ActusMg

ActusMg Vaovao eto Madagasika

✊
06/02/2024

27/01/2024

FILOHA MARC RAVALOMANANA
"NY HANAVOTRA ANAREO NO MAHAMAIKA AHY!

Miverina ny fandaharana Miara Manonja ny Zoma 19 Janoary 2024 hoavy izao amin'ny 1 ora hatramin'ny 3 ora ao amin'ny Tele...
18/01/2024

Miverina ny fandaharana Miara Manonja ny Zoma 19 Janoary 2024 hoavy izao amin'ny 1 ora hatramin'ny 3 ora ao amin'ny Televiziona MBS ary ny Radio MBS sy Mada 100.8 fm.

FILOHA RAVALOMANANA MARCMila fomba fijery (Vision), fomba fisainana (mentalité)ary fomba fiasa (stratégies et pratiques ...
11/01/2024

FILOHA RAVALOMANANA MARC

Mila fomba fijery (Vision),
fomba fisainana (mentalité)
ary fomba fiasa (stratégies et pratiques politiques) hafa isika. Tsy afaka mandeha irery anefa ireo fa tsy maintsy miankina amin'ny etika ( éthique) matanjaka satria Hanangana Firenena Matanjaka no tanjontsika.
Firenena anjakan’ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny.
Izao anefa, miainga avy amin’ny fandinihan-tena sy ny finiavan’ny tsirairay no hahatongavantsika amin’izany.

Distrikan'Arivonimamo tonga eto Faravohitra nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2024.

💶❗️ 75.000ar na 14.99€ ny vidin'ny litchis 1kg any France any amin'izao fotoana izao.📸 Vola Randria
07/12/2023

💶❗️ 75.000ar na 14.99€ ny vidin'ny litchis 1kg any France any amin'izao fotoana izao.

📸 Vola Randria

Maro ny ezaka sy ny fikarohana ary asa natao entina hiadiana ho an’ny zon’ny vehivavy sy ny fiarovana azy ireo teo amin’...
06/11/2023

Maro ny ezaka sy ny fikarohana ary asa natao entina hiadiana ho an’ny zon’ny vehivavy sy ny fiarovana azy ireo teo amin’ny fiaraha-monina Malagasy nandritra ny fitondrana izay notantanako.

Anisan’izany ny nanekeko ny fifanarahana ary nanaovan-tsonia ny protocole de Maputo ny taona 2004 satria tsy mitsaha-manome lanja anareo Andriambavilanitra ny tenako.

Nisy velan-kevitra miompana manokana amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy Malagasy izay androany 4 novambra tao amin’ny Radisson eto andrenivohitra, nokarakarain'ny fikambanana NIFIN'AKANGA, izay nanasana ny tenako manokana.

« Ny tia mahasarika ary ny tiana mahatarika » hoy isika koa… tsy nisalasala tokoa nanaiky ny fanasan’ny fikambanana mba hahafahako mitondra ny fomba fijeriko sy ny rindran’asa ho tanterahina ho anareo vehivavy.

Hilaza ny hiaraha-mahita aho raha milaza aminareo hoe tsy tanteraka izany noho ny toe-java-misy eto amin’ny firenena.

Tsy navela ivoaka ny trano fonenako aho raha hande hamaly ny fanasana.

Mangidy sy mafaitra ho ahy tokoa izao ary tena malahelo aho.

Koa anteriko etoana ny fialan-tsiny ho anareo mpikarakara ao anatin’ny fikambanana.

Na eo aza izany rehetra izany dia mampatsiahy hatrany aho fa tena latsaka anaty hantsana MANGITSOKITSOKA ny Firenentsika. NY kitoatoa, NY HALATRA AMPAHIBEMASO, NY FANDROBANA tsy misy fetra ary ny fanaovana AMPIHIMAMBA ny Firenena, NO FANETRIBE MITERAKA ny fahantrana.

IZANY TOE-JAVATRA REHETRA IZANY, MIAMPY NY tsy fanomezan'ny fiaraha-monina LANJA ny Vehivavy SY ny tsy FIKOLOKOLOANA azy ireo no anisany lehibe nanekeko ny fifanarahana sy nanaovako sonia ny PROTOCOLE DE MAPUTO, indrisy anefa fa tsy nisy nanohy sy nanome lanjany izany noho ny tsy teo amin'ny fitondrana intsony ny tenako.

Miakatra isan-taona ny tahan’ny FITSOAHAM-PONENANA HO eny an-drenivohitra (40% mahery izy izao). Miova manaraka izany ny filan’ny Firenena amin’ny sehatry ny asa sy ny fahaiza-manao. Kanefa amin’ny ankapobeny, 19 taona mahery kely ny vehivavy malagasy dia efa niteraka ary manodidina ny 4 ny zanaky ny vehivavy iray. Na dia efa mitovy aza ny tahan’ny lehilahy sy ny vehivavy makany an-tsekoly, ny fiterahana aloha loatra sy ny isan-jaza maro loatra dia manakana azy ireo tsy hanohy fianarana lavitra sy koa tsy hifidy ireo fianarana sarotra hahafan’izy ireo mandray ireo asa mila talenta manokana.

Tsy amin’ny asa sy andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina ihany no tsy voakolokolo ny vehivavy fa amin’ny fiainana andavan’andro ihany koa. Maro ireo lehilahy mbola mandray ny vehivavy ho fanaka malemy, mpamokatra zaza, mpikarakara tokantrano ka tsy omena teny sy sehatra loatra ny Andriambavilanitra rehefa miresaka na mifanakalo hevitra mikasika ny raharaham-pirenena sy ny zavatra mila TRAIKEFA.

Miahy izany ao am-poko aho ka manorina fandaharan’asa, izany dia tsy mijanona eo amin'ny fikolokoloana ny vehivavy ihany fa ny hanabe KOA ny lehilahy. Ny fahasambaran'ny tokatranony sy ny Firenena tokoa mantsy dia miainga amin’ny fandrosoan’ny vehivavy, ny haja omena azy ireo ary ny fisandrantany amin’ny fandraisana adidy sy andrakitra ho an’ny fiaraha-monina.

Ny fampandrosoana tsy misaraka @ vehivavy ary ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana.

Maneho ny rindran'asa hapetrako sy tanterahako hatrany aho hanohana anareo Andriambavilanitra.

Ny fampianarana sy ny fitaizana tokoa mantsy no hery mahavelona mba hananana taranaka vanona.Resy lahatra aho fa mandeha ila ihany ny firenena raha tsy eo ianareo vehivavy na dia voalaza matetika aza fa ny lehilahy no lohan'ny vehivavy, tsy hadino anefa fa ianareo vehivavy no loharanom-pirenena.

Ny firaisan-kina no hery tokana hahafahana mandroso sy manatanteraka ny asa rehetra.

Ry vehivavy HAJAINA izay herin’izao firenena izao, ianareo reny izay mitsinjo ho avy mamiratra ho an’ny zanakareo, ianareo tanora, ankizy vavy maniry ny ho lasa lavitra sy ho tafita ka ho reharehan’ny fiaraha-monina sy ny firenena, nosomparan’izao fitondrana izao ary nakatony ny varavarana nisokatra ho amin’ny fampahiratana anao. Anisan’ny fiaraha-miasa izay azontsika nandrandraina iny. Hiezaka aho amin’ny heriko rehetra mba hamerenana aminao izany anjaranao izany.

AMPARY-FARITRA ITASY"Midina ifotony aho mijery ny zava-misy marina iainan'ny Malagasy andavanandro,indrindra indrindra i...
25/09/2023

AMPARY-FARITRA ITASY

"Midina ifotony aho mijery ny zava-misy marina iainan'ny Malagasy andavanandro,indrindra indrindra ianareo tantsaha izay hianteheran'ny fampandrosoana an'i Madagasikara noho ianareo ivon'ny famokarana."

11/08/2023

FILAZANA

Tafiditry ny mpisopotra ny pejy sy ny
Nisy ni-piraty ny pejy Marc Ravalomanana - Ofisialy sy ny pejy MBS.

🤔😌
01/06/2023

🤔😌

BORIBORINTANY FAHA ENINA AMARINO ENY AMIN'NY FOKONTANY NY ANARANAO ARY SORATY AVY HATRANY RAHA MBOLA TSY AOTonga manao f...
21/04/2023

BORIBORINTANY FAHA ENINA

AMARINO ENY AMIN'NY FOKONTANY NY ANARANAO ARY SORATY AVY HATRANY RAHA MBOLA TSY AO

Tonga manao fanentanana eny Ambohimanarina indray ny Filoha Ravalomanana, mampahafantatra ny olona ny maha zava-dehibe ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy.

Fanamarihana : refonte na fanavaozana manotolo no natao ka raha tsy mbola nanatona teny amin'ny fokontany ianao dia azo antoka fa tsy ao ny anaranao, mbola tsy tara anefa fa mbola manana fotoana kely ka halao hery.

Aza atao ambanin-javatra fa kihon-dalana iray lehibe hoan'ny fanavotana ny Firenena ny fifidianana.

👉AZA ADINO EFA NIVOKA AMIN NY ROHIM-PIFANDRAISAN NY CENI liste.ceni-madagascar.mg/elect/fkt NY LISI-PIFIDIANANA VONJIMAIKA.

©️ TTiako i Madagasikara - TIM ofisialyiTiako i Madagasikara - TIM ofisialyMTiako i Madagasikara - TIM ofisialyTiako i Madagasikara - TIM ofisialyTiako i Madagasikara - TIM ofisialyoTiako i Madagasikara - TIM ofisialy

02/03/2023
PROPAGANDE2018 | MANAKARA | ANDRY RAJOELINA 26 octobre 2018  Hatsangantsika eto Manakara ny orinasa famokarana "Jus de l...
15/02/2023

PROPAGANDE2018 | MANAKARA | ANDRY RAJOELINA
26 octobre 2018

Hatsangantsika eto Manakara ny orinasa famokarana "Jus de letchis" ary hasiantsika centrale solaire ihany koa mba ahafahana mampihena ny vidin-jiro.Ampianarina ny zanatsika satria izany no lova tsara indrindra koa hasiantsika EPP, CEG sy Lycée ary terrain synthétique manara-penitra ho an'ny tanora. Hamboarintsika ao anaty fotoana fohy ny Pont Manakara Be. Mbola maro ireo foto-drafitrasa ho ataoko miaraka aminareo toy ny fanarenana ny hopitaly manara-penitra koa ampio aho ahafahako manampy anareo a.
Andry Rajoelina

Rava teo amn tir au but Argentina 4-2 France 😍 Congratulations Argentina 😍🇦🇷🏆🎊
18/12/2022

Rava teo amn tir au but
Argentina 4-2 France 😍
Congratulations Argentina 😍🇦🇷🏆🎊

Miarahaba manokana an'Atoa Marc Ravalomanana, filoha mpanorina ny antoko TIM, raiamandrenin'ny firenena sy mpitarika ny ...
12/12/2022

Miarahaba manokana an'Atoa Marc Ravalomanana, filoha mpanorina ny antoko TIM, raiamandrenin'ny firenena sy mpitarika ny mpikambana rehetra ao anatin'ny afon'ny fitiavan- tanindrazana amin'izao tsingerin-taona nahaterahany izao ny eto amin'ny Pejy.
Mirary ny soa sy ny tsara rehetra ho anao izahay mpikambana rehetra.
Andriamanitra Mahery anie hanafy hery sy tanjaka ary fahasalamana ho anao mandrakariva eo am-panatanterahana ireo adidy sy andraikitrao, ary mbola hanome tombon'andro hiainana anao hahatontosanao ireo mbola miandry anao.

Fanambarana lehibe izay hataon'ny Filohan'ny RMDM Marc Ravalomanana mahakasika ny raharaham-pifidianana, arahinao anio h...
07/12/2022

Fanambarana lehibe izay hataon'ny Filohan'ny RMDM Marc Ravalomanana mahakasika ny raharaham-pifidianana, arahinao anio hariva ao anatin'ny fampahalalam-baovaon'ny fahitalavitra MBS amin'ny 7ora sasany sy ny onjam-peo MBS amin'ny 7 ora hariva.

06/12/2022

Tapitra androany ny fe-potoana nomen'izy ireo hamaliana ny fitakiany amin'ny fampidirana ho mpiasam-panjakana, 1500 no ho raisina kanefa 686 no voaray.

ENS AMPEFILOHA

ENS AMPEFILOHA :  Raikitra ny fitokonana.  Mpianatra roa no voasambotra. Naneho ny fahatezerany ireo mpianatra. 686 tami...
06/12/2022

ENS AMPEFILOHA : Raikitra ny fitokonana. Mpianatra roa no voasambotra.
Naneho ny fahatezerany ireo mpianatra. 686 tamin’ireo 1500 mahery nandefa antontan-taratasy ihany no noraisina ho mpiasam-panjakana. Anton’ity hetsika androany ity.

05/12/2022

Efa tena lany henatra ny mpanakanto Malagasy, izao ve dia aseho imasom-bahoaka?

Anosimasina Itaosy koa  ...leo delestazy...Rnj Yvaldo Ad
02/12/2022

Anosimasina Itaosy koa ...leo delestazy...

Rnj Yvaldo Ad

Ampefiloha amin’izao, leo « délestage » ny mponina.
02/12/2022

Ampefiloha amin’izao, leo
« délestage » ny mponina.

PONT MANAKARA   -   NATAO TEFY MAIKA ? Notokanana omaly saingy rehefa tomorina Dia tena tefy maika tsy misy fenitra👀Heve...
29/11/2022

PONT MANAKARA - NATAO TEFY MAIKA ?
Notokanana omaly saingy rehefa tomorina Dia tena tefy maika tsy misy fenitra👀
Hevero hoe ilay teo alohan'io dia matevina 10 fois an'io kanefa camion iray d'efa tsy zakany ny vesatra. Raha ity fotodrafitr'asa nandaniana volambahoaka ity no atao tombana Dia tsy haharitra 3 taona akory.
Mila hoe MBA manao fotsiny ahafahana mi-wera² hanomanana 2023✌️
Ankoatr'izay dia ampatsiahivina fa mbola tsy mihodina ny FCE ary mbola tsy voaloa koa ny karaman'ny mpiasa ao, mosary ny vady amanjanakan'ny mpiasa. Ilay hôpitaly lazaina fa manarapenitra koa dia efa rava mipetra-potsiny ao, volambahoaka daholo anefa no navoaka nanomezana tolotsenampanjakana ny akamakama, tsisy arakaraka.
Loharano : Solo Soul'dAh

No comment
29/11/2022

No comment

FANENJEHANA NY TRANSPARENCY INTERNATIONALEfa ela no nanao fanairana tamin'ny ny fanagejana sy fanamparam-pahefana nisy t...
24/11/2022

FANENJEHANA NY TRANSPARENCY INTERNATIONAL
Efa ela no nanao fanairana tamin'ny ny fanagejana sy fanamparam-pahefana nisy tamin'ny resaka lavanila, na ny transparency International (2020) na ny gazety vahiny "le Monde" (2011), ary vao tsy ela ihany koa ny deputé Roland Ratsiraka no naneho ny heviny momba ny tsy mety ataon'ny mpandraharaha malagasy miezaka mifehy samirery io fanondranana io

🟣RESAKA DRONE - ISIKA EFA ZATRA MIESONA🟣Namoaka drone  vaovao  SMART SHOOTER indray ny israelienne mba afahana manohitra...
27/10/2022

🟣RESAKA DRONE - ISIKA EFA ZATRA MIESONA🟣

Namoaka drone vaovao SMART SHOOTER indray ny israelienne mba afahana manohitra ireo drone iranienne makao Ukraine. Ary ny antsika eto Madagasikara mba nanao ahoana ilay Drone nolazain’ny filoha fa hampiasaina amin’ny tsy Fandriampahalemana?

_ 𝙈É𝙏𝙃𝙊𝘿𝙀 𝘿𝙄𝘼𝘽𝙊𝙇𝙄𝙌𝙐𝙀 _Grave be ity méthode  FAMPAHANTRANA ny vahoaka Malagasy ity (ampandadizina) Tafiditra ao anatin'il...
27/10/2022

_ 𝙈É𝙏𝙃𝙊𝘿𝙀 𝘿𝙄𝘼𝘽𝙊𝙇𝙄𝙌𝙐𝙀 _
Grave be ity méthode FAMPAHANTRANA ny vahoaka Malagasy ity (ampandadizina)
Tafiditra ao anatin'ilay Stratégie "Hitazomana Fitondrana Ela" izao hiainantsika zao.. /.
"𝗔𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗻𝘁𝗿𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗻𝗱𝗮𝗱𝘆 𝗻𝘆 𝗩𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝘁𝗼𝗻𝗴𝗮 𝗛𝗶𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗸𝗲𝗹𝘆 𝗛𝗼 𝗮𝘇𝘆 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗶𝘁𝗮𝗺𝗯𝘆 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗶𝗳𝗶𝗱𝘆 𝗮𝘇𝘆 𝗻𝗱𝗿𝗮𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮" (𝗦𝘆𝘀𝘁è𝗺𝗲 𝗠𝗲𝘀𝘀𝗶𝗲 | 𝗦𝗮𝘂𝘃𝗲𝘂𝗿)
Mbola ampiharin'i Korea (Kim Jung Un) io méthode io amizao ary ampiharina eto Madagascar ihany koa _
(𝚛𝚎𝚑𝚎𝚏𝚊 𝚝𝚎𝚗𝚊 𝚖𝚊𝚛𝚘𝚋𝚎 𝚣𝚊𝚘 𝚗𝚘 𝚖𝚊𝚝𝚢 𝚊𝚗𝚢 𝙰𝚗𝚝𝚜𝚒𝚖𝚘 𝚊𝚖𝚒𝚣𝚊𝚘 𝚍𝚎 𝙷𝚘 𝚊𝚟𝚢 𝚝𝚊𝚖𝚙𝚘𝚔𝚊 𝚊𝚗𝚢 𝚖𝚒𝚊𝚛𝚊𝚔𝚊 𝚊𝚖𝚒𝚗'𝚗𝚢 𝙹𝚎𝚛𝚛𝚢 𝙼𝚊𝚛𝚌𝚘𝚜 𝚒𝚣𝚢 𝚑𝚒𝚝𝚘𝚗𝚍𝚛𝚊 𝚏𝚘𝚝𝚜𝚒𝚖𝚋𝚊𝚛𝚢 (𝚍𝚎 𝚝𝚜𝚒𝚜 𝚊𝚏𝚊𝚝𝚜𝚢 𝚒𝚣𝚢 𝚒𝚕𝚊𝚢 𝙼𝚎𝚜𝚒𝚊 )
_𝙃𝙤 𝙖𝙣'𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙖𝙛𝙖𝙠𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙙𝙚 𝙢𝙖𝙣𝙙𝙞𝙣𝙞𝙝𝙖 _
Mass'n Maysa Maysa

🟣Depiote malagasy : Vendrana ny maro🟣Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana faharoa ankehitriny ny depiote malagasy. Ny lalà...
26/10/2022

🟣Depiote malagasy : Vendrana ny maro🟣

Ao anatin’ny fivoriana ara-potoana faharoa ankehitriny ny depiote malagasy. Ny lalàna hirakitra ny teti-bolam-panjakana amin’ny taona ho avy no isan’ny ho vontoatin’ny fivoriana toa izao. Maro ny mahatsikaritra fa tsy takatry ny hoza-dohan’ireo depiote mandrafitra ny eny Tsimbazaza ny voarakitr’izy io.

Tsy ny lalàna momba ny teti-bolam-panjakana ihany no tsy fantatry ny maro amin’ny depiote fa na resaka fampianarana na fahasalamana na fotodrafitrasa na teknôlôjia, sy ny sisa. Izany no mahatonga an-dry zareo tsy hiady afa-tsy ny fanazavana ny jiro any aminy, ny fanamboarana ny paompy fantsakana, ny toeram-panasan-damba, ny varavaran-tsekoly na tafo soloina, sy ny toa izany.

Tsy hoe tsy zava-dehibe ireny fa raharahan’ny kaomina.

Ny depiote sasany dia ireny lasa manararao-pahefana, mandika lalàna, manao herisetra, mangalatra, mitsikombakomba amin’ny olon-dratsy…

Izany rehetra izany no mahatonga ny maro hilaza amin’izao fotoana hoe « mba hikatsahana ny tena tombontsoam-bahoaka dia tokony hasiana fepetra ny mombamomba ny olona hofidiana depiote, ka hofaritana ny fari-pahaizany farany ambany fa manala baraka ».

Tsy ny depiote ihany tokoa aloha no tokony hametrahana mason-tsivana toa izany fa na ny ho ben’ny tanàna na ny ho filohampirenena na ny ho depiote sy ny sisa.

Rehefa halalinina sy banjinina koa aloha dia izany no ilàna antoko politika mendrika ny anarana maha-antoko politika azy. Ao anatin’ny antoko politika dia tokony hisy ireo manam-pahaizana isan-tsokony : mpahay lalàna, mpahay fihariana, mpahay sosialy, mpahay fanatanjahantena, mpahay kolotsaina, sy ny sisa, ka rehefa hisy rijan-tenin-dalàna handraisana fanapahan-kevitra, na eo anivon’ny depiote, na any amin’ny fiadidiana ny tanàna, eny na izay hataon’ny governemanta sy ny filoha… dia ny antoko politika no mandinika azy, ary omena ny teknisiana ny famakafakana azy ka amohanan’ny teknisiana fehin-kevitra mifamatotra amin’ny foto-kevitry ny antoko misy azy, dia mafonja ilay izy.

Raha izao famotehana ny hasin’ny antoko politika izao no mitohy dia izay olona manam-bola na vendrana aza dia ho lasa olom-boafidy eto.

La Gazette

🟣HAFAKELY - FANAMBADIANA RAVA NOHON'NY RESA-KETOTRA🟣Teo ampisoratana tao amin'ny Kaominina Ivato no niseho ny tantana.Ma...
26/10/2022

🟣HAFAKELY - FANAMBADIANA RAVA NOHON'NY RESA-KETOTRA🟣

Teo ampisoratana tao amin'ny Kaominina Ivato no niseho ny tantana.

Mandefa rivotra angaha ianao hoy razazalahy?
Namaly am-pitsikiana kosa razazavavy sady niteny hoe "ie" fa tsy maimbo.
Izany ve dia tsy maimbo ?! Ity tena vehivavy tsy misy fotony, aiza koa ny hisy etotra manitra...lasa mandeha any fa tsy mila an'ity aho hoy hatrany ilay zazalahy...rava ny tsena ..

🟣NOSY MANODIDINA SY NY FAMPANANTENANA NATAON'I RAJOELINA🟣Nolavin'ny Frantsay ampahibemaso ny mety hisian'ny fiaraha-mita...
26/10/2022

🟣NOSY MANODIDINA SY NY FAMPANANTENANA NATAON'I RAJOELINA🟣

Nolavin'ny Frantsay ampahibemaso ny mety hisian'ny fiaraha-mitanana eo amin'i Madagasikara. Marihina fa nataon'i Rajoelina ho Ivon'ny fampielezan-kevitra nataony ny taona 2013 sy 2018 ny famerenana ireo Nosy ireo saingy izao tsy misy vokatra izao, 10 taona aty aoriana.

🟣NY ETO MADAGASIKARA TSY MBA MISY MANAIKY DISO IZANY🟣Amin'ny fomba ahoana no ahatonga ny Malagasy kely ahatrapa tena ho ...
25/10/2022

🟣NY ETO MADAGASIKARA TSY MBA MISY MANAIKY DISO IZANY🟣

Amin'ny fomba ahoana no ahatonga ny Malagasy kely ahatrapa tena ho tompon'antoka amin'ny fampandrosoana ny Fireneny raha toa ka tahaka izao ny fisainan'ny olom-panjakana?

Address

Ralaimongo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ActusMg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All