Flash Infor Tulear Ofisialy

Flash Infor Tulear Ofisialy Fifampizara ty raha malaza noho maresaky amy faritsy Antimo toy

POISSON Gร‰ANT 300 kg ๐ŸŸDzamandzar Nosy Be.Izy irery no nanjono azy, wow mafy izy !๐Ÿ˜ฎ๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ“ธ EF Rabe
04/10/2023

POISSON Gร‰ANT 300 kg ๐ŸŸ
Dzamandzar Nosy Be.
Izy irery no nanjono azy, wow mafy izy !๐Ÿ˜ฎ๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘๐Ÿ‘

๐Ÿ“ธ EF Rabe

โ•๐Ÿ˜ถFiara roa (Porsche sy 4*4 Prado) no nifandona teny Analakely io atoandro io. Samy potika ny lohan'ireo fiara roa ireo....
24/09/2023

โ•๐Ÿ˜ถFiara roa (Porsche sy 4*4 Prado) no nifandona teny Analakely io atoandro io.
Samy potika ny lohan'ireo fiara roa ireo.

(Sary nindramina)

โ—๐Ÿ•Š๏ธOlona iray no efa hita faty,4 hafa kosa mbola tadiavina vokatry ny faharendrehan'ilay lakana "TRANS LAN" tany Amboana...
23/09/2023

โ—๐Ÿ•Š๏ธOlona iray no efa hita faty,4 hafa kosa mbola tadiavina vokatry ny faharendrehan'ilay lakana "TRANS LAN" tany Amboanato, Mananjary Nosy Varika androany maraina. Andrasana ny mety ho tohiny.

(Loharano:Fanomezantsoa)

AMBALATAVOANGY.VOAFONJA 110  NAHAZO MARI-PAHAIZANAVoafonja miisa 110 mianadahy izay nahavita fianarana mamaky teny sy ma...
05/09/2023

AMBALATAVOANGY.
VOAFONJA 110 NAHAZO MARI-PAHAIZANA
Voafonja miisa 110 mianadahy izay nahavita fianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy no nahazo mari-pahaizana androany teny anivon'ny fonjaben'Ambalatavoangy Toamasina, fampianarana izay niarahana tamin'ny ONG St Gabriel. Nisy ihany koa ny fanomezana loka hoan'ireo nandresy tamin'ny ara-panatanjahatena baolina kitra.

Tafiditra anatin'ny herinandro fankalazana ny ady amin'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ary mikajy isika izao, ka amin'ny 6 Septambra hoavy izao no hotanterahina ny fanokafana izany amin'ny fomba รดfisialy ka isan'ireo nahazo tombony amin'izany ireo voafonja eto amintsika.
Izao hetsika izao no tanteraka nohon'ny fiaraha- miasa eo anivon'ny fandraharahana ny fonja sy ONG St Gabriel ary ireo mpitondra eto ant-toerana.
Ny lefitra fahatelon'ny Ben'ny tanร na no nisolotena ny Commune Urbaine Toamasina nanome voninahitra izao lanonana izao

ยฉ Commune urbaine Toamasina

ANDRY BIAHARY: Vita tamin'ny 18h 45mn ny fitsarana azy.Ireto ny didy nivoaka ny fitsarana ambaratonga voalohany. 1.Sazy ...
20/12/2022

ANDRY BIAHARY: Vita tamin'ny 18h 45mn ny fitsarana azy.

Ireto ny didy nivoaka ny fitsarana ambaratonga voalohany.
1.Sazy MIHATONA 18 volana fitarihana hanongam-panjakana
2.sazy MIHATONA 06 volana famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana
3.Afaka madiodio tamin'ny fiampana fa nanala baraka tamin'ny haino radio sy tรฉlรฉvision ary tamin'ny Facebook.
Nilaza ny mpisolo vava fa tsy nahafam-po ny didy ary mbola HAMPIAKATRA izy ireo

Tsy hay sasy ty marina amy raha toy...๐Ÿ˜ฅ๐Ÿ˜ญResaky Andry BIAHARY ilay raha...
19/12/2022

Tsy hay sasy ty marina amy raha toy...๐Ÿ˜ฅ๐Ÿ˜ญ

Resaky Andry BIAHARY ilay raha...

๐Ÿ’ฅMitaky ny famotsorana an'Atoa Andry Biahary ihany koa ny  Toko bey Telo Tsimanavake izay tarihin'Atoa Torimana Evaharan...
19/12/2022

๐Ÿ’ฅMitaky ny famotsorana an'Atoa Andry Biahary ihany koa ny Toko bey Telo Tsimanavake izay tarihin'Atoa Torimana Evaharane dit efombiby, io no Fanambarana nataon'izy ireo tao @ toeram-pivoriana Sanfily io hariva io.

๐Ÿ’ฅNambarany fa tsy mankasitraka korontana izy ireo ka miangavy ny fitondram-panjakana mba hamotsotra an'Atoa Andry Biahary.

Malaman'i TOLIARA โœŠ
16/12/2022

Malaman'i TOLIARA โœŠ

Ao Toliara dia ny karana no manjaka ๐Ÿ™
16/12/2022

Ao Toliara dia ny karana no manjaka ๐Ÿ™

Bazar SCAMA Toliara: Mpangaropaosy telo lahy izay raindahiny no sady ikoizana amin'ny haropaosy ao amin'ny Bazar SCAMA T...
07/10/2022

Bazar SCAMA Toliara: Mpangaropaosy telo lahy izay raindahiny no sady ikoizana amin'ny haropaosy ao amin'ny Bazar SCAMA Toliara no tratehaky ny Polisy avy eo anivon'ny kaomisaria de Police Betania. Efa ela no karohina fatratra ireto mpangaropaosy gaigilahy ireto ka izao tratra izao. Miroso amin'ny fanaovana velampandraka ny namanizy ireo ny Polisim-pirenena avy eo anivon'ny kaomisaria de Police Betania.

Source: Commissariat de Police Betania

Halatra Ankizy ao Ankoronga Toliara IIAnkizilahy iray 11 taona no nalain'ny jiolahy miisa 5 ankeriny tao Ankoronga - Kao...
01/10/2022

Halatra Ankizy ao Ankoronga Toliara II

Ankizilahy iray 11 taona no nalain'ny jiolahy miisa 5 ankeriny tao Ankoronga - Kaominina Betsinjaka - Distrikan'i Toliara II androany tamin'ny Iray ora sy sasany maraina. Nodoran'ireo olondratsy ny trano miisa telo avy eo.

Navelan'ireo jiolahy tao anatina kirihitrala tsy lavitra ny tanร na anefa ity zazalahy ity rehefa nifanenjehan'ny fokonolona. Vaky nandositra kosa ireo olondratsy.

Source: Ny vaovaon'i KOLO TV

MOROMBE: FANAFIHAN-DAHALO AMIN'NY  LALAMPIRENENA FAHA 9 Fiara mpitatitra mpandeha  ( Sprinter ) mampitohy an'ny TOLIARA ...
01/10/2022

MOROMBE: FANAFIHAN-DAHALO AMIN'NY LALAMPIRENENA FAHA 9

Fiara mpitatitra mpandeha ( Sprinter ) mampitohy an'ny TOLIARA - MOROMBE no nisy nanakana tamin'iny lalam-pirenena faha sivy iny ( RN9 ) io Maraina io. Raha ny loharanombaovao dia miisa telo ireo dahalo nanao ny fanafihana ary mitam-basy avokoa.
Tafavoaka soa aman-tsara anefa ilay fiara ary tsy nisy naratra na dia iray .
Efa Tonga ao an-Toerana ireo Mpitandro filaminana mijery ny toe-java-misy.

Source: Josephat Luciano

 ๐Ÿ˜ญ VARIRA dit VAZAHA, monina ao Ampanihy, Fokontany Mahavatsy, kaominina ambanivohitra  Marerano, Distrikan'i Beroroha, ...
28/09/2022



๐Ÿ˜ญ VARIRA dit VAZAHA, monina ao Ampanihy, Fokontany Mahavatsy, kaominina ambanivohitra Marerano, Distrikan'i Beroroha, MATY novonoinโ€™ny dahalo tao aminโ€™ny Tร nana Behera, Fokontany Belemboky, commune rurale Marerano,miala 5km miala ny tanana aminโ€™ny lalan-tsarety makany Ambondro sy Marerano.
๐Ÿ˜” Nentinโ€™izy ireo taminโ€™ny sarety rehefa avy nofatorany taminโ€™ny tady nylon ny tongony sy ny tanany , nofatsihanโ€™ireto dahalo famaky ny lohany sy ny tendany ary ny sofiny.
โžก๏ธ Tokony taminโ€™ny 2 na 3 ora maraina ny Talata 27 Septambra 2022 no nisehoanโ€™ity habibiana ity.
โžก๏ธ Ny Andro hanatanterahana ny fety antsoina hoe BILO, fomban-drazana fanao amin'ireo olona manana Hery manokana no nisehoan'ity famonoana ity.
๐Ÿ˜” Efa nisy nangalatra ity tovolahy varira ity ny volana Desambra 2021.

Source: Tv plus Madagascar

Ampanihy Ouest-Vary stock: 700 Ar Kapoake raike-Rano 20 L:  700 Ar laha misy ho vilie (JIRAMA).Ranom-bovo: SAKATOVO 500 ...
27/09/2022

Ampanihy Ouest

-Vary stock: 700 Ar Kapoake raike
-Rano 20 L: 700 Ar laha misy ho vilie (JIRAMA).
Ranom-bovo: SAKATOVO 500 Ar Bidon 20 L

Source: Radio Television Sakatovo Ampanihy

Mรฉtรฉo ToliaraAndroany Talata: 29ยฐC / Ensoleillรฉ Hamaray Alarobia: 34ยฐC / Ensoleillรฉ Source: weather.com
27/09/2022

Mรฉtรฉo Toliara

Androany Talata: 29ยฐC / Ensoleillรฉ
Hamaray Alarobia: 34ยฐC / Ensoleillรฉ

Source: weather.com

BELITSAKE-NORD - District Toliara Lehilahy tanora iray no hita faty teo amin'ny lalana RN9 tao Belitsake Avaratra, andro...
31/07/2022

BELITSAKE-NORD - District Toliara

Lehilahy tanora iray no hita faty teo amin'ny lalana RN9 tao Belitsake Avaratra, androany faha 31 jolay 2022.
Nokapahin'ireo tsy matahotody @ famaky ny hatok'ity lehilahy hita faty ity ary efa tsy eny intsony ireo masony roa ary dia natsipin ireo olon dratsy teny @ arabe fotsiny avy eo.

โœ๏ธTany Antimo News - (Source: Fils Rakotomalala)

ZAZA VARIRATratehaky ny police avy ao amin'ny kaomisaria n'ny polisy Betania omaly Alakamisy 21 jiolay 2022 tolakandro  ...
22/07/2022

ZAZA VARIRA

Tratehaky ny police avy ao amin'ny kaomisaria n'ny polisy Betania omaly Alakamisy 21 jiolay 2022 tolakandro ireto olondratsy telo mianadahy ireto izay nangalatra zazavavy varira avy any Ambilobe ka hamidy aty Toliara.
Tonga nijery ifotony ny zavamisy Atoa Lรฉonard Cliff, mpanolotsaina manokan'ny Minisitry ny filaminambahoaka izay nankasitraka ny ezaka ataon'ny rehetra amin'ny famongorana ireo olondratsy.

Efa eo ampelatan'ny tomponandraikitra ny rahahara amin'izao.

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธSary indrana

FITATERANA ANABAKABAKAHisokatra indray ny sidina iraisam-pirenena mampitohy ny nosy La Rรฉunion sy Toliara ary Tolagnaro ...
15/07/2022

FITATERANA ANABAKABAKA

Hisokatra indray ny sidina iraisam-pirenena mampitohy ny nosy La Rรฉunion sy Toliara ary Tolagnaro mba hampiroboroboana ny sehatrY ny fizahantany aty amin'ny faritra atsimon'ny Nosy.

โœ๏ธTany Antimo News - (Source:ORTU)

AMBOASARYโœ…Beantitra sy olona marefo miisa 48 tao @ fokontany Taranty Ambendra, C U Amboasary no nisitraka ny fizarana fa...
14/07/2022

AMBOASARY

โœ…Beantitra sy olona marefo miisa 48 tao @ fokontany Taranty Ambendra, C U Amboasary no nisitraka ny fizarana fanampiana avy amin'ny olona tsara sitrapo izay nahitana vary, menaka, voamaina.

โœ๏ธTany Antimo News (Cรฉdrick Randriamaro)

Sahampona Amboasary AtsimoโŽAvotra soa amantsara ilay zaza varira nalain'ny dahalo ankeriny. Raha fintinina kely ny tanta...
14/07/2022

Sahampona Amboasary Atsimo

โŽAvotra soa amantsara ilay zaza varira nalain'ny dahalo ankeriny. Raha fintinina kely ny tantara dia ny alinโ€™ny 07 jolay 2022 tokony ho taminโ€™ny 9 ora, tao aminโ€™ny fokontany Ambanimera, kaominina ambanivohitrโ€™i Sahampona, distrikanโ€™Amboasary/faritra Anosy atsimo, dia nisy tranga fakana ankeriny zaza varira iray taona sy 8 volana izay nataon'ireo jiolahy sarika ampandrina.

โŽ Ny alinโ€™io ihany hifoha 08 jolay taminโ€™ny 2 ora dia nisy iray amin'izy ireo atao hoe Djenny izay fantatra fa anisan'ny avy nanao ilay asa ratsy no sarona tao Morafeno Amboasary/atsimo rehefa niverina.Ny fitsirihana ny findainy ihany koa no nitarika ny fahatratrana ireo dahalo namany nahavanon-doza.

โŽOmaly faha 13 jolay dia voasambotra ihany koa ny olon-dratsy iray tao Morafeno, izay fantatra fa mpampianatra amin'ny sekoly tsy miankina any Ifotaka. Fantatra taorian'izay ihany koa ny toerana niazonan'izy ireo ilay zaza ao aminโ€™ny alanโ€™i Beanantara eo anelanelanโ€™ny distrikanโ€™Amboasary Atsimo sy Ambovombe/Androy. Raikitra ny fitsirihana ifotony sy fifanenjehana ka jiolahy roa indray no tratra ramatoa iray sy jilahy iraytafaporitsaka. Natsipin'izy ireo teny amoron-dalana ilay zaza ka avotra soa amantsara .

โœ๏ธTany Antimo News - (Source Vaovaon'i Toliara)

HALATRA TAOLAM-PATYSarona tao Analafisaka kaominina Ambanivohitra Ivahona ireo olona telo nikasa hivarotra taolam-paty, ...
14/07/2022

HALATRA TAOLAM-PATY

Sarona tao Analafisaka kaominina Ambanivohitra Ivahona ireo olona telo nikasa hivarotra taolam-paty, Vehivavy ny iray ary lehilahy ny roa .

Taorian'ny velampandrika nataon'ny zandary noho ny fanomezan'ny olona tsara sitrapo vaovao dia sarona niaraka taminizy ireo ny taolam-paty nokasain'izy ireo hamidy tao an-toerana ihany.

โœ๏ธ Tany Antimo News - (Source: Thรฉophile Norbert )

Ho velomina ny TABIKANDRAZA  ao @ kaominina Mitsinjo Betanimena sy Miary,  Distrika Toliara II, ka natomboka omaly 13 Ji...
14/07/2022

Ho velomina ny TABIKANDRAZA ao @ kaominina Mitsinjo Betanimena sy Miary, Distrika Toliara II, ka natomboka omaly 13 Jiona ny asa fanadiovana sy fihadiana ity lakandrano ity.

โœ๏ธTany Antimo News

๐Ÿ”ฅTANORA TOLIARA MITADY ASAโ€ผTOLIARA MILA MANDROSO๐Ÿ‘‰Harena nยฐ1 : Saphir : le saphir malgache fournit plus de 40 % de la pro...
14/07/2022

๐Ÿ”ฅTANORA TOLIARA MITADY ASA
โ€ผTOLIARA MILA MANDROSO

๐Ÿ‘‰Harena nยฐ1 : Saphir : le saphir malgache fournit plus de 40 % de la production mondiale. Ofano ny tanora hahay manao "TAILLAGE" vato.
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ2 : Labradorite : Atsangano ao anatin'ny Faritra Atsimo Andrefana ny ORINASA
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ3 : Calcaire : Farafahakeliny dia ORINASA lehibe miisa 3 no azo atsangana raha ny Calcaire no trandrahina ara-drariny. Ny vokatra azo dia : CIMENT, CHAUX, VERRE,...
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ4 : Hazan-dranomasina (ohatra : Fia mihafo na petits poissons pรฉlagiques : logy, sihely, valahara, pepy, karapapaky. Tokony hisy ORINASA manao SARDINE.
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ5 : Laloasy : Ny zavatra vita azo avy aminy dia : FIBRES DE SISAL, fils de sisal, cordages en sisal, sisal textile, tapis en sisal, sisal non tissรฉ,โ€ฆ
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ6 : RAKETAMENA. Ny vokatra azo avy aminy : huile, jus, confiture,โ€ฆAry efa misy ny manao, fa mbola kely ny isanโ€™ny mpiara-miasa.
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ7 : Hasy : Azo atao ny manorina INDUSTRIE TEXTILE
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ8 : Vary, fosiky, voamaina isankarazany, tongolo,โ€ฆ AMร‰NAGEMENT HYDRO-AGRICOLE : Manja, Beroroha, Ankazoabo, Betroka, Bekily, Tamponโ€™Ihorombe
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ9 : Angovo : Sans une source dโ€™รฉnergie sรปre, on ne peut pas crรฉer des industries (des emploies). Il existe 4 principales sources dโ€™รฉnergie (ร  exploiter) : CHARBON DE TERRE, GAZ NATUREL, HYDROCARBURES ET HYDRAULIQUE.
๐Ÿ‘‰Harena nยฐ10 : OLOMBELONA : Filiรจres (rรฉpondant au contexte local) devraient รชtre dรฉveloppรฉes au sein de lโ€™UNIVERSITร‰ DE TOLIARA : minรฉralogie (vato), agriculture (fambolena), hydraulique (rano), tourisme (fizahantany), รฉconomie (toe-karena), Polytechnique (gรฉnie civil/industriel),โ€ฆ

โœ๏ธTany Antimo News
Source: Faustinato Behivoke

Loza AndranomasinaLakana iray nitodra olona miisa 34 niainga avy ao Toliara hoany Soalara sud, Distrikan'i Toliara II no...
13/07/2022

Loza Andranomasina

Lakana iray nitodra olona miisa 34 niainga avy ao Toliara hoany Soalara sud, Distrikan'i Toliara II no rendrika vokatry ny fahasimban'ilay Lakana tokony ho tamin'ny 03Ora marina teo.

Vokany, Telo (03) no hita faty, iray (01) mbola karohina, Telopolo (30) koasa avotra soamantsara.

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธ (Indrana)

Misaona ny tontolon'ny zavakato - Nodimandry i DEDAKENodimandry androany i  Dedake, mpanakanto manana ny maha-Izy azy am...
03/07/2022

Misaona ny tontolon'ny zavakato - Nodimandry i DEDAKE

Nodimandry androany i Dedake, mpanakanto manana ny maha-Izy azy amin'ny fiangaloana ny gadona tsapiky.
Isany nahafantarana azy ilay hira "Manekiteky".

Izahay ato amin'ny Tany Antimo News dia miondrika ampanajana amin'ny fahalasanao zokibe Grand maรฎtre DEDAKE. Mandria ampidanana...

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธDidindrano

๐‘ฝ๐‘จ๐‘ถ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ถ ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ญ๐‘จ ๐‘ฒ๐‘ฌ๐‘ณ๐’€ Renimpianakaviana iray avy ao Ampasikibo no teraka andala teo amin'ny fizarandalana, Quatre chemin Monj...
24/06/2022

๐‘ฝ๐‘จ๐‘ถ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ถ ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ญ๐‘จ ๐‘ฒ๐‘ฌ๐‘ณ๐’€

Renimpianakaviana iray avy ao Ampasikibo no teraka andala teo amin'ny fizarandalana, Quatre chemin Monja Jaona Sanfily androany zoma 24 Jiona tamin'ny iray (1) ora maraina raha handeha ho any amin'ny hรดpital.

Teraka soamatsaray ilay vehivavy ary nahazo vavy kely.
Teo no ho eo dia niverina nody izy mianakavy.

โœ๏ธ Tany Antimo News

19/06/2022
๐‘จ๐’Ž๐’ƒ๐’๐’—๐’๐’Ž๐’ƒ๐’† ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’๐’š - ๐‘ต๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’ ๐‘ณ๐’š๐’„รฉ๐’† ๐’Ž๐’‚๐’๐’‚๐’“๐’‚-๐’‘๐’†๐’๐’Š๐’•๐’“๐’‚Nahazo Lycรฉe Manarapenitra ny tanร nanโ€™Ambovombe ankehitriny raha toa ka ta...
19/06/2022

๐‘จ๐’Ž๐’ƒ๐’๐’—๐’๐’Ž๐’ƒ๐’† ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’๐’š - ๐‘ต๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’ ๐‘ณ๐’š๐’„รฉ๐’† ๐’Ž๐’‚๐’๐’‚๐’“๐’‚-๐’‘๐’†๐’๐’Š๐’•๐’“๐’‚

Nahazo Lycรฉe Manarapenitra ny tanร nanโ€™Ambovombe ankehitriny raha toa ka taminโ€™ny taona 1979 no nitsangana ny Lycรฉe voalohany ho anโ€™izany tanร na izany. Mahazaka mpianatra 600 ity lycรฉe ity, ary ahitana efitrano fianarana miisa 12, โ€œlaboratoireโ€, trano famakiam-boky, trano fikirakirana solosaina, ary kianja maintso filalaovam-baolina.

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธPRM

๐‘ป๐’๐’๐’Š๐’‚๐’“๐’‚ - ๐‘บ๐’†๐’Ž๐’Š๐’๐’†๐’“๐’‚ ๐‘ต๐’‚๐’”๐’Š๐’๐’๐’‚๐’๐’Š๐’'๐’๐’š ๐‘จ๐’๐’•๐’๐’Œ๐’ ๐‘ญ๐’‚๐’๐’‚๐’”๐’Š๐’'i ๐‘ด๐’‚๐’…๐’‚๐’ˆ๐’‚๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚๐’“๐’‚Nanatanteraka seminera nasionaly tao amin'ny restaurant Cr...
19/06/2022

๐‘ป๐’๐’๐’Š๐’‚๐’“๐’‚ - ๐‘บ๐’†๐’Ž๐’Š๐’๐’†๐’“๐’‚ ๐‘ต๐’‚๐’”๐’Š๐’๐’๐’‚๐’๐’Š๐’'๐’๐’š ๐‘จ๐’๐’•๐’๐’Œ๐’ ๐‘ญ๐’‚๐’๐’‚๐’”๐’Š๐’'i ๐‘ด๐’‚๐’…๐’‚๐’ˆ๐’‚๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚๐’“๐’‚

Nanatanteraka seminera nasionaly tao amin'ny restaurant Croix Sud Toliara ny Vondrona Antoko Fanasin'i Madagasikara omaly Asabotsy 18 Jiona 2022. Nanambara izy ireo fa handray anjara amin'ny fifidianana rehetra hatao eto Madagasikara.

โœ๏ธTany Antimo News

๐‘ญ๐’‚๐’“๐’Š๐’•๐’“๐’‚ ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’๐’š - ๐‘ญ๐’Š๐’•๐’๐’Œ๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ฉ๐’Š๐’“๐’‚๐’๐’Ž-๐’‘๐’‚๐’“๐’Š๐’•๐’“๐’š ๐’๐’š ๐‘ด๐’Š๐’๐’Š๐’”๐’Š๐’•๐’†๐’“๐’‚๐’'๐’๐’š ๐‘จ๐’”๐’‚, ๐’๐’š ๐‘ญ๐’‚๐’Ž๐’‘๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚๐’'๐’‚๐’”๐’‚, ๐’๐’š ๐‘จ๐’”๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’‚๐’๐’‹๐’‚๐’Œ๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’“๐’š ๐’๐’š ๐‘ณ๐’‚๐’ร ๐’๐’‚ ...
19/06/2022

๐‘ญ๐’‚๐’“๐’Š๐’•๐’“๐’‚ ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’๐’š - ๐‘ญ๐’Š๐’•๐’๐’Œ๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ฉ๐’Š๐’“๐’‚๐’๐’Ž-๐’‘๐’‚๐’“๐’Š๐’•๐’“๐’š ๐’๐’š ๐‘ด๐’Š๐’๐’Š๐’”๐’Š๐’•๐’†๐’“๐’‚๐’'๐’๐’š ๐‘จ๐’”๐’‚, ๐’๐’š ๐‘ญ๐’‚๐’Ž๐’‘๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚๐’'๐’‚๐’”๐’‚, ๐’๐’š ๐‘จ๐’”๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’‚๐’๐’‹๐’‚๐’Œ๐’‚๐’๐’‚ ๐’‚๐’“๐’š ๐’๐’š ๐‘ณ๐’‚๐’ร ๐’๐’‚ ๐‘บ๐’๐’”๐’Š๐’‚๐’๐’š

Isany nanamarika ny dian'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tany amin'ny tampany Atsimon'ny Nosy ny fitokanana ny biraon'ny fitaleavam-paritry ny Minisiteranโ€™ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana sy ny Lalร na Sosialy ao Androy.
Isany tanjona apetraka ny Fitantanan-draharaham-panjakana manakaiky vahoaka.

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธPRM

๐‘ญ๐’‚๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’๐’‰๐’‚๐’๐’‚  ๐’๐’š ๐’‚๐’”๐’‚ ๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’๐’‚๐’“๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐—ฅ๐—ก๐Ÿญ๐ŸฏNapetraka taminโ€™ny fomba ofisialy ny zoma faha 17 Jiona teo tao Ambovombe Androy...
19/06/2022

๐‘ญ๐’‚๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’๐’‰๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’‚๐’”๐’‚ ๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’๐’‚๐’“๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐—ฅ๐—ก๐Ÿญ๐Ÿฏ

Napetraka taminโ€™ny fomba ofisialy ny zoma faha 17 Jiona teo tao Ambovombe Androy ny vato fehizoro mariky ny fanombohana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 (RN13) araka ny fampanantenana nataonโ€™ny Filoha Andry RAJOELINA taminโ€™ny vahoakanโ€™ny Faritra Atsimonโ€™ny Nosy.
Hatao tara tanteraka manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny lalana izay hamboarina miainga eo Ambovombe hatrany Taolagnaro. Ireo tetezana izay ratsy ihany koa dia tsy maintsy havaozina mba hifanindran-dalana aminโ€™ny fenitra hapetraka mba hahafahanโ€™ny mponina sy ny entana avy aminโ€™ny faritra samihafa mezivezy.
ยซ Lalanโ€™ny firaisan-kina ยป no anarana omena ity lalam-pirenena faha-13 ity satria tsy ny Faritra Androy sy Anosy ihany no hampiraisinโ€™izany fa antenaina hampiray hina ny Faritra sy ny Malagasy iray manontolo, hoy ny Filoha. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Vondrona Eoropeana amin'ny alalan'ny Banque Europรฉenne d'Investissement (BEI) moa ny fanamboarana izao fotodrafitrasa izao .

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธPRM

๐‘ป๐’๐’๐’Š๐’‚๐’“๐’‚ - ๐‘ป๐’‚๐’“๐’‚๐’๐’‹๐’‚ ๐‘ช๐’š๐’„๐’๐’Š๐’”๐’Ž๐’†Notanterahina omaly Zoma 17 Jiona tao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahate...
18/06/2022

๐‘ป๐’๐’๐’Š๐’‚๐’“๐’‚ - ๐‘ป๐’‚๐’“๐’‚๐’๐’‹๐’‚ ๐‘ช๐’š๐’„๐’๐’Š๐’”๐’Ž๐’†

Notanterahina omaly Zoma 17 Jiona tao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena Atsimo Andrefana ny fifidianana ny ligin'ny taranja " cyclicme". Kandida tokana no nilatsaka ho filoha dia i RANDRIAMALAZA Florent ka izy no lany voafidin'ny section Toliara I sy Toliara II . Ao anatiny Efatra (4) taona ny fepotoana hitantanany sy ireo birao vaovao ny ligy.

Izany dia notontosaina teo anatrehan'ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena Atsimo andrefana.

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธDRJS Atsimo Andrefana

๐Œ๐š๐ง๐๐ซ๐ข๐š ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐™๐จ๐ค๐ข๐›๐ž ๐•๐€๐‡๐Ž๐Œ๐๐„๐˜+ Nodimandry androany sabotsy 18 jona i Vahombey na Rabearison Roland Dieu Donnรฉ. Fil...
18/06/2022

๐Œ๐š๐ง๐๐ซ๐ข๐š ๐š๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐๐š๐ง๐š๐ง๐š ๐™๐จ๐ค๐ข๐›๐ž ๐•๐€๐‡๐Ž๐Œ๐๐„๐˜

+ Nodimandry androany sabotsy 18 jona i Vahombey na Rabearison Roland Dieu Donnรฉ. Filoha sy mpanorina ny tarika Vahombey.

Isany nanamarika an'i Vahombey ny fiangaliana sy fitiavana ny gadonkira Malagasy toy ny BEKO ANTANDROY izay kanto mampiavaka ny faritra Atsimon'ny Nosy.

Mirary fionona feno ho anโ€™ny fianakaviany ny ekipanโ€™ny Tany Antimo News

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธSary indrana

๐‘ญ๐’‚๐’๐’†๐’‰๐’๐’‚๐’-๐’Œ๐’†๐’—๐’Š๐’•๐’“๐’‚" La majoritรฉ de la Grande Mine se trouve dans le Sud-ouest, aucune d'entre-elles ne dรฉmarre ร  cause de ...
17/06/2022

๐‘ญ๐’‚๐’๐’†๐’‰๐’๐’‚๐’-๐’Œ๐’†๐’—๐’Š๐’•๐’“๐’‚

" La majoritรฉ de la Grande Mine se trouve dans le Sud-ouest, aucune d'entre-elles ne dรฉmarre ร  cause de la non obtention des permis d'exploitation. Exprรจs ou pas, nous avons l'impression qu'on bloque la relance รฉconomique du Sud : On suspend mรชme l'activitรฉ de l'une d'entre-elle pour des causes politiques et sociales. Rรฉsultat: Aucune industrie miniรจre dans notre rรฉgion ne fonctionne. Le chรดmage grimpe dangereusement qui pourrait รชtre ร  l'origine de l'insรฉcuritรฉ et de l'explosion sociale dans un avenir proche."

โœ๏ธTany Antimo News - (Nalaina avy amin'ny kaomanteran'i Marcellin Chan Mane)

๐‘จ๐’•๐’”๐’Š๐’Ž๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’†๐’‡๐’‚๐’๐’‚ - ๐‘ญ๐’‚๐’๐’‚๐’…๐’Š๐’‰๐’‚๐’…๐’Š๐’‰๐’‚๐’๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐’‡๐’๐’•๐’๐’…๐’“๐’‚๐’‡๐’Š๐’•๐’“๐’‚๐’”๐’‚ ๐’Ž๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ฑ๐‘ถ๐‘ต๐‘ถNidina ifotony ary nanadihady mahakasika ireo foto-dr...
17/06/2022

๐‘จ๐’•๐’”๐’Š๐’Ž๐’ ๐‘จ๐’๐’…๐’“๐’†๐’‡๐’‚๐’๐’‚ - ๐‘ญ๐’‚๐’๐’‚๐’…๐’Š๐’‰๐’‚๐’…๐’Š๐’‰๐’‚๐’๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐’‡๐’๐’•๐’๐’…๐’“๐’‚๐’‡๐’Š๐’•๐’“๐’‚๐’”๐’‚ ๐’Ž๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ฑ๐‘ถ๐‘ต๐‘ถ

Nidina ifotony ary nanadihady mahakasika ireo foto-drafitr'asa maromaro ambany fanaraha-maso ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga ato anatin'ny Faritra Atsimo Andrefana ny ekipa avy amin'ny MEPB ka ireo foto-drafitr'asa manodidina ny kaominina Ambonivohitra Toliara no nanombohana izany.

Isany nanaovana fizahana ny Tsena miisa 2 izay naorin'ny Ministera ao Mahavatse I sy Mahavatse II. Eo ihany koa ireo fotodrafitrasa natolotry ny fanjakana Japoney ahitana trano fampangatsihana sy fanamboarana "bloque de glace" ary lakana haingam-pandeha (vedette avec moteur) miisa 5 izay tantanin'ny orinasa Copefrito.
Voakasik'izany koa ny Debarcadรจre ao Ambohitsabo" sy "Debarcadรจre ao Ankiambe bas"

โœ๏ธTany Antimo News - (Source:MPEB)

๐‘บ๐’‚๐’Œ๐’‚๐’“๐’‚๐’‰๐’‚: ๐’๐’‚๐’๐’…๐’‚๐’“๐’Š๐’‚๐’Ž๐’‚๐’“๐’Š๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’Š๐’“๐’†๐’๐’†๐’๐’‚i Lietna-kolonely DOLOSENY Nadege Janvier no komandy faha-07 amin'ireo zandary manam-bo...
17/06/2022

๐‘บ๐’‚๐’Œ๐’‚๐’“๐’‚๐’‰๐’‚: ๐’๐’‚๐’๐’…๐’‚๐’“๐’Š๐’‚๐’Ž๐’‚๐’“๐’Š๐’‚๐’Ž-๐’‘๐’Š๐’“๐’†๐’๐’†๐’๐’‚

i Lietna-kolonely DOLOSENY Nadege Janvier no komandy faha-07 amin'ireo zandary manam-boninahitra nitazona ny fibaikona teto amin'ny Vondron-kery misahana ny Filaminana anatiny (GSI) eto Sakaraha. Raha i Lietna- Kolonely RANDRIAMANANTENA Lรฉon no komandy teo aloha.

Nisy ny fifamindram-pibaikoana izay nataon'izy ireo tao Sakaraha ka tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Jeneraly RAKOTOBE Christian, Mpandrindra ankapobeny ny asa stratejika eo anivon'ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Jeneraly RERIBAKE Jeannot, Lefitra voalohany ny Komandin'ny Zandarimariam-pirenena, izay samy zanaky ny Faritra Atsimo Andrefana avokoa ary ireo Tompon'andraikitra ambony maro.

Ny Kolonely RAKOTONIRINA Lala Henri, komandin'ireo Vondron-kery manokana ny Zandarimaria moa no nitarika ny lanonana izay notronin' ireo olomanankaja maro sivily.

Raha fehezina fohy dia ady amin'ny halatr'omby sy ireo asan-jiolahy any amin'ny faritra mena no tena sahanin'ity Vondron-kery GSI ity ankoatr'ireo sahan'asa efa ahafantarana ny Zandarimaria.

โœ๏ธTany Antimo News - ๐Ÿ“ธJoachim Ambroise

KAROHINA I MARC TATANDRAZA๐Ÿ‘ฎโ€โ™‚Feno ny fepetra hisamborana an'ingahy Marc TATANDRAZA noho ireo heloka maro sosona nataony ...
16/06/2022

KAROHINA I MARC TATANDRAZA๐Ÿ‘ฎโ€โ™‚

Feno ny fepetra hisamborana an'ingahy Marc TATANDRAZA noho ireo heloka maro sosona nataony tao anatin'ilay horonan-tsary naparitany 2 andro lasa izay.
Karohina araka izany izy ka raha manam-baovao mahakasika azy isika dia mandefasa hafatra miafina na someso na mampandre ny mpitandro filaminana izay akaiky anao indrindra. Hivoaka etoana ihany ny Filazana fikarohana azy amin'ny fomba ofisialy. Atao tsiambaratelo sy arovana ny mahakasika ny loharanom-baovao.
Ampitapitao.

โœ๏ธTany Antimo News
Loharano: Infocom Seg

Toliara - Kongresy Rejionalin'ny vondrona MIHARI tapany AtsimoHifarana rahampitso 17 Jiona ny Kongresy rejionaly Atsimo ...
16/06/2022

Toliara - Kongresy Rejionalin'ny vondrona MIHARI tapany Atsimo

Hifarana rahampitso 17 Jiona ny Kongresy rejionaly Atsimo izay tontosain'ireo vondron'olona sy sehatra Miaro ny Harena an-dRanomasina avy eny Ifotony na ny Rรฉseau MIHARI. Naharitra efatrandro ity kongresy ity izay notontosaina eto Toliara nanomboka ny 14 Jiona teo.
Isan'ny tanjona aminizao ny fampivondronana ireo LMMA misy (Locally Managed Marine Area = Lamina enti-Mitantana ny Morotsiraka sy ny An-dranomasina) ato amin'ny Faritra 5 : Anรดsy, Androy, Melaky, Menabe, Atsimo-Andrefana. Eo ihany koa ny fanamafisana ny firaisan-kinan'ny mpisehatra ao anatin'ny TANJONA mitovy ho amin'ny fiarovana sy fitrandrahana ny harenan'ny morotsiraka sy an-dranomasina hahavelona sy hanohana ny toe-karenan'ny firenena.

Mpitan-tsoroka maherin'ny 20 no tonga nanotrona izao lanonana izao sy ny manam-pahefana ato amin'ny faritra Atsimo-Andrefana

โœ๏ธTany Antimo News
๐Ÿ“ธMIHARI

FIVAZA Toliara  Ho fiatrehana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2022 dia nizara sainam-pirenena tao @ fokontanin'Ampasikibo s...
16/06/2022

FIVAZA Toliara

Ho fiatrehana ny fetim-pirenena ny 26 jona 2022 dia nizara sainam-pirenena tao @ fokontanin'Ampasikibo sy Mahavatse Ambararata ao anatin'ny kaominina Ambonivohitry Toliara, sy tao @ fokontany Ambolofoty kaominin'ny Betsinjaka distrika Toliara II ny fikambanana vadin'ny zandary na FIVAZA.

โœ๏ธTany Antimo News

Address

Toliara
Tulear
601

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Flash Infor Tulear Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share



You may also like