Flash MID

Flash MID Partage d' actualités
(1)

ANDININDININY MOMBA NY FANATANTERAHANA FAMORIAM-BAHOAKA SY HETSIKA AN-DALAMBEPRÉCISIONS SUR LA TENUE DES RÉUNIONS PUBLIQ...
04/04/2023

ANDININDININY MOMBA NY FANATANTERAHANA FAMORIAM-BAHOAKA SY HETSIKA AN-DALAMBE

PRÉCISIONS SUR LA TENUE DES RÉUNIONS PUBLIQUES ET MANIFESTATIONS SUR LA VOIE PUBLIQUE

03/02/2023
28/01/2023
16/01/2023
[ Kaominina ambanivohitra Soavina, 16 desambra 2022 ]Mitsidika ny Kaominina ambanivohitra Soavina, Distrikan'i BETAFO, F...
16/12/2022

[ Kaominina ambanivohitra Soavina, 16 desambra 2022 ]

Mitsidika ny Kaominina ambanivohitra Soavina, Distrikan'i BETAFO, Faritra VAKINANKARATRA, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin amin'izao fotoana izao. Nanolotra fiara "camion benne" ho an'ity Kaominina ity ny Minisitra, amin'ny anaran'ny Fitondram-panjakana, ary koa nanokatra ny tsenan'omby eto an-toerana.

ANDIANY MAMIRATRA : NAMOAKA MPIANATRA 1017 NY SAMPAM-PIOFANANA FITANTANANA ENY AMIN'NY ANJERIMANONTOLO ANTANANARIVOMpian...
02/12/2022

ANDIANY MAMIRATRA : NAMOAKA MPIANATRA 1017 NY SAMPAM-PIOFANANA FITANTANANA ENY AMIN'NY ANJERIMANONTOLO ANTANANARIVO

Mpianatra indray mpihira miisa 1017 izay misalotra ny anarana "MAMIRATRA" no nahazo mari-pahaizana "Licence" sy "Master" ka navoaka tamin'ny fomba manetriketrika androany zoma faha 02 desambra 2022.

Ilaina amin'ny sehatr'asa rehetra ny manam-pahaizana momba ny fitantanana, ary entanina izy ireo hiditra amin'ny sehatry ny famoronana asa sy fananganana orinasa, indrindra amin'izao fotoana izao satria maro ireo tanora tsy an'asa.
"HAMIRATRA eo amin'ny sehatry fianarana, asa, tokantrano, fiaraha-monina anie ity andiany MAMIRATRA ity, ka hihoatra ireo andiany zoky nifandimby mba ho reharehan'ny sampana Fitantanana sy ho reharehan'ny Firenena ihany koa" , hoy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, izay Ray mpiahy ny andiany, raha nitsodrano azy ireo.

Marihina moa fa nosokafana androany ihany koa ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny sampana Fitantanana.

JIR 2022Fitsidihana an'ireo tranoeva misy fampirantiana maro samihafa eto Antsirabe, Faritra VAKINANKARATRA.
24/11/2022

JIR 2022
Fitsidihana an'ireo tranoeva misy fampirantiana maro samihafa eto Antsirabe, Faritra VAKINANKARATRA.

LANONAM-PANOKAFANA OFISIALY NY HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FARITRA ANDIANY FAHA-4 ETO AMIN'NY RENIVOHITRY NY FARIT...
24/11/2022

LANONAM-PANOKAFANA OFISIALY NY HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FARITRA ANDIANY FAHA-4 ETO AMIN'NY RENIVOHITRY NY FARITRA VAKINANKARATRA.
Manome voninahitra izany lanonana izany ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa NTSAY Christian, miaraka amin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin.
[Antsirabe, faha 24 novambra 2022].

HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FARITRA ANDIANY FAHA-4.Hetsika fankalazana mandritra ny 3 andro ny hotanterahina eto A...
24/11/2022

HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FARITRA ANDIANY FAHA-4.

Hetsika fankalazana mandritra ny 3 andro ny hotanterahina eto Antsirabe, Faritra VAKINANKARATRA, manomboka anio alakamisy faha 24 novambra 2022.
Mitarika ny delegasiona avy amin'ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana hiatrika izany ny Minisitra tompon'andraikitra, Andriamatoa TOKELY Justin.
Hanomboka afaka fotoana fohy ny Lanonam-panokafana ofisialy.

CR SOAMANOVA, DISTRICT DE VANGAINDRANO
20/11/2022

CR SOAMANOVA, DISTRICT DE VANGAINDRANO

Manatanteraka ny hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe eto amin'ny Kaominina am...
19/11/2022

Manatanteraka ny hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe eto amin'ny Kaominina ambanivohitra SOAMANOVA, Distrikan'i VANGAINDRANO, Faritra ATSIMO ATSINANANA ireo tompon'andraikitra ety ifotony anio asabotsy faha 19 novambra 2022. Manatrika izany ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin sy ny delegasiona miaraka aminy.

ONJATSY, faha 18 novambra 2022. Mitsidika ny Kaominina ambanivohitra  ONJATSY, Distrikan'i VOHIPENO, Faritra FITOVINAGNY...
18/11/2022

ONJATSY, faha 18 novambra 2022.

Mitsidika ny Kaominina ambanivohitra ONJATSY, Distrikan'i VOHIPENO, Faritra FITOVINAGNY, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, amin'izao fotoana izao.

Misy ny fitokanana ny Biraon'ny Kaominina vaovao eto an-toerana sy ny fisalorana samboady ny Ben'ny Tanàna sy ireo Lefiny.

Nisy ny valandresaka ho an'ny Mpanao gazety notanterahina teny amin'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny Anosy androany tal...
15/11/2022

Nisy ny valandresaka ho an'ny Mpanao gazety notanterahina teny amin'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny Anosy androany talata faha 15 novambra 2022 momba ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny " hetsika iraisam-pirenena ho an'ny Faritra" (Journées internationales des Régions). Andiany faha-4 sy faha-5 ny hetsika izay hotanterahina any amin'ny Faritra VAKINANKARATRA sy IHOROMBE manomboka ny 24 novambra 2022.

Mitsidika ny Kaominina ambanivohitra Tsaratanana, anatin'ny Distrikan'i BORIZINY (PORT-BERGÉ), Faritra SOFIA, ny Minisit...
10/11/2022

Mitsidika ny Kaominina ambanivohitra Tsaratanana, anatin'ny Distrikan'i BORIZINY (PORT-BERGÉ), Faritra SOFIA, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin androany alakamisy faha 10 novambra 2022.

Mizotra ho any amin’ny Kaominina ambanivohitra Tsaratanana, Distrikan'ny Port-Bergé, Faritra SOFIA, ny delegasiona tarih...
10/11/2022

Mizotra ho any amin’ny Kaominina ambanivohitra Tsaratanana, Distrikan'ny Port-Bergé, Faritra SOFIA, ny delegasiona tarihin'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, amin'izao fotoana izao.

[ ALAKAMISY 10 NOVAMBRA 2022]

Mizotra tsara ny hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana eto amin'ny...
09/11/2022

Mizotra tsara ny hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana eto amin'ny Kaominina ambanivohitra AMBODIMOTSO SUD, Distrikan'i BEFANDRIANA AVARATRA, Faritra SOFIA amin'izao fotoana izao. Marihina moa fa nidina ety an-toerana ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, mijery ifotony ny fizotry ny asa rehetra.
[ AMBODIMOTSO SUD, 09 NOVAMBRA 2022]

Tonga eto amin'ny Kaominina Ambodimotso Sud, Distrika Befandriana Avaratra, Faritra SOFIA izao antoandron'ny alarobia fa...
09/11/2022

Tonga eto amin'ny Kaominina Ambodimotso Sud, Distrika Befandriana Avaratra, Faritra SOFIA izao antoandron'ny alarobia faha 09 novambra 2022 izao ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin.

Nodimandry ny talata faha 08 novambra 2022 i Tompokolahy JORONDRAZANA Paulin, Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Mahadrodroka, ...
09/11/2022

Nodimandry ny talata faha 08 novambra 2022 i Tompokolahy JORONDRAZANA Paulin, Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Mahadrodroka, ao anatin'ny Distrikan' i Analalava, Faritra SOFIA.
Tonga namangy sy nankahery ny fianakaviana mana-manjo ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, sy ny delegasiona notarihiny, androany alarobia faha 09 novambra 2022, famangiana izay notanterahina teto Antsohihy, Faritra SOFIA.

Nisy ny fivoriana niarahan'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, amin'ireo Solo...
08/11/2022

Nisy ny fivoriana niarahan'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, amin'ireo Solontenam-panjakana, Prefe sy Lehiben’ny Distrika, sy ireo Lehiben’ny Boriboritany ao anatin'ny Prefektioran' Antsohihy androany talata faha 08 novambra 2022 tolakandro.

Manohy ny fidinana ifotony eto amin'ny Distrikan'i Antsohihy, Faritra SOFIA, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-p...
08/11/2022

Manohy ny fidinana ifotony eto amin'ny Distrikan'i Antsohihy, Faritra SOFIA, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana anio talata faha 08 novambra 2022. Tonga nitsena azy teny am-pahatongavana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana.

Betsaka ireo olom-pirenena nahazo karapanondrom-pirenena maimaimpoana tato anatin'ny Kaominina Marovato, Distrika Ambanj...
07/11/2022

Betsaka ireo olom-pirenena nahazo karapanondrom-pirenena maimaimpoana tato anatin'ny Kaominina Marovato, Distrika Ambanja, androany alatsinainy faha 07 novambra 2022.

Anisan'ny tompon'andraikitra voalohany misahana ny raharaham-panjakana eny anivon'ny Kaominina ny Lehiben’ny Boriboritan...
07/11/2022

Anisan'ny tompon'andraikitra voalohany misahana ny raharaham-panjakana eny anivon'ny Kaominina ny Lehiben’ny Boriboritany.
Noraisin' Andriamatoa Minisitra TOKELY Justin mitokana ireo Lehiben’ny Boriboritany ao anatin'ny Distrikan' Ambanja mba ahafahan'izy ireo mitondra ny zava-misy sy hetaheta mahakasika ny fanatanterahana ny asa eny ifotony.

Nisy ny fivoriana niarahan'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, tamin'ireo Leh...
07/11/2022

Nisy ny fivoriana niarahan'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, tamin'ireo Lehiben’ny Boriboritany sy Ben'ny Tanàna ato anatin'ny Distrikan' Ambanja.
Izany no natao mba hifampizaràna ny zava-misy eny ifotony sy hanomezana toromarika mifandraika amin'izany.

✔️  OJSAN CNI✔️  KAOMININA AMBANIVOHITRA MAROVATO✔️  DISTRIKA AMBANJA✔️  FARITRA DIANAEto amin'ny Kaominina ambanivohitr...
07/11/2022

✔️ OJSAN CNI
✔️ KAOMININA AMBANIVOHITRA MAROVATO
✔️ DISTRIKA AMBANJA
✔️ FARITRA DIANA

Eto amin'ny Kaominina ambanivohitra Marovato, ato anatin'ny Distrikan' Ambanja, Faritra DIANA, no hanatanterahan'ny ekipa tarihin'ny Lehiben’ny Distrika ny hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana ary tonga eto ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, hijery mivantana ny fizotry ny asa rehetra.

Mitsidika ny Distrikan' Ambanja, Faritra DIANA, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY J...
07/11/2022

Mitsidika ny Distrikan' Ambanja, Faritra DIANA, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa TOKELY Justin, anio alatsinainy faha 07 novambra 2022 ary miatrika ny Assemblée générale, fanao isaky ny alatsinainy, miaraka amin'ireo Lehiben’ny Sampan-draharaha sy ny mpikambana amin'ny OMC.

Address

Antananarivo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Flash MID posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share


Other Media/News Companies in Antananarivo

Show All

You may also like