Ramalanjaona Siblings

Ramalanjaona Siblings A new day, a new destination

Mendrika ho anao ny tsara rehetra: fiainana, fitiavana, ankohonana, fianakaviana, asa,fahombiazana…FiadananaHo taona hen...
06/01/2024

Mendrika ho anao ny tsara rehetra: fiainana, fitiavana, ankohonana, fianakaviana, asa,fahombiazana…Fiadanana

Ho taona heniky ny soa!


Madiva hifarana ny taona, dia hoy izahay hoe: Isanandro afaka mifamela heloka foana fa tsy isaky ny fiafaran’ny taona ih...
01/12/2023

Madiva hifarana ny taona, dia hoy izahay hoe: Isanandro afaka mifamela heloka foana fa tsy isaky ny fiafaran’ny taona ihany.

Tagueo kely aloha ilay olona nanao izay nahasosotra tamin’ity taona 2023 😅 tsy voatery lazaina ny antony…


🔥Tena mafana ny andro 🔥💦Misotroa rano tsara o!!!💦6 - 8 kaopy na 1,5l - 2l no antonony indrindra…Raha mampinono na manao ...
30/11/2023

🔥Tena mafana ny andro 🔥

💦Misotroa rano tsara o!!!💦
6 - 8 kaopy na 1,5l - 2l no antonony indrindra…Raha mampinono na manao fanatanjahantena sy tsemboka lava dia manatombo kokoa ny filan’ny vatana.

29/11/2023

Aza adinoina ny M antsika: mivavaka, mitia, mankasitraka, miezaka, mivoatra.
🙏

Aza manenina ny amin’izay tsy vita, aza miezaka miaro-tena na mitady fialan-tsiny. Iaino sy araraoty aloha ny ankehitrin...
03/11/2023

Aza manenina ny amin’izay tsy vita, aza miezaka miaro-tena na mitady fialan-tsiny.
Iaino sy araraoty aloha ny ankehitriny.


Raha tiana hanjaka ny fifankatiavana dia fehezina tsara ny mahasoa ny tena sy ny mahasoa ny hafa. Eny, katsahana be mihi...
24/10/2023

Raha tiana hanjaka ny fifankatiavana dia fehezina tsara ny mahasoa ny tena sy ny mahasoa ny hafa.

Eny, katsahana be mihitsy ny mahasoa ny hafa amin’ny fiainana ary fitiavana sy fanolorantena ihany no hahavitana an’izany. Misosa fotsiny ny fifankatiavana rehefa mahay mifampitsinjo sy mifanasoa.

✨Hanao kely isika amin’ny faran’ny herinandro 😊 mety ho inona re e!!!

Efa dingana sy hetsika lehibe mankany amin’ny fahombiazana ny fanombohana. Raha te hahomby amin’ny fiainana, mila manomb...
16/10/2023

Efa dingana sy hetsika lehibe mankany amin’ny fahombiazana ny fanombohana. Raha te hahomby amin’ny fiainana, mila manomboka.

Arabaina lesy Joda nahatratra tanjona. Misandrata amin’ny ambony foana ho reharehanay ihany koa. Mifanohana hatrany amin...
09/10/2023

Arabaina lesy Joda nahatratra tanjona. Misandrata amin’ny ambony foana ho reharehanay ihany koa.

Mifanohana hatrany amin’ny dingana lalovana.

Coucou 👋🏼 Partage kely harivariva Sary 1: Plateau soins cheveux du jour (Type 3)👉🏼Principe : huile, shampooing ary eau d...
07/10/2023

Coucou 👋🏼 Partage kely harivariva

Sary 1: Plateau soins cheveux du jour (Type 3)
👉🏼Principe : huile, shampooing ary eau de rinçage ihany no azo atao amin’ny hodi-doha ary arahana massage. / Après Shampooing, masque, leavin, scellage no ahositra amin’ny longueur.
Lavalava ny procédé fa io mahafehy azy.
Raha misy fanontaniana dia valiana toy ny mahazatra foana anefa.

Sary 2: Gamme maxi pousse MAKOA Taly
👉🏼Produits azo andramana raha toa ka mihintsana be ny volo na te hanalava volo fotsiny.

Mirary soa 💋

Rehefa manao photo de groupe dia tsy maintsy misy olona 1 tsy vonona foana. Nefa ilay tsy vonona taloha indray no mety h...
04/10/2023

Rehefa manao photo de groupe dia tsy maintsy misy olona 1 tsy vonona foana. Nefa ilay tsy vonona taloha indray no mety ho tapa-kevitra irery amin’ny manaraka. Tsy miara-manja mihitsy e!

Nareo koa ve mahatsikaritra an’izany? 😅

(*Rehefa misy fotoana kely dia mba vakio Matio 20: 1-16)

Vendredi joli ☺️Aza adinoina ilay merci kely ao amin’ny coms
29/09/2023

Vendredi joli ☺️
Aza adinoina ilay merci kely ao amin’ny coms

Zara fikafika kely: GEL DE GOMBO(Vidéo en commentaire)Ny GOMBO dia legioma, sakafo fihinana, fatao laoka, fanaovan'ny af...
28/09/2023

Zara fikafika kely: GEL DE GOMBO
(Vidéo en commentaire)

Ny GOMBO dia legioma, sakafo fihinana, fatao laoka, fanaovan'ny africain sauce matsiro be. Ankoatran'ny otrikaina maro azo aminy dia sakafo be fibre sady antioxydant izy, tsy mampatavy.

Fa ny astuce entinay androany dia ny tombon-tsoa entiny ho an'ny karazam-bolo rehetra. Manome hydratation tsara no maivamaivana ery ilay volo rehefa asiana gel de gombo. Araho ao amin'ny commentaire ary ny fanamboarana sy fampiasana azy.


«Aza mihevi-tena ho hendry noho ny hafa.»⚠️Hevitr'i dada sy neny momba ny olona tsy manaiky diso mihitsy rehefa misy fif...
26/09/2023

«Aza mihevi-tena ho hendry noho ny hafa.»

⚠️Hevitr'i dada sy neny momba ny olona tsy manaiky diso mihitsy rehefa misy fifandirana ao an-tanàna.

Ahoana ny hevitrareo❓

1-2-3-4 «Ianaro foana ny fanetrentena»Mba ahafahana mandroso anefa dia mila fehezina. Tahaka ny zavatra rehetra, raha ta...
25/09/2023

1-2-3-4 «Ianaro foana ny fanetrentena»

Mba ahafahana mandroso anefa dia mila fehezina.

Tahaka ny zavatra rehetra, raha tafahoatra loatra dia tsy mahasoa. Raha tafahoatra ny fanetrentena dia ny mahaolombelona sy ny maha-izy azy ny olona iray mihitsy no voahosihosy.

Manana filamatra ianao eo amin’ny fiainana. [Principes, valeurs personnelles] Noho izany, ny fetran’ny fanetrentena dia eo amin’ny fotoana tokony hitenenana hanehoanao ny maha-izy azy anao [Personnalité] sy hiarovanao ireo filamatry ny fiainanao manokana.

🧐Diniho anie fa ny olona manaiky lava ny tsy rariny dia ho simba tokoa!

Herinandro soa ho antsika


24/09/2023

Tsy misy vonjy raha tsy aminao
Mpamonjy Tia o!mombà anay

23/09/2023

Ankasitrahana feno ianareo niara-nientana taminay tamin’ny
«Tacos matsiro-Asa soa» omaly!
Voaray ny fitiavanareo

Tantaraiko secret anie e! 😉Ny atao hoe «Cheveux naturels» na «cheveux vierges» aloha dia volo nisara-dalana tanteraka ta...
22/09/2023

Tantaraiko secret anie e! 😉
Ny atao hoe «Cheveux naturels» na «cheveux vierges» aloha dia volo nisara-dalana tanteraka tamin’ny appareils chauffants an-taona maro sady tsy nosetrasetraina tamin’ny lissage sns.

Izaho izao efa 40 mois no niala tamin’ny karazana fanatsorana volo rehetra. Efa nanapaka volo im-betsaka nanalana izay volo tsy salama rehetra dia nisolo volo vaovao salama.
Nisy fotoana efa nahazo resultats tsara be na boucles na longueur na volume dia nanao chute be noho ny antony ara-pahasalamana dia namerina nanapaka fohy kely indray.Ouf,départ zéro😢

Bref, faharetana sy fiaretana ary ezaka no mamintina ny fiainanay mikorontam-bolo…saingy tsy kivy na mbola tsy taka-maso aza ilay tanjona.

🪮Bonus kely amin’ity tantaram-boloko ity: tamin’ny 2019 aho nanova pdp dia ni-style be fa naturels ny voloko avy nosasana. Niverenako nojerena ilay izy izao, loza fa kay volo ringitra sy simba tanteraka tena mahonena😅Jereo ao amin’ny commentaire fa ataoko ao.

Misaotra namaky! hihi

[Mirindra]

21/09/2023

Ny fitiavana hono tsy mba mahalavi-tany!

👨‍👩‍👧‍👦Ny ankohonana aloha no Sekoly:-Ao no hikolokoloana ny «conscience morale» na fahafahana manavaka ny tsara sy ny r...
20/09/2023

👨‍👩‍👧‍👦Ny ankohonana aloha no Sekoly:

-Ao no hikolokoloana ny «conscience morale» na fahafahana manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny fitondrantena azo ekena na tsia.

-Ao no ampahafantarana ny zaza fa ny fihetsika sy teny atao rehetra dia misy fiantraikany ara-pihetsehampo amin’ny hafa.

Tadididio fa na tiana na tsy tiana dia fanahy voajanahary ao amin’ny olombelona ny mandrefy ny sanda ara-moralin’ny ankohonana iray arakaraky ny fihetsika sy ny resaky ny zaza notazaina tao. [Jugements de valeur]

✅Tsy noho izay fijerin’ny hafa izay ihany anefa fa ny fiainana ara-moraly dia fitadiavana fahasambarana sy fiadanana indrindra indrindra.

«Raikitra indray ny androany! Mitrakà! Alefa fa vitanao io.» Sady misakafo no mahazo an’io famporisihana tsara kely ilai...
20/09/2023

«Raikitra indray ny androany! Mitrakà! Alefa fa vitanao io.»

Sady misakafo no mahazo an’io famporisihana tsara kely ilaina amin’ny fiainana io.
Fa toerana mety hiarahana ihany koa ho an’ny mpifankatia. Taomy ary bae hihinan-kena ao amin’ny Grill'Hena Isoraka. 🥰

Fanaovana asa soa : Tacos 2 + Jus 1/2L = 12.000ar 🤗👉 Salama daholo, mbola mitohy hatrany reto ny fandraisana commande am...
18/09/2023

Fanaovana asa soa : Tacos 2 + Jus 1/2L = 12.000ar 🤗

👉 Salama daholo, mbola mitohy hatrany reto ny fandraisana commande amin’ity Tacos matsiro ity sady fanampiana ihany koa ❤️

👉 22 Septembre ny fanaovana livraison dia gratuite raha en ville sy ny manodidina

Mirary herinandro mahafinaritra 🌞

Tamin’ny mbola kely, inona no zavatra noheverinareo hoe fahasambarana❓(Mba ataovy mampihomehy ny valiny 🫣)🪮Ny anay ohatr...
15/09/2023

Tamin’ny mbola kely, inona no zavatra noheverinareo hoe fahasambarana❓
(Mba ataovy mampihomehy ny valiny 🫣)

🪮Ny anay ohatra izao hoe sambatra ny ankizy tsotra volo satria tsy mila bangoina amin’ny maraina fa tonga dia mety. Tena olana be ny fibangoana volo olioly, mankaleo anie izany e! 😭😅

⭕️ Sady manao asa soa no mihinana tacos matsiro kely 🤗👉 Tacos matsiro 2 + jus 1/2 L = 12.000ar 👉 Araka nolazainay omaly ...
05/09/2023

⭕️ Sady manao asa soa no mihinana tacos matsiro kely 🤗

👉 Tacos matsiro 2 + jus 1/2 L = 12.000ar

👉 Araka nolazainay omaly dia mba misy fifanampiana mba hiangavianay aminareo. Fanampiana ho an’ny namana akaiky marary izay mikasa hanao fandidiana izy ity raha efa nanaraka ny publication anay ao ambany ao ianareo.

🙏🏻 Aza misalasala mandray anjara ary fa ny asa soa vita sady voky ny kibo 🥰

Namana nomen’ny natiora hono ny mpiray tampo. Ny pozinay rehefa manao ny fialamboly tianay indrindra 🥰 (miknou 🤣)🫶🏽Andao...
04/09/2023

Namana nomen’ny natiora hono ny mpiray tampo. Ny pozinay rehefa manao ny fialamboly tianay indrindra 🥰 (miknou 🤣)

🫶🏽Andao mba hifanampy aminay amin’ny indray. Rahampitso amin’ny 7ora ny andinindininy.

03/09/2023

“Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo”
II Kor. 9: 8

🎈Mitomboa amin'ny fahasoavana❗

🕘 SeptembreVolana vaovao hahatanteraka ilay nofinofy tamin'ny fiandohan'ny taona!!! 🙏Raha mbola tsy tanteraka ny tanjona...
01/09/2023

🕘 Septembre
Volana vaovao hahatanteraka ilay nofinofy tamin'ny fiandohan'ny taona!!! 🙏
Raha mbola tsy tanteraka ny tanjona dia aza kivy manohy ny ezaka efa natomboka.

Mirary soa e❗

(*Tianay mihitsy ity sary ity)

Dada sy Neny o! Andao mba hifampizara bon plan rentrée! Raha mahita magasins na pages mivarotra fitaovana mora (na/sy ts...
28/08/2023

Dada sy Neny o!
Andao mba hifampizara bon plan rentrée!

Raha mahita magasins na pages mivarotra fitaovana mora (na/sy tsara) na kitapo na akanjon’ankizy, kiraro, kapa sns… dia mba ataovy ao amin’ny commentaires sao mahasoa ny hafa.
Ity sisa ny herinandro farany hiomanantsika.

Mirary sahady ny zanantsika hahomby!

Mardi gras tao Itaosy Unis…Tsara kosa aloha raha plan goûter e!  /   no safidin’ny zaza amam-behivavy teto.Puzzle (*Fa a...
15/08/2023

Mardi gras tao Itaosy Unis…Tsara kosa aloha raha plan goûter e! / no safidin’ny zaza amam-behivavy teto.

Puzzle


(*Fa aza adinoina ihany koa ny manjifa Sandwich hanaovantsika asa soa ao amin’ny post ao ambany ao)

14/08/2023

🚩Sport

Fanatanjahantena mety amintsika be be vatana…Sady manala stress.🥵

Araka ilay post ao ambany ao dia sitrakay raha mba misy mazoto hifanampy aminay amin’ity cas sarotsarotra iray ity. 💔Mis...
12/08/2023

Araka ilay post ao ambany ao dia sitrakay raha mba misy mazoto hifanampy aminay amin’ity cas sarotsarotra iray ity.

💔Misy namana akaiky be anay, misy «fibrome utérin» ny Neniny. Rehefa vita moa ny fizahana rehetra dia tsy maintsy handalo fandidiana vonjimaika ka hesorina tanteraka ny «utérus» satria manao menace-na cancer. Noho ny halafon’ny fitsaboana dia manao izao fanentanana izao izahay ho fanampiana azy.

🍔 «Opération Sandwich baguette »[ Poulet-Sardine-Mortadelle de volaille] sy Jus 1l [Corosol- Orange- Citron- Tamarin] Prix: 15 000 Ar

📅 Alatsinainy 21 Aogositra ny fanaovana livraison

🤍Fa azo atao ihany koa ny manao fanampiana mivantana amin’ny alalan’ny fanomezana vola izay foy. MVola 034 32 629 46 Nasolo

Raha toa ka mazoto amin’ireo ianao dia afaka miditra MP manao Commande na mandefa ny fanampiana mivantana any aminy. Mankasitraka mialoha ny amin’ny fitiavana.🙏🏼

«Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra.» Ohabolana 17:17 a

Address

Tanjombato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ramalanjaona Siblings posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Videos

Share


Other Digital creator in Tanjombato

Show All