Vaovaon'ny Oloben'i Toliara

Vaovaon'ny Oloben'i Toliara Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vaovaon'ny Oloben'i Toliara, Media/News Company, Tulear.
(2)

📢Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo mponina ao Benetse, kaominina Ankilimalinike, distrikan'i Toliara II manoloana ny fih...
17/04/2024

📢Nivoaka tamin'ny fahanginany ireo mponina ao Benetse, kaominina Ankilimalinike, distrikan'i Toliara II manoloana ny fihetsika mamohehitra miharo hafetsena, izay misarika ireo mponina hanohitra ny tetikasa Base Toliara tarihin’ireo mpanohitra fampandrosoana ato amin'ny faritra Atsimo-Andrefana.
‼️Voalaza fa anisan’ny lohalarana amin'ny fanosoram-potaka ity tetikasa ity ny fikambanana Craad-oi, izay mahavita manao antso fanangonam-bola any ivelany mihitsy ka ny fanendrikendrehana ny tetikasa ho mangorona ny tanin'ireo mponina no ataony fiady. Fantatra mazava nefa fa manaja tanteraka ny lalàna sy ny zon’ireo tompon-tany ary ireo mponina ifotony voakasiky ny tetikasa ity orinasa ity arak’izay voarakitra anaty bokin’andraikitra.
‼️Namafisin’ireo mponina tompon-tany sy tompom-pasana eny ifotony fa mila ny fisokafan’ity tetikasa ity izy ireo, anisan’izany ny olobe any an-toerana, noho ireo tombontsoa ho azon’izy ireo avy amin’ny fandehanany.

08/03/2024

🟥Nivahiny nandritry ny vaovao an-tsary tao @ TVM ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany, Atoa Olivier Herindrainy RAKOTOMALALA ny 4 marsa lasa teo, ary noresahany tao ny momba ny tetikasa Base Toliara.

🟥Nambarany fa nisy ny dinika lalina nifanaovan’ny tompon’andraikitra ambonin’ny orinasa sy ny fitondram-panjakana, nametraka ny tombontsoa ho azon’ny mponina avy @ io tetikasa io.

🟥Ny azo laizana hoy izy dia miroso ny dinika ary efa mijery ny fepetra rehetra mba tena hitondra tombontsoa, tsy ho an’ny vahoaka eto Toliara ihany fa manerana ny firenena @ ankapobeny mihitsy ny fampandehanana ny fitrandrahana.

🟥Inoana fa hitondra ho any @ “conclusion positive” ny dinika rehetra atao, hoy hatrany izy.

05/08/2023

🟥🟥Nitondra fanazavana mahakasika ireo tombony ara-toekarena entin'ny orinasa Base Toliara ho an'ny faritra Atsimo- Andrefana sy Madagasikara manontolo i Atoa Iadanako Ratovomanantsoa, Talen'ny kabinetran'ny kaominina Ambonivohitry Toliara no sady cadre Masikoro, manam-pahaizana manokana mahakasika ny jeografia sy ny tontolo iainana. Ho maro ny asa hiforona ankoatry ny asa mivantana haterany.

🟥🟥Nambarany fa betsaka loatra ny tsaho haely etsy sy eroa mahakasika ny filazana fa mahafaty sy mahabe loha io fasimainty io. Tsy marina izany aminy satria mandalo @ io bassin versant misy fasimainty io avokoa ny rano ampiasain'ny mponina ka raha nankarary izany dia tokony efa ela no nisy fihatraikany tamin'ny mponin'i Toliara. Efa toe-java-pitranga ihany koa ny fahasembanana (malformation) mahazo ireo zaza fa tsy ny fitrandrahana akory no mahatonga izany.

24/07/2023

❌❌Manameloka marindrano ny fanoherana bontolo ny tetikasa Base Toliara ireo Mpitankazomanga sy Olobe avy amin’ny kaominina dimy voakasiky ny fitrandrahana.

👉«Tsy tokony ireo vitsy an’isa tsy tia fampandrosoana no hanasaziana ny maro an'isa liam-pivoarana», hoy izy ireo.👈

✅✅Mino izy ireo fa hiteraka famoronana asa, hanatsara ny fidiram-bolan'ireo kaominina voakasika, ary hanohy ny famitana ny fanamboarana ireo fasana 55 sisa tavela ny fisokafan’ny orinasa ary izany no anaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana @ Présidence de la République de Madagascar, mba handray fanapahan-kevitra amin’ny fotoana haingana indrindra ny amin’ny tetikasa satria maro harena sy maro tanora manam-pahaizana ao Toliara saingy indrisy mijanona ho toeram-pandevenana tetikasa lalandava ny faritra ka miaina anaty fahantrana lalina ny mponina ao.

14/07/2023

✅✅Tsy diso anjara tamin’ny fanehoan-kevitra mikasika ny tetikasa Base Toliara ihany koa ny raiamandreny Roberval Manohera.

👉Ny tsy fahafantarana ny tamberimbidy sy ny tombontsoa marina avy amin’ny tetikasa hoy izy no anton’ny fanoherana teo aloha. Efa mazava nefa izany ankehitriny.

👉Nazavainy ihany koa fa tsy hisy tanàna ho rava satria lavitry ny toeram-pitranrahana no misy ny fonenan’ny mponina.

👉Raha ny resaka famindran-dolo indray dia mahazo tombony aza ny mponina satria manjaka ny vaky fasana. Ny tetikasa nefa dia manatanteraka fanamboarana fasana.

👉Efa mazava ihany koa ny tetikasa raha eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana satria hisy ny asa faneranana sy ny fambolen-kazo ho ataony

👉Ary farany, tsy mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ny fitrandrahana fasimainty. Mandalo amin’ny toerana misy fasiamainty ny rano sotroin’ireo mponina ka raha toa ka mahafaty na mankarary tokoa izany dia efa ela ny mponina no voa.

⭕⭕Tsy mitsahatra ny manao antso avo amin'ny fitondram-panjaka Présidence de la République de Madagascar miaraka amin'ireo mponina maro be izy mba hanokatra ny orinasa izay antenain'izy ireo hitondra vahaolana ho an'ny faritra Atsimo-Andrefana.

13/07/2023

⭕Olobe Emily LIZANTY sy Olobe Leondisme MANDREREKE no nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TVPlus mikasika ny toe-draharaha misy eto Toliara. Miaina anaty fahantrana lalina ny mponina ary mila vahaolana maika manoloana izany. Ireo Olobe ireo dia resy lahatra tanteraka fa ny tetikasa goavana Base Toliara ihany no afaka manala azy ireo amin’ny fahasahiranana noho ireo tombony ara-toe-karena sy ara-tsosialy maro ho entiny hoan'ny mponina.✅

⭕Nanazava ny sain’ny mponina ihany koa izy ireo mahakasika ny tsaho miparitaka fa hoe mahafaty na hoe hamotika ny alan’ny Mikea ny fitrandrahana fasimainty ao Ranobe. Tsy mitombona avokoa ireo rehetra ireo. Anisan’ny nitondran’izy ireo fanazavana ihany koa ny fanamboarana “jetée” ao Andaboly, izay tsy hanelingelina na hanakana ny fivezivezen’ny lakana sy ny mponina mihitsy izany fa vao maika aza hanohana ny sehatry ny jono sy ny fizahan-tany ny fisiany.↗️

⭕Manao antso avo amin’ny fitondranam-panjakana mahefa Présidence de la République de Madagascar, indrindra @ Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina izy ireo mba hamoha ny orinasa izay efa eken’ny maro an’isa eto Toliara.📣

12/07/2023

💥💥Miombon-kevitra amin’ny tokony hanokafana ny orinasa Base Toliara ny Ben’ny tanàna tsirairay anatin’ireo kaominina dimy voakasiky ny tetikasam-pitrandrahana.
❓❓Ny antony dia maro ny tanora tsy an’asa ao amin’ny distrika roa tonta na Toliara I na Toliara II.
📣📣Miangavy amin’ny fitondram-panjakana ary izy ireo, indrindra amin’ny Filoha Andry Rajoelina mba hamoha ny orinasa, izay inoan’izy ireo fa hampandroso ny faritra Atsimo-Andrefana sy ny firenena mihitsy aza.

--------------------------------------------------

1️⃣𝐕𝐢𝐭𝐚 𝐒𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐃É𝐃É, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐓𝐨𝐥𝐢𝐚𝐫𝐚 𝐈:
Ny hetra miditra avy amin’io fitrandrahana io dia miditra amin’ny ligne budgetaire entina hampandrosoana ny tanana sy hanatsarana ny foto-drafitrasa. Izay rehetra manahirana ny vahoaka dia mety ho voavaha raha misokatra io orinasa io.

2️⃣𝐌𝐀𝐇𝐀𝐓𝐎𝐑𝐎 𝐋𝐨𝐧𝐠𝐢𝐧, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐀𝐧𝐤𝐢𝐥𝐢𝐦𝐚𝐥𝐢𝐧𝐢𝐤𝐞:
Lavitra tanteraka ny toeram-pitrandrahana no misy ny tanàna sy ny toeram-pambolen’ny mponina. Asa tsy mivantana maro ihany koa no hoforona satria hamatsy ireo vokatra any an-toerana ny orinasa. Hisy ny “redevances” hiditra izay afaka mampiodina ny toe-karen’ny faritra.

3️⃣𝐑𝐀𝐇𝐄𝐑𝐈𝐒𝐎𝐀 𝐌𝐚𝐩𝐚𝐜𝐢, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐁𝐞𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐝𝐚:
Miaina amin’ny fizahan-tany ao Mangily Ifaty ny ankamaroan’ny tanora ao Belalanda. Indrisy, mangingina io sehatra io ankehitriny. Izay no antony angatahiny ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara mba hiasan’ireo tanora maro be sahaniny ireo.
Nambarany ihany koa fa tsy hanelingelina ny fizahan-tany sy ny fivezivezen’ny mponina ao Andaboy ny fitrandrahana ho ataon’ny Base Toliara.

4️⃣𝐓𝐒𝐈𝐋𝐄𝐆𝐍𝐀 𝐄𝐝𝐬𝐨𝐧, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐫𝐨𝐦𝐢𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚
Resy lahatra ny tenany fa hampandroso sy hanatsara ny fiainan’ny mponina ao aminy ny fisian’ny tetikasa Base Toliara. Tonga marain-tsy hariva ao aminy ireo vahoaka mandrisika azy hilaza amin’ny fitondram-panjakana mba hamoha ny orinasa satria mijaly daholo na ny tanora na ny ray aman-dreny ao an-toerana noho ny tsy fisian’ny asa.

5️⃣𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐌𝐀𝐕𝐎 𝐃𝐨𝐝𝐲 𝐉𝐮𝐦𝐦𝐞𝐫𝐦𝐚𝐧, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐓𝐬𝐢𝐚𝐧𝐢𝐬𝐢𝐡𝐚:
Na dia mbola tsy niroso tamin’ny fitrandrahana aza ny orinasa dia efa maro ireo asa sosialy nataony tao amin’ny kaominina toy ny fanamboaran-dalana, famatsiana rano fisotro madio, ary tena nanampy ihany koa izy ireo tamin’ny fotoanan’ny Covid-19.
Efa manaiky io tetikasa io avokoa ny mponina ao Tsianisiha ary matoa izy ireo nanaiky ny famindram-pasana nataon’ny orinasa dia midika izany fa efa mankasitraka tanteraka ny hirosoan’ny tetikasa izy ireo.

11/07/2023

🔲𝐅𝐀𝐍𝐃𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 “𝐋𝐀𝐙𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀” 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐕𝐌 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐄 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀
👉Ahitanao ny fanazavana rehetra momba ny “radioactivité” mikasika ny fitrandrahana fasimainty ao Ranobe entin’i Pr. RAJAOBELISON, Tale Jeneralin’ny INSTN na Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires sy ny Pr. RAZAKAMANANA, ingénieur géologue sady manam-pahaizana momba ny harena ankibon’ny tany, ary ny Pr. RANDRIAMALALA René Paul, mpikarakara momba ny Harena Ankibon’ny Tany.
✅✅Noporofoin’izy ireo fa ambany lavitra noho ny fenitra napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana ny radioactivité ho an’ny fitrandrahana ao Ranobe.
‼️‼️Noamafisan’i Pr. RAZAKAMANANA ihany koa ny tombontsoa rehetra azo avy amin’ny fiodinan’ny orinasa toy ny fanomezana fampiofanana isan-karazany, famorona asa maro, fanatsarana ny fambolena, …
✅✅Raha resaka rano indray dia manatanteraka ny atao hoe « recyclage » na fanodinkodinana ny rano avy nampiasaina ny orinasa mba tsy hisian’ny fahaverezan’ny rano.

29/06/2023

✅🇲🇬Vahoaka mpomba ny Base Toliara maherin'ny 3 000 no niray hina nandray anjara tamin'ny filaharana nandritry ny fankalazana ny fetim-pirenena teto Toliara.

Niray feo nanamafy ny antso amin'ny fitondram-panjakana ny hanokafana ny orinasa ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa eny anivon'ireo kaominina 5 ao Toliara I sy Toliara II niaraka tamin'ire Ben'ny Tanana sy sefo fokontany eny an-toerana.

📹: Tv Plus Madagascar

18/06/2023

⭕⭕𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗝𝗲𝗮𝗻-𝗖𝗹𝗮𝘂𝗱𝗲 𝗥𝗮𝗳𝗲𝘀𝘆, 𝗮𝗻𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗕𝗮𝘀𝗲 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮, 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗲𝗳𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗻𝗼𝘃𝗼𝗸𝗮𝗿𝗶𝗻’𝗶 𝗝𝗲𝗮𝗻-𝗖𝗹𝗮𝘂𝗱𝗲 𝗩𝗶𝗻𝘀𝗼𝗻 𝗺𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗼𝗵𝗮𝘁𝗲𝗻𝘆 “𝗟𝗲𝘀 𝗱𝗲𝗿𝗻𝗶𝗲𝗿𝘀 𝗱𝗲𝘀 𝗠𝗶𝗸𝗲𝗮”.

📌📌Noamafisiny fa tsy misy ifandraisany amin’ny faritra hotrandrahan’ny Base Toliara ny faritra misy ny Mikea.

☑️☑️Resy lahatra avokoa ireo vahoaka miisa 1 300 nanatrika tao fa tsy hikasika na hanimba ny alan’ny Mikea ny fitrandrahana fasimainty kasain’ny orinasa. 📌

🚨🚨Niharihary tao anatin’ny horonantsary avokoa ny fandripahana ala ataon’ny ireo mpanararaotra samihafa, satria ahitana hazo sarobidy ihany koa ao toy ny andramena, ny hazo ebona na “bois d’ébène”. Fa indrindra ny fambolena katsaka amina taonina maro izay tena mamotika ny ala fonenan’ny Mikea.Ny tenan’izy ireo mihitsy no nilaza ireo mpiaro sy mpanohana azy, anisan’izany ny Toliara Sands (Base Toliara ankehitriny), sy ireo tena mpamotika azy ireo.

👏👏Tehaka marefodrefotra no namaranan’ny mpijery ny fandraisam-pitenenana ny amin’ny fitakiana ny fiverenan’ny tetikasa Base Toliara izay azo antoka fa tsy misy hatahorana sady koa ilain’ny mponina aty Toliara.

--------------------------------------------------------

⭕⭕𝗣𝗿𝗶𝘀𝗲 𝗱𝗲 𝗽𝗮𝗿𝗼𝗹𝗲 𝗱𝘂 𝗢𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗝𝗲𝗮𝗻-𝗖𝗹𝗮𝘂𝗱𝗲 𝗥𝗮𝗳𝗲𝘀𝘆 𝗮𝗽𝗿è𝘀 𝗹𝗮 𝗽𝗿𝗼𝗷𝗲𝗰𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝘂 𝗳𝗶𝗹𝗺 « 𝗟𝗲 𝗱𝗲𝗿𝗻𝗶𝗲𝗿 𝗱𝗲𝘀 𝗠𝗶𝗸𝗲𝗮 », 𝗿é𝗮𝗹𝗶𝘀é 𝗽𝗮𝗿 𝗝𝗲𝗮𝗻-𝗖𝗹𝗮𝘂𝗱𝗲 𝗩𝗶𝗻𝘀𝗼𝗻.

📌📌Il a réitéré les déclarations des Mikea affirmant que la forêt Mikea ne fait pas partie de la zone d’exploitation du projet Base Toliara.

☑️☑️Le public comptant 1 300 personnes présent dans la salle a été convaincu et extrêmement touché par les révélations confirmant que le projet minier ne représente aucun danger pour les Mikea.

🚨🚨Toutes les vraies menaces pour le peuple Mikea ont été dévoilées dans le film-documentaire. En effet, la forêt, l’habitat des Mikea est la proie de nombreux malfaiteurs, des trafiquants de bois précieux comme le bois de rose et le bois d’ébène, mais surtout des cultivateurs de maïs.
Les Mikea en personne ont mis en lumière leurs défenseurs et ceux qui leur viennent en aide, dont la société Toliara Sands (qui n’est autre que l’actuel Base Toliara), et ont également dénoncé ceux qui leur sont périlleux.

👏👏L'intervention réclamant la reprise des activités de Base Toliara fut achevée par un tonnerre d’applaudissements par le public, plus convaincu que jamais de la nécessité du projet.

18/05/2023

👉📃 Ho tohin’ny fanambarana nataon’ny fikambanana Toko Bey Telo ny amin’ny fanohanan’izy ireo ny tetikasa Base Toliara, dia niakatra an-drenivohitra izy ireo nanamafy izany noho ny fitsinjovana ireo tanora maro zanak’izy ireo tsy an’asa, monina any amin’ny toerana voakasiky ny fitrandrahana.

👉🔄Koa mamerina ny antso avo amin’ny Filoham-pirenena izy ireo mba hanokatra ny orinasa satria ankoatra ny famoronana asa isan-karazany, dia eo ihany koa ireo tombontsoa hafa toy ny asa sosialy, ny fanohanana ara-pitaovana ireo mpanjono, ary indrindra ny fampidiran-ketra hitondra fampandrosoana ny faritra.

‼️👌Manome toky izy ireo fa andamosin’ny Filoham-pirenena ny amin’ny fanapahan-kevitra tokony ho raisiny manoloana ny tetikasa Base Toliara.

❌𝐓𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐨 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚‼️👉Amin’izao akatoky ny fifidianana izao, dia m...
29/04/2023

❌𝐓𝐬𝐲 𝐚𝐳𝐨 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐨𝐫𝐢𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐭𝐢𝐤𝐚‼️

👉Amin’izao akatoky ny fifidianana izao, dia misy ireo mamadika ny resaka manodidina ny tetikasa Base Toliara ho fitaovana entina hahazoana tombontsoa manokana sy handranitana ady politika.
👉Ny fanoherana tetikasa goavana hitondra fampandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy dia fanehoana tanteraka ny tsy firarahiana ny fiainan’ny vahoaka, izay mijaly sy miaina anatin’ny fahantrana lalina.
📌Asa maharitra no tadiavin’ny mponina hialàna amin’ny tsy fisiana sy hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo.
Ny fanakanana ny mpampiasa vola ho tombony ara-politika dia manome endrika ratsy ny firenena manoloana ny mpampiasa vola hafa.

🔔🔔 TOMBONTSOA HO AN'IZA NY TSY FISOKAFAN'NY ORINASA BASE TOLIARA??? ⛔Misy hatrany ireo manararaotra ny fahantrana lalina...
24/04/2023

🔔🔔 TOMBONTSOA HO AN'IZA NY TSY FISOKAFAN'NY ORINASA BASE TOLIARA???

⛔Misy hatrany ireo manararaotra ny fahantrana lalina iainan'ny mponina amin'ny fanakaramana azy ireo hanao fihetsiketsehana hanohitra ireo tetikasa rehetra izay hita fa hitondra fampandrosoana hoazy ireo ary manao izay tsy handrosoan'ny faritra mihitsy hiarovana ny tombontsoan'izy ireo manokana.

✅ Fikambanana maro, foko, Olobe, ben'ny tanàna, sefo fokontany, tompon'andraikitra isan- karazany eny ifotony ary indrindrindrindra ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa no efa naneho mihariharihary fa vahaolana ilain'izy ireo sy ny faritra ny tetikasa Base Toliara.

🟥𝗙𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗮𝘀𝗶𝗸𝗼𝗿𝗼 𝗔𝗿𝗶𝘃𝗼𝗹𝗮𝗵𝘆: "𝗗é𝗺𝗲𝗻𝘁𝗶" 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗢𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗠𝗔 𝗵𝗮𝗻𝗼𝗵𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 ...
07/04/2023

🟥𝗙𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗮𝘀𝗶𝗸𝗼𝗿𝗼 𝗔𝗿𝗶𝘃𝗼𝗹𝗮𝗵𝘆: "𝗗é𝗺𝗲𝗻𝘁𝗶" 𝗺𝗶𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗢𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗠𝗔 𝗵𝗮𝗻𝗼𝗵𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗕𝗮𝘀𝗲 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮

📣Notanterahana ny zoma 31 marsa lasa teo tao amin'ny Cercle Mess Soanierana ny lanonana taom-baovaon'ny FIMA (Fikambanana Masikoro Arivolahy), « MITRAOKY RAIKY » andiany voalohany, natrehin'Atoa George REMONJA filohan'ny FIMA National, ny governora Edally, mpiahy ny fikambanana, Rtoa Christine RAZANAMAHASOA, filohan'ny Antenimieram-pirenena ary Atoa TSITARA Rojers Osman, solombavam-bahoaka sady filohan'ny FIMA Antananarivo.

☑️Nolazain'Atoa TSITARA Rojers Osman ampahibemaso nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa misy ireo misandoka mitondra ny anaran'ny FIMA hanoherana ny tetikasa Base Toliara:
❌Tsy fanapahan-kevitry ny FIMA velively ny fanambaran'ireo Olobe izany fanoherana izany fa hevitr'izy ireo manokana tsy misy idiran'ny fikambanana.
❌Notsindriny ihany koa, fa Elia RABEVAHINY, ao amin'ny antoko Otrikafo ho an'ny Malagasy, izay nanohitra ny tetikasa nandritra ny fandaharana "L'invité du jour" tao amin'ny Real TV dia tsy ao anatin'ny biraon'ny FIMA ary heviny manokana ireny rehetra ireny.

-----------------------------------------------

🟥𝗙𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗮𝘀𝗶𝗸𝗼𝗿𝗼 𝗔𝗿𝗶𝘃𝗼𝗹𝗮𝗵𝘆: 𝗗é𝗺𝗲𝗻𝘁𝗶 𝘀𝘂𝗿 𝗹𝗲𝘀 𝗱é𝗰𝗹𝗮𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝘀 𝗱𝗲𝘀 𝗢𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗾𝘂𝗶 𝘂𝘁𝗶𝗹𝗶𝘀𝗲𝗻𝘁 𝗹𝗲 𝗻𝗼𝗺 𝗱𝗲 𝗹'𝗮𝘀𝘀𝗼𝗰𝗶𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗙𝗜𝗠𝗔 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝘀'𝗼𝗽𝗽𝗼𝘀𝗲𝗿 𝗮𝘂 𝗽𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁 𝗕𝗮𝘀𝗲 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮

📣La première édition des Festivités de Nouvel An de l'association FIMA (Fikambanana Masikoro Arivolahy) « MITRAOKY RAIKY », a eu lieu dans la soirée du 31 mars au Cercle Mess Soanierana, en présence de M. George REMONJA, président de l'association FIMA National, du gouverneur Edally, parrain de l'association, M. le député TSITARA Rogers Osman, président de la FIMA Tananarive et, Mme Christine RAZANAMAHASOA, présidente de l'Assemblée Nationale.

☑️M.TSITARA Rogers Osman a déclaré publiquement lors de son allocution, que des usurpateurs font usage du nom de l'association pour s'opposer au projet Base Toliara :
❌Les déclarations des Olobe contre ce projet ne sont pas issues des décisions de la FIMA et n'engagent qu'eux-mêmes.
❌Il a en outre précisé que M.Elia RABEVAHINY du parti Otrikafo ho an'ny Malagasy, n'est pas membre du bureau de la FIMA et que ses propos contre le projet durant l'émission "L'invité du jour" sur Real TV, n'engagent que lui-même.

05/04/2023

🔔📌Manamafy ny fambarana nataony mikasika ny fanohanana ny tetikasa Base Toliara ireo tokobeitelo noho izy ireo maro be mipetraka amin’ny toerana voakasiky ny fitrandrahana ao Toliara I sy Toliara II.

🟥Rehefa nanadihady tsara izy ireo, dia mahita fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka tokoa ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa, ary manaporofo izany ny fitsirihana ataon’ny INSTN na Institut National des Sciences Nucléaires, misahana ny resaka “radioactivité” eto Madagasikara.
🟥Ny fisiana orinasa lehibe ihany koa no hanome aina ny toe-karena ao Toliara satria hiteraka asa isan-karazany.

☑️☑️Efa maro dia maro ireo mangataka ny hisokafany: ao vahoaka eny ifotony, sefo fokontany, ben’ny tanàna, solombavam-bahoaka sy loholona ao amin’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa. Koa manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo hiroso amin’izany.

02/04/2023

🔔Fanambarana nataon'ireo raiaman-dreny sy Olobe ao amin'ny fikambanan-drazana Toko Bey Telo mikasika ny tetikasa Base Toliara:

✅Hitan'izy ireo ny fanambarana nataon'ny Tale jeneralin'ny INSTN, sady solon-tenan'ny AIEA (Agence Internationale de l'Énergie Atomique) eto Madagasikara, misahana ny resaka radioactivité, fa tsy misy atahorana amin'ny fahasalaman'ny mpiasa sy ny vahoaka manodidina ny fitrandrahana fasimainty rehefa natao ny fandrefesana rehetra.

✅Noamafisin'ny Tale jeneralin'ny ONE ankehitriny ihany koa fa ara-dalàna ny fahazoan-dalana ara tontolo iainanan'i Base Toliara. Efa nandalo "études d'impacts environnementales" ny tetikasa ary efa misy ihany koa ny «< cahier de charges » manoloana ireo fepetra mila raisina ho fisorohana ny mety ho fiantraikany amin'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana.

🟥Noho izany, manohana tanteraka ny tetikasa izy ireo mba hisiana orinasa lehibe eto Toliara, hampandroso ny toe-karena anatiny, hiteraka asa maro, hanao asa sosialy, hanohana ny sehatry ny fambolena sy ny jono, hanome rano fisotro madio.

‼️Anisan’ireo vahoaka tonga nitsena ny Filoham-pirenena ireo olona maro mpomban’ny tetikasa Base Toliara.📢Afaka naneho n...
15/03/2023

‼️Anisan’ireo vahoaka tonga nitsena ny Filoham-pirenena ireo olona maro mpomban’ny tetikasa Base Toliara.
📢Afaka naneho ny hetahetany mivantana sy ankahalalahana tamin’ny Filoha izy ireo tamin’ny alalan’ny filanjana sora-baventy isan-karazany.
💥Olona aman’arivony mangataka ny hisokafan’ny orinasa Base Toliara no tonga tao Andaboly. Maro be ihany koa izy ireo no tonga tao Anikililoaka.
💢Hitan’ny Filoha nanditra ny fandalovany teto Toliara fa maro amin’ireo mponina ao amin’ny toerana voakasiky ny fitrandrahana no maniry ny hiverenan’ny tetikasa indray.

15/03/2023

🎯Averina amintsika ny fanazavana noentin’i Marcel Tsiamby nandritra ny fandaharana don-dresaka teto Toliara, mikasika ny resaka fanodinkodinam-bola.
✅Nambarany ampahibemaso fa namatsy vola azy ireo fony izy mpanohitra ny tetikasa Base Toliara ny fikambanana Craad-OI sy Collectif Tany. Nataon'izy ireo fitadiavam-bola hoy izy ny fahavoazan'ireo zanany sy ireo namany izay nigadra tany Fianarantsoa, ka tsy nahazo fanampiana akory izy ireo fa tapitra nanamboarana trano, nividianana finday ary panneaux fotsiny ilay vola tokony hiarovana azy ireo.

26/02/2023

📌Naneho ny fankatoavan'izy ireo ny tetikasa Base Toliara ny Teraky ANDROY VERENDREHA TSY MAGNAVADRAZA androany ary manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana mahefa ny hanokafana ny orinasa.

👉Voakasiky ny fitrandrahana ny foko Antandroy satria dia ny 80% amin'ireo mponina ao Ankatrakatraka, izay anisan'ireo toerana tena voakasiky ny fitrandrahana dia avy amin'ny foko Antandroy avokoa

☑️Raha ny voambara dia vahaolana ho azy ireo ny fandehanan'ny orinasa satria hiteraka asa maro, indrindra ho an'ny tanora, ary koa hanafoana ny tsy fandriam-pahalemana izay tena mirongatra ankehitriny.

📣 Miray feo amin'ireo vahoaka voakasiky ny fitrandrahana manao antso avo @ fitondram-panjakana mahefa ny Teraky ANDROY VERENDREHA TSY MAGNAVADRAZA, mba hamoha io orinasa io ho fampandrosoana ny faritra sy ny firenena manontolo.

23/02/2023

🟥Olom-bitsy sy voakarama no manohitra ny fisokafan'ny orinasa Base Toliara raha ny nambaran'ireo lonaky sy ny oloben'i Toliara, nandritra ny fihaonany t@ ireo loholona telo misahana ny faritany atsimo.📌

🟥Asa hatrany @ 95% no hiforona raha misokatra io orinasa io. Amin’izao fotoana izao dia hita fa efa maro ireo orinasa eto an-toerana no tsy afaka miodina intsony, ka io no sisa mba hany fanantenana ho an'ireo tanora na ny nahita fianarana na ny tsy nahita.✅

🟥Fantatra nandritra io fihaonana io ihany koa fa manodididna ny 3 tapitrisa dolara ny tetibola entin'io orinasa io hatokana ho an'ny asa sosialy.👈

📣📢Resy lahatra ireo VAHOAKA AO ANKILIMANINIKA izay ahitana ireo FOKONTANY 13 fa hitondra fampandrosoana ho an’ny kaomini...
21/02/2023

📣📢Resy lahatra ireo VAHOAKA AO ANKILIMANINIKA izay ahitana ireo FOKONTANY 13 fa hitondra fampandrosoana ho an’ny kaominina sy ny faritra Atsimo-Andrefana ny tetik’asa BASE TOLIARA📣📢

🎯 🎯🎯Nisy ny fihetsiketsehana tao Ranobe ny Asabotsy 18 febroary teo nanamafisan’ ireo VAHOAKA ENY IFOTONY izay voakasiky ny tetikasa ny FANKATOAVAN'IZY IREO ary nanaovan’izy ireo ihany koa ANTSO AVO AMIN'NY FITONDRAM-PANJAKANA ny HANOKAFANA INDRAY an’i Base Toliara hitohizan’ny asa fampandrosoana efa natombony.

15/02/2023

"Sokafy io Base Toliara io mba hisitrahan'ny vahoaka eto Toliara ireo tombontsoa ara-toe-karena sy sosialy" hoy ny Raiamandreny Roberval, avy ao Maromiandra. Mbola tsy nitrandraka akory io Orinasa io teo aloha dia efa hita nivaingana ny fanampiana sy asa sosialy nataony ary maniry ny hitohizan'izany ny vahoaka ao anatin'ny Kaominina voakasiky ny tetikasa.

01/02/2023

⭕️⭕️⭕️ Mijoro ara-dalàna ary mamaly ny fepetra rehetra ara-tontolo iainana ny Tetikasa Base Toliara

👉Adidin’ny fiaraha-monim-pirenena ny mijery hoe toy ny ahoana ny dingana rehetra nahatafajoro ny tetik’asa fitrandrahana sy ny nahazoany ny taratasim-panjakana rehetra. Tsy maintsy misy ny « études d’impacts environnementaux » atao mialohan’ny fitrandrahana, ary voarakitra anaty cahier des charges ny fanadihadiana rehetra mikasika izany.

📌 Misy ny « analyse des risques » natao ho fampihenana ny mety ho fiantraikan’ny tetik’asa ho an’ny tontolo iainana sy ny zava-boahary manodidina rehetra.

📌 Ary indrindra, ny fanjakana ny nametraka ny « organe de contrôle » dia ny ONE izany na « Office National pour l’environnement », izay mamoaka ny « permis environnemental » ary manara-maso hatrany ny asa fitrandrahana

27/01/2023

« SOKAFY BASE TOLIARA Andriamatoa FILOHA » Nanamafy ary nanao antso ireo fikambanana maro be: mpanjono, fikambanam-behivavy, tanora tsy an’asa, olobe avy amin’ny fokontany misy ny tetikasa,…ny hanokafana ny Orinasa Base Toliara. Hanampy an’ireo mponina amin’ny lafiny sosialy (asa, fampiofanana, foto-drafitrasa, ….) sy hampiroborobo ny toe-karena eto amin’ny faritra Atsimo Andrefana io Orinasa io raha miodina, antony nanaovan’izy ireo antso avo.

25/01/2023

⭕️ BASE TOLIARA : INONA NY TENA MARINA MANOLOANA NY TSAHO VOIZINA FA MISY TANANA HANJAVONA

⚠️ Lazain'ireo mpanohitra ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ao Ranobe indray fa ho rava ny tanan'ny Benetse, dia ho voakitika koa ny alan'ny Mikea sy ny tanan'Ifaty.

📌👉 Tsy marina daholo izany ary tena lainga marivo tototra ("flagrant délit de mensonge") satria samy tsy ao anaty "perimètre d'exploitation" nahazahoana alalana na "permis d'exploitation".

'exploitation_base_toliara

22/01/2023

⭕️⭕️⭕️ INONA NY TENA MARINA MANOLOANA IREO RESAKA NOVOIZANA MAHAKASIKA NY FITRANDRAHANA FASIMAINTY AO RANOBE

📌 Horesahintsika eto isaky ny lohahevitra izany manomboka androany araka ny fanazavana azonay narahina fikarohana nataonay Olobe.

💧💧💧Inty misy fanazavana fohifohy mahakasika ny fampiasana ny rano nalainay tamin'ireo tahirinkevitra ara-teknika sy ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ireo" experts en eau" tamin'ny 2018.

'ny_tetik'asa_fitrandrahana_fasimainty

Raha oviana tokoa mba hisy Orinasa lehibe hanao actions sociales haitrizao eto Toliara.
11/09/2022

Raha oviana tokoa mba hisy Orinasa lehibe hanao actions sociales haitrizao eto Toliara.

Isika gasy anefa matory ambony harena...
06/09/2022

Isika gasy anefa matory ambony harena...

🔥‼ 400 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ataon'ny GasMeth Energy amin'ny fitrandrahana gaz naturel atsy . Orinasa fanitelony manao fitrandrahana amin'io sehatra io ity nitsangana ity ary hamokatra avy hatrany hamatsy ny vahoaka any an-toerana amin'ny taona 2023. Tanjon'ny fitondrana any an-toerana ny hisitrahan'ny vahoaka rehetra (100%), gaz naturel isan-tokantrano.

06/09/2022
24/03/2022

‼ METAUX STRATEGIQUES : des armes économiques à notre dispositions !

Les crises mondiales, économiques ou sanitaires, font toujours réapparaitre en surface l’importance inébranlable des métaux stratégiques. Dans la plupart des cas en période de crise, l’offre se trouve restreinte mais fait face à une demande vigoureuse : une situation qui profite tant aux pays producteurs.
À ce propos, la compétitivité de Madagascar dans les métaux stratégiques est à souligner. Le pays regorge dans son sous-sol des tonnes de graphite, de nickel, de cobalt, et même de terres rares tant convoités, nous donnant ainsi une forte possibilité de faire des bénéfices non négligeables !

Une question se pose alors : saurions-nous attirer des capitaux étrangers pour exploiter ces ressources en bonne et due forme afin d’en dégager plus de valeur ajoutée ?

https://bit.ly/3JcxlCa

Address

Tulear

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovaon'ny Oloben'i Toliara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share



You may also like