Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia

Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia, Media, Ampandrana, Antananarivo.

03/06/2023

Atolory an'Andriamanitra ny fiainanao fa Izy no mahay mikarakara azy noho ianao.

Mbola hiandry Anao aho,Hiandry am-paharetana ny valimbavaka sahaza hasetrinao ny faniriako,Hiandry am-pahatokiana ny fiz...
02/04/2023

Mbola hiandry Anao aho,

Hiandry am-paharetana ny valimbavaka sahaza hasetrinao ny faniriako,

Hiandry am-pahatokiana ny fizahan-toetra halahatrao ho fitaizana ahy,

Hiandry am-pahavononana ny dingana sy lalana tianao mbola holalovako mba hahatakarako kokoa sy hanahafako kokoa Anao,

Hiandry am-pinoana ny zavatra tianao hongotana sy tianao hajanona ary tianao hapetraka eo amin'ny fiainako mba hamoazako voa mendrika Anao,

Hiandry am-pahatoniana ny fandrodananao ny avonavom-poko sy fiheverako tena ho zavatra,

Hiandry am-pitsikiana ny fitondranao mahagaga sy ny fandaharanao feno fahendrena ny amin'ny androko sisa mbola hoavy,

Hiandry am-panantenana ny fanaovazanao ny saiko sy ny fandrantsananao ny hadalako,

Mbola hiandry Anao aho amin'ny taona hoavy sy ireo taona mifandimby. Fa izay miandry Anao dia mandroso hery eny am-panidinana: mihazakazaka fa tsy sasatra ary mandeha fa tsy reraka. Hiandry Anao aho fa izay miandry Anao dia tsy diso fanantenana na oviana. Hiandry Anao aho fa tanana mahery sy sandry maninjitra no efa nitondranao ahy hatrizay ary inoako fa mbola hanao mihoatra noho izay takatry ny saiko kely Ianao... Ianao ilay namiravira ihany no tsy maintsy hamehy ny feriko, Ianao ilay manome ihany no maka, Ianao ilay mandrodana koa no manamboatra ary manao ny zavatra rehetra hahatsara ahy!

Hiandry Anao ry Ilay Jesosiko iny,
Hiandry am-pifaliana ny fihaonantsika!
©️ Enintsoa

🥺
02/03/2023

🥺

MANGETAHETA AN'ANDRIAMANITRA 😌

Salamo 63:1 "ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko."

> Andriamanitra mitady olona tena mangetaheta Azy, tena mila Azy fatratra ho tahiany sy ho asiany soa.

Vavaka => "Andriamanitra ô, mihoatra noho izay takatry ny saiko, tena mangetaheta Anao aho, tena mila anao ny fanahiki, fenoy Anao aho. AMEN."

Jesoa iaradalana amintsika hatrany.Mijery manokana ireo mpanompo mametraka fitokisana aminy Izy.Izaho hilaza an'i Jehova...
31/12/2022

Jesoa iaradalana amintsika hatrany.
Mijery manokana ireo mpanompo mametraka fitokisana aminy Izy.

Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. — Salamo 91 : 2

16/12/2022

Aza mitsiriritra ny fahombizan'ny hafa fa mety tsy ho zakanao ny fisedrana efa nolalovany.

Efa vonona hiatrika ady ve ianao?💪💪1⃣Ahoana n toetsaina hoentina miatrika izany.Ity teboka voalohany ity no tena tokony ...
14/12/2022

Efa vonona hiatrika ady ve ianao?💪💪

1⃣Ahoana n toetsaina hoentina miatrika izany.
Ity teboka voalohany ity no tena tokony ampiavaka ny kristiana amin'ny olon-tsotra.
Tsy hoe rehefa nanao ny sitrapon'Andriamanitra dia misosa tsy misy "obstacle" ny fiainana. Misy mantsy ny olona sasany rehefa tojo olana dia ny tonga ao antsainy hoe: fa inona no ratsy vitako tami'Andriamanitra?(tsara izany raha hoe fandinihan-tena fa tsy fanomezan-tsiny).
Joba raha niatrika olana tsy nanome tsiny an'Andriamanitra izany fa nanana fanantenana tao anatiny.
Raha matoky an'i Jesoa arahintsika isika dia mahazo antoka fa mpandresy toa Azy. (Jao16:33)
Sahintsika ny miteny hoe:"vitako(resiko) io satria zah manana an'i Jesoa. "

2⃣Ahoana ny fomba andresena ny fahavalo?
Aza mandrombaka ny asa tokony ho an'Andriamanitra. "Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina. "Eksodosy14:14
Tsy asatsika ny manova olona na ny zava-misy fa an'Andriamanitra. Mitana andraikitra goavana anefa isika amin'ny alalan'ny vavaka.
Raha mandeha araka ny fanahy isika dia ny Fanahy Masina no mitarika antsika ho amin'izay fangatahana araka ny sitrapon'ny Ray.
Fahatokisana sy finoana no takiana amintsika.

3⃣Iza no fahavalontsika?
Isika rehetra izao dia samy fitaovana avokoa: na ianao fitaovana eo ampelatanan'Andriamanitra na ianao fitaovana eo ampelatanan'i satana.
Tsy vitsy ny olona mifandrafy; ny mampalahelo aza indraindray dia ny kristiana mirafy amin'ny namany.
Fantaro ilay tena fahavalo(ilay mitady hanimba ny fifandraisanao amin'ny hafa, ilay mitady hanimba ny fifandraisanao amin'Andriamanitra, ilay mitady handrombaka ny fifaliana ao anatinao, ilay mitady handrombaka ny fiadanana efa natolotry ny Tompo ho anao)
"Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. "Efe6:12
Raha fanahy ratsy ny fahavalo dia avelao anaovan'Andriamanitra azy. Asandrato ny vavaka sy ny hira fideràna. "La prière est la seul arme qui ne rate jamais sa cible. "War room
Raha mifantoka amin'Andriamanitra isika dia tena ho mpandresy tokoa.
Eny fa na dia sendran'ny fahafatesana aza isika dia mbola hiteny amintsika ny Tompo raha tonga ilay andro iray hoe: "Anaka mifohaza. "😍😍😍

Any ho anyAny ho any misy olona mitalaho mafy amin'Andriamanitra mba ahita sakafo ohanina.Fa any ho any koa misy misafid...
03/12/2022

Any ho any

Any ho any misy olona mitalaho mafy amin'Andriamanitra mba ahita sakafo ohanina.

Fa any ho any koa misy misafidy ny tsy hitia izay anjara sakafo atolotra azy.

Any ho any misy mandohalika an_dranomaso maniry ny ho salama...

Any koa misy maniry ny ahita asa fivelomana.
Io asa mankaleo anao io mihintsy aza no tena iriany.

Any am_ponja any mety misy olona miandrandra fahafahana...

Te ampahatsiaro anao fotsiny aho hoe maro ny olona maniry te ho eo amin'io toerana misy anao io.
Fanomezana sarobidy avy amin'Andriamanitra ny fahasalamana, ny asa, ny fotoana, ny namana, ny fianakaviana,...

Mahaiza manararaotra.

Aza kely fijery amin'ny be ananana fa mijaly be amin'ny kely tsy ananana.

"Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo, hoy izaho indray, mifalia". Filipiana 4:4

Sary fanehoana nindramina.

01/12/2022

Ity volana desambra ity dia volana natokako isaorana an'Andriamanitra tamin'ireo soa rehetra nataony tamiko.🥰🥰🥰❤❤🙏
Tena tsara ity taona ity.❤❤❤
Eny fa na dia tao ambadiky ny zava_tsarotra nolalovana aza dia nisy zavatra tsara nomaniny ho ahy hatrany.❤
Nisy fifandraisana niforona, nisy ihany koa anefa ny rava.
Misy ny tanjona tratra misy mbola tsy tratra.
Tao anatin'izay 12 volana izay dia misy fotoana aho verivery kely izay; tsy nahafantatro hoe iza aho, dia ho aiza???🤔
Nisy fotoana koa tafalatsaka anaty fahatezerana sy alahelo.🥺

Fa ny tombony lehibe ho ahy dia ny fananako Ray be indrafo sy tsy namela ahy ho irery tamin'ny ady sarotra lalovako, ary miara mifaly amiko ao anaty fifaliana.🤩

Te hiteny aho hoe voatahy manokana ny olona manana relation personnelle amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.🥰🥰🥰

Merci God, merci Jesus pour tout.🙏
Je suis tellement bénis.❤🥰

29/11/2022

Ny sampana,na fikambanana sy olona tsy miorina ao amin'i Jesoa(Jesosy) dia azo antoka fa halazo.

Iza marina ianao?🤔Anisan'ny lesona notsoahina taminin'ity film iray ity.🥰IZA MARINA IANAO?Olona manakaja ve satria mitan...
26/11/2022

Iza marina ianao?🤔

Anisan'ny lesona notsoahina taminin'ity film iray ity.🥰

IZA MARINA IANAO?

Olona manakaja ve satria mitana andraikitra lehibe amina toerana iray?
Ary raha esorina aminao io andraikitra io d iza ianao?
Zanaka manamboninahitra ve?
Ary raha alain'Andriamanitra aminao ilay Ray na Reny ataonao rehareha?
Dadan'i Lita ve? Sa renin'i Koto? 😊
Ary raha alaina aminao ny zanakao tahaka ny natao tamin'i Joba d iza ianao?
Ary raha alaina aminao izay rehetra anananao sy izay mety ianteheranao d iza ianao?
Mpivavaka atsy amin'ny fiangonana X na fiangonana Y? Ary raha tsy afaka ny hisokatra intsony ny fiangonana d iza ianao?

Sahy miteny ve ianao fa kristiana foana na ho inona na ho inona?
Efa nanolotra ny fonao ho an'ny Tompo ve nefa ianao?
Tena iainanao ve ny mahakristiana sa d fahazarana sy fanarahana fombafomba fotsiny?
Impiry zay ianao no nivavaka ho an'ireo olona nomenao toky hoe:"Mahatsiaro ambavaka anao(anareo) aho?

Mahafaly anao amin'ny fotoana sy ny toerana ary ny zava-misy rehetra ve ny maha kristiana anao?

Aza fitahana ny tenanao fa safidio izay lalana sy fiainana tokony arahinao.
"Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy."Gal6:3

Tiako ianao ho tonga kristiana marina ka ifankahita amiko any an-danitra. 😍

Overcomer🥰

J'y crois encore.❤Film iray izay tena anisan'ny nandòna fo.💔Fa ny hafatra zaraintsika androany dia mitodika manokana any...
24/11/2022

J'y crois encore.❤
Film iray izay tena anisan'ny nandòna fo.💔

Fa ny hafatra zaraintsika androany dia mitodika manokana any amin'ireo namana namoy havana, olontiana, raiamandreny, zoky, na zandry...

Manahoana ny toe_ponao miatrika ny zava_misy?

✅Avelanao ve Andriamanitra andray an_tanana ny fiainanao na ho inona na ho inona mitranga?
✅Sa omenao tsiny Izy fa tsy araka ny tokony ho izy zavatra mitranga?(satria indraindray dia olona mbola nanana fikasana maro no indro lasa tampoka)

🔴Tadidio anefa fa na dia heverintsika ho fohy aza ny fotoana nisehoan'ireny mpanompo tsara sasany ireny; satria fitenintsika matetika ny hoe tampoka loatra, tsy rariny loatra, aloha loatra, sy ny hoe fa maninona ny olona manao ny tsara no tsy ela velona?
Tsarovy anefa fa i Jaona mpanao batisa koa aza dia mba mpanompo tsara tsy naharitra ela ary maty tamin'ny tsy rariny.
TSY VERY MAINA AKORY NY FANDALOVANY fa miteraka akony lehibe amin'ny fiainan'ny mpino maro.
Ny fisian'ny olona toy ireny dia mipetraka foana ho tantara ary oentin'Andriamanitra ho fitaratra ho an'ny hafa.
Anjaranao ny mandray izay zavatra tsara napetrany oentinao mandroso sy manatsara ny hoavinao.

Courage foana fa lalàm_piainana tsy maintsy misy ny fotoana ifandaozana fa Jesoa dia afaka mameno ny banga.

Ampirisihanay manokana ny ijerenao io film io fa tena mampahery be.😍
Tsy afaka zaraina eto amin'ny Facebook fa somary sarotiny ny mpamokatra azy.

Tahian'i Jesoa daholo.

Ao ambadiky ny fitsapana mahazo anao dia misy zavatra manamafy ny finoanao.✅Na ianao tian'Andriamanitra omena fitahiana ...
21/11/2022

Ao ambadiky ny fitsapana mahazo anao dia misy zavatra manamafy ny finoanao.
✅Na ianao tian'Andriamanitra omena fitahiana tsaratsara kokoa.❤
✅Na ianao tian'Andriamanitra ahatoky Azy tsotra izao fa tsy hitoky amin'ny zavatra hita maso, ka indraindray asehony anao fa ireny rehetra ireny dia mandalo avokoa.

Mandalo ny Ray aman_dreny, mandalo ny havana,mandalo ny namana, mandalo ny voninahitra mandalo ny harena mandalo ny fahafinaretana,...

Fa eo foana Andriamanitra ary masimandidy amin'ny zavatra ataony saingy tsy anary anao amin'ny sarotra.

Mandrosoa, ato aminay.❤❤❤Somary tsotsotra fa otr'zao mintsy zahay.Etsy ary aloha raisiko ny enta_mavesatrao.💚Mipetrapetr...
16/11/2022

Mandrosoa, ato aminay.❤❤❤

Somary tsotsotra fa otr'zao mintsy zahay.
Etsy ary aloha raisiko ny enta_mavesatrao.💚
Mipetrapetraha.
Faly izahay raha tonga ianao.😍😍😍

Ny aty samihafa fijery, samihafa fiteny, samihafa revy nefa mifankatia eny.🥰
Zay zahay,...zay
Ny aty: androany aho matanjaka, rahampitso aho malemy.
Androany aho tanjakao rahampitso ianao heriko.
Zay zahay...zay..

Ato ny Mpanjaka no manompo,
Manasa ny tongotrao maloto.
Ato ny lalàna miondrika eo anatrehan'ny fitiavana.
Tsisy andriana sy andevo ny ato fa fianakaviana iray.
Dia izay, dia izay...

Mandrosoa, ny fahalemenao.
Tsy ianao irery akory no toy izao.
Afaka esorinao ny sarotavanao,
Fa samy mianatra miaina,
Tsisy tsara koakoa noho ianao.

Ny aty samihafa fiteny, samihafa fijery, samihafa revy nefa mifankatia eny.
Zay zahay, zay...
Ny aty androany aho matanjaka rahampitso aho malemy.
Androany aho tanjakao rahampitso ianao heriko.💪
Zay, zahay...zay
Ato ny Mpanjaka no manompo
Manasa ny tongotrao maloto.🥰
Ato ny lalàna miondrika eo anatrehan'ny fitiavana.💘
Tsisy andriana sy andevo ny ato fa fianakaviana iray.❤
Dia izay dia izay fianakaviana iray
Dia izay dia izay.

Mifanangana, mifampihaino, samy mianatra mifameno.
Tsy mody mitia...😁

Ato ny Mpanjaka no manompo
Manasa ny tongotrao maloto.
Ato ny lalàna miondrika eo anatrehan'ny fitiavana.
Tsisy andriana sy andevo fa fianakaviana iray...🥰🥰🥰

Zay ilay fiainana kristiana.❤😉
©️ Reko & his band
https://www.facebook.com/100044204420747/posts/642900287193446/?app=fbl
🎵🎶🎙Reko❤🎤

Maraina vaovao, famindrampo vaovao fitiavana vaovao.🥰❤❤❤Fahazarantsika kristiana matetika ny mametraka ny tenantsika ho ...
15/11/2022

Maraina vaovao, famindrampo vaovao fitiavana vaovao.🥰❤❤❤

Fahazarantsika kristiana matetika ny mametraka ny tenantsika ho mampalahelo ao anatin'ny sedra lalovantsika.
Eny tena mafy ilay izy nefa tena ilaina ihany koa.

Tiako ny mizara ireto lesona azoko tamin'ny page sasany ireto.

Ny zavatra rehetra dia miara_miasa ahasoa izay tia an'Andriamanitra.
Tiako ilay fampianarana voaraiko hoe na ny olona ratsy manodidina anao aza dia ilaina mba ampitombo anao; "Ny zezika tena ratsy sady masiso nefa raha te ahazo vokatra tsara isika dia tsy maintsy mampiasa zezika"😍😍.
Dia mampahatsiaro ahy ilay voalazan'ny baiboly hoe "Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza." — Ohabolana 16 : 4
Rehefa miasa Andriamanitra na ny devoly aza ataony mikarakara anao.
Hay kay tsy problème ireny fa opportunité ahafahako mandroso🥰❤
Fahazarako hatramin'izay no miandry mpitsetra satria mihevitena hoe mampalahelo.
Ny zavatra mampalahelo dia raha sanatria aho tavela tao anaty fotaky ny fahotana fa tsy nanaiky nodiovin'ny Tompo.
Tsy misy zavatra tsara mihoatra noho ny hoe tokony ho faty ianao nefa dia velona indray noho ilay fitiavan'Andriamanitra.
Ny ankoatran'zay dia bonus fa tsy tanjona.
Efa sambatra foana aho manana an'i Jesoa.🥰🥰
Tsy antom-pisiako ny zavatra matériel
Tsy antom-pisiako ny hoe manambady sns...
Tiako ity tononkira ity ho fampaherezana ireo izay kristiana be fanahiana.

Haizina io e!🌑
Dia mbola hisava ihany.🌞
K'aza mitomany fa fiainana izany
Mirosoa hatrany.
Ka valio hoe: HAFA NY TALOHA
Satria ny Jesosiko no miasa loha
Misahirana amiko.🥰"

Ataoko défi manomboka androany fa hisafidy ny ho faly aho.😅😊😎

Faranako amin'ilay pub hitako tao amin'ny muren'ny sipa akama hoe:

HIOVA AHO FA ILAY VERSION_KO TEO ALOHA FAIBLE BE.👊😘

Bonne journée daholo ndray e
Tahian'i Jesoa nareo.😉

Raha ny manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba ti...
14/11/2022

Raha ny manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo?
Ny mpanota koa mba tia izay manam-pitiavana azy!
Ary raha ny manasoa anareo ihany no soavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba manao toy izany.
Ary raha ny antenain-kamerina ihany no ampisamborinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba mifampisambotra hahazoana takalony.

Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo,
manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo;
ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay mora fo amin’ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Tsara fo ilay Rainareo: noho izany,
aoka ianareo ho tsara fo tahaka Azy koa!
Lioka 6:32‭-‬36 DIEMDC

📷 Adore Dieu

06/11/2022

Rehefa ilay mamoritra lohalika iny ianao...
.. Tiako ho fantatrao androany, ry zanako, fa rehefa mandohalika mivavaka ianao, na dia rakotry ny ranomaso sy fahadisoam-panantenana, dia fantaro fa ianao no atao hoe tena matanjaka! Rehefa mivavaka ianao, manolotra Ahy ny ahiahinao rehetra, dia minoa fa eo an-tanako ny fanalahidin'ny zavatra rehetra!

Eo ho handresenao amin'ny adinao, rehefa ankininao amiko ny fonao rehetra. Izany no fomba hahombiazanao amin'ny lafiny rehetra. Eo am-pandoalihana no handraisanao ny fahasoavana sy ny fitahiana ilainao. Eo no hahazoanao herim-po entinao mandroso sy miady indray.

Amin'iny fotoana iny ianao misintona ny heriko hidina eo amin'ny fiainanao, izay hery enti-mandresy! Mampatsiahy ny tenanao ny amin'ny fahatsarako ianao, ary ho faly. Eo indrindra ilay fotoana hanomezanao Ahy ny momba anao rehetra, mba hahafahako mandray an-tanana anao sy miditra an-tsehatra miasa eo amin'ny tontolom-piainanao rehetra! Ny fotoana tahaka izany no hahafeno ny fanahinao sy hampatanjaka ny fonao ary koa hahatsara ny tenanao.

Ny vavaka no "bouclier" hiaro anao amin'ny zana-tsipikan'ny devoly. Ireny vavakao ireny no fiarovana mahery ho anao, mba tsy ho resy an-ady!

Rehefa tsy hitanao intsony ny mazava, satria rakotry ny aizin'ny fahoriana sy fijaliana ianao, manantòna Ahy eo am-pandoalihana, dia hanome anao endri-piainana vaovao Aho, ary matokia, fa ny endrika amboariko dia endrika mahafinaritra be foana😊 hanome anao fanantenana vaovao koa Aho! Ho esoriko aminao ny ratranao rehetra, ahafahanao miaina milamina indray.

Aza manahy, fa tsy misy adinoko ireny vavakao ireny, tsaroako ny nandehananao tamin'ny fahamarinana hatramin'izay, ary tsy misy very maina fanetre-tenanao niankohoka Tamiko, tsy very maina ny ranomasonao latsaka teo anoloako, na dia goutte iray monja aza!

Tadidio foana, zanako ô, fa rehefa ilay mamoritra lohalika iny ianao, no manambara sahady ny fandresenao!

Ilay Rainao tia anao.

Nindramina.🥰

14/10/2022

"Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo."
— II Korintiana.5.17

HAFA NY TALOHA🥰🥰🥰

Androany aho tonga saina ihany raha nanontany
Tomany ve no ho asetriko izany fianana an-tany ?
Ny omaly haiko ihany e ny nihafarany
Dia handany andro hiondrika eto ihany fa hoe ambany

Jesosy anefa niteny hoe: "Aza manahy fa Izaho dia mandre"

Ka anio e, hifonako avokoa
Ireo izay tsy finoako namatotra ahy mafy taloha
Ho fadiako e, ny hamoy fo
Satria ny Jesosiko no miasa loha, misahirana amiko

Ho anao izay mbola gejain'izao fiainana izao
Injao mandona ka mba vahao Ilay tsy mandao
Ialao ny tahotrao ô, f'Izy no ao
Andao fa miandry ny anjaranao, fiainam-baovao

Jesosy mantsy raha manome dia fiainana sady be dia be

Haizin'io e, dia mbola hisava ihany
K'aza mitomany fa fianana izany, mirosoa hatrany
Ka valio hoe :"HAFA NY TALOHA",
Satria ny Jesosiko no miasa loha, misahirana amiko

TANORA MASINA Itaosy
A/C : LovaN

"VELONA HO AN'NY HAFA "🥰🥰🥰Tantara iray mampihetsipo.🥺❤❤❤Anthropologue anakiray no nanao kilalao tamin'ireto ankizy 3lahy...
30/06/2022

"VELONA HO AN'NY HAFA "🥰🥰🥰

Tantara iray mampihetsipo.
🥺❤❤❤

Anthropologue anakiray no nanao kilalao tamin'ireto ankizy 3lahy kely tamin'ny foko iray tao Afrika.
Nametraka harona feno voankazo tsara tarehy teo ampototry ny hazo izy ka niteny hoe: izay tonga aloha eny no mahazo an'io.

Rehefa nanome ny baiko ahafahana miainga izy dia gaga fa niaraniainga izy telo lahy ary nifampitantana mandrapahatonga teny amin'ilay harona nisy ilay voankazo.

Rehefa nanontany izy hoe fa inona zany no antony nanaovanareo an'iny nefa dia azon'ny anakiray taminareo atao tsara ny nahazo ilay harona dia azy irery iny?
Dia namaly zareo hoe:"Ubuntu"
Izany hoe inona moa zany no fahasambarana hita amin'ny alahelon'ny namana?
Ubuntu mantsy dia midika hoe:" izaho no toy izao dia no isika."
Tena tao anatin'io foko iray ao Afrika io ilay kolontsaina tsara izay efa narian'ny ankamaroan'ny firenena noho ny fandrosoana.

Andidin'ny Soratra Masina antsika koa anefa izany fitsinjovana ny namana izany.
Raha te ahita fahasambarana isika dia tsinjovy ny namana.🥰🙏🙏

"Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa." Filipiana 2 : 4

©️ Junior Aniambossou
✍ Baïwa Makaye Hatap & Mizara an'i Jesoa Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia

28/06/2022

Aza ataonao ho antony iray oentinao manambany ny hafa ny fanananao ny ampy.
Tsarovy ny voasoratra ao amin'ny Matio18:10

22/06/2022

Rehefa misy zavatra simba, zaro ny sainao anaiky anamboatra fa tsy maika anary.
Manampy ny toe_tsainao hanana faharetana amin'ny zavatra tianao izany.

17/05/2022

Ny nofo tsy hiraharaha ny fiainanao mandrakizay satria izy tsy andova izany.

IREO TOETRA VALO MAMPIAVAKA NY VOROMAHERY(les 8 principes de l'aigle)1️⃣Tia manidina irery amin'ny toerana faran'izay am...
04/05/2022

IREO TOETRA VALO MAMPIAVAKA NY VOROMAHERY(les 8 principes de l'aigle)

1️⃣Tia manidina irery amin'ny toerana faran'izay ambony.
Tsy miara_manidina amin'ny goaika sy ny ganadia sy ny fody...
Tsy miara_manidina amin'ny vorona hafa ankoatry ny voromahery.

Mahaiza misafidy namana: Aleo mandeha irery toy izay ratsy namana.

2️⃣Manana fifantohana tsara amin'ny tanjony
Afaka mifantoka amin'ny haza iray amin'ny elanelana mihoatra ny 5km. Ary na inona na inona mety zavatra handrebireby azy manoloana izany dia tsy mahasakana azy tsy ho tonga eny amin'ny tanjona izany.

RAHA TE AHITA FAHOMBIAZANA DIA MILA MIFANTOKA AMIN'NY TANJONA

3️⃣Tsy mihinana fatin_javatra na fatim_biby nohazain'ny biby hafa.

AZA MIJANONA FOTSINY AMIN'NY HOE NAHITA FAHOMBIAZANA FA MIHEZAHA MANITATRA.
AZA MANGALATAHAKA FOTSINY NY ZAVATRA NAMPAHOMBY NY HAFA.

4️⃣Tia tafiotra(tempête)
Mahita opportunité be ny aigle ao anaty tafiotra ahafahany manao entraînement mampitombo ny hery ahafahany manidina, fa ahafahany mihaza ihany koa satria fotoana iny dia tsy afaka mitsoaka ny biby fihazany fa tsy maintsy mialoka.

SAHIA MANAO FANAMBY MANOLOANA NY OLANA MISY SATRIA TSY OLONA TSOTRA IANAO FA OLONA NANTSOIN'ANDRIAMANITRA MIAVAKA TOY NY VOROMAHERY.

5️⃣Rehefa anao accouplement ny aigle d tsy tonga dia raikitra fa misy séquence kely arahany.
Rehefa akaiky anatody iny ny vavy dia misarika ny lahy.
Maka biby eny amin'ny tany eny izy ary oentiny miakatra ambony, avy eo d alatsany aty amin'ny tany; lasa kosa ilay lahy manenjika an'iny ary tsy avelany ilatsaka amin'ny tany.
Oentiny miverina any amin'ilay vavy ilay izy ary oentin'ilay vavy miakatra ambonimbony kokoa.
Averiny alatsaka amin'ny tany indray dia toy ny teo aloha no miverimberina mandritry ny ora maromaro.

Na entreprenariat io na vie de couple d tsapao tsara aloha ny engagement an'ny olona iarahana fa tsy izay olona maniry iaraka aminao dia iarahana avokoa.

6️⃣Fanomanany ny zanany hanidina
Esoriny ny bozaka malefaka sy ny volo ao amin'ny tranony fa rantsakazo sy zavatra mampalailay ireny sisa no avelany eo.
Vokatr'izay dia tsy mahazo aina ilay zanany ka voatery mianatra manidina.

Raha te ahaleo tena ianao amin'ny zavatra rehetra dia ialao ny zone de confort.
7️⃣ Rehefa antitra ny aigle d ringitra ny volony ary mia_kely hery izy ary mety itarika azy amin'ny fahafatesana izany.

Tsy mijanona amin'ilay volo ringitra anefa izy fa mandeha misintaka any antsefaky ny haram_bato any.
Hongotany iray manontolo ny volony ary kikisany amin'ny vato ny

Fiadanana❤❤Ifampizara Soratra Masina anakiray isika amin'ity androany ity.Teny efa fahenontsika matetika nefa indraindra...
04/05/2022

Fiadanana❤❤
Ifampizara Soratra Masina anakiray isika amin'ity androany ity.
Teny efa fahenontsika matetika nefa indraindray toa tsy mampiraika akory ny maheno azy satria toa mahazatra loatra angamba.😏

Zavatra tena anisan'ny nampiova ny fahazarako izy ity ary nanampy ahy ifandray bebe kokoa tamin'Andriamanitra.🥰

Hoy ny soratra masina:
"Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka. " Isaia 40 : 31

Ary maninona ary no tsy biby mpihaza hafa no nataon'Andriamanitra tao ambavan'i Isaia tamin'ny fotoana nitenenany an'io?🤔
Ohatra hoe liona...

Ifampizarantsika ao anatin'ny publication manaraka ny toetra valo mampiavaka ny voromahery.

Ifampizarana isan'andro kosa ny zavatra voaray tany amin'ny pejy hafa momba ny zavatra tsara ianarana isaky ny teboka amin'ireo toetra valo mampiavaka azy ireo.

Araho tsy tapaka ary ny pejy dia aza adino ny mizara izay zavatra mety mahasoa anao ho an'ny hafa.❤❤❤

🍁🍁Hendry Andriamanitra ny amin'izay fanapahan-kevitra raisiny.Manana ny antony Izy raha manome anao zavatra iray.Manana ...
20/04/2022

🍁🍁Hendry Andriamanitra ny amin'izay fanapahan-kevitra raisiny.
Manana ny antony Izy raha manome anao zavatra iray.
Manana ny antony Izy raha manaisotra aminao zavatra iray.

Manomana anao ara-tsaina ara-batana Izy raha hanome anao zavatra iray.

Farao ihany no tsy sakanany amin'ny zavatra ataony satria tsy nanaiky Azy.

Noho izany misaora Azy na amin'ny sarotra aza fa mety zany io lalana io matoa itondràny anao.🍂🍂

10/10/2021

Aza mankahala olona, na iza na iza nanao ratsy taminao.
Mahaiza manetry tena na lasa mpanankarena aza ianao.
Manàna fisainana mihabo na efa mafy aza ny fiainana niainana.
Mahaiza mizara na dia tsy misy mpanome aza.
Mifandraisa foana na dia amin'ireo izay nanadino anao aza, ary mamela ny helok'ireo izay nanao ny tsy nety taminao.
Ary aza mijanona mivavaka ny mba ahatsara ny olona tinao.

Tsy izay nomena anao no itsaràna anaoTsy izay nomena anao no oentinao miala ety.Tsy afaka itondra na dia sombiny amin'ir...
15/09/2021

Tsy izay nomena anao no itsaràna anao
Tsy izay nomena anao no oentinao miala ety.
Tsy afaka itondra na dia sombiny amin'ireo harena hita maso nisasaranao akory aza ianao.

Ny azonao vimbinina dia ny hatsaram_panahy nozarainao tamin'ny manodidina.
Ny fitiavana tao anatinao.

Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesoa Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. — Asan'ny Apostoly 20 : 35

❤❣💞 Lalan'ny fitiavana 💞❣❤Raha mampiditra kiraro tery ianao,Ka maharary ny tongotraoDia tsy hoe ilay kiraro no ratsyNa n...
14/09/2021

❤❣💞 Lalan'ny fitiavana 💞❣❤

Raha mampiditra kiraro tery ianao,
Ka maharary ny tongotrao
Dia tsy hoe ilay kiraro no ratsy
Na ny tongotrao ihany koa
Fa mila manaiky ianao hoe tsy mifanaraka ilay izy.

Ary mba ahafahanao mampiditra
Kiraro hafa amin'ny tongotrao
Dia mila esorinao aloha ilay teo aloha.
Fa arakaraky ny hifikiranao
Amin'ny kiraro efa nampijaly anao
No vao mainka mankarary ny tongotrao
Ka ho sarotra ny manasitrana azy.

Ary raha manaikitra anao daholo izay kiraro anaovana
Na inona na inona karazany atsofokao eo.
Ka hitanao fa mampijaly
Dia tsy ireo kiraronao vaovao
Fa ilay fery amin'ny tongotrao.
Tokony manokana fotoana ianao
Hianarana mamindra tsy misy kiraro
Mandrapahasitran'ny tongotrao
Ka hiverina amin'ny teo aloha.

Arakaraky ny hifikiranao amin'ny kiraro mampijaly anao
No vao maika koa tsy ampahazo aina anao
Ka ahatonga anao andringa
Na koa ivily lalana,
Sy iala amin'ny lalana voasoritra ho anao.
Ny fahasambarana anefa
Tsy misy hafa tsy amin'ny lalana efa natokana ho anao.

Esory ny kiraro nampijaly
Ra te ho sambatra
Mianara mandeha tsy misy kiraro
Mandrapahasitran'ny fery teo aloha.
Ny ranomaso sy ny ratranao;
Aza matahotra fa na ny vatovato kely aza
Natao hanasoa anao
Ary eny an_dalana eny
Misy kiraro efa voatokana ho anao
Fa atrakao ny loha

Ataovy izany mba ho tsapanao
Fa ianao dia afaka ny ho sambatra
Ary ahafahanao mandeha alavitra
Amin'ny lalan'ny fitiavana.
Hajao ny tongotrao
Safidio izay kiraro antonony aminy.

✍ MiMiandra AndrainanMiandra Andraina

🍂🍁Mahaiza mihaino ny feon'Andriamanitra.🍂🍁Ahoana no ahafantaranao fa feon'Andriamanitra ilay miteny aminao?Tsy misy afa ...
09/09/2021

🍂🍁Mahaiza mihaino ny feon'Andriamanitra.🍂🍁

Ahoana no ahafantaranao fa feon'Andriamanitra ilay miteny aminao?
Tsy misy afa tsy ny fifankazaranao aminy.
Toy ny fifankazaranao amin'ny olona akaiky anao ihany ka manjary fantatrao hoazy ny feony.

Maniry anao ahita fiadanana sy fitahiana amin'ny fihainoana ny feon'Andriamanitra ary.💝🍁🍂

Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa. — Jeremia 7 : 23

Ny fonao no ilain'Andriamanitra fa tsy ny lasanao.❤💝
05/09/2021

Ny fonao no ilain'Andriamanitra fa tsy ny lasanao.
❤💝

Nisy vehivavy mahantra nangataka vavaka t@onjampeo iray . Nisy olona tsy mpino iray  nihaino ilay fandaharana ka naneso ...
30/08/2021

Nisy vehivavy mahantra nangataka vavaka t@onjampeo iray . Nisy olona tsy mpino iray nihaino ilay fandaharana ka naneso lay ramatoa . Noraisiny ny adresse n'lay ramatoa ary nilaza t@secretaire ny izy mba itondra sakafo maro karazana ho an'lay ramatoa . Nanafatra an'lay secrétaire izy hoe raha manontany ilay ramatoa hoe avy aiza ity dia valio hoe : " avy @ devoly " .
Rehefa tonga tany ilay secrétaire , dia faly aok'zany lay ramatoa nandray reto fanomezana . Dia nanontany ilay secrétaire t@lay ramatoa hoe: " tsy mahaliana ve hoe avy aiza ireto fanampiana azonao ireto ?
Dia izao no navaliny :
"Tsy tiko ho fantatra hoy izy zay nanome azy fa zao fotsiny : REHEFA ANDRIAMANITRA NO MIBAIKO , NA NY DEVOLY AZA MANKATÒ "...

Address

Ampandrana
Antananarivo
101

Telephone

+261341982487

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mizara an'i Jesoa amin'ny alalan'ny teknolojia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category


Other Media in Antananarivo

Show All