Tafan'Iarivo Katôlika

Tafan'Iarivo Katôlika Miezaka ny hiditra isan'ankohonana ho fampielezana ny Vaovao Mahafaly. Fiombonana vokatry ny :
1. Manaja ny hafa.
(4)

Tsotra ary mazava ny tanjontsika mihaona eto amin'ity sehatra ity : "Mandrary Fiombonana". FIFANAJANA : Manaja ny tenanao amin'ny fiteny (fanoratra) sy izay mety ho zarainao eto. Ary indrindra manaja ireo Raiamandreny mety ho voatonona anarana eto. Farany ezaka tsy maintsy ataontsika ihany koa ny fanajana ny teny Malagasy.
2. FIFAMPIZARANA : Mizara ny soa mety hampivoatra ny hafa. Ary mandray am-pitiavana sy amim-pahatsorana izay atolotry ny hafa.

22/04/2024

Ny Evanjely An'io

Alatsinainy 22 Aprily 2024

Herinandro Fahaefatra fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 10, 1-10.

'Izaho no varavarana fidiran’ny ondry."

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.” Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany. Koa hoy indray i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

21/04/2024

Alahady 21 Aprily 2024

Alahady Fahaefatra– Taona B
fankalazana ny Paka

"I JESOA, MPIANDRY ONDRY TSARA"

Fanambaràna ny Tenin'Andriamanitra
**************************************

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly 4, 8-12.

"Tsy misy anarana hafa hahazoana famonjena."

Tamin’izany andro izany, dia feno ny Fanahy Masina i Piera ka nilaza hoe: “Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’i Israely, raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra, fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa; ary tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
--------------------------------------------------------

Salamo 117, 1 sy 8-9. 21-23. 26 sy 28 ary 29.

Fiv.: Ny vato niavonan’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro!

Derao ny Tompo fa tsara: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Aleo mialoka amin’ny Tompo toy izay amin’ny olombelona; aleo matoky ny Tompo toy izay matoky ny mpifehy.
Misaotra Anao namaly ahy: Tenanao no tonga namonjy! Ny vato narian’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no nanao izany: zava-mahagaga imasonay!
Izahay eto an-tranon’ny Tompo no mitso-drano anareo. Ianao no Andriamanitro ka isaorako, Ianao no Andriamanitro ka asandratro. Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny fitiavany!

******************************

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly 3, 1-2.

"Hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika."

Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena zanany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 10, 11-18.

"Ny mpiandry ondry tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: “Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko. Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

20/04/2024

Ny Evanjely Anio

Sabotsy 20 Aprily 2024

Herinandro Fahatelo fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 6, 61-70.

"Hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay."

Tamin’izany andro izany, raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma i Jesoa, dia nilaza hoe: “Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay.” Betsaka tamin’ny mpianany nony nandre izany no nanao hoe: “Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany?” Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony, fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka hoy Izy taminy: “Manafintohina anareo va izany? Hanao ahoana ianareo, raha mahita ny Zanak’Olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha. Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr’inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana. Nefa misy tsy mino aminareo.” Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany, izay tsy hino sy izay hamadika Azy. Ary hoy Izy: “Izany no nilazako taminareo fa tsy misy mahay manatona Ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany.” Hatramin’izay dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra, ka tsy niaraka taminy intsony. Ka hoy i Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: “Ianareo koa va mba te-hiala?” Dia namaly i Simôna Piera ka nanao taminy hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay; ary izahay efa nino sy nahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

19/04/2024

Ny Evanjely Anio

Zoma 19 Aprily 2024

Herinandro Fahatelo fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 6, 53-60.

"Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako."

Tamin’izany andro izany, dia nifanditra ny Jody nanao hoe: “Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’Olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona ao amin’ny Ray; toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry ny m**o nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana itý m**o itý kosa dia ho velona mandrakizay.” Izany no nolazainy raha nampianatra tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma Izy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

18/04/2024

Ny Evanjely Anio

Alakamisy 18 Aprily 2024

Herinandro Fahatelo fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 6, 44-52.


"Izaho no m**o velona izay nidina avy any an-danitra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka hoe: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no m**on’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny m**o nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no m**o velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana itý m**o itý dia ho velona mandrakizay izy, ary ny m**o izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

17/04/2024

Ny Evanjely Anio

Alarobia 17 Aprily 2024

Ankalazan'ny fiangonana an'i Olotsambatra Lucien Botovasoa

Evanjely Masina nosoratan'i Md Joany 7,11-19.

"Ho iray tahaka antsika anie izy ireo."

Tamin'izany andro izany niandrandra ny lanitra i Jesoa dia nivavaka nanao hoe: Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony aho; izy ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, tahirizo amin'ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy. raha mbola teo amin'izy ireo aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao ahy aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. Ankehitriny mankany aminao aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin'izao tontolo izao, mba hananan'izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. Nomeko azy ny teninao, ka halan'izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ny ratsy. Tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy ireo koa. Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao ahy ho ao amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin'izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba hohamasinina amin'ny fahamarinana koa izy.

Izany ary ny Tenin'ny Tompo !

16/04/2024

Ny Evanjely Anio

Talata 16 Aprily 2024

Herinandro Fahatelo fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 6, 30-35.

"Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny m**o avy any an-danitra, fa ny Raiko."

Tamin’izany andro izany, hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa: “Inona àry no fahagagana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra araka ny voasoratra hoe: M**o avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Môizy no nanome anareo ny m**o avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny m**o avy any an-danitra izay tena izy tokoa; satria izay m**o midina avy any an-danitra sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao no m**on’Andriamanitra.” Ary hoy izy ireo taminy: “Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany m**o izany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho no m**on’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

14/04/2024

Ny Evanjely Anio

Alatsinainy 15 Aprily 2024

Herinandro Fahatelo fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 6, 22-29.

"Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay."

Ny ampitson’ny fampitomboana ny m**o, dia tsaroan’ny vahoaka nijanona teny an-dafin’ny ranomasina fa tsy nisy afa-tsy sambo kely anankiray no teo, ary i Jesoa tsy niara-niondrana an-tsambo tamin’ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha; nefa nisy sambo kely hafa maro avy any Tiberiady tonga tao akaikin’ny tany nanomezan’ny Tompo m**o hohaniny rahefa nisaotra Izy. Dia niondrana tamin’ireo sambo ireo ny olona nony nahita fa tsy teo i Jesoa na ny mpianany, ka nankany Kafarnaôma hitady an’i Jesoa. Ary rahefa hitany teny an-dafin’ny ranomasina Izy, dia nilazany hoe: “Raby, oviana no tonga teto Ianao?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Lazaiko marina dia marina aminareo: Ianareo no mitady Ahy, dia tsy noho ny nahitanareo fahagagana fa noho ny nihinananareo ny m**o ka voky. Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’Olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombo-kase.” Ary hoy izy ireo taminy: “Inona ary no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra?” Namaly i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

14/04/2024
14/04/2024

Alahady 14 Aprily 2024

Alahady Fahatelo – Taona B -
Fankalazana ny Paka

"VELONA MARINA I KRISTY "

Fanambaràna ny Tenin'Andriamanitra
**************************************

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly 3, 13-15. 17-19.

"Novonoinareo ny Tompon’ny aina, fa natsangan’Andriamanitra ho velona Izy."

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’ny vahoaka i Piera nanao hoe: “Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo, teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy. Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. Ianareo namono ny Tompon’ny aina; fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona ary izahay ireto no vavolombelon’izany. Ary ankehitriny, ry hava-malala, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo lehibenareo, fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo amin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hijaly i Kristy. Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
-------------------------------------------------------

Salamo 4, 2. 4. 7. 9.

Fiv.: Aidino aminay, ry Tompo, ny hazavan’ny Tavanao.

Raha miantso aho, mba valio, ry Andriamanitra mpanamarina ahy. Ry mpanalalaka amin’ny tery ô, iantrao aho, henoy vavaka.
Fantaro ny ataon’ny Tompo ity sakaizany: vao miteny aho, dia henony avy hatrany. Iza, hoy ny maro, no mba hahasambatra azy? Ny hazavan’ny Tavanao, Tompo, aidina aminay!
Izaho vantany vao mandry dia matory amim-piadanana: Ianao irery no fananako mahafeno toky ahy!

******************************


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly 2, 1-5a.

"Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika ary tsy ny antsika ihany fa ny an’izao tontolo izao koa."

Anaka, nanoratra aminareo aho, mba tsy hanotanareo. Ary raha misy nanota, manana mpisolo vava ao amin’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, Ilay marina. Izy no sorom-pifonana mahafaka ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa. Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika. Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina. Fa izay mitandrina ny didiny, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 24, 35-48.

"Tsy maintsy hijaly i Kristy, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo."

Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ny mpianatra avy tany Emaosy tamin’ny Apôstôly iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany an’i Jesoa tamin’ny famakiana ny m**o. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Homba anareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany”. Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: “Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no miahanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy ity: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao”. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary ilay mbola tsy nino iny ihany izy ireo noho ny hafaliany, sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: “Moa manan-kanina eto va ianareo?” Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: “Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo”. Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: “Araka ny voasoratra, dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torîna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

13/04/2024
13/04/2024

Ny Evanjely Anio

Sabotsy 14 Aprily 2024

Herinandro Faharoa fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 6, 16-21.

"Nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina izy ireo."

Nony hariva ny andro, taorian’ny fampitomboana ny m**o, dia nidina nankeny amoron-dranomasina ny mpianatr’i Jesoa, ka niondrana tamin’ny sambo kely ary nita ny ranomasina ho any Kafarnaôma. Efa alina ny andro tamin’izay, nefa tsy mbola tonga teo aminy i Jesoa, ary nanonja ny ranomasina, fa nifofofofo mafy ny rivotra. Rahefa nivoy tokony ho dimy amby roapolo na telopolo stady izy ireo, dia nahita an’i Jesoa nandeha teny ambony ranomasina sy nanatona ny sambo kely, ka natahotra. Fa hoy Izy taminy: “Izaho ihany fa aza matahotra.” Dia naniry handray Azy ho eo an-tsambo kely izy ireo, ka niaraka tamin’izay dia tafatody tamin’ny tany nokasainy haleha ny sambo.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

12/04/2024

Ny Evanjely Anio

Zoma 12 Aprily 2024

Herinandro Faharoa fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 6, 1-15.

"Nizara tamin’izay nipetraka Izy ary nampanaraniny fo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra any an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: “Aiza no hividianantsika m**o hohanin’ireo?” Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy i Filipo taminy: “Na dia m**ona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory.” Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe: “Misy zazalahy anankiray manana m**o ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?” Dia hoy i Jesoa: “Asaovy mipetraka ny olona.” Ary nisy ahitra be teo, ka nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Dia nandray ny m**o i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaraniny fo. Rahefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very.” Dia nangoniny ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny m**o dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: “Itý tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao.” Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

11/04/2024

Ny Evanjely Anio

Alakamisy 11 Aprily 2024

Herinandro Faharoa fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 3, 31-36.

"Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany teo am-pelatanany ny zavatra rehetra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: “Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etý an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra; ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny. Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

10/04/2024

Ny Evanjely Anio

Alarobia 10 Aprily 2024

Herinandro Faharoa fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 3, 16-21.

"Andriamanitra naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny alalany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

09/04/2024

Ny Evanjely Anio

Talata 9 Aprily 2024

Herinandro Faharoa fankalazana ny Paka

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 5, 7-15.

"Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay avy tany ihany, dia ny Zanak’Olona."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: “Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.” Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: “Atao ahoana no hahatonga izany?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va? Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

08/04/2024

Alatsinainy 8 Aprily 2024

FANKALAZANA MANETRIKETRIKA NY NILAZANA FA HAKA NOFO NY TOMPO

Fanambaràna ny Tenin'Andriamanitra
**************************************

Bokin’i Izaia Mpaminany 7, 10-14.

"Indro hanana anaka ny Virjiny."

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Akaza ny Tompo nanao hoe: “Mangataha famantarana amin’ny Tompo Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faralavaky ny Seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.” Fa hoy i Akaza: “Tsy hangataka aho, tsy haka fanahy ny Tompo aho.” Ka hoy i Izaia: “Mihainoa, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo? Noho izany dia Tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro hanana anaka ny Virjiny, ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hataony hoe Emanoela”, izany hoe, amintsika Andriamanitra.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
--------------------------------------------------------

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 11.

Fiv.: Inty aho, ry Tompo, tonga hanao ny sitrakao.

na: Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko.
Ny lalanao lalako, no sitrako.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra: ny sofiko manko nosokafanao. Tsy misy ilainao mihitsy izay sorona dorana sy fanonerana; ka hoy Aho hoe: Inty Aho tamy. Voasoratra amin’ny boky ny momba Ahy: ny manao ny sitrakao no mamiko; ny lalanao, ry Tompo, no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo, notorìko tamin’ny fiangonana; ny molotro tsy nakomboko: fantatrao tsara izany.
Tsy nafeniko tato anatiko ny toetranao mahatoky; nambarako ny fiangonana itony fitiavana!

******************************

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 10, 4-10.

"Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao."

Ry kristianina havana, aiza izay ran-janak’omby sy ran’osilahy no hahafaka ny fahotana? Noho izany indrindra, nony niditra tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe: “Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe: Inty Aho tonga — fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky — hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!” Voalohany aloha lazainy hoe: “Samy tsy ilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota” — nefa dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; — manaraka izany tohiziny hoe: “Inty Aho tonga hanao ny sitra-ponao”, ka manafoana ny voalohany Izy amin’izany, mba hanorenany ny faharoa, ary ny herin’izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin’ny nanoloran’i Jesoa Kristy ny Vatany indray mandeha monja.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 1, 26-38.

"Indro hitoe-Jaza ianao, ary hiteraka Zazalahy."

Tamin’izany andro izany, dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea atao hoe Nazareta, ho any amin’ny Virjiny anankiray fofombadin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa, taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria. Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: “Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.” Taitra izy nahare izany, ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Fa hoy ny Anjely taminy: “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ary indro hitoe-Jaza ianao ka hiteraka Zazalahy, ary Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy, ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.” Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely: “Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Hoy ny Anjely namaly azy: “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany, dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao. Ary indro, i Elizabeta rahavavinao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza, ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba, fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.” Dia hoy i Maria: “Inty aho ankizy vavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao.” Dia niala teo aminy ny Anjely.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

07/04/2024

Alahady 7 Aprily 2024

ALAHADY FAHAROA - Taona B
fankalazana ny Paka

"MAHERY NY FINOANA OMBAN’NY FANANTENANA SY FITIAVANA"

Fanambaràna ny Tenin'Andriamanitra
**************************************

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly 4, 32-35.

"Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra."

Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra. Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona, ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra. Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy ary nitondra ny vidin’izay lafo, ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
--------------------------------------------------------

Salamo117, 2 sy 4; 16 sy 18; 22 sy 24.

Fiv.: Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo
Fa mandrakizay ny fitiavany.

Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’ny fokon’i Aarôna: Valion’ny matahotra ny Tompo: Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Aleo mialoka amin’ny Tompo toy izay amin’ny olombelona; aleo matoky ny Tompo toy izay amin’ireo mpifehy.
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo; ny tanan’ny Tompo naneho hery! Nokapohiny tokoa moa aho; nefa tsy foiny ho faty.
Ny vato narian’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no nanao izany: zava-mahagaga imasonay!

******************************

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly 5, 1-6.

"Izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao."

Ry malala, izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia nateraka avy amin’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra ary tsy mavesatra ny didiny, satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao; ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra? Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

*****************************

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 20, 19-31.

"Nony afaka havaloana dia tonga i Jesoa."

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”. Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana”.
Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: “Efa nahita ny Tompo izahay”. Fa hoy izy tamin’izy ireo: “Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho”. Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany, sady tao koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana!” Ary hoy Izy tamin’i Tômà: “Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino”. Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: “Tompoko sy Andriamanitro!” Fa hoy i Jesoa taminy: “Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino”. Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo, fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tafan'Iarivo Katôlika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tafan'Iarivo Katôlika:

Videos

Share



You may also like