intsony na tsy voaloa intsony ny volan'ny mpandraraha mikojakoja ny lalana nanomboka 2019 raha niova ho Fonds routiers ny Fonds d'entretien routier na FER nanomboka tamin'ny 2019? Taloha tamin'ny FER dia natokana manokana ho an'ny fikojakojana ny lalana ny vola. Ankehitriny dia tafiditra ao anatin'ny kitapo iray ao amin'ny tahirimbola-panjakana ny vola 546 miliara Ariary azo amin'ny solitany nanomboka 2019 ka mety lany nanaovana zavatra hafa manara-pentitra . Fehiny : tokony ho dinihina tsara ny fiverenan-tsika amin'ny taloha mba ho ampiasaina manokana sy manontolo amin'ny fikojakojana lalana ny taxes sur les produits pétroliers satria simba daholo ny lalana .

Auguste Paraina

Miantso ny Filoham-pirenena ny GEN (Groupe des Experts Nationaux) hamoaka didy hametrahana 𝙥𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙩𝙨𝙞𝙩𝙨𝙞𝙖𝙣𝙖 :- Hats...
03/08/2022

Miantso ny Filoham-pirenena ny GEN (Groupe des Experts Nationaux) hamoaka didy hametrahana 𝙥𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙩𝙨𝙞𝙩𝙨𝙞𝙖𝙣𝙖 :

- Hatsahatra ny fandoavana tambin-karama ho an'ny mpiasam-panjakana ambony, isan'izany ny Filoha.

- Ferana ny fampiasana solika ary atsahatra ny fanomezana chèque carburant

- Atsahatra ny lanonana mandany volam-panjakana (fitokanana...)

- Amidy ny fiaram-panjakana lafo vidy

- Ilaina ny fitoniana, ny fifanakalozan-kevitra, ny fakan-kevitra hoy ny GEN

03/08/2022
FANTATRA NY ATIDOHA NIKOTRIKA ILAY VONOAN'OLONA FAOBE TANY ANKAZOBE !  WANTED.Iangaviana izay mahita na manam-baovao mom...
02/08/2022

FANTATRA NY ATIDOHA NIKOTRIKA ILAY VONOAN'OLONA FAOBE TANY ANKAZOBE ! WANTED.

Iangaviana izay mahita na manam-baovao momba an'i RANDRIANARISOA Elysé na antsoina hoe IARISY , Jiolahy rain-dahiny lehiben'ireo nitarika nanafika sy nandoro velona ka nahafaty olona miisa 32 tany Ambohitarakely Ankazobe, mba hampandre haingana ny Mpitandro filaminana akaiky anao indrindra.
Fonenany farany: Belavabary, Fkt Anosikely, Cr Ambatomanoina, Dist Anjozorobe.

Faritra telozoro mety fandalovany: Distrika mifanefitra Anjozorobe - Ambohidratrimo - Ankazobe.

(source / infocom seg)

Atao TSIAMBARATELO sy AROVANA ny mombamomba izay loharanom-baovao. Hisy valisoa omena izay nanome vaovao mari-pototra nahatrarana azy sy ny namany

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261340040360

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Heninkaja VH Rakotomanantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Heninkaja VH Rakotomanantsoa:

Videos

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All