Gazety Ndao

Gazety Ndao Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Gazety Ndao, Media/News Company, Antananarivo.

30/03/2024
28/01/2024

Fiangonana sy ny

29/12/2023

Antoko M.F.M : Tsy hihemotra amin’ny tolona efa natomboka 51 taona lasa
27 desambra 1972 – 27 desambra 2023, feno 51 taona ny Antoko M.F.M notarihan’Itpkl Manandafy Rakotonirina. Mpitolona ho an’ny Fanjakan’ny Madinika no niantsoana azy tany ampiadohana, no niofo ho Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara ankehitriny.

Nisy ny tafa fohy ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Birao Foibe sy ny Komity Foibe M.F.M teny Soanierana, nanamafisany ny fanohanany ny Vovonana ho amin’ny Fifampidinihana sy Fanelanelanana (Pan-Ffkm), hikaro-dàlana hirosoana amin’ny fifanarahana ara-politika Ifampieràna, sy nanaovany antso ny antoko politika tia tanindrazana rehetra tsy anavahana, hampandefitra ny ambom-po ka hiara-mihevitra sy hiara-mamaritra ary hiara-misalahy ao anatin’ny Mandatehezana mandala ny Tenieràna ho amin’ny Fiovàna sy Fanovàna.

Dingana roa no ahatongavana amin’izany, dia ny fanamafisana o***a ny fitsanganan’ny « Mandatehezana mandala ny Tenieràna ho amin’ny Fiovàna sy Fanovàna (M.T.2F) », ary ny fiaraha-mihevitra sy fiaraha-mamaritra ary fiaraha-misalahy, hirosoana amin’ny fikaonan-doha hiteraka fifanarahana ara-politika, hamaritana ny teti-pandaminana ifampieràna sy fananganana Vaomiera (tarihin’ny Antenimiera), hitantana ny fiaraha-misalahy ho fanatanterahana ny teti-pandaminana notinapaky ny fikaonan-doha, ary fandrosoana sosokevitra mikasika ny « Lamim-pifidianana tsy anilihana », enti-mandamina ny raharaham-pifidianana : Filoham-pokontany, Ben’ny Tanàna, Lehiben’ny Faritra, Solombavambahoaka, Loholona, Filoham-pirenena, hanamafisana o***a rafi-pitondram-panjakàna hitondra filaminana sy fifampitokisana.

Nanamafy ny Antoko M.F.M fa tsy hihemotra amin’ny tolona efa natomboka, izay mikatsaka mandrakariva ny Fanjakàna tan-dalàna sy tsara tantana, hiarahan’ny daholobe manajary sy migoka tombotsoa, fa tsy Vahoaka mitanatana vava, arendrika ao anaty habadoana sy fahantrana, miandry izaràna mamy.

(Tahirin-tsary nindramina)

[email protected]
www.gasypatriote.com
Copyright © GasyPatriote

Gazety Tia Tanindrazana androany: mitatitra ny akon'ny fankalazana ny faha-51 taonan'ny MFM
28/12/2023

Gazety Tia Tanindrazana androany: mitatitra ny akon'ny fankalazana ny faha-51 taonan'ny MFM

28/12/2023

"LAZAO @ ZANAK' ISRAELY MBA HANDROSO" Eksodosy:14-15b
JAOBILY FAHA-51 TAONA NY MFM.
Hitondrana ny vahoaka ho any @ Fampandrosoana

28/12/2023

50ans d'existance, , , ,

Tantaran'ny Antoko MFM mifandraika amin'ny zavamisy ankehitriny dia ny resaka fifidianana izay niteraka ny krizy rehetra...
28/12/2023

Tantaran'ny Antoko MFM mifandraika amin'ny zavamisy ankehitriny dia ny resaka fifidianana izay niteraka ny krizy rehetra teto.

50ans d'existance, , , ,

27 Desambra 1972 - 27 Desambra 2023Feno 51 taona ny Antoko M.F.M Madagasikara na Mpitolona ho amin'ny Fandrosoan'i Madag...
27/12/2023

27 Desambra 1972 - 27 Desambra 2023

Feno 51 taona ny Antoko M.F.M Madagasikara na Mpitolona ho amin'ny Fandrosoan'i Madagasikara.

Ity no fanambaran'ny Antoko izay nanavao ny toky nomeny ny vahoaka Malagasy ny amin'ny hanohizana ny tolona. Fitaovana ho an'ny fitiavatanindrazana sy ny fanatsarana ny fiainan'ny Malagasy ny M.F.M. NDAO!!

20/12/2023

Tia Tanindrazana alarobia 20 desambra 2023

27/08/2021
20/08/2021
07/08/2021

À méditer !
Méditation

29/07/2021
26/04/2021
31/03/2021
Ny Vovonana tamin’ny 1988 no nanova ho Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikarany Mpitolona ho amin’ny Fanjakan’ny...
03/03/2021

Ny Vovonana tamin’ny 1988 no nanova ho Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara
ny Mpitolona ho amin’ny Fanjakan’ny Madinika teo aloha hisian’ny fiofohan’ny Antoko MFM
ho Mpandala ny fahafahana sy fahalalahana (Libéral) satria hiatrika fifidianana ny taona 1989,
Ny Fitsipika Ifampifehezana vaovaon’ny MFM no nametrahana an’i MANANDAFY
Rakotonirina ho Prezidà Nasionaly (PN), RAKOTONIRAINY Germain ho Mpandraharaha
Foibe (SG) ary RAVONY Francisque ho Mpitahiry fananana (TN).
Nanomboka tamin’ny 1992 dia niditra tamin’ny Repoblika fahatelo i Madagasikara izay
nanafoanana ny Faritany ary nametraka ny Faritra. Io rahateo no fandaharan’asan’i
MANANDAFY Rakotonirina fony izy nirotsaka ho fidina ho Filohan’ny Repoblika nifaninana
tamin’ny Amiraly RATSIRAKA Didier Ignace izay nametrahany ihany koa ny fandaharan’asa
liberaly hitadiavana lalam-bola sy lalam-barotra vaovao ary famoronana asa ho an’ny tanora
roa hetsy isan-taona. Izany rahateo no foto-kevitra nananganana ny Tanora MFM na T/MFM
nisolo ny MAP/KMM izay ny tenako no Filoha Nasionaliny. Henjana koa ny hala-bato
tamin’izany ka raha tokony hanao fihodinana faharoa RATSIRAKA Didier Ignace sy
MANANDAFY Rakotonirina dia norombahin’ny Filoha RATSIRAKA tamin’ny fihodinana
voalohany ny fifidianana tamin’ny alalan’ny fanamboamboarana ny voka-pifidianana tamin’ny
1989. Tsy nanaiky izany ny vahoaka ka niditra tamin’ny fidinana an-dalam-be ka nitakiana
fananganana Governemanta Vonjimaika Tetezamita ho amin’ny Demokrasia na GVTD.
Tamin’izany no nitsangana ny KIAD na Komity Iombonana ho amin’ny Demokrasia izay
tanora mpianatra amin’ny Ambaratonga faharoa miaraka amin’ny MFM no nanetsiketsika
izany.
Voatery naato izany tolona izany noho ny fangatahan’ny Mpitondra fiangonana hahafahana
handray ny Papa JOANY PAOLY FAHAROA tamin’ny volana Mey 1989. Nanome toky kosa
ny Mpitondra fiangonana FFKM fa hanampy ny Antoko Mpahohitra tamin’izany tolona izany.
Rava tamin’ny 1990 ny Mandatehezam-pirenena ka afaka nanangana antoko politika ny olompirenena
rehetra, Ny volavolan-dalàm-panorenana liberaly izay novolavolain’ny MFM,
mametraka ny Faritra no nanaovana fakan-kevitra isam-paritry ny fiangonana FFKM sy
nanaovana Fihaonambem-pirenena ary fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 1992 nananganana ny
Repoblika Fahatelo. Niforona teo ny fananganana ny Faritra MFM ary niova nanaraka izany
ny ambaratongam-pitondran’ny MFM. Fototra, Toko, Vondrona ary Faritra no ambaratonga
MFM napetraka tamin’izany izay nohamafisin’ny Vovonana MFM tamin’ny 1992.
Nihazohazo tamin’ny fananganana ny rafitry ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-Pahefana ny
Mpitondra ny Repoblika fahatelo. Neso***a tsy ho Vondrom-bahoaka Itsinjaram-Pahefana ny
Fokontany ary Ambaratonga telo no nisy: Kaominina, Distrika ary ny Faritra.Tsy marintoerana
ny fanjakana tamin’izany vokatry ny Rafitra Parlementera nahatonga ny Filohan’ny
Repoblika ny Profesora ZAFY Albert tamin’ny 1996 nanitsy ny Lalàm-panorenana hahafahany
manendry ny Praiministra ka nanendreny ny Praiministra RAKOTOVAHINY Emmanuel
nasolo an’i Maître RAVONY Francisque, Praiministra nolanian’ny Solombavambahoka
tamin’izany Rafitra Parlementera izany. Mpitahiry Fananany ny Antoko MFM RAVONY
Francisque tamin’ny 1992 nefa nilatsaka tamin’ny alalan’ny CSDDM ho
Solombavambahoakan’i Vohipeno. Ny fiverenan’ny Filoha RATSIRAKA tamin’ny 1997 no
nahafahany nanitsy ny Lalàm-panorenana tamin’ny 1998 ka nametrahany ny Faritany Mizaka
tena na Provinces Autonomes izay nivadika ho Etats-Fédérés rehefa resin’ny Filoha
RAVALOMANANA Marc izy tamin’ny 2002.
Nifandrirarira teo amin’ny sehatra iraisam-pirenana ny Filoha RATSIRAKA Didier Ignace sy
ny Filoha RAVALOMANANA Marc tamin’ny alalan’ny dinika tany DAKAR I sy II izay
notarihin’ny Filoha Senegaley ABDOULAYE Wade izay naman’i MANANDAFY
Rakotonirina akaiky ka nanamora ny nametrahana ny Fitondran’ny Filoha
RAVALOMANANA Marc tamin’ny 2002. Tao anatin’ny fifandonana politika mahery vaika
no nisy teo amin’ny Filoha RATSIRAKA sy ny Filoha RAVALOMANANA ka
nohararaotin’ny Filoha RAVAQLOMANANA Marc ny Rafitry ny Faritany Mizaka tena
nametrahany ny Delagasiona Manokanan’ny Faritany ka nanendreny an’i PETY Rakotoniaina
Solombavambahoka MFM ho amin’izany toerana izany ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa.
Mpanolo-tsaina Tekinikan’ny PDS PETY Rakotoniaina i RALAIKOA Samuel tamin’izany.
Mpikambana tao amin’ny Governemantan’i Maître Jacques SYLLA aho tamin’izany nisahana
ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetry ny andro ka nahafantatra ny lonilony
nisy teo amin’ny PDS-n’ny Fianarantsoa PETY Rakotoniaina sy ny Praiministra Jacques
SYLLA izay Sekretera Jeneralin’ny TIM sy ireo Mpitarika TIM avy ao Fianarantsoa.
Nihahenjana izany ady izany ka nitadiavin’ny TIM nanesorana an’i PETY Rakotoniaina teo
amin’ny toerany.
Nimatematesan-dRALAIKOA Samuel ny fampandrosoana isam-paritra sy ny fitsinjarampahefana
na teo aza ireo fisavoritahana voaresako ireo tamin’ny fampiharana ny voasoratra ao
amin’ny Lalàm-panorenana izay nametraka ny Faritra ho Vondrom=bahoaka Itsinjaram-
Pahefana. Ny fihazohazoan’ny Filoha ZAFY Albert amin’ny fametrahana ny fitsinjarampahefana
sy ny fiverenan’ny Amiraly RATSIRAKA Didier Ignace teo amin’ny fitondrana no
nandrava ny hevitry ny fitsinjaram-pahefana mifototra amin’ny Faritra ka lasa fananganana
Faritany mizaka tena enina nanjary namakivakiana sy fisaraham-bazana tamin’ny 2002 no
vokany.
Na teo aza izany, nanao fikarohana mikasika izany fitsinjaram-pahefana izany ny Mpamatsy
vola toa an’ny Banky Iraisam-pirenena tany Anosy sy ny Vondrona Eoropeanina tany Menabe.
Mbola tsy rafitra ara-dalana akory ny Faritra tamin’izany fa fanaovana andrana fotsiny ny
nananganana ny CRD ( Conseil Régional de Développement) tany Anosy sy Menabe tamin’ny
taona 1998. Nanampy ny CRD Menabe ny Coopération Suisse ary nanao andrana ny
fitsinjaram-pahefana tao Menabe sy Matsiatra ambony. Amin’ny maha Consultant andRALAIKOA
Samuel dia nirotsaka nandray anjara tamin’izany izy.
Ny fametrahana ny Radio MAMPITA no endrika nisehoan’izany izay natsangan’ny
Coopération Suisse tao Matsiatra Ambony sy ny Radio MAGNEVA tao Menabe. Ireo Radio
ireo no nanentana ny Tambanivohitra tamin’ireo Faritra ireo ka tamin’ny fiteny BETSILEO
ranoray tao amin’ny Radio MAMPITA ary amin’ny fiteny SAKALAVA ranoray tao amin’ny
Radio MAGNEVA. Nampiova ny tontolo Ambanivohitra ny fisian’ireo Radio ireo tany
amin’ny taona 1998 tany ho any. Nandray an-tanana ny fampandehanana ny Radio MAMPITA
i RALAIKOA Samuel izay nahafahany nampiseho ny hakingana sy ny fahaizany momba ny
Fampandrosoana ny tontolo Ambanivohitra. Nanako hatrany MENABE ny ohatra nataondRALAIKOA
Samuel tamin’ny Radio MAMPITA fony ny tenako nisahana fampandrosoana
ny faritra amoron-dranomasina tany MENABE tamin’ny alalan’ny GIZC na Gestion Integrée
des Zones Cotières niaraka taminy Programam-paritra momba ny Tontolo iainana na
Programme Régional Environnement-n’ny Vondrona Eoropeanina. Lasa ohatra velona ho
an’ny Radio MAGNEVA Menabe ny traik’efan’ny Radio MAMPITA nataon-RALAIKOA
Samuel tao Fianarantsoa tamin’izany.
Nanomboka tamin’ny 2000 dia narisarisa ihany ny fahasalaman’ny Sekretera Jeneralin’ny
MFM RAKOTONIRAINY Germain ka nanapa-kevitra ny Foibe MFM nanangana Vaomiera
telo tao aminy. Ny vaomiera misahana ny Fandraharaham-pitantanana (Secrétariat
Administratif) notarihin’ny tenako RAKOTOVAZAHA Olivier, ny Vaomieran’ny
Fifandraisana notarihin’i RAHARINIRINA Jacques Aimé ary ny Vaomieran’ny Fitantanambola
notarihin’i RABEVOHITRA Jean Gérard. Ireo no nanampy ny Prezidà Nasionalin’ny
Antoko MFM MANANDAFY Rakotonirina tamin’ny fampandehanana ny raharahan’ny Foibe
MFM. Izany dia hatramin’ny Vovonana natao tamin’ny 2006 izay nanavaozana ny Birao Foibe
MFM noho ny fahabangana nisy tamin’ny nahalasanan’ny Sekretera Jerealin’ny MFM
RAKOTONIRAINY Germain ka lany tamin’izany ho Prezidà Nasionaly MANANDAFY
Rakotonirina, Sekretera Jeneraly RAKOTOVAZAHA Olivier ary Mpitahiry fananana
RAZAFINJOELINA Jean Chrysộstome.
Tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko ny MFM Matsiatra
Ambony. Tamin’izany no nipoitra tao Fianarantsoa ny Fikambanana TAMBATRA izay
notarihin’i PETY Rakotoniaina. Tsy niray hevitra tamin’izany i RALAIKOA Samuel ka tsy
nanaiky ny fanananganana ny Antoko TAMBATRA izay nisintaka tamin’ny MFM.
Nanomboka teo no nampiandraiketana ny fanarenana ny MFM tany Matsiatra Ambony i
RALAIKOA Samuel ary lasa Mpikambana tao amin’ny Komity Foiben’ny MFM. Hentitra
tokoa ny lehilahy satria nifanenjana ny TAMBATRA sy ny MFM vokatr’izay fivakisana izay.
Tsy laitra akifika amin’izany fijoroany amin’ny foto-kevitry ny MFM izany i RALAIKOA
Samuel ka nanarina ny Faritra MFM tany Matsiatra Ambony ka afaka nampandray anjara ny
MFM Matsiatra Ambony tamin’ny Vovonana 2013.
Amin’ny maha Consultant azy dia nanampy ireo Kaominina izay rafitra ampiharana ny
fitsinjaram-pahefana i RALAIKOA Samuel. Ny fanitsiana ny Lalàm-panorenana nataon’ny
Filoha RAVALOMANANA Marc tamin’ny 2007 no nandrava ny Faritany Mizaka teny ary
nametraka ny Faritra 22. Nahazo hery ny hevitry ny MFM amin’ny fampiharana ny
Fitsinjaram-pahefana ka rafitra telo no misy dia ny Faritra, ny Distrika ary ny Kaominina.
Natao Vondrom-paritra itsinjaram-pitondrana ny Fokontany na Collectivités déconcentrées
izay nampiankinina tamin’ny Distrika ny fampandehanana azy ka ny Sefo Distrika no
manendry ny Sefo Fokontany safidiany avy amin’ny sarintsarina fifidianana olona telo avy
amin’ny Fokonolona isam-pokontany. Tamin’ny andron’ny Filoha RAVALOMANANA Marc
dia mifidy olona dimy ny Fokonolona isam-pokontany ka atolotra ny Ben’ny Tanàna izay
misafidy olona telo amin’ireo hatolotra ny Sefo Distrika. Matetika tsy izay nahazo vato be
indrindra tamin’ny fifidianana no voatendry ho Sefo Fokontany. Rafitra nandova ny PCLS na
Président du Comité Local de Sécurité tamin’ny Tetezamita tamin’ny 1992 hatramin’ny
nitondran’ny Filoha ZAFY Albert sy ny Filoha RATSIRAKA Didier Ignace tafaverina teo
amin’ny Fitondrana tamin’ny 1997 ny Sefo Fokontany. Ny Filoha RAVALOMANANA Marc
no nametraka ny Sefo Fokontany indrindra taorian’ny fanitsiany ny Lalàm-panorenana nataony
tamin’ny 2007.
Nitety Kaominina maro manerena an’i Madagasikara i RALAIKOA Samuel nanao ny asa
maha Consultant azy izay asa nivelomany tokoa ary nanentana ny MFM amin’izay faritra
nolalovany hatrany amin’ny Faritr’i Sava ka hatrany amin’ny faritra Atsimo-Andrefana. Ny
Komity Foibe tamin’ny 2007 no nananganana ny “Alliance Libéral-Démocrate pour la
Régionalisation” na ALDR izay nankinina tamin-dRALAIKOA Samuel ny fandrafetana ny
Fitsipika itondrana izany sy nanao ny fanentanana momba izany. Tamin’ny alalan’ny ALDR
no nandrotsahan’ny MFM Mpilatsaka ho fidina Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsain’ny Tanàna
tamin’ny fifidianana tamin’ny 2007. Nahazo Ben’ny Tanàna maherin’ny 30 ary Mpanolotsaina
aman-jatony maro ny MFM tamin’izany tamin’ny anaran’ny ALDR. Niezaka nametraka ny
rafitry ny ALDR ny tenany amin’izay toerana nalehany anisan’izany ny tany Morombe sy teny
Itaosy izay misy Mpanolotsain’ny Tanàna ao amin’ny Kaominin’Ambavahaditokana tamin’ny
2015 sy 2019.
RALAIKOA Samuel dia novolavolaina tamin’ny foto-kevitry ny Mpitolona ho amin’ny
Fanjakan’ny Madinika satria tamin’ny nampafana ny tolon’ny Vahoaka Madinika izy no
niainga handeha hianatra any ampita. Nohateveniny izany tany amin’ny Firaisan Sovietika
fony izy nanovo fahalalana tany ary dia nahita ny fampiharana izany, izy rahateo nandalina ny
fampandrosoana eny Ambanivohitra. Nahita maso ny fiovana tany amin’ny Firaisana Sovietika
tamin’ny alalan’ny Perestroika sy Glasnost izy. Tsy nanano sarotra izy tamin’ny fandalinana
ny foto-kevitry ny Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara nanomboka tamin’ny
taona 1988 izay nifototra amin’ny foto-kevitra mandala ny fahafahana sy fahalalahana
(liberaly). Ary nampihariny izany na tamin’ny asa aman-draharaha nataony na tamin’ny asampitolomana
notanterahiny. Fandalinana ny fiantraikan’ny fampiasam-bola amin’ny Tontolo
Iainana (Etudes d’Impact Environnemental) sy fanampiana ireo Kaominina amin’ny maha
Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana azy no nanadaniany ny androm-piainany. Tamin’izany
no nampiharany na tao amin’ny ALDR na tamin’ny fikarohana amin’ny fitsinjaram-pahefana
ny “Samy maranitra amin’ny tandrify azy” na ny “principe de subsidiarité” izay foto-kevitry
ny Mpandala ny Fahafahana sy Fahafahana (Libéral) amin’ny fampiharana ny fitsinjarampahefana.
Ny fiarovana ny fahalalahana sy zon’ny isam-batan’olona no ifotoran’izany fotokevitra
izany dia ny fahalalahana miteny, fahalalahana manangan-javatra, fahalahana miofana
sy mianatra, fahalalahama sy zo hotsaboina sns… izay iorenan’ny fanjakana tsara tantana sy
ny Tenierana na Demokrasia. Tsy hadino amin’izany ny fiarovana ny Mpiasa sy ny
Tambanivohitra izay nimatimatesan’ny Mpitolona ho amin’ny Fanjakan’ny Madinika amin’ny
fiarovana ny zony araky ny voafaritry ny Lalàm-panorenana. Izay ny antony tsy nampiova ny
Hira Fanevan’ny MFM “MAILO ISIKA” nanomboka tamin’ny 1976 ka hatramin’izao.
Nandray anjara be dia be tamin’ny fanomanana ny Vovonana 2018 i RALAIKOA Samuel sady
nahafoy tena, vola sy fotoana izy tamin’izany. Izay fahafoizan-tenany izay no nahatonga anay
Birao Foibe MFM nametraka azy ho Filoha Lefitra miandraikitra ny raharaha anatin’ny Antoko
MFM sy Mpandraharaha Lefitra izay nankatoavin’ny Vovovnana MFM tamin’ny 2018. Tsy
anisan’ny olona niditra amin’ny famakivakian’ny Antoko izy ary nohajainy ny toerana
nametrahan’ny Vovonana MFM 2018 azy na dia nisy aza ny famporisihana azy hiditra
amin’izany.
Olona mahitsy, tsy azo avilivily amin’ny foto-keviny ary hentitra amin’izay rehetra ataony i
RALAIKOA Samuel. Izany ny toetrany na teo amin’ny sehatry ny asam-pitolomana na teo
amin’ny sehatry ny asa aman-draharahany. Izay olona tia gorogora sy marivo salosana no
matetika mifandona aminy.
Maty namela mamy i RALAIKOA Samuel na teo amin’ny asam-pitolomana nataony, na teo
amin’ny asa aman-draharaha nosahaniny na teo anivon’ny fianakaviany. Koa ity ohapitolomana
nataony ity no amboaram-boninkazo atolotry ny Antoko MFM ho fanomezamboninahitra
azy.
Mandria am-piadanana RALAIKOA Samuel, Mpitari-tolona mahafatra-po.
Natao teto Antananarivo, 30 Jolay 2020

Ny Filoha Lefitry ny Antoko MFM

RAKOTOVAZAHA OLIVIER
https://gazetyndao.mfm-madagasikara.org/2021/03/03/oha-pitolomana-navelan-dralaikoa-samuel-tohiny/

Ny Vovonana tamin’ny 1988 no nanova ho Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara ny Mpitolona ho amin’ny Fanjakan’ny Madinika teo aloha hisian’ny fiofohan’ny Antoko MFM ho Mpandala ny fahafahana sy fahalalahana (Libéral) satria hiatrika fifidianana ny taona 1989,

Fanambaranan'ny Filan-kevitry ny Foibe MFMAraka ny fiantsoan’ny Foibe ny Antoko MFM  dia nanantanteraka filan-kevitry ny...
01/03/2021

Fanambaranan'ny Filan-kevitry ny Foibe MFM

Araka ny fiantsoan’ny Foibe ny Antoko MFM dia nanantanteraka filan-kevitry ny Foibe MFM teto Antananarivo tao amin’ny Foibe toerana Ampefiloha ireo Mpandrindra ny Faritra 23 eto Madagasikara. Tao aorian’ny adihevitra nataon’ ireo Mpizaika dia mamoaka ireto FEHIN-KEVITRA ireto ny Filan-kevitry ny Foibe izay niainga tamin’ny TENIERANA ifampitondrana:
A. TEO AMIN’NY RAHARAHA ANATIN’NY ANTOKO
1. Nisy ny fintsinjaran’andrakitra mba hampandeha bebe kokoa ny asan’ny antoko ka nomena andraikitra
- Andriamatoa PETY RAKOTONIAINA mba hisahana ny Raharaha anatin’ny Antoko sy fisahanana ny FAMONDRONANA ireo olona rehetra nandalo tato amin’ny MFM.
- Andriamatoa RANDRIANIRINA Jean Ignace hiandraikitra ny Raharaha anatin’ny Antoko sy fanetsiketsehana ny Komitim-piavotana
- Andriamatoa ANDRIAMANANTENA Jaonasitina hisahana ny asan’ny Mpitahiry fananan’ny Antoko
- Andriamatoa SOLOHERY Charles Hilaire hisahana ny fifandraisana ivelan’ny Antoko
2. Ny Foibe dia manome FAHEFANA ny tompon’andraikitra isam-paritra mba:
- Hifanentana ka hamory ireo olona efa nandalo tato amin’ny MFM
- Hiantso ny HERY VELONA rehetra isam-paritra mba hirotsaka sy handray anjara mavitrika ao amin’ny MANDATEHEZANA
3. Ny MFM dia mahatsapa fa misy ihany koa ny fandisoana ny tantara nisy teto amin’ny Firenena, noho izany dia nandray fanapahana ny MFM fa hanaparitaka ANTONTAN-KEVITRA mba hanaovana adihevitra sy fandalinana isam-paritra
4. Ny mpizaika dia mahatsapa fa TSY MAINTSY HAVERINA ny sekolin’ny ANTOKO mba ho fampianarana sy fanabeazana ara-politika ireo Mpikambana ao aminy sy ny vahoaka Malagasy
B. TEO AMIN’NY RAHARAHAM-PIRENENA
1. Ny MFM dia manamafy fa misy sakana ara-toetsaina, ara-drafitra, aram-pomba fiasa tsy nahafahan’ny firenena miroso ho amin’ny fampandrosoana ka:
- Nitarika faharatsiana teo amin’ny farim-piainan’ny Malagasy
- Fiverimberenan’ny fihetsehana (crise) isan-tsehatra
- Fifandirana politika indrindra ny lafiny fifidianana
2. Ny MFM dia milaza fa azo tanterahina amin’ny alalan’ny adihevitra an-databatra boribory ny famahana ny olana eto amin’ny firenena ary amin-kitsim-po no hanantantarehana izany.Vonona ny MFM hifampiresaka ka:
- Heverin’ny MFM fa ny fananganana GOVERNEMANTA manana FAHEFANA FENO fa TSY FIARAHA-MITANTANA hanantanteraka andraikitra mazava dia ny FANOVANA sy FIOVANA no TAKIAN’NY FIRENENA
- Miantso ny Filohan’ny Repoblika ny MFM mba hiroso amin’ny fanantaterahana ireo tolo-kevitra ireo
- Tsy mitompo teny fantatra nefa ny MFM fa ny tantara dia manamarina fa ny FAHATARANA eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hirosoana amin’ireo tolo-kevitra haroson’ny Antoko MFM ireo na ny tsy fanantanterahana azy dia hitondra korontana tanteraka eto amin’ny Firenena.
- Nisafidy ny demokrasia sy ny fanjakana Repoblikana isika koa heverin’ny MFM fa tsy mety ny fampihorohorona sy fampiasan-kery ary fanagadrana ny olona maneho hevitra ataon’ny Mpitondra Fanjakana izay manao fitaovana ny Mpitandro Filaminana sy ny Fitsarana.

Antananarivo , 28 febroary 2021
Amin’ny Anaran’ny Filan-kevitry ny Foibe
Ny Filoha Nasionaly

RAKOTOVAZAHA Olivier

23/02/2021
23/02/2021

Ho vahinin'i GASCAR Fenosoa anio talata 23 febroary 2021 @ 8 ora sy 45 min alina ao @ Fandaharana ༺L’INVITE DU JOUR༻: Atoa.Charles Hilaire SOLOHERY - Komity foiben'ny antoko MFM - Consultant d'entreprise.
Arahanao mivantana ao @ Canal TV 30UHF/543.25Mhz, ny Onjampeo Real94 FM, ny WEB Radio Real FM ary eto @ Pejy Facebook Real TV Madagasikara aorian'ny fampahalalam-baovao.
Anasàna anao hanaraka izany.

23/02/2021

HIRA FANEVAN’NY MFM
MAILO ISIKA!
Mailo isika eee Mailo isika aaa
Ieee
Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

E…O… ’Rey olona ..‘Ndao e isika mba hiaraka (2)
Hamokatra ny tokony izay ho vita
‘Ndao e isika mba hiaraka
Hitaiza ny saranga izay mitovy
‘Ndao e isika mba hiaraka
Hifehy fanjakana izay mahery
‘Ndao e isika mba hiaraka
Namaly ny antso ary ny tantsaha
Dia nikiakiaka mafy hoe (2)
Hatsembohanay niraraka
No nandonaka ny tany
Ny tananay miempakempaka
No nampiakatra ny vokatra
Saingy ny hafa hatr’izay
No bolangina sy faly
Ka raha miverina aminay
Izay rehetra nisasaranay
Ka raha miverina aminay (4)
‘Ndao fa vonona izahay
Ieeee
Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

E…O… ’Rey olona ..‘Ndao e fa vonona izahay (2)
Hamokatra ny tokony izay ho vita
‘Ndao e fa vonona izahay
Hitaiza ny saranga izay mitovy
‘Ndao e fa vonona izahay
Hifehy fanjakana izay mahery
‘Ndao e fa vonona izahay
Tonga saina ny reny maro
Dia nikiakiaka mafy hoe (2)
Izahay no kibo nifonosana
Ka marary raha mahita
Ireo ankizy very remby
Nobeazina voafonja
Nefa hery voa misandratra
Hery nivesaranay
Raha izany no harenina
No iantsoanareo anay
Raha izany no harenina (4)
‘Ndao fa vonana izahay
Ieeee
Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

E…O… ’Rey olona ..‘Ndao e fa vonona izahay (2)
Hamokatra ny tokony izay ho vita
‘Ndao e fa vonona izahay
Hitaiza ny saranga izay mitovy
‘Ndao e fa vonona izahay
Hifehy fanjakana izay mahery
‘Ndao e fa vonona izahay
Tanora maro efa nisafidy
Dia nikiakiaka mafy hoe (2)
Rakatray (Lavinay) ny terivozona
Saika hatao karamanay
Vola be no arentirenty
Hay vahoaka no tsentsefina
Maro izahay tanjorom-bala
Nefa manam-pahalalana
Raha hizara fahalalana
Hitsinjovana ny tolona
Raha hizara fahalalana (4)
‘Ndao fa vonona izahay
Ieeee
Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

E…O… ’Rey olona ..‘Ndao e fa vonona izahay (2)
Hamokatra ny tokony izay ho vita
‘Ndao e fa vonona izahay
Hitaiza ny saranga izay mitovy
‘Ndao e fa vonona izahay
Hifehy fanjakana izay mahery
‘Ndao e fa vonona izahay
Olon’ny vahoaka Ra-miaramila
Dia nikiakiaka mafy hoe (2)
Jery atrika no anay
Raha ny tany no hovokarina
Jery atrika no anay
Raha ny vahoaka no iandaniana
Jery atrika no anay
Raha ny tolona no harovana
Jery atrika no anay
Basy no ety an-tananay
Jery atrika no anay (4)
‘Ndao fa vonona izahay
Ieeee
Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

E…O… ’Rey olona ..‘Ndao e fa vonona izahay (2)
Hamokatra ny tokony izay ho vita
‘Ndao e fa vonona izahay
Hitaiza ny saranga izay mitovy
‘Ndao e fa vonona izahay
Hifehy fanjakana izay mahery
‘Ndao e fa vonona izahay
Mpitari-tolona nahazo hery
Dia nikiakiaka mafy hoe (2)
Aoka izay ny teny midina
Raha kabary tsy valiana
Teny mita ifampierana
Any anatin’ny vahoaka
Asivo vondrom-pahefana
Ny vahoaka nohadinoina
No komitim-piavotana
Ka ny zanany efa mailo
Ireo no miaramilantsika (4)
‘Ndao fa vonona izahay
Ieee
Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa hainy ny mitroatra

E…O… ’Rey olona .. ‘Ndao e fa vonona izahay (2)
Hamokatra ny tokony izay ho vita
‘Ndao e fa vonona izahay
Hitaiza ny saranga izay mitovy
‘Ndao e fa vonona izahay
Hifehy fanjakana izay mahery
‘Ndao e fa vonona izahay
Mailo anefa mailo isika…e (4)
Misy mantsy fahavalo mbola manim-pangejana …Koa mailo isika ary ‘ndao! (2)
Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa vonona ho mpandresy

Fa efa afaka ny tany
Ny Vahoaka koa mivoatra
Efa leo ny mitomany
Efa vonona ho mpandresy
Ieeee…Ndao (8)

TSILAVINA RALAINDIMBY sy GAMA

OHA-PITOLOMANA NAVELAN-DRALAIKOA SAMUELFILOHA LEFITRY NY MFM MIANDRAKITRA NY RAHARAHA ANATIN’NY ANTOKO SADY MPANDRAHARAH...
22/02/2021

OHA-PITOLOMANA NAVELAN-DRALAIKOA SAMUEL
FILOHA LEFITRY NY MFM MIANDRAKITRA NY RAHARAHA ANATIN’NY ANTOKO SADY MPANDRAHARAHA LEFITRA
Nivarahontsana ny tenako naheno ny fahalasanan’ny Filoha Lefitra miandraikitra ny raharaha anatin’ny Antoko MFM sady Mpandraharaha Lefitra. Mbola izy ihany koa no miandraikitra ny raharahan’ny Mpitantam-bolan’ny Antoko. Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny Vovonana MFM tamin’ny 2018.Tsara ihany ny hahalalan’ny Mpiara-mitolona ny tantarany izay oha-pitolomana ho an’ny MFM rehetra maneran’ny Nosy. Nanao fandalinana mikasika ny fiantraikana tetikasa amin’ny Tontolo iaianana (Etudes d’Impact Environnemental) miaraka amin’ny Mpamatsy vola no nataony farany tany Morombe talohan’izy nindaosan’ny fahafatesana ankoatran’ny fifikirany amin’ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana izay nananany traik’efa.
Nifanjohy hatrany ny tantaran-dRALAIKOA Samuel sy ny tantarako teo amin’ny sehatry politika sy teo amin’ny asam-pitolomana tao anatin’ny Antoko MFM ka nanamora ny nanoratako ity oha-pitolomana navelany ho an’ny Mpiara-mitolona MFM ity.
Teraka tamin’ny 18 Janoary 1955 tao Fianarantsoa i RALAIKOA Samuel. Zanak’i RAVOAVY Samuël sy RAKALABIA ary ny asa nataony dia “Consultant”. Hainy ny nandrindra ny asam-pitolomana nataony sy ny fianarany ary nahay nampivady ny asam-pitolomana sy ny asa aman-draharaha nataony izy. Nahitan’ny MFM vokatra azo tsapain-tanana izany izany fahaizana amam-pahalalana anany izany.
Tany Toliara izy no nanomboka nisafidy hiaraka amin’ny MFM rehefa nitolona tao amin’ny Antoko MONIMA tamin’ny1976. Fotoana mavaivay tamin’ny MFM io fotoana nidirany ho MFM io satria voasambotra ny Foibe MFM noho ny raharahan’ny Mpianatra tamin’izany izay tsy nanaiky ny Ministry ny Fampianarana izay nandefa ny zanany hianatra any amin’ny Sekoly Frantsay nefa natomboka ny fanagasiana ny fampianarana tamin’izany fotoana izany. Ny MAP/KMM avy amin’ny Ambaratonga Ambony sy ny Ambaratonga Faharoa no nanetsiketsika ny Mpianatra teto Antananarivo. Nanozongozona ny fitondrana tamin’izany ny fihanahan’izany fihetsiketsehana izany mankany amin’ny Faritany. Samy mpianatra amin’ny Ambaratonga faharoa izahay mirahalahy ary anisan’ny nitarika io fihetsiketsehan’ny mpianatra io. Ny tenako tao amin’ny Lycée Laurent Botokeky ary izy anisan’ny lohandohan’ny mpitarikan’ny Mpianatra tao amin’ny Lycée Technique. FITAHIA Edwin no nisahana ny Foibe MFM ary mbola Mpianatra tao amin’ny Oniversite izy tamin’izany rehefa voasambotra i MAHATSANGA Michel Foibe MFM tao amin’ny Faritanin’ny Toliara izay Mpampianatra tao amin’ny Oniversite ihany koa. Nogadraina MANANDAFY Rakotonirina, Sekretera Jeneralin’ ny Antoko MFM, RAKOTONIRAINY Germain, SERAMILA Beza, MANANTSARA Salimo samy Foibe MFM sy ny hafa tsy voatanisako eto. Ireo Foibe MAP/KMM sy MMFT no nisahana ny raharahan’ny Foibe MFM ary niafina tamin’izany satria nofoanana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ny Antoko MFM.
Nahery vaika ny fanenjehana ka manao asam-pitolomana an-katakonana ny Mpitolona MFM tamin’izany. Anisan’ny nitarika tamin’izany i RAPELANORO Rabenja Aimé fony Mpianatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ankehitriny izay Oniversiten’i Madagasikara no niantsoana azy tamin’izany. Volana Desambra 1976 no navoaka ny figadrana ny Foibe MFM ary tsy nahazo nanao politika intsony. Nanomboka natsangana ny endriky ny Mandatehezam-pirenena miaro ny Tolom-piavotana tamin’izany fotoana izany ka izay Antoko ara-dalàna no nandrafitra azy ary afaka nandrotsaka olona amin’ny Vondram-bahoaka Itsinjaram-pahefana
tamin’ny fifidianana tamin’ny taona 1977. Nisalotra ny lamban’ny Antoko MONIMA ny MFM voarara tsy hanao politika tamin’izany ka tamin’ny alalan’ny MONIMA-NDAO no nandrotsahan’ny MFM olom-boafidy tamin’izany teto Antananarivo. Noho ny tsy fahalavorarian’ny fifidianana tamin’izany dia nisintaka tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana ny Firaisam-pokontany ny MONIMA ka nitarika ny vahoaka hidina an-dalambe.
Naverina amin’ny MFM ny lambany tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ka lasa mpikambana ao amin’ny Mandantehezam-pirenena ny MFM. Lasa Mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Faratampon’ny Tolom-piavotana ny Sekretera Jeneralin’ny MFM MANANDAFY Rakotonirina. Tamin’izany no nisian’ny fandefasana mpianatra any amin’ny firenena sosialista ary nanana anjara tamin’izany andiana mpianatra izany ny MFM. Anisany tamin’izany i RALAIKOA Samuel nianatra tany amin’ny Firaisana Sovietika mikasika ny fampandrosoana eny Ambanivohitra. Tamin’izany fotoan’izany no nisian’ny fanompoam-pirenena ivelan’ny voalohany ho an’ny mpianatra afaka bakalorea. Nanomboka nanefa izany asa izany tao amin’ny Lycée Laurent Botokeky ny tenako nefa nohon’ny tsy fifanarahana amin’ny AREMA satria nanangana ny MAREMA ny AREMA ka nanana loiloy amin’ny MAP/KMM izay nahenika ny Sekoly Ambaratonga faharoa manerana an’i Madagasikara. Izany dia noho ny famindran-toerana an-terisetra ny Mpampianatra MMFT any amin’ny tany lavitra Andriana. Anisan’ny voafindra tamin’izany koa ny tenako tamin’ny 1978 ho any amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoan Fototr’i Benenitra nanao fanompoam-pirenena ivelan’ny Tafika satria nitarika ny Vondrona MFM Toliara II aho tamin’izany ka nanelingelina ny AREMA izay nametraka ny ambaindain’ny Antoko manerana an’i Madagasikara.
Vita ny fanompoam-pirenena dia lasa tany Firaisana Sovietika i RALAIKOA Samuel fa ny tenako kosa nanohy ny fianarako tany amin’ny Sekoly Ambonin’ny Politeknika tany Antsiranana sy teto Antananarivo. Samy nanohy ny asam-pitolomana izahay. Ny tenako nisahana ny Foibe MAP/KMM tany Antsiranana sy nanampy Komitim-paritany MFM tany Antsiranana fa RALAIKOA kosa nanetsiketsika ny Mpianatra MAP/KMM any amin’ny Firaisana Sovietika. Tsy nitsahatra nifandray taminay Foibe Nasionaly MAP/KMM tamin’izany ireo Mpianatra MAP/KMM tany amin’ny Firaisana Sovietika nentanin-dRALAIKOA Samuel ireo izay tsy nitsahatra nandefa fitaovana ho anay taty Madagasikara. Anisan’ny Foibe Nasionaly MAP/KMM tamin’izany i RAHARINIRINA Jacques Aimé, TAMIMO sy namana maro izay nofanin’i RAKOTONIRAINY Germain isaky ny Alahady hariva tao an-tranony.
Vita fianarana izahay dia samy niasa. Ny tenako dia tao anatin’ny Foibe Nasionaly MAP/KMM izay lasa Tanora MFM tamin’ny 1991 fa izy kosa niasa niaraka tamin’ny Coopération Suisse sady nanohy ny asam-pitolomana mahazatra azy. Mpitarika Vondrona MFM tany Antsirabe II ao amin’ny Faritra Vakinankaratra izy. Io fampandrosoana ny eny Ambanivohitra io no nandaniana ny fotoanany.(Mbola hitohy)

Address

Antananarivo

Telephone

+261337238258

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gazety Ndao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Gazety Ndao:

Videos

Share