Zandry kely

Zandry kely Fampafatarana ny vaovao misongadina eto Antsiranana sy manerana ny Nosy.

Tsara ny vokatra hoan'ny Cisco Ds Antsiranana I tamin'ny valim-panadinana CEPE 2024. Ny Epp Labigorne no voalohany tamin...
24/06/2024

Tsara ny vokatra hoan'ny Cisco Ds Antsiranana I tamin'ny valim-panadinana CEPE 2024. Ny Epp Labigorne no voalohany tamin'ireo mpianatra nahazo Lauréat. 2946 mpianatra nisoratra anarana, 2901 tonga nihatrika fanadinana ary 45 kosa ny tsy tonga tamin'izany ary 81,13 % Admis

𝗦𝗟𝗠𝗣𝗥𝗢𝗧𝗘𝗖𝗧: Anisany orinasa azo antoka amin'ny resaka fiarovana amin'ireo hotely, banky, fiantsonan'ny fiara, orinasa, t...
23/06/2024

𝗦𝗟𝗠𝗣𝗥𝗢𝗧𝗘𝗖𝗧: Anisany orinasa azo antoka amin'ny resaka fiarovana amin'ireo hotely, banky, fiantsonan'ny fiara, orinasa, tobin-tsolika ary olon-tsotra. Manana tombiny ny eto Antsiranana amin'izao fisiany Orinasa SLMPROTECT ity satria hampy tsara ny trakaifa ary efa nahazo fiofanana maro lafy ireo mpiambina. Raha ny zava-misy eto amitsika maro ireo tanora mahavita fianarana ao koa ireo tsy nahatody fa saingy tsy mahita asa ka noho izany anisany nataony Orinasa ity laharam-pahamefana ny fandraisana tanora tsika aby ireny.
©

23/06/2024

CEPE hoan'ny Cisco Antsiranana II Nivoaka tamin'ny alina iny ny valim-panadinana

FARITRA DIANA : MADEHA TSARA NY ASA FANAMBOARAN-DALANA RN6 ARY NISY FIDINANA IFOTINY IZAY NATAONY GOVERNORAN'NY FARITRA ...
26/07/2023

FARITRA DIANA : MADEHA TSARA NY ASA FANAMBOARAN-DALANA RN6 ARY NISY FIDINANA IFOTINY IZAY NATAONY GOVERNORAN'NY FARITRA DIANA NIJERY NY FIZOTRANY ASA
--------------------------------------------------------------------------
Anisany lalana nampitaraina vahoaka aty amin'ny tapany avaratra Nosy ny faharatsiany lalam-panorenana faha enina. Nataony fitondram-panjakana laharam-pahamenana ny fanamboarana izany taoriany nanamboarana RN5A ka izao madeha ihany koa ny RN6. Nisy ny fidinana tampoka nataony Governoran'ny faritra Diana Taciano Rakotomanga nijery ny firosoany asa ary hita tamin'izany fa mihazakazaka ny fizotrany asa satria efa misy toerana efa misy tara na goudron na amin'ny lot voalohany izay boaka Ambanja- Ambilobe eo ihany koa lot faharoa Diego- Ambilobe. Raha ny zava-misy saika nahavoazana tanteraka ireo tetezana ary betsaka ihany koa ireo caniveau izay toerana handalovany rano izay hampateza ny lalana.
©

FARITRA DIANA : NAHAZO CSB II MANARAPENITRA AO AMIN'NY FKT ANKATAFA NY DISTRIKA AMBANJA---------------------------------...
26/07/2023

FARITRA DIANA : NAHAZO CSB II MANARAPENITRA AO AMIN'NY FKT ANKATAFA NY DISTRIKA AMBANJA
--------------------------------------------------------------------------
Velirano faha 5 ny filoha repoblika ny fahasalamana ho any daholobe ka nahazo Csb II manarapenitra Ankafa izay entina mamaha ny olana eo amin'ny sehatra fahasalamana. Anisany olana ny tsy fananana hopitaly eny amin'ny fokontany ka anisany mampanahirana vahoaka raha sendra tsy salama fa indrindra ny vehivavy hiteraka. Nandritra fitsidiahana izay nataony Governoran'ny faritra Diana Taciano Rakotomanga nijery ny fizotrany asa dia efa vita ny fotodrafitrasa ary efa memtraka ny fitaovana anatiny ireo tomponandraikitra. Noho izany dia velom-pisaorana amin'ny ezaka hataony fitondrana ny governora ary nambarany fa fampanantenana izay nataony filoha izy ity ka tsy maintsy vita ary hitokanana tsy aila sy azo hampiasainy vahoaka. Ny olona mikipy ihany no masahy miteny fa tsy misy zavatra vita ny fitondrana ary izao fahazoana Csb II ity no anisany porofo fa mijery aty amin'ny faritra ny filoha.
©

FARITRA DIANA: NAHAZO EPP MANARAPENITRA NY DISTRIKA AMBANJA AO ANDIMAKAFITO --------------------------------------------...
25/07/2023

FARITRA DIANA: NAHAZO EPP MANARAPENITRA NY DISTRIKA AMBANJA AO ANDIMAKAFITO
--------------------------------------------------------------------------
Efa azo ampiasagna amin'ny fidirana mpianatra izao ny Epp manarapenitra Andimakafito ao amin'ny Distrika Ambanja raha ny fahitana ny fizotrany asa nandritra ny fidinana izay nataony Governoran'ny faritra Diana Taciano Rakotomanga tamin'ny herinandro lasa teo. Efa tonga ireo fitaovana hampiasaina amin'ny sekoly ity ary efa mametaka izany ireo orinasa. Nambarany governora fa maro ireo fotodrafitrasa vitany fitondram-panjakana ity ary tsy diso anjara amin'izany ny faritra Diana. Ilaina tokoa ny fisiany fotodrafitrasa manarapenitra toy izao satria mianatra amin'ny sekoly tsizarizary ny zanaka malagasy ka mendrika mianatra amin'ny fotodrafitrasa manarapenitra toy izao izay tafidrika amin'ny velirano filoha. Ny azo vita ho hifampitsarana ary manao zavatra tsy vitany vava akory fa porofo izao fotodrafitrasa izay ho lovainy taranaka faramadimby ary rehareha ny faritra Diana ity.
©

FARITRA DIANA : MANARAKA NY FENITRA NIFANARAHANA NY FANAMBOARANA LANANA ANY NOSY BE IZAY BOAKA EN VILLE MADEHA DJAMANJAR...
25/07/2023

FARITRA DIANA : MANARAKA NY FENITRA NIFANARAHANA NY FANAMBOARANA LANANA ANY NOSY BE IZAY BOAKA EN VILLE MADEHA DJAMANJARY
Nanao fidinana tampoko ny governoran'ny faritra Diana Taciano Rakotomanga niaraka tamin'ny tomponandraikitra PIC nijery ny fizotrany fanamboarana ny asa tsoa sagnatria tsy manaraka ny fifanarahana izay natao. Rehefa natao carottage ny tara dia hita fa mihoatra 5Cm ny hatevenany tara izany izay mifanaraka tsara tamin'ny fifanarahana izay natao. Nankasitraka filoha repoblika ny Governora satria fampanantenana izay nataony ny fanamboarana lalana ity ka izao ho vita tsy ho ela izany ary nankasitraka ny tetikasa PIC ihany koa ny tenany tamin'ny fiarahamiasa. Natao indrindra hamahana olana fitohanana fiara na embouteillages izao fanamboarana lalana ity raha nambarany ben'ny tanàna Nosy Be VITA Zarga. Marihina fa tsy lalana ity ihany no namboariny fitondram-panjakana fa maro ny lalana ao Nosy Be vita ary nampiova ny endrika ny tanàna sady mahasarika ny mpizahantany.
©

NIGADONA TAMIN'NY MARAINA TEO NY NOFOMANGATSIAKA AN'I TOMPOKOVAVY FRANCOMME CLOTILDE TAORIAN'NY FIKARAKARANA IZAY NATAON...
14/07/2023

NIGADONA TAMIN'NY MARAINA TEO NY NOFOMANGATSIAKA AN'I TOMPOKOVAVY FRANCOMME CLOTILDE TAORIAN'NY FIKARAKARANA IZAY NATAONY BEN'NY TANANA ANTANAMITARANA NANDRITRA IZY TANY MORONI
--------------------------------------------------------------------------
Tonga nitsapa alahelo sy nitondra teny fampaherezena hoan'ny fianakaviana an'i tompokovavy Francomme Clotilde ny ben'ny tanàna Antanamitarana Congo Réunion Aly Mohamed ny maraina teo, nandritra izany no nagnambarany fa sarotro ny fikarakarana ny fadefasana razana taty an-tanindrazana. Sarotra tamiko no namela ireo diaspora irery tamin'ny fahoriana ity fa indrindra ny mahagasy ny tenako ary zanaka Diego satria teraka teto ary tombo teto ihany koa ka mahatsapa fa manana adidy sy andraikitra amin'ny fanampiana ny mpiray tanindrazana.

Noho fitadiavana no nialany tompokovavy teto raha nambarany fianakaviana ka izao vatamangatsika no niverina, raha tsy ben'ny tanàna Antanamitarana dia very tany an-taninolona ny razana ary zavatra sarompady amitsika malagasy ny taombalona izany. Fisaorana mitafotafo no nasetriny fianakaviana satria raha ezaka ben'ny tanàna ity no nahatongavany tompokovavy aty an-tanindrazana. Ny fanjakana komoriana no hisaorana hoy ny ben'ny tanàna izay tamin'ny alalan'ny Chef d'Etat major izay nagneky tamin'ny fifampiresahana sy fifanampiana nahafana nampody havatsika. Mbola nanamafy hatrany ben'ny tanàna ity ny fangatahana amin'ny mpitondra fanjakana mba tokiny hanokafana ny consul général any Moroni satria efa maro ny gasy miasa sy monina any ka mijaly noho tsy fisiany consul izany rehefa misy zavatra karakarainy. Marihina fa rahampitso sabotsy no hanatanterahana ny fandevenana any Anketrakabe.
©

FARITRA DIANA: Ny governoran'ny faritra Diana Taciano Rakotomanga dia miarahaba ireo mpianatra rehetra izay nafaka fanad...
13/07/2023

FARITRA DIANA: Ny governoran'ny faritra Diana Taciano Rakotomanga dia miarahaba ireo mpianatra rehetra izay nafaka fanadinana BEPC ary mankahery ireo izay mbola hamerina amin'ny taona ho avy. 63,17% ny taham-pahafana tamin'ny taom-pianarana 2022-2023 ity. 12626 ny mpiadina nisoratra anarana ka 7665 no nafaka.
©

06/05/2023

FARITRA DIANA : Tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajahana tao amin'ny governoran'ny faritra Diana ny AFAFI-NORD, ka nivohitra nandritra izany ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin'ny faritra. Ny tanjona amin'ny tetikasa ity ny fampandrosoana ireo kominina ambanivohitra miisa 14 ao anaty ny Distrika ny Ambilobe. Anisany toerana ahitana tantsaha maro any an-toerana izay mivelona amin'ny resaka fambolena sy fiompiana.

Tsy miraviravin-tanana ny faritra Diana hoy hatrany Governoran'ny faritra Atoa Taciano Rakotomanga fa mitondra fanampiana eo amin'ny tontolo ambanivohotra toy ny fanaovana barrage de sable amin'ny renirano Mahavavy iny. Misokatra amin'ny rehetra ny varavarana ny faritra amin'ny fiarahamiasa ary mbola naneho fahavononana hatrany amin'ny fiarahana miaraka amin'ny AFAFI-NORD.
©

28/09/2022

Efa manomboko very ny kolontsaina tsika malagasy ary maro amin'ny tanora amin'izao fotoana izao dia efa tsy miraharaha noho ny antony maro samihafa. Isan-taona dia misy hetsika izay hataon'ireo fikambanana MAMAFI izay entina hampafatarana ny kolontsaina isaka faritra ary ny amin'ny taona ity dia ho tanterahana aty Antsiranana izany amin'ny herinandro ity. Ho tonga eto avy ireo ampanjaka, manatany,tangalamena ary ireo ray aman-dreny ara-drazana ka maro ny hetsika ho tanterahana mandritra izany ary ho hisy filaharana izay manomboko ery amin'ny hôtel de ville ho hampisehoana ny fomba fitafy sy kolontsaina isaka ny faritra.

Nankasitraka ny filoha lefitry ny antenimierampirenena faritany Antsiranana ireo ray aman-dreny anatin'ny fikambanana tamin'ny fanohanana hetsika ity satria nanolotro omby iray sy vary efatra gony ny tenany.
©

🔴Nodimandry izao maraina izao Mgr Philippe Ranaivomanana,  Evekan'ny Diosezin'Antsirabe.Marihana fa mbola nanatrika ny l...
06/09/2022

🔴Nodimandry izao maraina izao Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'ny Diosezin'Antsirabe.
Marihana fa mbola nanatrika ny lamesa famaranana ny JMJ X izy ny Alahady teo saingy efa tao anatin'ny tsy fahasalamana.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviambe ny Eglizy Katolika.
©

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon'ny delegasionan'ny "Association des Communes et Collectivités D'Outre-Mer" (ACCD'O...
30/08/2022

Fitsidihana ara-pomba fanajana nataon'ny delegasionan'ny "Association des Communes et Collectivités D'Outre-Mer" (ACCD'OM) tao amin'ny ministera ny Ati-tany sy Fitsinjaram-pahefa omaly.
--------------------------------------------------------------------------
Fanaovan-tsonia fifanaraham- piara-miasa miaraka amin'ny OIF. Ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana eo amin'ny lafiny sora-piankohonana no nohamafisin'ny OIF tamin'ny alalan'ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piara-miasa mahakasika izany ary hanaovana ministera tantsoroka izay hanampy betsaka amin'ny fampiharana ny Lalàna 2018-027 momba ny sora-piankohonana izao fiaraha-miasa izao.

Namaly ny fanasàn' ny Ben'ny Tanànan' Antanifotsy hitsidika an'i Madagasikara sy ny Kaominina Antanifotsy ireto delegasiona ireto. Efa misy ny fiaraha-miasan'ny ACCD'OM sy ny Kaominina Antanifotsy eo amin'ny sehatry ny fanabeazana, fambolena,... Hisy ihany koa ny sehatra iarahan'izy ireo hiasa amin'ny Faritra VAKINANKARATRA.
Zava-dehibe ny fiaraha-miasa, fifanakalozana sy fifampizaràna traikefa tahaka izao.
©

VITA TANTERAKA NY FANAMBOARANA NY LALANA RN5A IZAY MAMPITOHY AMBILOBE SY VOHEMAR----------------------------------------...
28/08/2022

VITA TANTERAKA NY FANAMBOARANA NY LALANA RN5A IZAY MAMPITOHY AMBILOBE SY VOHEMAR
--------------------------------------------------------------------------
Hitokanana amin'ny 09 septembre ho avy izao ny lalana RN5A izay mampitohy Ambilobe -Vohemar raha nambarany filoha lefitry ny antenimierampirenena faritany Antsiranana ( Diana sy Sava ) Rtoa Jocelyne Maxime nandritra lanonana famaranana ny festival Tsakaraka anio. Ho tonga hitokana izany ny filoha repoblika raha nambarany olom-boafidy ity tamin'ny vahoaka ny faritany Antsiranana. Lalana izay anisany nampijaly ary tsy nisy nanamboatra ka izao lasa nofinofy ny fahavitany lalana izany. Amin'izao fotoana izao dia hatao adiny roa ny lalana RN5A raha natao herinandro iray izany teo aloha rehefa fotoana asara. Anisany mampitabatra ny vahoaka aty amin'ny faritra Sava sy Diana ny fahavitany lalana ity raha nisaraka izany teo aloha vokatra ny haratsiany lalana.
©

FAMETRAHANA SAMBOADIN' IREO BEN'NY TANÀNA TANY AMIN'NY DISTRIKA'ANTSIRABE FARITRA VAKINANKARATRA -----------------------...
28/08/2022

FAMETRAHANA SAMBOADIN' IREO BEN'NY TANÀNA TANY AMIN'NY DISTRIKA'ANTSIRABE FARITRA VAKINANKARATRA
--------------------------------------------------------------------------
Fanentanana ireo mpandray anjara amin'ny atrikasam-paritra fakan-kevitra handrafetana ny PNDE satria fototra iaingana mba hisian'ny fampandrosoana ifotony sy fitsinjaram-pahefana mifandraika amin'ny zava-misy isam-paritra izany. Mahakasika ireo tompon'andraikitra eny anivon'ny Kaominina, ny Ben'ny Tanàna, ny Lehiben’ny Boriboritany, ny Lehiben’ny Fokontany, dia namafisin'Andriamatoa Minisitra fa izy ireo no antoka voalohany amin'ny fampandehanan-draharaha sy fampandrosoana ny Kaominina ka tokony hitandro lalandava ny asany. Ary ny Fitondram-panjakana dia miahy sy mitsinjo azy ireo hatrany amin’ny alalan’ny tantsoroka maro samihafa ary anisan'izany ny fampiakarana ny fanampiana ara-bola na "subventions de fonctionnement" ho an'ny Kaominina ho 30 tapitrisa Ariary raha toa ka 20 tapitrisa Ariary izany teo aloha.
Eo ihany koa ny fanolorana teo anivon'ny Parlementa tolo-dalàna ho
fiarovana ny Ben'ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriboritany eo am-panatanterahana ny asany izay mbola haverina dinihina eny amin'ny Antenimiera roa tonta.
Fanentanana ihany koa ny vahoaka sy ny tompon'andraikitra rehetra momba ny hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana ho an'ny olom-pirenena feno 18 taona no mihoatra izay hatomboka amin’ny volana septambra ho avy izao. Fanamarinam-pahaterahana ara-panjakana izay hiantombohan'ny fisitrahana zo maro samihafa ny kopian'ny sora-pahaterahana ary betsaka koa ireo zo azo amin'ny fananana karapanondrom-pirenena, ireo no teboka lehibe nandritra kabary izay nataony minisitra ny ati-tany sy fitsinjaram-pahefana Atoa Tokely Justin omaly tany amin'ny distrikan'Antsirabe.

Notanterahina nandritra io fotoana io ny fanomezana mari-boninahitra " Grand officier de l'ordre national" ny Lehiben’ny Distrikan'i Betafo sy ny fametrahana samboadin'ireo Ben'ny Tanàna ao anatin'ny Faritra VAKINANKARATRA.
Ny Faritra VAKINANKARATRA moa dia nandray ny Foara nokarakarain'ny Fikambanan'ireo Ben'ny Tanàna an-tanan-dehibe manerana ny Nosy ( AMGVM) nandritra ny telo andro ka namarana izany tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitra Tokely Justin omaly.
©

21/08/2022

FANAMASINANA PRETA TAO AMIN'NY KIANJA MALALAKA SEKOLY SAINT JOSEPH ANDROANY
--------------------------------------------------------------------------
Efatra ny pretra sy telo Diakra no nomasinina androany rehefa nahavita fiofanana tao amin'ny séminaires. Nanamasina izy ireo ny ray aman-dreny ara-panahy Mgr Archevêque Marc Benjamin Ramarison, nanome hafatra ireo izay vao nasinina ny tenany satria hanompo an'Andrimanatra sy vahoaka ary hanamasina sy hanao raharaha fanompoana ka mitaky ny fitondran-tena mendrika. Raha ny hita dia nitombo isa ny pretra ato anatin'ny lafivalon'ny diosezy. Tonga nanometra voninahitra hetsika ara-panahy ity ny filoha lefitry ny antenimierampirenena faritany Antsiranana Rtoa Jocelyne Maxime izay notroniny olona manakaja maro.
©

NANOLOTRO MOTO HO ANY MPITANDRO FILAMINANA RTOA VPAN ANTSIRANANA KA NANDRAY IZANY NY MINISITRA NY FILAMINAM-BAHOAKA-----...
19/08/2022

NANOLOTRO MOTO HO ANY MPITANDRO FILAMINANA RTOA VPAN ANTSIRANANA KA NANDRAY IZANY NY MINISITRA NY FILAMINAM-BAHOAKA
--------------------------------------------------------------------------
Tsy misy ny fampandrosoana vanona raha tsy misy ny fandrihampalemana ka noho izany dia nanolotro
moto Crosse efatra ny filoha lefitra ny antenimierampirenena faritany Antsiranana Rtoa Jocelyne Maxime ho any mpitandro filaminana, ka roa ho any polisy ao amin'ny Fip ary roa ambiny kosa ho any Zandarimariam-pirenena izay entina hanatevenana ny fitaovana eo ampelan-
tanana izy ireo izay entina miasa hadavan'andro. Tamin'ny alalan'ny teti-bola CIAD na crédit d'investissement Appuis au Développement izay CLD teo aloha no nivangana moto ireto. Noho izany dia nankasitraka ny Vpan Antsiranana Jocelyne Maxime ny Atoa minisitra ny filaminam-bahoaka satria maro ny zavatra tokiny nampiasana vola CIAD fa tsy nataony olom-boafidy ity ambany zavatra ny lafiny fandriampahalemana ka izao nanolotro fitaovana izao izay hanampy be amin'ny asa izay hiantsoriany mpitandro filaminana.

Velirano voalohany filoha repoblika ny mikasika ny fadrihampahalemana ary ny fanatanterahana izany dia tsy vitany fanjakana irery
fa samy tompon'andraikitra ny rehetra. Mbola maro ireo fokontany na kaominina sarodalana ka tsy afaka fiara ka ny fahazoana
moto ireto dia hanampy betsaka amin'ny fanatanterahana ny asa vonjy taitra.
Ny fampiasana araka ny tokiny ho izy ireto fitaovana vaovao ireto no takiana fa indrindra ny fikojakojana azy mba ho hateza.
Marihina fa nanafatra ny minisitra ny filaminam-bahoaka fa tokiny hampiasana amin'ny tokiny izy moto ireto satria amin'ny fotoana vonjy taitra no tena ilaina izy ireto ary ny vahoaka miandry vokatra avy amin'ny tsirairay.
©

Efa misy andin'olo mangalatra sahady ireo batterie n panneaux solaires amin'ny lalana RN5A Ambilobe-Vohemar araka ny hit...
15/08/2022

Efa misy andin'olo mangalatra sahady ireo batterie n panneaux solaires amin'ny lalana RN5A Ambilobe-Vohemar araka ny hitatsika amin'ny sary izao. Mbola tsy nitokanana ary iny lalana iny dia efa misy mangalatra, mba oviana ihany atsika ity no mba hilofo amin'ny raha tsara. Ny toe-tsaina mintsy no tokiny hiova Ary entanina ny rehetra mba samy hanome ny loharanom-baovao ny mpitandro filaminana amin'ny trangan-zavatra itony.
©
Sary indrana

NAHAZO FANAMPIANA AVY TAMIN'NY DEPUTE JOCELYNE MAXIME IREO VEHIVAVY MPAMAKY VATO AO AMIN'NY FOKONTANY MANONGALAZA SECTEU...
13/08/2022

NAHAZO FANAMPIANA AVY TAMIN'NY DEPUTE JOCELYNE MAXIME IREO VEHIVAVY MPAMAKY VATO AO AMIN'NY FOKONTANY MANONGALAZA SECTEUR MAHAVOKATRA
--------------------------------------------------------------------------
Raha nadeha tany amin'ny birao fiasany solombavambahoaka Jocelyne Maxime ireo vehivavy mpamaky vato ao amin'ny secteur Mahavokatra nangataka hijerena izy ireo satria maro amin'izy ireo izay tsy manambady ary mamelona zanaka irery ka nangataka tolon-tanana avy aminy izy ireo, ka noho izany dia tsy nisalasala ny tenany namaly izany satria tsy misy ny manana ampy fa sambatra tokoa ny mifanampy eo amin'ny fiainana. Ka androany dia tonga nanolotro vary, voimena ary siramamy ireo assistant parlementaire izay nisolo tena Vpan Antsiranana Jocelyne Maxime ary nanamafy fa eo ankilany vahoaka hatrany ny solombavambahoaka ary manao izay afaka hataony araka ny fahefana izay hananany.

Tso-drano sy fankasitrahana no nasetrin'ireo izay nahazo fanomezana ireto satria maro ny olona izay manana ny hatao fa saingy tsy mitodika amin'izy ireo fa kanefa rehefa tonga nitaraina tamin'ny olom-boafidy ity izy ireo dia tsy namela irery izy ireo amin'ny fasahiranana izao ka nitondra izay voatsirabin-tanana ka velom-pisaorana izy ireo ary nangataka ihany koa izy ireo ny hanamboarana trano hoan'ireo ray aman-dreny be antitra roa an-toerana.
©

FITSIDIHANY MINISITRA NY ATI-TANY SY FITSINJARAHAM-PAHEFANA TAO AMIN'NY DISTRIKA AMBILOBE-------------------------------...
12/08/2022

FITSIDIHANY MINISITRA NY ATI-TANY SY FITSINJARAHAM-PAHEFANA TAO AMIN'NY DISTRIKA AMBILOBE
--------------------------------------------------------------------------
Nitsidika ny fizotrany fanamboarana ny birao kaominina Ambilobe ny minisitra ny ati-tany sy fitsinjaram-pahefana Atoa Tokely Justin androany ary hita fa madeha ary mihazakazaka ny fizotrany asa amin'izao fotoana izao, amin'izao fotoana izao dia efa 80% asa no efa vita ary ho vinavinaina ho vita afaka roa herinandro. Ilaina ny fanana fotodrafitrasa maharitra ary hateza mba ho lovainy taranaka faramadimby ary porofo amin'ny fitsinjaram-pahefana tena izy izao. Nandritra fandalovany minisitra tao an-toerana dia nihezaka nitafa tamin'ny ben'ny tanàna ary misy ny toromarika izay nomeny mikasika ny fomba fitantanana satria miandry tamberin'andraikitra avy amin'ny mpitantana ny vahoaka.
©

NY FAHASALAMANA NO VOALOHAN-KARENA--------------------------------------------------------------------------Ny filoha le...
13/07/2022

NY FAHASALAMANA NO VOALOHAN-KARENA
--------------------------------------------------------------------------
Ny filoha lefitry ny antenimierampirenena faritany Antsiranana sady solombavambahoaka no sady filohan'ny fikambanana 8 Mars Rtoa Jocelyne Maxime dia hanao hetsika fizaham-pahasalamana ankapobeny maimaipoana na consultations générale gratuits izay hiarany miasa miaraka amin'ny docteur généralistes avy any Italie izay hatao amaray 14 jolay tontolo andro ao amin'ny palais faritany. Marihina fa misy ny fanafody maimaipoana omena amin'izany.
©

Tonga any amin'ny Renivohitry ny Faritra SAVA sy Prefektioran'ny Sambava ireo minisitra telo miralahy.- Ny Minisitry ny ...
08/07/2022

Tonga any amin'ny Renivohitry ny Faritra SAVA sy Prefektioran'ny Sambava ireo minisitra telo miralahy.
- Ny Minisitry ny Varotra, Atoa Edgard RAZAFINDRAVAHY
- Ny Minisitrin'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin
- Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.
Ary ireo Delegasiona niara-dia aminareo: Atoa Filoha Lefitry ny Antenimoerandoholona BESOA Eric, sy ny Solombavam-bahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Sambava MAMANGY Norbert dit Jack.
Fitsidihana, sy fijerevana, ary fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Tsenan-davanio moa no andon-dian'izao Delegasiona ireto.
©

T O A M A S I N AMaty tsy tra-drano ny Tale Jeneraly ny Fandraharahana ny Fonja vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Am...
06/07/2022

T O A M A S I N A

Maty tsy tra-drano ny Tale Jeneraly ny Fandraharahana ny Fonja vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ampasimadinika 50 km tsy ahatongavana an'i Toamasina.

Naratra mafy ny olona iray niaraka fiara taminy ary nentina nihazo Hôpitaly an'i Toamasina.

Mirary fiononana feno hoan’ny fianakaviana
©

MARO NY HETSIKA IZAY NATAON'NY DEPUTE JOCELYNE MAXIME NANDRITRA NY IRAY VOLANA NY ANKIZY TETO ANTSIRANANA---------------...
01/07/2022

MARO NY HETSIKA IZAY NATAON'NY DEPUTE JOCELYNE MAXIME NANDRITRA NY IRAY VOLANA NY ANKIZY TETO ANTSIRANANA
--------------------------------------------------------------------------
Famosirana zazalahy faobe, fandidiana maika hernie, fanomezana jiro cobra izay napetraka amin'ny lalana nentina nampazava ny hopitaly miaramila, fizarana fampitaovana hoan'ireo mpianatra hanalala fanadinana Cepe, fizarana arendrina hoan'ireo tsaiky izay nentina nanao retraite au flambeaux ary fanaovana podiums izay narahana tamin'ny fanaovana ny radio crochet ary narahana fanomezana maro nandritra ny andro 26 jona ireo no hetsika nataony solombavambahoakan'i Madagasikara izay voafidy teto Antsiranana Rtoa Jocelyne Maxime tagnatiny iray volana ny ankizy tamin'ny fanjava Jona izay nivalona omaly.
Hetsika izay mikaipa mivantana tokoa izy ireo ary taratra ho fitiavana ny vahoaka izay nifidy azy tokoa fa indrindra ho fanampiana ireo ray aman-dreny sy entina hamalifaliana ireo ankizy.
Marihina fa tsy sambany tamin'ny taona ity ihany no nanaovana hetsika ireo fa efa isan-taona akory. Raha ny loharanom-baovao azo dia tsy hijanona eo ihany fa hitohy hatrany mba ho tombotsoa ho any rehetra fa indrindra tamberin'andraikitra ho any vahoaka.
©

Anisany fangatahana ombenibeny izay nataony député Jocelyne Maxime ny tokiny hiverenany sidina izay mampitohy Diego-reun...
01/07/2022

Anisany fangatahana ombenibeny izay nataony député Jocelyne Maxime ny tokiny hiverenany sidina izay mampitohy Diego-reunion satria mihaina amin'ny sehatra ny fizahantany ny aty amin'ny faritra avaratra. Efa aila no nitarainany vahoaka mikasika sidina ity ary tsy namela izany ny solombavambahoaka ity fa nihezaka hatrany tamin'ny fanamafisana ny fangatahana ary tamin'ny 10 mai lasa teo iny mbola nangataka tamin'ny fanjakana ka izao tanteraka ny fiverenenany sidina.

Faly sy ravo ireo zanatany satria hiverina amin'ny tanindrazana satria tanatin'ny roa taona mahery dia tsy hafaka namangy ny fianakaviana sy tanindrazana. Fantatra ho izy fa maro ireo any ampitadranomasina manana heritreritra hamangy fianakaviana aty Madagasikara fa saingy noho ny tsy fisiany sidina no tsy afaka nanatanteraka izany. Amin'izao dia mangataka amin'ny tomponandraikitra izy ireo mba tokiny tsy hifody eky fa hitohy mba ho tombotsoa ho any rehetra.
©

Address

Route Nationale
Antsiranana
201

Telephone

+261322166807

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zandry kely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Zandry kely:

Videos

Share

Nearby media companies


Other Media/News Companies in Antsiranana

Show All