Télévision Le Buffet Toliara

Télévision Le Buffet Toliara Le Buffet TV Le Buffet TV_Officiel

🎯Tontosa  io marainan’ny faha 24 Septambra io ny fametrahana ireo antontataratasy filatsahan-kofidiana Ben’ny Tanàna nat...
24/09/2024

🎯Tontosa io marainan’ny faha 24 Septambra io ny fametrahana ireo antontataratasy filatsahan-kofidiana Ben’ny Tanàna natolotrin’ny Vovonana IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin'i Andry Rajoelina) ato amin’ny Kaominina Toliara Renivohitra izay ahitana an’i Andriamatoa RABEHAJA Jean sy ireo kandidà amin’ireo Kaominina mandrafitra ny Distrikan’i Toliara II.

☝️Hentitra dia hentitra ny Sekretera Nasionaly ny Antoko TGV ato amin’ny Faritanin’i Toliara sady Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritanin'i Toliara, Andriamatoa TINOKA Roberto, amin’ny fitandroana ny mangarahara mba tsy hiverenan’ireny tranga tsy fanarahan-dalàna sy hosoka maro isan-karazany izay hita nandritran’ireny fifidianana Solombavambahoaka ireny mba ho fifidianana madio sy mangarahara ary itokisan’ny vahoaka no misy eto Toliara.

✅Mitaky ihany koa izy ny hanoloana olom-baovao an’ireo olona nanao zavatra tsy ara-dalàna tao anatin’ity rafitra Mpikarakara Fifidianana eto Toliara ity, izay nahatonga an’ireny trangan-javatra tsy ara-dalàna ireny mba ho Fifidianana madio ka izay tena safidim-bahoaka marina no mivoaka eo.

⚠️Tsara marihina fa betsaka ireo kara-pifidianana notazomin’ireo izay nividy safidim-bahoaka nandritran’iny fifidianana Solombavambahoaka iny ka tsy ho avela an-javony fotsiny izany hoy hatrany Andriamatoa TINOKA Roberto fa hisy ny fitsirihana izay arahina fandraisana fepetra hentitra.

🎯Tontosa soa aman-tsara ny fihaonan' Andriamatoa Roberto Tinoka Solombavambahoakan'i Toliara Voalohany sady Filoha lefit...
09/09/2024

🎯Tontosa soa aman-tsara ny fihaonan' Andriamatoa Roberto Tinoka Solombavambahoakan'i Toliara Voalohany sady Filoha lefitry ny Antemieram-pirenena misahana ny Faritanin'i Toliara, tamin'ireo vahoaka teto amin'ny Fokontany 3, Kiembe haut sy Kiembe bas ary Mahavatse I Ouest. Na teo aza izany dia tonga maro nanotrona an'izao lanonana izao ihany koa ireo vahoaka tamin'ireo Fokontany maro eto an-tampotanana.

✅Fisehoana voalohany tamin'ny vahoaka eto Toliara taorian'ny nahalany azy izao tanteraka ny Alahady faha 8 Septambra izao, izay nitodihana manokana mba hanamaivanana ny fahasahiranan'ireo Ray amandReny amin'izao fidiran'ny mpianatra izao ka nisy araka izany ny fizarana fitaovam-pianarana ho an'ny mpianatra sy kojakoja an-dakozia maro isan-karazany ho an'ireo Ray amandReny. Araka ny fomba amam-panaontsika manao hoe "LILY AVONO, LILY TSY VONOE" dia nanolotra omby ihany koa izy mba ho nofon-kena mitam-pihavanana.

✅Marihina fa mbola santatra am-bavarano ihany ity hetsika ity fa mbola hitohy amin'ny manaraka.

✅Iaraha-mahita ny fahasahiranantsika Ray amandReny amin'izao fiatrehana ny fidiran'ny mpianatra izao. Ka mba hanamoràna ...
07/09/2024

✅Iaraha-mahita ny fahasahiranantsika Ray amandReny amin'izao fiatrehana ny fidiran'ny mpianatra izao. Ka mba hanamoràna an'izany dia mila mifanampy isika mpiara-belona, mila mifampitolitolike amy ty sarotse.

❤️Mahatsapa an'izany fahasarotana lalovantsika izany i Andriamatoa TINOKA Roberto, Solombavambahoakan'i Toliara Voalohany sady Filoha lefitry ny Antemieram-pirenena misahana ny faritanin'i Toliara, ka ho entiny misantatra ny fisehoany voalohany amintsika vahoaka eto Toliara taorian'ny nahalany azy ny fizarana kojakoja sy fitaovam-pianarana ary hisy ihany koa fitaovana an-dakozia isan-karazany, ka tsy hadino amin'izany ny fomba ampanaontsika toy ny fizarana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana.

🎯Fokontany 3 manaraka ireto no hisantarany an'izany fizarana fanomezana izany:
👉Mahavatse Ier Ouest
👉Ankiembe haut sy 👉Ankiembe bas ka eny amin'ny toerana malalaka eny Ankiembe bas ny rendez-vous-tsika Fokontany voalaza ireo rahampitso faha 🗓️8 Septambra 2024, manomboka amin'ny 🕒3ora Tolakandro.

Izay e!
Aza hadino:
🗓️🕒Fotoana: rahampitso 8 Septambra 2024 amin'ny 3ora Tolakandro
👉Toerana: Kianja malalaka eny Ankiembe bas
🧾Antony: Fizarana fitaovam-pianarana sy kojakoja an-dakozia, hanalana fahahiranantsika Ray amandReny arahina nofon-kena mitam-pihavanana

Marihina fa mbola santatra am-bavarano ihany ity fa ny manetsabe mbola ho avy

🎤🎺🥁🔊Haresaky io fa hisy lamozika hanafana ny lanonana.

26/05/2024

FIDIO TINOKA ROBERTO
Candidat n°2
@29 MAI

25/05/2024
09/05/2024

TOLIARAKO, TOLIARANAO, TOLIARANTSIKA TSY MAINTSY MANDROSO

01/09/2021
30/05/2021
30/05/2021

Address

Tulear

Telephone

+261342889956

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Télévision Le Buffet Toliara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share

Category


Other TV Channels in Tulear

Show All