🟥Nivahiny nandritry ny vaovao an-tsary tao @ TVM ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany, Atoa Olivier Herindrainy RAKOTOMALALA ny 4 marsa lasa teo, ary noresahany tao ny momba ny tetikasa Base Toliara.
🟥Nambarany fa nisy ny dinika lalina nifanaovan’ny tompon’andraikitra ambonin’ny orinasa sy ny fitondram-panjakana, nametraka ny tombontsoa ho azon’ny mponina avy @ io tetikasa io.
🟥Ny azo laizana hoy izy dia miroso ny dinika ary efa mijery ny fepetra rehetra mba tena hitondra tombontsoa, tsy ho an’ny vahoaka eto Toliara ihany fa manerana ny firenena @ ankapobeny mihitsy ny fampandehanana ny fitrandrahana.
🟥Inoana fa hitondra ho any @ “conclusion positive” ny dinika rehetra atao, hoy hatrany izy.
🟥🟥Nitondra fanazavana mahakasika ireo tombony ara-toekarena entin'ny orinasa Base Toliara ho an'ny faritra Atsimo- Andrefana sy Madagasikara manontolo i Atoa Iadanako Ratovomanantsoa, Talen'ny kabinetran'ny kaominina Ambonivohitry Toliara no sady cadre Masikoro, manam-pahaizana manokana mahakasika ny jeografia sy ny tontolo iainana. Ho maro ny asa hiforona ankoatry ny asa mivantana haterany.
🟥🟥Nambarany fa betsaka loatra ny tsaho haely etsy sy eroa mahakasika ny filazana fa mahafaty sy mahabe loha io fasimainty io. Tsy marina izany aminy satria mandalo @ io bassin versant misy fasimainty io avokoa ny rano ampiasain'ny mponina ka raha nankarary izany dia tokony efa ela no nisy fihatraikany tamin'ny mponin'i Toliara. Efa toe-java-pitranga ihany koa ny fahasembanana (malformation) mahazo ireo zaza fa tsy ny fitrandrahana akory no mahatonga izany.
❌❌Manameloka marindrano ny fanoherana bontolo ny tetikasa Base Toliara ireo Mpitankazomanga sy Olobe avy amin’ny kaominina dimy voakasiky ny fitrandrahana.
👉«Tsy tokony ireo vitsy an’isa tsy tia fampandrosoana no hanasaziana ny maro an'isa liam-pivoarana», hoy izy ireo.👈
✅✅Mino izy ireo fa hiteraka famoronana asa, hanatsara ny fidiram-bolan'ireo kaominina voakasika, ary hanohy ny famitana ny fanamboarana ireo fasana 55 sisa tavela ny fisokafan’ny orinasa ary izany no anaovan’izy ireo antso avo amin’ny fitondram-panjakana @ Présidence de la République de Madagascar, mba handray fanapahan-kevitra amin’ny fotoana haingana indrindra ny amin’ny tetikasa satria maro harena sy maro tanora manam-pahaizana ao Toliara saingy indrisy mijanona ho toeram-pandevenana tetikasa lalandava ny faritra ka miaina anaty fahantrana lalina ny mponina ao.
✅✅Tsy diso anjara tamin’ny fanehoan-kevitra mikasika ny tetikasa Base Toliara ihany koa ny raiamandreny Roberval Manohera.
👉Ny tsy fahafantarana ny tamberimbidy sy ny tombontsoa marina avy amin’ny tetikasa hoy izy no anton’ny fanoherana teo aloha. Efa mazava nefa izany ankehitriny.
👉Nazavainy ihany koa fa tsy hisy tanàna ho rava satria lavitry ny toeram-pitranrahana no misy ny fonenan’ny mponina.
👉Raha ny resaka famindran-dolo indray dia mahazo tombony aza ny mponina satria manjaka ny vaky fasana. Ny tetikasa nefa dia manatanteraka fanamboarana fasana.
👉Efa mazava ihany koa ny tetikasa raha eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana satria hisy ny asa faneranana sy ny fambolen-kazo ho ataony
👉Ary farany, tsy mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ny fitrandrahana fasimainty. Mandalo amin’ny toerana misy fasiamainty ny rano sotroin’ireo mponina ka raha toa ka mahafaty na mankarary tokoa izany dia efa ela ny mponina no voa.
⭕⭕Tsy mitsahatra ny manao antso avo amin'ny fitondram-panjaka Présidence de la République de Madagascar miaraka amin'ireo mponina maro be izy mba hanokatra ny orinasa izay antenain'izy ireo hitondra vahaolana ho an'ny faritra Atsimo-Andrefana.
Émission spéciale TVPLUS - Olobe an-tanà
⭕Olobe Emily LIZANTY sy Olobe Leondisme MANDREREKE no nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TVPlus mikasika ny toe-draharaha misy eto Toliara. Miaina anaty fahantrana lalina ny mponina ary mila vahaolana maika manoloana izany. Ireo Olobe ireo dia resy lahatra tanteraka fa ny tetikasa goavana Base Toliara ihany no afaka manala azy ireo amin’ny fahasahiranana noho ireo tombony ara-toe-karena sy ara-tsosialy maro ho entiny hoan'ny mponina.✅
⭕Nanazava ny sain’ny mponina ihany koa izy ireo mahakasika ny tsaho miparitaka fa hoe mahafaty na hoe hamotika ny alan’ny Mikea ny fitrandrahana fasimainty ao Ranobe. Tsy mitombona avokoa ireo rehetra ireo. Anisan’ny nitondran’izy ireo fanazavana ihany koa ny fanamboarana “jetée” ao Andaboly, izay tsy hanelingelina na hanakana ny fivezivezen’ny lakana sy ny mponina mihitsy izany fa vao maika aza hanohana ny sehatry ny jono sy ny fizahan-tany ny fisiany.↗️
⭕Manao antso avo amin’ny fitondranam-panjakana mahefa Présidence de la République de Madagascar, indrindra @ Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina izy ireo mba hamoha ny orinasa izay efa eken’ny maro an’isa eto Toliara.📣
Emission spéciale TVPLUS du 11 juillet
💥💥Miombon-kevitra amin’ny tokony hanokafana ny orinasa Base Toliara ny Ben’ny tanàna tsirairay anatin’ireo kaominina dimy voakasiky ny tetikasam-pitrandrahana.
❓❓Ny antony dia maro ny tanora tsy an’asa ao amin’ny distrika roa tonta na Toliara I na Toliara II.
📣📣Miangavy amin’ny fitondram-panjakana ary izy ireo, indrindra amin’ny Filoha Andry Rajoelina mba hamoha ny orinasa, izay inoan’izy ireo fa hampandroso ny faritra Atsimo-Andrefana sy ny firenena mihitsy aza.
--------------------------------------------------
1️⃣𝐕𝐢𝐭𝐚 𝐒𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐃É𝐃É, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐓𝐨𝐥𝐢𝐚𝐫𝐚 𝐈:
Ny hetra miditra avy amin’io fitrandrahana io dia miditra amin’ny ligne budgetaire entina hampandrosoana ny tanana sy hanatsarana ny foto-drafitrasa. Izay rehetra manahirana ny vahoaka dia mety ho voavaha raha misokatra io orinasa io.
2️⃣𝐌𝐀𝐇𝐀𝐓𝐎𝐑𝐎 𝐋𝐨𝐧𝐠𝐢𝐧, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐀𝐧𝐤𝐢𝐥𝐢𝐦𝐚𝐥𝐢𝐧𝐢𝐤𝐞:
Lavitra tanteraka ny toeram-pitrandrahana no misy ny tanàna sy ny toeram-pambolen’ny mponina. Asa tsy mivantana maro ihany koa no hoforona satria hamatsy ireo vokatra any an-toerana ny orinasa. Hisy ny “redevances” hiditra izay afaka mampiodina ny toe-karen’ny faritra.
3️⃣𝐑𝐀𝐇𝐄𝐑𝐈𝐒𝐎𝐀 𝐌𝐚𝐩𝐚𝐜𝐢, 𝐁𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧à𝐧𝐚𝐧’𝐢 𝐁𝐞𝐥𝐚𝐥𝐚𝐧𝐝𝐚:
Miaina amin’ny fizahan-tany ao Mangily Ifaty ny ankamaroan’ny tanora ao Belalanda. Indrisy, mangingina io sehatra io ankehitriny. Izay no antony angatahiny ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara mba hiasan’ireo tanora maro be sahaniny ireo.
Nambarany ihany koa fa tsy hanelingelina ny fizahan-tany sy ny fivezivezen’ny mponina ao Andaboy ny fitrandrahana ho ataon’ny Base Toliara.
4️⃣𝐓
Fandaharana Lazao ny marina
🔲𝐅𝐀𝐍𝐃𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 “𝐋𝐀𝐙𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀” 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐕𝐌 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐊𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐄 𝐓𝐎𝐋𝐈𝐀𝐑𝐀
👉Ahitanao ny fanazavana rehetra momba ny “radioactivité” mikasika ny fitrandrahana fasimainty ao Ranobe entin’i Pr. RAJAOBELISON, Tale Jeneralin’ny INSTN na Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires sy ny Pr. RAZAKAMANANA, ingénieur géologue sady manam-pahaizana momba ny harena ankibon’ny tany, ary ny Pr. RANDRIAMALALA René Paul, mpikarakara momba ny Harena Ankibon’ny Tany.
✅✅Noporofoin’izy ireo fa ambany lavitra noho ny fenitra napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana ny radioactivité ho an’ny fitrandrahana ao Ranobe.
‼️‼️Noamafisan’i Pr. RAZAKAMANANA ihany koa ny tombontsoa rehetra azo avy amin’ny fiodinan’ny orinasa toy ny fanomezana fampiofanana isan-karazany, famorona asa maro, fanatsarana ny fambolena, …
✅✅Raha resaka rano indray dia manatanteraka ny atao hoe « recyclage » na fanodinkodinana ny rano avy nampiasaina ny orinasa mba tsy hisian’ny fahaverezan’ny rano.
Base Toliara: Mobilisation du 26 juin
✅🇲🇬Vahoaka mpomba ny Base Toliara maherin'ny 3 000 no niray hina nandray anjara tamin'ny filaharana nandritry ny fankalazana ny fetim-pirenena teto Toliara.
Niray feo nanamafy ny antso amin'ny fitondram-panjakana ny hanokafana ny orinasa ireo vahoaka voakasiky ny tetikasa eny anivon'ireo kaominina 5 ao Toliara I sy Toliara II niaraka tamin'ire Ben'ny Tanana sy sefo fokontany eny an-toerana.
📹: Tv Plus Madagascar
Déclaration du Olobe Jean-Claude Rafesy après la projection du film "Les derniers des Mikea"
⭕⭕𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗝𝗲𝗮𝗻-𝗖𝗹𝗮𝘂𝗱𝗲 𝗥𝗮𝗳𝗲𝘀𝘆, 𝗮𝗻𝗶𝘀𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗕𝗮𝘀𝗲 𝗧𝗼𝗹𝗶𝗮𝗿𝗮, 𝗻𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗱𝗲𝗳𝗮𝘀𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮𝗻𝘁𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗻𝗼𝘃𝗼𝗸𝗮𝗿𝗶𝗻’𝗶 𝗝𝗲𝗮𝗻-𝗖𝗹𝗮𝘂𝗱𝗲 𝗩𝗶𝗻𝘀𝗼𝗻 𝗺𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗼𝗵𝗮𝘁𝗲𝗻𝘆 “𝗟𝗲𝘀 𝗱𝗲𝗿𝗻𝗶𝗲𝗿𝘀 𝗱𝗲𝘀 𝗠𝗶𝗸𝗲𝗮”.
📌📌Noamafisiny fa tsy misy ifandraisany amin’ny faritra hotrandrahan’ny Base Toliara ny faritra misy ny Mikea.
☑️☑️Resy lahatra avokoa ireo vahoaka miisa 1 300 nanatrika tao fa tsy hikasika na hanimba ny alan’ny Mikea ny fitrandrahana fasimainty kasain’ny orinasa. 📌
🚨🚨Niharihary tao anatin’ny horonantsary avokoa ny fandripahana ala ataon’ny ireo mpanararaotra samihafa, satria ahitana hazo sarobidy ihany koa ao toy ny andramena, ny hazo ebona na “bois d’ébène”. Fa indrindra ny fambolena katsaka amina taonina maro izay tena mamotika ny ala fonenan’ny Mikea.Ny tenan’izy ireo mihitsy no nilaza ireo mpiaro sy mpanohana azy, anisan’izany ny Toliara Sands (Base Toliara ankehitriny), sy ireo tena mpamotika azy ireo.
👏👏Tehaka marefodrefotra no namaranan’ny mpijery ny fandraisam-pitenenana ny amin’ny fitakiana ny fiverenan’ny tetikasa Base Toliara izay azo antoka fa tsy misy hatahorana sady koa ilain’ny mponina aty Toliara.
--------------------------------------------------------
⭕⭕𝗣𝗿𝗶𝘀𝗲 𝗱𝗲 𝗽𝗮𝗿𝗼𝗹𝗲 𝗱𝘂 𝗢𝗹𝗼𝗯𝗲 𝗝𝗲𝗮𝗻-𝗖𝗹𝗮𝘂𝗱𝗲 𝗥𝗮𝗳𝗲𝘀𝘆 𝗮𝗽𝗿è𝘀
👉📃 Ho tohin’ny fanambarana nataon’ny fikambanana Toko Bey Telo ny amin’ny fanohanan’izy ireo ny tetikasa Base Toliara, dia niakatra an-drenivohitra izy ireo nanamafy izany noho ny fitsinjovana ireo tanora maro zanak’izy ireo tsy an’asa, monina any amin’ny toerana voakasiky ny fitrandrahana.
👉🔄Koa mamerina ny antso avo amin’ny Filoham-pirenena izy ireo mba hanokatra ny orinasa satria ankoatra ny famoronana asa isan-karazany, dia eo ihany koa ireo tombontsoa hafa toy ny asa sosialy, ny fanohanana ara-pitaovana ireo mpanjono, ary indrindra ny fampidiran-ketra hitondra fampandrosoana ny faritra.
‼️👌Manome toky izy ireo fa andamosin’ny Filoham-pirenena ny amin’ny fanapahan-kevitra tokony ho raisiny manoloana ny tetikasa Base Toliara.
Tohin'ny fanambarana nataon'ny Tokobeitelo
🔔📌Manamafy ny fambarana nataony mikasika ny fanohanana ny tetikasa Base Toliara ireo tokobeitelo noho izy ireo maro be mipetraka amin’ny toerana voakasiky ny fitrandrahana ao Toliara I sy Toliara II.
🟥Rehefa nanadihady tsara izy ireo, dia mahita fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka tokoa ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa, ary manaporofo izany ny fitsirihana ataon’ny INSTN na Institut National des Sciences Nucléaires, misahana ny resaka “radioactivité” eto Madagasikara.
🟥Ny fisiana orinasa lehibe ihany koa no hanome aina ny toe-karena ao Toliara satria hiteraka asa isan-karazany.
☑️☑️Efa maro dia maro ireo mangataka ny hisokafany: ao vahoaka eny ifotony, sefo fokontany, ben’ny tanàna, solombavam-bahoaka sy loholona ao amin’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa. Koa manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo hiroso amin’izany.
🔔Fanambarana nataon'ireo raiaman-dreny sy Olobe ao amin'ny fikambanan-drazana Toko Bey Telo mikasika ny tetikasa Base Toliara:
✅Hitan'izy ireo ny fanambarana nataon'ny Tale jeneralin'ny INSTN, sady solon-tenan'ny AIEA (Agence Internationale de l'Énergie Atomique) eto Madagasikara, misahana ny resaka radioactivité, fa tsy misy atahorana amin'ny fahasalaman'ny mpiasa sy ny vahoaka manodidina ny fitrandrahana fasimainty rehefa natao ny fandrefesana rehetra.
✅Noamafisin'ny Tale jeneralin'ny ONE ankehitriny ihany koa fa ara-dalàna ny fahazoan-dalana ara tontolo iainanan'i Base Toliara. Efa nandalo "études d'impacts environnementales" ny tetikasa ary efa misy ihany koa ny «< cahier de charges » manoloana ireo fepetra mila raisina ho fisorohana ny mety ho fiantraikany amin'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana.
🟥Noho izany, manohana tanteraka ny tetikasa izy ireo mba hisiana orinasa lehibe eto Toliara, hampandroso ny toe-karena anatiny, hiteraka asa maro, hanao asa sosialy, hanohana ny sehatry ny fambolena sy ny jono, hanome rano fisotro madio.
🎯Averina amintsika ny fanazavana noentin’i Marcel Tsiamby nandritra ny fandaharana don-dresaka teto Toliara, mikasika ny resaka fanodinkodinam-bola.
✅Nambarany ampahibemaso fa namatsy vola azy ireo fony izy mpanohitra ny tetikasa Base Toliara ny fikambanana Craad-OI sy Collectif Tany. Nataon'izy ireo fitadiavam-bola hoy izy ny fahavoazan'ireo zanany sy ireo namany izay nigadra tany Fianarantsoa, ka tsy nahazo fanampiana akory izy ireo fa tapitra nanamboarana trano, nividianana finday ary panneaux fotsiny ilay vola tokony hiarovana azy ireo.
Foko Antandroy mangataka ny fisokafan'ny orinasa Base Toliara
📌Naneho ny fankatoavan'izy ireo ny tetikasa Base Toliara ny Teraky ANDROY VERENDREHA TSY MAGNAVADRAZA androany ary manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana mahefa ny hanokafana ny orinasa.
👉Voakasiky ny fitrandrahana ny foko Antandroy satria dia ny 80% amin'ireo mponina ao Ankatrakatraka, izay anisan'ireo toerana tena voakasiky ny fitrandrahana dia avy amin'ny foko Antandroy avokoa
☑️Raha ny voambara dia vahaolana ho azy ireo ny fandehanan'ny orinasa satria hiteraka asa maro, indrindra ho an'ny tanora, ary koa hanafoana ny tsy fandriam-pahalemana izay tena mirongatra ankehitriny.
📣 Miray feo amin'ireo vahoaka voakasiky ny fitrandrahana manao antso avo @ fitondram-panjakana mahefa ny Teraky ANDROY VERENDREHA TSY MAGNAVADRAZA, mba hamoha io orinasa io ho fampandrosoana ny faritra sy ny firenena manontolo.
Fihaonan'ireo loholona misahana ny faritany atsimo mikasika ny tetikasa Base Toliara
🟥Olom-bitsy sy voakarama no manohitra ny fisokafan'ny orinasa Base Toliara raha ny nambaran'ireo lonaky sy ny oloben'i Toliara, nandritra ny fihaonany t@ ireo loholona telo misahana ny faritany atsimo.📌
🟥Asa hatrany @ 95% no hiforona raha misokatra io orinasa io. Amin’izao fotoana izao dia hita fa efa maro ireo orinasa eto an-toerana no tsy afaka miodina intsony, ka io no sisa mba hany fanantenana ho an'ireo tanora na ny nahita fianarana na ny tsy nahita.✅
🟥Fantatra nandritra io fihaonana io ihany koa fa manodididna ny 3 tapitrisa dolara ny tetibola entin'io orinasa io hatokana ho an'ny asa sosialy.👈
Roberval
"Sokafy io Base Toliara io mba hisitrahan'ny vahoaka eto Toliara ireo tombontsoa ara-toe-karena sy sosialy" hoy ny Raiamandreny Roberval, avy ao Maromiandra. Mbola tsy nitrandraka akory io Orinasa io teo aloha dia efa hita nivaingana ny fanampiana sy asa sosialy nataony ary maniry ny hitohizan'izany ny vahoaka ao anatin'ny Kaominina voakasiky ny tetikasa.
⭕️⭕️⭕️ Mijoro ara-dalàna ary mamaly ny fepetra rehetra ara-tontolo iainana ny Tetikasa Base Toliara
👉Adidin’ny fiaraha-monim-pirenena ny mijery hoe toy ny ahoana ny dingana rehetra nahatafajoro ny tetik’asa fitrandrahana sy ny nahazoany ny taratasim-panjakana rehetra. Tsy maintsy misy ny « études d’impacts environnementaux » atao mialohan’ny fitrandrahana, ary voarakitra anaty cahier des charges ny fanadihadiana rehetra mikasika izany.
📌 Misy ny « analyse des risques » natao ho fampihenana ny mety ho fiantraikan’ny tetik’asa ho an’ny tontolo iainana sy ny zava-boahary manodidina rehetra.
📌 Ary indrindra, ny fanjakana ny nametraka ny « organe de contrôle » dia ny ONE izany na « Office National pour l’environnement », izay mamoaka ny « permis environnemental » ary manara-maso hatrany ny asa fitrandrahana
OLOBE SY FIKAMBANANA MANOHANA NY TETIKASA BASE TOLIARA
« SOKAFY BASE TOLIARA Andriamatoa FILOHA » Nanamafy ary nanao antso ireo fikambanana maro be: mpanjono, fikambanam-behivavy, tanora tsy an’asa, olobe avy amin’ny fokontany misy ny tetikasa,…ny hanokafana ny Orinasa Base Toliara. Hanampy an’ireo mponina amin’ny lafiny sosialy (asa, fampiofanana, foto-drafitrasa, ….) sy hampiroborobo ny toe-karena eto amin’ny faritra Atsimo Andrefana io Orinasa io raha miodina, antony nanaovan’izy ireo antso avo.
⭕️ BASE TOLIARA : INONA NY TENA MARINA MANOLOANA NY TSAHO VOIZINA FA MISY TANANA HANJAVONA
⚠️ Lazain'ireo mpanohitra ny tetik'asa fitrandrahana fasimainty ao Ranobe indray fa ho rava ny tanan'ny Benetse, dia ho voakitika koa ny alan'ny Mikea sy ny tanan'Ifaty.
📌👉 Tsy marina daholo izany ary tena lainga marivo tototra ("flagrant délit de mensonge") satria samy tsy ao anaty "perimètre d'exploitation" nahazahoana alalana na "permis d'exploitation".
#perimètre_d'exploitation_base_toliara
⭕️⭕️⭕️ INONA NY TENA MARINA MANOLOANA IREO RESAKA NOVOIZANA MAHAKASIKA NY FITRANDRAHANA FASIMAINTY AO RANOBE
📌 Horesahintsika eto isaky ny lohahevitra izany manomboka androany araka ny fanazavana azonay narahina fikarohana nataonay Olobe.
💧💧💧Inty misy fanazavana fohifohy mahakasika ny fampiasana ny rano nalainay tamin'ireo tahirinkevitra ara-teknika sy ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ireo" experts en eau" tamin'ny 2018.
#rano_hampiasain'ny_tetik'asa_fitrandrahana_fasimainty