Vaovao sy Tabataba

Vaovao sy Tabataba Fizarana ireo vaovao rehetra eto Madagasikara sy any ivelany
(2)

04/01/2024
❌❌ iza no heverinao hahazo ny sezan'i Mahazoarivo ❌❌
04/01/2024

❌❌ iza no heverinao hahazo ny sezan'i Mahazoarivo ❌❌

❌RAHARAHA VARY SIMBA TAO MAHAJANGA‼️Hiatrika famotorana lalina eny amin'ny fitsarana miady amin'ny kolikoly PAC eto Anta...
04/01/2024

❌RAHARAHA VARY SIMBA TAO MAHAJANGA

‼️Hiatrika famotorana lalina eny amin'ny fitsarana miady amin'ny kolikoly PAC eto Antananarivo ireo rehetra voakasika tamin'ilay raharaha fanadiovana sy fikasana hanaparitaka vary simba...

‼️Anisan'ireo ny Governoran'i Boeny, filoha lefitry ny antenimieram- pirenena ao Mahajanga, Prefet ao Mahajanga, ny PDS, ireo tale eo anivon'ny minisiteran'ny varotra voakasika, ilay tompon'ny orinasa nanadio ireo vary sy ny rangahy iray namany efa niara nidoboka am- ponja vonjimaika taminy tao Mahajanga...

‼️Omaly no voalaza fa niala tany Mahajanga ireo rehetra ireo hiatrika ity famotorana lalina eny anivon'ny PAC ity...

‼️Mikasa ny hampiakatra ny saran-dalana ho 800 ariary ny UCTU taorian'ny fiakaran'ny saran'ny fitsirihana ara-tekinika n...
04/01/2024

‼️Mikasa ny hampiakatra ny saran-dalana ho 800 ariary ny UCTU taorian'ny fiakaran'ny saran'ny fitsirihana ara-tekinika ny fiara eo anivon'ny "direction générale de la sécurité routière" (DGSR). Hisy ny fivoriambe hotanterahin'izy ireo amin'ny talata ho avy izao raha ny nambaran'ny filohan'ny UCTU Lova Randrianatoandro.

♦️" 800 ariary no hotazoninay raha misy ny fisondrotana. Izay no hatolotry ny mpitatitra fa tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra ary anjaran'ny fivoriambe no mandray fanapahan-kevitra," hoy hatrany ny fanazavan'ny filohan'ny UCTU.
©️2424.mg

Maty ilay zaza antsoina hoe « Onica » 11 taona nisy nanolana tany Brickaville ny septambra lasa teo. Nandalo fandidiana ...
04/01/2024

Maty ilay zaza antsoina hoe « Onica » 11 taona nisy nanolana tany Brickaville ny septambra lasa teo. Nandalo fandidiana izy saingy tsy avotra ny ainy, efa nisy taova anaty simba izy, simba tranon-jaza. Lehilahy 20 taona antsoina hoe Letsita, izay zanaky ny rain'i Onica tany amin'ny sisiny ihany no nanolana azy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika tany Ambalatavoahangy moa io tovolahy io araka ny fanazavana azo.

©Mickaelys Kamy N.

❌❌ IZAO SISA NO NIAFARAN'NY FIARAMANIDIN'NY AIR MADAGASCAR ❌❌
04/01/2024

❌❌ IZAO SISA NO NIAFARAN'NY FIARAMANIDIN'NY AIR MADAGASCAR ❌❌

❌❌ HIVOAKA ANIO NY ANARAN'NY PRAIMINISITRA ❌❌
04/01/2024

❌❌ HIVOAKA ANIO NY ANARAN'NY PRAIMINISITRA ❌❌

❌❌ Ampiteneno ny sary ❌❌
03/01/2024

❌❌ Ampiteneno ny sary ❌❌

BADODAN LE ZALAHY ITY KOA MILA ATAO ANDRANA VOALOHANY AMIN’ILAY TSINDRONA MANARAPENITRA 😡😡😡😡‼️🔞𝗜𝘇𝘆 𝗻𝗼  #𝗧𝗶𝗴𝗮𝗻𝗮, 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗹𝗲𝗵...
03/01/2024

BADODAN LE ZALAHY ITY KOA MILA ATAO ANDRANA VOALOHANY AMIN’ILAY TSINDRONA MANARAPENITRA 😡😡😡😡

‼️🔞𝗜𝘇𝘆 𝗻𝗼 #𝗧𝗶𝗴𝗮𝗻𝗮, 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗹𝗲𝗵𝗶𝗹𝗮𝗵𝘆 𝟰𝟬 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 #𝗻𝗮𝗻𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗸𝗮 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗻'𝗶 #𝗖𝗵𝗿𝗶𝘀𝘁𝗶𝗻𝗮, 𝘇𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮𝘃𝘆 𝟬𝟮 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗮-𝗱𝗿𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗵𝗶𝗻𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆, tany Antsampanana Brickaville, ny alin'ny Alatsinainy 25 Desambra teo. Nobatainy moramora teo am-pandrina io zaza io ary ny Talata 26 Desambra vao hita efa niboridana tany anaty ala. Taorian'izay dia tsy afaka nipetraka mihitsy i Christina fa tsy maintsy trotroina foana, ary mbola manaraka fitsaboana izy hatramin'izao.

📸Lamas Victorien

Ny lalana Makany MANALALONDO 😥😥😥Mandroso i Madagasikara ka, 🤣
03/01/2024

Ny lalana Makany MANALALONDO 😥😥😥

Mandroso i Madagasikara ka, 🤣

‼️𝗧𝗼𝗻𝗴𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 f𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 a𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮𝘁𝗼𝗻𝗴𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗲𝘁𝘀𝘆 𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗵𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗼𝗹𝗼𝗸𝘆 𝗻𝗼...
03/01/2024

‼️𝗧𝗼𝗻𝗴𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 f𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 a𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮𝘁𝗼𝗻𝗴𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗲𝘁𝘀𝘆 𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗵𝗼 𝘃𝗼𝗮𝘀𝗼𝗹𝗼𝗸𝘆 𝗻𝗼𝗵𝗼 𝗶𝗹𝗮𝘆 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮 #𝗤𝗖𝗦𝗧𝗔𝗥 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗮𝗻𝘆.
🔷 Manodidina ny 150000 isa izy ireo erak'i Madagasikara raha ny fanazavana.
🔷Mangataka ny hanaovana fanadihadiana momba ilay teratany Malagasy izay nilaza azy ho solontenan'ity Plateforme ity izy ireo.
🔷Arahinao ao anaty fampahalalam-baovao amin'ny 8 ora alina ny antsipirihany.

©️Kolo Tv

‼️AMBOASARY GARA MORAMANGA👉Olona maherin'ny 70 no narary vokatry ny fanapoizinana ara- tsakafo (intoxication alimentaire...
03/01/2024

‼️AMBOASARY GARA MORAMANGA

👉Olona maherin'ny 70 no narary vokatry ny fanapoizinana ara- tsakafo (intoxication alimentaire)

👉Sakafo nohanina nandritra ny fitsenana ny taona tao am- piangonana no nankarary ireto olona ireto...

👉Misy ireo milaza fa sardines lany daty no nahatonga an'io... Misy ihany koa milaza fa mayonnaise...

👉Efa nisy namonjy fodiana ny sasany tamin'ireo narary...

MISY LALANA TAPAKA ANY FIANARANTSOA .🚔🚔Nohon'ny fihontsahan'ny lalana RN7 Fkt Mahazengy CU  Fianarantsoa PK 416+300 dia ...
02/01/2024

MISY LALANA TAPAKA ANY FIANARANTSOA .

🚔🚔Nohon'ny fihontsahan'ny lalana RN7 Fkt Mahazengy CU Fianarantsoa PK 416+300 dia misy fahatapahana ny lalana mampitohy an'ny Fianarantsoa mandeha atsimo ho an'ny fiara vaventy. Ny fiara madinika sy ny mpadeha tongotra afaka mifamezivezy fa mila fitandremana.

Misy ny Polisy manatanteraka ny fandaminanan'ny fifamoivoizana ka iangaviana isika hanaraka ny lamina.

Central Fianarantsoa

❌❌ JAPON :FIARAMANIDINA NIFANDONA , OLONA DIMY TSY HITA ❌❌Nisehoana loza goavana teo amin'ny seranam-piaramanidina irais...
02/01/2024

❌❌ JAPON :FIARAMANIDINA NIFANDONA , OLONA DIMY TSY HITA ❌❌

Nisehoana loza goavana teo amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Tokyo-Haneda (Japon) androany Talata

Fiaramanidin'ny Japan Airlines iray no nifandona tamin'ny fiaramanidina mpiandry sisin-tany ao Japon

Avotra avokoa ireo mpandeha miisa 367 sy ireo équipages miisa 12 tao amin'ilay fiaramanidina mpitatitra olona; Tsy mbola hita kosa ny 5 tamin'ireo olona 6 tao anatin'ilay fiaramanidina mpiandry sisin-tany

Ny any Marofarihy Manakara Amin’izao ora izao..( sary indrana )
02/01/2024

Ny any Marofarihy Manakara Amin’izao ora izao..

( sary indrana )

Fa naninona i Marc Tatandraza?Ny vaovao farany dia nosamborina tao Bekily izy ny 31 Desambara teo, ary izao any amin'ny ...
02/01/2024

Fa naninona i Marc Tatandraza?
Ny vaovao farany dia nosamborina tao Bekily izy ny 31 Desambara teo, ary izao any amin'ny hopitaly izao

📌Ny namana akaiky ihany no mamono.Nisy namosavy ka nivoaka faroratra ny vavan'ny Madame Sido, tompon'ny Sido tour.Aleo l...
02/01/2024

📌Ny namana akaiky ihany no mamono.
Nisy namosavy ka nivoaka faroratra ny vavan'ny Madame Sido, tompon'ny Sido tour.
Aleo lazain'ny olona miavona fa ny olona tsy faly amin'ny fahombiazanao.
Mirary fahasalamana ho azy.

Sido tour

Miakatra ny rano ao Ampasambazaha Fianarantsoa ,vokatry ny rotsak'orana entin'ilay rivodoza Alvaro
02/01/2024

Miakatra ny rano ao Ampasambazaha Fianarantsoa ,vokatry ny rotsak'orana entin'ilay rivodoza Alvaro

📌Akon’ny rivodoza Alvaro : 269 ny tra-boina nafindra toerana ao Morombe, tanimbary 200ha no lasibatra tany Beroroha ▶️Ma...
02/01/2024

📌Akon’ny rivodoza Alvaro : 269 ny tra-boina nafindra toerana ao Morombe, tanimbary 200ha no lasibatra tany Beroroha

▶️Mahatratra 269 ny olona nafindra toerana ao amin’ny distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Alvaro. Fokontany dimy no misy toerana namindrana ireo olona tra-boina ireo (Ambohitsy, Antanandava, Avaradrova, Tsihake, Tsinjorano).

▶️Tanimbary 200Ha kosa no lasibatra ho an’ny distrikan’Beroroha. Misy koa, ankoatra izay, ny andrin-jiro mianjera sy fahasimbana hafa…

▶️Tsy misy ny olona namoy ny ainy na maratra na koa tsy hita popoka, araka ny tatitra voarain’ny BNGRC, androany 02 janoary 2024 tamin’ny 11 ora antoandro. Nanaja ny toromarika nomena ny olona, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja Elack Olivier.

▶️Nosokafana avy hatrany, hoy izy, ny « Centre de Coordination Opérationnel », izay miasa andro amana alina, mandrindra ny fitantanana sy fanaraha-maso akaiky ny tranga.

▶️Efa an-dalana mihazo an’i Morombe ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiara-miombona antoka mitondra ny fitaovana samihafa. Anisan’izany ny Moto-pompe andritana ny rano sy sakafo ho an’ny traboina nafindra toerana.

📷© Fiarova Bernard

VAOVAO ANY IVELANY:Horohorontany t@ Mari-drefy 7.6 magnitude no manozongozona an' i Japon ary niteraka fampitandremana m...
02/01/2024

VAOVAO ANY IVELANY:

Horohorontany t@ Mari-drefy 7.6 magnitude no manozongozona an' i Japon ary niteraka fampitandremana momba ny " Tsunami" ny marainan'ny taona vaovao 2024.

  Alvaro : Ao anaty rano ny tanànan'i Angara, Tanandava any Morombe. Sary nalain'i Fiarova Bernard
02/01/2024

Alvaro : Ao anaty rano ny tanànan'i Angara, Tanandava any Morombe.

Sary nalain'i Fiarova Bernard

📌Taratasy hosoka : hiakatra fampanoavana androany ny  tale iray ao amin'ny minisiteran'ny Fanajariana ny tany▶️Hiakatra ...
02/01/2024

📌Taratasy hosoka : hiakatra fampanoavana androany ny tale iray ao amin'ny minisiteran'ny Fanajariana ny tany

▶️Hiakatra fampanaovana androany ilay vehivavy Tale ao amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany izay nanao taratasy hosoka marobe hahafahana mangalatra tanin’olona tany Isahafa Anosy Avaratra.

▶️Io vehivavy io, antsoina hoe Rakotoarimanana Hanjarisoa, no fantatra fa atidoha nikotrika ny fakana ny tany 5 hektara izay efa tany nohajarian’ny fokonolona an-jato taonany kanefa nahavitan’izy sy ny rahavaviny taratasy sandoka ka nosoratany tamin’ny reniny ary saika hamidiny tamin’ny teratany sinoa.

▶️Efa tonga nitsirika ny tany teny mihitsy moa ireo sinoa ary teo no nahataitra ny fokonolona ka nampi-pongatra ilay raharaha halatra tany rehefa tsy nanaiky ny fokonolona. Misy sekoly sy fasana sy tranon’olona efa mitsangana eo amin’io tany saika hangalariny io.

▶️Fantatra fa mandainga sy mamitaka olona ity vehivavy ity ary miezaka mampiditra anaran’olona hafa hiarovan-tena rehefa manao ny fandikan-dalàna izay efa fomba fanaony rahateo. Fa ny fanadihadiana dia nampiseho fa lainga daholo ny fanononany anarana olona lazainy fa maniraka azy manao ny asa ratsiny, fa tena izy tenany mihitsy no tompon’antoka voalohany amin’ny fangalarana ny tany.

(Source : Dépêche Informative Taratra)

😀😁Nodoran'i zoky ny fiarany, ary avy eo dia naka ny moto-ny izy ka lasa nandeha ohatran'ireny amin'ny film ireny😎😎
02/01/2024

😀😁Nodoran'i zoky ny fiarany, ary avy eo dia naka ny moto-ny izy ka lasa nandeha ohatran'ireny amin'ny film ireny😎😎

Alatsinainy 01 Janoary 2024 - 19h30▶ 'Zay fa miditra an-tanety ao Morombe izao 😔 i ALVARO. ▶ Ny orambe mikija 💧💧💧 dia mb...
01/01/2024

Alatsinainy 01 Janoary 2024 - 19h30
▶ 'Zay fa miditra an-tanety ao Morombe izao 😔 i ALVARO.
▶ Ny orambe mikija 💧💧💧 dia mbola arahina rivotra manodidina ny 100 km/h hatramin'ny 140 km/h fa tokony hihena haingana kosa ny heriny (y) rehefa tafiditra an-tanety tanteraka izy.
▶ Hanohy hizotra miatsinanana izy anio alina ary rahampitso Talata ny sisan-drahona tavela 🌨 dia vinavinaina hamakivaky ny faritra Matsiatra Ambony ary tokony ho tafavoaka an-dranomasina manodidina ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ny Alarobia.
Mankahery hatrany ✊ ireo izay miatrika azy
Cyclones à Madagascar

Filazana loza:
🔴 Miloko MENA na loza mitatao: Distrikan'i MORONDAVA, MANJA, MOROMBE ary TOLIARA I-II.
🟡 Miloko MAVO na loza manambana: Distrikan'i MAHABO, BEROROHA, ANKAZOABO ary SAKARAHA.

PS: Araho hatrany ny vaovao ofisialy avoakan'ny pejy ofisialy Foibe Famantarana ny toetry ny andro izay pejy an'i Meteo Madagasikara.

⚠❗𝗧𝗼𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗺𝗯𝗲 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗼. 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗮 𝗳𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 100 𝗸𝗶𝗹𝗼𝗺𝗲𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻𝘁...
01/01/2024

⚠❗𝗧𝗼𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗺𝗯𝗲 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗼. 𝗠𝗮𝗿𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗮 𝗳𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 100 𝗸𝗶𝗹𝗼𝗺𝗲𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗸'𝗶 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗺𝗯𝗲 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗶𝗯𝗲𝗻'𝗶 𝗔𝗟𝗩𝗔𝗥𝗢 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗿𝗮𝗵𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝗮𝗻𝘆
01 Janoary 2024 tamin'ny 3 ora sy sasany.

📸Kolo Tv

⛔️ VAOVAO FARANY MIKASIKA NY FTT ALVARO.📌 Tamin’ny 12 ora atoandro teo dia tany amin’ny 156 Km Andrefana somary Avaratra...
01/01/2024

⛔️ VAOVAO FARANY MIKASIKA NY FTT ALVARO.

📌 Tamin’ny 12 ora atoandro teo dia tany amin’ny 156 Km Andrefana somary Avaratra Andrefan’i Morombe no nisy foiben’ilay Forte Tempête Tropicale ALVARO. Manohy ny diany miatsinanana somary Atsimo Atsinanana izy ka mahafaka 15 Km/ora. 100 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra manodidina ny 140 Km/ora manakaiky ny foibeny.

📌 Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Belo sur mer sy Salary/Toliara II ny ivony eo anelanelan’ny amin’ny 06 ora hariva sy 11 ora alina.

📌 Tombanana hitondra tafiotra manodidina ny 90 hatramin’ny 120 Km/ora i ALVARO amin’izay fotoana izay. Efa mikasika ny morontsirak’i MENABE sy ATSIMO ANDREFANA ny rahona mialoha azy.

📌 Miova ho toy izao ny filazana loza :

🔴 Loza mitatao miloko mena ho an’ny distrikan’i: MORONDAVA, MANJA, MOROMBE ary
TOLIARA I-II;

🟡 Loza manambana miloko mavo ho an’ny distrikan’i : MAHABO, BEROROHA, ANKAZOABO ary SAKARAHA.

Manentana antsika ao amin’ireo faritra voakasika ireo hanaraka ireto fepetra manaraka ireto 👇👇

Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana.Izy no Damon, maty nateliny ranomasina omaly teto Sainte Marie taminy faritra rano...
01/01/2024

Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana.
Izy no Damon, maty nateliny ranomasina omaly teto Sainte Marie taminy faritra ranomasina côte Est. Isany fialamboly tiany atrizay ny manao plongée sous-marine, gasy reny izy ary avy eto Sainte Marie ary Italien kosa ny rainy.
Izy dia nianatra taminy sekoly St Joseph teto Sainte Marie fahiny ary mila ravinahitra any ivelany ankehitriny. Mandalo miala sasatra eto Sainte Marie izy tra-doza izao.

Mankahery an'ireo fianakaviana akaiky! Mandria am-piadanana Damon , tsy zaka lesy eee😭

❌❌ BONNE ANNÉE  ❌❌
01/01/2024

❌❌ BONNE ANNÉE ❌❌

Firariantsoa avy amin'ny Filoha Rajaonarimampianina Hery
01/01/2024

Firariantsoa avy amin'ny Filoha Rajaonarimampianina Hery

📌 Rivodoza Alvaro : hiditra an-tanety anio hariva▶️220 km any avaratra andrefan’i Morombe no misy ny foiben’ilay rivodoz...
01/01/2024

📌 Rivodoza Alvaro : hiditra an-tanety anio hariva

▶️220 km any avaratra andrefan’i Morombe no misy ny foiben’ilay rivodoza Alvaro tamin’ny 8 ora maraina teo. Manantona ny morontsirak’i Madagasikara hatrany izy ary manana hafangainam-pandeha 16km/ora. 90 hatramin’ny 120 km/ora ny tafoitra entiny ary efa miantraika amin’ny morontsiraky ny faritra menabe sy atsimo andrefana ny andro ratsiny entiny.

▶️Tombanana hiditra eo anelanelan’ny distrikan’i Belo sur mer sy Toliara II izy (eo anelanelan’ny 6 ora sy 11ora alina).
Mitoetra hatrany ny filazana loza manambana miloko mavo ho an’ireto faritra manaraka ireto : Morondava, Manja, Morombe, Toliara I-II, Mahabo, Beroroha, Ankazoabo ary Sakaraha.

Météo malagasy 01 janoary 2024 (08 ora sy sasany maraina)

❌❌ SAMIA MANEHO NY HEVINY ‼️
01/01/2024

❌❌ SAMIA MANEHO NY HEVINY ‼️

Ho anao ilay chauffeur FIAT  Mainty nandeha mafy teto ANOSY andro t@ 6 Ora latsaka😔😔😔😡 Tongava saina , Maty ilay renimpi...
01/01/2024

Ho anao ilay chauffeur FIAT Mainty nandeha mafy teto ANOSY andro t@ 6 Ora latsaka😔😔😔😡
Tongava saina , Maty ilay renimpianakavina nodomonao avy nivavaka, n'y zanany sisa velona eto, Sady mbola kely !!!!
Mipetraka nanisana hono zareo💔💔💔💔💔
Mirary Fiononana feno ho aniny fianakavina
Nb: chauffeur lehilahy nanao akanjo Mainty ambony Misy mena hoy ilay Zaza😡
Mahatoky n'y asan'ny manampahefana satroka misy caméra n'y rond point ampefiloha s'y anosy.

Arahabaina nahatratra ny taona vaovao daholo e 👏🎉🎆Mirary vola sy harena ary fahasalamana
01/01/2024

Arahabaina nahatratra ny taona vaovao daholo e 👏🎉🎆

Mirary vola sy harena ary fahasalamana

31/12/2023

Niakatra ve ny karama ❓❓❓

31/12/2023

Arahabaina nahatratra ny faran' ny taona 2023 daholo,
Inona no nanamarika an'ity taona ity ho anao?
Samia mitantara hoe

Address

Itaosy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao sy Tabataba posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category


Other Newspapers in Antananarivo

Show All