π—œπ—‘π—’ π—žπ—”π—•π—”π—₯𝗬 π—”π—‘π—”π—Ÿπ—”π—‘π—π—œπ—₯𝗒𝗙𝗒

  • Home
  • Madagascar
  • Toamasina
  • π—œπ—‘π—’ π—žπ—”π—•π—”π—₯𝗬 π—”π—‘π—”π—Ÿπ—”π—‘π—π—œπ—₯𝗒𝗙𝗒

π—œπ—‘π—’ π—žπ—”π—•π—”π—₯𝗬 π—”π—‘π—”π—Ÿπ—”π—‘π—π—œπ—₯𝗒𝗙𝗒 Vaovao misongadina rehetra ato anatin'ny Faritra Analanjirofo. Vaovao marina
Vaovao mazava
(1)

PEJY POLITIKA : Vaky ny ady eo amin’ny LEHILAHY JOBY sy LEHILAHY ORIGINALE.- Miteraka resa-be eny anivon’ny fiaraha-moni...
24/05/2024

PEJY POLITIKA : Vaky ny ady eo amin’ny LEHILAHY JOBY sy LEHILAHY ORIGINALE.
- Miteraka resa-be eny anivon’ny fiaraha-monina ny tsy fahitana an’i BITA Charles (LEHILAHY JOBY) nandritra ny propagandy hataon’i SAMUEL (LEHILAHY ORIGINALE).
- Nisy ny hevitra tsy nitovizan’izy ireo tamin’ny ora farany ka samy naka sisiny.
- Nilaza ny LEHILAHY ORIGINALE fa mbola hilatsaka Maire CU raha tsy lany amin’ity fifidianana ity kanefa tsy mety amin’ny LEHILAHY JOBY.
Raha lany kosa anefa i SAMUEL dia efa maro ny ady sisika eo amin’ny ekipan’i’zy ireo satria hita sy tsapa fa soavaly be tongatra i LEHILAHY JOBY (sarotra asesy) ka tsy afaka hihazakazaka sy hifaninana amin’ny fifidianana ben’ny tanana ho avy izao.
- Asa aloha izay fahamarinany fa efa namadika palitaho tanteraka i LEHILAHY JOBY ka efa ao andamosin’i RAMATOA.
- Etsy ankilany moa dia nafindra ihany koa ny QG MAPAR raha teo ampitan’ny CU no nahitana azy hatramin’izay. Mipetraka amintsika arak’izany ny fanontaniana fa nisy antony hafa ihany koa ve no namindrana io QG io ?
TSARA RAHA MAZAVA

𝐕𝐏𝐒 π„π‘πˆπ‚ ππ„π’πŽπ€Mitaraina ireo mpandraharaha ao Maroantsetra, Rantabe ary Mananara nohon’ny fanamparam-pahefana sy ny rama...
08/03/2024

𝐕𝐏𝐒 π„π‘πˆπ‚ ππ„π’πŽπ€
Mitaraina ireo mpandraharaha ao Maroantsetra, Rantabe ary Mananara nohon’ny fanamparam-pahefana sy ny ramatahora ataon’Atoa ERIC Besoa, Vice president du SΓ©nat.

➑ Very fanahy mbola velona izy ireo satria dia tsy voahefa ny vidim-bokatra (Vanille) amin’ny milliard maro, natao trosa efa taona maro lasa.

❌ Tsy afa-manoatra nefa izy ireo satria akaiky izao fitondrana mijiro izao ity olom-boafidy ity ka atahorana ho very maina ny fanenjehina azy raha hitory eny amin’ny fitsarana.

πŸ‘‰ Ankoatran’izay dia mahatsapa ihany koa izy ireo fa misy fanakanana ankolaka avy amin’ity olom-boafidy ity no tsy nazahon’ireo mpandraharaha ao Maroantsetra sy Rantabe ny agrΓ©ment avy amin’ny fanjakana mba afahany manjaka irery ao amin’ny Faritra AMBATOSOA.

πŸ‡²πŸ‡¬ Arak’izany dia miantso vonjy amin’Atoa FILOHA hajaina izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity fa misy fiantraikany goavana eo amin'ny velontenan'izy ireo ary mandratsy endrika izao fitondrana izao ny tsy maty manota toy izao.

➑ Enga anie mba hijoro ny Faritra AMBATOSOA ka hiova toetra ity milaza ho future GOVERNORA ity fa hiova ny rivotra any an-toerana raha izao no mitohy.

MANANARA AVARATRA
25/11/2023

MANANARA AVARATRA

MANANARA : COMMUNE RATSY TANTANA, MPITONDRA MANARARAOTRA FAHEFANAVoalaza fa ny fanjakana foibe no tsy mampandroso kanefa...
03/10/2023

MANANARA : COMMUNE RATSY TANTANA, MPITONDRA MANARARAOTRA FAHEFANA

Voalaza fa ny fanjakana foibe no tsy mampandroso kanefa ny mpitondra ifotony no manao tantely afa-drakotra ny Kaomina tantaniny.

Ny Kaomina ao anatin'ny District Mananara/Avaratra no asina resaka dia hita mibaribary fa misy fanararaotana ataon'ireo ben'ny tanana ka anisan'ireo nahenona resabe ny mikasika ny Commune SARIMAONA sy AMBATOHARANANA.

1-CR SARIMAONA : Very anjavona ny ristourne 2021-2022 satria nanaovan'ny giahy Maire trano vato ao Ambodiampana. Araka ny vaovao mari-pototra voaray mantsy dia fianakavian'ingahy Maire RIVOMANANA avokoa no mitaky ireo ristourne ireo ka manao izay saimpantany izy ireo amin'ny fihinanana volam-bahoaka. Ny mponina any an-toerana moa dia tsy masahy mitory satria misy raha matahora ataon'ingahy Maire.

Tsy vitan'izay ihany fa manao fanolanana zaza tsy ampy, fanodikodinana zaza tsy ampy taona ary misambotra vola tsy mamerina ny Maire ao an-toerana ka jerem-potsiny satria tsy sahy mitory ireo vahoaka madinika.

2-CR AMBATOHARANANA : Ristourne mitentina 30.000.000Ar hatreto no tsy hita popoka ka mifanjevo ny iray tanana. Voalaza fa ny ben'ny tanana no lohan'io fanodikodinana volam-panjakana io ka efa eny anivon'ny Distrika Mananara ny raharaha.

Manoloana izao tranga izao kosa dia manara-maso akaiky izao toe-draharaha izao ny vahoaka ary ahiana ny hisian'ny fitoriana any amin'ny manam-pahefana mahefa raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana.

Mbola hitohy.

VAVATENINA : Fanamboarana pavΓ©Notanterahina tao Vavatenina androany faha 30 Aogositra 2023 ny fametrahana ny vato fototr...
30/08/2023

VAVATENINA : Fanamboarana pavΓ©

Notanterahina tao Vavatenina androany faha 30 Aogositra 2023 ny fametrahana ny vato fototra amin'ny fanaovana pavΓ© eo amin'ny bureau Distrika mampitohy ny CSB-II Vavatenina.

Ny lanonana dia natrehan'ireo olo-manakaja maro ka anisan'izany ny Governoran'ny faritra Analanjirofo, Solombavambahoaka, ny lehiben'ny Distrika, talem-paritra maromaro, ny ben'ny tanana sns ....

Ny orin'asa FCB no hanatanteraka ny asa ka maharitra 180 andro ny fepotoana hanaovana izany.

Enga anie mba ho vita tokoa ity tetik'asa ity fa tsy sanatrian'izany ho kobaka ambava.

RAHARAHA FANOLANANA ZAZA TSY AMPY TAONARaha nojerena ireo antota-nisy ato anatin'ny faritra Analanjirofo dia hita fa nir...
29/08/2023

RAHARAHA FANOLANANA ZAZA TSY AMPY TAONA
Raha nojerena ireo antota-nisy ato anatin'ny faritra Analanjirofo dia hita fa nirongatra indray ny trangan'ny fanolanana raha tamin'iny erin'andro lasa iny no asina resaka.

Tamin'ny 23 sy 25 Aogositra 2023 lasa teo dia Ray aman-dReny roa samy hafa tao Soanierana/Ivongo sy Mananara/Avaratra no nanatona ny manam-pahefana, nametraka fitarainana mikasika izany.

Ny tena nanaitra ny maro tamin'io tranga voalaza io dia ny fahatratrarana sy ny fisamboran'ny mpitandro filaminana an'Adriamatoa BE Michel, monina ao Mananara/Avaratra.

Araka ny voalazan'ireo mponina ao an-toerana dia efa mpamerinkeloka io rangahy io satria izay ankizy vavy tsy ampy taona mipetraka ao aminy dia hanaovany an'io herisetra io avokoa ka izay tsy manaiky manao izany dia miala amin'ny asa avy hatrany.

Ny tranga iray tao Soanierana Ivongo kosa indray dia MOUSSA Ali na papan'i Mona no tompon'antoka tamin'izany ka raha ny loharanom-baovao azo dia nandositra any Mananara/Avaratra ity nahavanon-doza ity.

Andrasan'ny maro arak'izany ny tohin'ity raharaha ity ary hirin'ny maro ny hampiharana ny lalΓ na manankery amin'ireo izay nahavanon-doza.

Vaovao  : loza an-dranomasina.Omaly Alarobia 23 Aogositra tokony ho tamin'ny 3 ora sy sasany folakandro no nampandre ny ...
24/08/2023

Vaovao : loza an-dranomasina.
Omaly Alarobia 23 Aogositra tokony ho tamin'ny 3 ora sy sasany folakandro no nampandre ny manampahefana ny Lehiben'ny fokontany Sahavola Kaominina ambonivihitry Fenoarivo Atsinanana fa tovolahy iray no dobo tao amin'ny fari-dranomasin'ny CAPJ Fenoarivo Antsinanana tamin'ny 3 ora tolakandro.
Vao naharay ny fiantsoana ny manampahefana any an-toerana dia tonga nijery sy nandray andraikitra manoloana ny zava-misy.
Ho ampitaina eto ihany ny tohin'ny vaovao.

VAOVAO MAFANAHIKATONA NY RFM(RADIO FEON'I MANANARA)NOHON'NY TSY FISIAN'NY TARATASY FAHAZOAN-DALANA DIA NAKATONA ILAY RAD...
23/08/2023

VAOVAO MAFANA
HIKATONA NY RFM(RADIO FEON'I MANANARA)
NOHON'NY TSY FISIAN'NY TARATASY FAHAZOAN-DALANA DIA NAKATONA ILAY RADIO VAO NITSANGANA TAO SANDRAKATSY FA TSY MANARA-DALΓ€NA.
HIKATONA TOY IZANY KOA NY RFM SATRIA TSY MISY TARATASY MAZAVA AHAFAHANY MIASA.
TSY MISY TOKONY HO AMBONIN'NY LALANA FA MITOVY DAHOLO.

Izy no Atoa SAMUELBen'ny tanΓ nan'ny Kaominina Ambonivohitry Mananara Avaratra.Mpanohana izao fitondrana izao.Mieritrerit...
11/08/2023

Izy no Atoa SAMUEL
Ben'ny tanΓ nan'ny Kaominina Ambonivohitry Mananara Avaratra.
Mpanohana izao fitondrana izao.
Mieritreritra ny lehilahy fa hilatsaka solombavam-bahoaka 'ny antoko TGV.
Satria heveriny fa nahavita be tato anatin'ny distrikan'i Mananara avaratra ny fitondrana ka tsy mampitsangamenatra ny hanohana azy.
Raha jerena anefa ny zava-bitany eto @ kaominina Mananara dia vavabe no tena mampafoaka azy.
Tsy vavabenao no ilain'ny vahoaka fa ASA mivaingana sy vahaolana manoloana izao crise izao.
Tranomborona no vitan'ny vava

Aboaho hevitrareo ry zanak'i Mananara manoloana izany.
Sahia manohitra ny raha tsy manjary.

10/08/2023

Address

Tamatave
Toamasina
501

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π—œπ—‘π—’ π—žπ—”π—•π—”π—₯𝗬 π—”π—‘π—”π—Ÿπ—”π—‘π—π—œπ—₯𝗒𝗙𝗒 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category