FET 100 TAONA

FET 100 TAONA Page des actualites

Mandraisa anjara ry zandry, tanora namana !!!Makà tahaka an'i Mb Terezy
08/10/2020

Mandraisa anjara ry zandry, tanora namana !!!
Makà tahaka an'i Mb Terezy

👋AFAFI 👋

Amin’izao fankalazana ny fetin’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely 🧒 izao dia mikarakara fifaninanana « Makà tahaka ahy » ao amin’ny Pejy Facebook AFAFI-FET Madagasikara APMEJ Madagascar ny Foibe Nasionalin’ny AFAFI – FET.

👉Toy izao àry ny mombamomba izany👈

⚜️ Lohahevitra: “Makà tahaka ahy toy ny akako tahaka an’i Kristy” 1 Korintiana 11, 1.

🧒Izany hoe maka tahaka an’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely amin’ny alalan’ny endrika sy ny fitafy kanefa misy dingana arahina ao anatin’izany. Marihina azo atao daholo na i Mb Terezy fony fahazaza sy tanora na izy efa niditra any amin’ny fikambanan-drelijiozy, fa ny zava-dehibe dia ny fitoviana ary izay endrika safidiana amin’ny dingana voalohany ihany no tohizina aseho amin’ny dingana faharoa sy fahatelo🧒

Toy izao àry no fizotry ny fifaninanana :

✅Mpandray anjara:
✔️ Ireo AFAFI-FET vehivavy rehetra manerana ny Nosy
✔️ Taona : tsy voafetra

✅Fepetra:
✔️Alefa “message privé” manomboka ny 01 ka hatramin’ny 26 Oktobra 2020 amin’ny pejy Facebook AFAFI FET Madagasikara – Apmej Madagascar ny vidéo rehetra (atao vidéo karazany 3 samihafa araka ireo Dingana 3 voatondro eo ambany) miaraka amin’ny anarana sy fanampin’ny mpandray anjara, ny sampana misy anao ary ny Paroasy sy Diosezy niaviana.
✔️Ny Foibe Nasionaly ihany no manao ny publication fa azontsika “partagé”na
✔️Izay mamoaka ny vidéo mialoha dia tsy voaray avy hatrany.

✅DINGANA hanaovana ny vidéo

🌀Dingana I: Endrika sy fitafy maneho an’i Mb Terezin’i Jesoa zazakely miaraka amin’ny teny kely maneho ny fiarahaban’ny FET : AFAFI-FET na Tsatilakri - Midamikri.

🌀Dingana II: Endrika sy fitafy ary manao ity tononkalon’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely ity

Jesoa…
O r’ilay Tsitoha Ianao dia ampy ahy,
Ny fitiavanao, indro fa manaraka ahy
Aminao indrindra, tsapako avokoa !
Izao rehetra izao… Eny azoko ny ilaiko (…)
Ato anatiko ato,
Ilay fonao sarobidy
Sy ilay endrikao toa volamena
Tsy misy maha-ory ahy
O, tiako indrindra ianao !
Jesoa !

🌀Dingana III: Endrika sy fitafy miaraka amin’ny famintinana sombin-tantara kelin’i Mb Terezin’i Jesoa Zazakely araka izay tiany hanehoana azy fa tsy mihoatra ny 3 minitra

✅Fomba fitsarana ny fifaninanana
⭐️ Alefan’ny Foibe Nasionaly ny vidéo Dingana telo karazany araka ireo tetiandro eo ambany ireo. Marihina fa izay tafiakatra no miseho amin’ny dingana manaraka.
⭐️ Amin’ny alalan’ny j’aime na j’adore no hitsarana ny fifaninanana.
⭐️ Ny 60 isan-jato avy amin’ny mpijery ary ny 40 isan-jato avy aty amin’ny Foibe Nasionaly
⭐️ Fifanintsanana Dingana 1 : izay 10 tsara indrindra no tafiakatra amin’ny Dingana faharoa
⭐️ Fifanintsanana Dingana 2 : izay 5 tsara indrindra no tafiakatra amin’ny Dingana faha 3

✅Toy izao ny tetiandro handefasan’ny Foibe Nasionaly ny fifaninanana ato amin’ny Pejy
➖01 oktobra – 26 Oktobra: Fandefasan’ny mpandray anjara ny raki-tsary rehetra aty amin’ny Foibe Nasionaly
➖27 Oktobra – 02 Novambra: Fifanintsanana dingana voalohany
➖04 Novambra: Famoahana valin’ny lalao dingana voalohany
➖05 - 11 Novambra: Fifanintsanana dingana faharoa
➖13 Novambra: Famoahana valin’ny lalao dingana faharoa
➖14 - 20 novambra: Fifanintsanana dingana fahatelo
➖22 Novambra: Famoahana ny valin’ny fifaninanana

✅LOKA : Mahazo loka miavaka ireo mpandresy telo voalohany
1️⃣ Fahafahana misafidy fitaovana ato amin’ny Foibe Nasionaly mitentina 60000 Ariary miaraka amin’ny loka « surprise »
2️⃣ Fahafahana misafidy fitaovana ato amin’ny Foibe Nasionaly mitentina 30000 Ariary miaraka amin’ny loka « surprise »
3️⃣ Fahafahana misafidy fitaovana ato amin’ny Foibe Nasionaly mitentina 20000 Ariary miaraka amin’ny loka « surprise »

✅Fanamarihana :
♦️Ny « vidéo » rehetra dia mijanona ho fananan’ny Foibe Nasionaly avokoa ary azony ampiasaina araka izay ilainy azy

♦️Tsy voatery ilay mpandray anjara no mandefa ny vidéo fa izay olona manao Facebook ka afaka mandefa izany ao amin’ny MP fa manaraka tsara ny toromarika voalaza.

♦️Raha mila fanazavana fanampiny dia azontsika atao ny miantso mivantana aty amin’ny Foibe Nasionaly ny Talata hatramin’ny Zoma Maraina : 9h-11h ; Tolakandro : 14h – 16h

♦️Ho avy tsy ho ela ny anjaranareo lehilahy amin’ny fetin’i Md Fransoa Xavier ka izao dia efa afaka miomankomana

Dia manantena ny fandraisantsika rehetra anjara.

Afitema
Ny Foibe Nasionaly

30/08/2020

Ndao ho arahintsika an-tsary ny famintinana ny tantaran'ny Fikambanantsika nandritra izay izay.

Isaorana Andriamanitra niantso azy
30/08/2020

Isaorana Andriamanitra niantso azy

29/08/2020

arahintsika ny fifampizaràna ny niainan'ireo mpikambana maromaro ny maha-FET azy.

Ho marihintsika ny fotoana novinavinaintsika hihaona tany Antsiranana. Manainga antsika rehetra hiara-hiombona hatrany!!
25/08/2020

Ho marihintsika ny fotoana novinavinaintsika hihaona tany Antsiranana. Manainga antsika rehetra hiara-hiombona hatrany!!

TsaTiLaKri !
Na dia tsy tanteraka tamin'ity taona ity ary ny Kongresy Eokaristika dia tsy manakana antsika hiombona izany any amin'ny toerana misy antsika tsirairay avy.

Toy izao ary ny fandaharam-potoanantsika eto amin'ny pejy facebook mandritra ity faran'ny herinandro ty:

- Zoma 28 aogositra 2020 amin'ny 8 ora sy sasany alina: Fandaharana Finoana Aina ao amin'ny Radio Don Bosco hiresahana ny Teny Fanevan'ny faha 100 taona sy ny kongresy eokaristika. Famerenana ny Alahady 30 aogositra amin'ny 7 ora sy sasany maraina.

- Zoma 28 - Sabotsy 29 - Alahady 30 aogositra 2020 amin'ny 8 ora alina: Fandaharana iombonantsika AFAFI-FET eto Madagasikara.

Ireo rehetra ireo dia arahintsika mivantana eto amin'ny pejy Facebook avokoa, koa entano ny namana fa io no solon'ny fihaonam-be amin'ity taona ity.

Ho ela velona ao am-pontsika anie i Jesoa!

17/08/2020

AFAFI ! 👋👋
Ao anatin'ny fanaovana ny rojom-bavaka (vavaka hasivian'andro) isika izao, hitondrantsika am-bavaka ny Firenena sy izao tontolo izao manoloana ny zava-misy ankehitriny.
🗓Aza hadino fa anio hariva, amin'ny 6ora sy 30mn, no hiaraka hiombom-bavaka isika. Entano ny namana

andramo anie ilay fandravahana ny photo de profil tsika e!!
15/08/2020

andramo anie ilay fandravahana ny photo de profil tsika e!!

AFAFI, indro misy haingo azo handravahana ny "photo de profil" antsika amin'izao fankalazana ny faha-100 taona izao. Andramo anie e!

17/07/2020
03/06/2020

VAVAKA HASIVIAM-BOLANA- FAHA 100 TAONAN’NY FET
VOLANA JONA 2020

Tsara ho fantatra mialoha :

Araka ny efa fantatsika moa dia tsy hotanterahina amin’ny daty efa voatondro ny Kongresy Eokaristika fanamarihana ny faha 100 Taonan’ny FET saika hatao any Antsiranana, nefa kosa dia tohizintsika hatrany ny Vavaka Hasiviam-bolana efa natomboka.

- Hira fanombohana ( ho an’ny Ekipa Fototra na olona maromaro miara-mivory)
- Vavaka Fanolorana ny andro
- Vavaka torapo, araka izay anentanan'ny Fanahy
- Famakiana ny lahatsoratra momba ny Lohahevitry ny volana diavina
- Fandinihana masina ( + hira iray ( ho an’ny Ekipa Fototra na olona maromaro miara-mivory)
- Vavaky ny Taon-jobily + Rainay, Arahaba ry Maria, Voninahitra, fiantsoana an'ireo Olomasina Mpiaro sy ny Fo Masin'i Jesoa.

Lohahevitra :

« MIARAKA AMIN4i JESOA NO ANOLORANTSIKA NY FIAINANTSIKA »

Tokony hitarika antsika amin’ny fahafoizana ny aintsika ho an’ny hafa, tahaka izay nataony, ny fiombonam-piainantsika amin’i Kristy. Asehony amintsika fa tena ilain’ny hafa tokoa ny fiainantsika na eo aza ny fahantrantsika sy ny fetrantsika. Ny fahatsapantsika tena fa tiany, voafidiny ary honenany dia manolotra fahamendrehana ho antsika sy mameno antsika fahaiza-mankasitraka. Ny fanolorantsika mandrakariva ny fiainantsika hanatanteraka ny iraka ampanaoviny no hany azontsika asetry izany soa be natolony antsika izany. Atolotsika izany amin’ny alalan’ny fanoherana ny fitiavan-tenantsika sy ny filamindaminantsika izay mazàna misakana ny sitrapon’Andriamanitra ao amintsika.
Manasa antsika Izy Tompo, mba hanolotra Aminy amin’ny fo malalaka ny “ENY” ataontsika, toy izay nataon’i Maria tao Nazareta. Tsy te hanavotra na hanova an’izao tontolo izao tsy misy fandraisana anjara avy amintsika Izy. Na dia zava-bitika eo imasontsika aza ny fanolorana ny fahavononantsika, dia tena ilain’ny hafa tokoa izany, satria akamban’ny Ray amin’ny Aina sy ny Fon’ny Zanany izay nanolotra ny tenany ho antsika teo ambony Hazofijaliana izany fanolorana izany.
Rehefa miombona amin’i Jesoa isika, dia manakaiky kokoa ny fijalian’izao tontolo izao ary mikaroka izay fomba hamahàna izany tahaka Azy koa. Amin’ny alalan’ny Vavaka sy ny Fanolorana ataontsika isan’andro no anehoantsika amin’ny Ray ny fahavononantsika. Ao amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia mandray tolotsaina sy sakafo amin’ny fomba miavaka isika, amin’ny fiekena sy famantarana ny fanomezana mendrika indrindra nataon’i Kristy ho an’ny Ray, môdely arahintsika amin’ny fanolorana ny fiainantsika.

- « Io mpitondratena mahantra io no nandatsaka ‹be› indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka... izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany » (Mk 12,43-44).
- « Rahefa izany, dia nandray m**o izy ka nony efa nisaotra dia namaky azy, sy nanome azy ireo nanao hoe “Ity novatako, zay atolotra ho anareo; manaova izany ho fahatsiarovana ahy.”» (Lk 22,19)
- « Inty aho Ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao ». (Lk 1,38)
- « Koa mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny: fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. » (Rom. 12,1)
- « Raiso, ry Tompo, ary raiso ny fahafahako manontolo, ny fitadidiako, ny saiko sy ny sitra-poko, izay rehetra ahy sy ananako. Nomenao ahy ireo, Tompo, ka indro averiko aminao. Anao avokoa ireo, Tompo, ka anaovy izay rehetra sitrakao. NY fitiavana Anao sy ny fahasoavanao omena Ahy, dia ampy ahy izany”.( Md Ignace, Fampiasam-Panahy, 234)

22/05/2020

Fanambaran'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara (21/05/2020)

Ry vahoaka malagasy tsivakivolo,
Ry kristianina havana,

“Ho aminareo anie ny Fiadanana!” (Jo 20, 19)

Io Tenin’i Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona, niseho tamin’ny mpianatra nihidy tao an-trano noho ny tahotra io, no entinay hiarahabana anareo sy hitsidihanay ny tokantranonareo tsirairay amin’izao fotoan-pitsapana lalovantsika, mbola miady amin’ny ny valan’aretina Covid-19 izao.

Noho ny toe-java-misy iaraha-mahalala dia tsy afaka nanatanteraka ny fivoriana fanao amin’ny volana mey toy izao izahay Eveka nefa kosa tsy mahasakana anay hifandray aminareo amin’ny alalan’izao hafatra alefanay izao, izany.

Nanapa-kevitra koa izahay, fa tsy ho tanterahina amin’ity taona 2020 ity ny fankalazana ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly sy faha-100 taonan’ny FET, saika hatao any Antsiranana amin’ny volana aogositra sy ny Fihaonamben’ny ankizy (JNE) saika hatao any Fianarantsoa amin’ny volana septambra.

Tao anatin’ny fotoanan’ny Karemy sy ny fankalazana ny Paka tokoa no nitrangan’ity valan’aretina tsy hita maso ity ka nanohina ny fiainan’ny olombelona rehetra na ara-nofo izany na ara-panahy. Nasehon’ity valan’aretina ity tokoa ny maha-marefo antsika olombelona sy ny fetrantsika ka tsy misy afa-bela na ireo firenena matanjaka na ireo mbola eo andalam-pivoarana. Tsapa anefa fa nampitodika antsika tamin’ilay Andriamanitra Mpahary, niandohana sy hiafarana, ka na tsy afaka niara-nankalaza Azy tany am-piangonana aza isika, indrindra tamin’ny fotoanan’ny Paka izay manan-danja tokoa amin’ny finoana kristianina dia naneho kosa ny hetahetantsika lalina hivavaka bebe kokoa sy hitoky amin’ny herin’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

Isaorana ny Papa Ray Masina Fransoa naneho hatrany ny maha Ray aman-dreny mpampiombona, nanentana ny olombelona rehetra maneran-tany, na inona na inona finoany, hitodika amin’Andriamanitra sy hiombom-peo hivavaka handresena ny valan’aretina ary maneho mandrakariva koa ny maha-akaiky azy amin’ny teny fankaherezana sesilany sy fihetsika mitory fitiavana sy fanantenana, narahintsika tamin’ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera sosialy.

“Matokia, efa nandresy an’izao tonto izao Aho!” (Jo 16, 33)

Tsapa fa miezaka tokoa ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta, ampian’ny ny ekipan’ny CCO, ny mpitandro filaminana sy ireo olom-boafidy isan’ambaratongany mitady ny fomba rehetra hifehezana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy hiarovana ny ain’ny ny mpiray tanindrazana. Ankasitrahana ny ezaka vita sy mbola atao ary mankahery anareo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sarotra tsy azo ihodivirana nefa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.

Misaotra amin’ny finiavana lehibe asehonareo mpitsabo sy mpisehatra rehetra amin’ny fahasalamam-bahoaka manerana ny nosy izay mampiseho finiavana lehibe ary manao vy very ny ainy amin’ny fanatonana sy fikarakarana ireo marary. Mankahery sy mivavaka ho anareo izahay mba hanana herim-po sy handresy ny tahotra, eo am-panaovana ny asanareo amim-pitandremana fatratra. Mankahery sy mamporisika ny mpikaroka amin’ny ezaka atao hampiasa ny fanomezana nomen’Andriamanitra hikaroham-bahaolana hiarovana ny ain’olombelona sy hitsaboana ity valan’aretina ity, tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ihany fa mba hitohy mandavan-taona.

Aoka anefa tsy ho hadinoina koa fa mifanindran-dàlana amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus ny firongatry ny tazomoka sy ny dengue ary ireo aretina hafa mahazatra izay amoizana ain’olona maro kokoa aza saika manerana ny nosy koa heverinay fa fotoana izao hijerena akaiky izay fomba hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny.

Manana anjara toerana lehibe amin’ity ady atao ity koa ianareo mpisehatra amin’ny fampitam-baovao sy serasera hampahalala ny vahoaka izay tokony ho fantatra sy hanentana amin’ny fitandremana tokony atao koa ankasitrahana ny fanekenareo handray ny adidy tandrify anareo. Mahazo laka tanteraka koa ny tambazotran-tserasera sosialy izay ahafahan’ny maro mifandray sy maneho hevitra. Miantso ny rehetra anefa mba hampiseho fahendrena ka tsy hampita vaovao tsy marina mampikorontana ny fiainam-bahoaka efa trotraky ny tahotra sy ny adim-piainana. Ilaina ny tsikera am-pitiavana hahatsara zavatra fa aoka kosa hatsahatra ny fankahalana mitarika fifandrangitana sy fifanaratsiana tsy hitera-bokatsoa.

Anisan’ny mampitebiteby sy mampametram-panontaniana ny maro ny lafiny fanabeazana noho ny taom-pianarana tapaka an-tenantenany. Sanatria ho taona fotsy ve ity taom-pianarana ity ? Manantena ny hisian’ny sori-dàlana mazava avy amin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana isan’ambaratonga mba hampisinda ny tebitebin’ny tanora sy ny ray aman-dreny.

"Aoka ny matanjaka hitsimbina ny osa... ny mpanan-karena hanome ny mahantra, ny mahantra hisaotra an’Andriamanitra nanome olona hitsimbina azy teo amin’ny fahoriany” hoy Md Clément.

Iaraha-mahalala fa ny fepetra fijanonana an-trano dia nisy fiantraikany avy hatrany tamin’ny lafiny toekarena sy ny fiveloman’ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona ka nanosika hiroso bebe kokoa amin’ny fifampitsinjovana sy fifampizarana, izay sady soatoavina malagasy no soatoavina kristianina. Ankasitrahana indrindra ny tompon’andraikitra ara-panjakana sy ireo malala-tànana na avy eto an-toerana na avy any ivelany ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo niandraikitra ny fizarana. Ny irariana dia mba hisy ny fahamarinana sy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny fanampiana rehetra ka tsy hisy ny hahatsiaro tena ho hadino indrindra ireo tena marefo sy ireo any amin’ny tany lavitra andriana.

Mampalahelo anefa indrisy ny mahita fa mbola misy ihany ny zatra lalan-dririnina ka amin’ny fotoan-tsarotra toy izao avy no mbola sahy manodinkodina ny fanampiana tokony ho zaraina, ho an’ny tombontsoan’ny tena manokana. Hita ho nirongatra koa tato anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ny asan-dahalo sy ny fandrombana. Aoka mba hanohina ny fontsika izao fotoan-tsarotra diavintsika izao ka hibebahantsika sy hialantsika amin’ny fitiavan-tena mitondra amin’ny fanararaotana sy ny kolikoly.

Na dia eo aza anefa ny fitsapana maro nolalovana, indrndra ny fisian’ny tondra-drano sy ny haintany dia mampisaotra an’Andriamanitra kosa fa amin’ny ankapobeny dia tsara ny vokatry ny tany tamin’ity taona ity ka mahavelom-bolo ny tantsaha any amin’ny faritra maro.

Ny tanjona iombonantsika dia ny hamongotra tanteraka ity valan’aretina ity eto amin’ny Nosintsika, mba ho tanteraka amintsika tokoa ny "Fiadanana" nomen’i Kristy an’ireo Apôstoly ka ho faly sy ho salama ny mponin’i Madagasikara. Ilàna firaisan-kina sy firaisam-po ary fifanomezan-tànana izany ka aoka re mba hampandeferina ny hampom-po diso toerana ary tsy afangaro ny adilahy politika sy ny tolona ara-pahasalamana izay iarahantsika miatrika. Matoky ny fahendrentsika mpiray tanindrazana izahay Eveka.

Hamafisinay etoana àry ireo teny fanentanana efa nataon’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny amin’ny tokony anarahan’ny tsirairay ireo fepetra rehetra napetraky ny tompon’andraikitra ara-panjakana mba ho fiarovana ny aintsika sy ny ain’ny hafa ary mankasitraka an’ireo rehetra tsara sitra-po nanaraka izany amim-pitiavana sy amim-piniavana fa mitory fitiava-namana lehibe ny ezaka ataontsika tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity. Aoka hifampahatoky isika! "Soa iombonana ny fahasalamana" ka mila iezahana arovana fatratra.

"Mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandraisanareo ny Hery avy any ambony" (Lk 24, 49). “Niray saina izy rehetra ary naharitra nivavaka... niaraka tamin’i Maria Renin’i Jesoa” (Asa 1, 14)

Efa hatramin’ny fotoana nitrangan’ity valan’aretina ity isika no tsy nitsahatra nitodika tany amin’ilay Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra, nitalaho ny famindram-pony sy ny fitantanany ary ny fiarovany. Koa tohizantsika ny vavaka entanin’ny finoana sy ny fanantenana fa i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana sy ny herin’ny ratsy rehetra dia tsy hamela antsika ho irery. Koa aorian’izao fitsapana lalovantsika izao dia hibaliaka ny masoandron’ny fiadanana sy ny hasambarana izay nirariany hiainantsika.

Tianay ny maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy ny havany noho ireo valan’aretina niseho teto amin’ny firenentsika ary manankina ny fanahin’ireo nodimandry eo ampelan-tànan’Andriamanitra.

Mankahery sy mivavaka ho anareo rehetra izay mbola tsaboina mba hahazo fahasitranana. Antoka hiverenan’ny fahasalamana haingana ny fanehoantsika fitiavana ireo marary koa manentana ny mpiara-monina mba tsy hanilika ireo havantsika mitondra ny tsimok’aretina.

Anatin’ny volan’i Masina Maria, mpiaro an’i Madagasikara isika izao. Ankinitsika amin’ny vavaka ataony ny fiainantsika manontolo hahita fahombiazana sy fahasalamana. Tsy ho ela koa ny fankalazana ny fetin’ny Pantekôty, handraisantsika ny afon’ny Fanahy Masina. Koa mamporisika antsika hanao ny vavaka hasivian’andro fiomanana, manomboka ny zoma aorian’ny ankalazana ny niakaran’i Kristy any an-danitra. Koa hamafiso mandrakariva ny finoana.

"Ray ô, ampio izahay hahatahiry ny fahasoavana nomenao, hahavelona mandrakariva ao aminay ny fanomezan’ny Fanahy Masina !".

Mankahery anareo sy mivavaka ho anareo ary mitso-drano anareo izahay Eveka, Ray amandreninareo.

Natao anio faha 21 mey 2020.
Fankalazana ny Niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra

21/05/2020

🎆🎆Mbola ato anatin'ny herinandron'ny LAUDATO SI hatrany isika izao, ato anatin'ny fankalazana ny faha-100 taona ihany koa. Ireto ary misy video vitsivitsy ifampizaran'ireo Mpanabe amintsika mahakasika ny Laudato Si.


Mivavaka ho an'ny Fanahiny isika!!!
20/05/2020

Mivavaka ho an'ny Fanahiny isika!!!

Le Père Adolfo Nicolás, notre ancien Supérieur Général, est décédé ce 20 mai à Tokyo. Il avait été élu Supérieur Général lors de la 35ème Congrégation Générale, le 19 janvier 2008. Il a impulsé la recréation de l'Apostolat de la Prière comme Réseau Mondial de Prière du Pape. Sur cette photo (ci-dessous), lors de la présentation de Click To Pray au Pape François : derrière, discret, humble, mais toujours présent. C'est aussi lui qui dès le départ a soutenu La Vidéo du Pape.

LAUDATO SI WEEK
18/05/2020

LAUDATO SI WEEK

06/05/2020

📢📢Indro ampitaina amintsika ny fanapahan-kevitry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, nampitain’i Mgr Benjamin RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana taminay. Hoy izy mitatitra izany :

« Tsy hotanterahina amin'ity taona ity ny Kongresy Eokaristika miaraka amin'ny faha-100 taonan'ny FET saika hatao tany Antsiranana. Amin'ny fivoriana manaraka no manapaka izay mety ho tohiny ».

Araka izany àry dia mazava ny fanapahan-kevitr’ireo Eveka Raiamandreny fa tsy ho tanterahina amin’ity taona ity ny Kongresy Eokaristika miaraka amin’ny faha 100 taonan’ny FET saika hotanterahinina any Antsiranana. Mino sy manantena kosa anefa isika fa tsy havelan’Andriamanitra tsy hotanteraka ny fikasana tsara ao am-pontsika sy ny ezaka rehetra natao hatramin’izay, fa ho tanterahiny amin’ny fotoana efa voatendriny ; ary tsy misaraka amintsika i Masina Maria sy ireo Olomasina Mpiaro ny FET - Md François Xavier sy Mb Terezin’i Jesoa Zazakely - ary ireo Olomasina sy Olontsambatra malagasy.

Noho izany, dia mandray izao toromarika sy fepetra manaraka izao indray isika mandrapahatonga ny fanapahan-kevitra farany avy amin’ireo Eveka Raiamandreny; Koa miangavy antsika hamaky tsara hatramin'ny farany :

✳️✳️✳️✳️✳️✳️✳️

1. MOMBA NY FISORATANA ANARANA :

📌- Foana ny datin’ny fisoratana anarana izay voatondro teo aloha mahakasika ny Kongresy Eokaristika sy ny faha 100 taonan’ny FET saika hatao any Antsiranana.
📌- Ho an’izay efa nisoratra any amin’ny Diosezy misy azy avy kosa dia tolo-kevitra no omenay : dia ny hitazonana ny anaran’ireo ankizy izay efa nahavita izany, mba ho fitsinjovana ny fiomanan’izy ireo amin’ny fotoana manaraka. Amin’izay fotoana izay anefa dia hokendrena tsara izay fepetra sy ny fomba hahafahana manatanteraka izany.
📌- Tolo-kevitra ihany koa no ataonay ho an’ny Ekipa fototra manana vola tahiry iombonana natokana ho an’ny fihaonana any Antsiranana : azo atao ny mametraka izany any amin’ny Paositra « Tsinjo lavitra » na any amin’ny Caisse d’Epargne na koa amin’ireo Banky afaka ametrahana tahiry ahazoana zana-bola. Efa misy mantsy ireo nahita tombontsoa tamin’izany, ka soa fianatra.
📌- Ny saram-pisoratana anarana dia mbola tsy misy fiovana aloha hatreto fa mijanona ho amin’izay efa voatondro teo aloha ihany, araka ny Sampana misy.
📌- Hotohizina ny fanentanana ny mpikambana amin’ny fisoratana anarana, satria manantena isika fa tsy maintsy hisy ny Fihaonam-be hanamarihantsika ny Taon-jobily.

2. FIOMANAM-PANAHY :

✅- Iaraha-mahalala fa ao anatin’ny Vavaka hasiviam-bolana isika amin’izao fotoana izao. Hotohizina hatrany io vavaka hasiviam-bolana io mandrapahatonga ny volana Aogositra mamarana azy.
✅- Rehefa vita kosa ny vavaka hasiviam-bolana dia tohizina hatrany ny vavaky ny Taon-jobily noho ny faha 100 taonan’ny FET.

3. NY FIOMBONAM-BAVAKA AMIN'NY EGLIZY MANERAN-TANY SY NY PAPA RAY MASINA

🌸- Hatao tsy an-kitsahatra isan’andro ka anentanantsika ny mpikambana araka izay fomba ahafahantsika manao izany. Indrindra moa amin’ny maha mpikambana feno antsika ao amin’ny Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany, dia manana adidy goavana isika amin’ny fitrotroana am-bavaka an’izao tontolo izao sy amin’ny fanentanana ny olona hiara-mientana hiady amin’ity fahavalo tsy hita maso ity.
🌸- Ny Foibe maneran-tany any Rôma dia manantitrantitra mafy ny amin’ny hiraisantsika amin’ny Papa hivavaka ho an’izao tontolo izao.

4. MIRAY FO SY SAINA AMIN'NY EGLIZY ETO MADAGASIKARA

📎- Amin’ny alalan’ny hafatry ny Fivondronam-ben’ny Eveka, hanao Toko Sapile, fa indrindra ny hanaraka ny Sorona Masina ao amin’ny Radio na fahitalavitra ka hanao ny « Kômonio am-panahy ».
📎- Hanaraka ny toromarika sy ny lamina rehetra apetraky ny Fivondronam-ben’ny Eveka sy ny fitondram-panjakana, hisorohana amin’ny fiparitahan’ny aretina .

5. FIVOHAN'NY BIRAO FOIBE :

🖊- Mandritra izao fotoan’ny « Fahamehana ara-pahasalamana » eto amin’ny Firenena izao dia ny tapany maraina ihany no misokatra ny Birao Foibe ao Antanimena ; indrindra raha mbola ato anatin’ny fihibohana isika ka mandrapatonga ny fandaminana vaovao indray.
🖊- Tsara anefa ny manamarika fa raha toa ka tsy misokatra ny Birao dia noho ny tsy fisian’ny « Bus » miasa no antony.

Mahereza daholo! AFITEMA 💁‍♂️💁‍♀️

04/05/2020

Indro àry atolotra ho antsika ny vavaka hasiviambolana ho an'ny volana MEY 2020

- Vavaka Fanolorana ny andro
- Hira fanombohana (ho an'ny Ekipa fototra na olona maro miara-mivory)
- Vavaka torapo, araka izay anentanan'ny Fanahy
- Famakiana ny lahatsoratra momba ny Lohahevitry ny volana diavina
- Fandinihana masina + hira iray (ho an'ny Ekipa fototra na olona maro miara-mivory)
- Vavaky ny Taon-jobily + Rainay, Arahaba ry Maria, Voninahitra, fiantsoana an'ireo Olomasina Mpiaro sy ny Fo Masin'i Jesoa.

Lohahevitra: Ny FON'I JESOA, AO AM-PON'NY MPIANATRA

Maniry ny honina ao am-pontsika Andriamanitra, noho ny halehiben’ny fitiavany antsika. Izany no fampanantenana mahagaga nataon’i Kristy tamin’ny mpianany mialoha ny nahafatesany. Te hanorim-ponenana ao anatintsika tsirairay avy ny Tompo. Vavolombelon’izany i Md Paoly amin’ny filazany fa tsy izy intsony no velona fa i Kristy no velona ao Aminy (Gal 2,20). Ao amin’izany tontolo farany izany no tian’ny Fanahy hitondrana ny kristianina: fitoviana tanteraka amin’i Kristy, Vatana sy fofon’aina ary Fanahy. Izany no irintsika sy angatahintsika isan’andro, amin’ny fo torotoro, na dia fantatsika aza fa tsy vokatry ny fiezahantsika manokana velively nyfahatratrarana an’i Kristy. Mino isika fa tombontsoa lehibe nomena antsika ao amin’ny Eokaristia izany fitoviantsika amin’i Kristy izany. Izy mihitsy no tonga ao amintsika ao amin’ny Vatany sy Rany ary mamolavola antsika ao anaty ao araka ny Fony, mba ho tahaka azy sy hiasa toa azy.

« Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato Amiko "ary Izaho ao aminareo" » (Jo 14,20)
« … hankao aminy izahay ka honina ao aminy » (Jo 14,23)
« Mitoera ao Amiko ary Izaho hitoetra ao aminareo… mitoera amin’ny fitiavako ianareo » (Jo 15,4.9)
« Velona aho, dia tsy izaho intsony no velona fa ny Kristy no velona ato anatiko.» (Gal 2,20)
« Tsy fantatrareo va fa tempolin’ny Tompo ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? » (1Kor 3,16)
« Raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany, dia mitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo » (1Jo 2,24)
« Hitoetra ao am-ponareo amin’ny finoana i Kristy... » (Efz 3,17)
« Mibanjina ny voninahitry ny Tompo…, sady ovain’izy Tompo hitovy endrika Aminy… » (2Kor 3,18)

29/02/2020

Afafi o!
Mandeha be ny fotoana a! Manakaiky ny fotoana hiatrehantsika ny Kongresy Eokaristika any Antsiranana. Entanina hatrany ny fahavitrihantsika hisoratra anarana.

AFAFI O!Ankasitrahana feno ny fahavitrihantsika t@ fambolenkazo niombonantsika, ny Asabotsy lasa teo. Isan'ny anamarihan...
10/02/2020

AFAFI O!
Ankasitrahana feno ny fahavitrihantsika t@ fambolenkazo niombonantsika, ny Asabotsy lasa teo. Isan'ny anamarihantsika ny faha-100 taona FET Madagasikara iny hetsika iny. Mbola hisy fanaraha-maso hataontsika ireo hazo novolentsika ireo.

06/02/2020

Afafi o!! 📣📢
🌳🌱Aza hadino ilay fotoanantsika @ Asabotsy izao a!(08 febroary 2020) Fambolen-kazo hataontsika AFAFI-FET eny Ambohimpiadanana (Anjomakely). Ao anatin'ny famaliana ny antson'ny Papa Ray Masina hatrany izao ezaka iarahantsika manao izao!!
💪💪💪
⌚️⏰Fanombohana: 08h30🕣
ℹ️Mitondrà 🥘🍨sakafo atoandro, 👒🎩🧢satroka, 🍼🍶rano, ☂️aro orana.

31/01/2020

VAVAKA HASIVIAM-BOLANA VOLANA FEBROARY 2020
Toy izao indray àry ny Taridalana ho an’ny Vavaka hasiviam-bolana mandritra ny volana Febroary 2020. Ny Dingana fahatelo ao amin’ny « Lalan’ny Fo » no hodinihina sy hiainana ary hifampizarana. Ny fomba hanatanterahana ny vavaka dia toy ny teo aloha ihany. Toy izao manaraka izao :
1) Hiezaka ny Ekipa fototra iray mba tsy ho tapaka mihitsy ny fivoriana isan-kerinandro fa ao anatin’io fivoriana tsy tapaka io no hanatanterahana ny vavaka iombonana. Raha misy tsy fahatanterahan’ny andro fivoriana dia hifidy andro iray amin’io herinandro voatondro io ny tsirairay hanaovana ny vavaka.
2) Omena mialoha any am-pivoriana ny lohahevitra sy ny vavaka hatao mba ho afaka hiomana ny tsirairay ;
3) Rehefa tonga ny fotoam-pivoriana dia hanokana 30 mn ahay hanaovana ny vavaka sy ny fandinihana masina, araka izao manaraka izao :
- Vavaka Fanolorana ny andro: «Mba hohenoina sy hoheverina anie ny tarainan'ireo mpifindra monina vokatry ny fanondranan'olona mamoafady satria mbola mpiray tampo amintsika izy ireo.»
- Hira fanombohana
- Vavaka torapo, araka izay anentanan'ny Fanahy
- Famakiana ny lahatsoratra momba ny Lohahevitry ny volana diavina
- Fandinihana masina + hira iray
- Vavaky ny Taon-jobily + Rainay, Arahaba ry Maria, Voninahitra, fiantsoana an'ireo Olomasina Mpiaro sy ny Fo Masin'i Jesoa.
4) Ny tsirairay kosa isan’andro dia hanao ny vavaky ny Taon-jobily, miampy Rainay sy Arahaba ry Maria ary Voninahitra sy fiantsoana ny Olomasina mpiaro. Izay tsy manana ny vavaky ny Taon-jobily dia hanao Toko Sapile iray ho an’ny Fankalazana.
Indro àry ny Lohahevitra ho an'ny Volana Febroary

Eo anivona tontolo feno hakiviana
Sondriana sy talanjona isika mibanjina ny hatsaran’ny tontolo manodidina antsika sy ny vokatry ny siansa mbamin’ny fahaizan’ny zanak’olombelona mamakivaky ny tantarany sy ny vanim-potoana lalovana. Saingy fahaizana sy fahalalana tsy voafehin’ny saina aman’eritreritra ka miteraka ratra sy fifanoherana mangirifiry mitarika amin’ny fahafatesana sy faharavana izao tontolo onenantsika izao. Sempotry ny herisetra sy ny fitiavan-tena mazàna ny aina sy ny fitiavana. Mijaly noho ny hetraketrak’ireo matanjaka ny madinika sy ny marefo, angalarina ireo harena voajanahary, miteraka alahelo sy fitokana-monina izany. Nisintaka, niala lavitra ny lalan’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny tetikasany ho an’ny zanak’olombelona isika.

 « Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony; ka tsara indrindra izany». (Jn 1, 31).
 « Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano». (Jr. 2, 13).
 « Dia hirenireny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina izy ireo, hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana; hivezivezy atsý arý hitady ny Tenin’ny Tompo nefa tsy hahita izany izy ireo. ». (Amosy. 8, 12)
 « Mifohaza ry Tompo ô! Nahoana no matory Ianao? Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay! Nahoana no dia afeninao ny tavanao, ka nohadinoinao ny fahantrana amam-pahorianay » (Sal. 44, 24-25).
 « Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy” (Jo 1, 11).

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261343923725

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FET 100 TAONA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share