02/06/2023
Filohan'ny komitin'ny lavanila eto Madagasikara Ramatoa Romy Andrianarisoa, efa maro ny dingana sy ny ady nataony ho vahaolana, ho famelana malalaka ireo mpiatsehatra.
Dingana maro no nosedrana sy nandalovana , efa 10 taona nisehatra tamin'ny sehatry ny lavanila raha teo moa tenany ka tsy vahiny fa azo lazaina manana traikefa feno hitondra vahaolana mikasika io lavanila eto Madagasikara. Isan'ny nataoko hoy izy ny fananganana sy fampivondronana ireo fikambanam-behivavy miatsehatra zato isan-jato amin'ny sehatra ity ary avy eo ny "business model uni-commande", voakasiky izany indrindra ny faritry i Sambava, Antalaha ary Andapa .
Mitohy ny ady atao ary miakatra ambonimbony kokoa eo sehatra iraisam-pirenena izany, ny koferansa mba hametrahana ny fampandrosoana maharitra sy fampiakarana ny kalitao no tena imasoan'ny komitin'ny lavanila eto Madagasikara amin'izao io izay ifarimbonana miaraka amin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fampiroboroboana ny Indositria, ny Minisiteran'ny Vola sy ny Toekarena ary ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, efa maro ireo zavatra natao ary mitohy sy mihamafy izany ankehitriny. Isan'ny tanjona iraisana amin'ny Governemanta sy ny fanjakana malagasy ny fanavaozana ny rafitram-pitantanana momban'ity sehatra ity ka ny mba ho tombony ho an'ny Faritra sy hiteraka fampidirambola goavana lehibe eto amin'ny firenena izany ary ny hisian'ny fahalalahana eo amin'ny samy mpisehatra. Ny Filohan'ny repoblika Andry Rajoelina raha teo dia manana fomba fijery ny mba hampatanjaka sy hanana ny anjara toerana lehibe dia lehibe eto amin'ny firenena malagasy ny lavanila, halalaka ny tsirairay amin'ny fahazahoandalana mandraharaha sy miatsehatra amin'izany na ny eto antoerana fa indrindra ihany koa amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny lafiny maro raha ny nambaran'i Ramatoa Romy Andrianarisoa Filoha mpitarika ny komitin'ny lavanila eto Madagasikara no sady Tale kabinetran'ny fiadidian'ny repoblika ity. Fahatokisana feno araka izany no napet