DRH MAEP

DRH MAEP SERASERA DRH MINISTERE FAMBOLENA SY FIOMPIANA ARY JONO

26/08/2021
23/08/2021
20/08/2021
15/08/2021

Tontosa androany 15 aogositra 2021 ny fametrahana ny Governemanta vaovao teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Araka ny efa nambara sy ny lamin’asa napetraka ary ny fifanarahana natao dia "contrat-programme-résultat" no fepetra mifehy ireto mpikambana vaovao mandrafitra ny Governemanta ireto. Izany hoe mitaky vokatra sy fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka, ny fandraisan’andraikitra eo anivon’ny firenena.

Ny fananganana ity Governemanta vaovao ity dia natao laharam-pahamehana ny hisian’ny miralenta sy ny fifandanjan’ny isam-paritra. Araka izany dia misy solotenan'ny faritany enina ary mandray andraikitra ao avokoa ny zanaky ny faritra rehetra.

Niarahaba ireto mpikambana vaovao eo anivon'ny Governemanta ireto ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nohamafisiny tamin'izy ireo fa Governemantan'ny asa no napetraka. Izany hoe fomba fiasa mitaky vokatra, ary ny vahoaka Malagasy no hanara-maso ny asan'ny
tsirairay avy. "Miditra amin'ny tapany faharoa amin'ny fotoam-piasana nomen'ny vahoaka isika. Ary tonga amin'ny fotoana handehanana aingana kokoa amin'ny fanatanterahana ireo Velirano izay natao. Noho izany dia handrasana avy aminareo Minisitra ny fidinana ifotony, ny fihainoana sy ny famaliana ny hetahetam-bahoaka" hoy hatrany ny Filoha.

Mazava ny torimarika sy ny lalan-tsaina nomeny ireto Minisitra vaovao ireto hahatratrarana ny tanjona sy hanatanterahana ny asan'izy ireo: miasa aingana, miasa tsara ao anatin’ny fahitsiana, ny mangarahara, ny fitandrovana hatrany ny tombontsoa iombonana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena.

15/08/2021
15/08/2021
15/08/2021
15/08/2021

Governemantan’ny asa no apetratsika :

👉 Asa mitondra vokany, misy fiantraikany mivaingana amin'ny vahoaka, azo refesina, mipaka eny ifotony, indrindra any amin’ny distrika rehetra manerana ny Nosy no tanjona.
👉 Governemanta miasa hoan’ny firenena.
👉 Miasa ho an’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo.

Betsaka ny andrasan'ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy aminareo eo amin'ny sehatra hiandraiketanareo tsirairay avy manomboka androany.

Noho izany dia andrasana avy aminareo Ministra ny fidinana ifotony, ny fihainoana sy ny famaliana ny hetahetam-bahoaka. Ny vina napetraka rahateo dia efa mazava : ny fanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an’I Madagasikara, ny fanarenana ary ny fitondrana fivoarana haingana sy maharitra.

11/08/2021
08/08/2021
22/07/2021
20/07/2021

Miarahaba ny mpino Silamo manerana ny nosy amin'izao fankalazana ny Eid Al-Aldha izao. Mirary soa sy fahasalamana ho an'ny rehetra.

Eid Al-Aldha Mubarak !

20/07/2021

Manomboka androany 19 jolay ka hifarana amin'ny alakamisy 22 jolay ho avy izao ny fanadinam-panjakana BEPC. Koa dia mankahery anareo zandry, zanaka miisa 325 253 mianadahy izay hiatrika izany any amin'ireo ivom-panadinana miisa 1056 eto Madagasikara ny tenako. Mirary soa sy fahombiazana sahady ho anareo tsirairay avy

18/07/2021

Mankasitraka manokana ny Filoha Alassane Ouattara ny tenako tamin'ny fandraisana ny IDA20 izay dingana lehibe hitondra ho amin'ny fanarenana ara-toekarena an'i Afrika. Vonona I Madagasikara ny hanamafy ny fiaraha-miasa amin'i Côte d'Ivoire eo amin'ny sehatry ny cacao sy ny volamena.
-----
Je remercie chaleureusement le président Alassane Ouattara d’avoir accueilli pour franchir une nouvelle étape dans la transformation économique de notre continent. entend renforcer sa coopération bilatérale avec la Cote d’Ivoire dans les domaines du cacao et de l’or.

04/07/2021

🔴 📣✨✨87,1% d'efficacité✨✨🍾 Résultats Essais Cliniques

Voaporofo fa ✨ 87,1%✨ ny taham-pahombiazan'ny 💊CVO+ Plus CURATIF 💊 amin'ny fitsaboana ireo mararin'ny ''coronavirus'' na ''COVID-19"

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Asandrato ny vokatra Malagasy 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 CVO+ Plus CURATIF 💊🇲🇬🇲🇬🇲🇬

PHARMALAGASY, ''Hanova ny tantara amin'ny alalan'ny Siansa''

www.pharmalagasy.mg

Address

Ambohibao

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRH MAEP posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to DRH MAEP:

Share

Nearby media companies


Other News & Media Websites in Ambohibao

Show All