DRCC Atsinanana Ofisialy

DRCC Atsinanana Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DRCC Atsinanana Ofisialy, Newspaper, SALAZAMAY, Toamasina.

NDAO HAMAKY BOKYNy mpianatra avy ao amin'ny EPP ANJOMA  indray no tonga tao amin'ny Trano famakiam-boky MASÖVA 501 ny Al...
10/11/2022

NDAO HAMAKY BOKY
Ny mpianatra avy ao amin'ny EPP ANJOMA indray no tonga tao amin'ny Trano famakiam-boky MASÖVA 501 ny Alarobia 09 NOVAMBRA 2022 namaky boky .
Feno hipoka ny trano satria dia tonga maro ireo ankizy .

AKON'NY FANABEAZANA MAHA OLOM-PIRENENA VANONA  IZAY HETSIKA FANAON'NY FITALEAVAM-PARITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA A...
10/11/2022

AKON'NY FANABEAZANA MAHA OLOM-PIRENENA VANONA IZAY HETSIKA FANAON'NY FITALEAVAM-PARITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA ATSINANANA ISAKY NY ALAROBIA AO AMIN'NY MASÔVA 501 NY ALAROBIA 09 NOVAMBRA 2022:

Mpianatra kilasy faha 6 sy faha 3 avy amin'ny CEG AUGAGNEUR indray no nisitraka ny fanabeazana maha olom-pirenena vanona izay karakarain'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana ,iarahana miasa amin'ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I isaky ny Alarobia ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina MASÔVA 501 .
" Zo fototra sy ny andavan'androm-piainan'ny olom-,pirenena vanona " indray ny loha-hevitra novelabelarina nandritran'io fotoana Io.
Navitrika ny fandraisana anjara tamin'ny ady hevitra nataon'ireo mpianatra .

Tagnamaro roa sosona niompana tamin'ny fanadiovana ny torapasika manomboka eny amin'ny Saint -Joseph hatrany Hôpital Be ...
31/10/2022

Tagnamaro roa sosona niompana tamin'ny fanadiovana ny torapasika manomboka eny amin'ny Saint -Joseph hatrany Hôpital Be no notanterahina teto Toamasina ny herinandro lasa iny..Ireo hetsika ireo dia tafiditra anatin'ny fanamarihana ny fankalazana ny androm-pirenena ho an'ny firotsahana an-tsitrapo izay ankalazaina isaky ny 25 Oktobra .Ireo mpivarotra ao amin'ny " Bord " izay mivondrana anaty fikambanana iray ary ireo tanora skoto eto Toamasina no nirotsaka an-tsitrapo nanadio ny torapasik'i Toamasina izay toerana andalovan'olona betsaka raha eto Toamasina manokana
Samy nahatsapa ny maha-zava-dehibe ny ffirotsahana an-tsitrapo ireto olom-pirenena ireto ka izany indrindra no nandraisan'izy ireo ny andraikitra tandirify azy ireo amin'ny fikajiana sy fikolokoloana an'ireny fananana iombonana ireny .
Raha ireo mpivarotra amin'ny " bord"manokana dia hanatanteraka fanadiovana ny torapasika Io isaky ny talata izay iarahana amin'ny Kaominina ambony vohitran'i Toamasina .

NDAO HAMAKY BOKY📍Ny mpianatry ny EPP LA POINTE TANIO  sy EPP MAURICE GUYOT   indray no tonga nanatanteraka famakiam-boky...
20/10/2022

NDAO HAMAKY BOKY

📍Ny mpianatry ny EPP LA POINTE TANIO sy EPP MAURICE GUYOT indray no tonga nanatanteraka famakiam-boky tao amin'ny trano famakiam-boky ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina MASÔVA 501 ny Alarobia 19 Oktobra 2022.
📍"Ndao hamaky boky" dia anisan'ireo fandaharan'asa iray lehibe ao amin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina hamporosiana an'ireo mpianatra ho tia mamaky boky. Manatanteraka an'izany fandrahzran'asa izany ihany koa ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinana isaky ny alarobia folakandro ary mifandimby ireo sekoly tonga araky ny lamim-piaraha-miasa eo amin'ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana sy ny fari-piadidiam-pampianarana eto Toamasina I.
📍Ireo boky angano Malagasy no tena mahasarika sy mahaliana an'ireo mpianatra tonga mamaky boky izay miisa 60 eo ho eo.
📍Azo lazaina fa efa manomboka miverina ny fitiavan'ireo mpianatra miditra trano famakiam-boky sy mamaky boky taorian'ireo fanentanana maro natao mahakasika an'ity fandaharan'asa " NDAO HAMAKY BOKY " ity .

FANABEAZANA HO OLOM-PIRENENA VANONA SY FENO HO AN'NY MPIANATRA📍Ny mpianatra avy amin'ny CEG  RATSIMILAHO sy LYCEE JACQUE...
20/10/2022

FANABEAZANA HO OLOM-PIRENENA VANONA SY FENO HO AN'NY MPIANATRA

📍Ny mpianatra avy amin'ny CEG RATSIMILAHO sy LYCEE JACQUES RABEMANANJARA indray no nandray ny fanabeazana maha olom-pirenena vanona tao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina MASÔVA 501 omaly Alarobia 19 Oktobra 2021 .
📍Anisan'ireo fandaharan'asa goavana iandreketan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanabeazana ny olom-pirenena ho olom-pirenena vanona sy feno ary anisany manatanteraka izany fandaharan'asa izany ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana izay tarihin'ny talem-paritra Rtoa Aniella Elisabelle VOLOLONIAINA .
📍Miara-miasa amin'ny fari-piadidiam-pampianarana eto Toamasina I ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'izay fanabeazana maha olom-pirenena vanona ho an'ny mpianatra avy amin'ireo sekolim-panjakana eto Toamasina I.
📍" Ny atao oe olom-pirenena vanona sy ireo fahalalam-pomba fototra entina miaina amin'ny fiainana andavanandro " ny loha-hevitra nifampizarana tamin'ireo mpianatra izay maherin'ny 500 tonga nanatrika.
📍Nahaliana ireo mpianatra ny fanabeazana nomena azy ireo satria resy lahatra tokoa izy ireo fa ilaina ny fanamafisana ny fanabeazana maha -olom-pirenena vanona sy feno ivelan'ny sekoly toy izao satria tsy afa-misaraka amin'ny fandrosoan'ny firenena iray ny fananany olom-pirenena vanona.

FANABEAZANA HO OLOM-PIRENENA VANONA SY FENO HO AN'NY MPIANATRA📍Isaky ny alarobia folakandro no hanatanterahina ny fanabe...
15/10/2022

FANABEAZANA HO OLOM-PIRENENA VANONA SY FENO HO AN'NY MPIANATRA

📍Isaky ny alarobia folakandro no hanatanterahina ny fanabeazana ho olom-pirenena VANONA sy feno ho an'ny mpianatra ao amin'ny " Auditorium KAIAMBA " ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina MASÔVA 501 .
📍Anisan'ireo fandaharan'asan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanabeazana ny olom-pirenena ho olom-pirenena vanona sy feno .
Ny alarobia lasa teo dia ny mpianatra kilasy faha 6 ao amin'ny CEG LA REFERENCE no nomena an'izay fanabeazana izay .
📍" Ny fahalalam-pomba fototra entina miaina " ny loha-hevitra nifampizarana tamin'ireo mpianatra . Atoa Tony VELONARIVO, mpandala ny Kolontsaina Malagasy sy ireo fomba amam-panao Betsimisaraka no nizara ireo karazana fahalalam-pomba tokony hananan'ireo ankizy
📍Nanamafy ny maha zava-dehibe ny tokony hanabeazana sy hizarana amin'ireo ankizy , tanora dieny izy mbola kely izao ireo soatoavina Malagasy sy ny kolontsaina Malagasy izay fototra enti-miaina ny fiainana andavanandro ny talem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Atsinana Rtoa Aniella VOLOLONIAINA .
📍Nahaliana ireo mpianatra ny fanabeazana izay nomena azy ireo satria dia nahafantatra zavatra maro izy ireo ary naneho ny fahavononana hampiatra izany amin'ny fiainana mba ho lasa olom-banona tokoa.

NDAO HAMAKY BOKY Ny mpianatry ny EPP LA FOIRE sy LECONTE DE LISLE  indray no tonga nitsidika ny trano famakiam-boky ao a...
15/10/2022

NDAO HAMAKY BOKY

Ny mpianatry ny EPP LA FOIRE sy LECONTE DE LISLE indray no tonga nitsidika ny trano famakiam-boky ao amin'ny MASÔVA 501 ny alarobia lasa teo .
Ndao hamaky boky dia anisan'ireo fandaharan'asa iray lehibe ao amin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina hamporosiana an'ireo mpianatra ho tia mamaky boky. Angano vitsivitsy no nifandimbiasan'ireto ankizy namaky teto .Ankoatran'ny vaky boky dia namantatra ihany koa izy ireo ny maha samihafa ny ANGANO sy ny TANTARA .
Fifaliana ny an'ireo ankizy ny fandalovan'izy ireo tao amin'ny trano famakiam-boky MASÔAVA 501 satria maro amin'izay ireo no sambany niditra trano famikiam-boky .
Tontosa izao hetsika izao dia nohon'ny fiaraha-miasa eo amin'ny fitaleavam- paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana sy ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, hetsika atao isaky ny alarobia folakandro .

AKON'NY TAGNAMARO ANDROANY 15 OKTOBRA 2022  DISTRIKA TOAMASINA II -FOULPOINTE 📍Fanadiovana  anatiny sy ivelan'ny Manda F...
15/10/2022

AKON'NY TAGNAMARO ANDROANY 15 OKTOBRA 2022 DISTRIKA TOAMASINA II -FOULPOINTE

📍Fanadiovana anatiny sy ivelan'ny Manda Fort Mahavelona no niarahan'ireo olom-pirenena niara-nientana tamin'ny alalan'ny tagnamaro androany 15 OKTOBRA 2022.
📍Nandray andraikitra ireo olom-pirenena nanadio an'io toerana io satria isan'ireo toerana be mpitsidika no sady vako-pirenana izay eo nambany fitantanan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Maneran'ny Mahavelona .

AKON'NY TAGNAMARO ANDROANY 15 OKTOBRA 2022 DISTRIKA VATOMANDRY: 📍Fanamboarana ny fefin'ny EPP sy  CEG Ambilakely no niar...
15/10/2022

AKON'NY TAGNAMARO ANDROANY 15 OKTOBRA 2022 DISTRIKA VATOMANDRY:

📍Fanamboarana ny fefin'ny EPP sy CEG Ambilakely no niarahan'ny fokonolona nientana androany tamin'ny alalan'ny tagnamaro .
📍Toy ny mahazatra dia vory maro ireo olom-pirenena avy amin'ny sampandraharaha maro samihafa sivily sy miaramila miampy sefo fokontany ,fikambanana ,ny avy ao amin'ny Distrika nifanome tanana nanamboatra ny fefin'io EPP sy CEG Ambilakely.
📍Naharitra adiny roa ny hetsika. Na dia andro fialan-tsasatra aza ny andro sabotsy dia tsy nisy niala ireo fokonolona fa nanolo-tena hanasoa ny hanatsara ny fananana iombonana izay.

AKON'NY TAGNAMARO ANDROANY 15 OKTOBRA 2022 DISTRIKA TOAMASINA I:📍Fanadiovana ny manodidina ny Hopitaly Be Analakinina in...
15/10/2022

AKON'NY TAGNAMARO ANDROANY 15 OKTOBRA 2022 DISTRIKA TOAMASINA I:

📍Fanadiovana ny manodidina ny Hopitaly Be Analakinina indray no nifampitaonan'ny olom-pirenena avy amin'ny sehatra sy sampandraharaha samihafa eto Toamasina androany.
📍Ho an'ireo izay mandalo amin'ny faritra iny dia mahita fa feno fako mba tsy hilazana oe lasa toerana fanariam-pako ny manodidina ny Hopitaly be indrindra fa amin'ny Faritra misy ny hopitalin-jaza
mihazo ny lalam-baovao .
📍Ny hopitaly amin'ny toerana fitsaboana azy anefa dia mitaky fahadiovana. Raha tsorina dia tsy afa -misaraka ny fahasalamana sy ny fahadiovana .
Tsy eken'ny saina mahita ireo fako mivangongo manodidina an'io Hopitaly be an'i Toamasina Io ka izay indrindra no nanentanan'ny fitaleavam- paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana ny olom-pirenena tsy ankanavaka hiara- -hientana hanadio izany amin'ny alalan'ny tagnamaro .

📍Nentanina ihany koa ireo fokonolona manodidina mba samy ho saro-piaro amin'izany fahadiovana izany ka sahy andray andraikitra sy hiteny an'ireo izay minia manary fako etsy sy eroa .
📍Ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy amin'ny fanajana ireo fananana iombonana ireo indrindra ny fanajana ny fahadiovana
# MSK
andron'ny olom-pirenena

FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO AN'IREO MPANAO GAZETY EO ANIVON'NY HAINO AMAN-JERIM-PANJAKANA  MANERANA NY FARITRA ATSINAN...
29/08/2022

FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO AN'IREO MPANAO GAZETY EO ANIVON'NY HAINO AMAN-JERIM-PANJAKANA MANERANA NY FARITRA ATSINANANA.

Nomena fanamafisana fahaiza-manao ireo mpanao gazety eo anivon'ny haino aman-jerim- panjakana ato amin'ny Faritra Atsinanana ny faha 23,24 ary 25 Aogositra 2022 lasa teo tao Vatomandry .Voasolo tena avokoa ireo distrika 7 mandrafitra ny Faritra Atsinanana.
Famokarana fandaharana, fanadihadihana ary fandrafetana sary sy feo no namafisina nandritry ny telo andro. Izany no natao mba hoentina hanatsarana ny kalitaon'ny fandaharana vokarina any amin'ny distrika.
Ny lehiben'ny sampandrahara eo anivon'ny Serasera ato amin'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana Atoa Rodolphe RATELOANDRITINA no nitarika ity fanamafisana ny fahaiza-manao an'ireo mpanao gazety eto anivon'ny RNM sy TVM Faritra Atsinanana.
Ho fitsinjovana an'ireo mpanao gazety avy amin'ny distrika saro-dalana toy ny Marolambo sy Antanambao-Manampotsy no nanaovana an'ity fanamafisana ny fahaiza-manao ity tany Vatomandry ary dia natao fomba fiasa eto anivon'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana izany fizarana fahaiza-manao eo amin'ny samy mpiara- miasa izany.

TAGNAMARO VOLANA AOGOSITRA 2022:Ny " Lycée Jacques Rabemananjara " indray no nanatanterahina  ny hetsika " Tagnamaro ,an...
29/08/2022

TAGNAMARO VOLANA AOGOSITRA 2022:

Ny " Lycée Jacques Rabemananjara " indray no nanatanterahina ny hetsika " Tagnamaro ,andron'ny olom-pirenena ny sabotsy faha 27 Aogositra 2022 teo ary ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana izay tarihin'ny talem-paritra Rtoa Aniella VOLOLONIAINA no nitarika izany . Fanadiovana ny manodidina , fanantsarana ny zaridiana ary fandokoana ny lalan-tsara no niarahan'ireo olom-pirenena maro avy amin'ny sehatra tsy miankina sy miankina amin'ny fanjakana nanatanteraka tamin'ny alalan'ny tagnamaro . Raha tsiahivina dia soatoavina maro toy ny fifanomezan-tanana , fiaraha- mientana , firaisan-kina ary ny kolontsaina fahatsapana amin'ny maha tompona'ndraikitra ny olom- pirenena tsirairay ao amin'ny toerana misy azy no tena voizina amin'ity hetsika tagnamaro ataon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ireo rantsa-mangaikany manerana ny Nosy isam-bolana.
Mavitrika dia mavitrika ny fandraisana anjara an'ireo olom-pirenana amin'ny tagnamaro , mahafoy tena sy mahafoy fotoana ho an'ny Tanindrazana .
Isaorana ny Fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Atsinanana , ny Lehiben'ny fiadidim-pampianarana Toamasina ary ny Proviseur ny Lycée Jacques Rabemananjara tamin'ny fiara-miasa rehetra. Nanome toky moa ity farany fa hanohy izao tagnamaro eto anivon'ny lisea izao hitaizaina sy hanabeazana ireo mpianatra .

Manome fotoana antsika sahady amin'ny tagnamaro volana Septambra 2022.

Izôvy moa i BABITY Laurent ?Teraka ny taona 1943 tao Anjahamarina Kaominina Amporoforo Mangabe Toamasina II.Ankoatran'ny...
16/08/2022

Izôvy moa i BABITY Laurent ?

Teraka ny taona 1943 tao Anjahamarina Kaominina Amporoforo Mangabe Toamasina II.
Ankoatran'ny maha mpanoratra fanta-daza azy amin'ny fitenim-paritra Betsimisaraka dia mpirasavôlagna ihany koa i BABITY Laurent .Maro tsy tambo isaina ireo kanto navelany . Andrarezin'ny Kolontsaina Betsimisaraka no anarana nomena azy noho izy nitondra avo sy nampahafantatra tamin'ny alalan'ny boky, tantara , tononkalo, tôkatôka, dôlan-tsaigny sns...ny fomba amam-panao sy Kolontsaina Betsimisaraka .
Ny 05 Septambra 2011 no nindaosin'ny fahafatesana teto Toamasina i BABITY Laurent.

Araky ny fandaharam-potoanan'ny fianakaviana dia rahampitso alarobia 17 Aogositra 2022 no hotontosaina ny FAGNOKARAGNA na famadihana Betsimisaraka azy etsy amin'ny fasam-bazaha.
Anio talata 16 Aogositra 2022 no notanterahina tetsy amin'ny efitrano malalaky ny Lapan'ny tanàna ny lanonana natokan'ny fianakaviana sy ireo olom-panjakana mba ampahafantarana bebe kokoa azy sy ny zava-bitany rehetra .
Tonga nanome voninahitra ny lanonana androany ny talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana Rtoa VOLOLONIAINA Aniella Elisabelle ,ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Rtoa RAVOLAFENO Sylvie . Nisolo tena an'Andriamatoa Goverinoran'ny Faritra Atsinanana, ny Chef de Service des Affaires Juridiques et du Contentieux Rtoa RANASIMANANA Rosette ary ny Ben'ny tanàna lefitra Atoa TOTO Jean nisolo tena ny Ben'ny tanànan'i Toamasina . Nisy ireo hetsika ara-javakanto nataa tao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina MASÔVA 501 ny folak'andro ary mpanakanto maro no nandray anjara tamin'izany hetsika izany.

Akon'ny famaranana ny hetsika " IRAY VOLAN'NY SARY HOSODOKO" teto Toamasina ny faha 12 Aogositra 2022 .Fotoana iray nafa...
15/08/2022

Akon'ny famaranana ny hetsika " IRAY VOLAN'NY SARY HOSODOKO" teto Toamasina ny faha 12 Aogositra 2022 .
Fotoana iray nafahana nampiseho ireo talentany no sady nafahana nampihaona ireo mpanao hosodoko eto Toamasina ity hetsika nikarakarain'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ity.
Notolorana mari-pankasitrana avy amin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo mpandray anjara miisa 13 nandritry ny lanonana famaranana izay natao tao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina MASÔVA 501 ny faha 12 Aogositra 2022.
Efa eo ampanomanana ny hetsika manaraka sahady ireo mpisehetra amin'ny sary hosodoko .

FANOMBOHANA NY HETSIKA « IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO »  teto TOAMASINA.Tao amin'ny efitrano fampirantianan'ny MASÔVA 501...
13/07/2022

FANOMBOHANA NY HETSIKA « IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO » teto TOAMASINA.

Tao amin'ny efitrano fampirantianan'ny MASÔVA 501 ( Avenue de l'Indépendance en face EL -BARCO) no nanombohana ny hetsika " IRAY VOLAN'NY SARY HOSODOKO " omaly 12 Jolay 2022.
Mpanao hosodoko miisa 7 no mandray anjara ary mampiranty sy mivarotra ny sangan'asany amin'ity andiany voalohany karakarain'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, rantsa-mangaikan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina aty amin'ny Faritra Atsinanana .Natao izao hetsika izao mba henosehana azy ireo hampafantatra ny sangan'asany ho hitan'ny mpanjifa .
Anisan'ny tanjona kendrena amin'izao " Iray volan'ny hosodoko" izao ihany koa ny hanampy ireo mpanan-talenta amin'io sehatra io mba ahafahan'izy ireo manitatra ny lalam-barotra sy ahafahany mivelona amin'ny talenta izay ananany satria tsikaritra fa mbola vitsy ny Malagasy mankafy sy manjifa ny sary hosodoko .
Noporofoin'ireo mpisehatra teto Toamasina koa androany fa azo atao amin'ireny kojakoja entin'ny vehivavy andavanandro toy ny tanty sy ny poketra ny hosodoko .

Nanomboka omaly 12 Jolay hatramin'ny 30 Jolay 2022 dia ao amin'ny tgano fampirantina MASÔVA 501 no ahitantsika ny varotra fampirantiana .
Aorian'io dia haranty eo amin'ny araben'ny fahaleovan-tena manoloana ny Shoprite sy Score bazar be ireo sanganasan'ny mpanao hosodokon'i Toamasina ireo .

Azo tsidihina sy jifain'ny daholobe io fampirantina io ao amin'ny MASÔVA 501 .

Ireo mpanao hosodoko mandray anjara :
- RANAIVO Son-Hyan Thrécia Nirina ( TAO HAINGO TS' ART)
-RAZAFIMANANTSOA Alain Claudio ( TAO HAINGO TS'ART )
-RASOLONIAINA Bija ( BIJA)
-JAO JEAN VISY Dick Noelo ( NOELO)
- RANDRIAMANANTSOA ( RANDRIA NOEL)
-LUCIEN

ORA FISOKAFANA :08 ora -12 Ora
02 ora- 05 ora



Kolontsaina _Atsinanana

Fandokoana  ny fefin'ny biraon'ny TVM sy RNM Toamasina  ao Salazamay  sy fanatsarana ny zaridaina no niarahan'ireo  fita...
21/06/2022

Fandokoana ny fefin'ny biraon'ny TVM sy RNM Toamasina ao Salazamay sy fanatsarana ny zaridaina no niarahan'ireo fitaleavam-paritra , ny mpiasa avy ao amin'ny faritra Atsinanana sy ny fileovana ary ireo orinasa tsy miankina nanatanteraka ny sabotsy faha- 18 jiona 2022 teo. Isany tagnamaro goavana natao teto Toamasina ity satria fefy mirefy 300 m2 eo no niarahana nandoko ary n'y enti-manana rehetra nanatanterahana an'io tagnamaro io dia fanampiana azo avy amin'ireo malala-tanana daholo. Izay fandraisan'andraikitra sy fifanampiana izay mihitsy ilay lalan-tsaina sy Kolontsaina tian'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera voizina.Anisan'ny nampiavaka ity tagnamaro iray ity ihany koa dia ny fandraisan'anjaran'ireo tanora beazina ao amin'ny kilioba FANORO izay tonga navitrika nanome tanana .
Mbola tsy vita tanteraka moa ny asa ka ho tohizana amin'ny fotoana manaraka .

Fandokoana  ny fefin'ny biraon'ny TVM sy RNM Toamasina  ao Salazamay  sy fanatsarana ny zaridaina no niarahan'ireo  fita...
21/06/2022

Fandokoana ny fefin'ny biraon'ny TVM sy RNM Toamasina ao Salazamay sy fanatsarana ny zaridaina no niarahan'ireo fitaleavam-paritra , ny mpiasa avy ao amin'ny faritra Atsinanana sy ny fileovana ary ireo orinasa tsy miankina nanatanteraka ny sabotsy faha- 18 jiona 2022 teo. Isany tagnamaro goavana natao teto Toamasina ity satria fefy mirefy 300 m2 eo no niarahana nandoko ary n'y enti-manana rehetra nanatanterahana an'io tagnamaro io dia fanampiana azo avy amin'ireo malala-tanana daholo. Izay fandraisan'andraikitra sy fifanampiana izay mihitsy ilay lalan-tsaina sy Kolontsaina tian'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera voizina.Anisan'ny nampiavaka ity tagnamaro iray ity ihany koa dia ny fandraisan'anjaran'ireo tanora beazina ao amin'ny kilioba FANORO izay tonga navitrika nanome tanana .
Mbola tsy vitæ tanteraka ny asa ka ho tohizana amin'ny fotoana manaraka .
MANKASITRAKA ANTSIKA JIABY .

Ireo mpianatra kilasy  " Première" sy " Terminal" avy ao amin'ny Lycée privé  " Les visionnaires " Foulpointe indray no ...
17/06/2022

Ireo mpianatra kilasy " Première" sy " Terminal" avy ao amin'ny Lycée privé " Les visionnaires " Foulpointe indray no tonga nitsidika ny tranomboky ao amin'ny MASÔVA 501 androany 17 Jiona 2022.
Vaky boky moa no tena nibahana nandritry ny fitsidihana .
Afa-po ireo mpianatra satria dia maro ireo boky ilaina amin'ny fanomanana ny fanadinam-panjakana " Baccalauréat" hita ao amin'ity Tranomboky ity.

Fiantsoana ho an'ny mpanakanto eto Toamasina izay te handray anjara amin'ny " Fête de la musique " ny 21 Jiona 2022.Asai...
13/06/2022

Fiantsoana ho an'ny mpanakanto eto Toamasina izay te handray anjara amin'ny " Fête de la musique " ny 21 Jiona 2022.
Asaina ianareo hisoratra anarana ao amin'ny " Maison de la communication et de la culture MASÔVA 501 . Hatramin'ny 15 jiona 2022 amin'ny 05 Ora ariva ny fanoratana anarana .

AKON'NY TAGNAMARO VOLANA MEY 2022 DISTRIKAN'NY VATOMANDRY Niompana tamin'ny fanamboarana dabilio miisa 34 miampy seza sy...
22/05/2022

AKON'NY TAGNAMARO VOLANA MEY 2022 DISTRIKAN'NY VATOMANDRY

Niompana tamin'ny fanamboarana dabilio miisa 34 miampy seza sy latabatra teo anivon'ny EPP sy CEG Ambilakely ny hetsika TAGNAMARO ANDRON'NY OLOM-PIRENENA tao amin'ny distrikan'ny Vatomandry ny 21 Mey 2022.
Voafefy ihany koa ny faritry ny sekoly .

Tsy mitsaha -mitombo ny olona tonga mandray anjara amin'ny hetsika tagnamaro izay atao isaky ny sabotsy fahatelo ny volana any Vatomandry .

Ny delegasionin'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina any an-toerana no nitarika ny hetsika .

Hisaorana etoana ny Ben'ny Tanànan'i Vatomandry sy ireo tompon'andraikim-panjakana isan-tokony niara-nisalaha tamin'ny fanatontosana ny hetsika.

ASA SY EZAKA HATRANY !
MSK

AKON'NY TAGNAMARO ANDRON'NY OLOM-PIRENENA VOLANA MEY  NATAO TETO TOAMASINA I NY SABOTSY FAHA 21 MEY 2022 :Fandokoana  ef...
22/05/2022

AKON'NY TAGNAMARO ANDRON'NY OLOM-PIRENENA VOLANA MEY NATAO TETO TOAMASINA I NY SABOTSY FAHA 21 MEY 2022 :

Fandokoana efitrano famakiana sy fitehirizana boky ao amin'ny tranomboky monisipaly ( Bibliothèque Municipale ) sy fanadiovana ny manodidina no niarahan'ireto olom-pirenana , avy amin'ny sehatra maro isankarazany teto Toamasina nanatontosa ny sabotsy faha 21 mey 2022 .

Noho ny fahatsapana fa isan'ireo toerana be mpitsidika ka tokony ho tsara endrika sy madio lalandava ny tranomboky no antony nisafidianana an'ity toerana ity ho hatsaraina amin'ny alalan'ny tagnamaro .

Kolontsain'ny firaisankina sy fanajana ny fananana iombonana ary ny maha olom-pirenana tompon'andraikitra no tena tiana voizina eto .

Ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina amin'ny alalan'ny rantsa-mangaikany aty amin'ny faritra no nitarika ny hetsika sy tsy mitsahatta ny manentana ireo vondron-kery isan-tokony mba handray ny andraikitra tandrify azy eto amin'ny Firenena .

Misaotra sy mankasitraka anareo rehetra nanome tanana . Tsy adino koa ianareo izay nanampy ara-pitaovana nahafahana nanatontosa ny asa fanatsarana an'ity fananana iombonantsika ity , singanina manokana amin'izany ny Ben'ny Tanànan'i Toamasina I Atoa Nantenaina RAKOTONIRINA sy ny Fadintseranana eto Toamasina .
ASA SY EZAKA HATRANY !
MSK

Hetsika fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Mozea izay hankalazain1 isaky ny 18 MEY tao amin'ny MOZEA VAVITI...
20/05/2022

Hetsika fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Mozea izay hankalazain1 isaky ny 18 MEY tao amin'ny MOZEA VAVITIAÑA Toamasina.

Mpianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina " Collège de la Congrégation Chinoise " sy avy amin'ny sekolim-panjakana " CEG Radama I" no nitsidika ny Mozea Vavitiaña tamin'io andro io.
Maro amin'ireo mpianatra no tsy mahafantatra ny atao oe " Mozea " na "tranombakoka "sy ny asany .

Ankoatran'ny fitsidiana ny Mozea VAVITIAÑA dia nisy famelabelaran-kevitra manodidina ny atao oe " Ny hery ananan'ny Mozea " nandritran'io hetsika fankalazana io.
Raha tsiahivina dia ny taona 2019 no nanomboka ny asa fanarenana an'ilay trano izay fantatra tamin'ny anarana oe " MAISON NATHAN " izay miorina ao Ampasimazava ny Minisiteran'ny Serasera sy ny kolontsaina tarihin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo . Ny taona 2020 no vita tanteraka ny asa ary nampitondraina ny anarana oe " MOZEA VAVITIAÑA " .

Mahavelombolo ankehitriny fa dia miha maro ny olona liana sy tonga mitsidika ny MOZEA VAVITIAÑA.

Ankafaliana hatrany no hizaraina aminareo ny vaovao mafana  sy ny tsara ho fantatra manodidina ny tontolon' ny kolontsai...
16/05/2022

Ankafaliana hatrany no hizaraina aminareo ny vaovao mafana sy ny tsara ho fantatra manodidina ny tontolon' ny kolontsaina eto amin'ny Faritra Atsinanana .

Izy no Olivier TSISAROTRA , fantatra amin'ny anarana antsehatra oe " HOPTIMUS "; avy eto Toamasina. Mpiangaly ny taranja " Slam/ Poésie izy ary tompon-dakan'i Madagasikara amin'izany sehatra izany nandritry ny fifaninana nasionaly izay natao tao amin'ny MASÔVA 501 Toamasina ny volana Desambra 2021 .
Hisolotena an'i Madagasikara hiatrika ny fifaninana manerantany (COUPE DU MONDE SLAM /POESIE ) any Paris France izay atao ny 23 Mai hatramin'ny 28 Mai 2022 ho avy izao i HOPTIMUS . Ny 25 Mai 2022 izy no miaka-tsehatra ao amin'ny CIRQUE ELECTRIQUE Paris.
Manantena ny fanohanantsika Malagasy i HOPTIMUS amin'izao dingana lehibe atrehany izao . Reharehan'i Toamasina izy , reharehan'i Madagasikara sy ny Malagasy iray manontolo izy ka mendrika ny tohanana .
Alefa HOPTIMUS !
Alefa MADAGASIKARA🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Akon'ny fankalazana ny 03 mey teto Toamasina I,Faritra Atsinanana :Nisy ny famelabelarana arahina ady hevitra nampitondr...
05/05/2022

Akon'ny fankalazana ny 03 mey teto Toamasina I,Faritra Atsinanana :

Nisy ny famelabelarana arahina ady hevitra nampitondraina ny lohateny oe " Ny asa fanaovan-gazety manoloana ny firoborobon'ny nomerika " ( Le journalisme spus l'emprise du numérique) tao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy kolontsaina MASÔVA 501 Toamasina.

Nafana ny ady hevitra ary navitrika dia navitrika ny mpiatrika nametraka fanontaniana tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny ady hevitra izay nahitana :
- Rtoa VOLOLONIAINA Aniella Elisabelle ( Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsinanana)
# Rtoa VOATSAMBINA Claudia ( Mpanao gazety Sisseil - Filohan'ny VMT)
- MANDIMBY Hita Orlando ( Mpiserasera anaty tambazotran-tserasera Facebook)

Fehiny : Tsia ,tsy asa fanaovan-gazety ny fizaram-baovao atao eny amin'ny tambazotran-tserasera .Misy lalàna mamaritra azy ny atao " mpanao gazety".
Araky ny fangatahan'ny Olafitrin'ny Mpanao gazety Faritra Atsinanana dia tsara raha hatao matetika ny fifanakalozana tahak'itony na ny " ady hevitra demokratika " fa tena ilaina ary maha liana tokoa .

🔴FANTSAINA Anicet Honoré  , tanora mpandraharaha avy eto Toamasina, mpiofana ao amin'ny "Ivotoeram-pikotrehana  TOSIK'AR...
05/05/2022

🔴FANTSAINA Anicet Honoré , tanora mpandraharaha avy eto Toamasina, mpiofana ao amin'ny "Ivotoeram-pikotrehana TOSIK'ART sy mpikambana ao amin'ny " CLUB FANORO " Toamasina izay eo ambany fitantanan'ny Minisiteran'ny kolontsaina sy ny serasera izy .

🔴Voafantina hisolotena an'ireo tanoran'ny faritra Atsinanana amin'ny " Forum sur l'emploi et le développement des jeunes " any Antananarivo izay nanomboka androany 05 mey 2022.

🔴Fandraharahana eo amin'ny lafiny serasera no tena ataony ary izay indrindra no hanarahany fiofanana ao amin'ny 'Ivotoeram-pikotrehana Tosik'Art" .
Efa nahatsangana orinasa kely mihitsy i FANTSAINA Anicet na dia mbola tsy tapitra aza ny fikotrehana atao.

Mirary soa anao hatrany ho lasa mpandraharaha tompon'andraikitra eto amin'ny Firenena.

03/05/2022

Ny fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina faritra Atsinanana dia manasa ny olom-pirenena rehetra ho tonga amin'ny famelabelarana arahina ady hevitra izay nampitondraina ny loha-hevitra oe " Ny asa fanaovan-gazety eo anatrehan'ny firoboroboin'ny ara-kajy mirindra ( nomerika )" izay atao amin'ny efitrano fivoriana ( Salle de Conférence ) MASÔVA 501 ( Avenue de l'Indépendance ).androany 03 Mey 2022 manomboka amin'ny 03 ora .
Mpandray anjara amin'ny ady hevitra:
1- VOLOLONIAINA Aniella ( Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsinanana)
2- VOATSAMBINA Claudia ( Filohan'ny Fikambanan'ny Viavy Magnano Gazety Toamasina - V.MT - Mpanao gazety )
3- MANDIMBY Orlando ( Mpisehatra amin'ny tambazotran-tserasera facebook)

Mpandrindra ny ady hevitra: RAKOTOSON Prud'Homme ( Mpanao gazety )

Koa manantena ny fahatongavanareo maro !.

Hetsika fampirantiana ny  sarin'ny tanànan'i Toamasina tamin'ny taona 1903 sy ny taona 2022 izay nokarakarain' ny Fitale...
23/04/2022

Hetsika fampirantiana ny sarin'ny tanànan'i Toamasina tamin'ny taona 1903 sy ny taona 2022 izay nokarakarain' ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina sy ny Fikambanana A. TOA na ny " Amis de Toamasina " , izay isan'ireo fikambanana misehatra amin'ny lafiny kolontsaina sy fiarovana ireo vakoka eto Toamasina. Omaly 22 Aprily no nisokatra amin'ny fomba ofisialy ny fampirantiana izay nomena ny lohahevitra " TOAMASIÑA TALÔHA AVAKE AVAHIZO" ary hijanona mandritran'ny 03 volana ao amin'ny tranom-bakoka MOZEA VAVITIAÑA Ampasimaza Toamasina .
Koa asaina isika rehetra ho tonga hitsidika .
Fotoana sy ora fisokafan'ny mozea :
- Alatsinainy hatramin'ny Alahady
Maraina : 08ora - 12ora
Folakandro: 02 ora - 04 ora 30.

TAGNAMARO  26 MARTSA 2022 - AMBOHIJAFY - SALAZAMAY TOAMASINA Antaonany maro no nisedra olana ireo fokonolona amin'iny fo...
27/03/2022

TAGNAMARO 26 MARTSA 2022 - AMBOHIJAFY - SALAZAMAY TOAMASINA

Antaonany maro no nisedra olana ireo fokonolona amin'iny fokontany Ambohijafy Atsimo- Ambohijafy Avaratra - Salazamay Atsimo- Salazamay Avaratra vokatry ny fahasimban'ny tetezana iray ao amin'ny " Lalana Mompera Venance Manifatra ".
Raha tsiahivina dia ny rivodoza Geralda no nanimba io lalana io ka voatery nametraka vonjimaika tetezana hazo ny tompon'andraikitra tamin'izany fotoana izany.
Vokatry ny rivodoza sy ranobe nifanesy dia potika tanteraka ilay tetezana ka niteraka fasahiranana amin'ny fivezivezen'ireo fokonolona .
Namboarina tamin'ny alalan'ny TAGNAMARO izay notarihin'ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsinanana izany ny Asabotsy 26 martsa 2022 teo ary olompirenena no nifanome tanana tamin'izany .
Voaporofo izao fa mahavita zavatra isika olompirenana ary mahazo vokatra tsara sy malaky raha mandray andraikitra ho an'ny soa iombonana.
Soatoavina sy kolontsainan'ny fiara-mientana sy fandraisan'andraikitry ny olompirenena no tena voizina eto .
Mankasitraka ny fokonolona ao amin'ireo fokontany ireo .
Mankasitraka ny malala-tanana rehetra nanampy ara-pitaovana sy ara-bola.
Mankasitraka manokana ireo foloalindahy avy amin'ny GENIE MILITAIRE nitondra ny fahaiza-manao manokana ananan'izy ireo amin'ny fanamboarana toy itony .
Mankasitraka ny mpiasam-bahoaka rehetra avy amin'ny fitaleavana isankarazany nanome tagnana maro be .
Mankasitraka ny ekipa rehetra ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny serasera sy kolontsaina Atsinanana nanomanana st nandrindra ny hetsika TAGNAMARO ANDRON'NY OLOMPIRENENA .
ASA sy EZAKA ny filamatrantsika .

AKON'NY TAGNAMARO TAO AMIN'NY DISTRIKA NY VATOMANDRY Tabilio miisa 30 tao amin'ny CEG VOHITSARA no nasimpanamboarana tam...
20/03/2022

AKON'NY TAGNAMARO TAO AMIN'NY DISTRIKA NY VATOMANDRY

Tabilio miisa 30 tao amin'ny CEG VOHITSARA no nasimpanamboarana tamin'ny alalan'ny tagnamaro .
Efa raiki-tapisaka amin'ny olompirenena ao Vatomandry ny tagnamaro izay ireo soatoavina sy kolontsain'ny fandraisana andraikitra sy fiara-mientana no tena voizina .
Mahavelombolo tanteraka.

Akon'ny Tagnamaro andron'ny olom-pirenana volana Martsa Distrikan'ny Antanambao -Manampotsy :Fandokoana  ny tsangambaton...
19/03/2022

Akon'ny Tagnamaro andron'ny olom-pirenana volana Martsa Distrikan'ny Antanambao -Manampotsy :
Fandokoana ny tsangambaton'ireo mahery fo 29 Marsta 1947 no niarahan'ireo fokonolona androany. 19 martsa 2022.
Mahavelombolo ny fandraisan'ireo fokonolona any amin'ny distrika izay azo lazaina fa saro-dalana andraikitra ho an'ny soa iombonana amin'ny alalan'ny tagnamaro .

09/03/2022

Antsika Malagasy dia nataon-jagnahary hiaigna agnaty Nosy araiky ary agnatin'ny fasamihafana . Loza ho an'ny Firenentsika ny fivoizagna ny fagnavakavahagna ara-poko.Tsy azo ekehigna ny fampisaraham-bazagna ny samy Malagasy .Antsika tô ôlo araiky fôgna !

Fiofanana  amin'ny " Fandraharahana ara-kolontsaina " eto Toamasina ny 16 , 17 Desambra 2021  izay karakarain'ny Ministe...
10/12/2021

Fiofanana amin'ny " Fandraharahana ara-kolontsaina " eto Toamasina ny 16 , 17 Desambra 2021 izay karakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina .
Tongava misoratra anarana dieny izao ao amin'ny biraon'ny DRCC Atsinanana Masôva 501 ( Avenue de l' Indépendance ).

17/10/2021

"Atody akoho ambony vato, leka tsy ankila ankila ".
Heviny: Lehilahy tsy boka erin-taona.
betsimisaraka

17/10/2021

"Akory lahaly tsy atao an-kibo".
Heviny: Tsy tsara ny miavonavona .
betsimisaraka

Send a message to learn more

Address

SALAZAMAY
Toamasina
501

Telephone

0340424454

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRCC Atsinanana Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category


Other Newspapers in Toamasina

Show All