Toliara Info-Line

Toliara Info-Line Toliara tea vaovao

Colonel Charles ANDRIANASOAVINA : IZAHO IZAO NO NAMETRAKA ANAO TEO AMIN'IO FITONDRANA IO RY ANDRY RAJOELINA KA REHEFA TS...
15/01/2025

Colonel Charles ANDRIANASOAVINA : IZAHO IZAO NO NAMETRAKA ANAO TEO AMIN'IO FITONDRANA IO RY ANDRY RAJOELINA KA REHEFA TSY ZAKA ILAY FITONDRANA DIA MIALA TEO.

Aleo hazava fa tsy natao hiaro anareo mpitondra vitsy an'isa izahay ka rehefa tsy hay ilay mitondra dia miala teo. Efa voaporofo fa tsy hainao mihitsy ilay mitondra eh! ajanony ny fitiavantenanareo.

Izaho izao no nametraka anao teo amin'io toerana io izaho no nanavotra anao fa tsy Jeneraly Baomba velivelinao izany ry Andry Nirina RAJOELINA ary vandy ny vola izay nolazainao fa nomenao ahy sa tsy tadidinao izany?

Miomana hamono olona ry Jeneraly Baomba sy Rajoelina. Tadiavindreo afindra any amin'ny Zandary ny armes lourdes rehetran'ny Tafika.

Inona moa no hanakananao olona tsy hidina eo amin'ny kianjan'ny 13 may. Teo ianao no nanao antso avo ho an'ny tia tanindrazana ary namaly ny antsonao aho. Tsoriko aminao ry Jeneraly Baomba fa izahay dia zana-bahoaka ka aza ampiadianao mihihitsy izahay.

Tsy ny fitiavanao seza ry Baomba no hamonoanao vahoaka koa raha hamono vahoaka ianao dia hiady aminay tafika ianao izany. Mikasa ny hanao Tetezamita ianao satria raha miongana Rajoelina dia miakatra ianao satria filohan'ny SENAT.

Raha tsy te hiaran'ny hatezeram-bahoaka ianareo avoahy ireo gadra politika rehetra. Ry mpanohitra mirosoa amin'ny dia ianareo. Mijoroa hatramin'ny farany. Mirosoa amin'ny lalina fa raha misy mikitika ny ainareo vahoaka eo tsy maintsy hijoro ny TAFIKA.

FANEHOANKEVITRA AVY AMINA MIARAMILA ANY IVELANY hoan'ny Jenenraly Richard RAVALOMANANA Aza mivolagna ianao fa vahoaka ts...
11/01/2025

FANEHOANKEVITRA AVY AMINA MIARAMILA ANY IVELANY hoan'ny Jenenraly Richard RAVALOMANANA

Aza mivolagna ianao fa vahoaka tsy mahadigny miaramila

Isika nomena fitaovana eo antanantsika hampatanjaka antsika
Izay mifanatrika amin ireo dia tsy maintsy lavo
Experience ity Mon General , efa nanana operation 12 aho, ady sivily , ohatra ny tany Côté d'Ivoire 2003-2006, fa nandresy foana ny sivily.

Ianareo ve tsy mahay raha tsy intimidation?
Misy depioté mahasaky miteny fa ambonin'ny lalàna ny politika
Ny jeneraly tokony humble ary manaja ny adversaire , izaho mahita jeneraly malia fa manao taratasy fotsiny no ataony fa tsy midina terrain izanyy

https://www.facebook.com/TsaraTsara.mg/videos/634338835596921/?app=fbl

10/01/2025

VALIN-KAFATRA ho an'i Richard Ravalomanana.
Avy amin'ny Malagasy miaramila any ivelany:
" Aza tsinotsiniavana ny vahoaka fa raha mihetsika ireo 24h vita daholo ny miaramila, zandary....
Izaho nanao OPEX ary mahita Malagasy any aminy PC tany Malie, Afghanistan...fa ianao tsy ary hitako sur terrain....Attention, respectero ny vahoaka raisinao adversera "

Équation parole de Rajoelina = mensonge. Depuis 2009, on a pris l’habitude d’entendre Rajoelina faire des promesses et d...
08/01/2025

Équation parole de Rajoelina = mensonge. Depuis 2009, on a pris l’habitude d’entendre Rajoelina faire des promesses et des velirano. Malheureusement pour lui, les smartphones et les réseaux sociaux permettent d’archiver ses déclarations, de les rappeler et de mesurer l’écart entre les promesses et les réalisations.

Comment aborder le début d'année 2025 par une réflexion lucide ? Sans doute par rappeler que d'après la dernière enquête Afrobaromètre, près de 70% des Malgaches croient que leur pays va dans la mauvaise…

31/12/2024

Ry vahoaka mpiray tanindrazana, arahabaina nahatratra ny farany. Ary mirary koa aho raha mirary ny ahatrarantsika ny taona 2025.
Efa tsy zaka intsony ny fahantrana niainana izay tena niha lalim-paka tamin'ny 2024.
Mijoroa isika, sahia miaro ny Fahamarinana.
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

https://www.facebook.com/share/v/yD1pR5SSKT1xo3LL/

Anio ny Fiangonana dia mahatsiaro an'ireo zaza tsy manan-tsiny (les Saints Innocents, hitantsika ao amin'ny kalandrie) n...
28/12/2024

Anio ny Fiangonana dia mahatsiaro an'ireo zaza tsy manan-tsiny (les Saints Innocents, hitantsika ao amin'ny kalandrie) nampamonoin'i Heroda, rehefa tsy nolazain'ireo Majy taminy ny misy an'i JESOA Zaza vao teraka tao Betlehema. Mbola betsaka ireo tsy manan-tsiny vonoin'ireo manahaka an'i Heroda eto amin'izao tontolo izao.

©️Lakroan'i Madagasikara

Akory iaby rolahy,                              VOKATRINY FITAKIA TIMARINA ETO C/R MITSINJO BETANIMENA.          Zahay v...
24/12/2024

Akory iaby rolahy,
VOKATRINY FITAKIA TIMARINA ETO C/R MITSINJO BETANIMENA.

Zahay vahoka Mitsinjo dia tsy manenky fa monoa olo zao.

Parfait masikoro mivola mare.

👉Noho ny Fanitsakitsahana ny fahamarinana sy ny lalàna: Ny fisian'ireo "bulletin précoché" miparitaka eto an-tampo-tanàn...
24/12/2024

👉Noho ny Fanitsakitsahana ny fahamarinana sy ny lalàna: Ny fisian'ireo "bulletin précoché" miparitaka eto an-tampo-tanàna ny Toliara-I, dia manitsakitsaka ny lalàna mifehy ny fifidianana ary mampisy fisalasalana lehibe momba ny fahadiovan’ny fifidianana.

2-Mazava Hoazy fa ny fampiasana "ordonnance" nataon'ny fitondrana sy ny CENI dia mety manome tombony tsy ara-drariny ho an'ny kandida sasany, izay manohintohina ny fitsipika mifehy ny fifaninanana malalaka sy mangarahara.

3-Fiarovana ny zo fototra sy ny safidim-bahoaka: Ampitomboy fa ny fisian’ny tranga tahaka izao dia manimba ny fitokisan’ny olom-pirenena amin’ny rafitra ara-pifidianana. Ary ny safidin’ny vahoaka dia tokony ho voahaja tanteraka, tsy asiana fiovana na famitahana amin’ny endriny rehetra.

4-Mangataka ny Fitsarana mba hanadihady ireo tranga ireo amin’ny fomba mazava sy tsy mitongilana. Miantso mba hisy sazy hentitra ho an'ireo izay tompon'andraikitra amin’ny fisian’ireo "bulletin précoché" sy ny fampiasana ordonnance tsy ara-dalàna.

5-Miangavy ny Fitsarana mba ho tandroka fiarovana ny demokrasia sy ho ohatra amin’ny fanajàna ny lalàna. Ambaro eto fa ny fanapahana ara-drariny sy mangarahara dia hahatonga ny olom-pirenena hatoky kokoa ny rafitra sy ny fomba fitantanana ny firenena.

"MATOKY NY TRIBUNAL ADMINISTRATIF IZAHAY VAHOAKA IZAY NAMELA NY SAFIDINAY MADIO"




Siteny Randrianasoloniaiko
Siteny Thierry Randrianasoloniaiko

❗TOLIARA,MITSINJO BETANIME : TSY MANAIKY NY VOKATRA NAVOAKAN'NY CENIRaikitra ny fidinana andalambe sy fandorana kodiaran...
23/12/2024

❗TOLIARA,MITSINJO BETANIME : TSY MANAIKY NY VOKATRA NAVOAKAN'NY CENI
Raikitra ny fidinana andalambe sy fandorana kodiarana ary filanjana sora-baventy.
Tsy manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan'ny CENI ireo mponina

Manoloana ny Fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolo-tsaina izay natao ny 11 desambra 2024 lasa teo sy ny vokatra vonjimaik...
23/12/2024

Manoloana ny Fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolo-tsaina izay natao ny 11 desambra 2024 lasa teo sy ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI,
Ny Vondron’Antoko Politika FIRAISANKINA dia manao izao fanambarana manaraka izao :

-Zotram-pifidianana feno tsy fanarahan-dalàna ary Fifidianana feno hosoka sy hala-bato no nisy tamin’ny Kaominina maro manerana ny nosy.

- Fanakanana tamin’ny fomba samihafa ny filatsahan-kofidin’ny Kandida maro.

- Fampiasana ny Fahefam-panjakana, ny Volam-panjakana, ny Mpiasam-panjakana ary ny fananam-panjakana nanaovana fampielezan-kevitra nanohanana ireo Kandida natolotra amin’ny anaran’ny Antokon’ny Fitondrana. Nisy mihintsy aza moa ireo Kandida nilaza am-pahibemaso fa izy ireo no Kandidam-panjakana.

- Fanokafana indray tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny lisitry ny Mpifidy ka nampidirana tamin’ny alalan’ny hosoka ireo anaran’olona aman’aliny tao anaty lisitra.

- Fanararaotana ny fahantran’ny Vahoaka ka nividianana ny safidiny tamin’ny fomba maro samihafa.

- Fandikan-dalàna sy amboletra maro nitranga nandritra ny andron’ny latsa-bato toy ny fampiasana ireo bulletins pré-cochés sy ny fitaterana olona maro avy any amin’ny Kaominina hafa hifidy an-keriny ary im-betsaka tany amin’ny Birao fandatsaham-bato maro samihafa.

Teo anatrehan’ireo fandikan-dalàna sy hosoka maro samihafa ireo anefa dia tsy nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny CENI.

Raha tokony hanao ny fomba rehetra hahitana ny marina sy hanala ny ahiahin’ny maro no nataon’ny CENI dia ny fihazakazahana hamoaka haingana ny vokam-pifidianana vonjimaika mialohan’ny fotoana voalazan’ny Lalàna indray no nataony mba tsy hananan’ireo Kandida sy ny Mpifidy ary ny Antoko politika fotoana hametrahana fitoriana sy hanaovana fampitahana.

Noho izany dia tsy Fifidianana no nisy nanerana ny Kaominina maro fa fandrobaham-pahefana an-keriny tamin’ny alalan’ny fandrobana sy Barofo ara-pifidianana no natao, ary nanampy sy niray tsikombakomba tamin’ny fanatanterahana izany ny CENI.

Vokam-pifidianana tsy maneho ny tena safidim-bahoaka marina no navoaka ho an’ny Kaominina maro manerana ny Nosy.

Tsy misy Ben’ny Tanàna lany tamin’ny alalan’ny hosoka sy hala-bato ka hitondra fampandrosoana ho an’ny Kaominina. Noho izany dia famotehana ny Kaominina sy ny Firenena iray manontolo ny fametrahana an-keriny Ben’ny Tanàna toy izao.

Koa ambaranay amin’ny fomba ofisialy fa Tsy mankato sy tsy hanaiky ireo vokam-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny halatra sy hosoka ireo izahay ary tsy maintsy hijoro sy handray andraikitra ary hitady ny fomba rehetra hamoahana ny tena safidim-bahoaka marina.

Tsy azo ekena izao zava-misy izao satria tena fanitsakitsahana ny Lalàna velona sy fanaovana tsinintsinona ny safidim-bahoaka ary tena fihantsiana ny Mpifidy Malagasy.

Hametraka fitoriana miaraka amin’ireo porofo eny amin’ny Fitsarana aloha izahay ho fanajana ny voalazan’ny Lalàna.

Manantena izahay fa hitsara araka ny Lalàna sy ny fahamarinana ary ao anatin’ny fahaleovan-tena tanteraka ny Fitsarana.

Raha izao zava-misy izao no hitohy dia toa tsy ho azo antenaina intsony ny hisian’ny fifandimbiasam-pahefana na alternance au pouvoir amin’ny alalan’ny Fifidianana.

Raha izao zava-misy izao dia tandidomin-doza ny demokrasia sy ny sata repoblikanina eto Madagasikara, ary miroso mankany amin’ny Fanjakan’olon-tokana sy ny Fitondrana tsy refesi-mandidy ireo nampindramin’ny Vahoaka Fahefana mitondra an’i Madagasikara ankehitriny.

Noho izany dia miantso ny Hery velona rehetra misy eto amin’ny tany sy ny Firenena izahay hitsangana, hifanantona ary hanambatra ny Hery hiatrehana sy hamaranana haingana izao famotehana ny Demokrasia sy ny ho avin’ny Firenena izao.

Dia maniry sahady fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona feno Fifaliana ho antsika rehetra ary mirary antsika samy ho tratin’ny Taona vaovao 2025.

SAMIA HO TAHIN’ANDRIAMANITRA.

FANAMBARANA MIKASIKA NY FIFIDIANANA KAOMINALY SY MONISIPALY.

https://www.facebook.com/share/p/Vp28vn9bF3bUsWXV/

Manoloana ny Fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolo-tsaina izay natao ny 11 desambra 2024 lasa teo sy ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI,
Ny Vondron’Antoko Politika FIRAISANKINA dia manao izao fanambarana manaraka izao :

-Zotram-pifidianana feno tsy fanarahan-dalàna ary Fifidianana feno hosoka sy hala-bato no nisy tamin’ny Kaominina maro manerana ny nosy.

- Fanakanana tamin’ny fomba samihafa ny filatsahan-kofidin’ny Kandida maro.

- Fampiasana ny Fahefam-panjakana, ny Volam-panjakana, ny Mpiasam-panjakana ary ny fananam-panjakana nanaovana fampielezan-kevitra nanohanana ireo Kandida natolotra amin’ny anaran’ny Antokon’ny Fitondrana. Nisy mihintsy aza moa ireo Kandida nilaza am-pahibemaso fa izy ireo no Kandidam-panjakana.

- Fanokafana indray tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny lisitry ny Mpifidy ka nampidirana tamin’ny alalan’ny hosoka ireo anaran’olona aman’aliny tao anaty lisitra.

- Fanararaotana ny fahantran’ny Vahoaka ka nividianana ny safidiny tamin’ny fomba maro samihafa.

- Fandikan-dalàna sy amboletra maro nitranga nandritra ny andron’ny latsa-bato toy ny fampiasana ireo bulletins pré-cochés sy ny fitaterana olona maro avy any amin’ny Kaominina hafa hifidy an-keriny ary im-betsaka tany amin’ny Birao fandatsaham-bato maro samihafa.

Teo anatrehan’ireo fandikan-dalàna sy hosoka maro samihafa ireo anefa dia tsy nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny CENI.

Raha tokony hanao ny fomba rehetra hahitana ny marina sy hanala ny ahiahin’ny maro no nataon’ny CENI dia ny fihazakazahana hamoaka haingana ny vokam-pifidianana vonjimaika mialohan’ny fotoana voalazan’ny Lalàna indray no nataony mba tsy hananan’ireo Kandida sy ny Mpifidy ary ny Antoko politika fotoana hametrahana fitoriana sy hanaovana fampitahana.

Noho izany dia tsy Fifidianana no nisy nanerana ny Kaominina maro fa fandrobaham-pahefana an-keriny tamin’ny alalan’ny fandrobana sy Barofo ara-pifidianana no natao, ary nanampy sy niray tsikombakomba tamin’ny fanatanterahana izany ny CENI.

Vokam-pifidianana tsy maneho ny tena safidim-bahoaka marina no navoaka ho an’ny Kaominina maro manerana ny Nosy.

Tsy misy Ben’ny Tanàna lany tamin’ny alalan’ny hosoka sy hala-bato ka hitondra fampandrosoana ho an’ny Kaominina. Noho izany dia famotehana ny Kaominina sy ny Firenena iray manontolo ny fametrahana an-keriny Ben’ny Tanàna toy izao.

Koa ambaranay amin’ny fomba ofisialy fa Tsy mankato sy tsy hanaiky ireo vokam-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny halatra sy hosoka ireo izahay ary tsy maintsy hijoro sy handray andraikitra ary hitady ny fomba rehetra hamoahana ny tena safidim-bahoaka marina.

Tsy azo ekena izao zava-misy izao satria tena fanitsakitsahana ny Lalàna velona sy fanaovana tsinintsinona ny safidim-bahoaka ary tena fihantsiana ny Mpifidy Malagasy.

Hametraka fitoriana miaraka amin’ireo porofo eny amin’ny Fitsarana aloha izahay ho fanajana ny voalazan’ny Lalàna.

Manantena izahay fa hitsara araka ny Lalàna sy ny fahamarinana ary ao anatin’ny fahaleovan-tena tanteraka ny Fitsarana.

Raha izao zava-misy izao no hitohy dia toa tsy ho azo antenaina intsony ny hisian’ny fifandimbiasam-pahefana na alternance au pouvoir amin’ny alalan’ny Fifidianana.

Raha izao zava-misy izao dia tandidomin-doza ny demokrasia sy ny sata repoblikanina eto Madagasikara, ary miroso mankany amin’ny Fanjakan’olon-tokana sy ny Fitondrana tsy refesi-mandidy ireo nampindramin’ny Vahoaka Fahefana mitondra an’i Madagasikara ankehitriny.

Noho izany dia miantso ny Hery velona rehetra misy eto amin’ny tany sy ny Firenena izahay hitsangana, hifanantona ary hanambatra ny Hery hiatrehana sy hamaranana haingana izao famotehana ny Demokrasia sy ny ho avin’ny Firenena izao.

Dia maniry sahady fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona feno Fifaliana ho antsika rehetra ary mirary antsika samy ho tratin’ny Taona vaovao 2025.

SAMIA HO TAHIN’ANDRIAMANITRA.

FANAMBARANA MIKASIKA NY FIFIDIANANA KAOMINALY SY MONISIPALY.

Ho vahinin'i Francis Ramanantsoa Mahasampo ao anatin’ny « Fandaharana DEBAT-NTSIKA, DEBAT NAO  eto amin’ny RTS » anio Ta...
17/12/2024

Ho vahinin'i Francis Ramanantsoa Mahasampo ao anatin’ny « Fandaharana DEBAT-NTSIKA, DEBAT NAO eto amin’ny RTS » anio Talata 17 desambra amin'ny 12 ora sy sasany i Frerot RALAIVAHINY Kandida ho ben'ny tanana eto Toliara I sy Razaha TONDRAHA filohan'ny mpanolotsaina ny kandida laharana faha 3
Horesahana ao amin’ny fandaharana ny tontolon’ ny fifidianana ben'ny tanana teto Toliara I

Arahanao mivantana amin’ny onjapeo 97.8Fm

« Sao dia mihevitra ho star eo , hoy neny, ndana milahatra rano ohatran'ny zana-bahoaka rehetra e… » hoy D-Lain, artista...
28/11/2024

« Sao dia mihevitra ho star eo , hoy neny, ndana milahatra rano ohatran'ny zana-bahoaka rehetra e… » hoy D-Lain, artista.

Betania- ⁠ Ny fandresen-tsika @ isam-bato ambony dia ambony @ Fifidianana ho avy izao dia hafatra mazava omen-tsika ny M...
28/11/2024

Betania
- ⁠ Ny fandresen-tsika @ isam-bato ambony dia ambony @ Fifidianana ho avy izao dia hafatra mazava omen-tsika ny Mpitondra fa leo ny Vahoaka Malagasy ary manome « carton rouge » ny Mpitondra tsy mahomby sy mpamitaka.
Noho izany dia tokony ho tonga maro isika hifidy ary hitaona ny namantsika hifidy @ 11 décembre ho avy izao.
Frérot Frérot fidio

- Famonoana ankolaka ny Malagasy ny zavamisy ankehitriny (jiro, rano, làlana, vidim-piainana, fandriam-pahalemana, …)- ⁠...
26/11/2024

- Famonoana ankolaka ny Malagasy ny zavamisy ankehitriny (jiro, rano, làlana, vidim-piainana, fandriam-pahalemana, …)
- ⁠Mbola ho mafimafy noho izao ny fampijaliana ho avy (hetra mobile money, Vary hybride, hetra @ ppn, haba @ gaz, karama tsy hiakatra, …)
- ⁠Mbola hitohy ny fampijaliana hataon’ireto Mpitondra ireto raha mbola mahazo fandresena ny Kandida-ny
- ⁠Tsy maintsy azontsika ny fitantanana ny Tanàna mba hahafahantsika hitondra fanovana sy fanarenana an’i Toliara.
- ⁠Tsy maintsy mandresy @ elanelam-bato maro isika mba hahazoantsika Conseillers maro mba hahafahan’ny Maire-ntsika miasa milamina hanatanteraka ny programme-ny.
- ⁠ Ny fandresen-tsika @ isam-bato ambony dia ambony @ Fifidianana ho avy izao dia hafatra mazava omen-tsika ny Mpitondra fa leo ny Vahoaka Malagasy ary manome « carton rouge » ny Mpitondra tsy mahomby sy mpamitaka.
Noho izany dia tokony ho tonga maro isika hifidy ary hitaona ny namantsika hifidy @ 11 décembre ho avy izao.
Frérot no ho lany eto Toliara

AMBOLA, distrikan'i Toliara II,Zaza amam-behivavy sy lehilahy miisa 50 narary rehefa nihinana Akio (Atsantsa), ny talata...
21/11/2024

AMBOLA, distrikan'i Toliara II,

Zaza amam-behivavy sy lehilahy miisa 50 narary rehefa nihinana Akio (Atsantsa), ny talata teo.
Ireo no nanatona CSBII ao Efoetse fa mbola misy any an-tanàna any.
Tokony mitandrina amin'ny fihinanana hazandranomasina amin'izao andro mafana izao fa mety misy poizina ho an'ny olombelona.

Skispass Atm - MPEB

HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKAN’I MADAGASIKARAMANOHINA NY FON’I JESOA NY FANGIRIFIRIANTSIKA MALAGASY“Onena i Jesoa n...
16/11/2024

HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKAN’I MADAGASIKARA

MANOHINA NY FON’I JESOA NY FANGIRIFIRIANTSIKA MALAGASY

“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”
(Mt 9,36)

Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katolika

Ho aminareo anie ny fiadanana!

01. Izany fiadanana nomen’i Jesoa ny mpianany sy ataontsika vavaka ao amin’ny hiram- pirenena izany no entinay miarahaba anareo sy ifankaherezantsika hatrany. Isaorana mandrakariva Andriamanitra noho ny fitantanany antsika mianakavy. Tonga amin’ny dingana farany ny fankalazana ny Sinaodin’ny Eveka momba ny “Eglizy miara-dia”. Tontosa soa aman-tsara ny Kongresy eokaristika nasionaly natao tany Antsiranana. Anisan’ny niarahantsika nanamarika ity taonan’ny vavaka ity iny hetsika lehibe iny. Eo koa ireo hetsika samihafa atao isan-toerana izay ampirisihina sy entina am-bavaka hatrany. Mampiditra antsika tsikelikely any amin’ny Taon-jobily faha 2025 taonan’ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany ireo hetsika ireo. Ny alin’ny 24 desambra 2024 no hosokafan’ny Papa io Taon-jobily io; ary ny alahady 29 desambra, isaky ny diosezy. Samy manana ny Mpiandry azy daholo ny diosezy rehetra eo am- pizorana mankany amin’ny Taon-jobily. Mampisaotra ny Tompo ihany koa ny jobily faha 25 taona naha Eveka an’i Monseigneur Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA sy Monseigneur Fulgence RABEMAHAFALY.

MANOLOANA NY RAHARAHAM-PIRENENA

03. Mpaminany ny Eglizy ka tsy sasatra izahay ary tsy afaka hangina mihitsy, miara- manao antso avo amin’ny vahoaka ny fangirifiriana mahazo ny Malagasy ankehitriny, na dia misy aza ny ezaka izay tsy azo odian-tsy hita. Mivaivay loatra ny olana momba ny jiro sy ny rano. Tsy ahitam-bahaolana mandritra ny taona maro izany: tsy fahombiazana no dikany; ary miendrika famonoana olona ankolaka, satria aina ny rano. Tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ireo filàna andavanandron’ny mponina. Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro. Mikorosy fahana ihany koa ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara manomboka amin’ny ambaratonga ambany ka hatrany amin’ny anjerimanontolo. Tsy tena tsapa ny akon’ireny fanampiana avy any ivelany ireny eo amin’ny toe-karena sy ny fampandrosoana. Nozarina hihafy sy hijaly ny vahoaka ka toa zary manaiky tsy fidiny ny fahantrana ho anjara sy lahatra. Tsy sahy maneho ny heviny izy ireo, satria “aleo maty ampitso, toy izay maty androany”. Ny mpitondra, etsy andaniny, toa tsy taitra akory, tsy hita mba mitady drafitra sy fomba fiasa ary vahaolana hafa. Ireo mpitondra akaiky kokoa ny vahoaka dia toa “angady tsy mahatapaka ahitra” ihany. Misy anefa mbola sahy milaza ihany fa mandroso ny firenena ary mahavita azy tanteraka ny mpitondra. Sao dia mba misy olona na vondron’olona voakarama hanasohaso ny mpitondra ka odian-tsy hita ny fahorian’ny vahoaka? Be loatra ny mpanararaotra fahefana sy manangon-karena, na amin’ireo mpitondra na amin’ireo mpiray antoko sy mpiara-miasa akaiky aminy. Iniana hadinoina fa misy farany ny zavatra rehetra.

04. Ampy hilazana ireo fa mitotongana tanteraka ny fiainan’ny vahoaka. Tapi-dalan- kaleha ny vahoaka madinika. Etsy ankilany anefa misy olona manao ampihimamba sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary mitavana sy mamono eritreritra tsy mijery ny fahantran’ny mpiara-belona aminy. Vitsy no afaka mamoron’asa hivelomana fa maro koa ireo orinasa efa nisy iniana potehina. Ireo tsy an’asa mitombo ary tsy mba manana antoka na kely akory. Tsy araka ny fampanantenana sy lokaloka nataon’ireo mpilatsaka hofidiana ka mandray ny toerana sy ny andraikitra ankehitriny ny zava- mitranga. “Ny tena toetra tokoa no enti-manjaka”, hoy ny fiteny. Tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ka miraviravy tanana ary samy manao izay hahafahany mivelona amin’ny fomba rehetra. Dia sanatria ve atao mihitsy izay hampahantra ny Malagasy mba hampanan-karena olom-bitsy? Inoanay ihany anefa fa misy aminareo mpitondra mandre mangirifiry manoloana izao fahantran’ny vahoaka mihoa-pampana izao ary hanao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitadiavana vahaolana faran’izay maika, mahomby ary mateza.

FAMPIVOARANA NO TANJON’NY POLITIKA

05. Ny Papa Fransoà dia nilaza mazava fa tsy azo ialana ny politika raha te hampivoatra firenena. Ny hevitry ny politika dia fiahiana ny soa iombonana, “indrindra ao anatin’ny fotoana sarotra”.1 Ny mpitondra sy ny vahoaka miara-dia no miantoka ny politika mahomby. Adidin’ny mpitondra ny manao izay hananan’ny vahoaka fiainana milamina sy mendrika ny maha-olona. Adidiny koa ny mampahalala ny vahoaka ny andraikitra tandrify azy sy manampy azy hanatanteraka izany. Ny vahoaka indray, araka izany, dia handray izany andraikitra tandrify azy izany amin’ny fanaovany tsara ny asany, ny fahaizany mivondrona sy mifanampy, manabe sy mifanabe. Tsy manabe vahoaka ireo tolotolotra ataon’ny fitondrana sy ny mpanao politika, izay tsy mitsinjo lavitra fa famonoana afo tsy mahalala afa-tsy ny eo no ho eo ihany. Mila mifampihaino ny vahoaka sy ny mpitondra; mila mihaino sy henoina koa ireo mpanohitra mba tsy hivadika ho sakana amin’ny fampivoarana ny hevitra tsy mitovy. Ilaina koa ny maka lesona amin’ireo lesoka efa nisy tany aloha: tsy fahamalinana, tsy fahombiazana, fifampiandaniana sy fifanilihana, fampihorohoroana, fiandrandrana lava ny fitondrana, tsy fifampihainoana, fifanomezan- tsiny, fanoherana bontolo, fanasarahana ny finoana sy ny andavanandrom-piainana, tsy fahasahiana mijoro, lainga sy kolikoly, tsy fitanana ny teny nomena sns.

HO ANAREO MPITONDRA

06. Manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao dia antso avo no atao aminareo mpitondra. Asa fa tsy kabary no andrasana aminareo. Omeo fahafahana hisitraka ireo filana fototra sy filana andavanandro ny vahoaka: sakafo sy kojakoja, jiro sy rano, tontolo iainana, fahasalamana, fanabeazana, fandriampahalemana, lalana, fahafahana maneho hevitra an-kalalahana. Hatao andrimaso manokana ny ankizy sy ny olona marefo. Toetsaina tsy mahazaka ny fahorian’ny vahoaka ka hampandefitra ny hambompo politika sy ny tombontsoa manokana no andrasana amin’ny mpitondra marina. Drafitr’asa mazava, mitohy ary mateza no hajoro mba hialana amin’izao fangirifiriana tafahoatra izao. Izao no fotoana hijerena akaiky sy maika ny famoronana asa sy ny fanomanana ny olona hahafehy tsara ny asany, mba tsy ho vesatra ho an’ny sehatra iasany na ho mpanararaotra sy mpitsentsitra vahoaka fotsiny. Antso (vocation) manko ny asa fa tsy fitadiavana fivelomana fotsiny. Tsy mahasoa antsika ny marina amboamboarina araka izay tombontsoan’ny tsirairay na ny vondrona samihafa. Tokana ny marina, dia izay ambaran’ny feon’ny fieritreretana madio sy ampianarin’ny lalàna tena izy ary ampianarin’ny Vaovao Mahafaly antsika. Hialantsika izao kolontsaim-pahafatesana iainantsika izao. Kolontsain’ny aina no andao haorina sy harovana. Todihana manokana ianareo zanaky ny Eglizy katolika mandray anjara amin’ny raharaham-bahoaka: aoka ho hita taratra fa nandray fampianarana ianareo.

HO ANTSIKA VAHOAKA

07. Mitodika amintsika vahoaka indray izahay. Ialao ny toetsaina miandrandra lava ny mpitondra. Atreho sy ataovy amim-pitiavana sy amin-kitsimpo izay manandrify antsika amin’ny fampivoarana ny firenena, na ao an-tokantrano na eo amin’ny fiarahamonina na any amin’ny toeram-piasana sy fianarana na any am-piangonana. Tsy fotoana hifanambakana sy hifanararaotana intsony izao. Ny fahaizan’ny vahoaka mifanaraka sy mifampitsinjo no antoka hampandry fahalemana sy hampandroso an’i Madagasikara. Omeo lanja hatrany ny andraikitry ny Ray amandreny sy ireo rehetra misehatra amin’ny fanabeazana izay fototra miantoka ny fiainam-pirenena. Aoka hivoatra hatrany amin’ny maha mpanabe vahoaka amin’ny fahamarinana sy ny fahaiza-miaina ny haino aman- jery, sy ho mpitondra ny feony. Aoka ho fakan-tahaka ianareo amin’ny haino aman-jery katolika.

FINOANA SY FIAINANA

08. Mampandini-tena antsika kristianina sy ny mpino rehetra izao fotoana lalovan’ny firenena malagasy izao: sao misy adidy tsy vita? Sao tsy niainana tsara ny maha fanasina sy fahazavana, ny maha olon’ny fanantenana? Sao mbola mifanipaka ny finoana sy ny fiainana andavanandro? Mifameno ny maha olom-pirenena sy maha kristianina na maha mpivavaka2. Henoy hatrany i Masindahy Paoly milaza amintsika hoe: “Mahaiza miaina amim-piadanana sy samy manao tsara ny asany” (1Tes 4,11). Lohalaharana sy mpanome ohatra, amin’izay nolazaina teo ambony, ireo mitonona ho kristianina sy mpivavaka. Ireo ezaka efa ataon’ny Eglizy katolika isaky ny diosezy dia hohamafisina hatrany: tetikasa fampivoarana ny olona, indrindra ny mahantra sy ny tany lavitra andriana, sekoly, hopitaly sy dispansera, diosezy maitso, fampiofanana, vondrona sy fikambanana, haino aman-jery, fanakaikezana ny olona sy ny tontolony. Izao no fotoana hanehoana ny maha fitaovana entina mitory ny Vaovao Mahafaly sy fanabeazana ny maha olona manontolo ny Sekoly katolika sy ny Fikambanana masina, miaraka amin’ireo Vaomieran’asa samihafa. Aza sodokan’ny voka-panadinana sy fifaninanana samihafa fotsiny. Hotadiavina amin’ny fomba sy ny sehatra rehetra ahafahana manao azy ny hahalalan’ny olona ny Fampianaran’ny Eglizy momba ny fiarahamonina.

“MPIVAHININ’NY FANANTENANA”

9. “Aoka tsy hisy hangalatra ny fanantenana ao aminareo”3, hoy ny Papa Benoà faha 16. Na izao aza no mahazo antsika dia velomy hatrany ny fanantenana. Aza kivy eo anatrehan’ny sarotra, fa mitrakà hatrany miatrika ny fiainana sy manatanteraka amim- pitiavana ny adidy manandrify sady mikaroka hatrany izay mahasoa kokoa, araka ireo antso natao teo aloha. Tahaka ireo vahoaka tany an’efitra dia onena koa i Jesoa mahita izao fangirifiriana mahazo antsika izao. Manohina ny fony izany. Fon-dRaiamandreny tsy mahazaka ny manjo an-janany manko ny fon’Andriamanitsika, ka tsy afaka hijery fotsiny izy. Ary mipetraka hatrany ny teniny hoe: “Isaky ny nanao izany tamin’ireny madinika ireny ianareo dia nanao izany tamiko […] Ary isaky ny tsy nanao izany tamin’ireny madinika ireny ianareo dia tsy nanao izany tamiko” (Mt 25, 34-46). Ny fitiavana no isehoan’ny finoana sy ny fanantenana sady mandavorary azy. Fitiavana manosika hiasa sy hiatrika ny fiainana izany ka hanorenana hoavy tsaratsara kokoa hatrany. Koa sady manao ny adidintsika isan’andro amim-pahitsiana isika no mivavaka tsy tapaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao” (Mt 6,10), sy hoe: “Ampitomboy ny finoanay” (Lk 17,5).

10. Iombonanay ny tenin’ny Papa Fransoà hoe: “Amin’ny fo maimay no italahoako ny fanantenana ho an’ireo mahantra an-tapitrisany maro izay tsy manana ny ilainy mba hivelomany”4. Tsy hanary toky àry isika fa hiatrika hatrany sy hahatsiaro tena fa mpiara- miombona antoka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara tanindrazantsika. Enga anie ny Taon-Jobily hamelona fanantenana ho an’ny isan-tokantrano sy ny Mpivahinin’ny fanantenana rehetra. Homba antsika hatrany anie ny vavak’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara sy Masindahy Josefa, miaraka amin’ireo Olomasina sy Olontsambatry ny tanintsika.
Mitsodrano anareo izahay Evekanareo.

Natao teto Antananarivo, 15 novambra 2024 Fahatsiarovana an’i Masindahy Albert Le Grand, Eveka sady Mpampianatry ny Eglizy

Son Exc. Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara
Son Exc. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Evekan’Antsirabe, Filoha lefitra
Son Exc. Mgr Jean Claude RAKOTOARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,
Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana, Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Arsevekan’Antananarivo
Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa Son Exc. Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Arsevekan’i Toliary
Son Exc. Mgr Francis Donatien RANDRIAMALALA, Evekan’Ambanja
Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé Son Exc. Mgr Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Mahajanga
Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Eveka voatendry ho an’i Farafangana Son Exc. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga
Son Exc. Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Evekan’i Tsiroanomandidy Son Exc. Mgr Clément Herizo RAKOTOASIMBOLA, Evekan’i Maintirano, Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra
Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary, Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy
Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Administratera Apostolika Farafangana Son Exc. Mgr Jean Désiré RAZAFINIRINA, Evekan’i Morombe
Son Exc. Mgr Luc Olivier RAZAFITSIMIALONA, Evekan’i Tolagnaro
Son Exc . Mgr Nicolas RAKOTOJAONA, Eveka Mpanampin’i Morondava
Son.Exc. HERIVONJILALALAINA Orthasie Marcellin, Evekan’’Ambatondrazaka Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Eveka misotro rononon’Miarinarivo Son Exc. Mgr Michel MALO, Eveka misotro rononon’Antsiranana
Son Exc. Mgr Armand TOASY, Eveka misotro rononon ‘i Port-Bergé
Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arseveka misotro rononon’Antananarivo
Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arseveka misotro rononon’i Toliary
Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Eveka misotro rononon’i Tolagnaro

1 Jereo FRANÇOIS, Fratelli tutti, lah. 176 sy ny manaraka.
2 Jereo KONSILY VATIKANA II, Fiangonana manoloana ny andro ankehitriny (FAA), lah. 43.
3 BENOIT XVI, Spe salvi, lah. 36.
4 Jereo FRANÇOIS, Spes non confundit, lah. 15.

©️Vaomieran'ny Eveka ho an'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona - Madagasikara

Sao dia mba misy olona na vondron'olona voakarama hanasohaso ny mpitondra ka odian-tsy hita ny fahorian'ny vahoaka? Hoy ...
16/11/2024

Sao dia mba misy olona na vondron'olona voakarama hanasohaso ny mpitondra ka odian-tsy hita ny fahorian'ny vahoaka?

Hoy ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara

Address

Toliara Madagasikara
Tulear
600

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Toliara Info-Line posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share