๐ฏ๐ ๐ถ๐ฎ๐ป๐ธ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ผ๐ป๐๐ผ๐น๐ผ ๐ฎ๐ฟ๐ฎ-๐๐ผ๐ฒ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฎ ๐๐ ๐ฎ๐ฟ๐ฎ-๐๐๐ผ๐๐ถ๐ฎ๐น๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ฑ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ผ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฒ๐ต๐ฎ๐๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ฎ๐๐ฎ.
๐Zava-dehibe araka izany ny famoronanโasa noho ny hamaroanโireo tanora nahavita fianarana hoy Atoa ANDRIAMAHEFAZAFY Fanomezantsoa, sojabenโny facultรฉ dโรconomie, de Gestion et de Sociologie (EGS) eny aminโny Universitรฉ dโAntananarivo, ary anatinโny seha-pikarohana momba ny ยซ รฉconomie de lโenvironnement ยป
๐ฏNambarany ihany koa fa ilaina ny fisarihana mpampiasa vola ary andraikitry ny fanjakana ny mametraka ny ยซincitation ยป sy mamantatra raha mamaly ny filร na ara-toekarena tokoa ve ilay mpandraharaha hisehatra eto.
RWANDA: miroborobo haingana be ny toe-kareny!
RWANDA, ho Singapour aty Afrika aminโireo taona 2020
Malaza tato ho ato i Rwanda sy Paul Kagamรฉ filohany. Ry zareo Rwandais dia miketrika ho lasa Singapour aty Afrika aminโireo taona 2020 miditra io : efa rentsika ireo orinasa goavana mibosesika any, milaza koa ingahy P. Kagame fa manamora ny fahatongavanโny mpampiasa vola any aminy, miezaka ry zareo mba ho lasa ny ankizy tsara fanabeazana indrindra aty Afrika ny mpianatra rwandais, hentitra izy aminโny fanajana lalร na (misy milaza fa didy jadona koa).
Mazava be ny vina tianโi Rwanda aleha, fantany ny lalan-kizorany, manaraka koa ny vahoaka manontolo na tsy voatery ho faly daholo azy.
Ary isika ?
FIROBOROBOANA ARA-TOEKAREN' i VIETNAM
VIETNAM: Niroborobo haingana be ny toe-kareny
30 taona lasa izay, tanatinโireo firenena nahantra indrindra naneran-tany i Vietnam,ankehitriny anefa dia anisanโireo firenena matanjaka ara-toekarena ary afaka mifaninana aminโireo firenen-dehibe toa anโi Chine izay mpifanila-bodirindrina aminy ity firenena aziatika ity.
Maro ireo dingana sy fanovana rafitra hita tao Vietnam talohanโny nahatongavany eo aminโizao toerany ankehitriny izao.Nanova rafitra ara-piarahamonina, teo aminโny sehatry ny fampianarana ary indrindra indrindra ny fampiasam-bola anatiny.Anisanโny politika nimasoanโireo mpitondra tao Vietnam ny fanamorana ny fahatongavanโireo mpampiasa vola vahiny sy ny fifampiraharahana ara-barotra.Ny fahazoana tsena tokoa tsinona dia anisanโny misarika ireo mpampiasa vola ahafahany mamoaka ny vokany.Fehiny,ny fampiasam-bola vahiny,ny fivelarana aminโny tsena ivelany no anisanโny singa nanosika sy nampandroso haingana anโity firenena iray ity.