Instant Mada

Instant Mada The reality

Havandra tany amin'ny faritra Ambohimandroso RN7 inySary : Aina Miventso
16/11/2023

Havandra tany amin'ny faritra Ambohimandroso RN7 iny

Sary : Aina Miventso

‼‼ Vaovao ny fampianarana ambaratonga ambony
14/11/2023

‼‼ Vaovao ny fampianarana ambaratonga ambony

14/11/2023

‼️‼️ Melohin’ny lalàna ireo minia manakorontana mandritra ny fotoam-pifidianana.
Rakotoniaina Narindra Navalona (Tonia mpampanoa lalàna)

Dépêche Informative Taratra

Maty ilay ramatoa tompon ny tranombarotra voatafika sy nodorana ...tapitra may ny entambarotra hatramin ny moto sy ny bi...
14/11/2023

Maty ilay ramatoa tompon ny tranombarotra voatafika sy nodorana ...tapitra may ny entambarotra hatramin ny moto sy ny bisikileta .
Tsy nisy tratra ny mpanao ratsy mitana armes de guerres .

Paul Bert Rossy Rahasimanana

Tatitra momba ny fanafihan dahalo  20 lahy taty Ankazobe Fihaonana.Toa izao ny zava nitranga tamin ny fanafihana tao and...
14/11/2023

Tatitra momba ny fanafihan dahalo 20 lahy taty Ankazobe Fihaonana.
Toa izao ny zava nitranga tamin ny fanafihana tao andriakely fokontanon andranofotsy fandrosoana commune rurale fihaonana.
Roapolo lahy nirongo fiadiana mahery vaika AKM, MAS36 et Cal 12 no nanafika tao Andriakely, fkt Andranofotsy fandrosoana, Cr Fihaonana.
👉Nodidinin ndry zareo ny tranon i JEAN CHRISTOPHE sady nanapoapoaka basy eran ny tanàna.
👉 Tonga namonjy ny fanafihana ny zandary 15 minitra avy eo ary nifampitifitra tamin ny jiolahy
👉 Rehefa hitan ny jiolahy fa he resy tosika izy dia nodoran ireo jiolahy tamin ny lasantsy ny trano ary nilefa nankany Anjezika, fkt , Commune rurale Mahavelona et Cr Anjanadoria, Dist Ambohidratsimo. Izy ireo
👉 May ny tranon i mr Jean Chris be ny entana may
👉 Torana nohon ny tahotra ramatobe antsoina hoe Monique, 50 taona nalefa any amin ny hopitalin i Bejofo d’Andranovelona
Taim bala hita teo amin ny toerana nifanjavoana 7,5 mm lot SFI 81 - 7,62mm lot GN 17 et de type calibre 12

Paul Bert Rossy Rahasimanana

AVY AMIN'NY GASIKARA FENOSOA! MANKASITRAKA MAMPAHATSIAHY FA MBOLA MISY MATORY SY SOUS ANESTHÉSIE GÉNÉRALE AMIN'IZAO!🛑IND...
06/11/2023

AVY AMIN'NY GASIKARA FENOSOA! MANKASITRAKA MAMPAHATSIAHY FA MBOLA MISY MATORY SY SOUS ANESTHÉSIE GÉNÉRALE AMIN'IZAO!
🛑INDRO MISY FAMPITAHANA KELY : 2018 Vs 2023‼️ ETO 🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬 IZY ITY
🚨Menaka 1 litre, 3 500 Ariary .... Amin'izao 10 000Ar
🚨Vary iray kapoka 500 Ariary sy 450 Ariary..... Amin'izao izy 1 000 Ar , 920 Ariary
🚨Atody iray 250 Ar sy 300Ar arakaraky ny habeny.... Amin'izao 600 Ar sy 620Ar ary 700 Ar ilay lehibe
🚨Mangahazo maina 1 kg : 500 Ar ..... Amin'izao 1500 Ar
🚨Savony Nosy kely: 300 Ar ny izay ....Amin'izao 1100 Ar
🚨Mampanasa lamba iray 50 Ar 100Ar raha lehibe .... Amin'izao 300 Ar, 500 Ar raha jean, ary 1000Ar ny botofotsy.
🚨Labozia lehibe singany iray 200Ar ..... Amin'izao 600 Ar
🚨 PATTE NOUILLE
-Sedape iray 900 Ar ..... Amin'izao 1700 Ar
-Presto iray 500 Ar ..... Amin'izao 1000 Ar ,
-Matsiro iray 500 Ar .... Amin'izao 1000 Ar
🚨La farine 1 kg Amin'izao 3400 Ar
🚨HENA
-Hen'omby 1kg: 18000 Ar ..... Amin'izao 13000 Ar
-Kena kisoa 1kg 18000Ar ...... Amin'izao 15000 Ar
🚨SOLIKA
-Lasantsy 1 litres : 4100 ariary ...... Amin'izao 5900 Ar
-Gas-oil 1 litre : 3400 ariary ....... Amin'izao 4900Ar
-Pétrole 1 litre: 2130 ar ...... Amin'izao 2500Ar
🚨SARAN-DALANA BUS eto TANA
Frais bus 400 Ar tapa dalana 200 Ar ..... Amin'izao 600 Ar ary tsy misy tapa-dalana intsony
🚨LA VANILLE : (Tsy efa hainareo ve e! 3000 Ariary ny 1 Kg @ maintso androany)
🚨 DÉLESTAGE
Ora 2 hatramin'ny Ora 4 isan'andro no TAPAKA ny jiro ..... Amin'izao Ora 2 hatramin'ny ora 4 isan'andro no MANDEHA ny Jiro
Mbola maro fa ireo aloha no nomeko androany.
Fanadihadihana nataon' Gascar Fenosoa teto an - drenivohitra izy ity.

Miarahaba ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA amin'izao andro fitsingerenan'ny taona nahaterahany izao.
06/11/2023

Miarahaba ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA amin'izao andro fitsingerenan'ny taona nahaterahany izao.

⚠️ FANAMBARANA🗒️ Zoma 03 Novambra 2023--✍️ Tsy afaka mangina raha nahita ny fandaharam-potoana rahampitso Asabotsy eo am...
03/11/2023

⚠️ FANAMBARANA
🗒️ Zoma 03 Novambra 2023
--
✍️ Tsy afaka mangina raha nahita ny fandaharam-potoana rahampitso Asabotsy eo amin'ny kianjan'ny 13 Mey.
-
▫️Miantso ny rehetra mba hampiseho fahamatorana demokratika : hetsika am-pilaminana ho an'ny andaniny ary fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ho an'ny ankilany.
-
▫️Miantso ny fitondrana hanome marika ny hahamarina ny fifidianana filoham-pirenena ho avy amin'ny alalan'ny fanajana toy ny anakandriamaso ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra.
-
▫️Isika rehetra kosa dia antsoina haneho hevitra malalaka fa aoka anefa tsy handray ny toeran'ny mpitsara.
-
▫️Miantso ny fiarahamonim-pirenena hanamafy ny fifanakalozana amin'ny mpanohana ny kandidà tsirairay (tsy an-databatra boribory) hahafahana manara-maso ny fanajana ny "charte de bonne conduite" ary hilaza ampahibemaso ireo mandika izany ho fantatry ny vahoaka.
-
▫️Miantso ny FFKM ihany koa, ny andrimaso FFKM indrindra indrindra mba hifantoka amin'izay hahamarina ny fifidianana sy ny fiakaran'ny valim-pifidianana amin'ny alalan'ny famoahana tombana valim-pifidianana avy amin'ny vokatra ampakarin'ny andrimaso ho refy handrefesana ny elanelana amin'ny vokatra ofisialy.
-
▫️Ary farany, miantso ny kandidà rehetra hiatrika ny fifidianana mba hananan'ny vahoaka safidy.
--
👋 Ho Tahiandragnahary ny nosintsika.
--
✍️ RADERANIRINA Sendrison
👉 Kandidà ho Filoham-pirenena, mitondra ny laharana faha-1️⃣1️⃣. Filoha Mpanorina ny Antoko Fy-M (Fandrosoa Faritsy Iaby ho an'i Madagasikara)

Ho vahinin'i GASCAR Fenosoa rahampitso Zoma 03 Novambra 2023 @ 9 Ora alina ao @ Fandaharana ༺ L’INVITE DU JOUR ༻:👉   GCA...
02/11/2023

Ho vahinin'i GASCAR Fenosoa rahampitso Zoma 03 Novambra 2023 @ 9 Ora alina ao @ Fandaharana ༺ L’INVITE DU JOUR ༻:
👉 GCA Serge GELLÉ - Secrétaire d'État chargé de la Gendarmerie Nationale - Andry BIAHARY Mpandraharaha - Zanak’i TOLIARA

Arahanao mivantana ao @ Canal TV 30UHF/543.25Mhz, ny Onjampeo Real94 FM, Pejy Facebook : Real TV Madagasikara sy ny pejy Real Tv Madagasikara Live ary ny Youtube " Real Tv Madagasikara" aorian'ny fampahalalam-baovao.

Hanasàna anao hanaraka izany.

MBOLA LAVITRA NY EZAKA EEENamonjy tsena aty anaty ala aty aho mba hanao sondage.Gaga sady menatra ireo mpiasam-panjakana...
25/10/2023

MBOLA LAVITRA NY EZAKA EEE

Namonjy tsena aty anaty ala aty aho mba hanao sondage.

Gaga sady menatra ireo mpiasam-panjakana voabaiko hanao propagande fa tsy nanampo hifanena tamiko.

Hoy izy ilay lehibeany hoe baiko ny anay Mr Laza.

👉Valin’ny sondage :
90% ny entana amidy dia tsy novokarina teo an toerana.
Ny vokatra avy ao: paraky, toaka gasy, vomanga, mangahazo.

Ny legume avy any am ville daholo.

Ny frippe no betsaka indrindra.

Ny vokatry ny tany zara raha misy.

Ny film am CD no be mpitangorona
Ny lasopy sy composé no be mpihinana.

Ny inSTAT moa nilaza hoe 33% no sans instruction ary 52% nandalo Primaire fa izaho nahatsikatitra fa mihoatra ny 50% no sans instruction fa nampiresaka olona maro aho.

Nividy vary koa aho fa tsy mahay manisa vola ilay mpivady nividianako azy.
Tena lavitra zareo ny ezaka mila hatao ah!

Tena lavitra.

Laza Razafiarison

Nametra-pialana tsy ho governoran'Analamanga andriamatoa Rasoamaromaka Hery fa hifantoka kokoa amin'ny fanaovana fampiel...
25/10/2023

Nametra-pialana tsy ho governoran'Analamanga andriamatoa Rasoamaromaka Hery fa hifantoka kokoa amin'ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an'ny kandidà tohanany.

Efa voatendry ihany koa ny mpisolo toerana azy dia ramatoa Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro

Rédaction ©️ Chasse-info

KANDIDA ANDRY RAOBELINANAMETRAKA TARATASY TENY AMIN’NY HCCTafapetraka io maraina io teny amin’ny fitsarana avo momba ny ...
23/10/2023

KANDIDA ANDRY RAOBELINA
NAMETRAKA TARATASY TENY AMIN’NY HCC

Tafapetraka io maraina io teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) Ambohidahy tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy ny taratasy avy amin’ny kandida Andry Raobelina, milaza ny fisiana toe-javatra tsy azo anoharana ka mitaky hanemorana ny datim-pifidianana, araka ny voalazan’ny andininy faha 47 al 4 ao amin’ny lalampanorenana.
Ambaran’ity andininy ity tokoa mantsy fa raha misy fahafatesana mpilatsaka hofidiana alohan’ny fihodinana iray amin’ny fandatsaham-bato, na koa misy toe-javatra hafa tsy azo anoharana voamarin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ara-dalàna, dia ahemotra amin’ny vaninandro vaovao ny fifidianana araka ny fepetra sy araka ny fombafomba izay ho faritana amin’ny alalan’ny lalana fehizoro.

Mbola mitsabo tena atsy amin’ny nosy Maurice noho ny ratra nahazo azy moa ny kandida Andry Raobelina.

🔴 NANAPA-KEVITRA NY HANAO PROPAGANDY I SITENY R.Any amin'ny faritra avaratry ny nosy no hanombohan'i Siteny ny fampielez...
22/10/2023

🔴 NANAPA-KEVITRA NY HANAO PROPAGANDY I SITENY R.
Any amin'ny faritra avaratry ny nosy no hanombohan'i Siteny ny fampielezan-keviny amin'ity androany ity. Noho izany, hisitaka amin'ny kandida 10 ambiny izy ary tapa-kevitra ny hiroso amin'ny fifidianana.

‼⚠Vondron'ny kandida manameloka ireo fihetsika ataon'ireo mpomba ny antoko TGV.♦Manameloka tanteraka ny fanapotehana ny ...
17/10/2023

‼⚠Vondron'ny kandida manameloka ireo fihetsika ataon'ireo mpomba ny antoko TGV.
♦Manameloka tanteraka ny fanapotehana ny fananana sy ny fiantsiana ataon'ireo mpomban'i Andry Rajoelina ireo vondron'ny kandidà izay nanao fanambarana tetsy Antaninarenina androany.
♦Nambaran'izy ireo fa tokony handray fepetra manokana ireo mpitandro ny filaminana manoloana ny tranga tahaka ireny, ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy hiaro ny tombotsoa ho an'olon-tokana.
♦Eo anatrehan'izany, nametraka fitarainana teny anivon'ny tobin'ny zandarimariam-pirenena izy ireo taorian'ny zava-niseho teny Andavamamba androany maraina.

Fernand Cello

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa vita soamantsara  ny fandidiana ny masoko.💚 Hery lehibe ho ahy ny fanohananareo, ary...
17/10/2023

Misaotra an'Andriamanitra lehibe fa vita soamantsara ny fandidiana ny masoko.
💚 Hery lehibe ho ahy ny fanohananareo, ary mamporisika ahy indrindra amin'ny efa nijoroana izany.
Fandidiana goavana no natrehana taty ampitan-dranomasina ary nofenoina ''gaz'' ny masoko amin'izao mba hanampy @ fahasitranana
Vokatr'izany dia tena tsy mahazo mandeha fiaramanidina aho mandritry ny iray volana raha ny toromariky ny mpitsabo.
💚 Matoky ny vahoaka Malagasy aho, mijoro amin'ny fahamarinana mandrakariva isika.
Mankasitraka anareo nahatsiaro am-bavaka fa tena zava-dehibe tokoa, sy nankahery manoloana izao fotoan-tsarotra lalovana izao.

Avy amin'ny kandidà Lalaina Ratsirahonana 👇👇" ⛔ Nisy vaovao TSY MARINA nivoaka tao amin'ny haino aman-jery iray fa niala...
17/10/2023

Avy amin'ny kandidà Lalaina Ratsirahonana 👇👇

" ⛔ Nisy vaovao TSY MARINA nivoaka tao amin'ny haino aman-jery iray fa niala amin'ny "collectif des candidats" 11 izahay.

✅ Manamafy izahay fa mitady marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra ka tsy hiray tsikombakomba amin'ny tsi-fahamarinana.

📖 Hoy ny Tenin' Andriamanitra ao amin'ny Romana 6:13 manao hoe : "Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra."

🙏 Manamafy ihany koa izahay fa ny fifampiresahana ihany no ahavaha izao olana izao.

Tia antsika Andriamanitra ❤️"

👉⚽Voafidy ho Filohan'ny Federasiona Malagasy an'ny Baolina kitra ny sabotsy 14 oktobra teo i Alfred Randriamanampisoa . ...
16/10/2023

👉⚽Voafidy ho Filohan'ny Federasiona Malagasy an'ny Baolina kitra ny sabotsy 14 oktobra teo i Alfred Randriamanampisoa . Ligy 14 amin'ireo 22 no nametraka fitokisany taminy hitantana ny FMF mandritra ny 04 taona manaraka.

©FMF

ORDRE DES JOURNALISTES DE MADAGASCAR𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔‼️𝑁𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑟𝑎𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑘𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑡𝑟𝑎𝑛𝑔𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑒𝑟𝑖𝑠𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑎𝑜 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜...
16/10/2023

ORDRE DES JOURNALISTES DE MADAGASCAR
𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔‼️
𝑁𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑟𝑎𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑘𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑡𝑟𝑎𝑛𝑔𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑒𝑟𝑖𝑠𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑎𝑡𝑎𝑜 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦 𝑛𝑦 𝐵𝑖𝑟𝑎𝑜𝑛'𝑛𝑦 𝑂𝑟𝑑𝑟𝑒 𝑑𝑒𝑠 𝑗𝑜𝑢𝑟𝑛𝑎𝑙𝑖𝑠𝑡𝑒𝑠 𝑑𝑒 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑐𝑎𝑟 . 𝐼𝑧𝑎𝑛𝑦 𝑑𝑖𝑎 𝑛𝑖𝑠𝑒ℎ𝑜 𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑒𝑡𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑎𝑟𝑎-𝑝𝑜𝑙𝑖𝑡𝑖𝑘𝑎 𝑟𝑜𝑎 𝑠𝑜𝑠𝑜𝑛𝑎, 𝑡𝑒𝑡𝑠𝑦 𝐴𝑚𝑝𝑎𝑠𝑎𝑚𝑝𝑖𝑡𝑜, 𝑘𝑎 𝑛𝑖𝑠𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑖𝑠𝑖𝑛𝑡𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑖𝑛𝑑𝑎𝑦 𝑠𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎ℎ𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚-𝑏𝑎𝑣𝑎 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦 𝑡𝑒𝑜 𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑎𝑡𝑎𝑛𝑡𝑒𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎𝑛𝑦, 𝑛𝑦 𝑧𝑜𝑚𝑎 13 𝑜𝑘𝑡𝑜𝑏𝑟𝑎 2023.
Ny androtr'io ihany, ny Ordre des Journalistes de Madagascar, araka ny andraikitra faritan'ny lalàna manan-kery iantsorohany dia efa nanao ireto asa ireto :
✅nanao ny fomba rehetra nitakiana ny hamerenana ilay fitaovam-piasan'ny mpanao gazety
✅nanampy ny mpanao gazety niharan'ny herisetra, nametraka fitoriana nohon'ny fahaverezana finday.
✅nanao ary manohy ny paikady hametrahana fiaraha-miasa amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena ho fiarovana ny mpanao gazety eto Madagasikara
Rehefa avy nampihatra ny fomba fiasa MAMAFA (MAnadihady, MAnamarina, Fandraisana Andraikitra) manoloana izany tranga izany, ny OJM dia manao izao Fanambarana izao :
▪️Manamafy ireo fanambarana sesilany efa natao hatrizay fa manameloka ny herisetra rehetra atao amin'ny mpanao gazety, na avy aiza na avy aiza ary na amin'ny endriny inona na amin'ny endriny inona.
▪️Mampahatsiahy fa araka ny andininy 68 ny Lalàna momba ny haino vaky jery : "𝐼𝑧𝑎𝑦 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 ℎ𝑒𝑟𝑖𝑠𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑡𝑎𝑜𝑛'𝑛𝑦 𝑣𝑎𝑡𝑎𝑡𝑒𝑛𝑎𝑛'𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑎 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑚𝑏𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎, 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑚-𝑝𝑎ℎ𝑒𝑓𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑎-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎, 𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑖𝑡𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜 𝑓𝑖𝑙𝑎𝑚𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑒𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦, 𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑒𝑘𝑖𝑝𝑎 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑑𝑖ℎ𝑎𝑑𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑖𝑏𝑒𝑛'𝑛𝑦 𝑜𝑛𝑗𝑎𝑚-𝑝𝑒𝑜 𝑠𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑖𝑡𝑎𝑙𝑎𝑣𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑖𝑚𝑏𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑜𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑓𝑖𝑎𝑠𝑎𝑛𝑦, 𝑑𝑖𝑎 𝑖ℎ𝑎𝑟𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑒𝑛𝑗𝑒ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑠𝑎𝑧𝑦 𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑒𝑝𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝐹𝑒ℎ𝑒𝑧𝑎𝑛-𝑑𝑎𝑙à𝑛𝑎 𝑚𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑑𝑦 ℎ𝑒𝑙𝑜𝑘𝑎. (...). 𝐴𝑓𝑎-𝑡𝑠𝑦 𝑟𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑚𝑒𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑙𝑎𝑙à𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑎𝑜 𝑎𝑛𝑎𝑡𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎𝑛𝑦, 𝑑𝑖𝑎 𝑣𝑜𝑎𝑟𝑎𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑔𝑖𝑎𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑜𝑣𝑎𝑚-𝑝𝑖𝑎𝑠𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦 𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑟𝑎𝑛𝑡𝑠𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑠𝑎 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑜𝑣𝑎𝑛-𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦. 𝑉𝑜𝑎𝑟𝑎𝑟𝑎 𝑖ℎ𝑎𝑛𝑦 𝑘𝑜𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑖𝑚𝑏𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑝𝑜𝑡𝑒ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑧𝑎𝑣𝑎-𝑝𝑎𝑛𝑡𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑟𝑎𝑘𝑒𝑡𝑖𝑛𝑎 𝑎𝑜, 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑒𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑦 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎".
▪️ Manentana sy mandrisika hatrany ny mpanao gazety rehetra hanatanteraka ny asany ao anatin'ny fanajana ny lalàna, ny fenitra, ny tandro hasina sy ny malin'asa. Mampahatsiahy fa, na manao ahoana na ahoana ny fahasamihafana fomba fijery sy firehan-kevitra, ny mpanao gazety dia iray vatsy iray aina ao anatin'ny asa iray, dia ny asa fanaovan-gazety izany.
▪️Manentana ny mpanao gazety ihany koa hanao ny fanamiana mampiavaka azy sy hisalotra ny karatra maha-mpanao gazety, eo am-panatanterahana ny asany.
Ho tohin'ireo rehetra voalaza ireo dia manara-maso akaiky ity raharaha ity ny OJM ary handray ny fepetra takian'ny lalàna, mifanandrify sy mifandraika amin'izany.
𝗙𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 : Eo anilan'ny mpanao gazety mandrakariva ny OJM, manentana antsika, izay tojo olana amin'ny fanatanterahana ny asany, hanao tatitra amin'ny Birao, ( tsy hoe eny amin'ny tambazotra sosialy), hahazoana avy hatrany mandray ny andraikitra manandrify.
Natao teto Antananarivo, ny 16 oktobra 2023.
Ny Biraon'ny OJM.

✝Nodimandry halina ny Mpitandrina Rahagalahy Andriamiadanarivo, mpitandrina tao amin'ny FJKM Ambondrona Firaisana ary ef...
16/10/2023

✝Nodimandry halina ny Mpitandrina Rahagalahy Andriamiadanarivo, mpitandrina tao amin'ny FJKM Ambondrona Firaisana ary efa nitondra ny fjkm Fihaonana Ankazobe ihany koa.
🔺Ankoatran'ny maha mpitandrina azy dia mpanankanto ara-pilazantsara ihany koa ny tenany ary izy no namorona ny tarika ny Mpitory.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany🕊

KANDIDA RAOBELINA ANDRYTsy vita eto Madagasikara ny fitsaboana azy.Mada 100.8 FM
09/10/2023

KANDIDA RAOBELINA ANDRY

Tsy vita eto Madagasikara ny fitsaboana azy.

Mada 100.8 FM

Nametra-pialana tsy ho minisitry ny serasera sy kolotsaina i Ramatoa minisitra teo aloha Lalatina Rakotondrazafy.Fernand...
09/10/2023

Nametra-pialana tsy ho minisitry ny serasera sy kolotsaina i Ramatoa minisitra teo aloha Lalatina Rakotondrazafy.

Fernand Cello

FIFIDIANANA : Mangataka ny fanemorana ny datim-pifidianana ny kandida laharana fahafito RAOBELINA Andry manoloana ny rat...
09/10/2023

FIFIDIANANA : Mangataka ny fanemorana ny datim-pifidianana ny kandida laharana fahafito RAOBELINA Andry manoloana ny ratra nahazo azy nandritran'ny hetsiky ny collectif des candidats tamin'ny alatsinainy teo. Tonga nanatitra ny taratasy fangatahana teny anivon'ny HCC androany ny mpisolovava azy.
Voafaritry ny andininy faha-47 amin’ny lalam-panorenana ny fepetra tokony raisin'ny HCC raha misy fahafatesana na antony tena tsy ahafahan'ny kandida mandray anjara amin'ny fifidianana.

I-BC News

FANAMBARANA : RADERANIRINA Sendrison DanielaManoloana ny zava-miseho eto amin’ny firenena, ny tenako sy ny mpikambana ao...
08/10/2023

FANAMBARANA : RADERANIRINA Sendrison Daniela

Manoloana ny zava-miseho eto amin’ny firenena, ny tenako sy ny mpikambana ao amin’ny Antoko Fy-M dia miombo-po tanteraka amin’ireo naratra sy ny fianakaviany ary mirary fahasitranana haingana taorian’ny fifandonana nisy teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanara-dia ny vondron’ny kandidà 11 (collectif des 11 candidats).

Manentana ny rehetra mba hikaroka hatrany ny làlana mba tsy hisian’ny fifandonana fa hifanakalo hevitra ao anatin’ny firahalahiana na inona na inona tsy fitovian-kevitra.

Ny Antoko Fy-M dia resy lahatra hatrany fa ny fiarovana ny fahafahan'ny tsirairay haneho hevitra omban'ny fanajàna ny lalàna no làlana amin'izany.
Hotahian-dRagnahary ity nosindrazantsika ity.

Amin’ny anaran’ny Antoko Fy-M (Fandrosoa Faritsy Iaby ho an’i Madagasikara).
Ny filohan’ny Antoko
RADERANIRINA Sendrison Daniela

Hoy i Hajo Andrianainarivelo : Tsy hihemotra ny "Collectif des candidats", tapaka tanteraka ny fifampitokisana amin'ity ...
07/10/2023

Hoy i Hajo Andrianainarivelo :

Tsy hihemotra ny "Collectif des candidats", tapaka tanteraka ny fifampitokisana amin'ity Governemanta tsy ara-dalàna, mitanila ary jiolahimboto ity.
𝗠𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗻𝗼𝘀𝘆 𝘀𝗮𝗵𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗶𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗼. Mitohy ny hetsika am-pilaminan'ny olom-pirenena tompon'andraikitra.

🔥🔥COUVRE FEU ETO ANTANANARIVO ✨🇲🇬Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny prefe izao hariva izao nilaza fa tsy azo ...
06/10/2023

🔥🔥COUVRE FEU ETO ANTANANARIVO ✨🇲🇬
Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny prefe izao hariva izao nilaza fa tsy azo hivezivezena eto Antananarivo manomboka @ 10 Ora alina hatramin'ny 04 maraina
👉👉 Entanina ny rehetra mba hitondra karapanondro rehefa hivoaka alina, hoy izy.

Fil d'infos en 24/24h

‼️CHRISTINE RAZANAMAHASOA👉Iarahan'ny rehetra mahita fa mafanafana ny toedraharaham- pirenena eto. 👉Samy tokony hifanaja,...
06/10/2023

‼️CHRISTINE RAZANAMAHASOA

👉Iarahan'ny rehetra mahita fa mafanafana ny toedraharaham- pirenena eto.

👉Samy tokony hifanaja, manaja ny zo fototra, manaja zon'olombelona ary tsy tokony hampiasa hery fa hieritreritra dia samy ho tonga saina tokony hampisy fitoniana.

Poussy Best

🚫 ZANDARY NATAO HO VAZAHA : NAIDITRA AM-PONJA ENY ANTANIMORA IREO MPANAO GAZETY SANDOKA NAMOAKA VAOVAO TSY MARINA 🚫Rahar...
06/10/2023

🚫 ZANDARY NATAO HO VAZAHA : NAIDITRA AM-PONJA ENY ANTANIMORA IREO MPANAO GAZETY SANDOKA NAMOAKA VAOVAO TSY MARINA 🚫

Raharaha fisandohana andraikitra, fisolokiana ho Mpanao Gazety, Fanaovana sy fampiasana taratasy sandoka , Fanaparitahana hafatra sy vaovao tsy marina, Fiantsiana fikorontanam-bahoaka, Fiantsiana fanoherana faobe ny didy aman-dalàna, Fanaparitahana hafatra miendrika herisetra ara-tsaina sy fanavakavaham-bolokoditra ary fankahalana vahiny tao anaty tambazotra Facebook ; Ireo no heloka voafaritra hanenjehana ireo roalahy Mpanao Gazety sandoka mpitantana ny pejy "Ako Infos" izay nanao sy nanaparitaka horonan-tsary sy sary momba ireo Zandary maromaro nanao hetsika filaminam-bahoaka teto Antananarivo.

Taorian'ny fanolorana azy ireo manoloana ny fampanoavana ny alakamisy faha 05 oktobra 2023 dia naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.
Marihina fa mbola karohina ireo lehilahy sy vehivavy mpiray tsikombakomba tamin'izy ireo nandrafitra ilay horonan-tsary.

Hafatra : Mianatra aloha vao lasa Mpanao Gazety matihanina; Badge avy amin'ny OJM no manan-kery fa tsy izay foromporonina akory; Fantaro mazava ilay Zandary miantsehatra vao milaza vaovao momba azy; Hianarana tsara ny antony namoronana sy ny fampiasana ny tambazotra sosialy vao manoratra ao; Fadio ny mamoaka sarin'olona tsy nahazoana alalana sy manely vaovao diso. Farany, fitoniana sy Fandriampahalemana no ilain'ny vahoaka mijoro ho tompon'andraikitra.

INFOCOMM SEG

Ajanon'ny ministera ny convention nanavaozan'ny Canal7 Events ny amphitheatre Ampefiloha nahatonga azy ho Plaza Ampefilo...
05/10/2023

Ajanon'ny ministera ny convention nanavaozan'ny Canal7 Events ny amphitheatre Ampefiloha nahatonga azy ho Plaza Ampefiloha; satria hoe nandray "evenement politique" le 28 septembre...
Formation gratuite hatrany nefa no tao.
Fa maninona nefa ny orinasa mamelona olona, nanatsara ny toerana, nanome formation gratuite raha avela eo, fa any amin'ny fifidianana ny tompony no resena raha any ilay olana e?
Mba hisy zavatra mipetraka ho an'ny Malagasy na miady aza ianareo mpanao politika

Rija Tahiana.

FANAMBARANA AVY AMIN’NY FFKM
05/10/2023

FANAMBARANA AVY AMIN’NY FFKM

KAOMININA FIADANANAAmin'izao amin'ny 7 Ora sy sasany hariva izao dia misy fanafihana nataon'ny andian-jiolahy eto an-tam...
05/10/2023

KAOMININA FIADANANA
Amin'izao amin'ny 7 Ora sy sasany hariva izao dia misy fanafihana nataon'ny andian-jiolahy eto an-tampon-tanàna Fiadanana ka toeram-pivarotana iray no voaroba.
Nisy ny fifamaliana sy fifamonoana teo amin'ny mpiambina ity toeram-pivarotana ity sy ireto jiolahy ka voatsindrona antsy ilay mpiambina ka namoy ny ainy.
Niantso mpitandro ny filaminana ny Fokonolona ka efa tonga aty Fiadanana ny Zandarmeriam-pirenena amin'izao alina izao.
Mirary fiononana hoan'ny fianakavian'ny maty.
Efa am-perin'asa ny mpitsabo.
An-dalam-pikarohana ireo jiolahy ny Zandary.

Alain Rodlish

Nolavin’i Prefet Antananarivo ny fangatahana hampiasa ny kianjan’ny 13 Mai , ny Magro tanjombato no nomeny .
05/10/2023

Nolavin’i Prefet Antananarivo ny fangatahana hampiasa ny kianjan’ny 13 Mai , ny Magro tanjombato no nomeny .

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISTRAAlarobia 04 oktobra 2023
04/10/2023

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISTRA
Alarobia 04 oktobra 2023

VAOVAO MAFANA IZAO HARIVA
04/10/2023

VAOVAO MAFANA IZAO HARIVA

Nakeny aminy préfet ireo Solombavambahoaka nampahafantatra fa hanao tatitra eo aminy 13 mai izy ireo amin’ny sabotsy ho ...
04/10/2023

Nakeny aminy préfet ireo Solombavambahoaka nampahafantatra fa hanao tatitra eo aminy 13 mai izy ireo amin’ny sabotsy ho avy izao.

Fernand Cello

📣  RAHARAHAM-PIRENENA Hanao tatitra amin'ny vahoaka ireo solombavambahoaka amin'ny sabotsy izao, eny amin'ny 13 Mai.Hame...
04/10/2023

📣 RAHARAHAM-PIRENENA

Hanao tatitra amin'ny vahoaka ireo solombavambahoaka amin'ny sabotsy izao, eny amin'ny 13 Mai.

Hametraka ny fangatahana alalana eny amin'ny Prefektioran'ny tanàna izy ireo anio tolakandro, araka ny loharanombaovao nomen'ireo depiote nandritry ny fitsidihany ny Sekretera Jeneralin'ny TIM, mbola tazomina eny Fiadanana.

Le Jité

"Indreto izahay miaradia, miara miatrika, miaramibanjina ny hoavy amim-pitsikiana sy amim-pahatoniana hoan'ny tanindraza...
04/10/2023

"Indreto izahay miaradia, miara miatrika, miaramibanjina ny hoavy amim-pitsikiana sy amim-pahatoniana hoan'ny tanindrazana", hoy Rinah Rakotomanga 📷.

04/10/2023

Vanessa Manonga

LE HINTSY AMBOHIMANAMBOLA.. 11:50 Efa manomboka tazana tonga tsikelikely Eny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola ireo vond...
04/10/2023

LE HINTSY AMBOHIMANAMBOLA.. 11:50

Efa manomboka tazana tonga tsikelikely Eny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola ireo vondron’ny kandida , Solombavambahoaka ary Antoko Politika .

Hisy ny dinika ho ataon izy ireo mikaisika ny zotram-pifidianana izay fantatra fa misy olana amin izao fotoana izao .

Fifidianana madio , tsy mitanila, Mangarahara ary eken’ny rehetra no tanjona .

Fernand Cello

Miato aloha hatreto ny fidinana eny @ 13 mai tarihin’ny vondron’ny kandida noho ny fangatahan’ny FFKM taorian’ny fihaona...
04/10/2023

Miato aloha hatreto ny fidinana eny @ 13 mai tarihin’ny vondron’ny kandida noho ny fangatahan’ny FFKM taorian’ny fihaonana omaly tetsy @ IEP Ampandrana. Ny FFKM dia mangataka izay fampiatona izay afahany izy ireo manatona sy mifampidinika amin’ireo ankolafin-kery hafa.

24H Mada

SG NY ANTOKO TIM - Ny Rina Randriamasinoro Ho feno 48 ora afaka fotoana fohy no nitazomana ny Sekretera Jeneraly ny Anto...
04/10/2023

SG NY ANTOKO TIM - Ny Rina Randriamasinoro
Ho feno 48 ora afaka fotoana fohy no nitazomana ny Sekretera Jeneraly ny Antoko Tiako i Madagasikara, Ny Rina Randriamasinoro teny Fiadanana.
Miantso firaisan-kina ny rehetra ary manentana hiaraka hijoro sy iraihina amin'ny fitakiana ny famoahana an'i SG Ny Rina Randriamasinoro ny avy ao @ antoko TIM amin’izao.

24H Mada

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261331360722

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Instant Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All

You may also like