Apprenti Entrepreneur

Apprenti Entrepreneur - Partage,
- Conférence,
- Vente et marketing,
- Conseil en stratégie digitale

12/03/2024

Nosy tanindrazako
Izay navelan’ny razako
Afoiko ho anao ny rako
Ry Madagasikarako

Ranomasina no valam-parihy
Mamefy ny foko rehetra hifankatia
Tsy hampisaraka ny malagasy miaraka
Andriamanitra ô! Mitahia
’Ty taninay ity

Tany izay nomenao ho anay
Lovan’ny taranakay
Madagasikara ho an’ny malagasy
Malagasy kosa ho an’i Madagasikara

05/03/2024

Tonga soa Facebook a

09/02/2024

Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Nomery 6, 25

03/01/2024

Pour ce qui est de l'avenir, il ne s'agit pas de le prévoir, mais de le rendre possible.
Antoine de Saint-Exupéry

4 TAONA NO NAHAVITAN'I THOMAS SANKARA IRETO.=> Ny mba hevitro1. Il a vacciné 2,5 millions d’enfants contre la méningite,...
05/12/2023

4 TAONA NO NAHAVITAN'I THOMAS SANKARA IRETO.
=> Ny mba hevitro

1. Il a vacciné 2,5 millions d’enfants contre la méningite, la fièvre jaune et la rougeole;
=> Andao atao fa tratra izany

2. Il a fait passer le taux d’alphabétisation de 13% en 1983 à 73% en 1987;
=> Ny mpampianatra sisa karakaraina, ny sekoly efa manarapenitra

3. Il a planté 10 millions d’arbres pour bloquer le désert.
=> Efa vitantsika fa hatsaraina kokoa

4. Il a bâti des routes et un chemin de fer sans aide étrangère;
=> Mety ho zaka-tsika ve ?

5. Il a recruté des femmes au gouvernement et l'armée;
=> Zaho tsy hiteny betsaka

6. Il a interdit les mutilations génitales féminines et les mariages forcés;
=> Ilay voalohany tsy fombatsika, ilay faharoa asina ezaka kely fa efa ho afaka

7. Il a vendu la flotte gouvernementale de voitures Mercedes et fait de la Renault 5 (la voiture la moins chère à l’époque) la voiture de service des ministres;
=> Hehehehehe Karenjy, Karenjy, Karenjy, :)

8. Il a réduit les salaires des fonctionnaires,y compris les siens, et a interdit aux ministres l’utilisation de chauffeurs et des billets d’avion de 1ère classe;
=> Aza misy miteniteny, aza misy miteniteny, ...

9. Il a pris les terres des propriétaires féodaux pour les offrir aux paysans, si bien qu'en 3 ans, la production de blé est passée de 1700 kg par hectare à 3800 kg par hectare, ce qui a rendu le pays autosuffisant sur le plan alimentaire;
=> Ny tany misy fa tohanana ny tantsaha, tsy amin'ny famokarana fa amin'ny fijerena ny vidin'entana. Ohatra hoe omena fahalalahana sy famatsiambola ireo mpandraharaha, hividy ny vokatra amin'ny vidiny faritan'ny fanjakana ? Mety hety ve izany ?

10. Il s’est opposé à l’aide étrangère, rappelant que «celui qui vous nourrit, vous contrôle »;
=> Tanterahina izay nolazaina tamin'ny fampielezan-kevitra. Tandremo ny fanehoan-kevitrareo an, za tsy dia mahazaka mangahazo an. Indrindra raha hoe bononoka.

11. Il a appelé à un front africain pour éponger leur dette extérieure;
=> Euh, tsy takatry ny saiko, ...

12. À Ouagadougou, il a transformé le magasin d’approvisionnement de l’armée en supermarché ouvert à tous (ce fut le 1er supermarché du pays);
=> Inona re no azo atao ao amin'ny RM1 e, ...

13. Il a obligé les fonctionnaires à offrir un mois de leur salaire pour des projets publics;
=> Ahoana ity zalahy ?

14. Il a refusé d’utiliser la climatisation de son bureau au motif que ce luxe n’était accessible qu’à une poignée de Burkinabé;
=> Safidy io.

15. Comme président, il a réduit son salaire à 450 dollars par mois et limité ses biens à une voiture, 4 vélos, 3 guitares, 1 réfrigérateur et 1 congélateur;
=> Za moa izany tonga de tsy niteny intsony fa ...

16. Il a formé une garde personnelle composée de femmes motocyclistes;
=> Ahoana ity ry vady andefimandry ? Tsy za io fa Thomas Sankara an. Vohangy ah ôôô!!!

17. Il exigeait que les fonctionnaires portent un habit traditionnel, tissé avec du coton burkinabé et cousu par des artisans burkinabé;
=> Hehe, mety ho tsara an.

18. Il refusait que son portrait soit accroché dans des lieux publics car selon lui, "il y a 7 millions de Thomas Sankara au Burkina";
=> Raikitra

19. Guitariste, il a écrit lui-même le nouvel hymne national;
=> Tsy sahy an'izany kosa aho rasta a.

20. Il a surtout prouvé que l'Afrique peut s'en sortir si elle est décidée à le faire.
=> Ekena sa tsy ekenaaaa ?

Mbola hisy 5 taona eo vao hilamina hono  ny resaka JIRAMA.Bizina mety handeha ireto sary tena izy ireto.
04/12/2023

Mbola hisy 5 taona eo vao hilamina hono ny resaka JIRAMA.
Bizina mety handeha ireto sary tena izy ireto.

Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao...
10/11/2023

Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
Josoa 1, 9

01/10/2023

Tompo ô
mafisa fo, ka aza omena valiny aho na mangataka aza anio
fa iangaviako ianao, omeo ho an’ny rahalahiko ary ho azy manontolo
izay fangatako isan’andro
omeo ho an’ireo mahantra izay fitafiko androany
omeo ho an’ny maro anaka izay sakafo anio tontoloko
omeo ho an’ireo sahirana izay anjara tsikitsikiko
omeo ho an’ireo voazioga ny fahafahako anio

Avela aho mba hangatsiaka
Avela aho mba hitofezaka
Avela aho mba hitomany
Avela aho mba ho voageja
Na anio fotsiny aza

Sao izany no hanamaivana ny ampaham-pahoriana entiny mandavan-taona
Sy ny masoandro takona lolohaviny isan’andro

Sady koa mba hamantàrako ny fitiavantena disoko
Fa ny ho ahy hatrany hatrany no efa niadiako fo rehefa mba mivavaka aho
Ka hadinoko ny hafa
Koa italahoako ianao
Adinoy aho anio

29/08/2023

« Ny safidinao androany no mandrafitra ny rahampitso nao. »
Mahatma Gandhi

24/08/2023

Mety masika be ny patron,
Mety maika hampiseho ny tena fahaizana koa,
Mety ihany koa maika ny ahahavita,
(...)
Fa aleo ihany manontany,
Indrindra amin'ny zavatra tsy fampiasa.

Mirary soa e

27/07/2023

Raha ny hanakarena no tanjona.
Efa ela izany no tratra …

26/07/2023

Te hanam-bola be ve ianao ?
Ity no lalana.

Miasa mafy.
Azo atao avy eo ny manamora ny ahazoana vola.
Fa mila miasa mafy aloha.

Tsy misy hizara vola ho anao.
Mila asehonao fa tena ilaina ny asa ataonao.
Mila asehonao fa tena lafatra ny fanaovanao azy.
Mila asehonao fa ianao no tena mahafehy ilay taranja.
Manomboka eo dia ianao no tadiavina.

Fa mba ahatongavana eo, mila miasa mafy.

Mirary tontolo andro mahafinaritra.

23/07/2023

«Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.»
‭‭Salamo‬ ‭34‬:‭19‬

16/07/2023

Tsy ny potraka akory no tsy tafarina fa ny manaiky ho lavo.

Dia tena mbola misy liana amin’itony ihany ve hatramin’ny izao ?Marina fa sahirana fa mba ampiasaina kely kosa ilay sain...
09/07/2023

Dia tena mbola misy liana amin’itony ihany ve hatramin’ny izao ?
Marina fa sahirana fa mba ampiasaina kely kosa ilay saina mandinika e.

Fantatrao ve fa 14 sahady ny tetikasa tsy nandeha ka najanon'i Google hatramin'ny fiandohan'ity taona 2023 ity.Ny voatan...
07/07/2023

Fantatrao ve fa 14 sahady ny tetikasa tsy nandeha ka najanon'i Google hatramin'ny fiandohan'ity taona 2023 ity.

Ny voatanisa dia 288 ireo tetikasan'i Google izay efa natombony no nitsahatra hatreto. Isan'ireny i Google +, Google Print na koa Google Hangouts.

Nisy fotoana aza efa nampisalasala i Youtube fa tsy mahaleo ny sarany.

Ny tsoa-kevitra dia tsotra.

Ny orinasa mpanambola, manana ny olona isan'ny kinga saina sy maranitra indrindra aza mazana sendran'ny taolana.

Na toa inona kajinao, ny tsena ihany no mitsara hoe mety sa tsia ilay tetikasa.

Raha indray mandeha no manta vary, aza mandevina sortrobe.

Mirary fahombiazana e.

06/07/2023

Record vaovao ho an’ny .
18 ora vao tapaka ny jiro.

30/06/2023

Efa nanao ny fanaon’ny olona rehetra ianao nefa dia tsy mety tafita mihintsy?
Tadiavo amin’izay ilay tsy misy mpanao fa any no tena mampandroso.

Ny Tsiambaratelon'ny fahombiazana ?Efa mba nanontany ny Tompo ve ianao ?Jereo anie ny II Sam 5.19 e
29/06/2023

Ny Tsiambaratelon'ny fahombiazana ?

Efa mba nanontany ny Tompo ve ianao ?

Jereo anie ny II Sam 5.19 e

28/06/2023

Efa novakianao ve ny
Ohabolana 6:6
Mitsangana, andeha miasa
na mivavaka aza ianao.

Arahabaina nahatratra ny asaramanitra e.Hamerina ao ampontsika rehetra ny fitiavatanindrazana anie izao andro anio izao....
26/06/2023

Arahabaina nahatratra ny asaramanitra e.
Hamerina ao ampontsika rehetra ny fitiavatanindrazana anie izao andro anio izao.

Betsaka ny tokony harenina.
Izao sy ianao no erany.

Manaova fety sambatra daholo

Manana orinasa ny namanao ? Na madinika na salan-tsalany na vaventy.👍Antsoy ny namanao rehetra hanjifa ao.👍 Asio “j’aime...
25/06/2023

Manana orinasa ny namanao ?
Na madinika na salan-tsalany na vaventy.

👍Antsoy ny namanao rehetra hanjifa ao.
👍 Asio “j’aime” ny pejy Facebook ny
👍 Asio “commentaire” ny “publication”-ny
👍 Ampirisiho izy,
👍 ampaherezo izy,
👍 omeo azy izay fanampiana azonao atao.

Raha mbola azonao atao ihany, vidio amin’ny sarany tokony ho izy ny vokatra ao aminy. Mba tsy ianao indray no ho vesatra ho azy hoe “prix d’amis”.

Mirary tontolo andro mahafinaritra

Iza ilay namana mitaraina lava iny ?Vao mahita azy dia manontany tena foana hoe “inona indray no olana ho tantarainy iza...
23/06/2023

Iza ilay namana mitaraina lava iny ?
Vao mahita azy dia manontany tena foana hoe “inona indray no olana ho tantarainy izao ?”

Ny olana misy foana, anjarnao kosa ny hoe “hitady vahaolana ve ?” Sa “hiogaoga aloha ?”

Mirary tontolo andro mahafinaritra e.

PS : Dia ahoana izany ny JIRAMA ? 😁

22/06/2023

Efa novakianao ve ny
Marka 10,29-30
Tsy misy olona efa nahafoy (...) ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao

Fantatrao ve fa ilain'Andriamanitra koa ianao ho mpanakarena ?JobaJoabaJabezaAbrahamaNikodemosySalomona mpanjakaJosefa a...
22/06/2023

Fantatrao ve fa ilain'Andriamanitra koa ianao ho mpanakarena ?

Joba
Joaba
Jabeza
Abrahama
Nikodemosy
Salomona mpanjaka
Josefa avy any Arimatia

Ireo dia olona voalaza anarana tao anaty Baiboly fa tena nanakarena.
Ry Joba aza moa rehefa avy niatrika fitsapana dia vao maika notahiana ka nanana kokoa noho ny taloha.

Notantaraina taminao fa tsara ny nataon'ilay mpitondra tena nadatsaka farantsa roa ?
Ilain'ny fiangonana ihany koa ny olona tena manakarena toa an'i Salomona, afaka manangana tempoly.

Nolazaina taminao fa sarotra ny hidiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ?
Zakaiosy koa dia nolazain'i Jesoa Tompo fa isan'ny zanak'i Abrahama, ary nanome ny atsasan'ny fananany ho an'ny malahelo.

Ilain'ny Tompo ianao handroso sy hamoa, tsy voatery ho fadiranovana ianao vao ho tia an'Andriamanitra.

Mirary fahombiazana ho anao.

Mety hahasoa anao ity,Fihaonana sy fifampizarana amin'ny mpandraharaha maro.Rahampitso sabotsy 17/06/2023 amin'ny 8.30 -...
16/06/2023

Mety hahasoa anao ity,
Fihaonana sy fifampizarana amin'ny mpandraharaha maro.
Rahampitso sabotsy 17/06/2023 amin'ny 8.30 -11.30
Ao amin'y Radison Blu Tana Water Front

Tsy misy vidim-pidirana fa ilaina kosa ny misoratra anarana.

WhatsApp : +33 6 68 20 76 99 ou
Lien d’inscription : https://bit.ly/3AnbWn9

*LES HOMMES & FEMMES D’AFFAIRES DU FULL GOSPEL*  Vous Invitent Le samedi 17 Juin à 08h30 Thème : *CARRIÈRE & BUSINESS, C...
16/06/2023

*LES HOMMES & FEMMES D’AFFAIRES DU FULL GOSPEL*

Vous Invitent

Le samedi 17 Juin à 08h30

Thème : *CARRIÈRE & BUSINESS, CLÉS DE SUCCÈS*

Invité Spécial
*Gratien DE SOUZA*
Investisseur, Évangéliste

Lieu : *HÔTEL RADISSON BLU*
Tana Waterfront Ambodivona

RSVP WhatsApp : +33 6 68 20 76 99 ou
Lien d’inscription : https://bit.ly/3AnbWn9

LE VRAI SENS DE L'ENTREPRENARIAT Pour certains, on ne naît pas entrepreneur mais on le devient.Pour d'autres c'est une p...
01/12/2022

LE VRAI SENS DE L'ENTREPRENARIAT

Pour certains, on ne naît pas entrepreneur mais on le devient.
Pour d'autres c'est une pure passion !
Tout le monde peut entreprendre mais, face à ce genre de situation, combien ont envie de recommencer en sachant qu'on peut encore et encore tout perdre ?
Que Dieu nous donne une vision limpide de la chose !

Beaucoup ne tiendront pas juste parce que certains sont faits pour travailler pour quelqu'un, d'autres sont faits pour être fonctionnaire et d'autres sont faits pour être patrons etc... c'est la vie et elle est faite ainsi !
Sans passion, difficile de devenir entrepreneur de fil en aiguille.
Tu te retrouves devant des situations où souvent tu te demandes : "Seigneur qu'est-ce que j'ai fait pour mériter ça" ou "comment je vais faire pour payer mon personnel".

Pendant ce temps, l'employé lui, est sûre d'une chose, que ça marche ou pas, peu importe ce qui se passe il aura son salaire à la fin du mois.
Ceux qui vous disent que c'est facile vous blague.
Savoir tomber et se relever mille fois en ayant toujours le regard fixé vers l'avenir, vers le meilleur qui viendra après les échecs.
L'entrepreneuriat demeure le seul domaine où de la pratique on tire la théorie...
Force et soutien à tous ceux et celles qui osent et/ou ont osé.

Par Ismael Touré

PS : Je ne connais pas Touré mais j'ai vu ce texte dans mes notes :)

Maninona no miovaova ny toetrandro ?SatriaTangala very sampy manova ny météo 🎼🎶
10/10/2022

Maninona no miovaova ny toetrandro ?

Satria

Tangala very sampy manova ny météo 🎼🎶

Teleferika aho hoe teleferikaSa tramway volant ?
07/10/2022

Teleferika aho hoe teleferika
Sa tramway volant ?

Address

Lot II O 120 F Anjanahary
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Apprenti Entrepreneur posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Digital creator in Antananarivo

Show All

You may also like