03/12/2024
Voalaza ao anatin'ny CAHIER DES CHARGES nafenin'ny Base Tulear fa :
- rano madio 500m3/heure no trohan'ny Base Tulear avy any anaty nappe phrรฉatique. Inona sisa no avela ho an'ny taranaka
- tsy ampy 500 akory no asa miforona amin'io tetik'asa io. Omeo orinasa Zone franche iray fotsiny i Tulear dia mahazo aza 1000 ka hatramin'ny 3000 fa tsy io POIZINA io no amitahana ny vahoaka Malagasy eto.
- resaka asa ihany : 27 000 ny mpanjono ho very asa satria hampiakatra temperature sy hanimba tontolo iainana an-tanety sy an-dranomasina ny Base Tulear
- tontolo iainana : ho potehin'ny Base Tulear ny alan'i Mangily izay "poumon" iainan'i Toliara sy toerana misy rano
- ho potika tanteraka ny fizahan-tany satria 3km miala ny ranomasina no hanaovany lavaka lalina be 40 ha hatramin'ny 60m amin'ny toerana 3000 ha
- hopotehiny ny baobab aman'aliny tsy misy afa-tsy eto Madagasikara.
- hivezivezy ao an-tampon-tananan'i Toliara ny camions hitatitra 160 tonnes isan'andro.
Averiko eto ity vidรฉo ity, manazava ny antony anoheran'ny vahoaka an'io BASE TULEAR - POIZIM-BAHOAKA io.
Tsy hadalan'ny Vazaha ny mampanantena 5 milliards $ isan-taona amin'ny mpitondra satria avo 10 heny amin'izany ny vola miditra any am-paosiny amin'ny fitrandrahana fasi-mainty. AZA BADO SY MORA FITAHAN'NY VAZAHA IANAREO MPITONDRA !
Efa nofitahin'ny Sinoa tamin'ny fanaovana ny Kianjan'i Mahamasina. Nofitahan'ny Frantsay tamin'ny teleferika. Izao indray fitahan'ny Australiana. Manimba ny fiainan'ny vahoaka ny tsy fahaizanareo mitantana.