21/10/2022
Fidinana tao amin’ny Fokontany Ambohibola, Kominina Androka, Distrika Ampanihy Andrefana momba ny olana eo amin'ireo mpamboly lomotra any an-toerana. Niaraka tamin'ireo ekipa manaraka ireto : ekipa MPEB tarihin’I Ministre de MPEB, ekipa DRPEB Faritra atsimo andrefana, DirCAB Region Atsimo andrefana, Prefet de Toliara, Chef district Ampanihy, Procureur d’Ampanihy, OSC National (SANSAFA Mada sy RENAFEP Mada), Ireo Zandary sy Polisy Ampanihy, ny alarobia faha 05 Oktobra 2022 hijery ifotony ny olana misy ao an-toerana.
Noho ny fihenan'ny vokatra azo an-dranomasina isan’andro dia mihena arak’izany koa ny fampidirambola hoan'ny tokantrano. Noho izany dia manampy betsaka amin’ny fiveloman’ny panjono ny fambolena lomotra, atao vadin’asa. Ary maro amin’izy ireo no efa manao izany ankehitriny ho anton'asa mihintsy. Ilaina anefa ny fisian’ny fandaminana sy lamina avy amin’ny fanjakana foibe mba tsy hisian’ny olana tahaka ny tamin'ity fokontany iray ity, izay nandalovanay tany tamin'ny 04 - 06 octobra lasa teo.
- Orin'asa roa (02) momba ny fambolena lomotra (culture d'algues) no miasa ao an-toerana : Ny "Ocean farmers" (Orin’asa Frantsay) sy ny Maprosud (Orin’asa Sinoa). Efa ho 03 taona izao ny Ocean farmers (O.F) no niasa tao, izay tsy nahenoana olana, ary 01 taona koa izao ny Maprosud (M.S), ka izao niteraka savorovoro teo amin'ireo panjono izao.
Araka ny fanazavana azo dia samy tsy manara-dalana ireo orin'asa roa ireo satria mbola "Accord de principe" no azon'i O.F hatreto, ary "autorisation d'essai no azon'i M.S. Samy mbola tsy mahazo alalana hitrandraka sy hanondrana vokatra izy roa ireo, izany hoe SAMY TSY MISY MAHAZO MIVIDY NA MANONDRANA LOMOTRA. Nefa dia samy efa manatanteraka izany ny roa tonta hatreto.
Tsikaritra tamin’ny fidinana ifotony koa ny tsy fanarahandalàna, nataon'ny orin'asa M.S tamin'ny nahatratrarana HAZO SAROBIDY, miisa 27 nafenina tao anaty ala fasana akaiky ny tanàna, izay ampiasaina hanaovana "Piquets" hambolena lomotra. Nahitana HAZO SAROBIDY koa tao amin'ny zandarimaria Itampolo, izay miisa 484, izay tratra tao amin'ny ALA AROVANA AMBOLISONY (Itampolo), tamin'ny volana avril 2022 teo, izay hita eo amin'ny sary. Araka ny fanazavana azo, dia saika haondrana ho any Ambohibola ireo hazo ireo, hampiasaina amin'ny fambolena lomotra ho an'ny orin'asa M.S, ka voageja ao Itampolo hatramin'izao. Efa natao ary ny PV, ary efa lasa any Ampanihy, fa fahafahana vonjimaika no valin'izany hatreto.
Zavatra tsikaritra koa ny fanapotehana atao amin’ny VATOHARA (Récif corallien) amin'izany fambolena lomotra izany (sary), sy ny fampiasana fitaovana motera miisa 08 (radeaux na barges), izay manakorontana ny "ecosysteme marin", ka lasa mandositra lavitra ireo hazandranomasina. Etsy an-daniny ihany koa ny tsy fisian'ny lalan'ny lakan’ireo mpanjono, noho ny hamaroan'ny " ligne de culture d'algues". Velom-pitarainana arak’izany ary ny panjono rehefa handeha hanjono. Manampy an'izany koa ny fampiasan'ny orin'asa M.S ny toerana fitobian'ny lakana eo amin'ny "plage", hanaovan'izy ireo ny "base" sy ny magasin, izay tsy tokony hanaovana izany eo araky ny lalàna.
Noho ireo antony manaraka voatanisa etsy ambony ireo dia manaitra antsika olom-pirenena sy ireo mpitondra tompon’andraikitra isan’ambarantongany avy ny Firaisamonimpirenena mba hisian’ny :
1- Fampahafantarana tsara ho an'ny orin'asa hiasa momba ny zavatra tokony hataony aorian’ny ny fahazoandalana azony.
2- Fanambarana ireo olom-boatendry sy olom-boafidy, rehefa misy ny orin'asa hiasa ao amin’ny toerana iadidiany, mba tsy ho tompontrano mihono izy ireo .
3- Tsy fiandrasana fa sarotra ny olana vao tonga hamaha izany, fa ilaina ny fandraisana ireny tatitra ireny amin'ny ambaratonga tsirairay avy.
4- Fifandraisana matotra eo amin'ireo orin'asa izay hiasa eo amin'ny toerana iray, mba tsy ho fiandohan'ny fisarahambazana hoan'ny vahoaka ka hitondra korontana eo amin'ny vahoaka ny fisian’izy ireo.
5- Fanarahamaso akaiky sy fandraisana andraikitra haingana ataon’ny tompon’andraikitry ny jono manakaiky ilay toerana raha misy olana izay azo vahana.
SANSAFA Madagasikara Sansafa Madagascar sy RENAFEP Mada Réseau National des Femmes de la Pêche à Madagascar