Radio Feon'i Dadapass

Radio Feon'i Dadapass Spoken word poetry...(432 Hz). 🔆

10/12/2022

Tantara krismasy...✍🏾🎅🏾

04/12/2022

Spoken word poetry 🎙️

05/06/2022

Ary fenon'ny Fanahy Masina ny Gasy rehetra
Eny, nilatsahany koa ary na ny mpangalatr'olona aza
(...)

05 jona 2022
Nidinan'ny Fanahy Masina Antananarivo
Sy ny faritra rehetra manodidina
Hitako, vao tamin'ny dimy maraina ny Fanahy dia efa nanidisidina,
Nanaitra ny tsirairay hifoha amin'ny torimasony
Izay mihitsy mantsy ny asany

Nidina tamin'ny olona rehetra : tsy mpino sy ny mpivavaka
Hamaha ny olan'ny fanahy tsy ankanavaka mba...
Hialany amin'ny fahazaran-dratsy

Andremanitra Izy, avy amin'Andremanitra;
Fahazavana manasitrana habokàna sy fahajambana
Tsy natao no sady tsy nateraka,
Tonga...
Hanohana sy hankahery (i)zay reraka,
Mazava miposaka toy ny masoandro
Hanafana ny finoana mandritry ny tontolo androm-..piainana
Mba tsy ho foana

Ray aman-dReny mpitari-dàlana Izy,
Masiaka rehefa mananatra,
Sarotiny rehefa manitsy
Tsy mitsitsy rehefa mikapoka
Ilay mpanafana amin'ny andro manintsy
Nitondra aispiraka amin'ny andro pentekôsta

Bevata Ndrianagnahary,
Ilay nidina tamin'ny apôstôly tao an-trano mangingina
Nampiteny amin'ny teny tsy fantatra ny olona tsirairay,
Ilay nampiteny amin'ny fitenim-paritra ny mponin'Ambohipo
Tao anaty andro iray...
Monja
Ilay nanao batisa jentily analin'isa
Dia Fanahin'ny fahamarinana,
Irak'i Jesoa

Koa ndao hitony, ndao hitsiky,
F(a) efa ato anatintsika ilay Fanahin'ny fahamasinana
Tafalatsaka ao am-po,
Tahaka ny poezia tsisy rima
(...)

Mibebaha mandrakariva f(a) efa ho avy ny Ray eh,
Koa ho Azy irery anie ny voninahitra
Hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay !
Mandrakizay.

Fanahy, 05jona, LONOKY, Spoken word.

Address

Ambohipo
Antananarivo

Opening Hours

Saturday 08:00 - 20:00
Sunday 14:00 - 18:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Feon'i Dadapass posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category


Other Radio Stations in Antananarivo

Show All