13/12/2024
FEPETRA 05 AHAFAHANA MANANGANA PROJET🫵🏻
Ento indray aho dia hizara kely anareo ny fomba fiatrehana sedra iray eo amin’ny fiainana izany hoe ny toetra tokony hanananao rehefa manana projet ho tanterahina ianao.
Voalohany sy lehibe indrindra dia tsy azo atao ny mi-abandonne.
N’inona n’inona miseho mandrapahatanteraka io projet io dia mijanona mihitsy ianao.
Ohatra: Ny hazo maniry: raha dinihinao isan’andro ny hazo maniry dia tsy hitanao hoe mitombo izy, tadidio anefa fa arakaraky ny fandrosoan’ny andro, ny fivadiky ny volana, ny fandehanan’ny taona dia mitombo izy ary tena miha-lehibe mahavita lakana.
Toy izany koa ianao, arakaraka ny hilofosanao eo no miha-mitombo ny experience anao, mitombo ny haren-tsaina ary raha misy projet tsy tanterakao eo no eo dia ho tanteraka iny ao aoriana fa tsara kokoa noho ilay noeritreretinao satria ilay fahalalanao teo amin’ny vao hanomana ilay projet tsy mitovy amin’ilay fotoana hanatanterahana azy, efa nandalo sedra ianao.
Faharoa, mahatokisa ny tenanao.
Raha une fois ianao manambany ny tenanao hoe tsy vita io dia tena tsy vita, fa raha une fois kosa mibaiko ny tenanao ianao hoe vitako io, dia eo ianao ilay mitady izay fomba rehetra hanatanterahana io projet io , dia vitanao io ary mihoatra noho ilay nofinao
Fahatelo, aza tia mandany fotoana amina zavatra tsy manana toerana hampiova ny fiainanao ho tsara kokoa.
Raha manam- potoana malalaka ianao dia tsidio ny tambazotra-tserasera, tadiavo izay zavatra rehetra ilaina amin’ilay projet anao, manaraha ireo partage na torolalana/torohay hahatafita anao , ary araraoty izay fahalalana mbola tsy hainao momba io projet io na koa fanampiana ho anao
Fahaefatra,mandania vola amina zavatra mahasoa anao, raha manambola tokony holaniana ianao dia fantaro aloha izay dépense rehetra ilainao amin’ilay projet: fitaovana, fahaizana,…
Afaka angoninao tsikelikely izay mety hilainao na fitaovana izany na koa hoe astuce mbola tsy hainao ka mila fanampiana amin’ny hafa
N.B: Raha mangataka fanampiana amin’ ny hafa ianao dia tadidio fa tsy izay vola omenao any aminy no base fa ilay fahaizany ho alainao no vidinao lafo satria iny fahaizany iny dia tsy azony mora ihany koa, manaova investissement farany izay tratra fa tsy hanenenanao io fahaizana mipetraka ho anao io.
Ohatra: Izahay izao dia manana fampianarana momba ny création Login Outlier CANADA, io compte io dia misy projet maro be ho anao izay sahirana mitady projet, ny karama ao stable tsara satria asa international izy ity ary azo antoka, ohatra amin’ilay projet ny Conding/writing, graphisme, éditeurs, médecine… etc
Manakarama anao eo ho eo amin’ny 09$ -50$ par jours ity compte ity…
Farany , tandremo ny namana raha manana projet ianao, misy ny namana tena manampy anao fa misy kosa ny hamingana anao satria sao ianao ho ambony noho izy.
Raha misy fanontaniana dia aza misalasala mandefa hafatra miafina tompoko.
Anjaranao sisa no mandinika azy
Mirary soa dia mahavità be💪
-ÉDUCATION