Velirano - Plan Emergence Madagascar

Velirano - Plan Emergence Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Velirano - Plan Emergence Madagascar, News & Media Website, Antananarivo, Antananarivo.

πŸ”‘TANINKETSA INDOSTRIALYMenaka 160 litatra isan’ora no ho azo ao amin’ny milina fanodinana voanjo ao Ankadinondry Sakay. ...
21/09/2023

πŸ”‘TANINKETSA INDOSTRIALY

Menaka 160 litatra isan’ora no ho azo ao amin’ny milina fanodinana voanjo ao Ankadinondry Sakay.

βœ…Andro sisa no isaina dia hiodina ny milina famokarana menaka ao Ankadinondry Sakay. Afaka mitoto voanjo 400kg isan’ora ary ahazoana menaka 160 litatra isan’ora izany.

Efa manana voanjo ampy hamatsiana ny milina ety am-panombohana ny kaoperativan’ny tantsaha mpamboly voanjo. Hanangom-bokatra any amin’ny faritra Bongolava sy faritra hafa koa izy ireo ahafahana mampandeha ny Taninketsa Indostrialy amin’ny fotoana manaraka rehetra.
Hiteraka asa fivelomana mivantana ho an'ny fianakaviana 5 miara-miombon'antoka izay ahitana olona 20 eo ho eo, ny fiodinan’ity milina famokarana menaka ity. Tantsaha miisa 1800 eo ho eo kosa no hahazo tombontsoa amin’izany

FOIRE ANALAMANGANy Faritra Analamanga dia faly manolotra antsika ny FOIRE ANALAMANGA Andiany Voalohany ao amin'ny Kianja...
13/09/2023

FOIRE ANALAMANGA
Ny Faritra Analamanga dia faly manolotra antsika ny FOIRE ANALAMANGA Andiany Voalohany ao amin'ny Kianja BAREA Mahamasina ny 15, 16, 17 Septambra ho avy izao.
Ho hitanao amin'izany ny varotra fampirantiana amin'ny sehatry ny jono, fiompiana, fambolena ary ny asa tanana.
Tongava maro fa TSY MISY VIDIM-PIDIRANA ary hisy TOMBOLA ahazoana Loka maro.

Hafaliana lehibe  ho ahy sy ny fianakaviako ary tam-pitiavana tokoa ny fihaonanay tamin’ny Papa Fransoa androany. Fihaon...
17/08/2023

Hafaliana lehibe ho ahy sy ny fianakaviako ary tam-pitiavana tokoa ny fihaonanay tamin’ny Papa Fransoa androany.

Fihaonana fahatelo taorian’ny nahavoafidy ny Papa Ray Masina, ny volana aprily 2013, izao fitsidihana ofisialy sy fifankahitana mivantana eto Vatikana izao. Ary mbola miraikitra tanteraka ato am-po ny fitsidihana masina nataony tany Madagasikara tamin’ny taona 2019.

Tsy toerana masina ho an’ireo Kristiana katΓ΄lika manerantany fotsiny ihany i Vatikana fa fanjakana mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny diplaomasia. Miara-miasa sy mampanjaka ny fandriampahalemana amin’ireo firenena marobe.

Tsapako ny fitiavan’ny Papa ray masina an’i Madagasikara sy antsika vahoaka Malagasy. Nivavaka manokana ho antsika izy sy nanome hafatra feno fitiavana.
οΏ½Tsy ho hadinoiko ny vavaka niarahanay nanao.
Raisiko am-panetren-tena ny tso-drano nomeny.
Β© Andry Rajoelina

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—Ÿπ—”π—£π—”π—‘β€™π—‘π—¬ π—§π—˜π—‘π—¬ π—§π—’π—‘π—šπ—” 𝗑𝗒𝗙𝗒 - π—”π— π—•π—”π—§π—’π—•π—˜]6 aogositra 2023, AmbatobeNy asa atao am-pitiavana dia hita taratra a...
06/08/2023

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—Ÿπ—”π—£π—”π—‘β€™π—‘π—¬ π—§π—˜π—‘π—¬ π—§π—’π—‘π—šπ—” 𝗑𝗒𝗙𝗒 - π—”π— π—•π—”π—§π—’π—•π—˜]
6 aogositra 2023, Ambatobe

Ny asa atao am-pitiavana dia hita taratra amin’ny zava-bita hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina raha nitokana ny Salle d’oeuvre - Lapan’ny Teny Tonga Nofo eo anivon’ny EKAR SVD Ambatobe androany 6 aogositra 2023.

Ity toerana ity dia tafatsangana noho ny ezaky ny mpiangona tsirairay izay samy nitondra ny anjara birikiny ary notohanan'ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fitondram-panjakana. Fotodrafitrasa ity dia natao hanamafy ny finoana, hampianarana ireo ankizy sy ireo tanora ny katesizy, hanaovana fiatahana masina sy laretirety, atrikasa, fiofanana sy fivoriana ary fety eo anivon’ny fiangonana
Β© PrΓ©sidence de la rΓ©publique de Madagascar.

Ao anatin'ny maha olona sy ny fanasongadinana ny kanto Malagasy ny fanaovana Hira Gasy ka mendrika omena sehatra sy toer...
31/07/2023

Ao anatin'ny maha olona sy ny fanasongadinana ny kanto Malagasy ny fanaovana Hira Gasy ka mendrika omena sehatra sy toerana sahaza azy. Ela niandrasana ny mpanao Hira Gasy koa tonga ity fotoana itokanantsika ny Kianja natokana ho azy ireo eto Anosy. Kanto sy mahafinaritra tokoa ny mahita ny fomba fiakanjon'ireo mpanao Hira Gasy ary ny fifamaliana an-kira ataon'izy ireny dia mahaliana tokoa satria maneho ny kolontsaina sy ny fiainam-piarahamonina Malagasy. Zava-dehibe loatra araka izany ny fitokanantsika an'ity Kianja ity. Satria ny Hira Gasy dia efa nisy hatrany amin'ny andron'ny faha-mpanjaka; niainga teto afovoan-tany teto Antananarivo ka tonga hatrany amin'ny Faritra Itasy, Matsiatra Ambony, Amoron'i Mania, sy Vakinakaratra manontolo.

Mametraka ny hasin'ny kolotsaina malagasy isika.Mila velomintsika ihany koa ny tantara ka tafiditra ao anatin'izany ny fanarenana ireo Lapa rehetra tao anatin'ny Rovan'i Madagasikara. Ity Kianja fanaovana Hira Gasy ity araka izany dia tena ilain'ny vahoaka. Satria toerana natokana ho an'ny kolotsaina Malagasy, no sady toerana fialamboly ho an'ny rehetra ihany koa!

Ato am-poko sady tiako ianareo mpanao Hira Gasy. Hanampy anareo aho ary hanao fanamby isika hampiroborobo an'ny Hira Gasy eto Madagasikara!

Β©Andry Rajoelina

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—žπ—œπ—”π—‘π—π—”π—‘β€™π—‘π—¬ π—›π—œπ—₯π—”π—šπ—”π—¦π—¬]30 jolay 2023, AnosySambany ny Fitondram-panjakana no nanangana kianja hanomezana seh...
30/07/2023

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—žπ—œπ—”π—‘π—π—”π—‘β€™π—‘π—¬ π—›π—œπ—₯π—”π—šπ—”π—¦π—¬]
30 jolay 2023, Anosy

Sambany ny Fitondram-panjakana no nanangana kianja hanomezana sehatra ny mpanao hiragasy. Nitokana izany kianjan'ny hiragasy izany, izay mahazaka mpijery hatramin’ny 700, teny Anosy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 30 jolay 2023.

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny velirano nataon'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy. Porofon'izany ihany koa ny dingana hampidirana ny hiragasy ao anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (patrimoine immatΓ©riel de l’humanitΓ©) eo anivon’ny UNESCO, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina nanomboka ny taona 2019. Efa tafapetraka eo anivon’ny UNESCO ny volana aprily 2022 ny antontan-taratasy fangatahana nataon’i Madagasikara ary hivaly amin’ny faran’ity taona 2023 ity mba haha-tafiditra azy ao anatin’izay "patrimoine culturel immatΓ©riel de l’humanitΓ©" izay.

Anisan'ny zavakanto nanamarika ny tantara ary indrindra anisan'ny manamarika ny maha-malagasy ny hiragasy ka rariny sy hitsiny raha omena ny toerana sahaza azy izany hiragasy izany, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Manomboka izao dia isaky ny alahady dia hisy fampisehoana eto amin'ity kianja vaovao natokana ho an'ity zavakanto anisan'ny mampiavaka an'i Madagasikara ity.

22/07/2023

Am-pitiavana no izarana amintsika rehetra ny Hira Fanevan’ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izay ho tanterahina eto Madagasikara ny faha-25 Aogositra hatramin’ny faha-3 Septambra.
Β« Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana Β»
Β« La victoire dans l’unitΓ© et la diversitΓ© Β»

➑️ Indro ampafantarina antsika rehetra ireo Pejy ofisialy mahakasika ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11, izay hotanterahi...
18/07/2023

➑️ Indro ampafantarina antsika rehetra ireo Pejy ofisialy mahakasika ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11, izay hotanterahina eto Madagasikara ny 25 Aogositra hatramin'ny 03 Septambra 2023 ho avy izao.

βœ… Facebook: https://www.facebook.com/profile.php?id=100093340704745&mibextid=ZbWKwL

βœ… Twitter: https://twitter.com/Jioi2023?t=Gs8VWu0NcgFpGbqnDMzetg&s=09

βœ… Instagram: https://instagram.com/jioi2023.mg?igshid=NGExMmI2YTkyZg==

βœ… Tiktok: https://vm.tiktok.com/ZM246duTE/

βœ… Siteweb: https://jioi2023.org



Β© MJS, Jolay 2023

|17.07.2023| FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON'NY NOSY 2023βœ… Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa ...
17/07/2023

|17.07.2023|

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAON'NY NOSY 2023

βœ… Ho fanomanana ny lalaon'ny Nosy dia nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra AndrΓ© Haja RESAMPA, androany 17 jolay 2023 ny Federasiona Malagasy ny taranja Football niaraka tamin'ireo ekipa teknika mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy sy ireo mpanazatra matihanina izay nafaran'ny fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

➑️ Voaresaka nandritra izany ny fampivondronana ny Barea izay hatao any Mahajanga ary hisy araka izany ny lalao ara-piralahina izay hifanandrinana amin'ny ekipan'i Mayotte sy ny ekipan'i Kenya.

πŸ”ΆοΈ Nisaotra sy nankasitraka izy ireo amin'ny fanohanana izay tafiditra amin'ny fanomanana ny lalaon'ny Nosy izao. Nampanantena vokatra tsara sy hitondra avo ny voninahim-pirenena ny Barea nandritra izany.

Β© MJS, Jolay 2023

16 Juillet 2023Fehiny an-tsary ny valan-dresaka ho any anio teny amin'ny lapan'ny Iavoloha βœ…
16/07/2023

16 Juillet 2023

Fehiny an-tsary ny valan-dresaka ho any anio teny amin'ny lapan'ny Iavoloha βœ…

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—–π—œπ—₯π—–π—¨π—œπ—§ π—£π—œπ—₯π—”π—§π—˜ π—œπ—¦π—Ÿπ—”π—‘π——]15 jolay 2023, Sainte MarieHo fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny...
15/07/2023

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—–π—œπ—₯π—–π—¨π—œπ—§ π—£π—œπ—₯π—”π—§π—˜ π—œπ—¦π—Ÿπ—”π—‘π——]
15 jolay 2023, Sainte Marie

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny nosy Sainte Marie hatrany dia notokanan'ny Filoham-pirenena androany ihany koa ireo asa fanavaozana ireo fotodrafitrasa manamora ny fitsidihana ny circuit "Pirate Island".

Nanamarika ny tantaran'ny nosy Sainte Marie tokoa ny fivezivezen'ireo Pirates ary ny "Cimetière des pirates" dia efa voasokajy ho harem-bako-pirenena tamin'ny taona 1978. Nampanarahana fenitra ity "circuit" ity mba hanatsarana ireo tolotra omena ireo mpizaha tany. Ny tanjona dia ny tantara sy ny kolontsaintsika no entina isarihana an'ireo mpizaha tany, na avy eto an-toerana, na avy any ivelany hitsidika ny nosy Sainte Marie

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗩𝗔𝗒𝗭𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—™π—œπ—”π—‘π—šπ—’π—‘π—”π—‘π—” π—žπ—”π—§π—’π—Ÿπ—œπ—žπ—” 𝗑𝗒𝗧π—₯π—˜ π——π—”π— π—˜ π——π—˜ π—Ÿ'π—”π—¦π—¦π—’π— π—£π—§π—œπ—’π—‘, 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗧𝗒𝗙𝗒𝗧𝗔𝗧π—₯𝗔]15 jolay 2023, Sainte Ma...
15/07/2023

[π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗩𝗔𝗒𝗭𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—™π—œπ—”π—‘π—šπ—’π—‘π—”π—‘π—” π—žπ—”π—§π—’π—Ÿπ—œπ—žπ—” 𝗑𝗒𝗧π—₯π—˜ π——π—”π— π—˜ π——π—˜ π—Ÿ'π—”π—¦π—¦π—’π— π—£π—§π—œπ—’π—‘, 𝗔𝗠𝗕𝗔𝗧𝗒𝗙𝗒𝗧𝗔𝗧π—₯𝗔]
15 jolay 2023, Sainte Marie

Notokanan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 15 jolay 2023 ny asa fanavaozana ny fiangonana katolika Notre Dame de l'Assomption, Ambatofotatra ao Sainte Marie. Toerana manan-danja manokana amin'ny Tantara ity toerana ity noho izy fiangonana katolika voalohany naorina tamina akora mafy (construction en dure) teto Madagasikara. Noho ny fandalovan’ny rivodoza Honorine sy Yvan sy ny tsy nisian’ny fanamboarana efa ela, dia nandalo fahasimbana goavana ny toerana ary nahiana hitera-doza ho an’ireo mpino kristianina nivavaka tato.

Tamin'ny taona 2019 ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina no nanapa-kevitra ny hanarina ity fiangonana eto Ambatofotatra ity amin’ny maha harem-bako-pirenena azy (Patrimoine National) nanomboka ny taona 1983. Efa miroso ihany koa ankehitriny ny dingana hampidirana azy ho harem-bakoka maneran-tany eo anivon’ny UNESCO hanampy ireo roa izay efa hananantsika dia ny vohitr’Ambohimanga sy ny Tsingin’i Bemaraha.

Ny fanarenana ny fotodrafitrasa manan-tantara tahaka ity dia tafiditra ao anatin'ny fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany indrindra fa eto amin'ny nosy Sainte Marie. Nanantitra ny fankaherezana ireo pretra sy relijiozy ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fanoloran-tenan'izy ireo amin'ny fitaizana ny mpiara-belona hahitsy sy hihaina anaty ny finoana sy ny ara-panahy. Natolotry ny Filoha nandritra io fotoana io ihany koa ny fitaovana fanamafisam-peo izay ho ampiasain'ity fiangonana ity mandritra ireo fotoam-pivavahana ao an-toerana

[π—™π—”π—‘π—’π—Ÿπ—’π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—–π—˜π—₯π—§π—œπ—™π—œπ—–π—”π—§π—œπ—’π—‘ 𝗗'π—”π—˜π—₯𝗒𝗗π—₯π—’π— π—˜ 𝗦𝗬 π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” π—œπ—₯π—˜π—’ π—•π—”π—Ÿπ—œπ—¦π—”π—šπ—˜π—¦ π—Ÿπ—¨π— π—œπ—‘π—˜π—¨π—« π——π—˜ π—£π—œπ—¦π—§π—˜ 𝗛𝗒 𝗔𝗑'𝗑𝗬 π—¦π—˜π—₯𝗔𝗑𝗔𝗠-π—£π—œπ—”π—₯π—”π— π—”π—‘π—œπ——π—œπ—‘π—” π—₯...
15/07/2023

[π—™π—”π—‘π—’π—Ÿπ—’π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—–π—˜π—₯π—§π—œπ—™π—œπ—–π—”π—§π—œπ—’π—‘ 𝗗'π—”π—˜π—₯𝗒𝗗π—₯π—’π— π—˜ 𝗦𝗬 π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” π—œπ—₯π—˜π—’ π—•π—”π—Ÿπ—œπ—¦π—”π—šπ—˜π—¦ π—Ÿπ—¨π— π—œπ—‘π—˜π—¨π—« π——π—˜ π—£π—œπ—¦π—§π—˜ 𝗛𝗒 𝗔𝗑'𝗑𝗬 π—¦π—˜π—₯𝗔𝗑𝗔𝗠-π—£π—œπ—”π—₯π—”π— π—”π—‘π—œπ——π—œπ—‘π—” π—₯𝗔𝗩𝗒π—₯𝗔𝗛𝗔 π—¦π—”π—œπ—‘π—§π—˜ 𝗠𝗔π—₯π—œπ—˜]
14 jolay 2023, Sainte Marie

Lanonana roa soa sosona no nanombohan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny diany ao amin'ny nosy Sainte Marie. Natolotra amin'ny fomba ofisialy ny 14 jolay 2023 ny fanamarinana amin’ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena na ny Β« certification d’aerodrome Β» ny seranam-piaramanidina Ravoraha - Sainte Marie.

Nahafeno ny fepetra rehetra eo amin'ny fotodrafitrasa sy ny aro-loza ity seranam-piaramanidina ity ka afaka mandray ireo sidina iraisam-pirenena manomboka izao. Ity seranam-piaramanidina Ravoraha ity no seranam-piaramanidina faha-enina nahazo izany "certification " izany eto Madagasikara. Ny tanjona dia ny hampitomboana ireo sidina avy amin'ireo kaompaniam-pitaterana iraisam-pirenena.

Notokanan'ny Filoham-pirenena nandritra ity fotoana ity ihany koa ireo jiro manazava ny lalana hizoran'ny fiaramanidina eo am-piaingana sy eo am-pahatongavana ho an'ny seranam-piaramanidin'i Sainte Marie (balisages lumineux de piste). Ny tombony dia halalaka ireo kaompaniam-pitaterana handeha amin'izay ora tiany handehanana ao Sainte Marie. Velirano nataon'ny Filoha Andry Rajoelina tamin'ny mponin'i Sainte Marie rahateo ny hampiroborobo ny fizahantany izay antom-piveloman'ny ankamaroan'ny mponina ao an-toerana

TANINKETSA INDOSTRIALY Soanierana Ivongoβœ…Naterina tany Soanierana Ivongo ny fanamboarana Β« chips Β»  avy amin’ny akondro ...
13/07/2023

TANINKETSA INDOSTRIALY Soanierana Ivongo

βœ…Naterina tany Soanierana Ivongo ny fanamboarana Β« chips Β» avy amin’ny akondro sy soanambo.
Nanentana ny mponina hamboly akondro ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, Marcelin Randriamanantena, omaly Alatsinainy 10 Jolay 2023, nandritra ny fampisehoana ampahibemaso ny ozinina fanamboarana chips tao amin’ny Tranompokonolona ao Soanierana Ivongo. β€œAtolotra antsika io fitaovana io hanodinana ny vokatsika. Tsy hisy akondro ho lo sy ho simba intsony aty amintsika”, hoy izy.

βœ…Mahatelina akora fototra 100 kilao isan’ora na 1 taonina isan’andro ny ozinina fanamboarana chips ao Soanierana Ivongo. Tsy hampitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha fotsiny ihany fa hamaly ny filΓ na ara-tsakafon’ny mpanjifa koa ny Taninketsa indostrialy.
Mbola nantitranterin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy. Tsy hisy distrika ho adino. β€œZava-dehibe satria fivelomana, fihariana no resahina”.
Nifandimby nisaotra sy nankasitraka ny Fitondram-panjakana ny tantsaha mpamboly any Soanierana Ivongo noho ny fahazoany ity ozinina fanamboarana chips ity. β€œAkondro, betsaka aminay aty. Soanambo tsy lany. Misaotra ny Filoham-pirenena”; β€œEla no niandrasana fitaovana toy izao. Tonga izy ankehitriny. Izahay tantsaha tena vonona hamokatra”, hoy izy ireo

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔]Alarobia 12 jolay 2023Notanterahina androany 12 jolay 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra iza...
12/07/2023

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔]
Alarobia 12 jolay 2023

Notanterahina androany 12 jolay 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra izany nankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

● hampiasaina ny ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisiteran'ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana amin’ity taona 2023 ity, mba hividianana fitaovana teknika sy fampitaovana ara-indostria mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary, sy orinasa mpanao savony
● ny fampiasana dingana maika (procΓ©dure d’urgence) amin’ny tsenan’asam-panjakana, mikasika ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny fanohizana ny fanamboarana ny ampahan-dalana ao anatin’ny lalam-pirenena faha-2

Afaka tsidihina amin'ity rohy manaraka ity, ny andinindinin'izany tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny datin’ny 12 jolay 2023 izany:
πŸ”— https://www.presidence.gov.mg/actualites/conseil-des-ministres.html

πŸ“Faritra 1, Vaovao 3 : Faritra Alaotra MangoroZava-dehibe ny fifanomezan-tΓ nana ho fitsinjovana ny mpiray tanΓ na. Araka ...
12/07/2023

πŸ“Faritra 1, Vaovao 3 : Faritra Alaotra Mangoro

Zava-dehibe ny fifanomezan-tΓ nana ho fitsinjovana ny mpiray tanΓ na. Araka izany dia miara misalahy ireo mpisehatra manatanteraka ireo Velirano napetraka.

Β© Velirano.mg

|11.07.2023|YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HO AN'NY TANORA ➑️ Ireo sary nanamarika izany, izay notanterahana ny 7 sy 8 ...
11/07/2023

|11.07.2023|

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HO AN'NY TANORA

➑️ Ireo sary nanamarika izany, izay notanterahana ny 7 sy 8 jolay 2023 lasa teo, tao amin'ny kianja Barea Mahamasina.




Β© MJS, Jolay 2023

πŸ’‘ Angovo azo avaozina ao Ambilobe : 99 % izao no fahavitan’ny asa fananganana Β« centrale solaire »▢️ Porofo hita maso sy...
10/07/2023

πŸ’‘ Angovo azo avaozina ao Ambilobe :
99 % izao no fahavitan’ny asa fananganana Β« centrale solaire Β»
▢️ Porofo hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka firosoana hampiasa angovo azo avaozina. 99% izao no fahavitan’ny asa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny alalan’ny masoandro (centrale solaire na CS) ao Ambilobe. 40% izany amin’ny toby mampiasa solika mavesatra (fuel lourd). Β« Hybridation Β» na fampiarahana ny Β« CS Β» amin’ny Β« centrale thermique Β» no atao, hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solika. Amin’ny ankapobeny, dia 60% no fahavitan’ny asa manontolo.
➑️ Ankehitriny dia efa tonga ao Ambilobe ireo milina mpihary herinaratra (groupe Γ©lectrogΓ¨ne) vaovao miisa 02, izay manana tanjaka 800 KW isanisany. Dingana manaraka ny fametrahana ireo tariby mampifandray ireo amin’ny tobim-pamokarana herinaratra. Tanjona ny hampiodina ireo ao anaty fotoana fohy vantany vao feno ireo fepetra teknika farany : ny 24 Jolay 2023 izao fara-fahatarany raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra.
#️⃣ Marihina fa hanana tanjaka 1MWc ny CS ao Ambilobe, ary 2.400 KW kosa ny ho azo avy amin’ny Β« thermique Β». Mpanjifa miisa 3.750 no hisitraka voalohany ny famokarana hoentin’ty fotodrafitrasa ity.
πŸ“Έ Sary : DIEH Antsiranana

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔 π— π—”π—‘π—’π—žπ—”π—‘π—”]07 jolay 2023, Lapam-panjakana AmbohitsorohitraNisy ny Filan-kevitry ny Minisitra m...
07/07/2023

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔 π— π—”π—‘π—’π—žπ—”π—‘π—”]
07 jolay 2023, Lapam-panjakana Ambohitsorohitra

Nisy ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, natrehin’Andriamatoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ny Minisitry ny Asa vaventy, ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny maha-mpitondra tenin’ny Governemanta azy.

Ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN6, RN7, RN9, RN11 ary RN14 sy ny lalana eto Antananarivo Renivohitra no laha-dinika tamin’izany.

TANINKETSA INDOSTRIALYβœ…Ho tonga hanatitra ny ozinina fanodinam-bokatra any Amin'ny distrika telo any amin'ny Faritra Ats...
06/07/2023

TANINKETSA INDOSTRIALY

βœ…Ho tonga hanatitra ny ozinina fanodinam-bokatra any Amin'ny distrika telo any amin'ny Faritra Atsinanana ny Minisitra Edgard Razafindravahy

βœ…Mamokatra akondro 120000t isan-taona sy vomanga 40000t isan-taona ny distrikan'i Brickaville. Tojo fahasahiranana matetika ny tantsaha amin'ny famoahana ny vokatra. Betsaka ny simba na raisin'ny mpanangom-bokatra amin'ny vidiny ambany. Mitondra ny vahaolana ny Fitondram-panjakana amin'ny fanolorana ny ozinina fanamboarana "chips". Hatolotry ny Minisitra Edgard Razafindravahy any an-toerana anio Alakamisy 6 Jolay 2023 ny ozinina ho an'ny distrikan'i Brickaville ho fanatanterahana ny 7 -n'ny Filoham-pirenena dia ny Fampiroboroboana ny indostria eny ifotony.

βœ…Hitohy any Vatomandry sy Mahanoro ny fametrahana ny Taninketsa Indostrialy ho any Faritra Atsinanana.

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔]Alarobia 5 jolay 2023Notanterahina androany 5 jolay 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra izany...
05/07/2023

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔]
Alarobia 5 jolay 2023

Notanterahina androany 5 jolay 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra izany nankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

● Fandraisan'i Madagasikara anjara amin'ny fivoriana ara-potoanan’ny Filan-kevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikana, andiany faha-43 izay ho tanterahina any Nairobi KΓ©nya, ny 13 sy 14 Jolay 2023 ho avy izao.
● Ny fanombohana ny asa fanamboarana ny Anjerimantolon’i Maroantsetra (campus universitaire).
● ny fanatontosana ny atrikasa hakana ny hevitry ny besinimaro mikasika ny fanondranana henomby, ny 06 ka hatramin’ny 10 Jolay 2023.

Afaka tsidihina amin'ity rohy manaraka ity, ny andinindinin'izany tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny datin’ny 5 jolay 2023 izany:
πŸ”— https://www.presidence.gov.mg/actualites/conseil-des-ministres.html

TANINKETSA INDOSTRIALY AO MORAMANGAEfa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina famokarana...
30/06/2023

TANINKETSA INDOSTRIALY AO MORAMANGA

Efa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina famokarana fromazy ao Moramanga ny famaliana ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel Γ  projet). Manana hatramin’ny 20 Jolay 2023 amin’ny 4 ora hariva izy ireo amin’izany.
Ny fanehoana ny fahalianana dia alefa amin’ny adiresy mailaka [email protected] sy [email protected] ary aterina an-tanana ao amin’ny Biraon’ny Fitalevam-paritra (DRICC) Alaotra Mangoro eo ampitan’ny CNAPS Antsahatanteraka AMBATONDRAZAKA Varavarana faha-2

[𝗙𝗔𝗑𝗒𝗠𝗕𝗒𝗛𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗠𝗕𝗒𝗔π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—›π—’π—£π—œπ—§π—”π—Ÿπ—¬ 𝗠𝗔𝗑𝗔π—₯π—”π—£π—˜π—‘π—œπ—§π—₯𝗔  π—œπ—§π—”π—’π—¦π—¬ 𝗦𝗬 π—™π—”π—‘π—’π—Ÿπ—’π—₯𝗔𝗑𝗔 π—œπ—₯π—˜π—’ π—™π—œπ—§π—”π—’π—©π—”π—‘π—” 𝗛𝗒 𝗔𝗑'π—œπ—₯π—˜π—’ π—–π—¦π—•π—œπ—œ 𝗦𝗬 𝗑𝗬 𝗒...
29/06/2023

[𝗙𝗔𝗑𝗒𝗠𝗕𝗒𝗛𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗑𝗔𝗠𝗕𝗒𝗔π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗑𝗬 π—›π—’π—£π—œπ—§π—”π—Ÿπ—¬ 𝗠𝗔𝗑𝗔π—₯π—”π—£π—˜π—‘π—œπ—§π—₯𝗔 π—œπ—§π—”π—’π—¦π—¬ 𝗦𝗬 π—™π—”π—‘π—’π—Ÿπ—’π—₯𝗔𝗑𝗔 π—œπ—₯π—˜π—’ π—™π—œπ—§π—”π—’π—©π—”π—‘π—” 𝗛𝗒 𝗔𝗑'π—œπ—₯π—˜π—’ π—–π—¦π—•π—œπ—œ 𝗦𝗬 𝗑𝗬 𝗒𝗑𝗑]
29 jona 2023, Itaosy

Natomboka androany 29 jona 2023 ihany koa ny fanombohana ny asa fanamboarana ny hopitaly manara-penitra Itaosy, distrikan'Atsimondrano, nandritra ny fandalovan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny Mialy Rajoelina tany an-toerana.

Fitaovana ho an'ireo CSB miisa 205 eto amin'ny Faritra Analamanga ihany koa no natolotra ho fanamafisana ny fahasalamana manakaiky vahoaka sy fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny rehetra. CSBII miisa 900 tao anatin'ny Faritra fito no efa nahazo izany fitaovana izany ary mbola hitohy izany fampitaovana izany hoan'ireo CSBII 300 any amin'ny Faritra Androy, AnΓ΄sy ary Atsimo Atsinanana.

Ankoatra izay notolorana motos ihany koa ireo lehibena CSBII sy mpanentan'ny ONN hahafahan'izy ireo manatanteraka ny asan'izy ireo eo amin'ny ady amin'ny tsy fanajarian-tsakafo. Izao fampitaovana izao dia tafiditra ao anatin'ny tetikasa, fanjarian-tsakafo sy fahasalamana eny ifotony izay hiarahan'ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny ONN manatanteraka

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔]Alarobia 28 jona 2023Notanterahina androany 28 jona 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra izay ...
28/06/2023

[π—™π—œπ—Ÿπ—”π—‘-π—žπ—˜π—©π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—œπ—§π—₯𝗔]
Alarobia 28 jona 2023

Notanterahina androany 28 jona 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra izay nankatoavana ireo fampitana am-bava samihafa toy ny:

● ny fananganana foibe tokana β€œguichet unique” eo anivon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola hikirakirana ny antontan-taratasim-panjakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena.
● ny hamaranana ny dingana handraisana manam-pahaizana iray izay hisahana ny fanarenana maika ny orinasa JIRAMA. Hiandraikitra ny toeran’ny Β« manager de redressement Β» izany tompon’andraikitra izany, izany hoe hanao izay fomba rehetra hamahana ny krizy lalina amin’ny fomba fitantanana eo anivon’ny orinasa ao anatin’ny fotoana voafetra.
● ny firosoana amin’ny dingana hisitrahan’i Madagasikara ny vola azo avy amin’ny Β« CRΓ‰DIT CARBONE REDD+ Β» mitentina 50 tapitrisa dolara USD.

Afaka tsidihina amin'ity rohy manaraka ity, ny andinindinin'izany tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny datin’ny 28 jona 2023 izany:
πŸ”— https://www.presidence.gov.mg/actualites/conseil-des-ministres.html

❗️Isan’ny olana mitarika fahantrana ny tsy fahafahan’ireo ankizy malagasy maro mianatra.βœ…Ho famahana izany indrindra no ...
28/06/2023

❗️Isan’ny olana mitarika fahantrana ny tsy fahafahan’ireo ankizy malagasy maro mianatra.

βœ…Ho famahana izany indrindra no nametrahana paikady mazava ka ny laharam-pahamehana amin'izany ny fametrahana, fanatsarana na fanitarana ireo fotodrafitrasa (EPP, CEG, Lisea ary koa Oniversite) manerana ny Nosy. Voajery manokana ireo toerana saro-dΓ lana ary tafiditra soa aman-tsara anatin'ireo asa vita.
Tsy izany ihany anefa fa teny nomena ary notanterahina ny fanamboarana izany amin’ny fomba manara-penitra ary tsy misaraka amin’izany ny fampitaovana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana

πŸ‡²πŸ‡¬26 Jona 2023 Ankalazaina ny fahaleovan-tena. Ankalazaina ihany koa ireo ezaka rehetra iraisana hahatratrarana ny fahav...
26/06/2023

πŸ‡²πŸ‡¬26 Jona 2023

Ankalazaina ny fahaleovan-tena.
Ankalazaina ihany koa ireo ezaka rehetra iraisana hahatratrarana ny fahavitan-tena sy fandrosoana feno ho an'i Madagasikara.

Arahabaina ny vahoaka malagasy miray hina, mampandroso an'i Madagasikara.

Β© Velirano.mg

TOMEFY OLONA TENY AMIN'NY ROVAN'I MADAGASIKARA ANIO SABOTSY Ity ny Faran'ny herinandro voalohany taorian'ny nisokafan'ny...
24/06/2023

TOMEFY OLONA TENY AMIN'NY ROVAN'I MADAGASIKARA ANIO SABOTSY

Ity ny Faran'ny herinandro voalohany taorian'ny nisokafan'ny Rovan'i Madagasikara indray ho an'ny daholobe.
Mihamaro isan'andro ny mpitsidika ary tomefy olona eny an-toerana androany. Talohan'ny tamin'ny 09 ora fisokafana dia efa maro ireo Karazan'olona isan-tsokajiny nilahatra niandry.

Ampatsiahivina koa fa isaky ny sabotsy manomboka androany no lalaovina ao amin’ny Kianja Masoandro ny tantaran’ny Mpanjaka

TANINKETSA INDOSTRIALYMilina fanodinana voatabia mahatelina voatabia 1 taonina isan'ora ho an'ny distrikan'Ambatondrazak...
23/06/2023

TANINKETSA INDOSTRIALY
Milina fanodinana voatabia mahatelina voatabia 1 taonina isan'ora ho an'ny distrikan'Ambatondrazaka.

"Androany, voavaly ny fangatahanay. Izany no atao hoe Fanjakana mihaino vahoaka". Hetaheta nampitain'ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambatondrazaka tamin'ny Filoham-pirenena ny 14 Oktobra 2019 ny tokony hahazon'ny tantsaha ozinina fanodinana voatabia. Mbola nampahatsiahiviny ny Minisitra Edgard Razafindravahy izany vantany vao nandray ny fitantanana ny Minisitera izy ka nitsidika ny tany Ambatondrazaka.

Milina fanodinana voatabia ahafahana mitahiry ny voatabia tsy ho simbasimba fotsiny sy ahafahana mandefa azy eny amin'ny tsena sy toeram-pivarotana samihafa no naterin'ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria tany an-toerana androany Alakamisy 22 Jona 2023.
"Tanteraka eto amin'ny distrikan'Ambatondrazaka ny Velirano nataon'ny Filoham-pirenena. Tanteraka ny Velirano faha-7 dia ny fampiroboroboana ny indostria", hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nanoloana ireo tantsaha mpamokatra, ny avy amin'ny fikambanana samihafa, tanora mpianatra vory tao amin'ny efitrano malalaky ny Faritra.

Niantso manokana ny tanora toa an'i Hasina izy mba hamaly ny Antso ho an'ny tetikasa hifantenana izay mpandraharaha hitantana ny orinasa. I Hasina moa ilay tekinisiana tany Ambatondrazaka nandrafitra tetik'asa fanodinana voatabia, nantsoin'ny Minisitra tany amin'ny biraony ahafahana manatanteraka izany

πŸ“Œ Faritra Atsimo Atsinanana sy Fitovinany: notolorana moto sy fiara tsy mataho-dalana ny ben’ny tanΓ na sy lehiben’ny dis...
20/06/2023

πŸ“Œ Faritra Atsimo Atsinanana sy Fitovinany: notolorana moto sy fiara tsy mataho-dalana ny ben’ny tanΓ na sy lehiben’ny distrika
▢️Ny asabotsy 17 jona 2023 dia nanatanteraka fitsidihana tany amin’ny distrikan'i Farafangana ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Tokely Justin .
Nandritra izany no nanolorany moto miisa 98 ho an'ny ben'ny tanΓ na sy fiara tsy mataho-dalana ho an'ny lehiben’ny distrika ao amin'ny faritra Atsimo Atsinanana. Natolotra tao amin'ny distrikan'i Manakara koa ny moto ho an'ny Ben'ny TanΓ na miisa 86 ao anatin'ny Faritra Fitovinany.
▢️Nomena ireo fitaovana ireo, mba ahafahan'ireo tompon'andraikitra ireo mitsidika ny Kaominina sy ny Fokontany rehetra ao anatin'ny fari-piadidiany ka hijerena sy hamahΓ na ny olana sed-rain'ny vahoaka hoy Andriamatoa Minisitra. Izany rehetra izany dia tafiditra amin'ny fanatsarΓ na ny asam-panjakana sy ny asa fampandrosoana eny ifotony.

Faritra ANDROYFianakaviana marefo sy sahirana miisa 800 no nisitraka fanampiana ara-tsakafo (vary, menaka, voamaina, sir...
20/06/2023

Faritra ANDROY

Fianakaviana marefo sy sahirana miisa 800 no nisitraka fanampiana ara-tsakafo (vary, menaka, voamaina, siramamy, ronono mandry mamy,...) omaly tao amin'ny kaominina Ambanisarika sy tao amin'ny fokontany Ekonka.

πŸ‘Tafiditra amin'ny fijerena ny sosialim-bahoaka izao hetsika izao ho entina hanatsarana hatrany ny ambaindain'ny fiahiana ara-tsosialy eto anivon'ny faritra ANDROY.

🀝Tanteraka izao hetsika izao dia nohon'ny fiaraha-miasa matotra ao amin'ny mpiaramiombon'antoka sy ny fanjakana malagasy amin'ny alalan'ny fiadidian'ny faritra ANDROY sy ny Minisiteran'ny mponina. Isaorana manokana ary tolorana fankasitrahana ny ONG DIRECT'AID izay mpiaramiombon'antoka mahafatra-po ary teo akaiky ny vahoakan'Androy foana nanombok'izay ka hatramin'izao

βœ…Maro ireo TOHANA izay sitrahan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.Fototry ny fahavita-tena a...
17/06/2023

βœ…Maro ireo TOHANA izay sitrahan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.
Fototry ny fahavita-tena ara-tsakafo ary miteraka asa ireo sehatra ireo. Ny fahatsapana izany no nametrahana ny fandaharanasa :
➑ 𝐏𝐄𝐉𝐀𝐀 (Programme de Promotion de l’Entrepreneuriat pour les Jeunes dans l’Agriculture et l’Agro-industrie) : fampiofanana sy famoronana asa mendrika ho an’ny tanora ahafahan’izy ireo mahaleo-tena
➑ π…πŽπ‘πŒπ€ππ‘πŽπƒ (Programme de Formation Professionnelle et d'AmΓ©lioration de la ProductivitΓ© Agricole) : fanamafisana ny traikefan’ny mpandraharaha ary fizarana fitaovana entina hampiroboroboana ny asa fiharian-karena. 640.000 no isan’ny mpisitraka ankehitriny
➑ ππ‘πŽπ’ππ„π‘π„π‘ : fampitomboana ny vola miditra amin’ireo mponina izay marefo eny amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny fiofanana araka asa sy fampitaovana izy ireo
➑ π…πˆπ‡π€π‘πˆπ€ππ€ : fampindramam-bola amin’ny taha-jana-bola tsy mihoatra ny 9% ahafahan’ireo mpandraharaha misandratra.

TANINKETSA INDOSTRIALY AO BETAFOEfa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina fanodinana ov...
15/06/2023

TANINKETSA INDOSTRIALY AO BETAFO

Efa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina fanodinana ovy ho lasa β€œchips” ao Betafo ny famaliana ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel Γ  projet). Manana hatramin’ny 03 Jolay 2023 amin’ny 4 ora hariva izy ireo amin’izany.
Ny fanehoana ny fahalianana dia alefa amin’ny adiresy mailaka [email protected] sy [email protected] ary aterina an-tanana ao amin’ny Biraon’ny Fitalevam-paritra (DRICC) Vakinankaratra Ex-hypodrome Vatofotsy Antsirabe

Velirano faha7 sy Velirano faha 9FANDRAHARAHANA MIFOTOTRA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENANisokatra ny Forum B2B etsy amin’n...
14/06/2023

Velirano faha7 sy Velirano faha 9

FANDRAHARAHANA MIFOTOTRA AMIN’NY SEHATRY NY FAMBOLENA
Nisokatra ny Forum B2B etsy amin’ny Carlton Anosy
Anisan’ny andraikitra sahanin’ny MICC ny fanohanana sy fanaovana tantsoroka ny fanodinana ireo vokatra samihafa, araka ny lahatenin’ny Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria nandritra ny fanokafana ny hetsika Forum B2B tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly Talata 13 Jona 2023. Amin’ny alalan’ny Tetikasa toy ny Taninketsa Indostrialy sy ny PTASO no anampiany ny tantsaha ahafahana manodina ny vokany.

Nahompana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fandraharahana mifototra amin’ny sehatry ny fambolena sy ny indostria mifandraika amin’izany ity andiany faharoa amin’ny Forum B2B ity. Ilaina mantsy ny fametrahana paikady sahaza sy mirindra ahafahana manatanteraka ny 7 sy 9 dia ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Distrika 16 hatreto no efa nahazo ny anjara ozinina fanodinam-bokatra anatin’ny Tetikasa fametrahana ny Taninketsa Indostrialy. Hapetraka eo amin’ny velaran-tany 120 ha koa ny Saha indostrialy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Tetikasa vatsian’ny BAD vola

πŸ”΄VAROTRA ANATINYβœ…Hahatratra 63 000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin’ity taona 2023 ityNanomboka ny 02 Jona lasa...
12/06/2023

πŸ”΄VAROTRA ANATINY

βœ…Hahatratra 63 000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin’ity taona 2023 ity
Nanomboka ny 02 Jona lasa teo ny fisokafan'ny taom-pamokarana siramamy teo anivon'ny orinasa SUCOMA Ambilobe ka ny 05 Jona no nanomboka ny fivarotana izany amin'ireo mpamongady manerana ny Nosy.

βœ…Araka ny vinavina dia hahatratra 63.000 taonina ny vokatra siramamy Ambilobe amin'ity taona 2023 ity ankoatra ny siramamy Namakia izay anisan'ny mamaha ny antsasa-manilan’ny filan'ny mponina amin'ny ankapobeny ary jifain'ireo mpamongady amin'ny vidiny 172.000 Ar/kitapo.

βœ…Nidina ifotony nanara-maso izany ny Ministera misahana ny varotra izay nahitana ny Talen'ny varotra anatiny (DCI) sy ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (DRICC) any amin’ny faritra DIANA. Hisy araka izany ny fanaraha-maso akaiky ny fitsinjarana izany mba ialΓ na amin'ny mety ho fanararaotana. Ampanarahana tsara ihany koa ny lalan'ny fitsinjarana na ny "circuit de distribution" izany mba iarovana ny mpanjifa.

|11.06.2023| HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA πŸ‡²πŸ‡¬ . . . Notanterahana androany 11 jona 2023 ny hazakazaky ny firaisankina izay ...
11/06/2023

|11.06.2023|

HAZAKAZAKY NY FIRAISANKINA

πŸ‡²πŸ‡¬ . . . Notanterahana androany 11 jona 2023 ny hazakazaky ny firaisankina izay tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena.

➑️ Tonga nanome voninahitra izany ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tamin'ny alalan'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny izay nisolotena an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, notarihan'ny Talen'ny Kabinetra eto anivon'ny Minisitera ny Colonel RALAIKOTO Hajatiana.

Β« MALAGASY MIRAY HINA, MADAGASIKARA MANDROSO Β»

Β© MJS, Jona 2023

Address

Antananarivo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Velirano - Plan Emergence Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Velirano - Plan Emergence Madagascar:

Videos

Share