DINOH NABY Ofisialy

DINOH NABY Ofisialy Vaovao ho antsika rehetra

✌️✌️✌️ FARITRA BETSIBOKA SY NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA:Tonga nitsidika an'Andrimatoa SGAP Andriamatoa Governora'ny Farit...
13/01/2023

✌️✌️✌️ FARITRA BETSIBOKA SY NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA:

Tonga nitsidika an'Andrimatoa SGAP Andriamatoa Governora'ny Faritra Betsiboka sy ireo mpiara-miasa aminy androany 13 janoary 2023 niarahaba sy nirary soa an'Andriamatoa SGAP nohon'ny taona vaovao.

Tamin'izany no nanomezan'Andriamatoa SGAP toromarika fa mila miezaka sy mila mandeha haingana ianareo hoy izy MBA hanenjehana ireo fahatarana sy hanatanterahana ireo velirano, satria dia isan'ny faritra manan-karena ianareo
Nandritra io fotoana io no nampitain'Andriamatoa Governora tamin'Andriamatoa SGAP NY fitarainan'ireo mpiasan'ny orinasa KRAOMA ny amin'ny Mba hamerenana NY fiodinan'io orinasa io.
Nampanantena Andriamatoa SGAP fa androany ihany dia hataony tonga any amin'Andriamatoa Filoha izany fitarainana izany.

Nizaha ifotony ireo Kaontenera nafarana teto@Seranan-tsambon'i Toamasina misy ireo kojakoja (Pièces détachées) natokana ...
13/07/2022

Nizaha ifotony ireo Kaontenera nafarana teto@Seranan-tsambon'i Toamasina misy ireo kojakoja (Pièces détachées) natokana ho an'ny Ozinina fanamboarana zezika ny Minisitra sy ireo Tompon'andraikitra avy@Sampan- draharaha samihafa.

Marihina fa efa 10 taona mahery avokoa izao no nahatongavan'ireto Kaontenera ireto teto, izay tonga tsikelikely (Par lot). Nisy ny efa tonga tany@taona 2008, 2009 sy ny tao aoriana kelin'izay. Na dia efa ela aza no nahatongavan'ireto entana ireto teto@Seranan-tsambo ka natahorana ho simba noho izany fitoerany ela teto izany, dia nijery sy nanamarina raha toa ka mbola azo ampiasaina ho@izany Ozinina fanamboarana zezika izany ireo kojakoja ilaina@Milina fanodinana zezika ato@ireto Kaontenera ireto.

Nisy moa ny Fanokafana ny iray t@ireto Kaontenera ireto ka hita t@izany fa mbola mety ho azo ampiasaina ireo kojakoja na Pièces ireo satria kelikely ihany ny fahasimbana hita toy ny harafesina madinidinika noho ny hamandoana sy ny nitoerany ela.

Hisy araka izany ny Komity hatsangana afahana mijery ny fikarakarana tokony ho atao rehetra afahana manokatra n'y Kaontenera rehetra, ka aorian'izay no hijerena ny afahana manangana ny Ozinina fanamboarana zezika avy@ireto entana ireto.

Ny fananantsika Ozinina Fanamboarana Zezika izay isan'ny Singa iray lehibe hiantoka ny fanatrarana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo eto@tsika.

DRAEP Atsinanana

Atsy Frantsa, hisitraka indemnité amin'ny resaka carburants ireo mpiasa sy olon-tsotra miisa 11 tapitrisa. Ho an'ny Fran...
12/07/2022

Atsy Frantsa, hisitraka indemnité amin'ny resaka carburants ireo mpiasa sy olon-tsotra miisa 11 tapitrisa. Ho an'ny Frantsay manana fidiram-bola tsotsotra mipetraka mihoatra ny 30 kilometatra miala ny toeram-piasany dia mahatratra 300 euros (na 1 230 000 Ar) izany.

🟡Mbola ampy ny tahirin-tsolika hiatrehana amin’ny volana manaraka ary tsy tokony hihazakaza ny mpanjifa ny hanao tahiry ...
11/07/2022

🟡Mbola ampy ny tahirin-tsolika hiatrehana amin’ny volana manaraka ary tsy tokony hihazakaza ny mpanjifa ny hanao tahiry na « stock » izay mety hitera-doza hoy ny Ministry ny Angovo.

( TV Plus Madagascar)

➡️Fiakaran'ny vidin'ny solika Mihatra manomboka rahampitso ihany koa ny saran-dalana vaovao mampitohy Rn4 - Rn6 etsy ami...
11/07/2022

➡️Fiakaran'ny vidin'ny solika

Mihatra manomboka rahampitso ihany koa ny saran-dalana vaovao mampitohy Rn4 - Rn6 etsy amin’ny Maki Andohatapenaka.

Vidin-tsolikaTaorian'ny fifampiresahana naharitra, tapaka fa iakatra 1500 ar ny litatra amin'ny gazoala, izany hoe raha ...
11/07/2022

Vidin-tsolika
Taorian'ny fifampiresahana naharitra, tapaka fa iakatra 1500 ar ny litatra amin'ny gazoala, izany hoe raha 3400 ar izany teo aloha dia lasa 4900 ar.. Niakatra 1800 ar kosa ny lasantsy izany hoe raha 4100 ar izy teo aloha dia lasa 5900 ar. Ny solika fandrehitra kosa lasa 2430 ar.

4 900 Ariary ny litatry ny gasoil
5 900 Ariary ny litatry ny super carburant
2 430 Ariary ny litatry ny solika fandrehitra
Ireo no tapaka taorian'ny fifampiresahana mikasika ny famerana ny vidin-tsolika marolafy naharitra fotoana maro.

Nanamafy ny minisiteran'ny angovo sy ny Akoranafo tao anatin'ny fanambarana navoakany fa niady mafy ny hitsinjovana ny vahoaka ny fanjakana "ary nimasoana ny tsy hampiakatra be loatra ny vidin'ny solika izay tsy azo ihodivirana noho ny fiakarana sy fidangan'ny vidin-tsolika maneran-tany"

Efa mivoaka izao alina izao ny valin’ny BEPC ao Antanifotsy renivohitra…..
10/07/2022

Efa mivoaka izao alina izao ny valin’ny BEPC ao Antanifotsy renivohitra…..

10/07/2022
Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady  dia olona manodidina ny 20 no namoy ny ainy tamin’ny tifitra roa samy hafa, araka ny ...
10/07/2022

Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady dia olona manodidina ny 20 no namoy ny ainy tamin’ny tifitra roa samy hafa, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Ny voalohany tao amin'ny trano fisotroana iray any Soweto, akaikin'i Johannesburg, ny faharoa, ao amin'ny trano fisotroana iray any Pietermaritzburg

Sary tsika izao alina izao mirary alina mafinaritra ho antsika rehetra 😃😃😃😃😃😃🙃🙃Aina boly ny laoka  ato
10/07/2022

Sary tsika izao alina izao mirary alina mafinaritra ho antsika rehetra 😃😃😃😃😃😃🙃🙃Aina boly ny laoka ato

Tanora Malagasy  iray nahavita namorona tambajotran-tserasera 18 taona i Herimanana Rasolonirina  no nanangana ny BluePi...
10/07/2022

Tanora Malagasy iray nahavita namorona tambajotran-tserasera

18 taona i Herimanana Rasolonirina no nanangana ny BluePix, tambajotran-tserasera voalohany natokana ho an’ny tanora Malagasy ahafahan’izy ireo mifanerasera sy mifanakalo amin’ireo karazana lohahevitra samihafa tahaka ny « jeu vidéo », « art » sy ny mozika.

Ny mampiavaka azy amin’ireo tranokala hafa dia noho izy mifantoka tanteraka amin’ny lohahevitra vitsy izay mahaliana ny tanora sy tian’izy ireo ary koa manome azy ireo sehatra madio ahafahany maneho hevitra sy miala voly an-kalalahana.

Anisan’ny tanjon’ny BluePix ny hanandratra ny talenta ananan’ny tanora Malagasy sy hanampy an’izy ireo amin’ny resaka « visibilité » ho an’ny tetikasany ireo sy ho azy ireo manokana.

Efa naangona mpiara-miombon’antoka betsaka i Herimanana entina hampandrosoana ny BluePix ary efa ahitana mpikambana eo amin'ny 600 eo ao. Mbola mikasa hanatsara hatrany ity tambazotrany ity izy amin’ny alalan’ny fanavaozana maro samy hafa toy ny PixMoney izay « programme de rémunération » sahala ny Youtube Money, izay mbola vao ho foronina atsy ho atsy.

Azonao tsidihana ao amin’ny https://www.bluepix.fr/ ity tambajotran-tserasera ity.

Misokatra amin'ny alahady ao anatin'ny rivotry ny disadisa ara-politika ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana solom...
10/07/2022

Misokatra amin'ny alahady ao anatin'ny rivotry ny disadisa ara-politika ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana solombavambahoaka any Sénégal. Ao ambadika, ny mpanohitra lehibe indrindra, Ousmane Sonko, ary miatrika ny filoha Macky Sall, raha toa ka niharatsy ny toe-draharaha ara-tsosialy sy ara-toekarena ao an-toerana

VAOVAO Sri LankaNitroatra ireo vahokaka tao Sri Lanka omaly noho ny tsy fisian'ny lasantsy, herinaratra ary fiakaran'ny ...
10/07/2022

VAOVAO Sri Lanka
Nitroatra ireo vahokaka tao Sri Lanka omaly noho ny tsy fisian'ny lasantsy, herinaratra ary fiakaran'ny vidim-piainana. Noho ny an-tezerana dia niditra an-keriny tao anatin'ny lapan'ny Filoham-pirenena tany Colombo izy ireo.

10/07/2022
Resaka solika mitohy androany 10 jolay 2022 ny dinika izay ataon'ireo tompon'andraikitra amin'izany ary nankasitraka azy...
10/07/2022

Resaka solika mitohy androany 10 jolay 2022 ny dinika izay ataon'ireo tompon'andraikitra amin'izany ary nankasitraka azy ireto ny Filoham-pirenena Raha ny vaovao tao amin'ny Pejy facebook Andry Rajoelina omaly.

• GEM-Groupement des Entreprises de Madagascar
• Ny SIM - Syndicat des Industries de Madagascar
• Ny FIMZOMPAM - Fikambanana Miaro ny Zon'ny Mpanjifa Malagasy
• Ny Rohy
• Ny ONG Tolotsoa
• Ny FIMPA - Fikambanan'ny Mpanjifa
• Ny Justice et Paix
• Ny FIVMPAMA - Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy
• Ny GEFP - Groupement des Entreprises Franches et Partenaires
• Ny Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar officiel - GFEM
• Ny ONG Ivorary
• Ny CREM Madagascar - Cercle de Réflexion des Economistes de Madagascar
• Ny GARDUC - Groupe d’Actions et de Réflexion pour la défense des Usagers et des Consommateurs
• Ny VOMZM - Vondron'Olona Miaro ny Zon'ny Mpanjifa
• Ny RNDC - Réseau National de Défense des Consommateurs

Nilaina tokoa ny fakan-kevitra notanterahina androany ary mbola hitohy rahampitso ny fifampiresahana amin'ny vondron'ny mpandraharahan'ny solika eto Madagasikara, hitsinjovana hatrany ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy

TOAMASINA Jiolahy 3 voatifitra, 7 azo sambo-belona tao Toamasina omaly tokony tamin'ny 7 ora hariva. Nikasa hanafika Mag...
10/07/2022

TOAMASINA
Jiolahy 3 voatifitra, 7 azo sambo-belona tao Toamasina omaly tokony tamin'ny 7 ora hariva. Nikasa hanafika Magazay lehibe iray tao Ampasimazava ireto jiolahy 10 lahy ireto. Tsy tanteraka anefa izany satria tonga ara-potoana ny avy tao anivon'ny FIP. Nisy ny fifandonana teo amin'ireo jiolahy sy ny avy ao anivon'ny Polisy ka izay nahalavo ireo jiolahy 2 sy nahatratrana ireo 7 lahy.

(Loharano: Claudia Tsitolomy)

zanaka osy izay manana sofina hafa kely satria dia mirefy 54 cm ny sofiny ary any Pakistan any no ahitana azy Efa malaza...
10/07/2022

zanaka osy izay manana sofina hafa kely satria dia mirefy 54 cm ny sofiny ary any Pakistan any no ahitana azy Efa malaza maneran-tany moa ity osy kely ity ary efa nahazo loka tamina fifaninana hatsaram-biby

10/04/2022

TATITRA AG FIZATSARA TANA 09 aprily 2022:
I- Tafatsangana ny birao vojimaika hitondra ny fikambanana
Tanjona: -Hitondra vonjimaika sy hanangana ny fikambanana ho ara-dalàna.
-Hamolavola ny sata mifehy ny fikambanana.
-Hikarakara fifidianana.
a- coordinateur: Mr Everaldi tel: 034 90 780 22
b-Conseiller: Capitaine Tsiry, Mlle Lova, Mr Dayah
c-Porte-parole: Mr Judicael
c-Commissaire aux comptes: Capitaine Germain, Lieutenant Sévérin, Mr Anja
b- Secretaires général(e)s: Mr Fahendrena tel: 0347920869, Mlle Elinah, Mr Fandresena
c-Trésorière: Mme Bodo et Mlle Mbolatiana
d-Responsable Communication: Mr Henintsoa

II- Tafatsangana ny komity hisahana ny Fifampiharabana tratry ny taona 2022
Daty: 28/05/22
-responsable salle: Mr Hagay
-responsable boisson: Mr Fandresena
-Responsale omby: Mr Yvon, Mr Liva
-Responsable Fiantsenàna: Mlle Fredda
-responsable fitaovana: Mlle Voahirana
-Responsable Fandrahoana: Mlle Lova, Mr Onja, Mr Nomena
-Responsable sonorisation: Mr Dayah
-Recenseur: Mr Anja

Fandraisana anjara: - invitation RAD: 40 000 ar
-invitation Zoky: 20 000/15 000 ar
-cotisation mpianatra: 5 000 ar
Misaotra sy mankasitraka antsika rehetra tonga nivory.

24/01/2022
21/02/2021

Salama isika rehetra

Address

Antananarivo

Telephone

+261346918578

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DINOH NABY Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category


Other Newspapers in Antananarivo

Show All