CELO TV

CELO TV Des politiques meilleures pour une vie meilleure

Les cinq points à retenir du premier discours du 5e président élu du Sénégal.
26/03/2024

Les cinq points à retenir du premier discours du 5e président élu du Sénégal.

Malagasy isika
25/03/2024

Malagasy isika

Man is the master of the world, therefore he can change the society on earth and embrace the world
09/11/2023

Man is the master of the world, therefore he can change the society on earth and embrace the world

𝐋𝐀𝐍𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐎𝐍𝐈𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐀𝐈𝐑𝐋𝐈𝐍𝐄𝐒 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐄𝐌𝐁𝐑𝐀𝐄𝐑 𝐒𝐘 𝐀𝐙𝐎𝐑𝐑𝐀, 𝐈𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐡𝐚, 𝟎𝟕 𝐝𝐞𝐬𝐚𝐦𝐛...
07/12/2022

𝐋𝐀𝐍𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐎𝐍𝐈𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐀𝐈𝐑𝐋𝐈𝐍𝐄𝐒 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐄𝐌𝐁𝐑𝐀𝐄𝐑 𝐒𝐘 𝐀𝐙𝐎𝐑𝐑𝐀, 𝐈𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐡𝐚, 𝟎𝟕 𝐝𝐞𝐬𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟐

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny fitanterana anabakabaka malagasy sy ho famerenana indray ny lazan’ny o***asa Air Madagascar dia notanterahina androany alarobia 7 desambra 2022 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana ofisialy fanaovana sonia ny fiaraha-miasan’ny o***asa Madagascar AIRLINES amin’ny EMBRAER sy AZORRA.

Ny lanonana dia teo ambany fitarihan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA, notronon’ireo Tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny ary natrehin’ireo Masoivoho sy Vondrona iraisam-pirenena miasa sy monina eto Madagasikara. Anisan’ny tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ireo Loholon’i Madagasikara izay notarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanoloran-tenan’ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny hanavaozana indray ny sehatra anabakabaka izao fifanaraham-piaraha-miasa izao. Io sehatra io izay mandray anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny toe-karem-pirenena.

Noho ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana rahateo, hoy ny Filoham-pirenena, dia tafiditra eo amin’ny laharana faha-9 amin’ireo firenena mahasarika mpizaha tany be indrindra eto Afrika i Madagasikara. Ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany izay anisan’ireo sehatra stratejika eto Madagasikara dia miankina feno amin’ny seha-pihariana anabakabaka. Ity farany izay mandray anjara lehibe ihany koa amin'ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Tsy tokony hisalasala, hoy izy, miantso ireo manam-pahaizana avy eto an-toerana sy avy any ivelany mba hahafahana mahatontosa izao fanamby lehibe izao satria i Air Madagascar dia o***asa malagasy ary tokony ho reharehan’ny Malagasy ny fananana azy.

07/12/2022
07/12/2022
Mirary soa antsika fa hanitsaka n volan décembre isika izao, izan volana fanaovana jeritodika(évaluation) , sy fankalaza...
01/12/2022

Mirary soa antsika fa hanitsaka n volan décembre isika izao, izan volana fanaovana jeritodika(évaluation) , sy fankalazana n Noël Ary fankalazana n fetin'n faran taona

29/11/2022
✅📑 I 𝐕𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐥à𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 (𝐏𝐔𝐑𝐏𝐀) INankatoavi...
29/11/2022

✅📑 I 𝐕𝐨𝐥𝐚𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐥à𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 (𝐏𝐔𝐑𝐏𝐀) I

Nankatoavin'ireo Solombavam-bahoaka tonga nivory tetsy Tsimbazaza androany 29 novambra 2022 ny volavolan-dalàna mahakasika ny fifanarahana ara-bola entina hanamafisana famokarana ara-tsakafo (PURPA) izay nosoniavin'ny fitondrana Malagasy🇲🇬 sy ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana ny volana aogositra 2022.

Mitentina 9.294.300 dolara amerikana ny totaliben'ity fanampiana ity. Ka ny 4.862.670 dolara dia vola tsy averina. Ny 4.431.630 dolara kosa dia vola averina ka ity noentina teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ity.

𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝟮𝟬 : 𝗔𝗺𝗼𝗿𝗼𝗻'𝗜𝗺𝗮𝗻𝗶𝗮, 𝗠é𝗻𝗮𝗴𝗲, 𝗩𝗮𝗸𝗶𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮, 𝗠𝗲𝗹𝗮𝗸𝘆, 𝗔𝗹𝗮𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗮𝗻𝗴𝗼𝗿𝗼, 𝗕𝗼𝗲𝗻𝘆, 𝗦𝗼𝗳𝗶𝗮, 𝗦𝗮𝘃𝗮, 𝗗𝗶𝗮𝗻𝗮, 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮, 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗻𝗷𝗶𝗿𝗼𝗳𝗼, 𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮, 𝗠𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗺𝗯𝗼𝗻𝘆, 𝗜𝗵𝗼𝗿𝗼𝗺𝗯𝗲, 𝗕𝗲𝘁𝘀𝗶𝗯𝗼𝗸𝗮, 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝘆,.𝗔𝗻𝗼𝘀𝘆, 𝗔𝘁𝘀𝗶𝗺𝗼 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗲𝗳𝗮𝗻𝗮, 𝗜𝘁𝗮𝘀𝘆 𝗮𝗿𝘆 𝗕𝗼𝗻𝗴𝗼𝗹𝗮𝘃𝗮 𝗻𝗼 𝗵𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗶𝗸𝗮𝘀𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗶𝘁𝘆.



Foire Économique et Commerciale Toam'Ketrika 2022, izay ho tanterahina eto Toamasina ny 01, 02 sy 03 Desambra 2022: Niar...
29/11/2022

Foire Économique et Commerciale Toam'Ketrika 2022, izay ho tanterahina eto Toamasina ny 01, 02 sy 03 Desambra 2022: Niaraka manatanteraka valandresaka ho an'ny mpanao gazety androany ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana sy ny Ben'ny Tanànan'ny Toamasina, ary ireo mpanohana sy mpiaramiombonantoka maro be nanambara ny fahavononan'ny fanomanana ary nanentana ny vahoakan'ny Toamasina mba ho tonga maro.
Nambaran'Andriamatoa Goverinora RAFIDISON Richard fa anisan'ny hetsika ara-toekarena goavana ity hotanterahina ity satria ho tonga ao daholo ireo o***asa goavana manodina ny toekaren'ny Faritra ( Ambatovy, SPAT, SMMC, VOLOBE 2, Savonnerie Tropicale, Huilerie HITA, SIRAMA, GIZ, SMMEC, Super L Market, MASS'IN, SEIMAD, Tilapia de Vatomandry,l, Orange, Groupe STOI, CFAO na SICAM teo aloha, WEBHELP, Douanes Malagasy, sns....). Fa ankoatr'ireo dia o***asa tanora sy vao misondrotra manodidina ny 200 no hampiranty ny vokatra ao.
Marihina moa fa tsy misy ny vidimpidirana ary ho hisy Artistes maro hanafana isaky ny tolak'andro satria efa ao anaty fety tanteraka ny eto MIAMI manomboka amin'io 01 Desambra io.
Agny miaro ee!

29/11/2022
𝐌𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐦𝐩𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐫𝐚𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐄𝐋𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀-4  𝐧𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫...
29/11/2022

𝐌𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐦𝐩𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐯𝐨𝐚𝐫𝐚𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐄𝐋𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐀𝐇𝐀-4 𝐧𝐲 𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐀𝐫𝐚-𝐓𝐬𝐢𝐚𝐧𝐬𝐚 .

𝐍𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐚𝐧𝐲 27 𝐧𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 2022 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐨 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐩𝐞𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐧𝐚𝐧𝐲.

Taorian’ireo faritra sivy dia ny faritra Fitovinany indray no anorenana ny Oniversite manarapenitra . Tany an-toerana androany 27 Novambra 2022 ny Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara , Atoa Andry Nirina RAJOELINA , notronin’ny Praiminisitra , Atoa Christian NTSAY , ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena , Rtoa Christine RAZANAMAHASOA sy ireo solombavam-bahoaka, loholona maro ary mpikambana maro ao amin’ny Governemanta , ka anisan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa , Pr Elia Béatrice ASSOUMACOU .

Nandritra ity lanonana ity no nampahatsiahivana fa ny tanjon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanorenana toy izao , dia ny fampitomboana ny fahafahan'ireo Oniversite mandray ny mpianatra vao afaka bakalorea izay tombanana ho 80 000 isan-taona ary efa tsy ampy toerana handraisana azy ireo.

Arahana fampiofanana mpampianatra " mobilité" ary fandraisana mpampianatra " recrutement " ity fanorenana ity mba hamaly sy hifandraika amin'ny filan'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana.
Ireo Oniversite nao***a ireo dia natao hamolavolana tanora manam-pahaizana afaka miditra amin'ny asa fampandrosoana ny faritra , ka hoan’ny Fitovinany manokana dia seha-pampiofanana momba ny “Métier d’eau et Electricité” , “Agronomie” , “Environnement “, “Ecotourisme “ , no handraisana mpianatra. Mahazaka mpianatra 1500 isa ity “Campus” ao***a manomboka androany eto Ambokala Manakara ity , ary ahitana efitrano fianarana 4 lehibe mahazaka mpianatra 150 isa avy, efitrano fianarana

Toy ny fanao isaky ny fanombohan'ny taom-piotazana litchis dia misy ny fitetezana sy fitiliana ireo orin'asa mpanomana s...
29/11/2022

Toy ny fanao isaky ny fanombohan'ny taom-piotazana litchis dia misy ny fitetezana sy fitiliana ireo orin'asa mpanomana sy mpanondrana. Ny Tale DID LAURENT Jean Maurice sy ny Tale DAFC RAKOTOVAO Andry ao amin'ny Faritra Atsinanana no nisolo tena ny Goverinoran'ny Faritra Atsinanana nitarika an'izany niaraka tamin'ny ao amin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana ary tompon'andraikitra maro.

Teto amin'ny orin'asa SCIM Anjoma no nanombohana zany omaly alina. Raha 1.300Ar no fetra farany ambany ny iray kilao noferan'ny fanjakana dia 1.350 Ar no nanombohan'ny orin'asa SCIM izany.
Nanazava ny Tale Jeneralin'ny orin'asa REXP Andriamatoa BOTOUBEBE Rosin, anisan'ny orin'asa notsidihina, fa na teo aza ny tsy fahampian'ny rotsakorana tamin'ity fotoam-pamokarana ity, dia tratra ihany ny hangezan'ny voankazo ilaina.

Une signature MOU  entre le Ministre de l'Energie et des Hydrocarbures RAMAROSON Andry et le groupe Schneider Electric s...
29/11/2022

Une signature MOU entre le Ministre de l'Energie et des Hydrocarbures RAMAROSON Andry et le groupe Schneider Electric s'est tenue hier pour un projet renforcement du réseau électrique de Toamasina et d'Andekaleka.

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA Ampahafantarina an’ireo mpampiasa vola sy mpiara-miombon’antoka ny fandaharan’as...
29/11/2022

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA
Ampahafantarina an’ireo mpampiasa vola sy mpiara-miombon’antoka ny fandaharan’asam-pampandrosoana any amin’ny faritra

Andro sisa isaina ho an’ny Faritra Ihorombe hankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra. Hetsika ho tontosaina any Ihosy ny 01 ka hatramin’ny 03 Desambra 2022, hanehoana ireo drafitra fampandrosoana ny faritra.
Asongadina mandritra io fotoana io ny fampahafantarana an'ireo mpampiasa vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-tekinika sy ara-bola ny fandaharan'asa fampandrosoana rehetra ao anatin'ny Faritra Ihorombe, mba ahafahana manatanteraka ireo Velirano izay napetraky ny Filoham-pirenena amin’ny fampandrosoana ny faritra .
Mandray anjara feno amin’ny fanomanana ny hetsika ireo sampan-draharaha ara-panjakana rehetra any an-toerana ka anisan’izany ny DRICC.

Ny Faritra Vakinankaratra moa dia vao avy nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra tamin’ny herinandro lasa iny tao Antsirabe. Teny filamatra ho azy ny hoe: Tosika ho amin’ny fanamafisana ny hafaingainam-pandehan’ny fampandrosoana, misokatra ny varavaran’ny Faritra Vakinankaratra.

Sary DRICC

Andro voalohany amin'ny Campagne Litchis:1300Ar ny vidin'ny iray kilao handraisan'ny exportateurs azy amin'ny Collecteur...
29/11/2022

Andro voalohany amin'ny Campagne Litchis:
1300Ar ny vidin'ny iray kilao handraisan'ny exportateurs azy amin'ny Collecteurs.
Nahatratra 1075 ny isan'ny Agréments nivoaka tao amin'ny Faritra Atsinanana hatreto fa mbola mitohy eny amin'ny barrière ny fakana izany ho an'ireo taraiky.
Sambo roa no hitaona ny vokatra mankany Europe dia ny Atlantic Clipper 8400 tones sy Baltic Clipper 5400 tones.

✅📊 I   ILany tsy nasiam-panitsiana teny anivon'ny Antenimieram-pirenena androany 25 novambra 2022 ny volavolan-dalàna mi...
29/11/2022

✅📊 I I

Lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon'ny Antenimieram-pirenena androany 25 novambra 2022 ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2023. Tonga maro ireo solombavam-bahoaka nanatanteraka izany fididianana izany, ka 93 tamin'izy ireo no nandany izany, raha toa ka roa no nitsipaka.

Amin'ny ambangovangony dia tombanana ho 4,9% ny fiakaran'ny harikarena faobe raha toa ka 4,2% tamin'ity taona 2022 ity. Tombanana ho 4786,16 miliara ariary ny fidiran-ketra ary vinavinaina ho 4236,10 miliara ny Hetra hampidiran'ny Fadintseranana. Mahatratra 11854 miliara ariary ny fidiram-bola anatiny rehetra raha toa 15384miliara ariary ny fandaniana.
Tombanan'ireo teknisianina ao amin'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fa anisan'ny hampakatra ny harikarena faobe ny fiakaran'ny tinadin'ny "nickel", "cobalt" ary ny "graphite" eo amin'ny tsena Iraisam-pirenena.
Ankoatra izay dia afaka mampiakatra ny harikarena faobe ihany koa fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fananganana Indostria vaovao ary ny fizahan-tany.

𝗔𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮𝗻-𝗱𝗥𝗮𝗺𝗮𝘁𝗼𝗮 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿à𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮, 𝗱𝗶𝗮 𝗵𝗶𝗼𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘀𝗶𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗸𝗼𝗸𝗼𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀à𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗿𝗮-𝗸𝗮𝗷𝘆 𝗺𝗶𝗿𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗗𝗲𝗽𝗮𝗿𝘁𝗲𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆.



✅📈💸 I 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 INisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny maraina ny 29 Novambra teo ...
29/11/2022

✅📈💸 I 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 I

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny maraina ny 29 Novambra teo ny atrikasa handinihana ny fampiroboroboana ny tsenam-bola eto Madagasikara. Maharitra roa andro ity dinidinika sy fifanakalozana traikefa izay tohanan'ny 𝗜𝗙𝗖 ( 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗿𝗻𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹 𝗙𝗶𝗻𝗮𝗻𝗰𝗲 𝗖𝗼𝗿𝗽𝗼𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻) ity .

Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy. Tamin'izany no nanambarany ny maha 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮.𝗜𝗹𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗵𝗼𝘆 𝗶𝘇𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝗹à𝗻𝗮 𝗺𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮 𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝘀𝗮 𝘃𝗼𝗹𝗮.

Ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, amin'ny alalan'ny Tahirimbolam-panjakana malagasy sy ny Banky Foiben'ny Madagasikara no miara misalahy amin'ny fametrahana izany tsenam-bola izany. Aorian'izao dia mbola hisy fikaonan-doha hafa ho tanterahina.



  - SHARM EL SHEIK EGYPTENigadona tao amin’ny  « Conference Center » Sharm El Sheik Egypte, toerana hanaovana ny lanonam...
07/11/2022

- SHARM EL SHEIK EGYPTE

Nigadona tao amin’ny « Conference Center » Sharm El Sheik Egypte, toerana hanaovana ny lanonam-panokafana ny fivoriana antampony momba ny fiovaovan’ny toetrandro ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina.

Ny Filoha Egyptiana sy ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana no mitsena sy nandray ny Filoham-pirenena malagasy teo am-pahatongavana tahaka ireo Filoham-panjakana rehetra izay tonga miatrika ity fihaonambe iraisam-pirenena ity.

Rahampitso no handray anjara fitenenana manoloana ny fivoriam-be izy, hisy ihany koa ny fihaonana maromaro ataony amin’ireo tompon’andraikitra ambony samihafa.

FANATSARANA NY KALITAON’NY ASAM-PANJAKANAZava-dehibe ny fahaizana manompo ny firenena sy mampiasa ireo traikefa norantov...
04/11/2022

FANATSARANA NY KALITAON’NY ASAM-PANJAKANA

Zava-dehibe ny fahaizana manompo ny firenena sy mampiasa ireo traikefa norantovina eo amin'ny sehatry ny asa.

Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy androany 04 Novambra 2022 ny mpiofana Andiany fahadimy misalotra ny anarana Volamahitsy eo anivon'ny ENAM (Sekolim-pirenena manofana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana). Nivoitra nandritra ny lahateniny nifandimbiasana ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny traikefa norantovin'ireo mpiofana nandritra ny roa taona « ho fanompoana ny firenena ary ho famaliana ny filàn'ny vahoaka ihany koa ».

Vonona hatrany ireo 104 mianadahy Andiany Volamahitsy hifanome tanana amin'ny fanjakana hanatanteraka ny vina anaty fahadiovana.

Miandrandra fanatsarana ny kalitaon'ny asam-panjakana ankehitriny ary indrindra ny fitantanana ny raharaham-panjakana hoy ny Ray mpiahy ny Andiany Volamahitsy, Edgard Razafindravahy sady Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. Mirary ity andiany fahadimy ity ny Minisitra mba ho fitaratra sy fahazavana eo amin'ny fampandehan-draharaha eto amin'ny firenena izy ireo.

Dingana iray mankany amin'ny fampandrosoana,  dingana anisan'ny entintsika mampiroborobo ny sehatry fizahantany sy hoan'...
04/11/2022

Dingana iray mankany amin'ny fampandrosoana, dingana anisan'ny entintsika mampiroborobo ny sehatry fizahantany sy hoan'ny vahoakan'i Nosy Be ny fitokanana ity tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro an'ny Jirama ity eto Dar Es Salam izay manana tanjaka hatramin'ny 1MW ity.

Tokantrano miisa 15.000 eto Nosy Be no efa misitraka ny vokatra vokarin'ity toby ity ankehitriny izay efa mamokatra 500KWH isan'andro , mampihena hatramin'ny 2miliara Ariary isan-taona ny fividianantsika solika.
Efa eo andalam-pananganana ihany koa ny Parc Solaire fanampiny izay hanana tanjaka 5MW hahafahana mamokatra herinaratra mandritra ny tolonto andro manenika an'i Nosy Be.

Hampihena ny vidin-jiro, hampihena ny fampiasana sy fividianan'ny Jirama solika ary hamaha ny olan'ny fahatapan-jiro sy fahasahiranan'ny vahoaka eto Nosy Be ny fisian'ity tobim-pamokarana herin’aratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro eto ity.

🟢🟢FANATRARANA NY TANJON'NY FANDROSOANA LOVAINJAFY : TANTERAHINA ETO MADAGASIKARA NY ASSISES POUR LE DÉVELOPPEMENT DURABL...
04/11/2022

🟢🟢FANATRARANA NY TANJON'NY FANDROSOANA LOVAINJAFY : TANTERAHINA ETO MADAGASIKARA NY ASSISES POUR LE DÉVELOPPEMENT DURABLE HO AN'NY FIRENENA ETO AMIN'NY RANOMASIMBE INDIANA🟢🟢

✅Tontosaina eto Madagasikara manomboka androany ary haharitra roa andro ny "Assises du Développement Durable de l'Océan Indien". Firenena 11 no mandray anjara amin'ity hetsika ity ka isan'izany ireo Nosy eto anivon'ny ranomasim-be Indiana.
✅Ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, NTSAY Christian, no nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy androany tao amin'ny Novotel Alarobia niaraka tamin'ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Ramatoa VINA Marie-Orléa, ny Solontenan'ny Vondron'ny firenena Mikambana eto Madagasikara, ary manam-pahefana izay nahitana Minisitra avy amin'ireo firenena rahavavy.
✅Hevi-dehibe telo no hifantohan'ny lahadinika dia ny Toekarena Manga, ny fanenana ny fiantraikan’ny entona karbona eo amin’ny Tontolo iainana, ary ny ady amin'ny fiakaran’ny hafanan’ny tany.
Naneho fahavononana ny amin'ny hanambarana hery hanatsarana ny Tontolo Iainana mba ho lovainjafy avokoa ireo mpandray anjara.
✅Nanamafy izany ihany koa ny Praiminisitra NTSAY Christian nandritra ny lahateniny fa fanamby goavana apetraky n'y fitondram-panjakana ny fanohizana ny fitadiavana paikady hiadiana amin'ny fiovan'ny toetrandro ary efa laharampahamehana izany. Marolafy ary mifandray hoy izy ny ady amin'ny fiovan'ny toetrandro ka voakasik'izany avokoa ireo seha-pampandrosoana misy eto Madagasikara. Torak'izany ihany koa ny fiaraha-miasa amin'ireo Nosy rehetra eto amin'ny Ranomasimbe Indiana.
✅Tetikasa miisa 30 izay mifanaraka amin'ireo lohahevidehibe miisa 3 no andrasana hivoitra amin'izao fihaonambe izao. Tanjona ny hanatrarana ireo tanjona 17 ny Fandrosoana Lovainjafy amin'ny alalan'ireo tetikasa ireo mandra-pahatongan'ny taona 2030.




SEM le Président du Sénat poursuit les échanges parlementaires en Royaume Uni et plaide pour Madagascar. 🟠SEM le Préside...
03/11/2022

SEM le Président du Sénat poursuit les échanges parlementaires en Royaume Uni et plaide pour Madagascar.

🟠SEM le Président du Sénat, Herimanana RAZAFIMAHEFA, en visite parlementaire au Royaume Uni, plaide pour Madagascar, pour la préservation de son environnement, pour y attirer les investisseurs, et pour améliorer la reforestation et l'agriculture.

🟠La Délégation parlementaire malagasy poursuit ses rencontres avec les Parlementaires britanniques de tout bord pour les inciter à accroitre leur intérêt pour Madagascar et orienter leurs actions à Madagascar vers les domaines prioritaires, notamment ceux qui ont été mis en exergue durant le Forum national des investisseurs pour l'Emergence de Madagascar du 28 au 29 octobre 2022.

👉La visite de la Délégation parlementaire au " Royal Botanic Gardens, KEW" a été une occasion pour SEM le Président du Sénat et les personnes responsables de cette entité à renommée mondiale de focaliser les intérêts et les actions sur Madagascar à travers ses ressources végétales uniques au monde. KEW, qui abrite la plus grande banque de semences au monde et qui est le lieu ayant le plus de biodiversité au monde traite plus de 2 millions de semences (graines) venant de 190 pays différents comprenant plus de 39 000 espèces de semences. Plus de 12 000 de ces espèces viennent de Madagascar.

👉Le Sénat de Madagascar facilitera le renforcement du partenariat avec le "KEW " qui opère déjà à Madagascar depuis des dizaines d'années.

👉Une rencontre des Parlementaires malagasy avec les Responsables Afrique de la chaine de télévision britannique BBC a permis de mettre en place un début de partenariat base sur la diffusion de faits positifs représentatifs de Madagascar sur cette télévision internationale.

👉SEM le Président du Sénat a également rencontré des investisseurs britanniques dans le domaine de l'énergie renouvelable, de l'agriculture et autres.

-----------------------------------------------------------------------
Mitohy h

Androany no natao eny amin'ny Lampam- panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsonia mikasika ny fanamboarana AUTOROUTE Antanan...
03/11/2022

Androany no natao eny amin'ny Lampam- panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsonia mikasika ny fanamboarana AUTOROUTE Antananarivo - Toamasina .
✌️♥️

[𝗙𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢𝗥𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗢𝗜𝗩𝗢𝗛𝗢 𝗩𝗔𝗢𝗩𝗔𝗢𝗡'𝗜 𝗖𝗢𝗧𝗘 𝗗'𝗜𝗩𝗢𝗜𝗥𝗘 𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗔𝗭𝗬 𝗛𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔]2 novambra 2022, Lapam-p...
03/11/2022

[𝗙𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢𝗥𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗦𝗢𝗜𝗩𝗢𝗛𝗢 𝗩𝗔𝗢𝗩𝗔𝗢𝗡'𝗜 𝗖𝗢𝗧𝗘 𝗗'𝗜𝗩𝗢𝗜𝗥𝗘 𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗥𝗔𝗧𝗔𝗦𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗡𝗗𝗥𝗬 𝗔𝗭𝗬 𝗛𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔]
2 novambra 2022, Lapam-panjakana Iavoloha

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Masoivoho vaovaon'i Côte d'Ivoire, Andriamatoa Sakaria Kone androany 2 novambra 2022 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Noresahana nandritra izao fihaonana izao ny fanatsarana ny traikefa efa ananan'ny firenena roa tonta amin'ny alalan'ny fanamifasana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'i Côted'Ivoire sy Madagasikara. Ho fanamafisana izay fiaraha-miasa izay indrindra, dia nampitain'ity Masoivoho vaovao ity tamin’ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa ny fanasan'ny Filoha ivoariana, Alassane Ouattara, ny mba hanatanterahin'ny Filoham-pirenena malagasy fitsidihana ara-pajankana any Côte d'Ivoire.

ADY AMIN’NY DORO TANETY : NIHAONA TAMIN’IREO MPIARA-MIOMBON’ANTOKA NY SOLONTENAN’NY FANJAKANA MALAGASY NANDROSO VAHAOLAN...
03/11/2022

ADY AMIN’NY DORO TANETY : NIHAONA TAMIN’IREO MPIARA-MIOMBON’ANTOKA NY SOLONTENAN’NY FANJAKANA MALAGASY NANDROSO VAHAOLANA IRAISANA

🟢Ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala dia nihaona tamin’ny solontenan’ny Fanjakana Malagasy notarihan’Andriamatoa Jeneraly RAKOTONIRINA Richard, Minisitry ny Raharaham-Bahiny mpisolo toerana, sy Ramatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara nahitana ireo Vondrona Diplomatika, ny avy amin’ny Firenena Mikambana, ny mpamatsy vola ary ireo Fikambanana iraisam-pirenena androany 03 novambra 2022.
🟢Tanjona ny hitondrana vahaolana sy paikady mahomby iatrehana ireo tranga na afo miseho ankehitriny sy hametrahana paikady maharitra entina miatrika sy misoroka ny doro tanety sy ny doro ala eto Madagasikara.
Naneho ny fahavononany hifanampy an’i Madagsikara ireto mpiara-miombon’antoka ireto ary hitondra ny anjara birikiny hiarovana ireo harena voajanahary ireo amin’ny afo.

Andro lehibe sy manan-tantara ho an'ny firenena ny andro androany.  Vita ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin'ny fa...
03/11/2022

Andro lehibe sy manan-tantara ho an'ny firenena ny andro androany.
Vita ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin'ny fanjakana malagasy sy ny o***asa BTP Ejipsiana SAMCRETE ho fanamboarana ny « autoroute » voalohany eto Madagasikara hampitohy an' Antananarivo sy Toamasina havokavoky ny toekaren'ny firenena.

Tsy maintsy mitady vahaolana isika manoloana ny fitombon'ny fiara sy ny entana mifamezivezy amin'ny lalam-pirenena faha-2 izay efa namboarina tamin'ny andron'ny fanjanahantany ary vita tara tamin'ny Repoblika faha-2. Raha mirefy 370km ny RN2 ary natao tao anatin’ny 7 ora dia hirefy 260km ary ho vita ora 2 sy sasany ity autoroute ity. Hihena noho izany ny fandaniana solika, ho voaaro ny tontolo iainana ary hampiroborobo ny fizahantany ity lalambe migodana ity. Asa azo tsapain-tanana, azo refesina no entintsika mampandroso ny firenena. Ny vola miditra amin'ity « autoroute » ity amin’ny alalan’ny « péage » ihany no hamerenana ny fanamboarana azy izay ny fanjakana Malagasy no miantoka ny 20%.

Maro ireo tetikasa efa nataontsika fa anisan'ny tetikasa goavana sy lehibe indrindra ary hanamarika ny fandrosoan'i Madagasikara ny fahavitan'ity « autoroute » voalohany ity.

Hiaraka hanoratra tantara vaovao isika.
Tsy maintsy mandroso i Madagasikara!

Taorian'ny 2 andro nifanakalozan-kevitra, nanaovana jery todika ireo asa vita sy andalam-pahavitana tao anatin'izay 4 ta...
30/10/2022

Taorian'ny 2 andro nifanakalozan-kevitra, nanaovana jery todika ireo asa vita sy andalam-pahavitana tao anatin'izay 4 taona latsaka kely izay ary ındrindra nijerena ireo dingana manaraka hirosoantsika amin'ny fampandrosoana voafaritra anatin'ny planına entina mampandroso an'i Madagasikara dia nifarana omaly ny "Forum National des Investissements pour l’émergence de Madagascar".

Mankasitraka ireo rehetra nandray anjara ny tenako. Avy amin'ny lafivalon'ny nosy, avy any am-pitan-dranomasina ary avy amin'ny sehatra maro samihafa izy ireo no tonga niara-nientana tanatin’ity fotoan-dehibe hanamarika ny fampandrosoana ny nosintsika ity.

Nambarako tanatin'ny lahateny famaranana ireo fepetra raisin'ny fitondram-panjakana mba hisarihana ireo mpampiasa vola toa ireo fanalefahana ara-ketra sy haban-tseranana eo amin'ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena sy ny fiompiana, ny angovo azo havaozina, ny taozavabaventy, ny ady amin'ny kolikoly mba ahafahan'ireo mpampiasa vola hivelatra sy hiroborobo tsy amin'ahiahy eto Madagasikara. Ary maro avy hatrany ireo fifanarahana lasitra vita sonia tanatin’ity fihaonambe ity.

Nifarana iny Fihaonambe iny fa misokatra kosa manomboka eto ny fiaraha-miasa mafy o***a kokoa eo amin'ny fanjakana sy ireo mpandraharahan'ny sehatra tsy miankina. Mitodika manokana amin'izy ireo aho,amin'ireo vondron'o***asa, mpandraharaha ara-toekarena, lehibena indostria ary koa ireo tanora mpandraharaha. Tao trano tsy efan'irery koa tsy maintsy mifanolo-tanana sy mifarimbona isika hano***a ho avy mamiratra ho an'ity Madagasikara malalantsika ity.

[𝗙𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗙𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗥𝗨𝗠 𝗡𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡𝗔𝗟 𝗗𝗘𝗦 𝗜𝗡𝗩𝗘𝗦𝗧𝗜𝗦𝗦𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧𝗦 𝗣𝗢𝗨𝗥 𝗟'𝗘𝗠𝗘𝗥𝗚𝗘𝗡𝗖𝗘 𝗗𝗘 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗖𝗔𝗥]28 oktobra 2022, CCI IvatoNisokatra ami...
29/10/2022

[𝗙𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗙𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗢𝗥𝗨𝗠 𝗡𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡𝗔𝗟 𝗗𝗘𝗦 𝗜𝗡𝗩𝗘𝗦𝗧𝗜𝗦𝗦𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧𝗦 𝗣𝗢𝗨𝗥 𝗟'𝗘𝗠𝗘𝗥𝗚𝗘𝗡𝗖𝗘 𝗗𝗘 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗖𝗔𝗥]
28 oktobra 2022, CCI Ivato

Nisokatra amin'ny fomba ofisialy androany 28 oktobra 2022 teny amin'ny CCI Ivato ny
"Forum National des Investissements pour l’Émergence de Madagascar”. Nandritra io fotoana io no nanaovan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny jery todika ireo asa efa vita voarakitra ao anatin'ny Planina Entina Mampandroso an'i Madagasikara na PEM, ireo tetikasa efa an-dalam-panatanterahana ary nampahafantarana ireo dingana sy vina mbola ho tanterahina ao anatin'izany planina izany.

Nandritra io fotoana ihany koa no nahafahan’ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, indrindra ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, mamaritra ireo fanovana sy fampandrosoana hapetraka araka ny velirano 13 nataon'ny Filoha Andry Rajoelina. Tafiditra ao anatin'ity fihaonambe ity moa ireo atrikasa miompana amin'ireo sehatra stratejika toy ny fizahantany, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famoronana asa, ny angovo, ny fambolena, ny fampiofanana arak'asa ary ireo fotodrafitrasam-pifandraisana.

Nanome toky ny Filoha fa fanafainganana ny fampandrosoana sy ny fampiroboroana ara-toekarena mifanaraka amin’ny zava-misy hiainan’ny Malagasy no anton’ity fihaonambe ity fa tsy mijanona ho ady hevitra fotsiny. Manana tombony lehibe Madagasikara, hoy izy, na eo amin’ny harena voajanahary na ny olombelona miaina eo aminy saingy mitaky fomba fiasa vaovao avy amin’ny rehetra, na mpitondra fanjakana, na ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, na ireo mpamatsy vola na ireo olon-tsotra. Tsy hisy vokatra vaovao hoy ny tenany raha tsy misy fomba fiasa sy fomba fijery vaovao ary indrindra finiavana.

Nambaran'ny Filoham-pirenena ihany koa fa ny Fitondram-panjakana dia handray ireo fepetra rehetra tandrify azy hametrahana tontolom-pihariana azo antoka, mba hahafahan’ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola misehatra am-pilaminan

Address

Ankatso II/A
Antananarivo
101

Telephone

+261329502155

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CELO TV posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Nearby media companies


Other Broadcasting & media production in Antananarivo

Show All