Direction Régionale de l'Artisanat et des Métiers DIRAM Atsimo-Andrefana

Direction Régionale de l'Artisanat et des Métiers  DIRAM Atsimo-Andrefana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Direction Régionale de l'Artisanat et des Métiers DIRAM Atsimo-Andrefana, News & Media Website, Route du port, Tulear.

26/06/2023

🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Ny ekipan'ny Ministeran'ny Asa-tanana sy ny Hai-tao izay tarihin'i Minisitra Sophie Ratsiraka dia manolotra ny arahaba sy firariantsoa amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy izao...
🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬

26/06/2023
18/06/2023

🥂🍾🥂🍾🥂🍾
Miarahaba ny Raimpianakaviana rehetra amin'izao fetin'ny Ray izao. Adidy mavesatra tokoa no hiantsorohanareo eo anivon'ny ankohonana koa mirary ny soa indrindra.
Tolorana arahaba manokana :
❤️Ny filoham-pirenena
❤️Ny praiminisitra
❤️Ny vadin'i minisitra Sophie Ratsiraka
❤️Ianareo ray rehetra miasa ato amin'ny ministeran'ny Asa-tanana sy ny Hai-tao

14/06/2023

Hain'ny " les nouvelles " mihitsy ny milaza ny vaovao sy ny zavamisy ato amin'ny ministère...vakio anie e. Ho hitanao ao ireo zava-bitan'ny minisitera sy ireo projet mbola ho avy.
Tantaraina ao koa ny " Politique et Stratégie Nationale pour le Développement de l'Artisanat".
Resahany koa ny nahazaoan'ny minisitra Sophie Ratsiraka ny fankasitrahana ambony indrindra na ny " Commandeur de l'ordre de mérite artisanal"

14/06/2023
08/06/2023

JMA 2023, lasa izao e

hotanterahana ny 8,9,10 jona ho avy izao ny fankalazana ny adro maneran-tany momba ny asa-tanana. Eny amin'ny gare Soarano no ahitana ny hetsika rehetra.
Mandritra ireo telo andro ireo dia hisy ny varotra fampirantiana isan-karazany sy ny fanofanana isan-karazany ary ny loambary andasy sy ny tafatafa.
Amin'ity taona ity dia nomena sehatra manokana ny "recyclages".
Ho avy eto Antananarivo ireo mpanao asa-tanana avy amin'ny Faritra 23 eto Madagasikara hampiseho ny vokatra avy any amin'izy ireo tsirairay avy.

Ny Fitaleavam-paritry ny Asa-tanana sy Hai-tao ato amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana dia maneho fifaliana sy fankasitraha...
05/06/2023

Ny Fitaleavam-paritry ny Asa-tanana sy Hai-tao ato amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana dia maneho fifaliana sy fankasitrahana an'ireo Mpiaramiombonantoka izay niara-nisalahy tamin'ny fanatanterahana ny FOIRE MIRO andiany faharoa nanomboka ny 31May ka hatramin'ny 04 Jona 2023 teo.

Tsy hadino ihany koa ianareo Mpanakanto nanampy sy niara-nizara fifaliana taminay.

Tontosa soa aman-tsara iny hetsika iny nohon'ny fisianareo rehetra izay nanampy.

Mankasitraka indrindra tompoko
Zanahary manan-karem-pahasoavana anie hamaly soa ho anareo.

Naresaka sy nifarana tamin'ny fomba makotrokotroka ny FOIRE MIRO andiany faharoa izay nokarakarain'ny Fitaleavam-paritry...
05/06/2023

Naresaka sy nifarana tamin'ny fomba makotrokotroka ny FOIRE MIRO andiany faharoa izay nokarakarain'ny Fitaleavam-paritry ny Asa-tanana sy ny Hai-tao miaraka amin'ny Chambre des Métiers ato amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana tetsy Ankilisoafilira Bazar be Toliara.

Nisy ireo hetsika ara-javakanto isan-karazany izay nentina nandravaka ny fotoana, nanomboka ny 31May teo ka hatramin'ny 04Jona , fetin'ny Reny, ka nahitana:

✅Varotra sy fampirantiana ireo vokatra azo avy amin'ny Asa-tanana
✅Fampisehoana niarahana tamin'ireo Mpanakanto avy eto an-toerana
✅Fifaninanana Dihy sy Tononkalo
✅Fifaninanana Sary
✅Fifaninanana randrana (TALY)
✅Dihy ZUMBA
✅Narahina fanentanana maro samihafa

Nisy ny fizarana fanomezana avy amin'ireo Mpiaramiombonantoka ho an'ireo izay nivoaka mpandresy tamin'ny lalao fifaninanana

🎯Faly ihany koa ireo izay nandray anjara tamin'ny varotra sy fampirantiana fa nandeha ny tsena raha oharina amin'ny andavan'andron'izy ireo

05/06/2023

Ireo mpiara-miasa rehetra ato amin'ny ministeran'ny Asa-tanana sy ny Hai-tao, nohon'ny fetin'ny Reny dia faly miarahaba ny:
* reny Malagasy rehetra
* vadin'ny filoham-pirenena, ramatoa Mialy Rajoelina
* minisitra Sophie Ratsiraka
* vadin'ny mpikambana ao amin'ny governemanta rehetra sy ny minisitra vehivavy
* Vadin'ny mpiasa sy ny mpiasa vehivavy rehetra ato amin'ny ministeran'ny Asa-tanana sy ny Hai-tao manerana ny nosy

02/06/2023

Rehefa volana "jona" toy izao dia somebiseby ny mpanao asa-tanana Malagasy. Ho marihina any Paris ny 15-17 jona ho avy izao indray ny andiany faharoa amin'ny hetsika " Salon de l'artisanat".
Amin'ity taona ity dia ny vokatra azo avy amin'ny "vanille" no omena ny lohalaharana.
Tahaka ny mahazatra dia ao amin'ny toerana misy ny masoivoho Malagasy any France no hanatanterahana ny hetsika rehetra izay handraisan'ireo mpanao asa-tanana amin'ny alalan'ny fampirantiana ny vokatr'izy ireo.

Address

Route Du Port
Tulear
601

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direction Régionale de l'Artisanat et des Métiers DIRAM Atsimo-Andrefana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share