Vaovao iraisa-mpirenena

Vaovao iraisa-mpirenena VaoVao "Internationale"
VAOVAO MARINA
VAOVAO MISONGADINA
VAOVAO TSY MITANILA
₪VAOVAO AINGANA,MARINA₪

FIN DU MATCHBUT GHANA 1-0 BAREA94'58s
17/11/2023

FIN DU MATCH
BUT
GHANA 1-0 BAREA
94'58s

Mi temps GHANA 0-0 BAREA
17/11/2023

Mi temps
GHANA 0-0 BAREA

Kamiao nitondra bal friperie sy litchi no may io maraina io teny amin'ny RN4, afaka kely ny tanànan'i Marokoloy. Nisy ol...
16/11/2023

Kamiao nitondra bal friperie sy litchi no may io maraina io teny amin'ny RN4, afaka kely ny tanànan'i Marokoloy. Nisy olana teo amin'ny hisatra (nichauffe) ka izay nahatonga ny firehetana.

VAOVAO MAMPALAHELONodimandry ny vadin'i Dadafara , mpilalao baolina kitra Barea .Dadafara moa dia tsy eto an-toerana fa ...
15/11/2023

VAOVAO MAMPALAHELO

Nodimandry ny vadin'i Dadafara , mpilalao baolina kitra Barea .
Dadafara moa dia tsy eto an-toerana fa hiatrika lalao any Ghana afaka 2 andro.

Mankahery ny fianakaviana sy ireo akaiky azy rehetra.

14 mirahalahy mpanao sinto-mahery, mpifoka rongony ary mpamaky trano no voasambotry ny zandary nandritry ny herinandro t...
09/11/2023

14 mirahalahy mpanao sinto-mahery, mpifoka rongony ary mpamaky trano no voasambotry ny zandary nandritry ny herinandro teny Ambohidratrimo teny.

Roalahy avy niandry omby no maty voahitsaky ny lamasinina tany amin'ny "Arret" Sambaina ny tolakandro teo.  Mankahery ir...
05/11/2023

Roalahy avy niandry omby no maty voahitsaky ny lamasinina tany amin'ny "Arret" Sambaina ny tolakandro teo.
Mankahery ireo akaiky azy ireo

VOASAMBOTRA ILAY LEHILAHY NAMONO VEHIVAVYVoasambotra ilay lehilahy namono tamin'ny fomba feno habibiana vehivavy 56 taon...
02/11/2023

VOASAMBOTRA ILAY LEHILAHY NAMONO VEHIVAVY

Voasambotra ilay lehilahy namono tamin'ny fomba feno habibiana vehivavy 56 taona tany Miadamandroso, kaominina Anjeva gara ny 24 oktobra lasa teo.

Notsatohana antsy 4 teo amin'ny lamosiny, 1 teo amin'ny tendany ary 1 teo amin'ny handriny. Ny vola rehetra tao an-trano moa no lasa tamin'io fotoana io.

Efa natolotra ny Fampanoavana ny 31 oktobra lasa teo, ary notànana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy.

𝐃𝐚𝐡𝐚𝐥𝐨 𝟏 𝐧𝐨 𝐥𝐚𝐯𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐭𝐚𝐟𝐚𝐩𝐨𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝟐 ny 30 oktobra lasa teo, tao Mahabo. Naharay vaovao tamin'ny fokonolon...
01/11/2023

𝐃𝐚𝐡𝐚𝐥𝐨 𝟏 𝐧𝐨 𝐥𝐚𝐯𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐩𝐨𝐥𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐭𝐚𝐟𝐚𝐩𝐨𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝟐 ny 30 oktobra lasa teo, tao Mahabo. Naharay vaovao tamin'ny fokonolona ny polisy fa misy dahalo miisa 3 mirongo basy mihaodihaody ao an-tampon-tanànan'i Lavabo, ary tsy niandry ela ny polisy 5 lahy fa nidina ifotony nanao fanarahan-dia, vao nahita izany ireto jiolahy dia nifampitifitra ka nahafaty ny iray.

Tovolahy iray hita faty nihantona tao Ambahisambotra akaikin' Ambalataratasy Fianarantsoa, ity atoandron'ny talata 31 ok...
31/10/2023

Tovolahy iray hita faty nihantona tao Ambahisambotra akaikin' Ambalataratasy Fianarantsoa, ity atoandron'ny talata 31 oktobra 2023 ity.
Raha ny fijery azy dia namono tena ity tovolahy ity, nihantona teny ambony hazo, nihantona tamin'ny tady nylon.
Efa tonga teny ny mpitandro ny filaminana sy ny avy ao amin'ny BMH, nijery ny razana.
Raha ny nambaran'ireo manodidina dia tsy fantratr'izy ireo ity lehilahy hita faty ity. Tsy mbola fantatra koa izay antony namonoana tena, sy izay havany.
Hatreto raha ny vaovao dia mbola ao amin'ny tranom-patin'ny hopitaly ny razana, miandry izay havany.

𝘼𝙘𝙘𝙞𝙙𝙚𝙣𝙩 𝙞𝙤 𝙢𝙖𝙧𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙤 𝙩𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝘼𝙩𝙤𝙢𝙚 𝙈𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙚𝙯𝙖. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny fiara no nisy fahasimbana be. Tsy mbol...
31/10/2023

𝘼𝙘𝙘𝙞𝙙𝙚𝙣𝙩 𝙞𝙤 𝙢𝙖𝙧𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙤 𝙩𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝘼𝙩𝙤𝙢𝙚 𝙈𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙨𝙚𝙯𝙖. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny fiara no nisy fahasimbana be. Tsy mbola fantatra mazava izay nahatonga ny loza.

Zaza menavava narin-dreniny tao anaty lavapiringa ka namoy ny ainy, ny alahady lasa teo, tao  fokontany Miakadaza, kaomi...
26/10/2023

Zaza menavava narin-dreniny tao anaty lavapiringa ka namoy ny ainy, ny alahady lasa teo, tao fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika. Nolazainy fa tsy hita teo ampandrina ilay zazany ny tolak'andron'ny alahady, kanefa nariny tao anaty lavapiringa.

NAOLANY NY ZANANY VAVY VAO 13 TAONA MONJA Rangahy iray monina ao Ivohitra Anosy Tsararafa - Farafangana voalaza ho nanol...
23/10/2023

NAOLANY NY ZANANY VAVY VAO 13 TAONA MONJA

Rangahy iray monina ao Ivohitra Anosy Tsararafa - Farafangana voalaza ho nanolana ny zanany vavy 13 taona no naiditra am-ponja vonjimaika. Marihina fa efa voamarin'ny dokotera fa tena voaolana tokoa ilay zazavavy .
Nitantara ny zava-doza nataony ity farany rehefa avy niaiky ny helony. Nambarany tamin'izany fa noentiny tany anaty ala ilay zaza ary nesoriny daholo ny akanjony ka nanamparany ny herisetrany ara-nofo teo. Tsy vitan'izay fa norahonany ho faty io zanany vavy naterany io raha miresadresaka aman'olona.
Nony efa tratra ka nihidy tao @ zandary ity rangahy ity dia saika hamono tena ka nofatorany t@ akanjo ny tendany ary saika hananto-tena izy. Tsara fahatongavana anefa ireo mpiambina ka avotra ny ainy ary noesorina teny aminy daholo ireo akanjony mba tsy hamerenany an'izany.
Ankoatran'io raharaha fanolanana io dia efa enjehina noho ny resaka fandrahonana olona ho faty ihany koa izy.

Iangaviana izay mahalala na mahafantatra ity lehilahy ity fa matiny lozam-pifamoivoizana niseho tao Ambodivoara,fokontan...
20/10/2023

Iangaviana izay mahalala na mahafantatra ity lehilahy ity fa matiny lozam-pifamoivoizana niseho tao Ambodivoara,fokontany Andranovao, kaominina ambanivohitra Ambohimangakely,distrika Antananarivo Avaradrano izy omaly Alakamisy faha-19 Oktobra 2023 tokony ho tamin'ny 02 ora sy sasany tolakandro.
Efa nialana nenina ihany izy nentina namonjy ny CHU-HJRA fa saingy tapitra tao aminy hôpitaly ny ainy.
Tsy misy fantatra ny momba azy ary tsy fantatra ihany koa ny havany sy ny fiaviany.
Ao aminy morgue CHU-HJRA ny razana.
Antsoy ny Commandant de Brigade

LOZAM-PIFAMOIVOZANA RN 7 CR ILAKA CENTRE 2NAMOY NY AINY NY MPAMILY SY MPANDEHA IRAY, 18 NARATRANisehoana lozam-pifamoivo...
18/10/2023

LOZAM-PIFAMOIVOZANA RN 7 CR ILAKA CENTRE

2NAMOY NY AINY NY MPAMILY SY MPANDEHA IRAY, 18 NARATRA

Nisehoana lozam-pifamoivozana mahatsiravina teo Mahatsanda CR Ilaka Centre Faritra Amoron'i Mania tokony tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nifandona mafy ny fiara TaxiBrousse sprinter nitondra mpandeha avy any Ambositra ho any Sambava, sy ny Camion lehibe iray. Maty tsy tra-drano vokatr'izany ny Mpamily sy ny Ramatoa mpandeha tamin'ilay Taxibrousse. Tafakatra 18 kosa ireo naratra, efa nalefa notsaboina eny amin'ny CSB.

Ny zanany vavy 15 taona ihany no naolan'ity Rangahy iray voasambotra tao Bendrarezona Bealanana ity. Tamin'ny fotoana ts...
18/10/2023

Ny zanany vavy 15 taona ihany no naolan'ity Rangahy iray voasambotra tao Bendrarezona Bealanana ity. Tamin'ny fotoana tsy naha-teo ny reniny no nanamparan'ity raim-pianakaviana ity ny filan-dratsiny. Notantarainy ny reniny izany ary nitory avy hatrany ny reniny rehefa nahafantatra. Nosamborina ilay rangahy ary niaiky ny hadalany ka hatolotra ny fitsarana.

Mpandraharaha Malagasy iray no nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao an-tranony, tao Besakoa , ao an-tapon-tanan...
16/10/2023

Mpandraharaha Malagasy iray no nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao an-tranony, tao Besakoa , ao an-tapon-tananan'i Toliara.
Vata mangatsiaka feno ratra sy ra miparitaka eraky ny trano no hitan'ny fianakaviana io maraina io.
Eo am-panaovana fanadihadihana ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao.

Mpanampy an-trano iray no nanao fakana an-keriny saritsariny niaraka tamina lehilahy iray tany Antsirabe. Mpaninjara par...
15/10/2023

Mpanampy an-trano iray no nanao fakana an-keriny saritsariny niaraka tamina lehilahy iray tany Antsirabe.
Mpaninjara paraky sy sigara ao Antsirabe moa no niasany ary nirahina nanatitra entam-barotra tany Anjoma no tsy hita ary tsy tratra antso ny 11 oktobra teo. 2 andro taorian'izay vao tratra antso ary nilaza fa mitaky vola 2 tapitrisa ariary amin'ny mpampiasa azy ireo mpaka an-keriny raha tsy izany dia ho vonoin'ireo olona ireo izy.
Olana ara-bola no nahatonga azy nanao izany.
Hatolotra ny fitsarana izy roa ireto aorian'ny fanadihadiana.

CC AVARADRANO: JIOLAHY IRAY NIKASA HANAO FANAFIHANA LAVON'NY BALAN'NY POLISY.  Mitohy hatrany ny ady atao amin'ny tsy fa...
14/10/2023

CC AVARADRANO: JIOLAHY IRAY NIKASA HANAO FANAFIHANA LAVON'NY BALAN'NY POLISY.

Mitohy hatrany ny ady atao amin'ny tsy fandriampahalemana araka ny laharapahamehana napetraka eto anivon'ny Polisimpirenena. Tafiditra amin'izany ny ady amin'ny asan-jiolahy.

Lavon'ny balan'ny Polisy ao amin'ny CC Avaradrano ity jiolahy iray ity raha nikasa hanao fanafihana ny alin'ny 09 oktobra lasa teo tao Antsampandrano Ilafy.

Nanao ny vela-pandrika ny Polisy rehefa nahazo vaovao mari-pototra ka nahita jiolahy miisa telo teo am-panomanana fanafihana. Vao nahita ny Polisy izy ireo dia nitsoaka avy hatrany ka nifanenjehana. Namoaka basy sady nitifitra ny iray tamin'izy ireo ka tsy maintsy namaly ny Polisy. Lavo tamin'izany ny jiolahy iray raha tafaporitsaka kosa ny roa ambiny.
Basy vita gasy iray sy antsy iray no hita teny amin'ity jiolahy voatifitra ity.

Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy nitsoaka.

Fandriana : renim-pinakaviana ahiana ho naolana sy novonoinaRenim-pianakaviana iray, eo amin'ny 39 taona eo, hita faty t...
08/10/2023

Fandriana : renim-pinakaviana ahiana ho naolana sy novonoina

Renim-pianakaviana iray, eo amin'ny 39 taona eo, hita faty tao amin’ny dobon'ny mpianatra, ety amin'ny fokontany Avaratr'ialasora, kaominina sy distrikan'i Fandriana, androany atoandro.

Ny manodidina no nahatsikaritra ny razana mbola tao anaty rano.

Nampandre mpitandro filaminana sy mpitsabo izy ireo hizaha ny razana.

Ny hita dia, mitanjaka ny tapany ambany, misy roatra ny vavany, misarita-bolo.

Tsy nahitàna dian-kapoka ny vatany.
Ahiahin'ny mpitsabo ny mety nisian'ny fanapoizinana sy fanolanana nihatra tamin'io vehivavy io.

Marihana fa, manan-janaka roa izy.

Eo am-pelantanan'ireo mpitandro filaminana ny raharaha.

Efa manomboka feno PITANDO NY FILAMINANA NY ENY ANOSY SY NY MANODIDINA AMIN'IZAO FOTOANA IZAO. ARY EFA TAZANA IHANY KOA ...
03/10/2023

Efa manomboka feno PITANDO NY FILAMINANA NY ENY ANOSY SY NY MANODIDINA AMIN'IZAO FOTOANA IZAO. ARY EFA TAZANA IHANY KOA FA EFA MANOMBOKA MIALA TSIKELIKELY IREO OLONA NAMONJY ITY DIABE ITY.
IALANA TSINY AMIN'NY METY AHARATSIANY SARY NOHONY FAMPITANA MIVANTANA.
MPANAO GAZETY NANATRIKA: HJ,FN

Tahakizao ny eny Mahamasina sy ny manodidina amin'izao fotoana izao.
02/10/2023

Tahakizao ny eny Mahamasina sy ny manodidina amin'izao fotoana izao.

FITSARAM-BAHOAKANAMOY NY AINY ILAY LEHILAHY TRATRA NANGALATRA KATSAKA KA MATIN'NY FITSARAM-BAHOAKA TANY AMBOSITRA Nalevi...
01/10/2023

FITSARAM-BAHOAKA
NAMOY NY AINY ILAY LEHILAHY TRATRA NANGALATRA KATSAKA KA MATIN'NY FITSARAM-BAHOAKA TANY AMBOSITRA
Nalevina eny amin'ny Fasan'ny Commune ilay lehilahy matin'ny fitsaram-bahoaka rehefa nanaovana filazana teto nefa tsy nisy fianakaviana naka.
Izy ilay tratra nangalatra katsaka omaly ary voadaroka , niezaka nitsabo ihany ny tao amin'ny Hopital fa tsy tana ny ainy.
TENA MAMPALAHELO zarao mba ho hitan'ny hafa.

LEHILAHY NAMONO NY VADINYNovonoin'ity lehilahy ity ny vadiny ka nataony tao anaty armoire ary nentiny teny ambony kalesa...
29/09/2023

LEHILAHY NAMONO NY VADINY

Novonoin'ity lehilahy ity ny vadiny ka nataony tao anaty armoire ary nentiny teny ambony kalesa rehefa nokasainy halevina dia lasa izy hifindra trano .

Hitan'ny fokonolona tao Tanambao Verrerie anefa izany ka izy indray no saika matin'ny fitsaram-bahoaka.

ZAZA 4 TAONA MAY KILATovovavikely  04 taona no maty may kilan'ny afo tao Ambihitsabo Toliara omaly tokony tamin'ny 11 or...
28/09/2023

ZAZA 4 TAONA MAY KILA
Tovovavikely 04 taona no maty may kilan'ny afo tao Ambihitsabo Toliara omaly tokony tamin'ny 11 ora alina. Trano roa ireo ravan'ny afo ireo ary potika tanteraka.

Tsy fantatra hatreto ny antony nahatonga ny loza.

Izahay eto amin'ny Vaovao iraisa-mpirenena dia mirary fihononana feno ho an'ny fianakaviana

Omby 4 no nalainy ireo dahalo tao aminy fokotany Andranofoty kaominina Belo/Tsiribihina Vokany dahalo 1 no lavony fokono...
25/09/2023

Omby 4 no nalainy ireo dahalo tao aminy fokotany Andranofoty kaominina Belo/Tsiribihina
Vokany dahalo 1 no lavony fokonona zay nanaradia
Latsaka ny omby rehetra nohony ezakin'ireo fokonolona
Nanaovana velam-pandrika ireo namany lay dahalo sisa ka tratra avoko
Efa voatazona ao aminy toby ny gendarmerie hanaovana famotorana

Araky zany dia entanina isika vahoaka mba hifanome tanana
Resy hoazy ny olon-dratsy raha miray hina sy mifanome tanana isika
Sady koa hanome vaovao maripototra sy haingana ho any mpitandro filaminana

Lavon'ny zandary , androany tamin'ny 3ora maraina ny  dahalo miisa fito mitambasy sy  nitondra moto,  nanafika ny  fiara...
21/09/2023

Lavon'ny zandary , androany tamin'ny 3ora maraina ny dahalo miisa fito mitambasy sy nitondra moto, nanafika ny fiara mpitatitra Bilomalaza mampitohy an'i Toliara sy Ampanihy Andrefana omaly. Vola maherin'ny 29 000 000ar sy finday maro no lasan'ireo jiolahy. Taorian'ny fanarahandia dia nisy fifampitifirana. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo namany 5 .

SAMBO VAKY Vokatr'ilay ranomasina misamboaravoara androny tokony ho tamin'ny 12h30 mahery teo teto Maintirano tsy misy n...
18/09/2023

SAMBO VAKY

Vokatr'ilay ranomasina misamboaravoara androny tokony ho tamin'ny 12h30 mahery teo teto Maintirano tsy misy ny aina nafoy
fa ny lakana maromaro no vaky .

Tefitefy iray nitondram-pandeha ,latsaka tao anatin'ny ranomasina ny mpandeha iray fa avotra soamantsara.

Ny tany Morondava kosa Botry iray avy aty MAINTIRANO no vaky teo amin'ny vavarano ny BETANIA raha hikasa hiditra ao amin'ny PORT NY MORONDAVA.
Olona 4 arak'izany no fantatra efa MATY ao amin'ny HÔPITAL Manaram-penitra NAMAHORA.

Raha ny vaovao azo dia olona avy eto Maintirano ireo Maty ireo
Ambara eto avao ny tohin'ilay vaovao.

️Lozam-pifaivozana vao izao etsy amin'ny Makis Andohatapenaka, maty tsy tradrano ilay lehilahy nitondra Moto Racing. Pot...
16/09/2023

️Lozam-pifaivozana vao izao etsy amin'ny Makis Andohatapenaka, maty tsy tradrano ilay lehilahy nitondra Moto Racing.
Potika toy ny kitay, izay no azo ambara raha ny fahitana ilay moto, 10 metatra tsy lavitra azy no nisy ny tompony, vaky loha ary tsy nisy aina intsony. Tao anatin'ny hafainganam-pandeha no nifatratra tamin'ny fiara fotsy amin'ny sary ilay kodiaran-droa, ary mafy dia mafy ny fifandonana. Efa miantso ny fianakaviana ireo mpitandron'ny filaminana araka ny fanadihadiana natao. Tamin'ny 5 ora sy 11 minitra no nitrangan'ny loza.

VAOVAO MAMPALAHELOMaty tanaty Taxibrousse tetsy Andohatapenaka ity rangahy ity, ka efa nalefa any amin'ny morgue ny fati...
14/09/2023

VAOVAO MAMPALAHELO

Maty tanaty Taxibrousse tetsy Andohatapenaka ity rangahy ity, ka efa nalefa any amin'ny morgue ny fatiny araky ny vaovao voarainay. Miantso ireo havany na olona izay mety mahafantatra azy haka ny razana. Marihina moa fa any Antsohihy no toerana fiaviany raha nanontaniana izy fony mbola vao niala aina hoy ireo nanatrimaso.

Vehivavy bevoka iray no hita faty tao anaty tatatra io maraina io,teny  Ambohijafy Fenoarivo Alakamisy.Mbola tsy fatatra...
12/09/2023

Vehivavy bevoka iray no hita faty tao anaty tatatra io maraina io,teny Ambohijafy Fenoarivo Alakamisy.Mbola tsy fatatra ny antony fa ampita eto ihany ny Vaovao.

ZAZALAHY 15 TAONA NOVONOINA TAMIN'NY FOMBA FENO HABIBIANAHita faty  ny 03 Septambra teo, teny amin'ny tendrombohitra Tsi...
11/09/2023

ZAZALAHY 15 TAONA NOVONOINA TAMIN'NY FOMBA FENO HABIBIANA

Hita faty ny 03 Septambra teo, teny amin'ny tendrombohitra Tsiankaranosy, kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza, i Mirado, zazalahy 15 taona.
Nirahina nividy kafe izy ny 2 septambra tokony tamin'ny 02 ora tolakandro saingy tsy niverina intsony .
Naharay hafatra tamin'ny finday ny ray aman-drenin'i Mirado taoriana kelin'ny tsy nahitana azy ka nitakian'io olona niantso io vola nitentina 1.500.000ariary raha te hahazo azy velona.

Rehefa nanokatra fanadihadiana ny zandary miasa ao amin'ny Poste Avancé Mahazaza sy ny Brigade Mahitsy dia tra-tehaka ny lehilahy iray ( izay vao avy namita sazy nandritra ny 15 taona tany Antanimora)* ho tompon'antoka tamin'izao raharaha izao.

Niaiky ny heloka vitany izy ary hatolotra ny fitsarana Anosy rehefa vita ny fanadihadiana.

TSY MILAMINA NY TANY  Vao maraina dia hataraina ny an'ireo olona eny ByPass( akaikin'ny THB)  nahita faty olona mifono s...
09/09/2023

TSY MILAMINA NY TANY

Vao maraina dia hataraina ny an'ireo olona eny ByPass( akaikin'ny THB) nahita faty olona mifono sachet nariana tao ambanin'ity tetezana kely ity.

Raha ny fahitana azy dia olona novonoina izy io ary izao nariana izao ny fatiny.
Mbola eo am-piandrasana manam-pahefana sy ny BMH ny eny an-toerana.

Zazalahy kely hita faty teny an-tanim-bary tao Miarinarivo. Tovolahy kely iray efa maty no hitan'ny olona niaraka tamin'...
08/09/2023

Zazalahy kely hita faty teny an-tanim-bary tao Miarinarivo. Tovolahy kely iray efa maty no hitan'ny olona niaraka tamin'ny bisikleta teny an-tanim-bary tao Andohavary Miarinarivo araka ny vaovao azo.
Efa tonga eny an-toerana moa ny zandary sy ny mpitsabo hanao ny fanadihadiana.
Efa maro ny olona nahita ity tovolahy kely ity fa tsy nisy nahafantara azy izy ireo.

Zaza mbola latsaky ny 3 volana nasalin'ny Ray Amandreniny saika mba atao sakafo fa saigny nisy natsikiaritra ka zao no n...
07/09/2023

Zaza mbola latsaky ny 3 volana nasalin'ny Ray Amandreniny saika mba atao sakafo fa saigny nisy natsikiaritra ka zao no nahazo le zaza. Avy any Sahajinja commune Ankofabe

FITARAINAN'OLOTSOTRA" Nanao accident ny cousin-ko teo Tsaralalàna ny Samedi maraina teo. Noraofin'ny fiara tsy mataho-da...
06/09/2023

FITARAINAN'OLOTSOTRA

" Nanao accident ny cousin-ko teo Tsaralalàna ny Samedi maraina teo. Noraofin'ny fiara tsy mataho-dalana mitondra ny laharana 44619WWT ny fiara noentin'izy ireo ka tena potika tanteraka ary naratra mafy izy roa lahy fa ilay fiara nandona kosa tonga dia nitsoaka ka mbola hifampikarohana hatramin'izao
️Koa mba mila fifanomezan-tanana amintsika rehetra raha mba sitrakareo raha mba misy manam-baovao mahakasika io fiara Io
Mankasitraka sahady ny amin'ny fiarahamiasa
Samia tahian'Andriamanitra daholo"

MPAMILY TAXI NISY NAMONORaim-pianakavina iray mpamily taxi atao hoe Hery no nisy namono ary nariana tanaty lakandrano ny...
04/09/2023

MPAMILY TAXI NISY NAMONO

Raim-pianakavina iray mpamily taxi atao hoe Hery no nisy namono ary nariana tanaty lakandrano ny nofo mangatsikany teny Andraisoro omaly maraina.

Mangana sy feno ratra ny razana ary mbola teny aminy kosa ny volany.
Mipetraka eny Ivandry ity lasibatra, saingy miasa alina mitondra taxi. M

Nohamafisin’ny filohan’ny fikambanan’ny mpamily taxi (FTAR), fa 3 izay ny mpamily taxi efa namoy ny ainy tao anatin’ny telo volana izay.
Misokatra ny fanadihadiana.

02/09/2023

But
MAD 1-0 REU
AONAAAAAAA
AZA TSY MAZAKA OA NAREO RÉUNION

URGENTZAZA LAHY KELY VOADONANY FIARAVoadonan'ny fiarara Téo amin'ny mpivarokazo Téo anosizato ity Zaza lahy Kely ity Ian...
02/09/2023

URGENT
ZAZA LAHY KELY VOADONANY FIARA

Voadonan'ny fiarara Téo amin'ny mpivarokazo Téo anosizato ity Zaza lahy Kely ity
Iangaviana izay mahalala azy n'a sy fianakaviany mb hampilaza f ety amin'ny URGENT izy amin'izao fotoana izao.

VAOVAO NEWS FIP TOAMASINA / FANAFIHANA MITAM-PIADIANA : JIOLAHY LAHY MIISA 02 LAVO TEO NOHO EO Jiolahy mitam-basy  miisa...
31/08/2023

VAOVAO NEWS

FIP TOAMASINA / FANAFIHANA MITAM-PIADIANA : JIOLAHY LAHY MIISA 02 LAVO TEO NOHO EO

Jiolahy mitam-basy miisa 02 no nifampititra tamin'ny Polisin'ny FIP tao Toamasina tokony ho tamin'ny 10 ora sy 30 minitra maraina teo .

🚨 Vokany, lavon'ny balan'ny Polisy ireto olon-dratsy ireto ary mbola tratra teny aminy ny basy nampiasainy.
Fantatra fa ny 28 Aogositra teo ireto jiolahy ireto no nanafika "transitaire" iray tao Toamasina ary ny 13 Aogositra lasa teo ihany koa dia mpamogady iray tao Mangarano no nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny.

VAOVAO MAMPALAHELOHENINTSOA SY MIOTISOA : NAMOY NY AINY VOKATRY NY FIFANOSEHANA TAO MAHAMASINATelo mianadahy izy ireo no...
26/08/2023

VAOVAO MAMPALAHELO

HENINTSOA SY MIOTISOA : NAMOY NY AINY VOKATRY NY FIFANOSEHANA TAO MAHAMASINA
Telo mianadahy izy ireo no niaraka nandeha hijery lalaon’ny Nosy andiany faha-11 teny Mahamasina. Vokatry ny fifanosehana mafy dia tsy nahatohitra izy mirahavavy ka nidaosim-pahafatesana‚ mbola manaraka fitsaboana ary tsy misy atahorana kosa ny fahasalaman’ilay anadahin’izy ireo naratra.

Ny pejy ny VAOVAO IRAISA-MPIRENENA dia mirary fiononana feno sy mankahery ny fiakanivana.

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00
Sunday 08:00 - 20:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao iraisa-mpirenena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category


Other Newspapers in Antananarivo

Show All