Revolisiona

Revolisiona l'actualité autrement sans tendance politique et objective
(1)

"DEAL" Io no anarana nampitondrain'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko ny vinam-piarahamoniny  , vina izay mifototra a...
26/10/2023

"DEAL" Io no anarana nampitondrain'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko ny vinam-piarahamoniny , vina izay mifototra amin'ny fametrahana ny décentralisation izany hoe fampandraisana anjara bebe kokoa ny eny ifotony na ara mpitantanana izany na ara-bola.

Ainganie fotsiny mba tsy ho boky fandrebirebena vahoaka ka tsy mitondra makaiza toy ny nisy hatramin'izay Toy ny MAP izay an'ny filoha Marc Ravalomanana Sy ny IEM izay nampanonofisana antsika 5 taona lasa izay.

Raha ny fihavin'ny programme hoe DEAL dia tsy vaovao fa Io no politika noentin'ny filoha Amerikanina Franklin Roosevelt nanavotra n'y vahoaka Amerikanina tamin'ny fanaovana tetik-asa maro ka nahafahana namorona asa maro hiveloman'ny vahoakany.

Ny vokany Dia tafajanona ela teo amin'ny fitondrana izy ,ka izy no hany filoha tokan'i États-Unis nahavita mandat telo misesy,ary Maty teo ampitondràna ity farany.
© Revolisiona Ny Malagasy aloha 🇲🇬

Mitohy rahampitso ny fampivezivezena vahoaka toy firaka atakalo .Eny Imeritsiatosy no hanoy ny hetsika ny candidat Moizy...
23/10/2023

Mitohy rahampitso ny fampivezivezena vahoaka toy firaka atakalo .

Eny Imeritsiatosy no hanoy ny hetsika ny candidat Moizy 10 lahy Sy ny vahoakan'israely mpanara-dia azy.

Akoho tsy naneno otran'izay efa laniny kary.

🟥NIAMPY "SITENY" INDRAY NY "PROBLEMES" HO AN'NY KANDIDA 10 AMBINY.Ny fitakiana hafa mbola tsy mivaly dia niampy hafa ind...
23/10/2023

🟥NIAMPY "SITENY" INDRAY NY "PROBLEMES" HO AN'NY KANDIDA 10 AMBINY.

Ny fitakiana hafa mbola tsy mivaly dia niampy hafa indray ny olana ho an'ireo Kandida 10 ambiny.

Siteny indray no lasibatra tetsy Andranomena androany

Mimenomenona fatratra ireo mpanara-dia ny hetsikin'ny candidats 11 fa  "manakorotana azy ireo ny mpitandron'ny filaminan...
23/10/2023

Mimenomenona fatratra ireo mpanara-dia ny hetsikin'ny candidats 11 fa "manakorotana azy ireo ny mpitandron'ny filaminana" .
Raha tsiahivina moa Dia tokony ao anaty toerana mifefy no hanaovana ny hetsika raha ny nambaran'ny préfet.

22/10/2023

Hira faneva Siteny Randrianasoloniaiko Kandida numéro 13

Mitohy rahampitso ny hetsikin'ny candidats akanga sisa nanamborana.Raha ny Zavatra tsapa dia nihena ny crédibilité an'il...
22/10/2023

Mitohy rahampitso ny hetsikin'ny candidats akanga sisa nanamborana.

Raha ny Zavatra tsapa dia nihena ny crédibilité an'ilay hetsika tao aorinan'ny fialan'ny kandida Siteny n°13 ka nanapahany hevitra hanao fampihelezan-kevitra.I Siteny Andrianasoloniaiko moa Dia isan'ny Kandida vaventy ao anatin'ity vondrona ity miaraka amin'i andriamatoa Marc Ravalomanana Sy Hajo Andrianainarivelo .

Fahaverezana lehibe izao fisitahan'i Siteny izao satria matoa nanaiky nanao fampihelezan-kevitra ity farany ity Dia manaiky ny rafitrin'ny HCC Sy CENI Ary manaiky ny hifanandrina Amina kandida voatondro fa vazaha .

Ankehitriny mipetraka ny fanontaniana mbola haharitra ve ity hetsikin'ny collectif des candidats ity ?
Sa ve hijanona ho hetsika famezivezena vahoaka toy ny firaka atakalo ?

22/10/2023

Na biby ary mahay miara-dia
Isika olombelo indray ve no tsy hahay hifankatia ?

Tsy ekena ny fampisarahambazana ny samy Malagasy, na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara politika, na tsy fitoviana ara tsaranga sy fihaviana.

NY MALAGASY DIA IRAY TSY MIVAKY🇲🇬

Eo amin'ny 10 km eo ny halavirana miainga eo amin'ny seranam-piaramanidina Amborovy ka hatrany amin'ny Stade Rabemananja...
21/10/2023

Eo amin'ny 10 km eo ny halavirana miainga eo amin'ny seranam-piaramanidina Amborovy ka hatrany amin'ny Stade Rabemananjara.
Vahoaka maro be no mandeha tongotra miara-dia amin'ny kandida Andry Rajoelina ety andalana raha toa ka efa feno ny ao an-kianja amin'izao ora izao.

Nampalahelo fa ny zava nisy alina fa may ireo Tsena hazo  eo Behoririka manamorona ny rano ary nahazo ny building teo am...
21/10/2023

Nampalahelo fa ny zava nisy alina fa may ireo Tsena hazo eo Behoririka manamorona ny rano ary nahazo ny building teo ampita .

Mbola tsy fantatra mazava ny tena antony niavian’ny afo hatreto .

Mankahery anareo rehetra izay very sy simba fananana tompoko .

20/10/2023

Voasambotra izao atoandro izao i Jork mpanohana mafana fo ny hetsikin'ny candidats 11.

BEL AIREfa mizotra miandalana makeny ny mpomban'ireo candidat 11 efa mihantrana eny koa ireo mpitandron'ny filaminana ,a...
20/10/2023

BEL AIR

Efa mizotra miandalana makeny ny mpomban'ireo candidat 11 efa mihantrana eny koa ireo mpitandron'ny filaminana ,azo hantenaina fa tsy hisy herisetra toy ny omaly ny hetsika anio sady efa ao amin'ny toerana mihidy.

Takiana ny fahalalahan'ny fanehon-kevitra ao anatin'ny fanarahan-dalana .

⭕Prefektioran'Antananarivo : noho ny zava-nitranga teny Andavamamba ny Talata lasa teo, namoizana ain'olona, dia tsy azo...
19/10/2023

⭕Prefektioran'Antananarivo : noho ny zava-nitranga teny Andavamamba ny Talata lasa teo, namoizana ain'olona, dia tsy azo atao intsony ny mamory olona ivelan'ny toerana angatahana alalana.
Afaka mangataka izany ireo kandidà 11 ao anatin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao.

🟥OLONA 2 NO MATY NAMOY NY AINY.✝️Mpandeha iray sy ny sofera no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahats...
18/10/2023

🟥OLONA 2 NO MATY NAMOY NY AINY.

✝️Mpandeha iray sy ny sofera no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany Ilaka Centre- Ikianja RN7 androany.

Fiara mpitatitra olona handeha ho any Sambava vao niainga tao Ambositra no nifandona tamin'ny camion ana Orinasa Lehibe iray.

Maro ireo naratra ary efa noentina amin'ny CSB.
Fandehanan'ilay taksibrosy mafy no nahatonga ny loza raha ny fantatra.

Zavadoza ary tena mampalahelo nandritra ny Propagandy tao AMBILOBE Omaly 17 /10/2023MATY nohon'ny tora-bato nataon'ny mp...
18/10/2023

Zavadoza ary tena mampalahelo nandritra ny Propagandy tao AMBILOBE Omaly 17 /10/2023

MATY nohon'ny tora-bato nataon'ny mpanohitra iray taminy i HERIZONIAINA

❗Saika matin'ny fitsaram- bahoaka ilay tovolahy nitoraka raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana.

Mbola ao anatin'ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana.

Fanambaran'ny governemanta hifandrombonana anio hariva Io .Inona no famakafakana azo atao? Raha namaky ity fanambarana i...
17/10/2023

Fanambaran'ny governemanta hifandrombonana anio hariva Io .

Inona no famakafakana azo atao?

Raha namaky ity fanambarana ity Dia hita fa manaitra ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny fananan'ny madagasikara "FIANDRIANAM-PIRENENA"
Fa mipetraka ny fanontaniana tena manana fiandrianam-pirenena ny firenen-tsika

Raha toa ka :
>Ny vahiny no miantoka n'y ampahany betsaka amin'ny volam-panjakana

>Ny vahiny no miantoka ny fifidianana amin'ny alalan'ny basket fund anefa dia tena Io no fototra hijoron'ny firenena

>Any amin'ny vahiny (communauté internationale) no mivavaka Sy minono Ary mandaza Tonga hatramin'ny fiantsoana tafika "CASQUE BLEU".

Raha ny zavatra tsapa dia tsy misy mpanao politika Tia tanindrazana hanompo ny tanindrazana fa samy bolokim bazaha hany ka zary kianja fampiadina akoholahy ilay firenena.

17/10/2023

Andavamamba
Mifandramatra miady ireo vahoaka mpoban'ny volombosary Sy ny mpoban'ny 11 candidats

✊Nasehon’ny mpitandro ny filaminana zandary, polisy ary tafika miasa ato amin’ny Antenimierandoholona fa miray hina fa t...
17/10/2023

✊Nasehon’ny mpitandro ny filaminana zandary, polisy ary tafika miasa ato amin’ny Antenimierandoholona fa miray hina fa tsy misaratsaraka araka izay voizin'ny manana tetika politika maloto ny mpitandro ny filaminana.

📌Nomarihin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa ny mpiasam-panjakana sivily sy miaramila, dia ny Andrimpanjakana no tompoiny fa tsy olona.

✅Ny Filohan'ny Antenimierandoholona koa dia hita niaraka nihazakazaka tsy nisy ahiahy nanerana ny tanàna, niaraka tamin' ireo mpitandro ny filaminana miasa ao amin'ny Antenimierandoholona.

📌Koa tokony irosoana ny Fifidianana, araka ny tetiandro efa nofaritan'ny HCC sy ny CENI, fa tsy asiana ahiahy na fisalasalana noho ny fivoizana fa misy ny korontana eto amin’ny Firenena.

‼️⚠️Nahitana afo nirehatra tao anatin'ny "Hotel Meva" tao Ambalabe Andrefana omaly 16 oktobra tamin'ny 9 ora alina. ♦️Ts...
17/10/2023

‼️⚠️Nahitana afo nirehatra tao anatin'ny "Hotel Meva" tao Ambalabe Andrefana omaly 16 oktobra tamin'ny 9 ora alina.
♦️Tsy voafaritra mazava ny niandohan'ny afo fa fipoahana tao anaty efitrano iray ambony rihana no niteraka ny firehetana tao amin'ireo efitra maherin'ny 5, any amin'ny rihana ambony raha ny fanazavana.
♦Voafehy ny afo ary tsy nisy ny aina nafoy rehefa nifarimbonan'ny fokonolona sy tompon'andraiki-panjakana tao Antsohihy.

Fomba fanao Malagasy ny fanaovana fanambadiana eo amin'ny Zaza kambana mianadahyTsy fanambadiana toy ny mpivady anefa iz...
17/10/2023

Fomba fanao Malagasy ny fanaovana fanambadiana eo amin'ny Zaza kambana mianadahy
Tsy fanambadiana toy ny mpivady anefa izany fa fanasarahana azy ireo MBA samy hanana ny lalany amin'ny fiainana ka izany no andorana ny tranokely izay nametrahana azy ireo

Nanaitra ny maro ny fahitana ny fanambadiana natao tamin'ireto Zaza kambana mianadahy ireto!!

Fokontany MAHAVATSE TOLIARATao amin'ny fokontany Mahavatse no nanatanterahan'ireo mpanohana ny kandida laharana faha 3 A...
16/10/2023

Fokontany MAHAVATSE TOLIARA

Tao amin'ny fokontany Mahavatse no nanatanterahan'ireo mpanohana ny kandida laharana faha 3 Atoa Andry Rajoelina ny fampihelezan-kevitra.

‼️Roa taona no handresena ny fahantrana lalina ho an'ny kandidà laharana faha 11, Sendrison Raderanirina avy amin'ny ant...
16/10/2023

‼️Roa taona no handresena ny fahantrana lalina ho an'ny kandidà laharana faha 11, Sendrison Raderanirina avy amin'ny antoko politika Fy-m, na ny Fandrosoa Faritsy Iaby ho an'i Madagasikara. Raha izay no fototra ho an'ny trano ho aorina raha ny vinany; ny rihana kosa dia ny fokonolona sy avara-pianarana ary Fanjakana miara-miasa ho antoky ny fampandrosoana. Farany, ny tafo ho an'i kandidà laharana faha 11, Sendrison Raderanirina dia ny fahefana tsy mivangongo eo amin'ny foibe. Ny kandidà izay efa anatin'ny fampielezan-kevitra tanteraka amin'izao fotoana, ary ny fampafantarana ireo politikam-pampandrosoana no iompanany mandritra izany.

TOAMASINA  Vehivavy iray no maty tsy tra-drano voadonan'ny fiara eo amin'ny aéroport Ambalamanasy amin'izao Ora izao.
16/10/2023

TOAMASINA

Vehivavy iray no maty tsy tra-drano voadonan'ny fiara eo amin'ny aéroport Ambalamanasy amin'izao Ora izao.

Tao aorinan'ny fanasokajiana ny mpomban'Andry Rajoelina ho:_Bomanga_Manenganiny_Voavidy vola_vendrana Ankehitriny kia so...
15/10/2023

Tao aorinan'ny fanasokajiana ny mpomban'Andry Rajoelina ho:
_Bomanga
_Manenganiny
_Voavidy vola
_vendrana

Ankehitriny kia sokajin'ny olona sasany ho Mpiasa an-trano Sy solafa

Mila ovaina ny famindra Sy ny tetika fa voaporofo ankehitriny fa voamaika mandrisika ny olona hanaraka azy ny fanambaniana Malagasy.

Ireo "bomanga Sy vahoaka manenganiny" nambaran'i Koto Lilahimahitsoambo  Tonga maro ety Antanimena . Malagasy iray tsy m...
15/10/2023

Ireo "bomanga Sy vahoaka manenganiny" nambaran'i Koto Lilahimahitsoambo Tonga maro ety Antanimena .

Malagasy iray tsy mivaky isika Ary tokony hanaja ny fahasamihafan'ny hevitrin'ny tsirairay, tsy voatery hoe vendrana na notambazam-bola akory ny olona iray matoa manohana olona iray n'a Kandida iray fa misy manana faharesen dahatra.

Tsy hevitra no mety tsy hitovy fa isika Dia iray ihany

ANTANIMENAVory lanona Ireo vahoaka marobe miandry  ny fahatongavan'ny ny kandida laharana faha 3  Andry Rajoelina"Tsy mi...
15/10/2023

ANTANIMENA

Vory lanona Ireo vahoaka marobe miandry ny fahatongavan'ny ny kandida laharana faha 3 Andry Rajoelina

"Tsy miovaova ny sary ny antsika volombosary"hoy ireto farany
"Madagasikara tsy maintsy mandroso"

15/10/2023

Hanomboka ny fampielezan-kevitra eto amin'ny faritra Analamanga ry zareo avy ao amin'ny volomboasary anio.
Izany dia ho mariana amin'ny dia be avy eny amin'ny kianjan'ny Malacam

Mipetraka ny fanontaniana hanakana ve ny mpitandron'ny filaminana ?
Hahasarika olona ve andriamatoa Rajoelina ? Sa efa nanary azy Antananarivo ?

14/10/2023

Lehilahy iray manao akanjo fotsy no voasambotrin'ny zandary

Miandry fanampim-baovao isika

14/10/2023

Institution de la république ny CENI .

Mitovy amin'ny fiarovana Lapa mpanjakana ny fiarovana azy .

Mitandrema isika vahoaka !

14/10/2023

Mizotra miandalana makany amin'ny CENI ny kandida Sy ny vahoakan' Israely mpanara-dia azy.

🟥NAMPISEHO NY TANJANY IHANY KOA ANDROANY NY VOLOMBOASARY TETO ANTANANARIVO
14/10/2023

🟥NAMPISEHO NY TANJANY IHANY KOA ANDROANY NY VOLOMBOASARY TETO ANTANANARIVO

Kandidà laharana faha 11, 𝗥𝗔𝗗𝗘𝗥𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗦𝗲𝗻𝗱𝗿𝗶𝘀𝗼𝗻 : Tao Ambositra tanindrazany no nanombohany ny fitetezam-paritra.Zanak'...
14/10/2023

Kandidà laharana faha 11, 𝗥𝗔𝗗𝗘𝗥𝗔𝗡𝗜𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗦𝗲𝗻𝗱𝗿𝗶𝘀𝗼𝗻 : Tao Ambositra tanindrazany no nanombohany ny fitetezam-paritra.

Zanak'Ambositra, ny marimarina kokoa ao Amongy i Sendrison Raderanirina. Kandidà ho filoham-pirenena izy, ary nandritra ny fanokafany ny fitetezam-paritra nisafidy ny haka tso-drano avy amin'ny tompon'ananaran-dRay sy ny fananganana ny Tsangambato izay efa niondrika tao anatin'ny 35 taona. Ny Tera-Jafimino sy ny Antehivato no niaraka nifarimbona nanangana ny tsangambato. Nanolotra omby mazavaloha iray ny candidat ho nofonkena mitam-pihavanana. Nilaza ny kandidà laharana faha 11 fa vonona tenany amin'izay fanampaha-kevitra rehetra misy eo na handroso na hiemotra ny fifidianana satria raha ny tenany no tonga eo amin'ny toerana dia efa lesona hoazy izao zava-mitranga rehetra izao. Tsara ho fantatra ihany koa fa avy amin'ny Antoko politika FYM i Sendrison Raderanirina.

📍NANGALATRA KISOA HATAO TSAKY🐷Tratra ireo 5 lahy nangalatra kisoa 30 kilao tetsy  Antsakambahiny- Ambohibao Antehiroka.E...
13/10/2023

📍NANGALATRA KISOA HATAO TSAKY

🐷Tratra ireo 5 lahy nangalatra kisoa 30 kilao tetsy Antsakambahiny- Ambohibao Antehiroka.

Efa voakarakara sy voatetika ilay kisoa be 30 kilao izay natao laoka sy tsaky taoka.

Fanapahana avy amin'ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana: Noraisina ny fangatahan'ny kandida laharana faha 7, Andr...
12/10/2023

Fanapahana avy amin'ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana:

Noraisina ny fangatahan'ny kandida laharana faha 7, Andry Raobelina , hanemorana ny fifidianana.

👉Hahemotra ny 16 novambra 2023 ny fihodinana voalohany.

👉Hifarana ny 15 novambra 2023 ny fampielezan-kevitra

Manomboka ny fampihelezan-kevitra ny kandida laharana faha 11.Nivoka tao amin'ny fahanginany ity farany  rehefa nampiaik...
12/10/2023

Manomboka ny fampihelezan-kevitra ny kandida laharana faha 11.

Nivoka tao amin'ny fahanginany ity farany rehefa nampiaiky ny maro satria sady tsy miaraka amin'ny collectifs des candidats no tsy mbola nanao fampihelezan-kevitra.

Nesorina tsy isan'ny mpikambana ao amin'ny antoko Tanora Gasy Vonona i Herimanana Razafimahefa filohan'ny Sénat Tsy diso...
12/10/2023

Nesorina tsy isan'ny mpikambana ao amin'ny antoko Tanora Gasy Vonona i Herimanana Razafimahefa filohan'ny Sénat

Tsy diso amin'ny famakafakana isika mizotra miandalana makany amin'ny fanonganana azy Ary fametrahana an'ny général Richard Ravalomanana ho filohan'ity andri-mpanjakana ity

Hanomboka tsy ho ela ny fivoriana tsy ara-potoana eny anivon'ny antenimieran-doholona
12/10/2023

Hanomboka tsy ho ela ny fivoriana tsy ara-potoana eny anivon'ny antenimieran-doholona

12/10/2023

Nofafan'ny filohan'ny Sénat ilay publication
Mipetraka ny fanontaniana inona no Antony?

Fivoriana tsy ara-potoana eny anivon'ny antenimieran-doholona Hafapana ny eny amin'ny lapan'Anosikely anio azo heverina ...
12/10/2023

Fivoriana tsy ara-potoana eny anivon'ny antenimieran-doholona

Hafapana ny eny amin'ny lapan'Anosikely anio azo heverina fa ho haongan'ireo loholona mihisa 14 ny filohan'ny sénat Herimanana Razafimahefa rehefa nilaza am-pahibemaso ireny zavatra lazainy nahazo azy ireny.

Raha ny nambaran'ireto loholona izay maro anisa ireto manko dia tokony hametraham-panontaniana ny fahasalaman'ny sain' Ity farany.

Raha ny vinavina dia mety ny loholona vaovao Richard RAVALOMANANA no ho laniana hisolo toerana azy.
Raha toa ka izay tokoa ary raha mamaly ny taratasy nalefan'ny Herimanana Razafimahefa ny HCC ka manolotra ny fahefana hoan'ny Filohan'ny Sénat.

Ekentsika ve ny hoentin'i Jeneraly Richard RAVALOMANANA ? Inona no mety vokatr'izany ?

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Revolisiona posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All