Vaovao vao mafana

Vaovao vao mafana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Vaovao vao mafana, News & Media Website, Antananarivo.

TRANGA HAFAKELY NISEHO TATSY AFRIKA ATSIMOPasitera antsoina hoe Daniel Lesego no nampihinana bozaka ireo mpino tao aminy...
02/11/2022

TRANGA HAFAKELY NISEHO TATSY AFRIKA ATSIMO

Pasitera antsoina hoe Daniel Lesego no nampihinana bozaka ireo mpino tao aminy tatsy afrika atsimo tamin'ny taona 2015.
Tena nadikan'ity pasitera ity ara-bakiteny izany ilay hoe izy no mpiandry ondry dia ny mpino no ondry.

đź”´INDE: MIISA 137 NO HITA FATY NOHO NY FAHATAPAHANA TETEZANATetezana mihantona iray izay vao nohavaozina ao andrefan'i In...
01/11/2022

đź”´INDE: MIISA 137 NO HITA FATY NOHO NY FAHATAPAHANA TETEZANA

Tetezana mihantona iray izay vao nohavaozina ao andrefan'i Inde no nosafidian'ireto mpivavaka miisa 500 ho toerana nivavahana ny Alahady teo, kinanjo tapaka tampoka ny tady nihazona ity tetezana ity ka nirodana ary latsaka tao anaty rano ireo mpivavaka teo amin'ilay tetezana.

137 hatreto no fantatra fa hita faty, ka mananika ny 50 ny ankizy raha zazalahy 2 taona no farany zandriny indrindra, mbola maro ireo karohana sy tsy hita popoka any an-toerana ary nisy kosa ireo avotra ka velon'aina.

Olona 9 hatreto ny voasambotra, dia ireo tomponandraikitra izay nanamboatra sy nanavao ity tetezana mihantona ity izay atao fanadihadiana any Inde.

SIDA:Ilay vady na sipa miara voa amin'ny adalan'lisany no mampalahelo.
20/10/2022

SIDA:
Ilay vady na sipa miara voa amin'ny adalan'lisany no mampalahelo.

Lozam-pifamoivoizana eo anelanelan’  Ankazobe sy manerinerina.Olona 03 no  tao anatin’ilay fiara 4*4 mena ka ny roa nara...
18/09/2022

Lozam-pifamoivoizana eo anelanelan’ Ankazobe sy manerinerina.Olona 03 no tao anatin’ilay fiara 4*4 mena ka ny roa naratra mafy efa nentina eny Ankazobe. Ny sofera maty teo no eo.

Sary 24h Mada

✝️ Nodimandry io hariva io teto Antananarivo ny loholon'i Madagasikara voatendry tao  Toliara Atoa Fiandraza. . Niharan'...
01/09/2022

✝️ Nodimandry io hariva io teto Antananarivo ny loholon'i Madagasikara voatendry tao Toliara Atoa Fiandraza.

. Niharan'ny lozam-pifamoivoizana tao Ihosy izy ny herinandro lasa teo ary izao nindaosin'ny fahafatesana izao .

. Mirary fiononana feno hoan'ny fianakavian'i loholona FIANDRAZA ny tenako , izay filoha lefitry ny anteniimieradoholona misahana ny faritany Atsimon'ny Nosy
Banga iray araka izany ny toeran'ny loholona eto Madagasikara.

đź”´RN44 AMBOHITOVOLAHYFiara fitaterana nitondra tanora Katolika avy any Ambatondrazaka hamonjy JMJ any Antsirabe niharan-d...
29/08/2022

đź”´RN44 AMBOHITOVOLAHY
Fiara fitaterana nitondra tanora Katolika avy any Ambatondrazaka hamonjy JMJ any Antsirabe niharan-doza amin'izao ora sy fotoana izao.
Tsy mbola voafaritra mazava ny isan'ireo maratra...

Source: Santatra Diamondra

đź”´LOZAMPIFAMOIVOIZANA RN44 : Ambohidava-Manakambahiny Andrefana đź”» Olona telo no namoy ny ainy hatramin'izao ary maro no n...
27/08/2022

đź”´LOZAMPIFAMOIVOIZANA RN44 : Ambohidava-Manakambahiny Andrefana

đź”» Olona telo no namoy ny ainy hatramin'izao ary maro no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tao Ambohidava Manakambahiny Andrefana tokony tamin'ny 3 folakandro teo.

đź”» KubĂ´ta iray handeha hianatsimo no nofaon'ny fiara lehibe ho an'ny mpanamboatra ny lalam-pirenena faha 44 avy ao aoriana.

đź”» Nifatratra tany an-tanimbary ilay fiara lehibe ary voatrongy ireo olona tao anaty Kubota.

source: serasera mada

🛑FILAZANA HAZALAMBO GADRA NANDOSITRANisy tranga fandosirana gadra miisa telo lahy tao amin'ny fonjan'i Ambalatavoangy To...
27/07/2022

🛑FILAZANA HAZALAMBO GADRA NANDOSITRA

Nisy tranga fandosirana gadra miisa telo lahy tao amin'ny fonjan'i Ambalatavoangy Toamasina , anio faha 27 jolay 2022 sahabo ny mitatao vovonana.

Efa tratra ny iray tamin'izy ireo fa ny roa izay mitam-basy maherivaika (basy MAS 36 nalaina ankeriny tamin'ny mpiandry fonja) dia mbola atao hazalambo. Indro ny sary sy ny mombamomba azy ireo.
Iangaviana izay manana vaovao mba hampandre haingana ny manam-pahefana na ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra.

Atao TSIAMBARATELO sy AROVANA izay loharanom-baovao.

TRANGAM-PIARAHAMONINATovolahy iray no tratra nangalatra sy niray ara-nofo tamina AKOHO VAVY tany Befandriana Avaratra om...
24/03/2022

TRANGAM-PIARAHAMONINA

Tovolahy iray no tratra nangalatra sy niray ara-nofo tamina AKOHO VAVY tany Befandriana Avaratra omaly.
Nahiditra am-ponja vonjimaika moa ilay tovolahy tompon’antoka tamin’ity tranga mahatsikaiky no sady marikoriko ity.

sary: radio mangarahara.

io atoandro ioloza izay nitranga tetsy antapon'itaosy, rexton nanosy zazakely vao 5 taona monja.Maty tsy tra-drano moa i...
17/03/2022

io atoandro io
loza izay nitranga tetsy antapon'itaosy, rexton nanosy zazakely vao 5 taona monja.
Maty tsy tra-drano moa ilay zazakely. Raha ny filazany nanatry maso dia nijanona nivoaka tsy nanisy frein a main no niavian'ny loza, efa eny an-toerana ny mpitandro filaminana
source: karen rasou

Tapaka ny lalam-pirenena faha 7 ary mitohana be ireo fiara eo Vohiposa.Camion lehibe iray no tapaka frein eo amin'ny tet...
31/10/2021

Tapaka ny lalam-pirenena faha 7 ary mitohana be ireo fiara eo Vohiposa.

Camion lehibe iray no tapaka frein eo amin'ny tetezana ka mibahana izany ka isan'ny raikitra eo amin'izany i BIGMJ izay tokony hanao fampisehoana any Ambohitrimanjaka Antananarivo

⚠⚠⚠ SAZY MANOLOANA ILAY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY AMIN’NY RN44 KA NAHAFATESAN'OLONA MARO.Manoloana ilay lozam-pifamoivoi...
23/10/2021

⚠⚠⚠ SAZY MANOLOANA ILAY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY AMIN’NY RN44 KA NAHAFATESAN'OLONA MARO.

Manoloana ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny lalam-pirenena RN44 ny alin’ny alarobia 20 oktobra lasa teo, izay namoizana ain’olona valo, dia miondrika am-panajana manoloan’ireo niaram-boina ary mankahery ireo namoy fianakaviana, namana ary zanaka ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Eto dia mirary fahasalamana tanteraka ihany koa ho an’ireo naratra mafy vokatr’iny lozam-pifamoivoizana iny.

Tsara ho fantatr’ireo mpitrandraka, ny tompona fiara ary ny koperativa sy ny daholobe fa misy ny sazy mihatra ho an’ireo nahavanon-doza tahaka izao lozam-pifamoivoizana izao.

Mahakasika ity fiara ity manokana dia toy izao izany sazy izany :

🔴 Sintonina ny fahazoan-dalana miasa na licence d’exploitation an’ny fiara
🔴 Sintonina ny fahazoan-dalana mamily fiara catégorie D ho an’ny mpamily
🔴 Miato mandritra ny iray volana ny fanomezana ny taratasim-panjakana rehetra eo anivon’ny ATT (licence d’exploitation, autorisation spéciale)
đź”´ Miato mandritra ny folo andro ny fitrandrahana zotra Antananarivo-Tanambe
🔴 Tsy maintsy manaraka fiofana avokoa ireo mpamily sy tompona fiara ao amin’ny koperativa FIFIZAM

‼️‼️Manentana hatrany ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro amin’ny tokony hanaran’ireo mpisehatra rehetra ny lalàna mifehy ny fitaterana mba hisorohana amin’ny mety hitrangan’ny loza tahaka izao. Ary manentana ny mpandeha ihany koa hahasahy hiteny ny mpamily rehefa mandeha mafy loatra izy.

Urgent!! Misy mandoro indray Ankarafantsika.Source: Gouverneur Boeny.
16/10/2021

Urgent!!

Misy mandoro indray Ankarafantsika.

Source: Gouverneur Boeny.

Tranga mapalahelo:Zazavavy kely vao 08 taona monja no maty nisy nanolana tao Ambatoboeny.Izahay eto amin'ny Vaovao vao m...
12/10/2021

Tranga mapalahelo:

Zazavavy kely vao 08 taona monja no maty nisy nanolana tao Ambatoboeny.

Izahay eto amin'ny Vaovao vao mafana dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakavina mana-manjo.

ADY AMIN'NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA.UNITE D'INTERVENTION RAPIDE : VOATIFITRY NY POLISY ILAY MPANENDAKA NITONDRA FITAOVAM...
07/10/2021

ADY AMIN'NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA.

UNITE D'INTERVENTION RAPIDE : VOATIFITRY NY POLISY ILAY MPANENDAKA NITONDRA FITAOVAM-PIADIANA TETSY ANKASINA

âś… Jiolahy iray miaraka amin'ny sabatra sy antsy ary Pistolet Ă  gaz no lavon'ny balan'ny Polisy tetsy amin'ny Madinox Ankasina omaly tamin'ny 08 ora sy 30 minitra alina. Polisy nanao fanamiana sivily manao fisafoana any anaty elakelan-trano moa no nahazo ity mpanendaka ity.

âś… Mitohy ny asa ataon'ny mpitandro ny filaminana ary manamafy ny fisafoana any amin'ireo faritra mena ny Polisy indrindra fa ny hariva . Mitohy ihany koa ny fanampiana ireo mpandray taxi be tratra hariva sy ny fiarovana azy ireo amin'ny fanendahana sy arom-paosy.

Source : Polisim-pirenena.

Tranga niseho tetsy ambohidahy io atoandro io.Tsy hay na ny hafanana no miakatra na ny voka-dratsin'ny zava-mahadomelina...
07/10/2021

Tranga niseho tetsy ambohidahy io atoandro io.

Tsy hay na ny hafanana no miakatra na ny voka-dratsin'ny zava-mahadomelina no miseho masoandro.

Sary indrana.

AMBANJA: Nisy namira tamin'ny antsy ny mpanankanto Djino. Nandritrany alim-pandihizana izay nataony omaly talata 5 octob...
06/10/2021

AMBANJA: Nisy namira tamin'ny antsy ny mpanankanto Djino.

Nandritrany alim-pandihizana izay nataony omaly talata 5 octobra tao amin'ny kaominina Bemanefika distrikan' Ambanja dia nofirain'ny tovolahy iray tamin'ny antsy ka voa teo amin'ny lohany sy tanany i Djino.

Araka ny loharanom-baovao azo dia nisy hira izay nataony Djino tokony tamin'ny 5 ora maraina no tsy tiany tovolahy ity. Naniraka hampijanonana hira io ilay tovolahy, nefa tsy nety tamin'izany ilay mpanakanto. Tezitra ilay tovolahy ka lasa nivoaka ny vavahady naka antsy ka rehefa niverina izy tonga dia nanatona avy hatrany mpanakanto Djino nitsatoka antsy.
Marihina moa fa mamo ilay tovolahy nitsatoka antsy.

Raha vao naheno ity tragna ity moa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana dia nandray andraikitry avy antrany, ka nisambotra ilay tovolahy nahavan-doza.

Efa nohentina any amin'ny hopitaly be ny Ambanja ilay naratra ka tsy misy atahorana ainy.

Source: Bertrand, Radio Mangarahara

Amboanjobe RN7Fiara 4*4 iray indray no nifandona tamina moto amin'izao ora izao ety amboanjobe.Tsy nisy ny aina nafoy na...
29/09/2021

Amboanjobe RN7

Fiara 4*4 iray indray no nifandona tamina moto amin'izao ora izao ety amboanjobe.
Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity loza ity fa naratra kosa ilay mpitondra moto ary efa noentina namonjy toeram-pitsaboina moa ny izy.

TOAMASINA II : ZAZA 10 TAONA NITONDRA BISIKILETA VOAFAOKAN'NY CAMIONNitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray...
27/09/2021

TOAMASINA II : ZAZA 10 TAONA NITONDRA BISIKILETA VOAFAOKAN'NY CAMION

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny hariva teo teny amin'ny lalana RN5 Toamasina II.
Ankizy tokony ho 10 taona nitondra bisikileta no voafaokan'ny camion ary maty tsy tra-drano moa ity farany.

Izahay eto amin'ny Vaovao vao mafana dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakavina mana-manjo.

Sary indrana.

ANTEZA AMBOHIMAHASOA: 11 NO NAMOY NY AINY, 15 NARATRA VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA      Indro zaraina amintsika ny va...
26/09/2021

ANTEZA AMBOHIMAHASOA: 11 NO NAMOY NY AINY, 15 NARATRA VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Indro zaraina amintsika ny vaovao marina avy any ifotony tamin'ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga ny omaly asabotsy 25 septambra 2021 tamin'ny 08 ora sy 45 mn alina, teo amin'ny Pk305+400) RN7, toerana atao hoe Anteza, kaominina Fiadanana, distrika Ambohimahasoa faritra Matsiatra ambony:

Fiara taxi-brousse Sprinter avy Fianarantsoa sy fiara semi-remorque avy aty avaratra no nifandona.

Raha vao nahazo fanairana ny Zandarimaria dia nirohotra teny antoerana nanao vonjy aina sy fitsirihana ary fiarovana ireo zandary avy ao amin'ny Toby Ambohimpihaonantsoa (Camp Robin) sy Ambatofitorahana ary ny BRS Ambalamanakana. Tonga teo ihany koa BPR sy Compagnie GN Fianarantsoa notarihin'ny Komandin'ny Groupement GN Matsiatra-ambony.

11 ny olona namoy ny ainy, ka zaza sahabo 12 taona ny iray ary zazakely sahabo iray taona kosa ny faharoa. 15 no naratra mafy ka ny 13 nalefa notsaboina any amin'ny hopitaly ao Fianarantsoa raha ny 02 kosa no tsaboina ao amin'ny CSB 2 Camp Robin. Marihina fa ny roa amin'ireo naratra dia mpamily sy olona iray tao amin'ilay camion.

I Charles mpamilin'ilay Sprinter dia namoy ny ainy ihany koa. Potika tanteraka io fiara io ary nivarina anaty hantsana amin'ny ilany havana raha avy any Fianarantsoa, sahabo 30 metatra eo ho eo.

Ilay camion Renault prémium kosa, izay nisy olona roa sy simenitra ary vy, dia latsaka tamin'ny hantsana havia, sahabo ho 10 metatra.

Rehefa nosavaina ilay fiara Sprinter dia hita tao ny manifold izay nahafahana niantso ny fianakavian’ireo mpandeha.

Mankahery ny fianakaviana namoy havana; Mirary fahasitranana haingana hoan'ireo naratra.

Farany, disoana tanteraka etoana ny fanaparitahana vaovao tsy marina fa nilefa na niala jiolahy mpanakan-dalana no nihavian'ny loza.

Source: GN
Sary: Viva événement

25/09/2021

Anteza RN7

Fiara Mercedes Benz 9279 TBL any koperativa Kompiama hiakatra ho aty Antananarivo no tra-doza tao Anteza amin'ny lalam-pirenena faha 7 iny io alina io. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa mihoatra ny folo no namoy ny ainy amin'izao ao amin'ny hopitaly camp robin.
Ampitainaina eto ihany vy vaovao farany mahakasika ity loza ity

Izahay eto amin'ny Vaovao vao mafana dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakavina mana-manjo rehetra.

Source: Mamiarilala Rafa

Urgent 🔥Ilazana izay mahfantatr azy fa niharan'ny lozam-pifamoivoizana ny tenany Ka efa noentina namonjy toeram-pitsaboi...
13/09/2021

Urgent 🔥
Ilazana izay mahfantatr azy fa niharan'ny lozam-pifamoivoizana ny tenany Ka efa noentina namonjy toeram-pitsaboina eny

AmbositraTranga mampalahelo, vono olona mahatsiravina.Tovovavy kely iray no hita faty , niharan'ny fanolanana ity farany...
11/09/2021

Ambositra

Tranga mampalahelo, vono olona mahatsiravina.
Tovovavy kely iray no hita faty , niharan'ny fanolanana ity farany avy eo novonoina.
Izahay eto amin'ny Vaovao vao mafana Dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.

Ny hevitrao mahakasika ny toe-tsain'ny zana-gasy amin'izao?
10/09/2021

Ny hevitrao mahakasika ny toe-tsain'ny zana-gasy amin'izao?

DIGUE AMBOHITRIMANJAKA :Fiara kely iray no tra-doza latsaka any anaty rano tetsy amin'ny digue Ambohitrimanjaka izao mar...
10/09/2021

DIGUE AMBOHITRIMANJAKA :

Fiara kely iray no tra-doza latsaka any anaty rano tetsy amin'ny digue Ambohitrimanjaka izao maraina izao.
Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy ny namoy ny ainy sy ny maratra.

Ny ekipan'ny Vaovao vao mafana dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakavina mana-manjo.

09/09/2021

58,01% ny taham-pahafahana Bakalorea hoan'Antananarivo.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena faha 4 ny hariva teo.Fiara sprinter mpitatitra tana-andapa no nivadika...
07/09/2021

Nitrangana lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena faha 4 ny hariva teo.
Fiara sprinter mpitatitra tana-andapa no nivadika tena ankazobe Ka ireo ny lisitry ny mpandeha rehetra tao anaty fiara.efa noentina namonjy toeram-pitsaboina ireo naratra.

Photo du jourAlefaso eo  Ary ny pronostic-nao
02/09/2021

Photo du jour
Alefaso eo Ary ny pronostic-nao

Lozam-pifamoivoizana anikeo atoandroSprinter mpitatitra no niharan-doza tao mandoto RN34 , nohon'ny fandehanana mafy Dia...
16/08/2021

Lozam-pifamoivoizana anikeo atoandro

Sprinter mpitatitra no niharan-doza tao mandoto RN34 , nohon'ny fandehanana mafy Dia vaky ny kodiarana kanittarika ny fivadihana.
Volany, olona roa no nondaosin'ny fahafatesana Ary naratra mafy ny ambiny.
Mirary fiononana feno Ho an'ny fianakaviana

Antohomadinika Tratran'ny fokonolona anikeo maraina  Ilay mpanendaka izay efa ikoizana teny antohomadinika. Niharan'ny f...
16/08/2021

Antohomadinika

Tratran'ny fokonolona anikeo maraina Ilay mpanendaka izay efa ikoizana teny antohomadinika. Niharan'ny fitsaram-bahoaka ny tenany avy eo natolotray manam-pahefana

GOVERNEMANTA VAOVAOHivoaka rahampitso Alahady 15 Aogositra 2021 amin'ny 4 ora tolakandro eny amin'ny Lapam-panjakana Iav...
14/08/2021

GOVERNEMANTA VAOVAO

Hivoaka rahampitso Alahady 15 Aogositra 2021 amin'ny 4 ora tolakandro eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Governemanta vaovao tarihin'ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Hande mivantana ao amin'ny TVM moa izany lanonana izany.

Source: www.depeche-taratra.mg

Hafakely!!!Mitokona ireo Mpivaro-tena fa tsy hita ny vazaha mpanao fizahantany mamoafady
12/08/2021

Hafakely!!!
Mitokona ireo Mpivaro-tena fa tsy hita ny vazaha mpanao fizahantany mamoafady

🔥SOS 🔥Mba mangataka tolon-tanana i Amboara zazavavy kely efa-bolana (4 mois). Fony vao teraka izy dia efa nivonto ny ton...
11/08/2021

🔥SOS 🔥
Mba mangataka tolon-tanana i Amboara zazavavy kely efa-bolana (4 mois).
Fony vao teraka izy dia efa nivonto ny tongony ilany. Nentina teny amin’ny Hjra avy hatrany nefa tsy nahitam-bokany fa vao mainka nihombo ny aretina hatramin’izao. Amin’izao fotoana, miditra ao amin’ny hopitalin’ny zaza ao Befelatanana i Amboara. Noho ny fitsaboana natao tao anatin’izay fe-potoana izay, miha ritra ny eo ampelan-tanan’ny ray aman-dreniny. Isika rahateo vao avy nandalo krizy, ny fiainana miha mafy ka misedra fahasahiranana mafy izy ireo. Araka izany, dia manao antso amin’ireo malalan-tanana izy mivady kely na ara-bola na ara-moraly, indrindra ny vavaka hanampy azy ireo amin'ny fitsaboana an’i Amboara, zanany voalohany.
Inty ny laharana ahazoana na andefasana an'ilay fanampiana :
Tel : 034 82 519 61 (Mvola) : Masi tsiivay fofotsidiny
Mankasitraka mialoha izay hanampy izy ireo. « Tahin'Andriamanitra daholo Tompoko »
source: gazetiko

Tranga mampalaheloLehilahy iray handevina ny vadiny no nondaosin'ny fahafatesana tamina lozam-pifamoivoizana.Niharan-doz...
10/08/2021

Tranga mampalahelo

Lehilahy iray handevina ny vadiny no nondaosin'ny fahafatesana tamina lozam-pifamoivoizana.
Niharan-doza Ilay fiara andeha andevina olona iray no Maty Ary naratra mafy ny ambiny tao Amboanana Itasy anikeo maraina.
Mirary fiononana feno Ho an'ny fianakaviana

Vaovao any ivelanyMiha-mahazo vahana ity fikasana hamono mpiasam-panjakana ambony ity manerantany.Tany TCHAD izao dia ny...
05/08/2021

Vaovao any ivelany

Miha-mahazo vahana ity fikasana hamono mpiasam-panjakana ambony ity manerantany.

Tany TCHAD izao dia ny Tale jeneralin'ny fadintseranana teo aloha BEGUERA dia notafihin'ny andian-jiolahy tsy fantatra.

Raha ny angom-baovao azo dia maromaro ny olona naratra izay efa nalefa namonjy fitsaboana avokoa.

Source: tchad Haguinai tchad Haguina

HAITRANO TAO MANANJARY OMALY.Miisa 252 eo ireo trano may kilan'ny afo ka.lasa lavenona avokoa ny fananana rehetra . Olon...
04/08/2021

HAITRANO TAO MANANJARY OMALY.

Miisa 252 eo ireo trano may kilan'ny afo ka.lasa lavenona avokoa ny fananana rehetra . Olona 1021 no tra-boina ka mpianatra hiatrika fanadinana Baccalauréat ny 17 amin'ireo.
Raha ny voalazan'ireo niharam-boina dia tandrevaka tao amin'ny tokan-trano iray no nahatonga ny loza.

Tonga nitondra teny fampaherezana ho an’ny fianakavian’i   teny Ambohitsoa ireo artista Malagasy namany sy ny OMDA andro...
03/08/2021

Tonga nitondra teny fampaherezana ho an’ny fianakavian’i teny Ambohitsoa ireo artista Malagasy namany sy ny OMDA androany tolakandro.
"Mandriam-piadanana ALOMA"

Izahay eto amin'ny Vaovao vao Mafana dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany
source: 24hMada

MIFITRA AMIN'NY LÂMETovolahy iray antsoina hoe "Paul" no tratra ambody omby niditra tao amin’ny fefin’ny poste de polisy...
03/08/2021

MIFITRA AMIN'NY LĂ‚ME

Tovolahy iray antsoina hoe "Paul" no tratra ambody omby niditra tao amin’ny fefin’ny poste de polisy Ambohimilamina Ambositra androany 3 Jolay 2021 tokony tamin’ny 03 ora sasany maraina.

Tsikaritr’ilay polisy manao fiambenana ny nidirany ary narahiny maso tsara soa dia mba olona misy vonjy satria ny andro mbola tena maizina.

Tsy nisalasala ilay rangahy nanantony teo amin’ireo moto nipetraka ao anaty fefy ary nisafidy tsara izay tiany dia nanosika moramora ka izy handeha hivoaka ny vavahady ka no noraisim-potsiny .

Tranga Hafakely sy Mahavariana miseho any PhilippineIsan-taona ao Philippine dia ahitana mpino Katolika mahatoky manolot...
31/07/2021

Tranga Hafakely sy Mahavariana miseho any Philippine

Isan-taona ao Philippine dia ahitana mpino Katolika mahatoky manolotena mba ho homboana amin'ny hazo fijaliana tahakan'ny nahazo an'i Jesoa satria reharehan'izy ireo tokoa mantsy ny miaina izany fijalian'ny tompo izany.

Araka ny fantatra moa dia tena kapohina sy rorana izy ireto ary fantsihina amina fantsika 8 sentimetatra eo amin'ny hazo fijaliana ihany koa mba tena hiaina ny fijalian'ny kristy ny zoma masina.

Hafa kely tokoa satria tena vitan'izy ireo ny miharitra izany hirifiry niainan'ny Tompo izany.

TENY KELY HO AN'IZY IRETO
source: Afrodiz

Tetezan' AndranofasikaNitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin'ny Tetezan' Andranofasika RN4 androany maraina, mbola tsy...
31/07/2021

Tetezan' Andranofasika

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin'ny Tetezan' Andranofasika RN4 androany maraina, mbola tsy fantatra mazava ny isan'ny mpandeha tamin'izany.
Araky ny fitantaran'ireo nanatry maso dia vokatry ny fandehanana mafy no niavian'ny loza.
Mangataka ny mponina ao an-toerana ny hanitarana io tetezana io na hanisy casseur de vitesse eo fa hitrangana loza-pifamoivoizana matetika io toerana io.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao vao mafana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share