Getting rid of the pain

Getting  rid of the pain Tiako ny tanindrazako ary hiady ny tombotsoan'ny vahoaka sahirana aho!

Asa sy Ezaka
20/05/2023

Asa sy Ezaka

Andriamatoa Filoha Andry Nirina RAJOELINAVita iny ny dinika momba ny vidin-tsolika, mangataka izahay tantsaha mba hojere...
14/07/2022

Andriamatoa Filoha Andry Nirina RAJOELINA
Vita iny ny dinika momba ny vidin-tsolika, mangataka izahay tantsaha mba hojerena akaiky koa ny momban'ny vidin'ny vokatray fa tena mijaly izahay.
1000Ar ny kilo makalioka aty Ambanivohitra Ambatondrazaka.
Tsy havita fambolena intsony izahay raha tsy maita vaholana malaky tsy midorororo ianareo. Foano aloha ny fanafarana vary tsinjo fa ny anay mpamboly vidio lafo dia amidio mora avy eo.
Volosan'ny microfinance izahay tantsaha satria tsy misy vidiny ny vidim-bokatra .
Raha tokony izy dia 1800ar ny kilo ny akotry dia manana ambi-bava izahay tantsaha . Mangataka re tompoko fa tena mijaly ny tantsaha , ny vary no ividanana laoka,akanjo,kojakoja ilaina ao antokatrano, ny saram-pianarana,...raha jiaby e! Mbola io koa no entina hiasa !
N.B: efa enjana be ny fandaniana : lafo daholo ny fitaovana (kibota) sy ny akora(zezika) ilaina !
=>Ny vidin'ny kibota iray t@taona 2007 dia 2.500.000ar ny 18CV, 2022 izany amin'izao dia 10.600.000ar, tena mampalaelo anakay! Ny zezika moa dia efa niakatra 300% eky(2018 ny UREE=1500ar ny kilo, 2022= 6000ar ny kilo)
=>Soso-kevitra ny ahy raha mety tompoko:
1-Foanana daholo ny sara-paditseranana makasika ny fanafarana fitaovana sy ny akora ilaina amin'ny fambolena ary ireo hetra alaina dia midina ny vidin'io,
2-Averina ny BTM mba ho tombotsoan'ny tantsaha manokana izany, ary atao ambany ny zana-bola momba izany. Ekeko fa misy ny fihariana fa ny olana dia ilay izy misy antoka, tsy natao hoan'ny ny olona vao hiary izany ilay izy fa natao hoan'ny olona efa tafaharina. 80% ny tanora vita fianarana no tsy manana asa ka lasa miverina manao ny fivelomana nentim-parazana dia ny fambolena izany. Ny tanora manana Licence dia mampiditra hira, manao mvola,mivarotra fahana,...no mba asany😭😭! Mahantra mpitondra mitsinjo ny tanora ny izay tompoko😭.

Mampiavaka ny Ambatondrazaka
03/04/2022

Mampiavaka ny Ambatondrazaka

AmbatondrazakaπŸ˜€πŸ‘
30/06/2021

AmbatondrazakaπŸ˜€πŸ‘

Address

Ambatondrazaka

Telephone

+261346492021

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Getting rid of the pain posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Getting rid of the pain:

Share