💥Fa azo ambara hoe matihanina tanteraka ny seho rdj mozika izay notanterahina omaly tao Amin'ny Lapa kolontsaina Mahamasina no nanaovana Izany.
🛑Andiany faha 19 moa ity notanterahina omaly ity,Ary mazava hoazy fa efa 19 taona Izany ity fifaninana ity no nisiany,ekena fa nisy ny indro Kely indrindra teo amin'ny fampitana taminy fahitalavitra saingy tsy nanamaloka ny hakanto ny hetsika Izany.
🔥Nisaraka ady sahala samy.tsy nisy nitoko ny Cffa sy ny Elgeco plus FC tamin'ity anio.ity,tafiditra ao anatin'ny andro faha fito ny fiadiana.izay ho.tompindaka ny Madagasikara na Orange Pro League izany,
🔥Ny fidirana voalohany no.tena.nahita endri-dalao.mafinaritra sy fanafihana.nifamalivaliana.saingy tsy nisy nivadika.ho.isa izany,raha toa.ka.nifampiandry hadisoana fotsiny ny andaniny sy ny ankilany ny tapany fararoa.
🔥Mitondra fanazavana.i.Jimmy coach ny Elgeco Plus FC
..🔥Miaro ny tontolo iainana ny Malagasy Rugby, mitondra ny fanazavana ny Minisitra ny tontolo iainana.
💯 Vonona ny Cffa hametraka fanamby hiakatra aminy dingana manaraka hoy i Titi mpanazatra
🔥 Ny hafalian'ny mpilalao mandray anjara tamin'ity fifaninana ity taorian'ny fiandrasana ny fizarana ny amboara,nampanatena moa ny tompon'andraikitra fa hisy hatrany ity fifaninana ity.
🔝Manana ny hoavin'ireo.katita mivondrona ao aminy fikambanan'ny klioba ny Firaisan-kina
⚠ Mahakasika an'i Hery Bastien kosa dia nanambara ny mpanazatra Nicolas Dupuis ny antony tsy niantsoana azy tamin'ity dia satria hoy izy mahita aho fa misy mpilalao avy eto an-toerana mahasolo azy ary heveriko fa mety hahavita tsara noho izy,saingy tsy midika izany fa tsy hilaiko intsony izy, fa mbola hoavy ny fotoana mbola hilaiko foana i Hery Bastien.
Bahir Dah STADIUM
Araka ny loharanom-baovao dia ity nokianja handray ny lalao miverina eo amin'ny ETHIOPIE sy Barea ny 22 Martsa izao raha tokony ho izy, saingy kasain'izy ireo atao ny 27 Marsa izany lalao izany kanefa isika mbola handray an'i Mena Niger eto Madagasikara ny 30 Marsa izao,
Any amin'ny 450 km miala an'i Addis Abeba no misy ity kianja ity ary any amina toerana avoavo mahatratra hatrany amin'ny 1840m, ary manana mijery 60000 eo, saingy raha ny lalana aloha amin'izao fotoana izao dia ny 25 isan-jato ihany no azo fenoina "raha mbola ho izay koa aza",
⚽♨ VOAFIDY HO FILOHAN'NY SEKSIONINA AVARADRANO NY BAOLINAKITRA LUC RAZAFIMAHEFA♨⚽
🔝 Tontosa omaly tany Lazaina Anosiavaratra ny fifidianana izay ho filohan'ny Seksionina ny baolinakitra any Avaradrano,rehefa tsy nisy izany Filoha izany nandritra ny fotoana lavalava,
🔝 Manoloana izany indrindra dia nangataka tamin'ny ligy Analamanga ny Baolinakitra ireo ben'tanana maromaro any amin'iny faritra Avaradrano iny ny mba hanantanterahina ny fifidianana izay ho filohan'ny seksionina ny Baolinakitra any an-toerana,ka nataon'ny ligy ireo fepetra rehetra takian'ny lalàna mahakasika izany ka omaly dia niroso tamin'izany ny teo anivon'ny ligy.
➡️ Araka ny fepetra takin'ny lalàna moa amina fifidianana toy itony dia tonga nanatrika izany ny Talem-paritra miadidy ny Tanora sy ny Fanatanjahatena eto Analamanga izay nitarika delegasionina mafonja dia Andriamatoa Njato Andriamampionona, mampatsiahy hatrany izy ireo ny tokony hijoroan'ny klioba ho ara-dalana sy ara-panjakana ary manentana azy ireo hanao izany.
♨ Nilamina tanteraka moa ny fanatontosana ny fifidianana ary izao lany ho Filoha vaovao izao Andriamatoa LUC RAZAFIMAHEFA izay sady ben'tanana any Anosiavaratra ihany.Ny hamerina ny hasin'ny baolinakitra any Avaradrano no mahamaika hoy ity Filoha vaovao ity.