Matokia an'i Jéhovah

Matokia an'i Jéhovah Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany

18/04/2024

Diovy mandrakariva ny fo, mba ho toerana mendrika ho an'i Jesoa

17/04/2024
05/03/2024

Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena. — Isaia 54 : 4

Hahatsiaro anao isan'andro anie ahoRehefa mihaona amin'ny RayMba ho ampy ho anao ny hifonaHiahy, hampitonyN'aiza n'aiza ...
04/03/2024

Hahatsiaro anao isan'andro anie aho
Rehefa mihaona amin'ny Ray
Mba ho ampy ho anao ny hifona
Hiahy, hampitony
N'aiza n'aiza misy anao.

Dia ho vavolombelon'ny heriny
Hizarazara hery vaovao
Dia ho fanasin'ny tany
Hitondra ny hazavany ianao
Haneran'izao tontolo izao.
Tontolo izao.......

Ref:
Fiadanana anie ho aminao
Ho feno ny fanahy hijoro sahy
Fiadanana anie ho herinao
Homba anao amin'izay atao. (x2)

Ilay làlana sy fahamarinana anie
Hitombo isan'andro ao am-ponao
Mba ho fanasin'ny tany
Hitondra ny hazavany ianao
Haneran'izao tontolo izao.

Dia ny fahazavanao ho heriko
Ny fivavako antoky ny fonao
Dia mba ho samy ho tafita
Samy ho vonona isika
Amin'ny andro hiverenany indray
Amin'izay.........

Ref:
Fiadanana anie ho aminao
Ho feno ny fanahy hijoro sahy
Fiadanana anie ho herinao
Homba anao amin'izay atao. (x2)

Homba anao amin'izay atao! (x2)

25/02/2024

Ianao, Jehovah o, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho. — Salamo 71 : 1

15/02/2024

Mivavaka aho satria...

14/02/2024

Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo I Korintiana 13 : 4

11/02/2024

Ekeko, Nandao Anao aho hatrizay
Niaky aho fa niala ny lalanao
Tsy feno fahendrena aho,
Nefa Ianao dia tsy nandao
Teo foana Ianao nitantana ahy

Ray o! Raha ny otako hatrizay
Haiko, fa tsy mendrika Anao aho
Fa naniratsira aho, tsy nihaino ny teninao
Nefa Ianao dia tsy nandao

Ref:
Mifona aho Ray, mifona , mivalo
Miaiky fa diso aho, tsy mendri-pamelana
Manomboka izao, hitoky Aminao
Hiverina mba ho isan’ ireo zanakao

Ekeko fa maro ireo fakam-panahy
Izay mitady hisarika ahy
Ampianaro aho mba hifikitra Aminao
Ka ny hadisoako mba avelao

Ref:
Mifona aho Ray, mifona , mivalo
Miaiky fa diso aho, tsy mendri-pamelana
Manomboka izao, hitoky Aminao
Hiverina mba ho isan’ ireo zanakao

Fantatro fa tsy miova Ianao
Fantatro fa Ray be hindra-fo
Tsy mba miavona ao am-po fa mandray zay mitady Azy
Ka tia ahy mandrakizay

Ref:
Mifona aho Ray, mifona , mivalo
Miaiky fa diso aho, tsy mendri-pamelana
Manomboka izao, hitoky Aminao
Hiverina mba ho isan’ ireo zanakao

10/02/2024

Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany — Salamo 91 : 7

10/02/2024

Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. — Salamo 91 : 3

19/12/2023

"ampianaro ny lalana tokony alehany ny zaza, tsy hiala amin'izany izy na rehefa antitra aza"

Tiny ianao, vidin-dràny ianao
19/12/2023

Tiny ianao, vidin-dràny ianao

16/07/2023

N'inoninona hitranga Jeso
Na ny lanitra ho manga Jeso
Na ho maloka mangina Jeso
Dia ho feno fifaliana Jeso
Ny fotoana ety dia handalo Jeso
Fa tsy hisy hampimalo Jeso
Raha miorina ao am_poko Jeso
Ilay fitiavanao no hinoako Jeso💝

Ho azy irery ihany ny voninahitra
23/02/2022

Ho azy irery ihany ny voninahitra

10/10/2021

Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina;
Fa ny fon’ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.

10/10/2021

Tsy avelan’i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ny marina;
Fa foanany ny fanirian’ny ratsy fanahy.

Ny Tompo Dia miasa  Amin nyfomba mahagaga eo le heverinao s'y heverin n'y olona oe vita eo no manomboka Andriamanitra Ma...
12/04/2021

Ny Tompo Dia miasa Amin nyfomba mahagaga eo le heverinao s'y heverin n'y olona oe vita eo no manomboka Andriamanitra Mahereza 🙏🙏

amen
17/02/2021

amen

Address

Antananarivo

Telephone

+261341174339

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Matokia an'i Jéhovah posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Matokia an'i Jéhovah:

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All