03/05/2021
Ministre Lalatiana VS Gascar.
Eo ihany izany fa mba manomboka mahita rano mandritry ny hain-tany koa ny any atsimo na tsy mbola tafavoaky ny ala ary.
🔴 Faritra Androy : fotodrafitrasa marolafy ahazoan’ny mponina rano fisotro madio, sy rano ho an’ny fambolena legioma sy ny fiompiana
🔶️ Miroso amin’ny fametrahana fotodrafitrasa marolafy momba ny famatsiana rano any amin’ny Faritra Androy ny Governemanta ankehitriny : rano fisotro madio ho an’ny mponina, rano mitsitaitaika, entin’ny fantsona voakajy, hanondrahana ny voly legioma, ary rano ho an’ny biby fiompy.
✅ Hatramin’ny taona 2020 no mankaty, lavadrano vaovao miisa 193 ombàn-fitaovana fitarihana no vita, 50 kosa ny lavadrano noavaozina, ary tambajotran-drano 5 no naorina. Fiaraha-miasa amin’ny UNICEF no nanatanterahana izany, ary eo ihany koa ny fiombonana ezaka amin’ny Ministeran’ny fambolena, ny fiompiana, ary ny jono, eo aniovon’ny fandaharanasa DEFI (Fampiriborobona ny sehatra fambolena sy fiompiana). Vita ankehitriny ny tambajotra ao Evaho, (Kaominina Ambanivohitry i Sihanamaro), ny ao Tsiabetsaka (KA Jafaro), Antanile (KA Manombo), ary ny ao Ankilimaso Ambany (KA Mikaiky Arivo Ambatomainty).
✅ Mamatsy rano fisotro madio ho an’ny mponina, amin’ny vidiny tena mirary, ireo tambajotra ireo, no koa mitondra ny rano ilaina amin’ny fanondrahana ny voly legioma sy ho sotroin’ny biby fiompy ; ity lafiny ity dia manampy ny isam-pianakaviana hanitatra ny ambaindain’ny vola miditra aminy, no sady manatsara sy miantoka ny eo amin’ny ara-tsakafo. Olona sahabo ho 43000 no misitraka rano fisotro madio amin’izao fotoana izao. Etsy an-danin’izany dia toeram-pambolena legioma miisa zato no hahazo rano, miainga avy amin’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny tanana na koa amin’ny taramasoandro, amin’ny volana jolay avy izao no ho vita io, ary mbola hitombo isa izany mialohan’ny faran’ity taona ity.
✅ Momba ny rano fisotro madio ihany, dia misitrika azy ankehitriny ny mponina ao Faux Cap Centre, Anovy, Benonoka, ary Belitsaka. Vita soamantsara ny zotra mampifandray ireo tanana ireo, misy mponina 6000, amin’ny fantsonabe avy any Ampotaka ; marihina fa olona miisa 36000 no efa mahazo rano fisotro madio avy amin’ity fantsonaben’Ampotaka hatramin’izay. Mpandraharaha matihanina tsy miankina no miandraikitra ny fitsinjarana ny rano, ary ny Fitatanam-paritra miadidy ny rano, ny fanadiovana, sy ny fidiovana, no miadidy ny fahatezan’ny rafitra sy ny tolotra.
Source: Ministère de l'Eau, de l'assainissement et de l'Hygiène de Madagascar.