Rian'ando

Rian'ando ASA SORATRA (...)❤️❤️❤️😘

Hitan'ny gazety❤️
02/10/2023

Hitan'ny gazety❤️

BITRO (...)Angaha tsy efa voasoratra hoe :Mamenoa ny tany?Mampafoaka be ange ho'aho ny dingana hahatongavana amin'izany ...
16/09/2023

BITRO (...)

Angaha tsy efa voasoratra hoe :
Mamenoa ny tany?
Mampafoaka be ange ho'aho ny dingana hahatongavana amin'izany e!
Kizokizo iray an'ireo ankabeazan'ny miaina eto an- tany
Lazao indray fa lainga 'zany!

Angaha tsy harena indray ny zanaka nateraka?
Ny anay 'zao ao an- trano tsy latsaky ny efatra no manitsaka
Raha reraka
Tsy mila 'zay radiô
Fa ny hira mifangaron'ny fampiasana pô
No rotsirotsin'ny alina
Tsy misy 'zay ambin- kanina.....

Saingy 'lay anaram- bositra ataon'ireo mpialona no tena mba tsy tiako
Iza no naningina ny soram- piankohonako nanovana azy : Bitro ?

Rianando ✍️
(20230916)

HO AN' I EX(...)Avalony im- pito ataovy fato- maty 'Zay antsika roaAza mifandrangitra sy mamboly aretim- poFa taloha ny ...
30/07/2023

HO AN' I EX(...)

Avalony im- pito ataovy fato- maty
'Zay antsika roa
Aza mifandrangitra sy mamboly aretim- po
Fa taloha ny hoe malala
Avalony hatreo hijanona ho tantara
F'efa samy niala
Moa...
Aza dia mifanadala
Mantsy ankehitriny ianao efa voafafa
'Lay toeranao nindramina efa lasan'olon- kafa
K'aza dia mandany andro mitsikilo an'ahy maharitra
F'hiozonako amin'ny razana sy hivoadiako hatrany an- danitra
Fa...
Tsy ho tiako intsony ianao!

Manaiky aho nety nisy ny ratsy nifanaovana
Dia...
Nahatonga ny fandaozana
F'aza mendamenda mijery ny hamanjako
Na koa hoe hamela 'zay mety ho fahotako
Fa tsy ilaiko intsony
Efa tsisy fika
Efa vita ny amintsika
Rehefa izay dia izay
Niakatra ny soratra(...)
Horonantsary hafa indray!
Raha tsy mahita tory mivadibadika maharitra
Dia...
Etsy ianao atoroko
Taneho ny veromanitra
Ataovy very sasaka
Fa...
Ny marina d'izao:
Tsy tiako intsony ianao !

Rianando ✍️

28/07/2023

MAHAZO POTRAKA(...)!.....
(Rianando)

14/07/2023

ALEO MITIA POETA (...)!

TSY HAINY (...)!Nitraka izy (...)N'aza mbola haizim- pito ny lamba izay nandrakotraNy vatany marefoNahirany ny masony na...
12/07/2023

TSY HAINY (...)!

Nitraka izy (...)
N'aza mbola haizim- pito ny lamba izay nandrakotra
Ny vatany marefo
Nahirany ny masony na tsy hainy aloha hatreto
Izay mety hiafarany
Notehiriziny mangina tany am- pony ihany
Ny faharesena anaty
Mafy...tena mafy...
Saingy...
Tsy vitany narenina
N'aza hiriany mbola haverina
Dia...
Tsy sahiny teneina
Fa...
Menatra izy (. ..)

Marary izy (...)
Saingy...
Noezahiny nafenina tao anatin'ny maso mena fotsiny ihany
Sy endrika manjombona soritan- tsiky kely hatrany
Ny tsiambaratelony(...)
Namarana ny nofiny (...)
Tamin'ny loha izay milofiny
Kotsan'ny tomàny
Hainy foana foana ny nanafina an'izany
Fa tsy hainy hoe...nahoana
No nosomparan'ny fotoana!
.......
Marefo izy (...)!

Rianando 📝

ANTEMAN' NY FO 😘❤️Hiraiko ho anao androanyNy hiran'ny anteman'ny fo izay manimaninaRitsoky ny tsiahy sy vesatry ny tiana...
04/07/2023

ANTEMAN' NY FO 😘❤️

Hiraiko ho anao androany
Ny hiran'ny anteman'ny fo izay manimanina
Ritsoky ny tsiahy sy vesatry ny tiana
Izay sarotra takarina
Ny any fenomanana ny taratra diavolana a !
Fa ny eto akia botsiakan'ny habakaba- mangan'ny feon- gitara 'zay mingonona !

Tsikin-dranomaso ny takarivakeliko manirery aty
Setroka tomàny mampijojo ranomaso ny ao an-dakozia !
Tazanao koa 'zao iry kinta-manjopiaka iry ambony iry e!
Loha mavesatra
Sy maso mikonetaka
No mipitra mangaihay
Sento anaty orok'izay sarinao izay !

Hiraiko ho anao androany
Ny hiran'ny anteman'ny fo izay manimanina
Ritsoky ny tsiahy namaka f'efa tia
Saingy...
Sarotra takarina !.......
Tafandria mandry !

Rianando 📝

ALEO MITIA POETA(...)Aleo mitia poeta raha hitia ihanyF'ireny akia no lafatra a!Azonao hianohana ny angotin'ny ankamanta...
04/07/2023

ALEO MITIA POETA(...)

Aleo mitia poeta raha hitia ihany
F'ireny akia no lafatra a!
Azonao hianohana ny angotin'ny ankamantatra
Fonosi- misiterin'ny habaka hanidinany
Azonao vantanina ny lanitra hisitrihany
Eo ampankafizana ny kalo 'zay vazoiny
Afaka hamindroina ny otrikafom- pony
'Zay hiarahana mibonoka
Moa...anao irery ihany ny hamamin'ireo oroka
Natohoky ny molony
Tanaty endrika mambabo norakofam- pahatsorany!

Manja ny poeta(...)
Aleo mitia poeta raha hitia ihany
F'ireny tsy mamitaka
Tsy mahay manitsakitsaka
Fa rehefa tia dia tia!
Tsy lainga sanatria...
Fa...
Azonao diavina ny volana botsiaka am- pitetezan- kintana
N'aza tsy hainao faritana
Ny ritsoky ny soratra mikoriana anaty rà
Dia...
Lokon'ny poeta ny hatsaram- panahy!....
Fa...manja ny poeta !

Rianando ✍️

SLAM OU PAS 💔..........TOKO SY ANDININY (...)Hainao naventy ny episitilin'ny apostoly nifatotra rojoTaratasy fahatelon'i...
02/07/2023

SLAM OU PAS 💔..........
TOKO SY ANDININY (...)

Hainao naventy ny episitilin'ny apostoly nifatotra rojo
Taratasy fahatelon'i Jerosalema hilatsahana am- bovo
Tirakita roa no notsinjaraina :
Fo nikonetaka sy volana feno ny alok'anjely
Feo manangoly nalanton'ny ngadony nisy sonia no indro niraina
Fa lalina ho'aho!
Fo voatsindrona nivaky roan'ny fakam- panahy
No fonony ivelany
Matahotra be aho fa misy forohana mitera- tsetroka ny tendron'ny lelany
Hay(...)!
Azoko nofy ny ali- mikiky
Fa sary miaina tsy mety voafafa ny maso natopin'ny tsiky manify!
Tantara ity (...)

Hainao naventy ny episitilin'ny apostoly namelatra harato
Natsongoloka ny hazo
Ny loha indray no ambany
Hanitsahana tany
Ivin'ny molotra matim- pitsentsitra no solom- papay
Kapoka nihoatran'ny im- pito naninjitra
Ny seho ankiray
Statisitika tsy haiko namaky no notsinjaraina
Ny hany tinazako dia pika sarin'ny manary aina
Tady mahazakan'ny tia nolalaina
No fatotra farany
Feo tsy nitohy fa ny tapany aloha no niantsoana ny anarany
Folo arivo mivelatra mandidy rirana no sary nentiny an- tsainy
Dia...
Tapitra ny ainy!
Tapitra!
......
Anaty afo fandiovana!

Rianando 📝

TSY AMEN 💔Andriamanitra o!Raha toa ka mbola ny amiko no mety hitondra rahona handoko ny anoloanaDia eo meteza hanafoana'...
01/07/2023

TSY AMEN 💔

Andriamanitra o!
Raha toa ka mbola ny amiko no mety hitondra rahona handoko ny anoloana
Dia eo meteza hanafoana
'Zay mety ho anton'ny fisiako
Fa raha mbola ny amiko ihany no nahatonga ratran'ireo 'zay tsy noraharahiako
Dia...meteza hanafoana
Ny alin- dohantaona
Fa akory tsy maninona
Aoka ho tsinontsinona
'Zay mety ho fisasarako
Vonoy koa ny anarako
Fa tsy hitondra soa!
Moa...raha mba misy ihany zo
Ahafahako miangavy
Dia eo moa azafady e !

Andriamanitra o!
Raha toa ka mbola misy ny tara-diavolana
Hitsena 'zato tavako
Dia...aza fohazina aho fa aoka tsy ho ravako
Ny aizim- be manafotra
Ampodio ho vaingan-drano ny lamba izay firakotra
Haharitra izany aiko
Hajanony koa ny foko mba handrian'izany saiko
K'hahavita hanadino
Amin'izay fotoana izay dia hahatsapa aho sady hino
Fa...
Rehefa mba mangataka
Dia ny morony mba takatra!...
Tsy amen !

Rianando ✍️

ANKIAFINY (...)Hainao vakiana tanatin'ny fitaratry ny maso menamenatraNy ankiafim- ponyHainao ny ankamantatry ny amboara...
30/06/2023

ANKIAFINY (...)

Hainao vakiana tanatin'ny fitaratry ny maso menamenatra
Ny ankiafim- pony
Hainao ny ankamantatry ny amboara- toka- notrotroiny
Fa loko iray monja
N'aza norakofan'ny tsiky aman- tsomonga
Dia...
Indro ny alon- tsentony fa niampify teny ihany
N'aza tsy nasehony fa nokoboniny any (...)

Hainao nisangiana ny valombalon'onja naharendrika ny androaniny
Manko laninao tsianjery ny diso sy ny mariny(...)
Hatramin- dreo diariny (...)

Diariny (...)
Sisan- dranomainty niventy sy nihira ny nisy sy tsy misy(...)
Vahan'alahelo sy fafin- dranomaso manerika manify
Tsiky noravahan'ny maso bongobongo
Dinitry ny lasan'ny forohana nirongo...
Ny endrika mangaina!
Saingy...
Taraina fe- taraina!

Rianando 📝

FE SY BOKY (...)Nandia zavozavo(...)Naranty narenty ny bikan'ikalaMaro mpanonofy nidongy ho malalaFa...Azo nofisina ambo...
19/06/2023

FE SY BOKY (...)

Nandia zavozavo(...)
Naranty narenty ny bikan'ikala
Maro mpanonofy nidongy ho malala
Fa...
Azo nofisina ambony fandriana
Azo lalaovina ho kindriandriana
Nampijanga ambiroa tra-maraina an- dankira

Lasa ny tato (...)
Valahana sisa no manakotsako fa ny alina hiraisana efa dify ihany
Raha iny mahatsiaro dia ... mijery ny rindriny misy ny sarin'ny tapany ambany
Matotr'izany!

Sary naraikitra anatin'ny kipin'ny maso mijery
Sary namaritra ny izin'ny iziny efa tsy misitery
Fa ny telozoro marevaka nanafenan-kenatra
Nahendratrendratra
Fa...
Sady manify no nahazo sisiny
Sa mivilana mihitsy no tena mahitsiny ?

Niventy... miventy ny jilam-panahiny hiantsy ny fitsaky ny retsika hendry
Mikoka, manaitra miantso mpitendry
Fa...
Ny tevin'ny boky toa manify ihany
Fa ny fe- miampofony ?
Tsy haiko izay any!

Rianando ✍️

VOARAIKO FA MISAOTRA(...)Raha mbola tazanao ny volan- kely sisa ravaky ny lanitraRaha toa ka mbola misy maraina mifandim...
11/06/2023

VOARAIKO FA MISAOTRA(...)

Raha mbola tazanao ny volan- kely sisa ravaky ny lanitra
Raha toa ka mbola misy maraina mifandimbin'ny ampitso tsy voafaritra
Dia...
Mbola any ho any aho...
Ambadiky ny misy saingy...tsisy anao
Fa...
Nasingan'ny segaondra izay namadika ny anio
Tsy tomany akory io masoko io
Fa mantsy ditsok'ihany
Manko bongo fotsiny ka mararirary!

Raha...intsony tsy ho tazanao
Ny volan- kely sisa ravaky ny lanitra
Dia indro nody haizina ny kely hanitranitry ny vovoky ny lasa
Lavo resin- dratra
Ka...
Tsy any ho any intsony aho
Ka mampamangy indrindra
Am- poko nenti- maty akia ny hafatrao nafindra a!
Novinaky im- polo mihoatra
Voaraiko fa misaotra !

Rianando 📝

LAMBA MAINTY(...)Nisisika nanaraka ny alokao nidify ny fo tsy raharahianaF'ianao akia no hafalianaSy lamba izay tinafiny...
04/06/2023

LAMBA MAINTY(...)

Nisisika nanaraka ny alokao nidify ny fo tsy raharahiana
F'ianao akia no hafaliana
Sy lamba izay tinafiny
Fitara- nitarafany
Ho mamin'ny androny miposaka
Ando izay mirotsaka
Nantenainy handena ny karankain'ny omaliny
Fanafodin-dratran-dreo sento aman-tomàny (...)

Nanjohy anao teny tamin'ny maso tsy mba maina
Ny ranomaso niteteny hitsenana ny maraina
Fa tokana no tiany !
Dia... fotsiny ihany ianao
Hosodokon-drahomainty isan'andro lava izao
No zary mitatao
Manaloka ny androaniny
Tsy hainy notakariny
Ny hany indrokelin'ireo tsy fahatsiarovana
N'aza hatrany am-piandohana no efa notandrovana

Tapaka fivoy tsy hahatody eny am-pita
No sisa mba nijanona
Habakaba-foana sy ranomason-driaka no fahatra ijoroana
Endrika farofin'alahelo izay mikiky
No hany solon- tsiky
Lokon-damba mainty miampanga volon-tsaona
No narakotrao handiavako ny fiavin-dohantaona !.....
Malahelo aho(...)!

Rianando 📝

EFA VASOKY NY LASA(...)Raha indro fa nitranga ny anjara tara- bolany dia nazava mbamin'ny alinyNofeheziny ny omalinyTsy ...
27/05/2023

EFA VASOKY NY LASA(...)

Raha indro fa nitranga ny anjara tara- bolany dia nazava mbamin'ny aliny
Nofeheziny ny omaliny
Tsy hanarakaraka ny lokom- pahasambarana namaritra ny androaniny
Maina ny tomaniny!

Boky iray vaovao tsy mbola nokasihina no nanombohany diary
Ny fakom- pahatsiarovana sy ny kisarisary
Efa nandavenona fony vao nanitsaka ny lalam- ben'ny anio
Fo iray madio
Manakaiky lafatra
Tsy misy ankamantatra
No ravaky ny rindriny
N'aza tsy ela no narindriny
Ny vavahady tokana nisy sariko ankiray
Dia...
Ratra mafin'ny fanahy
Mitafy nofo ihany anaty lamba tokan- tsosona
Efa vasoky ny lasa sy ny ampitso hitotofana
No havatsa izay nanomboka ny nofy nitambarany
F'efa maty ankaranany!

Rianando 📝

IZAY HIRA IZAY(...)Namoha ny omaly indray 'zay efa tsara valona nifatotra im- pitoIzay hira iray izay!Nampangoraka fanah...
25/05/2023

IZAY HIRA IZAY(...)

Namoha ny omaly indray 'zay efa tsara valona nifatotra im- pito
Izay hira iray izay!
Nampangoraka fanahy
Haminany ny ho avy miandry valin'ankamantatra
Ny vatana efa sasatra
Nandiny ny andraso tsy nisy fahataperany
Sy ny aloka navelany!
Hanakona ny anjara
Voarakitra tantara!

Ritsoka nanindrona ny fery saika ho maina ny tonony vetsoina
Nampitsikafona indray ireo tsiaro novonoina
Toy ny vao omaly
Nanendaka indray ny havatsan'ireo jaly
Nanomboka ny fo
Ny vona fatomatin'ny lasa tany aloha!

Izay hira izay(...)
Hiran'eso(...)
Hiran- tsento(...)
Fingononao matetika
Fony ianao tsy dify
Hira nampisisika ny foko hitampify!
......
Tomàny aho!

Rianando 📝

TSY HAIKO(...)Sitrako indrindra Raha...Ho foana ny alahelo manafy ny tsanganakoHo maina ihany koa ny ranomaso izay tsy t...
19/05/2023

TSY HAIKO(...)

Sitrako indrindra
Raha...
Ho foana ny alahelo manafy ny tsanganako
Ho maina ihany koa ny ranomaso izay tsy tanako
Dia...
Handry aho na irery anaty torimaso lalina
Tsy hisy tebiteby na koa filàna vanina
Mba hanefy indray ny misiko
Hitehirizako mangina ny rary sy ny indrisiko(...)

Dia...
Hataoko hoe...
Na dify niankandrefana niala sasatra aza ny masoandron' ny hazavako
Ka handrakotra haizim- pito 'zay lalana hombako
Dia...
Tsy ho haiko hatao ahoana
Satria...
Tsy haiko ny hanafoana
Ny boky izay mivelatra anaty masoko ao
Na nasitriky ny foko tsy nolazaina anao!

Rianando 📝

VOAY(...)!Any ilay razoky ambonimbony toerana ao amin'ny minisiteraMaromaro baoritra fa tsy mahafehy tenaMpanararaotra f...
18/05/2023

VOAY(...)!

Any ilay razoky ambonimbony toerana ao amin'ny minisitera
Maromaro baoritra fa tsy mahafehy tena
Mpanararaotra fahefana
Tavatava-gidro matevitevi-molotry ny resaka filàna
Amin'ny sipa 'zay mandalo
Manamby , mampanaiky sady sahy manao takalo
Fa tsy misy manahirana
Raha afaka hidirana
Ny varavaran-dry
Afangaro ny arak'asa ny kilalaom-pitia !

Any ilay razoky tsaratsara toerana ao amin'ny minisitera
Roapolo taona mihoatra kely ny elanelantsika raha atao ny salan-taona
Papapapa saosy tsara palitao matimaty pasoka
Matavitavy hatoky
Ny hery famoretana
Aminy filalaovan' entana.

Any 'zay ianao...
Ambony seza mihodinkodina
Ao anatin'ny birao !

Rianando 📝

TSY MANADINO NY ETO!Tsy manadino ny eto n'aza noroahin' ny tsy fahafaha- manoatraTsy afaka mitroatraFa...Miandry ny anka...
09/05/2023

TSY MANADINO NY ETO!

Tsy manadino ny eto n'aza noroahin' ny tsy fahafaha- manoatra
Tsy afaka mitroatra
Fa...
Miandry ny ankamantatra fonosin'ny ampitso
Na ho marina na ho diso
Ny fihevitrevitry ny tsirin'eritreritra
Mazàna miherikerika
Anatin'ny baraingo maro tsy voavaly
Mahatsiaro ho mijaly
Saingy ...
Mbola hafiko ihany!!

Mampamangy indrindra
'Ty foko tsy mifindra
Fa mbola miandry foana
Maniry,manantena ny mbola ho tafahaona
Raha any andro ho avy
Saingy...
Tsy afaka hanery na koa hiangavingavy
Ny fonao hatokana hajanona ho ahy
Sanatria tsy hoe manahy
Fa...
Ny ela misitery
Ka mety hahavery
Ny toky sy ny tsiaro
Sy ny dina nifangaro!

Tsy manadino ny eto!
Fa vonona hiaritra ny hamandom- bisavisa
Na rara- dranomaso tsy hita any ampita
Aza dia...
Fafako irery ihany!
Manantena hatrany
Na tsy fantatro aza ny any(...)

Rianando

NY FITIAVANAY ROA(...)Nisedra ady sarotra sy fitsapana maro ny fitiavanaySaingy...Vao mainka indray...Nanamafy fatotra n...
08/05/2023

NY FITIAVANAY ROA(...)

Nisedra ady sarotra sy fitsapana maro ny fitiavanay
Saingy...
Vao mainka indray...
Nanamafy fatotra navona tsy hiboraka
Tsy nety rava na koa rodana tanatin'ny horakorak'
Ireo tsy tia sy mpanaratsy
Fa na inona nafafy
Dia...
Vao nihanandatsa- paka
Ka nametrak'ho mpanjaka
Tao anaty lapan'
Ny fonay nikambanana
Hianok' hasambarana!

Nandalo tsy fisiana sy nizaka fijaliana ny fitiavanay
Saingy...
Vao mainka indray...
Nifaningotr'aina sy tsy nifankafoy
Fa ny anay manko ny "eny" tsy mba tsifoifoy
Fa...
Entina any ankoatra
Ka na inona fisamboaran'ny rano 'zay mandroatra
Dia ny anay tsy ho rava 'zany
Iarahanay mitelina ny ngidy mba ho mamy
Fa mantsy raha tomàny
Dia...
Tsiky no hiafaràny!

Hisedra ady sarotra sy fitsapana maro ny fitiavanay
Saingy...
Hirehitra ho mafana doria mandrakizay!

Rianando✍️

HOY AHO TAMIN'IZAY(...)Hoy aho tamin'izay...Aleo mitia ihany na naratra tany alohaFa mantsy manko akiaTsy mitovy avokoaN...
07/05/2023

HOY AHO TAMIN'IZAY(...)

Hoy aho tamin'izay...
Aleo mitia ihany na naratra tany aloha
Fa mantsy manko akia
Tsy mitovy avokoa
Ny fo mitepo te- ho roa
Fa ny toky mety ho iray
Hoe 'lay henonao omaly indray
No mbola averiko eto androany
Saingy...
Ny ahy tsy lany 'zany !

Hoy aho tamin'izay...
Raha dila niankandrefana ny hazavàna teto
Dia...
Etsy ianao ho fihiniko anaty kalom-betsovetso
Dia hitety irony kintana
Miavia eto ampofoiko fa ny eto tsy hay faritana
Ny fo mitepo anao
Raha misy vesa-tsento mitady hilatsaka ao
Dia...
Avelao hiraraka mba ho ritra androany androany
Moa...zaho koa efa eto hamafa 'zay tomàny !
.....
Fa hoy ianao tamin'izay...
Tsy haiko(...)
Inona no zavatra tokony ho lazaiko!

Ony R Andriamparany - Rianando✍️

ENTO AM- BAVAKA AHO(...)!Angamba ny androany tsisy resaka fitiaNa fampiarahan--dia fa...Mitso-drano ahoNdrao ho lany hia...
01/05/2023

ENTO AM- BAVAKA AHO(...)!

Angamba ny androany tsisy resaka fitia
Na fampiarahan--dia fa...
Mitso-drano aho
Ndrao ho lany hiandrasana tsy misy
Ny fitiava-mitampify
Ao an- tratranao
Mantsy tsapanao
Fa...
Ny eto tsisy hatoraka
Sady angamba koa tsy mety raha toa ka fo mangoraka
No indro nandrimbinana
Sy natao hitampikirana
Dia hifandany zara
Miala...!no itako fa tsara !

Eny retsy(...)
Mba nanarim-bintana
Hahatakatra ny kintana
Hataonao kilalao
Saingy...
Hatramin'izao
Dia...
Mbola eto foana
Tsy mety ho lohataona
Fa hempaky ny omaly
Ianao tsy hahatanty jaly
Ka mitso-drano aho
Na mba nofinofiko anaty faniriana
Ny tsy ho sehatr'hakiviana
Dia...
'Zao ketraka ny foko
Aleo ianao miova loko
'Ndrao ho rodan'ny fotoana
Raha hiandry foana foana!...
Mba ento am- bavaka aho!!

Rianando✍️

REHEFA IANAO HITIA(...)Matoa tafara- dalana dia nisy nitovizana ny vazo 'zay nirainaRehefa ianao hitiaDia...'Zao ataovy ...
27/04/2023

REHEFA IANAO HITIA(...)

Matoa tafara- dalana dia nisy nitovizana ny vazo 'zay niraina
Rehefa ianao hitia
Dia...
'Zao ataovy an- tsaina
Tsy azo hihodivirana ny antsefaky ny ampitso
Fa misy ny tsy nahy na koa fanahy iniana mety hahadiso
Ny andaniny sy ankilany
Dia...
Haratra kely ianao anoloan'ny zara vilany!

Manko...
Tety onja ny fiainantsika ety
Fa ihany fotsiny...
Mahaiza mankafy
'Zay mety ho fisamboaran'ny tevina hihaviany
Fa...
Matoa ianao tsy ariany
Dia...
Mantsy mbola tiany!

Rehefa ianao hitia ...
Toa saro- piaro fotsiny
Eny ekeko 'zany fa ny tiana mahasarotiny
Saingy...
Aza atao rojo ho fatotra maharariny
Ny filàna vaniny(...)
Fa...
Raha toa ianao hitia
Dia...
Kojao ny fo fa marefo sy malia!

Rianando✍️

ALAHELO(...)!!Teto nisy lanitra nosaronan- drahonaMitafo babangoanaNifaritra nanaraka ny hitsy nofaritana salahatry ny v...
25/04/2023

ALAHELO(...)!!

Teto nisy lanitra nosaronan- drahona
Mitafo babangoana
Nifaritra nanaraka ny hitsy nofaritana salahatry ny vintana
Namafy tsy nijinja
Ny ketsa mba nafindra!

Teto nisy habaka tsy nety mba ho manga
N'aza nibaliaka
Dia...
Sinori- bangavanga
An- doko miforetaka
Takoso- mifotetaka!

Fa...
Teto nisy lanitra nivavahady ihany
Saingy ...
Trobaka izy hatreto
Mando sady petsan'ny sento aman- tomàny
Dia...
Mirehoka mivetso!...
Malahelo!!

Rianando 📝

TSY ANKIAFINA(...)Nanaraka ny moron'ny noheveriko ho marivo Ny zotram- paladihikoNanantena ny farihikoTsy ho vaky fefi- ...
11/04/2023

TSY ANKIAFINA(...)

Nanaraka ny moron'ny noheveriko ho marivo
Ny zotram- paladihiko
Nanantena ny farihiko
Tsy ho vaky fefi- morona
Ka na nadiva sy nandrorona
Aza iny niankandrefana iny
Dia...
Ny tsirim- pifaliany
Hisy hazavana hiposaka tsy ho ela
Ka...
Tsy ho lavo na hianjera
Fa ny sandrinao no rindrin- tokana hiankinany
Ho arofanina sy hamefy ny tanjaka hisidinany!

Fa...
Mantsy tora- po fa tsy nahay fangala- piery
Matetika resahiny tiany ho vitanao tsianjery
Na hatramin'ny sisan'afo midonaka tsy lena...
Tsotra ny fisainany ka tsy nahay nampirin- tena
Amin'ny mety hanafintohina(...)
Kanefa...
Lava- nolozohina
Hanaraka ny moron'ny noheveriko ho marivo
An- jotra- paladihiko
Ny tsy ankiafina naborako tamin'ny ady 'zay nihanihiko!

Dia...
Hotsaka sy ditsaky ny alina tsy hisava hatrany am- para- atiny
An- tena izy anefa fa tsy akory nofy ratsiny
Fa...
Vitany nisaina ny doboky ny fony tanatin'ny minitra
Rivotra nitsoka sy maso 'zay nipitra
Navonton'ireo lasany
No nanokatr'indray ny ratrany

Natovona izy 'zao!
Fa...
Mantsy...
Hijanona ho ahy 'ndrao hamendrofendro anao!

Rianando 📝

SIPAKO TALOHA(...)Malala o!Niantso an'ahy matetika 'lay sipako talohaFa hoe tsy dia salama loatra fa misy aretim-poDia h...
28/03/2023

SIPAKO TALOHA(...)

Malala o!
Niantso an'ahy matetika 'lay sipako taloha
Fa hoe tsy dia salama loatra fa misy aretim-po
Dia hono hitady dokotera
Niangavy sy niera mba hivantana ato amiko
Fa hono aty no tiany
Moa ireo mba fianakaviany
Lazainy misimisy toetra
Sarotra iaraha- monina amin'ny lafiny rehetra (...)

Fa...
Malala a!
Tsy nasiako olana
Fa nekeko am-po madio tanaty fahamatorana
Fa tantaraiko anao...
Ny andro voalohany?
Ny laoka no niantohany !
Rehefa hatory indray
Dia niray fandriana 'zahay
Fa hainao koa moa fa ny efitra ankiray
Fa tsy nisy zava-bita a!
N'aza anaty lay fa ny moka iaraha-mahita
Fa mirongatra amin'izao
Mety hafahafa 'zao ny ao an'eritreritrao e !

Dia ...
Malala a!
Raha androany aho rava niasa dia gaga tsy nahateny
Fa ny akanjoko nivalona no eny ankodiny eny
Fa hoe kotsa izy aninkeheo
Dia aleo hono indraminy anaovany aloha ireo !

Mmm...
Malala a!
Tsaratsara resaka 'lay sipako taloha
Fa mitady hanjono fo
Mindrana finday...mitady hiatsampitsampy...
Haiko 'ndray 'zao ny sainao fa mitady ho ratsy e !
Nefa...
Hono izy tsy tamàna
Dia...
Lasa vao maraina
Nefa alina aza toa reko minainaina
Asa angaha marary ?
Zaho koa moa nofohaziny fa mody tsy namaly
Moa...
Mahatokia ry tiako fa ny eto mahafehy tena a !
Nofy ratsy ireny fa.....ny bandy anao irery moa...
Mahavita miondan-kena !

Rianando

Address

Anjozorobe
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rian'ando posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Rian'ando:

Videos

Share


Other Antananarivo media companies

Show All