Love 101

Love 101 Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Love 101, Digital creator, Antananarivo.

Fampahafantarana fahatapahan-dàlana eo Ampefiloha (FIARO) hatreny amin'ny CARLTON Anosy.Anio 15 Jolay manomboka amin'ny ...
15/07/2023

Fampahafantarana fahatapahan-dàlana eo Ampefiloha (FIARO) hatreny amin'ny CARLTON Anosy.
Anio 15 Jolay manomboka amin'ny 01 ora ka hatramin'ny Alahady 16 Jolay amin'ny 06 ora hariva.

Ben'ny Tanàna Naina ANDRIANTSITOHAINA: “ Manaova toa ahy, midira eny amin’ny tsena manara-dalàna eto Antananarivo,    Ma...
01/06/2023

Ben'ny Tanàna Naina ANDRIANTSITOHAINA: “ Manaova toa ahy, midira eny amin’ny tsena manara-dalàna eto Antananarivo, Mampiseho sy manohana ireo mpivarotra noho izy ireo manao ny mety ”

Mbola manentana ny mponina eto iarivo sy ireo mpiantsena ary mpisehatra amin'ny tontolon'ny varotra sy fanjifana ny ben'ny tanana Naina ANDRIANTSITOHAINA, ny amin'ny tokony hidirana anaty tsena manara-dalàna.

“ Manaova toa ahy, midira eny amin’ny tsena manara-dalàna eto Antananarivo, Mampiseho sy manohana ireo mpivarotra noho izy ireo manao ny mety” hoy ny ben'ny tanana.

Tonga teny amin' ny tsena Mananjary, Ankadimbahoaka ary Tanjombato ny tenany sy ireo mpiara miasa aminy androany Alakamisy 01 Jona 2023.

Notsindriany hatrany ny amin'ny tokony hanovana ny toe-tsaina sy hanovana ny fahazarana, ka ho eny amin'ireny mpivarotra manara-dalana sy eny amin'ny tsenan'ny kaominina ireny no tsara hiantsenana “Ezaka iombonana izy ity” hoy hatrany ny ben'ny tanana Naina ANDRIANTSITOHAINA.
“Efa mialoha làlana izahay, miaraka amin’ireo mpivarotra ara-dalàna, mikojakoja sy manatsara, ho an’ny rehetra”.

Efa fanaon'ny Ben'ny tanana an' Antananarivo Renivohitra ny mifampitafa mivantana, ka tsy diso anjara tamin'izany ny mpivarotra sy ny mponina manakaiky ireo toerana nanaovany fidinana ifotony ireo.

Misy fitsipika mifehy, ny ora ahafahan'ny  sarety mifamezivezy eny an-dalambe eny, indrindra fa amin'ireto toerana voata...
15/05/2023

Misy fitsipika mifehy, ny ora ahafahan'ny sarety mifamezivezy eny an-dalambe eny, indrindra fa amin'ireto toerana voatanisa ireto.

Fampahafantarana Fahatapahan-dalana
12/05/2023

Fampahafantarana Fahatapahan-dalana

Mahatsiaro manokana ireo mpino Silamo amin'ity anio ity. Andro natokan'ny Silamo, hiravoravoana  ny Eid El Fitr,  rehefa...
21/04/2023

Mahatsiaro manokana ireo mpino Silamo amin'ity anio ity.

Andro natokan'ny Silamo, hiravoravoana ny Eid El Fitr, rehefa tapitra ny fe-potoana amin'ireo fifehezana natao nandritra ny volan'ny Ramadan.

Miara-paly sy mizara izany hafaliana izany, ny mpino Silamo ka manatanteraka fiaraha-misakafo any amin'ny Mosquée
Manan-danja mandritra io fotoana io ihany koa ny fifamangiana eo amin'ny isan-tokantrano.

Fanakorontanana ireo mpikarakara pasipaoro tetsy Anosy.Olona 4 teo amin'ny fikarakarana pasipaoro tetsy Anosy no nosambo...
20/04/2023

Fanakorontanana ireo mpikarakara pasipaoro tetsy Anosy.

Olona 4 teo amin'ny fikarakarana pasipaoro tetsy Anosy no nosamborin'ny polisy noho ny fanakorontanana sy fanararaotana amin'ny fahamaroan'ny olona tonga manao izany Pasipaoro izany androany.

Vehivavy mpisera antontan-taratasy sandoka amin'ny vidiny 400.000ar hanaovana Pasipaoro ny 02 voalohany tamin'ireo.

Mitaona sy manakorontana ireo mpilalahatra tsy hanaiky ny fandaminana mipetraka eny an-toerana ny 02 lahy farany.

Rehefa nosamborina izy ireo dia nahenoana zava-pisotro mahamamo ary tsy manana antontan-taratasy hanaovana pasipaoro akory fa tonga hanakorontana fotsiny ihany.

Fiaraha-miasan'ny Polisy sy ireo olona mpilahatra pasipaoro eny an-toerana no nahazoana azy ireo

Ity no Laharana antsoina raha misy fanontaniana mikasika ny antontan-taratasy ilaina : 📱034 03 843 15

Raha mahita na mandre ny fisiana kolikoly ataon'ireo mpiasa ihany koa dia afaka miantso ny laharana : 📱034 05 507 34

Fampahafantarana fandrindrana fifamoivoizana ny 26 Martsa 2023 ho avy izao.
24/03/2023

Fampahafantarana fandrindrana fifamoivoizana ny 26 Martsa 2023 ho avy izao.

08/03/2023
Miverina mitohy ny fampianarana amin'ireo sekoly rehetra eto amin'ny DREN ANALAMANGA isan'ambaratongany, ny Alakamisy 23...
22/02/2023

Miverina mitohy ny fampianarana amin'ireo sekoly rehetra eto amin'ny DREN ANALAMANGA
isan'ambaratongany, ny Alakamisy 23 Febroary 2023, manomboka amin'ny garabola hatramin'ny lisea.
Na miankina amin'ny fanjakana na tsia.

DREN ANALAMANGA , Fiaton'ny fampianarana noho ny fidiran'ny Rivodoza Freddy an-tanety.Miato avokoa ny fampianarana rehet...
21/02/2023

DREN ANALAMANGA , Fiaton'ny fampianarana noho ny fidiran'ny Rivodoza Freddy an-tanety.

Miato avokoa ny fampianarana rehetra manomboka amin'ny ambaratonga garabola hatramin'ny Lisea.

Na miankina amin'ny fanjakana na tsia.

Manomboka ny Alarobia 22 Febroary 2023.

Ny faha 06 Martsa 2023 kosa indray no miverina any an-tsekoly ny mpianatra .

Fandaharanasa  PIAA1 Phase1 - Phase2 Norafetina ny « Canaux Tributaires Andriantany »  , ho fampisarahana ny ranomaloto ...
06/02/2023

Fandaharanasa PIAA1 Phase1 - Phase2

Norafetina ny « Canaux Tributaires Andriantany » , ho fampisarahana ny ranomaloto tsy hifatratra avy hatrany amin'ny toeram-ponenan'ny mponina eny Ambodinisotry , ao anaty boriboritany Voalohany.

Nosoloina ho tetezana « béton » koa ny tetezan-kazo kely ampitan’ny station Galana ary natao « béton » tahaka izany ny « dalle » , mba ahafahan' ny mponina mifamezivezy.

Tokotelo nahamasa mahandro tamin'ny fahazoana izao ny Projet PIAA vatsian'ny AFD sy ny CUA ary ny Fanjakana.

Anjaran’ny mponina indray no mikajy ny fotodrafitrasa , manara-maso mba tsy hahatsentsina ny lakandrano eny amin'ny tananan'izy ireo.

Manefa sazy mifanaraka amin'ny CMH izay tratran’ny Polisy Monisipaly mandoto tanàna.

01/02/2023
CISCO Antananarivo RenivohitraFandraisana fanapahan-kevitra noho ny andro ratsy
25/01/2023

CISCO Antananarivo Renivohitra

Fandraisana fanapahan-kevitra noho ny andro ratsy

Filazana Fahatapahan-dàlana, amina lalam-pirenena maromaro taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Cheneso.
24/01/2023

Filazana Fahatapahan-dàlana, amina lalam-pirenena maromaro taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Cheneso.

Miato mandritra ny telo andro ny fampianarana eo anivon'ny CISCO Antananarivo Renivohitra, ho an'ny ambaratonga fototra ...
23/01/2023

Miato mandritra ny telo andro ny fampianarana eo anivon'ny CISCO Antananarivo Renivohitra, ho an'ny ambaratonga fototra hatramin'ny kilasy T5 izany.

Noraisina izany fanapahan-kevitra izany , hitsinjovana sy hitandrovana ny ain'ireo mpianatra ary manan-kery na amin'ny sekolim-panjakana na amin'ny sekoly tsy miankina.
Nanomboka androany, sy ny Talata 24 Janoary 2023 ary ny Alarobia 25 Janoary izany fiatoana izany.

Rivodoza Cheneso : miato ny fampianarana ny Alakamisy 19 Janoary 2023 izao, any Antsiranana.
18/01/2023

Rivodoza Cheneso : miato ny fampianarana ny Alakamisy 19 Janoary 2023 izao, any Antsiranana.

Naoty ho fampahafantarana ny mpampiasa làlana eto Andrenivohitra mahakasika ny fanalàna fako amina toerana maro.
12/12/2022

Naoty ho fampahafantarana ny mpampiasa làlana eto Andrenivohitra mahakasika ny fanalàna fako amina toerana maro.

04/12/2022

04 Desambra 2022 - Sainte Barbe

Mankalaza ny «Sainte Barbe» ny Sampana Mpamonjy Voina manarena izao tontolo izao.
Mandray anjara ary maneho izany ihany koa ny Sampana Mpamonjy Voina tarihin'ny lehibeny ny Kolonely RAZAFIMANAHAKA Tiana, eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ny laharana 118 no hifandraisana mivantana amin'ny Sampana Mpamonjy Voina foibe Etsy Tsaralalàna Analakely.

📞118

Hitondra fanazavana sy Hamaly ireo fanontaniana maro manitikitika ny sain' ny mponina eto Andrenivohitra ny ben'ny tanàn...
30/11/2022

Hitondra fanazavana sy Hamaly ireo fanontaniana maro manitikitika ny sain' ny mponina eto Andrenivohitra ny ben'ny tanàna NAINA ANDRIANTSITOHAINA ny 01 Desambra amin'ny 08 ora sy sasany alina.
Ho arahana eto amin'ny Iarivo Radio ihany koa izany.

Miomana dieny izao isika mpampiasa làlana izay mety handalo na koa hivezivezy eny amin'ny manodidina eny.
30/11/2022

Miomana dieny izao isika mpampiasa làlana izay mety handalo na koa hivezivezy eny amin'ny manodidina eny.

13/11/2022
Fampahafantarana fahatapahan-dàlana ny Sabotsy ho avy izao, mandritra ny fotoana voafaritra amin'reto toerana ireto.
10/11/2022

Fampahafantarana fahatapahan-dàlana ny Sabotsy ho avy izao, mandritra ny fotoana voafaritra amin'reto toerana ireto.

Ry Mpinamana, ry mpianakavy , eny ry mpiara-miasa...Miomana ary Amboary dieny izao ny fandaharam-potoana !Hiara hikorana...
19/10/2022

Ry Mpinamana, ry mpianakavy , eny ry mpiara-miasa...

Miomana ary Amboary dieny izao ny fandaharam-potoana !
Hiara hikorana fa tonga indray ny TAKARIVAN'IARIVO

Ny 04 sy 05 Novambra 2022 (06 Ora hariva hatramin'ny 12 Ora Alina) eo Analakely

Ny 06 Novambra 2022 (09 Ora maraina hatramin'ny 06 Ora hariva) TSANGATSANGAN'IARIVO eny Analakely

Te hampiroborobo sy hampivelatra kokoa ny tetikasanao na ny fandraharahanao ve ianao? Na koa vao hanomboka mihitsy? Iret...
19/10/2022

Te hampiroborobo sy hampivelatra kokoa ny tetikasanao na ny fandraharahanao ve ianao? Na koa vao hanomboka mihitsy?
Ireto ary misy daty natao ho anao

30/07/2022

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Love 101 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share


Other Digital creator in Antananarivo

Show All