06/08/2019
ODY FITIA TENA MANDAITRA HOAN'IZAY HANADRANA
Ireto Avy ny zavatra ilaina:
1- Safo safo roa tanana
2- Teny mamy iray Litatra (1L)
3- Fandeferana iray kilaometatra (1Km)
4- Orokoroka iray kilao (1Kg)
5- Tambitamby telo kapoaka
6- Fahatokiana iray carton (1Carton)
Ireo dia hita eny amin'ny toerana rehetra mahazatra anao
Fikarakarana azy: Afangaro tsara ireo dia ampiana VAVAKA
amin'ANDRIAMANITRA ary omena ny vadinao maraina sy
atoandro ary hariva....
Fanazavana Fanampiny: Tsy azo atao ny mampirafy
mialoha sy mandritra ary ao arinan'ny fampiasana azy, fa
maha lasa adala sy manakorotana ny efa milamina ny
fanaovana anizany.
Andramo fa ho hitanao fa hamoaka feo toy izao ny olo-tinao
"Tiko Enao ka tsy misy mahasolo ny toeranao n'iza n'iza eto
an-tany ka ity anjakao ny foko iray mantolo"
Raha nahasoa anao izany dia zarao @ olontinao, @
namanao, @ groupe 3 misy anao ato @ fb...
"Fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo,
dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo
imason'Andriamanitra." I Petera 3:4
Aza hadino ny manisy j aime ny page