03/07/2023
Ny Bara dia vondrom-poko malagasy monina any amin' ny faritra atsimo amin' ny lembalemba afovoan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana ary Anosy. Toerana midadasika no misy azy ireo, voafaritry ny renirano Zomandao any avaratra (mampisaraka azy amin' ny Betsileo), ny faritra onenan' ny Tanala any atsinanana, ny ony Onilahy any atsimo andrefana (mampisaraka azy amin' ny Antandroy sy amin' ny Mahafaly), ary ny havoanan' Analavelona ao andrefana sy avaratra-andrefana. Ny tanàna lehibe any amin' ny Bara, dia i Sakaraha, i Ranotsara, Ivohibe, Ihosy, i Ranohira, Ankazoabo, i Betroka ary i Beroroha.
Ny anarana hoe Bara dia avy amin'ny fiteny banto ary midika hoe "ireo ao anatiny".
Ny Bara no vondrom-poko lehibe indrindra amin'ny vahoaka mpiompy omby eto amin' ny Nosy ary miaina amin' ny fomba mifindra monina, na dia mitombo aza ny ampahany amin'ny fambolena. Ny fiarahamonina bara dia tena entin' ny raibe ary ny fanambadian' ny mpihavana sy ny fampiradesana dia fanao amin'ny foko bara sasany. Mangalatra omby ny tovolahy mba hanaporofoana ny maha-lehilahy azy alohan'ny fanambadiana, ary nalaza manerana ny Nosy ny dihy nentin-drazana kilalaky sy dihy mifandray amin'ny mpangalatr' omby.
Ny tantaran' ny Bara dia nanomboka teo amin' ny renirano Ihosy tao amin' ny faritra Arindrano ao atsimo-andrefan' i Madagasikara, akaikin' i Toliara.
Tsy dia fantatra loatra ny vanim-potoana voalohany tamin' ny fananganana ny maha Bara ny Bara, ankoatra izay dia nifanojo tamin' ny fiforonan' ny tarana-mpanjaka maroserana tamin' ny Sakalava ary nisy andriana bara sasany avy amin' ny Maroserana. Io rafitra niorina amin' ny ara-tsôsialy tamin' ny fanjakana voalohany io dia inoana fa nanana fitsipika nalemy na tsy nisy fitsipika mifehy ny fifandimbiasana. Manodidina ny taona 1640 tany ho any no nisy andriana iray tao amin' ny Mahafaly nanafika ny faritanin' ny Bara ary nametraka ny fianakaviany ho mpitondra tamin' ny anaran' ny tarana-mpanjaka Zafimanely. Izany dia fametrahana tsy tian' ny Bara maro, ka nahatonga azy ireo hifindra monina anatiny ho any amin' ny faritany vaovao. Niorina mafy ny fahefan' ny Zafimanely taorian' ny nahafatesan' ilay andriana mahafaly tamin' ny taona 1653, saingy ny fifaninanana sy ny hambompo no nitarika ireo olom-baovao ireo hirotsaka amin’ ny ady fitondrana hatramin' ny taona 1680 tany ho any, ka nanakorontana be ny fiainana tao amin' ny faritanin' ny Bara (Ibara). Anisan' ny nahatonga izao tsy fandriam-pahalemana izao ny tsy fisian' ny hetra, ka nahatonga ireo andriana zafimanely nanao bemidina tamin' ny fandrobana omby sy fampandoavana lamandy lafo an' ireo mpandika lalàna izay niteraka disadisa anatiny sy ivelany.
Manodidina ny taona 1800 tany ho any no nisehoan’ ny mpanjaka zafimanely antsoina hoe Raikitroka Ratsileondrafy izay nametraka didy aman-dalàna vaovao nanamaivana izany disadisa izany ary nitondra ny fitoniana sy ny firindrana. Taorian' ny nahafatesan' i Raikitroka dia nizarazara ho fanjakana sy fanapahana maro ny fitondrana; tamin' ny 1895 ny Bara dia nalamina fara-fahaleliny ho fanjakana telo lehibe sy fanjakana roa antonony ary fanjakana kely maherin' ny 24. Io fiovana io dia tsy mifandray amin' ny antony ara-toekarena (ny Bara amin' ny ankapobeny dia nitombo harena noho ny varotra iraisam-pirenena sy ny fanafihana an' Imerina tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19) fa noho ny fiparitahana sy ny fitomboan' ny isan' ny Bara tsikelikely mankany amin' ny lemaka somary tsy misy mponina any andrefana sy atsimo ary avy eo dia mitombo ny halaviran' ny mponina miparitaka amin' ny foibe nentim-paharazan' ny herin' ny Bara. Na dia nahavita nanangana trano miaramila merina tao Ihosy ny mpanjakavavy merina Ranavalona I, ny fakana tany nataon' ny miaramilan' ny Fanjakan' Imerina tamin' ny taonjato faha-19 dia tsy nahomby tanteraka tamin' ny Bara. Niasa avy tao amin' ny toby tao Ihosy ny miaramilan' ny Merina, izay niezaka ny hametraka ny heriny tamin' ny Bara tamin' ny alalan' ny fanomezana fanohanana ireo mpanjaka bara matanjaka kokoa amin' ireo mpifanandrina aminy amin' ny ezaka hitazomana ny fiarahana amin' ireo mpitarika matanjaka afaka mifehy ny Bara amin' ny faritany tsy azon' ny Merina. Na dia eo aza ny fiparitahan' ny fahefan' ny Bara, tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-19, ny Zafimanely misy andriana mitondra, na dia nitsitokotoko, dia anisan' ny hery pôlitika matanjaka indrindra teto amin' ny Nosy, nifandraidraika amin' ny an' ny Sakalava sy ny an' ny Merina.
Rava ny Fanjakana Zafimanely tamin' ny fanjanahan' ny Frantsay ny Nosy nanomboka tamin' ny taona 1896. Nosamborin' ny Frantsay ny mpanjakan' ny iray amin' ireo fanjakana bara malaza indrindra, mpitarika antsoina hoe Ramieba, noho ny fitarihany ny Bara tamin' ny fikomiana nataon' ny Menalamba tamin' ny taona 1897. Nanimba ny fiheveran' ny Bara ny Frantsay, izay mety ho noraisina ho mpandresy an' ireo mpanjaka merina nankahalain' ny maro, izany. Taorian' ny nandresen' ny Frantsay an' i Madagasikara dia niezaka mafy ny hametraka fahefana tao amin' ny faritanin' ny Bara ny Frantsay, niaraka tamin' ny fikomiana matetika nataon' ny Bara teo anelanelan' ny Jona 1897 sy ny fitroarana faobe tany atsimo tamin' ny taona 1904 sy1905.
I Andre Resampa, mpanao pôlitika ao amin' ny Bara, no anisan' ny nisongadina tamin' ny fananganana ny antoko Parti Social Démocrate (PSD) ho an' ny fahaleovantenam-pirenena tamin' ny taona 1960. Rehefa lany ho filoha voalohan' i Madagasikara i Philibert Tsiranana tamin' ny 1 Mey 1959 dia lasa sekretera jeneralin' ilay antoko i Resampa. Tamin' izany andraikitra izany dia nitarika ny famelomana indray ny fokonolona izay rafi-pifehezana nentim-paharazana izy, ary nitarika ezaka mahomby hampitomboana isa ny mpikambana ao amin' ilay antoko.
Ireo mpanjaka nalaza :
Rakanjobe
Ravatoverere
Rabararatavokoky
Rapapango na Rafiraraza sy Andriamena
Andriamanely sy ny taranany
Andriamanafotsarivo
Ramitongoa
Rakitroka Ratsileondrafy
Tonanahary, mpanjakan' ny Bara Be
Retsila
Ramieba
Ratsimivily, mpanjakan' ny Bara Imamono
Rehandry
Impoinimery
Ratsimamotoa sy ny zanany, mpanjakan' ny Bara Iantsantsa
Ny fiaraha-monina bara dia voarafitra ho vondrona maro mifototra amin' ny razana iombonana. Nivondrona ho foko dimy lehibe ireo. Ny telo lehibe sy mahery indrindra dia ny Bara Be sy ny Bara Imamono ary ny Bara Iantsantsa, izay niara-nipetraka tamin' ny Vinda sy Antivondro vitsy kokoa. Miaina fomba fiaina mifindrafindra toeram-pivelomana izy ireo, amin' ny fiandrasana omby, ary izy ireo no lehibe indrindra sy manan-danja indrindra amin' ny vondrom-mpoko malagasy mpiandry omby. Tao Ihosy ny renivohitry ny Bara. Ny fiainam-piarahamonina dia nalamina tamin' ny fomba nentim-paharazana manodidina ny fitsipika tsotra sy fitsipika henjana, saingy nivaha izany nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20 satria ny fitomboan' ny mponina dia nanery ny fifindra-monina sy ny fiparitahana ny Bara hiala amin' ny tanindrazany taloha. Toy ny any amin' ny faritra hafa eto Madagasikara dia nizara ho sokajy telo ny fiarahamonina bara: andriana sy olon-tsotra ary andevo.
Ny fiarahamonina dia mijanona ho entin-dray, ary fanao matetika ny fananana vady maro. Misy ihany koa ny fifanambadiana anatiny amin' ny foko bara sasany. Ny lehilahy loham-pianakaviana matetika dia manana andraikitra roa amin' ny maha-mpitarika ara-panahy ao an-tokantrano. Taloha, ny zo amin' ny lova dia nanome tombony be ny lehilahy; norarana tsy handova zavatra hafa ankoatra ny fananana azo hetsehina ny zanaka vavy. Nofaritana hentitra ny andraikitry ny lahy sy ny vavy. Niasa tanimbary, nividy na nihaza hohanina, nanangona kitay, nanamboatra ny tranon' ny fianakaviana sy ny fanaka, ary niady hevitra momba ny raharaham-panjakana ny lehilahy. Ny vehivavy no tompon' andraikitra amin' ny fambolena hamidy na hohanin' ny fianakaviana, ny famafazana vary, ny fijinjana sy ny famotsiana ny vary, ny fantsakana rano, ny fandrehetana afo sy ny fikarakarana sakafo isan' andro ary ny fanenomana. Vao tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-19, dia voarara tsy hihinana ny vehivavy mandra-pahavitan' ny fihinanan' ny lehilahy, ary tsy afaka nijery azy ireo eo am-pisakafoana.
Amin' ny fahaterahana dia mazàna no manatona ombiasa ny fianakaviana mba hamantarana raha tsara na ratsy vintana ilay zaza teraka. Raha io farany io no mitranga, dia natao ny fanalana vintana izay ampidirana ilay zaza amin' ny ranon' ny lakandrano izay hitondran' ny reniny azy, ary raha heverina fa mahery loatra ny vintany ka tsy afaka mandresy izany ny fanalana vintana, dia avela eo ambony votry (tranom-bitsika) ny zaza mba ho faty.
Ny Bara dia manana lovantsofina am-bava. Ny fedrà sy ny anganon' izy ireo dia miavaka amin' ny fampiasana fiteny mibaribary sy fohy. Ny rafi-pitantarana sy tandindona somary tsotra izay mibahan-toerana ao amin' ny fitantarana bara dia ampiasain' ny mpahay teny sy ny antrôpôlôga sasany ho fanombohana handinihana ny fivoarana sy ny fiovaovan' ny lovantsofina am-bava eto amin' ny Nosy. Malaza manerana ny Nosy ny dihy sy ny sary sikotra ataon' ny Bara. Ny sarivongan' izy ireo vita amin' ny hazo dia miavaka amin' ny fisian'ny volomaso lava vita amin' ny volo tena izy.
Araka ny fomban-drazana, nanenona landihazo ny vehivavy bara mba hanaovana akanjo ho an' ny tenany sy ny fianakaviany. Ny landihazo dia mbola otazana amin' ny tanana sy avalona ary tenomina amin' ny alàlan' ny ampela avo lenta. Ny kofehy vita amin' ny landihazo manta dia atsoboka amin' ny rano mifangaro fanalefahana alohan' ny fanenomana; alohan' ny hanalefahana dia atao hoe foly velo ilay kofehy ary inoana fa feno hery mahagaga; ny ombiasy dia mamatotra io kofehy io amin' ny hatotanan' ny olona mba hiarovana na hamehezana azy amin' ny vatan' ny mpandray anjara amin' ny lanonam-pamorana. Tsy dia mahazatra loatra ny akanjo vita amin' ny landy vokarin' ny bibin-dandy ao an-toerana izay mivelona amin' ny hazo tapia teratany maniry any amin' ny faritr' Isalo. Na dia marokoroko sy ratsiratsy kokoa aza io landy io raha oharina amin' ny vokarin' ny Merina na Betsileo, dia io no karazana landy tena sarobidy indrindra manerana ny Nosy noho ny fatezany. Tany amin' ny ilany atsinanana amin' ny faritanin' ny Bara, ny akanjo dia natao tamin' ny lamba hodi-kazo voakapoka na tsihy harefo (Eleocharis plantagines). Ny vehivavy dia nanao akanjo lava vita amin' ny tsihy roa na telo natohy amin' ny zaitra, izay afatotra mihantona amin' ny soroka na afatotra amin' ny andilany, matetika miaraka amin' ny tampony vita amin' ny mahampy (Lepironia mucronata) voatenona. Nanao lamba hodi-kazo voakapoka miaraka amin' ny akanjobe na akanjo vita amin' ny tsihy voatenona voazaitra ny lehilahy; ny akanjon' ny lehilahy antitra dia misy tanany.
Fahita any amin' ny Bara ny fanaovana ody, toy ny any amin' ny faritra hafa eto Madagasikara; Ny ody atao hoe tsimokotra dia namboarina amin' ny taolan-tongotry ny gidro mba hanala ny havizanana.
Toy ny any amin' ny faritra hafa eto Madagasikara, ny fiainana ara-piarahamonina ao amin' ny Bara dia fehezin' ny fady, izay matetika miovaova arakaraka ny saranga, ny vohitra, na ny fianakaviana. Any amin' ny tanàna bara sasany dia voarara ny mitondra entana irery; farafahakeliny olona roa no tsy maintsy mitondra azy. Ny fandrarana mahazatra manerana ny fiarahamonina bara dia ny manolotra sakafo na zava-pisotro ho an' ny olona amin' ny lovia na kaopy fampiasaina amin' ny fikarakarana ny hafa. Fady koa ny mandingana olona mipetraka na mandry amin' ny tany, manainga na mitondra entana eo ambonin' ny lohan' ny sasany na ny vatan' ny sasany, miraotra ny olon-kafa amin' ny lamban' ny tena, na mipetraka na miankina amin' ny fandrian' ny hafa.
Fady maro no mikasika ny andriana bara. Eo amin' ny fianakavian' ny mpanjaka zafimanely, ohatra, dia voarara ny mamono havana, eny fa na dia natao ho sazin-keloka be vava aza izany. Fady ny miresaka amin' ny vadin' ny mpifehy na ny miditra ao an-tranony, ary nisy toerana manokana natokana ho an' ny rehetra afa-tsy izy ireo ihany mba hanangonana kitay sy fanangonana rano. Ny fady mafy indrindra dia mandrara ny fanononana ny anaran' ny mpifehy na izay teny rehetra tao anatin' ilay anarana, aorian' ny nahafatesany. Omena anarana vaovao aorian' ny ahafatesany ilay mpitarika nodimandry, ka tsy maintsy ampiasain' ny rehetra izany, ary fantenana ny teny mitovy hevitra amin' izany mba hasolo ny teny mandrafitra ny anarany taloha mba hampiasaina amin' ny resaka andavanandro; na iza na iza manonona ireo teny voarara ireo dia faizina mafy, ary amin' ny toe-javatra sasany vonoina ho faty.
Ny Bara dia mandevina ny maty ao anaty lava-bato voajanahary, indrindra ao amin' ny Valan-javaboarin' Isalo, faritra heveriny ho masina; mandevina ny fatiny anaty zohy nandritra ny taonjato maro. Raha tsy misy lava-bato voajanahary toy izany, ny Bara dia manao fasana voarakotra vato eo amin' ny toerana lavitra ny tanàna. Mamangy ireo nidonam-pahoriana ao amin' ny tranobe manokana antsoina hoe "tranon' ny be ranomaso" ny mpisaona, ka ao ny vehivavy no mitomany sy maneho alahelo. Manapaka ny volony ny mpianakavy nidonam-pahoriana mba hanehoana ny fisaonany. Ao amin' ny Bara maro, ny vehivavy dia tsy alevina miaraka amin' ny vadiny sy ny zanany, fa alevina miaraka tamin' ny rainy na amin' ny toerana mitokana. Inoana fa ny fanahin' ny maty dia mijanona ho matoatoa, ka izany no nanosika ny olona hifindra tanàna vaovao aorian' ny fahafatesana.
Ireo mifandray amin' ny fahafatesana vao haingana dia hita ho feno karazana areti-mifindra mandritra ny fotoana fohy. Rehefa atao ny bilo na salamanga (izay samy fombafomba fanasitranana), dia manangana kiady eo anoloan' ny fidirana amin' ny trano anaovana ny lanonana ny ombiasy mba ho famantarana fa ireo maty havana vao haingana (ary koa na iza na iza vahiny ivelan' ny fiarahamonina) dia voarara tsy hiditra mba tsy hahavery ny herin' ny fanasitranana.