Fanamarihana ny iray volan'ny ankizy sy ny teny Malagasy
Tafatafa momba ny fifandraisan'ny mpianakavy ao antokan-trano sy ny lanjan'ny fiarahana mamaky boky.
Hiarahana amin'ny pejy SoaSoa sy Malagasy Little Mom
Sombitsombiny kely tamin’ny dianay tamin’ny herin’ny androany 🥰 #familytime
Andao mba hiomehy rangaha 🤣
Aza ariana intsony ny taolana PQ (papier toillette e!) mbola afaka hampiasaina tsara hanaovana kilalao mahafinaritra kely. Sady mianatra no milalao hatrany. Zavatra ilaina sary, hety, lakoly, PQ, carton, scotch … mazotoa indray ary mamerina e! #toddlermom #toddleractivities
Nipoaka ihany ny afomanga na izany aza 🎆
Tsy mitady lavitra dia mahavita zavatra ❤️ 🌈 #reel #mom #toddleractivities
Miarahaba e! Andao isika hianatra hanao confiture ao antrano.
Afaka atao amin’izay voankazo misy moa ity recette ity.
Mila voankazo sy siramamy.
🍭Ny siramamy moa “conservateur naturel”. Afaka atao mitovy lanja fa ny ahy teto natao hatsasan’ny lanjan’ny voankazo fa mamy tsara ihany nefa.
🔥 Tsara foana atao “stérilisation” ny bocal izay ampiasaina. 15mn x2
Rehefa narahina tsara ireo dia afaka tehirizina mandritra ny heritaona tsy misy frigo raha mbola tsy nosokafana, ary iray volana ao anaty frigo raha efa nosokafana sy nampiasaina.
NB: raha nety tsara ny stérilisation dia maheno “pop” mipoaka kely rehefa sokafana ilay bocal. (Ahohoka rehefa ampangotrahana mba hiala avokoa ny rivotra rehetra).
Mazotoa mamerina, mazotoa omana 🍓🍞🥖
Tena mifona aho fa tsy mbola hividy an’izany latabatra $100+ izany aliha aho hatreto 😅 izay misy aloha no ahodikodina ato 🫣 #momlife #bricolage #diyprojects #sensoryplay
Mitohy ny fiainana 😊#sensoryplay #preschoolathome
Mba hialana amin’ny fidongina TV. Sady mianatra no milalao ety ivelany 😊 Tsy misy fasika sy vovoka ho lalaovina moa dia nanamboatra fasika azo hoanina. Cereal nopotehina natao anaty koveta. Asina zavatra miafina ao anatiny dia izy mamoaka azy ao. Miasa ny tànana, mizatra mampiasa sotro, mifantoka tsara. #reel #KidsActivity
Crafting/ diy thème amour
Sady mianatra no milalao ❤️ no mifampizara fitiavana ❤️
Izay ny anay vao tapitra ny tontolo andro. Mamy be foana miaraka amin’ity Valentin keliko ity 💕 #valentinesday #reel #vlog #vlogging #shortvideo #momlife
Hendre tsara rankizy raha mbola tsy vonona ny hiaina an’izao 😅 Tsy misy hidirany amin’ny vidéo fa ny tiako ho tenenina hoe tsara ny mifankatia fa tandremo ny aretina sy ny vohoka tsy niriana e! Love responsibly 😊
Activité St Valentin kelinay mianaka, atao vidéo lava ve? ❤️💕 #valentinesday
Mankasitraka foana foana amin’ny fitiavana ❤️
Vidéo voalohany teto amin’ny pejy izy ity 😊
La belle époque 😂 alefako ihany aloha ny tik tok fa mbola mazoto aho. Mahereza izay mbola eo amin’io stade be kitapo sy zaza mamely tampoka io 😘